Ny fomba sy ny fitsipiky ny fitsidihana ny Moskean'ny Mpaminany
Notantarain'i Al-Bokhari (1189) sy Moslim (827), ary azy ny teny.
Notaterin’i Bokhari (1190) sy Moslimo (1394)
Notantarain'i Al-Bokhari (1195) sy Moslim (1390).
Fisaorana ho an’Allah, Tompon’izao tontolo izao. Ary ny fiadanana sy ny fitahiana anie ho an’ny Mpaminany Mohammad, sy ho an’ny fianakaviany ary ny mpiara-diany rehetra.
Aorian'izany :
Ity dia hafatra fohy momba ireo fomba fanao sy ireo fitsipiky ny fitsidihana ny Moskean'ny Mpaminany, nifantoka amin'ny fanazavana ny ankamaroan'ireo zavatra ilain'ny mpitsidika ny Moskean'ny Mpaminany izahay.
Mangataka amin’Allah izahay mba hanaovany ity ho feno fahadiovam-po ho Azy tokona, ary mba hahasoa ny Miozolomana rehetra.
Komitin'ny Siantifika ao amin'ny Fikambanana momba ny serivisy Islamika amin'ny fiteny maro
FAMINTINANA
Tsaratsara ny mitsidika ny Moskean'ny Mpaminany (S.A.W), saingy tsy misy fotoana manokana amin'izany, ary tsy anisan'ny asa atao amin'ny Hajj, na lahy na vavy, ary tsy voatery hitsidika ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) na Al-Baqi'.
Tsy azo atao ny manao dia lavitra noho ny fitsidihany ny fasan'ny Mpaminany, ny fandehanana any amin'ny toeram-pivavahana dia tsy natao hitsidihana fasana, fa natao ho an'ny moske telo ihany. Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :(Aza manao dia lavitra ianareo afa-tsy amin'ny moske telo ihany : ity moskeko ity, ny Moske Masina (AL-HARAM) ary ny Moske Al-Aqsa.)
Izay lavitra ny tanàna dia tsy mahazo mandeha amin'ny fikasana hitsidika ny fasana, fa azo atao kosa ny mandeha amin'ny fikasana hitsidika ny Moskean'ny Mpaminany, ka rehefa tonga any izy dia mitsidika ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fasan'ireo namany, ka ny fitsidihana ny fasany dia tafiditra ao amin'ny fitsidiana ny moskean'ny Mpaminany (S.A.W).
Tsy azo ataon'ny vehivavy iray ny mamangy ny fasan’ny Mpaminany na ny fasan’olon-kafa. Satria ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny vehivavy mpitsidika ny fasana, noho ny fidradradradrana sy ny fanokafana ny fisalobonana ary ny fandikana ny lalàna Islamika hafa izay ataon'izy ireo. Na izany aza, dia asaina izy ireo hampitombo ny vavaka sy ny tso-drano amin'ny irak'Allah, any amin'ny moske sy any amin'ny toerana hafa, fa ho tonga any amin'ny Mpaminany (S.A.W) izany. Satria ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :(Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy anareo).Ary niteny i Mpaminany (SAW) hoe :(Manana anjely mitety ny tany Allah ka mampita amiko ny fiarahaban’ny vahoakako.)
Raha miditra ao amin'ny Moskean'ny Mpaminany ny olona iray, dia tsara raha mampandroso ny tongony havanana izy rehefa miditra ary miteny hoe : (Allàhomma iftah-lì abwàba rahmatika) midika hoe: "Allah ô, vohay amiko ny varavaran'ny famindram-ponao", tahaky ny hiteneniny izany rehefa miditra amin'ny moske hafa rehetra.
Avy eo izy dia manao Soalat roa rakà't ho fiarahabana ny moske.
Raha tsy fotoanana voarara izany, dia azony atao ny manao vavaka an-tsitrapo araka izay tiany, roa rakà't sy roa rakà't manaraka. Niteny ny irak'Allah (S.A.W) manao hoe :(Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo atao any amin'ny moske hafa, afa-tsy ny Moske Masina Al-Haram.)
