Skip to content
صفة الوضوء والصلاة (مرئي)

صفة الوضوء والصلاة (مرئي)

Ahoana no ataoko rehefa hanao ny fahadiovana masina wouzou Aho ? ma (mim) Ny feo 1 Feon'ny fiantsoana " A'azany " (Kwadiny) 2

0%
Font size

Ahoana no ataoko rehefa hanao ny fahadiovana masina wouzou Aho ?

ma (mim)

Ny feo

1

Feon'ny fiantsoana " A'azany " (Kwadiny)

2

{ O ! Ianareo vahoaka mpino, rehefa mitsangana manatanteraka ny fanompom-pivavahana " Soalat " Ianareo, dia aoka mba sasao ny tarehinareo ary ny tananareo ihany koa ka hatramin'ny kionareo, ary aoka mba safoinareo ny lohanareo fa sasaina kosa ny tongotrareo hatreo amin'ny kitronareo }

[ Souraty Al-Maidat: andininy faha 6 ]

3

Tena marina fa tsy misy fanompom-pivavahana " Soalat " raha tsy misy ny fidiovana " wouzou ", ary tsy misy ihany koa ny fidiovana " wouzou " raha toa ka tsy misy ny fikasana, ary tsy misy ny fikasana raha tsy misy ny fahadiovam-po, ary ny fikasana dia ny toerana misy azy dia ao am-po, fa tsy amin'ny lela fotsiny.

4

Amin'ny anaran'ny Tompo " Allah "

Voalaza amin'ny lalàna ara-pinoana fa ny fanaovana " Bismillah " alohan'ny fanaovana ny fidiovana " wouzou ". Fa amin'izany dia hatombotsika ny fidiovantsika " wouzou " avy eo isika mampiasa ny " sihoak " fiborisina nify mba hanadiovana ny vava raha toa ka maivana ny fanaovana azy.

5

Sasana in-telo ny tànana roa, ary atomboka avy eo amin'ny tendron'ny ratsan-tànana ka hatramin'ny farany felan-tànana.

6

Sasana ny tànana ka hatreo amin'ny vozon-tànana in-telo mifanesisesy.

7

Ka atomboka izany avy amin'ny tànana an-kavanana ary dia sasana in-telo izany, avy eo manarak'izany dia ny tànana an-kavia sasana in-telo ihany koa.

8

Ka azo atao ihany koa ny manasa tànana an-kavanana avy eo ny tanana an-kavia ary averina sasana indray ny tanàna an-kavanana avy eo ny tànana an-kavia ary dia azo atao tahak'izany ihany ny tanana roa.

9

Ary mila azo antoka tsara fa efa tafiditra tsara ao an'elanelan'ny ratsan-tanantsika avokoa ny rano.

10

Avy eo isika mifindra manatanteraka ny fanotsanam-bava sy ny fanadiovana ny orona.

11

Ny fanotsam-bava dia ny fampidirana rano ao am-bava, ary hotsanina tsara ny rano ao anatiny, avy eo dia avoaka any ivelany no sady ariana.

12

Fa mahakasika ny fomba fanadiovana ny orona kosa dia ny fisontomana rano ao amin'ny orona amin'ny alalan'ny fitrohana sy famoahana izany amin'ny alalan'ny tànana havia amin'ny endrika famoahana rivotra ao amin'ny orona

13

Ary anisany fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a) dia ny fanaovana ny fidiovan'orona amin'ny endrika tena tsara indrindra, raha toa ka tsy manao fifadian-kanina Izy, na koa raha sendra atahorana sao dia mampidi-doza na vokadratsy hafa.

14

Ary ny fanontsanam-bava sy ny fidiovana ny orona dia misy fomba roa :

15

Ny fampitohizana ; dia ny fakana rano iray tànana, izay hanotsanam-bava ny sasany, ary ny ambiny amin'izany kosa dia anaovany fidiovan'orona.

Hotsanina ny rano ao am-bava avy eo ariana, ary sintonina ao amin'ny orona ny rano ary avoaka amin'ny alalan'ny tànana havia.

Ataontsika in-telo miverimberina izany, amin'ny fomba fakana rano dia in-telo ihany koa.

16

Fa ny fampisarahana kosa dia : atao mitokana ny fanotsanam-bava ary atokana ihany koa ny fidiovana ny orona, maka rano iray tànana avy eo ampidirina ao am-bava izy rehetra, ary hotsanina ny vava avy eo arina, ary maka rano fanin-droa koa dia sintonina ao amin'ny orona, avy eo avoaka amin'ny alalan'ny tànana havia.

17

Manaraka ny fihotsanam-bava sy fidiovana ny orona dia ny fanasana ny tarehy.

18

Ny fetran'ny tarehy dia : manomboka eo amin'ny fitsirin'ny volon-doha, ka hatramin'ny farany saoka, fa eo amin'ny sakany kosa dia miafara eo amin'ny manelanelan'ny sofina roa.

19

Ary voadidy miaraka amin'izany ny fanasana ireo volo rehetra eo amin'ny tarehy; tahakan'ny volom-bava sy somotra, sy ny volomaso sy rambo-maso ary ny tsokotsokom-bolo eo ambany molotra.

20

Ary ny fomba fanasana ny tarehy dia mety miseho amin'ny endrika roa :

21

Voalohany : dia maka rano amin'ny tànana roa, avy eo sasaina ny tarehy manomboka eo amin'ny fitsirim-bolo araka ny mahazatra ka hatramin'ny ambany saoka, ary manomboka eo amin'ny sofina an-kavanana ihany koa ka hatramin'ny sofina an-kavia, raha toa ka sendra be ny volom-bava dia fomba amam-panaon'ny Mpaminany s.w.a) ny mampiditra ny rano ao anatiny ireo volo misy eo amin'ny tarehy ka hatramin'ny ambany tenda ary dia samy asefasefaka petsan-drano avokoa izany.

