Skip to content
مقدمة وغلاف المنتقى من موسوعة الأحاديث النبوية

مقدمة وغلاف المنتقى من موسوعة الأحاديث النبوية

1- Amin'ny anaran'Allah, ilay Be Fiantrana, ilay Be Indrafo. Teny fampidirana Dera ho an’Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny tsodranon'Allah sy ny fiadanana anie ho amin'ny Mpaminany Mohammad (S.A.W) sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy sy izay manaraka azy ireo amin'ny fahamarinana mandra-pahatongan'ny andro fitsarana, aorian’izany : Ny zava-dehibe indrindra tokony ho fikiran'ny mpino silamo; famakiana, fandinihana, famakafakana lalina, fianarana ary fampiharana - aorian'ny Bokin'Allah - dia ny fomba aman-panaoan’ilay Irak'Allah (S.A.W), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :…

Language: lang_mg
Prepared by:
Version: 1.0

1- Amin'ny anaran'Allah, ilay Be Fiantrana, ilay Be Indrafo.

Teny fampidirana

Dera ho an’Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny tsodranon'Allah sy ny fiadanana anie ho amin'ny Mpaminany Mohammad (S.A.W) sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy sy izay manaraka azy ireo amin'ny fahamarinana mandra-pahatongan'ny andro fitsarana, aorian’izany :

Ny zava-dehibe indrindra tokony ho fikiran'ny mpino silamo; famakiana, fandinihana, famakafakana lalina, fianarana ary fampiharana - aorian'ny Bokin'Allah - dia ny fomba aman-panaoan’ilay Irak'Allah (S.A.W), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Navelako teo aminareo ry olombelona, ka raha nifikirinareo tsara izany, dia tsy ho very mihitsy ianareo : ny bokin’Allah sy ny fomba amam-panaon'ny Mpaminaniny”. Notaterin’i Imam Malik, Ary niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : {Ary raiso izay nomen'ilay Iraka ho anareo, fa avelao kosa izay nanakanany anareo}. [ Al-Hashr : 7] Noho izany niezaka ny fikambanana mpiandraikitra ny fahalalana manokana momba ny Islam amin'ny fiteny samihafa sy ny fikambanana mpiantso sy mpanentana ny vondrom-piarahamonina ao Rabwah tamin'ny fananomanana rakipahalalana momba ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) ary nandika azy amin'ny fiteny maro samihafa.

Ary namoran'Allah ny fifantenana vondrona amin'ity rakipahalalana ity izay ilain'ny mpino silamo amin'ny finoany sy ny fiainany, miaraka amin'ny fampahafantarana fohy momba azy, ary fanazavana ny dikany sy ny heviny, ny sasantsasany amin'ireo tombontsoa azo aminy, ary ny famoahana azy amin'ity boky nomena anarana hoe : “Ilay voafantina tao amin’ny rakipahalalana momba ny Hadith-n'ny Mpaminany" Ny asa dia mifototra amin'ny fandikana azy ho any amin'ny fiteny velona rehetra eto amin'izao tontolo izao mba ho rakotra ny tombontsoa avy amin'ny votoatiny ary mampita ny fomba amam-panaon'ilay Iraka (S.A.W) ho amin'ny olombelona amin'ny alàlan'ny fiteniny.

Ary mangataka amin’Allah isika mba hanaiky izany asa izany, ary hanao azy ho asa feno fahasoavana, am-pahadiovam-po ho an’ilay Be voninahitra, ary hamaly soa izay rehetra nanampy tamin’ny fanomanana sy ny fandikana ary ny famoahana azy.

Ary ny fitahian’Allah sy ny fiadanana ho an'ny Mpaminantsika Mohammad

Famintinana fohy

Ny Hadith-n'ny Mpaminany no loharano faharoa amin'ny lalàna Islamika. Miteny Allah manao hoe : {Ary tsy miteny araky ny sitrapony izy (3) fa izany dia faminaniana tonga taminy} [An-Najm: 3-4]

Ary ity rakipahalalana momba ireo Hadith-n'ny Mpaminanay (S.A.W) izay voafantina dia ahitana vondrona hadith feno, izay ilain'ny mpino silamo amin'ny finoany sy ny fiainany miaraka amin'ny fampahafantarana fohy momba azy, sy fanazavana ny dikany sy ny heviny, ary ny sasantsasany amin'ireo tombontsoa azo aminy, izay voadika amin'ny fiteny velona rehetra eto amin'izao tontolo izao mba hiparitahan'ny tombontsoan'ny avy votoatiny ary fampitana ny fomba ama-panaon'ilay Iraka (S.A.W) ho amin'ny olombelona amin'ny alàlan'ny fiteniny.