Tokony hiezaka hivavaka eo amin'ny Rawdah izy - izay faritra eo anelanelan'ny "Minbary" polipiran'ny Mpaminany sy ny efitranony - raha afaka manao izany izy, araky tenin'ny Mpaminany (S.A.W) :(Eo anelanelan'ny tranoko sy ny polipitrako dia zaridaina amin'ireo zaridainan'ny Paradisa)
Raha tsy afaka manao izany izy dia tokony hivavaka any amin'ny faritra rehetra ao amin'ny moske. Izany dia amin'ny vavaka tsy miaraka amin'ny Jamà't, fa raha amin'ny Soalat Jamà't kosa dia miezaka manatratra ny laharana voalohany aorian'ny Imam, Ho an'ny porofo ankapobeny momba izany.
Raha te hitsidika ny fasan'ny Mpaminany izy sy ny fasan'ireo mpiara-diany roa lahy dia :
Mijoro eo anoloan’ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) izy, amin’ny endrika feno fahalalam-pomba, amin’ny fahamendrehana ary amin’ny feo malefaka, avy eo miarahaba azy manao hoe : “Fiadanana anie ho anao ry irak’Allah sy ny famindram-pon'Allah ary ny fitahiany”. Ary raha miteny izy hoe : “Mijoro ho vavolombelona aho fa tena irak’Allah tokoa ianao, nampita ny hafatra, nahatanteraka ny toky, niezaka mafy tamin’ny asan’Allah araka izay tokony hiadiana ary nanoro hevitra ny vahoaka, ka hovalian’Allah valisoa tsara indrindra ho an’ny vahoakanao anie ianao), dia tsy misy olana izany.
Dia mikisaka kely miankavanana izy ary miarahaba an'i Abo Bakr Al-Siddiq (R.A).
Avy eo dia miankavanana kely izy ary miarahaba an'i Omar ibn Al-Khattab, Ary rehefa niarahaba ny irak'Allah sy ireo namany roa i Ibn Omar(R.A), dia matetika izy no tsy miteny mihoatra ny hoe : “Fiadanana anie ho anao ry irak’Allah, fiadanana anie ho anao ry Abo Bakr, fiadanana anie ho anao ry raiko”, dia lasa izy.
Tsy tsara ny manalava ny fitsanganana na ny fitalahoana eo amin’ny fasan’ny irak’Allah sy ny fasan’ireo namany roa, satria tsy dia tian’i Malik izany ka hoy izy : Zava-baovao izay tsy nataon’ireo teo alohany, ary ny farany amin’ity vahoaka ity dia tsy hiova afa-tsy izay nahasoa ny voalohany.
Toy izany ny zavatra ataon'ny mpitsidika sasany sy ny hafa amin'ny fanaovana Doàn eo amin'ny fasany, manoloana ny fasana ary manangana ny tànany, mitalaho, izany rehetra izany dia mifanohitra amin'ny nataon'ireo olo-marina taloha tamin'ny mpanaradia ny irak'Allah sy ny mpanara-dia azy tamin'ny fahamarinana, fa izany dia iray amin'ireo zava-baovao noforonina.
Ary toy izany koa ny ataon’ny mpitsidika sasany rehefa miarahaba azy amin’ny fametrahana ny tanany havanana eo amin’ny ankaviany, na eo ambony na eo ambanin’ny tratrany, toy ny hoe manao Soalat, izany dia tsy azo atao rehefa miarahaba azy. Satria endrika fanalam-baraka sy fanekena ary fanompoana izay sahaza an'Allah irery ihany, araka ny voalazan'i Al-Hàfiz Ibn Hajar (hamindra fo aminy anie Allah) ao amin'ny Al-Fath arak'ireo manam-pahaizana.
Tsy azo atao ny manatona an’Allah amin’ny alàlan’ny fikasihana ny vato, na ny twawàf, na ny fangatahana amin’ny irak’Allah (S.A.W) mba hanatanteraka izay ilainy, na hanasitrana ny marary, na zavatra hafa toy izany. Satria Allah irery ihany no angatahina izany rehetra izany.
Amporisihina ny mpitsidika ny tanàn'ny Madina raha mbola any izy mba hitsidika ny moske Qobà sy hivavaka ao. Satria ny Mpaminany (S.A.W) dia zatra nandeha nitaingina sy nandeha an-tongotra ary nivavaka rakà't roa tao aminy, tatitra azo avy amin'i Sahl ibn Hanif, Hoy i Mpaminany (S.A.W) :(Izay nidio tao an-tranony, avy eo mankany amin'ny Moske Qobà ary mivavaka ao, dia hahazo valisoa amin'ny Omrah izy).