Tanterana in-telo avokoa izay rehetra voalaza teo izany ka izany no tena fidiovana feno, na koa atao in-droa, na koa indray mandeha dia samy mety avokoa izay rehetra voalaza izany satria izany no didy izay napetraka fa tsy maintsyy Obligatoara.

22

Ary ny faha-roa dia : maka rano amin'ny tànana havanana ihany, avy eo atao amin'ny tarehy, ary sasana miaraka amin'ny tànana roa ny tarehy tahaka ny fomba izay efa voalaza teo aloha. Atao in-telo avokoa izany.

23

Ny fomba fandaharana ireo ratsam-batana amin'ny fanatanterana ny fidiovana " wouzou " dia voadidy ffa zavatra tsy maintsy ary obligatoara, ary ny fampitohitohizana izay rehetra amin'ny fanaovana ny " wouzou " dia voadidy ihany koa, ka midika izany fa tsy azo atao aloha ireo ratsam-batana izay tokony aoriana, ary afainganina koa ny fifindrana amin'ny ratsam-batana manaraka.

24

Aorian'ny fanasana ny tarehy dia, tanteraina ihany koa ny fanasana ireo tànana.

25

ny fetran'ny tànana izay voadidy ho sasaina dia : manomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tànana ka hatramin'ny kio, ary sasaina koa ny kio.

26

Isika dia manomboka ny fanasana, manomboka sasaina aloha ny tànana havanana miatomboka eo amin'ny ratsan-tànana, ary sokirina tsara ny elakelan'ny ratsan-tànana amin'ny fampisefahana ny rano amin'ireo ratsan-tànana amin'ny tànana roa, avy eo dia ampandalovina rano tsara ka hatramin'ny kio.

27

Avy eo dia mifindra amin'ny tànana an-kavia ary sasaina ihany koa izany tanana izany fa miatomboka eoo amin'ny ratsan-tànana miaraka amin'ny fisokirana ny elakelany ka hatramin'ny kio.

28

Avy eo dia mifindra amin'ny fisafoana ny loha, lemana ny tànana roa amin'ny rano vaovao, avy eo apetraka ny tànana roa izay efa mando miatomboka eo amin'ny alohan'ny loha ka miafara any amin'ny hatoka afara, ary averina indray izany amin'ny toerana izay niatombohana, ary tsy misy maha samihafa ny sola loha sy ny misy volo.

29

Avy eo dia safoina koa ny sofina roa amin'ireo ambin'ny rano tavela izay efa avy nampiasana tamin'ny loha teo, ka atao indray mandeha ihany ny fisafoana izany.

30

Ary ny fomba fisafoana ny sofina dia ny fampidirana ny fanondro tanana ao anaty elakelan-tsofina ka avy eo safoina tsara, ary safoina amin'ny ankibe ny ivelan'ny sofina, amin'izany ary efa nisafoina ny anatiny sy ivelan'ilay sofina.

31

Avy eo dia mifindra ihany koa isika eo amin'ny tongotra amin'ny fanaasana azy, ary ny fetran'ny tongotra roa izay voadidy ho sasaina dia : manomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tongotra ka hatramin'ny kitro ny tongotra roa, ary ny fanasana ny vodi-tongotra roa dia voadidy fa miaraka amin'ny fanasana azy.

32

Atombokatsika amin'ny tongotra an-kavanana, ka sokirirna tsara ny ratsan-tongotra ary tandremana tsara ny fanasana ny vodi-tongotra roa, sy eo ambonin'ny tongotra ihany koa.

33

Avy eo sasaina ny tongotra an-kavia, tahaka ny nanasana ny tongotra an-kavanana, ary tsy adino koa ny fisokirana ireo ratsan-tongotra, ary mila hamarinina tsara fa efa tena voasasa ny vodi-tongotra sy fahatongavan'ny rano any amin'ny kitro ny tongotra roa.

34

Mijoro vavolombelona Aho fa tsy misy Tompo hafa mendrika tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany izay tsy misy mikambana Aminy ary Izy dia tsy manam-paharoa, ary mijoro vavolombelona ihany koa Aho fa i Mpaminany Mohamady (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah no sady Irany.

35

Ary fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a) koa rehefa mahavita ny fidiovana " wouzou " Izy dia ny manao fahatsiarovana " Zikr " sy hataka " Douan " ary koa ny fanampiana ny teny hoe :

36

Tompo o ! ataovy ho anisany ireo mpibebaka Aho, ary ataovy koa Aho ho anisan'ireo mpanadio tena.

37

na koa :

Doka sy dera ary fiderana ho Anao ryy Tompo o ! mijoro vavolombelona Aho fa tsy misy Tompo hafa mendrika tompoina amin'ny marinaa afa-tsy Ianao irery ihany, ka eto Aho dia mangataka famelana Aminao ary mibebaka Aminao ihany koa

ma (mim)

Ny voasoratra eo amin'ny efijery

1

Ahoana no ataoko rehefa hanao ny fidiovana masina " wouzou " ny tenako ?

