TARI-DALANA FOHY MAHASOA HO AN'IREO MPINO SILAMO
Ity Boky ity dia boky mandrakotra ireo fototry ny finoana Islamo amin'ny fomba fohy sy feno, izay manazava amin'ireo mpamaky ny fototry ny fanompoana marina sy ny dikan'ny finoana an'i Tompo Allah sy ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo Irany, ny Andro farany, ary ny lahatra. Ny Boky dia manomboka amin'ny fanazavana ny fahasoavan'ny finoana Islamo sy ny maha-zava-dehibe ny fahalalana sy fahafantarana an'i Tompo Allah sy ny toetrany ary ireo Anarany tsara indrindra, avy eo dia mitohy amin'ny firesahana momba ireo Andry dimy amin'ny finoana Islamo, sy ireo Andrin'ny Finoana, ary mandinika ihany koa…
This PDF is generated automatically from the book's text; its layout may differ from the printed edition.
TARI-DALANA FOHY MAHASOA HO AN'NY MPINO SILAMO
Amin'ny anaran'i Allah, ilay be fiantrana, ilay be indrafo.
Teny fampidirana sy fanolorana
Dera ho an’i Tompo Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny tso-drano sy ny fiadanana anie ho an'ny Loholon'ireo Mpaminany sy Iraka, ny Mpaminani-tsika Mohammad, sy ny fianakaviany ary ireo mpiara-dia Aminy rehetra,
Aorian’ izany :
Ary anisan'ny fahalehibiazan'ny fahasoavan'i Tompo Allah Avo Tsitoha amin'ny Olombelona dia ny fanomezany azy ireo ny finoana Islamo, ny fitazomana sy fikirizana Aminy, ary ny fanatanterahana ny didiny sy ny lalàny. Ary ato anatin'ity Boky ity no hianaran'ny Mpino silamo ireo fototra hanitsiana ny finoany amin'ny fomba fohy izay manazava Aminy ireo mari-pamantarana an'ity finoana lehibe ity; mba hitomboan'ny fahafantarany sy fahalalany an'i Tompony Allah, sy ny finoany Islamo, ary ny Mpaminaniny Mohammadi (S.A.W); ka hanompoany an'i Tompo Allah amim-pahitsiana sy fahalalana.
Ny fahendrena tao ambadikan'ny fanamboarana sy famoronana ny Mpanompo
Noharin'i Tompo Allah Isika noho ny fahendrena lehibe, dia ny hanompoana Azy irery ihany tsy misy mpiombona na mikambana Aminy, araka ny teny Nolazainy manao hoe : Tsy nohariako ny Djiny sy ny Olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy. [ Sorate Az-Zàryàte: 56 ]. Izany hoe : ny hanokanana Azy irery amin’ny fanompoana, ka tsy misy mpikambana Aminy. Ary manodidina an'izany tanjona lehibe izany no iompanan'ny asa rehetra sy ny fikasan-tsika eto amin'ity fiainana ity, ka niteny Izy Dera ho Azy hoe : Moa ve mihevitra Ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverinay aty Aminay Ianareo ? Fiderana avo indrindra ho an’i Allah, ilay Mpanjaka tena marina. Tsy misy tompo afa-tsy Izy. Tompon’ny Seza fiandrianana be voninahitra. [ Sorate Al-Mo'minona : 115-116 ]
Tompoko dia i Allah
Niteny i Tompo Allah manao hoe : Ry zanak'Olombelona ! aoka Tompoinareo ny Tomponareo izay Nahary anareo sy ireo rehetra izay talohanareo ka avy amin'izany no mba hanananareo ny fahatahorana. [ Sorate Al-bakarat : 21 ]
Niteny i Tompo Allah manao hoe : Izy no Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. [ Sorate Al Hashiro : 22 ]
Niteny i Tompo Allah manao hoe : Tsy misy mitovy Aminy, ary Izy no ilay Mandre, ilay Mahita ny zavatra rehetra. [ Sorate Al-Shorat : 11 ].
i Tompo Allah no Tompoko ary mbola Izy ihany koa no Tompon'ny zava-drehetra, Izy no Mpanjaka, Izy no Mpahary, Izy ihany no Mpanome ny anjaram-pivelomana, Izy no Mpandrindra ny zava-drehetra.
