Skip to content
Fomba fanao sy fitsipika mamehy ny dia lavitra

Fomba fanao sy fitsipika mamehy ny dia lavitra

Dera ho an’Allah, Tompon’izao tontolo izao. Ary ny fiadanana sy ny fitahiana anie ho an’ny Mpaminany Mohammad, sy ho an’ny fianakaviany ary ny mpiara-diany rehetra. Aorian’ izany : Ity dia hafatra fohy momba ny fahalalam-pomba sy ny fitsipiky mamehy ny dia lavitra, izay niezahanay ny hanazavana ny ankamaroan'ny zavatra ilain'ny mpandeha lavitra. Mangataka amin'Allah isika mba hanao izany ho Azy sy hanasoa ny silamo rehetra. Voalohany : Fomba fanao momba ny dia lavitra

Language: lang_mg
Prepared by: Komity Siantifika ao amin'ny Fikambanana momba ny serivisy Islamika amin'ny fiteny maro
Version: 3.0

Fomba fanao sy fitsipika mamehy ny dia lavitra Dera ho an’Allah, Tompon’izao tontolo izao. Ary ny fiadanana sy ny fitahiana anie ho an’ny Mpaminany Mohammad, sy ho an’ny fianakaviany ary ny mpiara-diany rehetra.

Aorian’ izany :

Ity dia hafatra fohy momba ny fahalalam-pomba sy ny fitsipiky mamehy ny dia lavitra, izay niezahanay ny hanazavana ny ankamaroan'ny zavatra ilain'ny mpandeha lavitra.

Mangataka amin'Allah isika mba hanao izany ho Azy sy hanasoa ny silamo rehetra.

Komity Siantifika ao amin'ny Fikambanana momba ny serivisy Islamika amin'ny fiteny maro

Voalohany : Fomba fanao momba ny dia lavitra

Tokony amin'ny mpandea amin’ny Hajj na asa fanompoana hafa dia mba hijery akaiky ireto teboka manaraka ireto :

Manontany hevitra amin’ny Allah amin’ny alalan’ny soalat istikhàrat momba ny fotoana, ny fitaovam-pitaterana sy ny namana ary ny lalan-kizorana, ary manontany hevitra amin'ireo olona manana traikefa sy fahamarinana momba izany. Raha ny momba ny Hajj sy ny Omrah kosa; dia tsy isalasalana fa tsara izy ireo. Ny fomba fanoavana Soalat Istikhàrat dia : Mivavaka roa rakàt, dia mitalaho amin'izay Doan nataon'ny Mpaminany (S.A.W).

Ny mpanao hajj sy ny mpanao omrah dia tsy maintsy mikasa amin'ny Hajj sy omrah ho an'i Allah irery sy ny hanakaiky kokoa Azy, ary tsy maintsy mitandrina izy amin'ny fikasana hahazoana tombony amin'izao tontolo izao, ny fireharehana, ny fahazoana anaram-boninahitra, na ny fisehosehoana sy ny fitadiavana laza. Izany no antony mahatonga ny asa ho tsy manan-kery sy tsy ekena. Hoy Allah Ilay Tsitoha : (Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy). [ Sorate Al-Kahf : 110 ] Ary voalaza amin'ny Hadith Al-Qodsi : (Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina Amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany Ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany). [1] Notantarain'i Moslim, Laharana (2985).

3-Ny mpanao Hajj sy ny mpanao omrah dia tsy maintsy mahay ny didy momba ny omrah sy Hajj, ary ny didy momba ny dia alohan'ny handehanany. Mba tsy hanao tsirambina ny adidy natafalatsaka amin'ny zavatra voarara, hoy ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : (Izay tian’I Allah ho tsara dia omeny fahatakarana momba ny finoana). [2] Notantarain'i Al-Bukhari, Laharana (3116), sy Muslim, Laharana (100).

Ny mpanao Hajj na ny omrah dia tsy maintsy misafidy vola ara-dalàna ho an'ny Hajj sy omrah. Satria tompo Allah madio ka tsy mandray afa-tsy izay madio. Satria ny vola azo amin’ny ratsy no antony tsy mahavoavaly ny vavaka.

5-Ny fibebahana amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna rehetra, ary raha nanao ratsy tamin’ny olona izy, dia tokony haveriny sy hanaisotra azy ireo, tafiditra ao avokoa : ny voninahitra, na vola, na zavatra hafa.