2

{ O ! Ianareo vahoaka mpino, rehefa mitsangana manatanteraka ny fanompom-pivavahana " Soalat " Ianareo, dia aoka mba sasao ny tarehinareo ary ny tananareo ihany koa ka hatramin'ny kionareo, ary aoka mba safoinareo ny lohanareo fa sasaina kosa ny tongotrareo hatreo amin'ny kitronareo }

[ Souraty Al-Maidat : andininy faha-6 ]

3

Fanasana ny tànana anaki-roa

4

Ny fanotsanam-bava sy ny fidiovan'orona

5

Ny fanohizana

6

Ny fampisarahana

7

Fanasana ny tarehy

8

Ny voalohany

9

Ny faha-roa

10

Ny fikasana sy ny fanaovana " Basmalat "

11

Fanasana ny tànana anaki-roa

12

Ny fanotsanam-bava

13

Ny fisontonana rano amin'ny orona

14

Fanasana ny tarehy

15

Fanasana tànana roa miaraka amin'ny kio anaki-roa

16

Ny fisafoana ny loha sy ny fisafoana ny sofina anaki-roa

17

Fanasana ny tongotra roa miaraka amin'ny kitro anaki-roa

18

Fanasana ny tànana roa

19

Fisafoana ny loha

20

Fiatombon'ny loha = dia miatomboka avy eo ambonin'ny andrina ary ny fiatombon'ny fitsirin'ny volo izay mahazatra.

21

Fiafaran'ny loha = fiafaran'ny fitsirin'ny volo eo amin'ny hatoka afara.

22

Fisafoana ny sofina roa

23

Fanasana ny tongotra roa

24

Niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe :

" Loza ho an'ireo olona izay tsy nitandrina ny fidiovana eo amin'ny vodi-tongotra ka izany dia miafara any amin'ny afobe, ka hataovy tsara sy amin'ny fomba ara-dalana ny fidiovana " wouzou ".

Notaterin'i Abo Dawod (R.h).

25

" Mijoro vavolombelona Aho fa tsy misy Tompo hafa afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, Izy no tsy manam-paharoa, ary mijoro vavolombelona koa Aho fa i Mpaminany Mohamady (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah no sady Irany ".

Notaterin'i Moslimo (R.h)

26

" Tompo o ! ataovy Izaho anisan'ireo mpibebaka, ary ataovy ihany koa Izaho ho anisan'ireo mpanadio tena ".

Notaterin'i Tirmizi (R.r)

27

" Doka sy dera ary fiderana feno haja ho Anao ry Tompo o !, ka mijoro vavolombelona Aho fa tena tsy misy Tompo hafa afa-tsy Ianao irery ihany, ka dia mangataka famelana sy famelan-keloka avy Aminao ny tenako no sady mibebaka Aminao ihany koa ".

Notaterin'i Nasay ao anatin'ny " asan'ny andro sy ny alina ".

Ahoana ny fomba ataoko rehefa hivavaka Aho ?, ny hanao ny fanompom-pivavahana izao atao hoe : " Soualat " ?

Ny vavaka " Soualat " dia miatomboka amin'ny fanaovana " Takbir " amin'ny fitenana ilay teny hoe : Allah Akbar ka miafara amin'ny fanaovana ny " Taslim " amin'ny fiteny an'ilay teny hoe : Assalamo Anlaikom.

ma (mim)

Ny feo

1

Feon'ny fananganana sy fampitsanganana ny fanompom-pivavahana " Soualat ".

2

Feon'ny fananganana dia mitohy tsy akijanona hatrany.

Fametrahana ny finiavana sy fikasana mialoha izay tokony hataon'ireo mpivavaka mpanao ny fanompom-pivavahana " Soualat " ka ny toerany izany dia ao am-po.

3

Mitodika any amin'ny " Kibla " isika, fa raha toa kosa ka ianao no mpitariraka ny fivavahana ka eo amin'ny toerany " Imam " na koa mivavaka irery mitokana dia ataovy sy apetrao eo anoloanao ny " Sotra " zavatra kely atao eo alohan'ny mpivavaka mba sakana kely hoany hafa tsy handalo ka hhanapaka ny Soualat.

4

" Allah Akbar " izay midika hoe Allah no tena lehibe indrindra.

" Takbiratol ihram " dia fitenenana an'ilay teny hoe : " Allah akbar " voalohany rehefa miditra amin'ny fivavahana ka hivavaka ka avy amin'izany tokoa no fomba hidirana ao anaty fivavahana izay atao hoe : " Soualat " ary tsy maintsy atao ny miteny sy manonona an'izany teny izany amin'ny Lela.

5

Ary Rehefa eo anatrehany fanaovana ny " Takbir " dia mampiakatra tànana ka atao mifanitsy tsara amin'ny Soroka, ary ny felan-tànana dia atodika any amin'ny " Kibla ".

na koa :

Ampiakarina izany mba hifanitsy tsarra amin'ny Sofina amin'ny fomba tahakan'izay voalaza.

6

Apetraka eo amin'ny tratra ny tànana roa aoriany fitenenana an'ilay " Takbir ", na koa ambanin'ny tratra eo amin'ny foetra, na ambanin'ny foetra, ireo rehetra ireo dia mety ka azo atao avokoa.

Ny tànana an-kavanana no atao eo ambonin'ny tànana an-kavia

na koa tazonina eo amin'ny felan-tànana ka ny an-kavanana no eo ambadiky ny felan-tànana an-kavia.

na koa tazonin'ny tànana an-kavanana ny sandrin'ny an-kavia.

7

" Tompo o ! alaviro Aho sy ny fahotako tahaka ny nanalaviranao ny antsinanana sy ny andrefana, Tompo o ! diovy ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny lamba fotsy amin'ireo loto, Tompo o ! sasao amin'ny avandra sy rano ary rano mandry ny fahotako ".

Manao Douen fangatahana,hataka famahana izay mitondra anarana hoe : " Douan Al'istiftahy " aorian'ny " Takbir " voalohany izay atao alohan'ny famakiana ny Sourat Alefatiha, ary misy ihany koa ireo Douan fatao hafa ankoatran'ilay efa fatao andavanan-dro, rehefa hanokatra ny fanompom-pivavahana izay atao hoe : " Soualat " ary tafiditra ho fomba amam-panao ihany koa ny manovanova izany rehetra izany.