Ary Izy no mendrika sy manan-jo feno ho tompoina, ary tsy misy Tompo mendrika ho tompoina ankoatra Azy.
Manana anarana sy toetra tsara rehetra manokana Izy izay napetrany ho an'ny tenany manokana ary nohamafisin'ny Mpaminaniny (S.A.W) ho Azy ihany koa izany, ka izany rehetra izany dia milaza tanteraka ny fahafenoany sy ny hatsarany rehetra, Tsy misy ny mitovy Aminy ary Izy dia Maheno sy Mahita.
Anisan'ireo Anarany tsara indrindra dia :
Izy no Mpanome ny anjaram-pivelomana sy anjaramasoandro, ilay be Fiantrana, ilay Mahefa, ilay Mpanjaka, ilay Maheno, ilay Be Fandriam-pahalemana, ilay Mahita, ilay Mpiahy ny rehetra, ilay Nahary, ilay Malefaka, ilay Mahampy, ilay be famelana.
Ilay Mpanome ny anjaram-pivelomana sy anjaramasoandro dia : Izy no tompon'andraikitra amin'ny fizarana ny anjaran'ireo mpanompo, izay manome ny herim-po sy herim-batana.
Ilay be fiantrana : dia Izy Tompo Allah no Tompo be indra-fo, ary indra-fony dia midadasika no sady lehibe mihoatra ny zava-drehetra.
Ilay Mahefa dia : Manana fahefana feno, izay tsy ahitana fahalemeana sy ny tsy fahafahana ary ny fasahiranana.
Ilay Mpanjaka : Izy no voadoka amin'ireo laza izay maneho ny mpamari-toetra izay ananany amin'ny lafiny fahalehibeazana sy famoretana ary fandaharana ny zava-drehetra, izany hoe : Izy no Tompon'izao rehetra izao sy Mpandrindra an'izany rehetra izany.
Ilay Maheno : Izay mandre ny fahenoana rehetra na ny miafina izany na ny mibaribary, ary mandre ny fiantsoan'ny mpanompony sy ny fitalahoany Aminy.
Ilay be fandriam-pahalemana : fandriam-pahalemana feno ka tsy ahitana lesoka na fahabangana ary tsy ahitana fahoriana na kilema izao rehetra izao.
Ilay Mahita : Izy dia mahafehy tanteraka ny fahitana ny zava-drehetra na lehibe na kely, Manana fahitana sy traikefa amin'ireo hita maso sy ny miafina avokoa Izy
Ilay Mpiahy : Tompon'andraikitra amin'ny fanomezana sy fizarana ny anjara masoandron'ny zava-boariny, Mpanome ny mahasoa azy ireo, Izy no mpikarakara ireo sakaizany ka hamaivaniny avokoa ny momba azy ireo ary ataony mahampy azy ireo ny momba raharahan'izy ireo rehetra.
Ilay Mpahary : Izy no nanamboatra sy nampanisy ny zava-drehetra ary mpamorona izay tsy nahitana ohatra mitovy azy teo aloha.
Ilay Malefaka dia : Manome haja sy vonahitra ireo mpanompony sy mandrotsaka ny indra-fony ary manome izay rehetra tadiavin'izy ireo.
Ilay Mahampy : Ilay manome ny ampy izay rehetra ilain'ireo mpanompony, ary izay rehetra omeny dia ampy avokoa ka tsy mitady fanampiana amin'ny ankoatrany intsony.
Ilay Be famelana dia : Miaro ireo mpanompony amin'ny voka-dratsy aterakin'ny fahotana ary tsy hanasazy azy ireo ny amin'izany.
Ny Mpaminaniko Mohammad (S.A.W)
Niteny i Tompo Allah manao hoe : Marina, fa tonga taminareo ny Iraka notsongaina avy Aminareo, izay nivesatra ny fahasahirananareo, ka feno fiahiana Anareo, ary mangoraka sy mamindra-fo ireo mpino. [ Sorate At-Taobat : 128 ]
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Ary tsy nandefa Anao Izahay raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao. [ Sorate Al-Anbya : 107 ]
Mohammad (S.A.W) famindram-po amin'ny fahitsiana izay nomena :
Izy dia Mohammad Ibno Abdillahi Ibno Abdol-Mottalibo Ibno Hàshimo, avy amin'ny foko sy firazanana Koraichy ary koraichy dia avy amin'ireo Arabo.