6-Tsaratsara ho an'ny olona mpanao dia lavitra ny manoratra ny hafatra; izay ananany ary izay trosany. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsy tokony hataon'ny mpino Silamo iray, izay manana zavatra tiany anaovana petra-bolana, ny mipetraka amin'izao fotsiny tsy manoratra izany ao anatin'ny roa alina mifanesy, afa-tsy hoe efa soratany ao aminy ny petra-bolany". Manatri-maso izany izy, manefa ny trosany, ary mamerina ny vola napetraka amin’ny tompony na mangataka alàlana amin’izy ireo hitazona izany. [3] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2738), sy Moslim, Laharana (1627).

7-Tsaratsara ho an'ny ny mpanao dia lavitra ny miezaka mifidy namana tsara, ary miezaka ny mitady fahalalana silamo izy. Izany no iray amin'ireo antony hahazoany fahombiazana no sady tsy hahatafalatsaka azy ao anaty fahadisoana nandritra ny diany, Hajj sy ny Omra. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Ny olona dia manaraka ny finoan'ny namany, koa aoka ny tsirairay aminareo hijery izay ataony ho namany." Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : (Aza minamana afa-tsy amin'ny mpino, ary aza avela hihinana ny sakafonao afa-tsy ny mpivavaka ihany). [4] Notantarain'i Abo Dawod, Laharana (4833). [5] Notantarain'i Abo Dawod, Laharana (4832), sy Al-Tirmidhi, Laharana (2395).

8-Tsaratsara ho an'ny mpanao dia lavitra ny manao veloma ny fianakaviany, ny havany, ny mpiara-monina ary ny namany, hoy ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay te handeha hanao dia lavitra dia aoka hilaza amin’izay nilaozany hoe : ‘Ankiniko amin’i Allah ianareo, izay tsy manary izay nankinina taminy.’” [6] Nanao veloma ny mpanara-diany i Mpaminany (S.A.W) rehefa handeha lavitra ny iray tamin'izy ireo, ka niteny manao hoe : (Ankiniko amin’Allah ny fivavahanareo sy ny fitokianareo ary ny vokatry ny asanareo) Ary hoy ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo izay nangataka torohevitra rehefa handeha lavitra manao hoe : (Omen'Allah fatahorana anie ianao ary hamela ny helokao Izy, ary hanamora ny fahatsarana ho anao na aiza na aiza misy anao). Nisy lehilahy tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W), nikasa handeha ka niteny hoe : Ry irak’Allah ô, omeo torohevitra aho. dia hoy izy : (Izaho dia manoro hevitra anao mba hatahotra an'Allah sy hanome voninahitra Azy eny amin'ny fitoerana avo rehetra), ary rehefa lasa izy, dia hoy izy : (Allah ô, ataovy mora aminy ny tany ary ataovy mora ho azy ny diany). [6] Notantarain'i Al-Tabarani, Laharana (823). [7] Notantarain'i Ahmad ao amin'ny Mosnad, Laharana (4524). [8] Notantarain'i Al-Tirmidhi, Laharana (3444). [9] Notantarain'i Ahmad ao amin'ny Mosnad, Laharana (9724).

9-Tsy entiny miaraka aminy eny an-dàlana ny lakolosy sy ny sodina ary ny alika; araka ny hadith notaterin'i Abou Horaïrah (R.A), niteny ny irak'Allah : "Ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona izay misy alika na lakolosy." [10] Notantarain'i Moslim, Laharana (2113).

10-Raha te hiara-mandeha hiaraka amin'ny amin'ny vadiny izy, ka manambady mihoatra ny iray, dia nanao antsapaka izy, ary izay vehivavy azon'ny antsapaka no miaraka aminy. Araka ny hadith noentin'i Aisha (R.A) miteny hoe : (Rehefa nanam-panirina handeha lavitra i Mpaminany (S.A.W), dia nanao antsapaka ireo vadiny izy, ary izay azony ao no nentiny niaraka taminy). [11] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2593), sy Moslim, Laharana (2770).

11-Tsaratsara ny mandeha amin’ny Alakamisy amin’ny fiandohan’ny andro raha azo atao izany. Toy ny nataon'ny Mpaminany (S.A.W) izay notantarain'i Ka'b ibn Malik(R.A) : (Ny irak'Allah S.A.W, dia zara raha nanao dia lavitra afa-tsy isaky ny alakamisy). [12] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2949).