8

Mangataka fiarovana amin'i Tompo Allah Aho amin'ny satana izay efa voahozona.

Ka manarakaa aorian'izany dia ny Douan famahana sy fanokafana " Istiftah " dia : ny fangataha ny fiarovana, ary avy eo dia mamaky Sourat Alfatiha.

9

Ka amin'ny fo feno fanajana sy fahatoniana, no hamakiana ny " Ayat " andininy soratra masina avy amin'ny andininy hafa ihany koa.

10

Amine !

Ny fitenenana izany teny izany dia tafiditra ho anisan'ny fomba amam-panao ho an'izay Olona mpitarika ny fivavahana na koa ireo Olona mpanaraka ny fivavahana avy ao aoriana, ary ho an'ny mpivavaka izay manatanteraka ny fivavahana mitokana, dia samy miteny sy manao an'izany koa, fa izany kosa dia tsy teny na fehezan-teny tafiditra ho andininy soratra masina ao anaty Sourato-alfatiha, fa izy dia hataka ny " Douan " izay midika hoe : Tompo o ! raiso, ekeo ary angalao.

11

Aorian'ny famakiana ny Sourat-alfatiha dia mamaky ireo Sourat izay hita fa maivana sy tsotra ao anatin'ny Boky masina Koroany, na Sourat feno, na koa ampahany amin'izany, fa rehefa vita ny famakiana dia mangina kely alohan'ny fiondrehana andia hanao ny " Roko ".

12

" Allah Akbar " Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

Manao ny " Takbir " rehefa mifindra amin'ny endrikin'ny fitsanganana ka andia hiondrika amin'ny fanaovana " Roko ".

Ary io tokoa no fomba sy toerana faha-roa ao anaty fivavahana " Soualat " izay fanaon'ny Mpaminany (s.w.a) ny mampiakatra ny tànany roa; ka mety amintsika ihany koa ny mampiakatra tanana roa ka hatao mifanitsy tsara amin'ny sorika na koa eo amin'ny sofina roa ny tanana satria izany dia tafiditra ho anisany ireo fomba amam-panao izay voaraitsika avy tamin'ny Mpaminany (s.w.a).

13

Apetraka ny fela-tànana roa eo amin'ny lohalika roa, ary sokafana ny ratsan-tànana ka atao tsara eo amin'ny lohalika roa tahaka ny hoe mitazona ny lohalika roa.

Ka tokony ho tony tsara ny Olona iray rehefa miondrika manao ny " Roko ", ary asitaka ny tànana roa amin'ny sisim-batana, ary tena tsy atongilana ny takolaka amin'ny ilam-batana.

14

Ary tena ahitsy tsara ny lambosina fa tsy azo avilana, ary ny loha ihany koa dia mahitsy miaraka amin'ilay lambosina, ka tsy ampiakrina no sady tsy ahidina ihany koa.

15

" Soubhàna Rabby-al Anzim " izay midika hoe : voninahitra sy haja ary halebeazana dia ho an'ny Tompoko Allah ilay lehibe indrindra.

Ary azo averina in-telo miantoana amin'ny endrika farany kely izay voalaza fa feno sy mahampy ny teny fiderana, ary ny " Tasbih " iray dia mety satria didy ary mety sy afaka atombo mihoatran'izany raha tiana, ary atao karazany hafa ihany koa amin'ireo karazany " Tasbih " misy no sady nahazahoana porofo mari-pototra.

16

Ireo " Zikr " fahatsiarovana izay fiteny ao amin'ny fiondrefana " Roko " dia misy endrika sy karazany maro.

17

" Samiallaho Liman Hamidah " izay midika hoe : henon'i Tompo Allah izay midera sy misotra aryy mankasitraka Azy.

Tenenina izany rehefa mihainga avy eo amin'ny fiondrehana ny " Roko ",ka izany dia atao rehefa mivavaka irery na koa manatanteraka eo amin'ny toerany " Imam " na koa mpitarika.

18

Ary ampiakarina ny tànana roa mifanitsy tsara amin'ny sorika na koa amin'ny sofina roa, ary izany no toerana faha-telo izay hananganana ny tànana roa.

19

Avy eo dia mijoro tsara mahitsy ka miteny ilay teny hoe :

" Rabbana Walakal Hamdo " izay midika hoe : Tomponay o ! ho Anao ny fiderana sy laza ary vonahitra feno fisorana sy fankasitrahana.

20

Ary ho antsika aorian'ny fiakarana avy eo amin'ny fiondrehana " Roko " ny dia azontsika atao ny manatsotra ny tànana na koa manaforitra azy.

21

Ary anisany fomba amam-panao ihany koa ny fijorona amin'ny endrika ela sy lavalava aorian'ny fiondrefana tamin'nny " Roko " ary tokony hatao anatin'ny fitoniana izany rehetra izany.

22

" Allah akbar " izay midika hoe Allah no tena lehibe indrindra

Avy eo dia miankohoka amin'ny tany ary miteny sy manao " Takbir " rehefa miova fihetsika avy amin'ny fitsanganana ho amin'ny fiankohofana.

Ary aroso ka alefa aloha ny tànana roa alohan'ny lohalika roa, na koa ny lohalika roa alohan'ny tànana roa, izay maivana amin'izy roa dia mety atao avokoa satria ny toembatana sy toem-pahasalan'olona rehetra tsy mitovy.

23

Ary tsy maintsy miankohoka amin'ny ratsam-batana fito; tahaka ny nampianarin'iilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a):

Ny handrina dia miaraka amin'ny orona ary ny felan-tànana roa, sy ny tongotra roa, ary ny lohalika roa.