Amporisihina ny lehilahy hitsidika ny fasan'i Al-Baqi' - izay fasana ao Madina - sy ny fasan'ny maritiora, ary ny fasan'i Hamza (R.A). Satria ny Mpaminany (S.A.W) dia zatra nitsidika azy ireo sy nivavaka ho azy ireo, ary niteny izy hoe :(Nandrara anareo tsy hitsidika fasana aho teo aloha, koa tsidiho izy io ankehitriny, fa hampahatsiahy anareo ny any ankoatra.)
Ary hoy izy rehefa mamangy azy ireo tahaky ny mitsidika fasana hafa : “Ny fiadanana anie ho aminareo, ry mponin’ny trano, mpino lahy sy vavy, raha sitrak’Allah, dia hiaraka aminareo izahay, ary hamindra fo amin'ireo nialoha làlana sy tonga afara anie Allah, mangataka amin'Allah ny hatsarana ho anay sy ho anareo".
Tsy isalasalana fa ny famangiana ny fasana dia ny hahatsiarovana ny any ankoatra, ny fanaovana soa amin’ny maty amin’ny alàlan’ny vavaka fitalahoana ho azy ireo, ary ny fanarahana ny Sonnah an’ny Mpaminany (S.A.W).
Raha ny famangian'izy ireo amin'ny fikasana hanao Doàn amin'ny fasan'izy ireo, na hangataka amin'Allah amin'ny alàlan'izy ireo, na amin'ny maha-izy azy, sy ny toy izany, dia zava-baovao maharikoriko izay tsy nofaritan'Allah na ny irak'Allah (S.A.W), na ireo olo-marina teo aloha dia tsy nanao izany, fa raha ny fangatahana amin'izy ireo mba hanatanteraka ny filan'ny marary, na ny fitsaboana ny marary sy ny ankoatr'izay, dia fanompoan-tsampy lehibe.
Indreto ry mpamaky malala, misy hadith noforonina momba izany, mba ho fantatrao sy hitandremanao sao ho voafitany ianao :
Voalohany : (Izay manao Hajj ka tsy mitsidika ahy dia nanao an-tsirambina ahy).
Ny faharoa : (Izay mamangy ahy rehefa maty aho dia toy ny namangy ahy fony aho mbola velona).
Ny fahatelo : (Izay nitsidika ahy sy Ibrahim raiko ao anatin’ny herintaona, dia ho azo antoka ho azy ny Paradisany).
Fahefatra : (Izay mamangy ny fasako dia hahazo ny fanelanelanako).
Ireo hadith sy ireo hadith mitovy aminy dia tsy voaporofo fa avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), hoy i Al-Hàfiz Al-Aqili : Tsy misy na inona na inona marina momba izany. Hoy i Al-Hàfiz Ibn Hajar ao amin'ny Al-Talkhìs : - Rehefa avy nanonona ny ankamaroan'ireo fitantarana ireo - dia malemy avokoa ny làlana fampitana an'io hadith io.Tsy anisan'ny Sonnah amin'ny Hajj na Omrah na ny fahatanterahan'izy ireo ny mitsidika ny Moskean'ny Mpaminany mialoha na aorian'ny Hajj na Omrah. Satria ny fitsidihana ny Moskean'ny Mpaminany dia zavatra tsara atao; Raha tsy mitsidika azy ny mpanao fivahiniana masina na Omrah, dia tsy misy ota ho azy, ary tsy misy ifandraisany amin'ny Hajj na Omrah sy ny fitsidihana ny Moskean'ny Mpaminany, satria fombafomba misaraka ireo. Ka izay manao Hajj na Omrah dia tsy voatery mitsidika ny Moskean'ny Mpaminany, ary toy izany koa izay mitsidika ny Moskean'ny Mpaminany dia tsy voatery hanao Hajj na Omrah. Raha manambatra ny Hajj, Omrah ary ny fitsidihana ny Moskean’ny Mpaminany amin'ny dia iray izy dia tsy misy olana.
Ny zavatra mifanohitra amin'ny fomba fanao amin'ny famangina ny Moskean'ny Mpaminany.
Ny famafana ny rindrina sy ny hidy vy rehefa mitsidika ny fasan'ny irak'Allah (S.A.W) ary ny famatorana kofehy sy ny toy izany amin'ny varavarankely ho fitahiana.
Ny tsodrano dia ao amin'ny zavatra nasain'Allah sy ny irak'Allah (saw) fa tsy amin'ny zava-baovao.