12.Tsaratsara ny manao fitalahoana hivoaka ny trano rehefa mandeha na amin’ny fomba hafa, ka miteny izy rehefa hivoaka : <> [13] Notantarain'i Abo Dawod, Laharana (5094).

13.Tsaratsara ny manao ny fitalahoana amin’ny diany rehefa mitaingina ny biby fiompiny, ny fiarany, ny fiaramanidina, na ny fiara hafa, ka miteny manao hoe : <> [14] Ny hasarotry ny dia: ny hamafin'izany. Famoahana ny hevitry ny Sahih (4/284). [15] Ratsy endrika sy fahaketrahana noho ny alahelo. Famoahana ny hevitry ny Sahih (4/284). [16] (Ny mifamadika): dia ny fiverenana. Famoahana ny hevitry ny Sahih (4/284). [17] Notantarain'i Ahmad ao amin'ny Mosnad, Laharana (6374).

Tsaratsara ny tsy mandeha irery tsy misy namana. Satria ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : (Raha fantatry ny olona ny zavatra fantatro momba ny mandeha irery, dia tsy mandeha irery amin'ny alina izy.) [18] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2998).

15-Mifidy ny iray amin'izy ireo ny mpandeha; Mba hampivondronana azy ireo, hampifanaraka azy ireo ary hanatrarana ny tanjony amin-kery kokoa, dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : (Raha misy olona telo miaraka mandeha lavitra, dia aoka izy ireo hanendry ny anankiray amin’izy ireo ho mpitarika azy.) [19] Notantarain'i Abo Dawod, Laharana (2608).

16-Tokony hifikitra amin’ny fanatanterahana ny asa fankatoavana izay nandidian’Allah azy ka hiala amin’ny zavatra voarara ary tokony hanana fitondran-tena tsara koa izy, manampy ireo izay mila fanampiana sy vonjy, ary mizara fahalalana ho an’izay mitady izany sy ireo izay mila izany, malala-tànana amin’ny volany izy, ka mandany izany amin’ny tombontsoany manokana sy ny tombontsoan’ireo rahalahiny.

17-Tokony hampitombo ny fandaniana sy ny filàny amin'ny diany izy, satria mety hiatrika filana izy ary mety hiova.

18-Tokony ho falifaly sy ho tsara fanahy izy, ary mampifaly ny namany mba ho zatra amin'izany.

19-Tokony hanam-paharetana amin’ny fisarahan’ireo namany sy ny fanoheran’izy ireo ny heviny izy, ary hitondra azy ireo amin’ny fomba tsara indrindra, mba ho hajaina eo anivon’izy ireo sy ho hajain’izy ireo.

20-Tsaratsara rehefa mijanona eo amin’ny toerana iray ny mpanao dia lavitra, dia tsy miparitaka any amin’ny lohasaha sy hantsana, satria ireo mpanaradian'ny Mpaminany sasany rehefa tonga amin'ny toerana sy ny lohasaha dia miparitaka izy ireo, Ka niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny fielezanareo eny amin’ny abakabaka sy ny lohasaha dia avy amin’i Satana ihany” [20] Dia nikambana izy ireo, eny na dia nisy lamba navelatra dia ampy azy ireo. [20] Notantarain'i Ahmad ao amin'ny Mosnad, No. (17736).

21.Tsaratsara ny olona iray raha miditra ao amin'ny trano mandritra ny dia na any amin'ny toerana hafa izy, dia tokony hangataka amin'izay voaporofo avy amin'ny Mpaminany : “Mialoka amin’ny tenin'Allah tanteraka aho mba tsy ho azon’ny faharatsian’ny zavatra noforoniny” [21]; Raha miteny izany izy dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pivoakany io trano io. [21] Notantarain'i Moslim, No. (2708).