24

Ny tendron'ny ratsan-tongotra roa dia atodika amin'ny " Kibla ", ary ajoro mahittsyy tsara ny tongotra.

Asaraka ny fe roa ary asitaka aminy ny kibo.

Ny sandry roa dia ampiakarina ka tsy akasoka tany ary atao lavitry ny sisim-batana, raha tsy miaraka amin'ny olona maro fa sao dia mety hampijaly an'ireo izay marrikitra sy ny manodidina.

Ary atao mifanitsy mahitsy tsara ny sorika roa,na koa ny sofina roa ary ny felan-tànana roa ihany koa.

25

"sobhàna rabbyal anlaa" izay midika hoe : voninahitra sy haja ary halebeazana avo sy ambony indrindra dia ho an'ny Tompoko Allah irery ihany.

Averina sy atao miverimberina in-telo ny " Tasbih ", ary izany dia azo lazaina fa farany kely amin'ny fahafenoany, ary ny " Tasbih " iray no didy no sady mety ary afaka sy azo atombo raha tiana hatombo, ary mety atao karazany hafa koa amin'ireo " Tasbih " izay nazahoana fanambara no saddy mari-pototra. ary azo atao ny mangataka manao " Douan " izay tiantsika amin'ireo hatsaran'ny fiainana eto an-tany sy ny any an-koatra.

26

Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : " Ny toerana izay tena hanakaikaizan'ny mpanompo iray amin'ny Tompony Allah dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny tany, ka aoka an-kabetsahinaareo maro imm-betsaka ny fangatahana ".

27

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

Manao " Takbir " rehefa miandra avy amin'ny fiankohofana.

Avelatra ny tongotra an-kavia dia hipetrahana izany anatin'ny fahatoniana,ary ajoro ihany koa ny tongotra an-kavanana, ka ireo ratsan-tongotra rehetra dia atodika " Kibla ".

na koa :

Samy miaraka ajoro avokoa ny ratsan-tongotra roa, ka samy mety hipetrahana ny eo amin'ny vodi-tongotra.

Avelatra eo ambonin'ny fe ny sandry roa, ny an-kavanana amin'ny fe an-kavanana, ary ny an-kavia eo amin'ny fe an-kavia,ka izany dia mety atao eo amin'ny lohalika na koa eo ambon'ny lohalika.

28

" Rabby ighfirly " izay midika hoe : Tompo o ! mamela Ahy Ianao.

Atao izany fangatahana izany manelanelan'ny fiankohofana roa, ka tena hatao anatin'ny fahatoniana rehefa amin'ny fotoana mipetraka amin'izany.

29

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

Ka miondrika sy manao " Takbir " ho an'ny fiankohofana faha-roa, ary ny zavatra atao amin'izany dia fomba mitovy tahakan'ny fiankohofana izay natao voalohany amin'ny fomba sy ireo zavatra rehetra notenenina.

30

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

Ary tanterahina ihany koa ny " Rakà " faha-roa, amin'ny fomba sy endrika nanaovantsika ny " Rakà " voalohany teo aloha

Fametrahana ny tànana roa amin'ny toerana fametrahana azy, sy famakiana Souratole-alfatiha,ary avy eo dia ny famakina ihany koa ireo " Ayat " andininy iray na koa andininy maromaro ao amin'ny Boky masina Koroany.

Avy eo miondrika manao " Roko ".

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

Ary avy eo dia mitsangana.

" Samiallaho Liman Hamidah " izay midika hoe : henon'i Tompo Allah izay midera sy misotra aryy mankasitraka Azy.

Avy eo dia mbola mandia manao fiankohofana.

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

Manao fiankohofana in-droa, avy eo dia mipetraka manao " Tashahod " no sady manohy manao Atahy-ato.

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

" Allah Akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra

31

Rehefa mahavita ny " Rakà " faha-roa dia mipetraka manao " Tashahhod " na koa mipetraka manao Atahy-ato, ka mipetraka mahitsy tsara.

32

Ny fipetrahana amin'ny endrika sy fomba " Iftirashy " dia atao amin'ny " Tashahhod " amin'ny fipetrahana faha-roa tahaka ny " Tashahhod " voalohany amin'ny fanompom-pivavahana " Soalat " izay miisa " Rakà " telo sy efa-tra ireny, ary rehefa mipetraka manelanelana ny fiankohofana roa mmifandimby ireny.

33

Ary tsy omena tsiny akory amin'izany ireny izay tsy mahavita manatanteraka ny fipetrahana amin'ny fomba sy endrika " Iftirash " izany hoe : tongotra aforitra, izany nohon'ny haben'ny vatany, na koa nohon'ny hotsika eo amin'ny tongony na ankoatr'izany dia tokony hipetraka amin'endrika izay mety aminy.

34

Eo amin'ny " Tashahhod " dia apetraka eo ambonin'ny fe havanana ny tànana havanana ary aforotra ireo ratsan-tànana rehetra afa-tsy ny fanondro, ka itondroana izany.

35

Na koa hoe atao endrika na rojo boribory ny ankibe miaraka amin'ny fanondro adala, ka itondroana ny fanondro.

36

Fa ny tànana an-kavia dia, na izy atsotra amin'ny fe an-kavia, na koa aforitra eo amin'ny lohalika.

Ary tsara rehefa manatanteraka ny " Tashahhod " dia mijery ny ratsan-tànana fanondron'ny tànana an-kavanana.