Ny Reniny dia: i Amina zanakavavin'i Wahabo, ary ilay mpitaiza sy nampinono Azy dia i Halima Al-Saa'diat, ary efa nanambady vady iraika ambin'ny folo ny Mpaminany (S.A.W), ka nodimandry Izy ary sivy tamin'izy ireo no navelany.
Fito ny zanaky ny Mpaminany (S.A.W) : telo lahy sy efatra vavy. Ireo lahy dia : Al-Qasim, Abdollah, ary Ibrahim; ary ireo vavy dia : Zainab, Rokayyah, Omm Kolthomo, ary Fatima.
Voadidy fa tsy maintsy atao ny mankatò Azy amin’izay rehetra iadidiany, mino sy mahatoky izay teneniny, miala amin’izay rehetra norarany sy nampitandremany, ary manompo an’i Tompo Allah araka izay nandidiany ihany koa.
Ny hafany sy hafatrin'ireo Mpaminany rehetra teo alohany dia ny fitarihana ny rehetra amin'ny fanompoana an'I Tompo Allah tokana irery ihany tsy misy mpikambana Aminy, ka nilaza i Tompo Allah nanao hoe : Tsy nandefa iraka Izahay na dia iray aza talohanao (ry Mohammad), ka tsy nambaranay Azy ny hoe : “ Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany ; aoka hanompo Ahy irery ihany Ianareo !” [Sorate Al-Anbya : 25].
Ary Izy (S.A.W) no Mpaminany sy Iraka farany, araka ny Nitenenan’ilay Avo Indrindra nanao hoe : Mohammad dia tsy mba rain’ny iray amin’ireo lehilahinareo velively, fa Irak’i Allah, ary farany amin’ireo Mpaminany Izy. Ary i Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra. [ Sorate Al-Ahazabo : 40 ].
Nalefan'i Tompo Allah Izy amin'ny finoana Islamo ho an'ny Olona rehetra tsy an-kanavaka, tahaka ny teny Tompo Allah ilay Avo Tsitoa manao hoe : Tsy nalefanay Ianao afa-tsy ho mpilaza sy ho mpampitandrina ny Olombelona rehetra, nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny Olona. [ Sorate Sabà : 28 ]
Ary Izy, ka i Tompo Allah anie homba Azy sy hanome Azy fiadanana, dia manana zo lehibe amin'ny Islamo tsirairay avy, ka ao anatin'izany :
1- Ny finoana ny faminaniany sy ny fahamarinany, ny maha-voaharo amin'ny fahadisoana ny lalàna lehibe nentiny, ary ny fankatoavana sy fanarahana Azy amin'izany, hoy i Tompo Allah Ta'anla Ary tsy miteny araka ny sitrapony Izy. Fa izany dia faminaniana tonga Taminy. [Sorate An-Nadjimo : 3-4]
2- Voadidy Isika mba hitia Azy (S.A.W), ary atao ho laharam-pahamehana ny fitiavana Azy manoloana ny fitiavana ny tena, ny zanaka, ary ny zavaboary rehetra, ary izany fitiavana izany dia mitaky ny fanarahana ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny tari-dalany, ny fankatoavana Azy amin'izay didy nomeny, ary ny fialana amin'ny zavatra norarany sy noteneniny.
3- Tsy maintsy atao ny manome Azy haja sy fanohanana sy voninahitra ary fanandratana (S.A.W).
4- Ny vavaka ho Azy (S.A.W) dia ny fiderana Azy (S.A.W) ary ny fangatahana amin'i Tompo Allah mba hanandratra ny anarany sy hampitombo ny fanomezam-boninahitra sy ny voninahiny, hoy Izy (S.A.W) hoe : (Izay mivavaka sy mandefa tsodrano sy fahombiazana indray mandeha ho Ahy, dia hitahy Azy impolo i Tompo Allah.) Notaterin'i Moslimo [1015].