22. Tsaratsara ny miteny “Allaho Akbar” rehefa eny amin’ny toerana avo izy ary manao hoe “Sobhan Allah” rehefa midina any amin’ny tany iva sy ny lohasaha. Hoy Jabira, anie Allah ka ho sitrak'Allah: “Raha niakatra isika, dia nankalaza an’Allah, ary rehefa nidina, dia nanandratra Azy” [22] Ary tsy mampiaka-peo rehefa miteny Allahou Akbar, hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ry olombelona, ​​mitandrema ny amin'ny tenanareo, fa aza miantso marenina na tsy eo ianareo, fa momba anareo Izy, ary mandre ny zava-drehetra sady akaiky Izy." [23] [22] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2994). [23] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2993).

23. Tsaratsara raha handeha mandritra ny dia amin’ny alina, indrindra fa amin’ny fiandohan’ny alina. Satria ny Mpaminany (S.A.W), hoy izy : "Tokony handeha amin'ny alina ianao. "Miforitra ny tany amin'ny alina" [24]. [24] Notantarain'i Abo Dawod, No. (2571).

24. Tsaratsara ny manao fitalahoana matetika rehefa mandeha. Satria ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Misy fitalahoana telo mivaly tsy isalasalana : Ny fitalahoan’ny ampahorina, ny fitalahoan’ny mpandeha lavitra, ary ny fitalahoan’ny ray aman-dreny amin’ny zanany” [25]. [25] Notantarain'i Ahmad ao amin'ny Mosnad, No. (10771).

***

Faharoa : Fahadiovana rehefa mandeha voyage

Ny mpanao dia lavitra dia tsy maintsy mikarakara ny fahadiovany, ka tsy maintsy midio amin'ny loto kely (Ouzou) sy mandro amin'ny loto lehibe (Janaba).

Raha tsy mahita rano izy, na manana rano kely ilainy amin’ny sakafony sy ny fisotrony, dia tokony hanao tayammom izy.

Ary ny fomba fanaovana Tayammom dia : Kapohina amin’ny tànana ny tany ary fafana amin’izy ireo ny tavanao sy ny tananao.

Ny fanadiovana tayammom dia vonjimaika, ka raha mahita rano dia tsy manan-kery izany ary tsy maintsy mampiasa rano izy, raha manao tayammom tamin'ny fahalotoana lehibe dia avy eo mahita rano, dia tsy maintsy mandro. Fa raha nanao tayammom tamin'ny loto kely avy eo mahita rano dia tsy maintsy manai ozoo. Voalaza ao amin'ny hadith hoe : "Ny tany madio dia fanaon'ny mpino silamo Ouzou, na dia tsy mahita rano aza izy mandritra ny folo taona, fa raha mahita rano izy, dia aoka izy hatahotra an'Allah ary hikasika ny hodiny." [26] [26] Notantarain'i Al-Bazzar ao amin'ny Mosnad, Laharana (10068).

Ny famafana ny ba kiraro dia azo atao araka ny boky masina koran sy ny Sonnah ary ny fiombonan'ireo manam-pahaizana Sonnita.

Misy fepetra raha hisafo ny ba kiraro sy izay mitovy amin'izy ireo :

1. Ny kapa na ny ba kiraro dia tokony ho azo ekena sy madio.

2.Notafina tao anaty fahadiovana.

3. Tokony handrakotra ny toerana tsy maintsy saronana.

4. Ny fisafoana dia tokony hatao amin'ny fahalotoana madinidinika. Ny fisafona dia tsy azo atao amin'ny fahalotoana lehibe amin'ny fombafomba na amin'ny zavatra izay mitaky fandroana.

5. Ny fisafona dia tsy maintsy atao ao anatin’ny fotoana voatondron’ny lalàna, izay iray andro sy iray alina ho an’ny olona eo an-tanàna, ary telo andro sy telo alina ho an’ny mpivahiny. Io vanim-potoana io, araka ny hevitra marina, dia manomboka amin'ny fotoana voalohany fisafoana aorian'ny fahalotoana, ary mifarana rehefa afaka efatra amby roapolo ora ho an'ny mponina eo an-tanàna, ary roa amby fitopolo ora ho an'ny mpandeha.

Ny fisafona dia tsy manan-kery noho ny iray amin'ireto zavatra telo ireto :

1. Raha misy zava-mitranga izay mitaky fidiovana lehibe, toy ny fahalotoana ara-pivavahana lehibe, dia tsy manan-kery ny fisafoana ary ilaina ny fandrona.