37

" Attahiato Lillahy was Soala-oato wat Toay-bato, As salamo An-laika Ayo-han Nabyy wa Rahmatolloahy wa Barakaatoh, As salam An-laina wa Anlaa Imbadillahy Swalihina, Ash hado Anlaa ilaaha illallaho, wa Ash hado Anna Mohammadan Ambdoho wa Rasoloho " izay midika hoe : Ny fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy fahombiazana ary ireo hatsarana, fandriam-pahalemana anie ho Anao o ry Mpaminany (s.w.a) ! sy fahasoavany, fandriam-pahalemana koa ho aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo Allah izay hendry, mijoro vavolombelona aho fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolombelona koa Aho milaza fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah sy Irany "

Atao sy vakina amin'ny " Tashahhod " voalohany ka tsy ampiana, raha toa ka manatanteraka " Soalat " izay manana " Rakà " telo na efatra.

Fa rehefa tanterahana kosa ireo " Soualat " izay manana " Rakà " roa tahaka ny " Soualat sobh, na koa Zoma, na koa Idy roa ireny " dia fenoina ny " Tasha-hhod " amin'ny " Soualat ibrahymyat " izany hoe : fangatahana tsodrano sy fahombiazana ho an'ny Mpaminany (s.w.a) tahaka nahazoan'ny ibrahim izany.

" Allahomma Soally An-laa Mohammad wa An-laa Aaly Mohammad kamaa Soallay-ta Anlaa ibrahim wa An-laa Aaly ibrahim, innaka Hamidon Madjid, Allahomma Baarik An-laa Mohammadin wa An-laa Aaly Mohammad kama Baarakta An-laa ibrahim wa An-laa Aaly ibrahim, innaka Hamidon Madjid " izay midika hoe : Tompo o ! omeo tsodrano i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mohammad (s.w.a) tahaka ny nanomezanao tsodrano an'i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy ny fianakavian'i Ibrahim (A.s), tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana,Tompo o ! omeo fahasambarana i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mohammad (s.w.a) tahaka ny nanomezanao fahasambarana an'i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy ireo fianakavian'i Mpaminany Ibrahim, tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana"

38

" As salam Anlaikom wa rahmatollahy " Fandriam-pahalemana sy Filaminana ary Hinakinany ho Anareo.

" As salam Anlaikom wa rahmatollahy " Fandriam-pahalemana sy Filaminana ary Hinakinany ho Anareo.

Ka tanterahana izany fomba fanaovana " Taslim " izany, fomba famahana rehefa vita ka hiala amin'ny fanaovana ny Soualat dia miteny sy manao ny Salam aoriany fahavitanao ny " Tasha-hhod " sy ny famakiana ireo " Douan " izay marina sy mari-pototra avy amin'ny fomba sy fampianaran'ny Mpaminany (s.w.a), ka nefa izany rehetra izany dia tanterahana amin'ireo " Soualat " rehetra izay manana ny " Rakà " roa.

39

Isika dia maheno moramora ilay teny hoe : Allah Akbar

fa rehefa amin'ireo " Soalat " manana " Rakà " telo tahaka ny maghrib, na koa manana " Rakà " efatra tahaka ny " Zohr sy Ansr ary Insha "

40

Isika dia mitsangana aorian'ny famitana sy famarana ny " Tasha-hhod " voalohany mba ahafahana manatan-teraka ny " Rakà " iray rehefa eo amin'ny fanatan'terahana ny " Soualat maghrib ", na koa " Rakà " roa rehefa manatan-teraka " Soualat Zohr na koa Ansr na koa Insha ", sy mamaky Sourat " Alfatiha ", ary manatan-teraka ireo fe-petra rehetra izay voalaza teo aloha tahakan'ny fiondrehana " Roko " sy fiankohofana " Soudjod " ary ny fitsanganana amin'ny " Kiam " ary ny fipetrahana amin'ny " Djoulos ".

41

" Allah akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra.

42

I Mpaminany (s.w.a) dia mipetraka amin'ny endrika " Tawarok " izany hoe : famoahana ny ilan'ny tongotra an-kavia, ary ny fitombenana an-avia apetraka amin'ny tany ary ajoro tsara ny tongotra an-kavanana rehefa manatanteraka ny " Tasha-hhod " farany amin'ireo " Soualat " izay manana " Tasha-hhod " roa.

43

ny fanatanterahana ny fipetrahana " Tawarok " dia atao amin'ny " Tasha-hhod " farany amin'ireo " Soualat " izay manana " Rakà " telo sy efatra ihany, ary izy io dia manana endrika maromaro samy hafa nefany mifampiankina ihany :

44

fampandriana ny tongotra an-kavia, ary ajoro tsara ny tongotra an-kavanana, ary ny famoahana izy roa any ivelany an-kavanana, ary atao amin'ny tany ny fitombenana roa.

na koa :

fampatoriana sy fivelarany tongotra roa, sy famoahana izy roa any ivelany an-kavanana.

na koa :

ny fampandriana ny tongotra an-kavanana, ary ampidirina manelanelan'ny fe sy ranjo an-kavanana ny tongotra an-kavia.

45

ary amin'ny fipetrahana mamaky sy miteny ny " Tasha-hhod " farany no hamakiana ny Atahiato, ka ny manaraka an'izany koa dia ny fangatahana tsodrano ho an'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a).

46

Alohan'ny fanaovana Salam sy aorian'ny famaranana ny " Tasha-hhod " dia mangataka fiarovana amin'i Tompo Allah amin'ny zavatra efatra : amin'ny sazy ao amin'ny afobe, ary ny amin'ny sazy ao am-pasana, ary ny ao amin'ny fakam-panahin'ny fahavelomana sy fahafatesana, ary amin'ny haratsian'ny fakam-panahin'ny mesia sandoka i " Dadjal ".

Ary mangataka " Douan " izay tiana amin'ireo hatsaran'ny fiainana eto an-tany sy any an-koatra.

47

" As salam anlaikom wa rahmatollahy " Fandriam-pahalemana sy Filaminana ary hinakinany ho anareo.