Mandeha any amin’ireo lava-bato ao amin’ny Tendrombohitra Ohod, ary toy izany koa any amin’ny lava-bato ao Hira sy ny lava-bato ao Lameka, ary mamatotra voro-damba any sy miangavy amin’ny fitalahoana izay tsy noeken’Allah, ary miaritra ny fahasahiranana amin’ny fanaovana izany.
Ireo rehetra ireo dia forona tsy misy fototra ao amin'ny Sharia madio.
Ny fitsidihan'izy ireo ny toerana sasany izay lazain'izy ireo fa vakoka an'ny irak'Allah (S.A.W) toy ny toeram-pitsaharan'ny rameva, ny lavaka fantsakana, na ny fantsakana Othmàn, ary ny fakana vovoka amin'ireo toerana ireo hahazoana fitahiana.
Doàn ho an'ny maty rehefa mitsidika ny fasan'i Baqi sy ny fasan'ireo maritiora tao Ohod ary manipy vola amin'izy ireo mba hanakaiky azy ireo sy hitadiavana fitahiana amin'ny fianakaviany.
Fahadisoana lehibe izany, ary endrika lehibe indrindra amin'ny fanompoan-tsampy mihitsy aza, araka ny voalazan'ny manam-pahaizana, ary nasehon'ny Bokin'Allah sy ny Sonnah an'ny irak'Allah. Satria ny fanompoana dia ho an’Allah irery ihany ary tsy azo atao ny manolotra izany ho an’olon-kafa, toy ny fitalahoana, ny sorona, ny voady sy ny toy izany, araka ny teniny hoe :"Ary tsy nasaina izy ireo afa-tsy hanompo an’Allah amim-pahadiovam-po, ho an’ny finoana marina)(Al-bayynat:5).
Ka Allah no mahalala ny tsara indrindra, ary ny vavaka sy ny fiadanana anie ho amin’ny Mpaminany Mohammad sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy rehetra.
Ireo tombontsoa sy fombafomba manoloana ny momba ny Moskean'ny Mpaminany, ary ny lalana sy fitsipika mahakasika ny fitsidihana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo fasan'ireo Mpanaradia azy roa lahy (R.A).
52 languages
Ireo tombontsoa sy fombafomba manoloana ny momba ny Moskean'ny Mpaminany, ary ny lalana sy fitsipika mahakasika ny fitsidihana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo fasan'ireo Mpanaradia azy roa lahy (R.A).
Ny Boky dia manazava ireo fahasoavan'ny Moskean'ny Mpaminany sy ireo fombafomba fatao amin'ny fitsidihana azy, ary koa mampiseho ireo fomba fitsidihana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fasan'ireo Mpanaradia azy roa lahy (R.A), sady manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fahamendrehana, ny fahadiovana, ary ny fialana amin'ireo fihetsika vao noforonina mandritra ny fitsidihana.
Famintinana ny fomba fanaovana ny Omrah sy ny lalàna mamehy azy
65 languages
Famintinana ny fomba fanaovana ny Omrah sy ny lalàna mamehy azy
Dera anie ho an’ Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny tso-drano sy ny fiadanana ho an'ny Mpaminani-tsika Mohammad sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy rehetra. Dera anie ho an’ Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny tso-drano sy ny fiadanana ho an'ny Mpaminani-tsika Mohammad sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy rehetra. Aorian’ izany : Ity dia hafatra fohy momba ny fomba fanao sy fitsipika ary fitondran-tena amin’ny Omrah, izay niezahinay hazavaina ao aminy ny ankamaroan’ny zavatra ilain’ny mpanao Omrah. Mangataka amin’Allah izahay mba hanaovany izany ho feno fahadiovam-po ho…
Dera ho an’Allah, Tompon’izao tontolo izao. Ary ny fiadanana sy ny fitahiana anie ho an’ny Mpaminany Mohammad, sy ho an’ny fianakaviany ary ny mpiara-diany rehetra. Aorian’ izany : Ity dia hafatra fohy momba ny fahalalam-pomba sy ny fitsipiky mamehy ny dia lavitra, izay niezahanay ny hanazavana ny ankamaroan'ny zavatra ilain'ny mpandeha lavitra. Mangataka amin'Allah isika mba hanao izany ho Azy sy hanasoa ny silamo rehetra. Voalohany : Fomba fanao momba ny dia lavitra