2. Raha esoriny rehefa avy nisafo azy.

3. Raha tapitra ny fe-potoana noheverin'ny lalàna dia tsy manan-kery ny fisafona.

***

Fahatelo : Fitsipika momba ny fanafohezana ny Swalat mandritra ny dia :

Ny fanafohezana ny swalat mandritra ny dia, dia tsara kokoa noho ny mamita azy feno. Fa raha mameno rakkat efatra ny fivavahan'ny mpanao dia lavitra, dia manan-kery ny fivavahany, saingy nanohitra ny tsara indrindra izy.

Manafohy ny fivavahany ny mpanao dia lavitra raha mandao ny trano rehetra ao an-tanànany na ny fireneny, Izany dia hevitry ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana.

Raha mandeha izy taorian'ny fidiran'ny ora ny fotoam-bavaka, dia azony atao ny manafohy izany. Satria nandeha tsy mbola tapitra ny fotoana.

Raha ny fampitambarana ny Zouhor sy ny Asr ary ny Maghrib sy ny Isha dia Sonnah ho an’ny mpanao dia lavitra rehefa ilainy ny manao izany, raha mandeha izy ka manohy ny diany, dia tokony hanao izay mora indrindra ho azy izy, na manambatra ny vavaka aloha na tara.

Raha toa ka tsy mila manambatra ny vavaka ny mpanao dia lavitra, dia tsy manambatra izany izy, toy ny hoe mijanona amin’ny toerana iray izy ary tsy te hiala raha tsy efa manomboka ny fotoana hanaovana ny vavaka faharoa. Aleo tsy mitambatra; Satria tsy nila izany izy, ka izay no tsy nampiarahan'ny Mpaminany izany fony izy nijanona tao Mina nandritra ny fivahiniana fanaovam-beloma. Satria tsy ilaina izany.

Raha ny amin'ny vavaka an-tsitrapo, ny mpanao dia lavitra dia manao an-tsitrapo izay ataon'ny mponina eo an-tany an-tsitrapo, noho izany dia manao ny vavaka Duha, ny vavaka amin'ny alina, ny Witr, ary ny vavaka an-tsitrapo hafa afa-tsy amin'ny Sonnan'ny Zohor, Maghrib ary Isha, satria ny sonnah dia tsy tokony mivavaka azy ireo.

Ny vavaka an-tsitrapo dia manan-kery rehefa mandeha amin'ny fiara : fiaramanidina, fiarakodia, sambo, na fitaovam-pitaterana hafa.

Manan-kery ny vavaky ny mpivahiny ao aorian'ny mponina ao an-tanàna, ary mameno ny vavaka toy ny an'ny imam-ny ilay mpanao dia, na tratrany ny vavaka iray manontolo, na iray rakaat, na latsaka. Na dia miaraka aminy amin'ny tashahhoda farany alohan'ny Salam aza izy dia mameno izany. Izany no hevitry ny manam-pahaizana marina.

***

Fahefatra : Fahalalampomba amin'ny fiverenana avy any amin'ny Hajj, Omrah na koa ny dia

Tokony hiverina haingana izy ary tsy hanalava ny diany amin'ny tsy misy antony. Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny dia lavitra dia ampahany amin'ny fampijaliana, izay misakana ny anankiray aminareo amin'ny haniny sy ny fisotrony ary ny torimasony, koa rehefa nahavita ny diany izy, dia aoka hody faingana any amin'ny fianakaviany." [27] [27] Notantarain'i Al-Bokhari, No. (1804), sy Moslim, Laharana (1927).

Raha te-hody any an-tanindrazany izy, dia mamaky ny Douan toy ny novakiny tamin'ny nandeha, ary ary ampiany kely hoe : “Miverina isika, mibebaka, mivavaka amin’ny Tompontsika ary midera Azy” [28]. [28] Notantarain'i Al-Bokhari, No. (1797), sy Moslim, laharana. (1342).

Tsaratsara raha mamaky rehefa tafaverina avy any amin'ny diany, ny zavatra nohamafisin'ny Mpaminany, rahefa tafaverina avy any amin'ny ady masina, Hajj na Omrah, dia hanao takbir in-telo amin'ny toerana avo rehetra amin'ny tany, avy eo dia miteny hoe : la ilaha illallah wahdaho la charikallaho lahol molk wa lahol hamd wa howa ala koli chain kadiir , aibona taibona abidona sajidona lirabbina ramidona ,swadaqallaho waadaho wa naswara abdaho wa hazama alahzabo wahdaho [29]. [29] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (4116).