" As salam anlaikom wa rahmatollahy " Fandriam-pahalemana sy Filaminana ary hinakinany ho anareo.

Tsy tanteraka ny " Soualat " sy ny " Tahalloul " izay mampamety ny rehetra vita amin'ny " Soualat " raha toa ka tsy manao " Taslim " izay lazaina hoe salam :

48

Amin'ny alalan'ny salam " Taslim " no manapitra ny " Soualat " izay natao.

" Astaghfirollah " " Astaghfirollah." " Astaghfirollah." izany mian-toana izany fehezan-teny izany.

49

Ary anisany fomba amam-panao ny fanaovana " Istighfar " fangatahana ny famelan-keloka in-telo mian-toana, avy eo manao " Zikr " fahatsiarovana an'i Tompo Allah arak'izay fanambarana mari-pototra azo avy amin'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a).

ma (mim)

Ny voasoratra eo amin'ny efijery

1

" Imam " mpitarika ianao na koa mpanao vavaka mitokana

2

" Takbiratol ihram " takbir voalohany rehefa mamaha ny Soualat

3

Ampiakarina ny tànana roa mifanitsy amin'ny soroka roa ihany koa

4

na koa mifanitsy amin'ny sofina roa tahakann'ny voalaza teo aloha ihany

5

Apetraka eo ambon'ny tratra ny tànana roa.

6

na koa eo ambony foetra.

7

na koa eo ambany foetra.

8

Ny tànana an-kavanana no atao eo ambonin'ny tànana an-kavia

9

na koa tazominy ny tànana an-kavanana ny sandrin'ny an-kavia.

10

" Doan al istiftah " doan fatao rehefa mamaha hiditra amin'ny fanaovana ny " Soualat "

11

"Tompo o ! alaviro ahy ny fahotako tahaka ny nanalaviranao ny antsinanana sy ny andrefana, Tompo o ! diovy ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny lamba fotsy amin'ireo loto, Tompo o ! sasao ny fahotako amin'ny avandra sy rano ary rano mandry" voarakitra ao amin'ny bokin'ny moslimo.

12

Ary anisany Sounnat ny fomba amam-panao dia ny fanaovana karazany maro amin'izany

13

" Istianzat " fangatahana fiarovana amin'i Tompo Allah

14

Mangataka fiarovana amin'i Tompo Allah aho amin'ny devoly sy satana izay efa voahozona.

15

" Sourat Alfatihat "

16

( Ny Dera sy ny Laza ary Voninahitra rehetra dia ho an’i Tompo Allah, ilay Tompon’izao tontolo izao, ilay be Indrafo, ilay be Fiantrana Tompom-pahefana amin’ny andro fanefana ireo asa vita, Ianao irery ihany ry Tompo Allah no tompoinay, ary Ianao irery ihany koa no angatahanay famonjena, ka mba Tariho amin’ny làlana mahitsy izahay, izay làlana nizoran’ireo nomenao fahasoavana, fa tsy ho an’ireo izay niharan’ny fahatezeranao, na ireo very làlana ihany koa.)

17

Amine !

18

" Doan " izay midika hoe : Tompo raiso

19

vakiana ireo izay hita fa maivana ao anatin'ny Boky masina Koroany

20

Ny fiondrehana " Rroko ".

21

" Allah akbar " izay midika hoe : Tompo Allah no tena lehibe indrindra

22

Atao mahitsy ny lambosina fa tsy atao bingo.

23

" Sobhàna Rabbyal Anzim " izay midika hoe : voninahitra sy haja ary halebeazana dia ho an'ny Tompoko Allah ilay lehibe indrindra.

24

Anisan'ireo " Zikr " fahatsiarovana amin'ny fiondrefana " Roko " izay nazahoana ffanambarana mari-pototra

25

" Sobboh Koddos, Rabbol Malaaikato war Roh " izay midika hoe : Voninahitra sy fahamasinana ho an'ny Tompon'ireo anjely sy ny fanahy.

26

" Sobhaanaka Rabbana wa Bihamdika, Allahomma ighfir ly " izay midika hoe : Voninahitra ho Anao ary ho Anao anie ny fiderana, Tompo o ! mamela Ahy Ianao.

27

" Samiallaho Liman Hamidah " henon'i Tompo Allah tokoa izay midera sy man-kalaza Azy.

28

" Rabbana walakal Hamdo, Hamdan Kathiran Toayyban Mobaarakan fihy " Tomponay ho Anao anie ny fiderana, fiderana maro feno hatsarana ary feno fahasambarana ao Aminao

29

Avelatra ny tànana

30

na koa aforitra

31

Ny fiankohofana.

32

Ny handrina miaraka amin'ny orona

33

Ny fela-tànana roa

34

Ny lohalika roa

35

Ary ny tongotra roa

36

" Sobhana rabbyal anlaa " Voninahitra ho an'ny Tompoko Allah ilay avo indrindra

37

" Ny toerana izay manakaiky ny mpanompo iray amin'ny Tompony Allah dia amin'ny fotoana Izy rehefa miankohoka ka an-kabetsaho ny fangatahana " Voarakitra ao amin'ny Bokin'ny Moslimo (R.h)

38

Fipetrahana amin'ny endrika fampatorina ny tongotra

39

Fipetrahana amin'ny fitombenana

40

" Rabbi ighfir ly " Tompo o ! mamelà Ahy ( averina in-telo izany )

41

" Allahomma ighfirly, warhamny, wajborny, wahdiny, warzokny."