5- Ny tsy fahazoana amin'ny fanaovana mihoatra Aminy (S.A.W) sy ny fanandratana Azy ho ambonin'ny anjara toerana izay nomen'i Tompo Allah swt Azy, Satria nampitandrina mafy tokoa ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'izany, ka hoy Izy (S.A.W) hoe : (Aza midera Ahy tafahoatra loatra Ianareo tahaka ny nataon'ireo vahoaka Kristianina nidera tafahoatra an'i Issa zanak'i Maryamo; Satria Izaho dia tsy inona afa-tsy Mpanompony ihany, ka lazao hoe : Mpanompon'i Tompo Allah, sy Irany) Notaterin'i Al-Bokhari.
Ary anisan'ireo toetran'ny Mpaminany (S.A.W) :
Ny fahamarinana, ny hinakinaka, ny fitazoman-tena, ny faharetana, ny herim-po, ny fahalalan-tànana, ny fahatsaran-toetra, ny rariny sy ny hitsiny, ny fanetren-tena, ny famelana.
Ny Boky masina Koroany dia tenin'ny Tompoko
Miteny i Tompo Allah manao hoe : (O Ianareo ry Olombelona ! Efa tonga Aminareo ny porofo mazava avy tamin’ny Tomponareo, ary nampidininay teo Aminareo ihany koa ny hazavana miharihary.) [ Sorate An-nisa : 174 ]
Ny Koroany Masina dia tenin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha izay nitenenany marina tokoa, ary nampidininy tamin'ny Mpaminany Mohammad - S.A.W - mba hanalana ny Olona amin'ny haizina ho any amin'ny fahazavana ary hitarika azy ireo amin'ny làlana mahitsy. Izay mamaky azy dia hahazo hatsarana sy valisoa lehibe, ary izay manao ny asa araka ny fitarihany dia hanaraka ny làlana mahitsy. Tatitra azo avy tamin'i Abdollah Ibn Mas’òdo (R.A) : Niteny ny Irakan’i Tompo Allah (S.A.W) manao hoe : " Izay namaky litera iray ao amin'ny bokin'i Tompo Allah dia hahazo valisoa Izy, ary ny valisoa dia ampitomboina ho folo avo heny, tsy miteny akory Aho hoe : {Alifo, Lamo, Mimo} ho litera iray, fa kosa ny {Alifo} dia litera, ary ny {Lamo} dia litera, ary ny {Mimo} dia litera ihany koa." Notaterin'i Tirmizi.
Niarovan'i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha tamin'ny fanovana sy ny famadihana Izy, ary nataony ho famantarana mandrakizay hatramin'ny Andro Fitsanganana, Niteny ilay Avo Tsitoha: Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy. [ Sorate Al-hidjro : 9 ]; Koa na iza na iza milaza fa ny Boky masina Koroany dia tsy feno na novaina, dia efa nampandainga an'i Tompo Allah sy ny irany (S.A.W) ary tafavoaka ny fivavahana Isilamo.
Ary ny Boky masina Koroany dia mandrakotra izay rehetra voarakitr'ireo Boky rehetra teo aloha, sady mihoatra amin'ireo fitakiana avy amin'i Tompo Allah sy ny toetra amam-panahy, ary manamafy ny fahamarinana izay voalaza ao anatiny. Tsy misy Boky avy amin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha amin'izao vanin'andro izao izay tsy maintsy arahina sy hajaina ary anaovana fanompoana amin'ny alalan'ny famakiana Azy, sy ampiharina; afa-tsy ny Boky masina Koroany irery ihany.
Ny finoako dia Islamo
Telo ny ambaratongan'ny finoana : Ny Islamo, ny finoana, ary ny Fanaovan-tsoa.
Ny ambaratonga voalohany dia : Ny Islamo
Ny Islamo dia : fanoloran-tena amin'i Tompo Allah amin'ny alalan'ny Tawhidi, sy fanekena Azy amin'ny alalan'ny fankatoavana, ary fanalavirana ny Shirky sy ny mpanao azy.
IREO ANDRIN'NY FINOANA ISLAMO
Niteny i Mpaminany (S.A.W) : (Miorina amin'ny fototra dimy ny finoana Islamo dia : Ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina marina afa-tsy i Tompo Allah ary i Mohammad dia Irakan'i Tompo Allah, ny fananganana ny Soalat, ny famoahana ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadany sy ny fanaovana ny Hadjy amin'ilay trano masina). Notaterin'i Al-bokhari sy Moslim.