Raha vao mahita ny tanànany izy dia tokony hiteny hoe: Aiboona taaiboona anbidoona lirabbinaa haamidoona Averiny izany mandra-pidirany ny tanànany. Noho izy nataon'ny Mpaminany (S.A.W). [30] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (1797), sy Moslim, laharana. (1342).

Tsy tokony hiditra any amin'ny ankohonany amin’ny alina izy raha nilaozany nandritra ny fotoana ela izy ireo, raha tsy ampahafantariny azy ireo ny fotoana hahatongavany amin’ny alina. Satria noraran'ny Mpaminany(S.A.W) izany, araky ny tatitra azo avy amin'i Jabir ibn Abdallah (R.A) : "Ny irak'Allah (S.A.W) dia nandrara ny lehilahy tsy handondona ny varavaran'ny fianakaviany amin'ny alina." [31 Ary ny fahendrena amin'izany dia izay nohazavaina tao amin'ny fitantarana hafa : “Mandra-pihomanany [32], ka mihogo ny volony” [33], Ary amin'ny iray hafa : "Ny iraky Allah (S.A.W) dia nandrara ny lehilahy tsy handondona ny varavaran'ny fianakaviany amin'ny alina, hiahiahy azy ireo na hitady ny fahadisoany" [34]. [31] Notantarain'i Moslim, laharana (715). [32] (Al-Sha’tha): ilay nampiasa menaka sy fihogo nandritra ny fotoana ela, (Al-Istidād): fampiasana vy, (Al-Moghībah): ilay tsy eo ny vadiny. Al-Tahrir fi Sharh Sahih Moslim - Al-Asbahani (p. 292). [33] Notantarain'i Al-Nasa'i, laharana. (9099). [34] Notantarain'i Moslim, laharana. (715).

Tsaratsara ny olona avy amin'ny dia iray hanomboka amin'ny moske eo akaikiny ary hivavaka roa rakaat any. Toy ny nataon'ny Mpaminany (S.A.W).

Tsaratsara ho an'ny mpanao dia lavitra, rehefa niverina avy nanao dia, mba ho tsara fanahy amin'ny fianakaviany sy ny mpiara-belona aminy ary hitondra tsara azy ireo rehefa mandray azy izy ireo. Notaterin'i Ibn Abbas (R.A) niteny manao hoe : Rehefa tonga tao Lameka ny Mpaminany (S.A.W), dia nifanehatra teo alohany ireo zatovon'ny Bano Abd al-Mottalib. Dia niteny i Abdollah ibn Jaafar (R.A) manao hoe : “Isaky ny niverina avy nanao dia lavitra ny Mpaminany, dia nifanena taminay izy. Hoy izy : “Raha izany, mifankahita amiko sy al-Hasan na al-Hosayn.” Hoy izy : “Ka dia nentiny teo alohany ny iray taminay ary ny iray tao aoriany mandra-pahatonganay tany Medina.” [35] [35] Notantarain'i Moslim, laharana. (2428).

Tsaratsara ny manolotra fanomezana, satria mampitony ny fo sy manala lolom-po. Ary tsaratsara ny hanaiky sy hahazo valisoa amin’izany, ary tsy tsara ny mamerina azy amin'ny tsy misy antony ara-dalàna. Izany no antony nilazan'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Mifanomeza fanomezana ianareo dia hifankatia ianareo” [36]. Ary ny fanomezana dia antony mahatonga ny fifankatiavana eo amin'ny samy silamo. [36] Notantarain'i Al-Bayhaqi ao amin'ny Al-Sonan Al-Kobra, laharana. (11946). 151

Raha miverina any an-tanindrazany ny mpandeha iray, dia tsaratsara ny mifamihana. Satria voaporofo avy amin’ireo naman’ny Mpaminany (S.A.W) izany, araka ny nambaran’i Anas (R.A) manao hoe : “Rehefa nifankahita izy ireo, dia nifandray tànana, ary rehefa niverina avy tamin’ny dia, dia nifamihina” [37]. [37] Notantarain'i Al-Tabarani ao amin'ny Al-Awsat, laharana. (97)

Allah anie hitahy sy hanome fiadanana ho an'ny Mpaminany Mohammad.