42

" Soualat sobh " Vavaka vao mangiran-dratsy

43

" Zoma " Vavaka andro zoma

44

" Al-indainy " Fetin'ny idy kely sy idy be

45

" Al-zohr " Vavaka atoandro

46

" Al-ansr " Vavaka folak'andro

47

" Al-magrib " Vavaka rehefa miletika ny masoandro

48

" Al-insha " Vavaka alina

49

" Attahiato Lillahy was Soala-oato wat Toay-bato, As salamo An-laika Ayo-han Nabyy wa Rahmatolloahy wa Barakaatoh, As salam An-laina wa Anlaa Imbadillahy Swalihina, Ash hado Anlaa ilaaha illallaho, wa Ash hado Anna Mohammadan Ambdoho wa Rasoloho " izay midika hoe : Ny fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy fahombiazana ary ireo hatsarana, fandriam-pahalemana anie ho Anao o ry Mpaminany (s.w.a) ! sy fahasoavany, fandriam-pahalemana koa ho aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo Allah izay hendry, mijoro vavolombelona aho fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolombelona koa Aho milaza fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah sy Irany "

50

" Allahomma Soally An-laa Mohammad wa An-laa Aaly Mohammad kamaa Soallay-ta Anlaa ibrahim wa An-laa Aaly ibrahim, innaka Hamidon Madjid, Allahomma Baarik An-laa Mohammadin wa An-laa Aaly Mohammad kama Baarakta An-laa ibrahim wa An-laa Aaly ibrahim, innaka Hamidon Madjid " izay midika hoe : Tompo o ! omeo tsodrano i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mohammad (s.w.a) tahaka ny nanomezanao tsodrano an'i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy ny fianakavian'i Ibrahim (A.s), tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana,Tompo o ! omeo fahasambarana i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mohammad (s.w.a) tahaka ny nanomezanao fahasambarana an'i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy ireo fianakavian'i Mpaminany Ibrahim, tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana "

51

" A-zouhr- Al-ansr- Al-maghrib- Al-insha " Atoandro- Folak'andro- Mileti-Masoandro- Alina

52

" A-soubh- Al-djoma- Al-indainy ." Vaomangiran-dratsy- Zoma- Fety idy roa.

53

"Allahomma Soally anlaa Mohammad wa anlaa Aaly Mohammad kamaa Soallayta anlaa Ibrahim wa anlaa Aaly Ibrahim, innaka Hamidon madjid Allahomma Baarik anlaa Mohammadin wa anlaa Aaly Mohammad kama Baarakta anlaa Ibrahim wa anlaa aaly Ibrahim, innaka hamidon Madjid " midika hoe : Tompo o ! Omeo tsodrano i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) tahaka ny nanomezanao tsodrano an'i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy ny fianakavian'i Mpaminany Ibrahim (A.s), tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana,Tompo o ! Omeo fahasambarana i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) tahaka ny nanomezanao fahasambarana an'i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy ireo fianakavian'i Mpaminany Ibrahim (A.s), tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana ".

54

" As salam anlaikom wa rahmatollahy " Fandriam-pahalemana sy Filaminana ary hinakinany ho anareo.

55

Rehefa mipetraka amin'ny " Rakàn " farany dia, aroso ny tongotra an-kavia, ary ajoro ny tongotra an-kavanana, ary mipetraka eo ambonin'ny fitombenana ". [ Notaterin'i Al-bokhaari (R.hh) ]

56

Fipetrahana " tawarok " izany hoe : famoahana ny ilany tongotra an-kavia mirirana amin'ny fomba mivoaka ivelanny ny tapany kely amin'ny tongotra, ka ny fitombenana an-kavia dia apetraka eo amin'ny tany ary ajoro ny tongotra an-kavanana

57

" Alloahomma inny Aonzo Bika min Anzaby Djahannama, wa min Anzabil Kabry, wa min Fitnatil Mahyaa wal Mamaty, wa min Fitnatil Masiho Dajjal " Tompo o ! arovy Aho amin'ny sazy ao amin'ny afobe, sy amin'ny sazy ao am-pasana, ary amin'ny fakam-panahin'ny fahavelomana sy fahafatesana, ary amin'ny haratsian'ny fakam-panahin'ny mesia sandoka " Dadjal ". voarakitra ao amin'ny bokin'ny moslimo.

58

" Alloahomma inny Zhalamto Nafsyy Zholman Kathiran, walaa yaghfiro Zonoba illa Anta Faghfirly Maghfiratan min indika warhamnyy innaka Antal ghaforor Rahim " izay midika hoe : " Tompo o ! nanao ny tsy rariny imbetsaka amin'ny tenako Aho, ary tsy misy mamela heloka afa-tsy Ianao, mamelà Ahy amin'ny famelana izay avy Aminao ary omeo hinakinaka Aho fa Ianao dia be famelana ary be hinakinaka. Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Bokhary.

59

" Astaghfirollah " Izaho dia mangataka famelan-keloka amin'i Tompo Allah (in-telo) mian-tona.

60

Araka ny petra-bolana notaterin'i Abi Horairat (R.d) ka niteny nanao hoe : henoko ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i (s.w.a) niteny nanao hoe : " Tena marina fa ny zavatra voalohany tsaran'i Tompo Allah amin'ny andron'ny faranyy, amin'ny andro ny fitsanganana amin'ireo asa izay natao teto an-tany dia ny fanompomm-pivavahana izay atao hoe : " Soalat " ka raha mba vita soa aman-tsara izany " Soalat " dia ho sambatra no sady afaka ary mahazo ny fandresena sy fahafahana,fa raha ohatra ka vita tsy amin'ny fomba ara-dalana, viita amin'ny fomba ratsy feno tsirambina dia lazaina fa rendria no sady maty an-toka ary very fanantenana ilay olona ka tsy havotra intsony ". [ Notaterin'i Abo Dawod (R.h) sy Tirmizi (R.h) ary Nasay (R.h) ]