Ireo andrin'ny finoana Islamo dia ny fanompoana izay tsy ahafahan'ny tsirairay miala amin'izany, ary tsy ho tomombana ny finoan'ny mpino iray raha tsy mipetraka tsara ny fanekeny sy ny fahatokisana misy eo amin'ny foto-pinoana izay misy eo Aminy, ary manatnateraka izy, Satria ny finoana Isilamo dia miorina amin'izany, ka izany no niantsoana azy ho : Andrin'ny finoana Islamo izany.
Ary ireto avy ireo Andriny rehetra :
Ny andry voalohany dia : Ny Fijorona vavolombelona fa tsy misy Tompo mendrika tompoina afa-tsy i Tompo Allah ary i Mohammad (S.A.W) dia Irakan'i Tompo Allah.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Fantaro àry, fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah [ Sorate Mohammad : 19 ]
Ary miteny i Tompo Allah manao hoe : Marina, fa tonga Taminareo ny Iraka notsongaina avy Aminareo, izay nivesatra ny fahasahirananareo, ka feno fiahiana Anareo, ary mangoraka sy mamindra-fo ireo Mpino. [ Sorate Al-Taobat : 128 ]
Ny dikan'ny fijorona vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Tompo Allah dia ny hoe : tsy misy tompo mendrika tompoina marina ampahamarinana afa-tsy i Tompo Allah.
Ny dikan-teny hoe : Fijoroana vavolombelona fa i Mohammad (S.A.W) dia Irany : Mankato Azy amin’izay rehetra iadidiany, mino izay rehetra lazainy, miala amin’izay rehetra norarany sy mampitandrina ny amin'izany, ary manompo an’i Tompo Allah araka izay nandidiany ihany koa.
Ny andry faha-roa dia : Fananganana ny Soalat.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Atsangano areo ny Soalat [ Sorate Al-Bakarat : 110 ]
Ny fananganana ny Soalat dia ny fanatanterahana izany amin'izay fomba rehetra nametrahan'i Tompo Allah izany sy amin'izay nampianarin'i Mpaminany Mohammad (S.A.W) Antsika.
Ny andry faha-telo dia : Famoahana ny " Zakat " ampahan-karena.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : ary mamoaha ihany koa ny Zakat [ Sorate Al-Bakarat : 110 ]
Nodidian'i Tompo Allah ny "Zakat" mba hitsapana ny finoan'ny Mpino iray, ary ho fankasitrahana ny tompony amin'ireo fahasoavan-karena, ary ho fanampiana ireo mahantra sy ireo sahirana ary osa ara-mpivelomana.
Ary ny famoahana sy fanomezana ny " Zakat " dia ny fanomezana azy mivantana sy miantefa amin'ireo Olona mendrika omena azy.
Ary izy io dia zo feno izay tsy maintsy avoaka amin'ireo harena sy fanana raha toa ka mahatratra ny fatra voafetra izay takina, ka avoaka sy omena ireo karazan'Olona valo izay efa voatondro sy voalaza ato anatin'ny Boky masina Koroany ireo vondron'Olona ireo, ka anisan'izany ireo mahantra sy ireo masikiny.
Ary amin'ny fanatanterahana azy dia ho feno indrafo sy tambitamby ny Olona iray, ary ny tanjona amin'izany dia ny fanadiovana tanteraka ny toetran'ny Mpino Islamo sy ny harenany, ary hampifalifaly ny fon'ireo mahantra sy ireo sahirana, ary fanamafisana sy fanatanjahana ny fifankatiavana sy ny firaisakina ary firalahina manoloana ny fiarahamoninan'ny vahoaka Mpino mpanaraka ny finoana sy fivavahana Isilamo, ka noho ny amin'izany dia ny Mpino Islamo mpanao asa soa dia mamoaka izany amin'ny hatsarana ka lasa mahasambatra ny fony ny fanatan-terahana an'izany, Satria mampiditra fahasambarana ho an'ny hafa Izy.
Ny sandan'ny Zakat amin'ny vola dia 2,5% amin'ny vola voatahiry toy ny volamena, volafotsy, vola taratasy, ary entana ara-barotra voamaina hividianana sy hivarotana hahazoana tombony, raha toa ka mahatratra ny sandany ary feno herintaona.
Ary voadidy tahaka izany ihany koa ny famoahana ny " Zakat " amin'ireo Olona izay manana Biby fiompy tahaka ny ( rameva, omby, ondry sy osy ), raha toa ka mihinana bozaka amin'ny tany mandava-taona sy tsy ampisakafon'ny tompony.
Ary voadidy tahaka izany ihany koa ny famoahana ny " Zakat " amin'ireo vokatra izay azo avy ambanin'ny tany toy ny " Rikâz " arena nalevina ambany tany – izay ireo harena nalevina tamin'ny androny habadoana –, ary torak'izany koa ireo voamaina sy voankazo ary metaly, raha toa ka mahatratra ny fatra voafetra.
Ny andry faha-efatra dia : fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : O ! Ianareo izay nino, voadidy ho Anareo ny fifehezana toy ny nandidiana ireo izay talohanareo, angamba hanam-pahatahorana ianareo. [ Sorate Al-Bakarat : 110 ]
Ny volana Ramadany dia : volana faha-sivy amin'ny taona izay voarakitra ao amin'ny kalandrie Islamika Hidjiria, sy volana manan-kaja amin'ireo vahoaka Mpino Islamo, ary manana toerana manokana mihoatra an’ny volana rehetra, ny fifehezana feno amin’ny volany dia iray amin’ ireo andrin’ny finoana Isilamo
Fifehezana amin'ny volana Ramadany dia : Fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny alàlan'ny fitazoman-tena amin'ny tsy fisakafoanana sy tsy fisotroana ary tsy fanaovana firaisana ara-nofo, sy ireo mety ho sakafo avokoa, manomboka amin'ny maraina vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro mandritra ny andro rehetra ao anatin'ny volana Ramadany izay be fahasoavana.
Ny andry faha-dimy dia : Fivahiniana masina any amin'ny tranon'i Tompo Allah.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Adidin’ny Olombelona Amin’i Allah ho an’izay manan-katao no mankany, manatanteraka ny Hajy, amin’ilay trano masina. [ Sorate Al-Imran : 97 ]
Ny Hadjy dia ho an'ireo izay afaka manao izany, indray mandeha eo amin'ny fiainany. Izy io dia : Mankany amin'ny Trano Masina sy ireo toerana masina ao Lameka mba hanao fotoam-pivavahana manokana amin'ny fotoana manokana. Ary i Mpaminany (S.A.W) dia nanao ny Hadjy, toy ny nataon’ireo mpaminany hafa tany alohany. Nandidy an'i Ibrahim i Tompo Allah mba hiantso ny Olona ho amin'ny Hadjy, araka ny nambaran'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha Amintsika ao amin'ny Boky masina Koroany, manao hoe : Antsoy ny Olona ho amin’ny fivahinianana masina. Fa ho tonga eo Aminao izy ireo, am-pandehanana an-tongotra sy amin’ny alalan’ny biby fitaingina, izay avy amin’ny lalana lavitra rehetra. [ Sorate Al-Hadjy : 27 ]
Ny Ambaratonga fah-aroa : NY IMANY
Finoana : dia ny fanekena, ny finoana mafy orina, ary ny fanekena tanteraka ny zavatra rehetra nodidian’i Tompo Allah sy ny Irany mba hinoana, sy ny filavolefona ety ivelany sy any anatiny, ka izany dia finoan'ny fo sy foto-pinoana izay mahafoaka ny asan'ny fo sy ny asan'ny rantsambatana, ary mandrakotra ny fanatanterahana ny fivavahana manontolo, izay mitombo amin'ny alalan'ny fankatoavana, ary mihena amin'ny alalan'ny fahotana.
Ireo andrin’ny Finoana
Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny atao hoe : " Finoana - Imany ", dia namaly Izy ka nanao hoe : " Ny finoanao an'i Tompo Allah, sy ireo Anjeliny, ary ireo Bokiny, sy ireo Irany ary ny Andro farany ary ny lahatra sy anjara na tsara na ratsy ny amin'izany "."
Andrin'ny " Imany - finoana " dia fanompoana ao am-po izay tsy afa-miala amin'izany mihitsy ireo Mpino Islamo tsirairay avy, ary tsy manan-kery ny Isilamo nolona iray raha tsy manana foto-pinoana matanjaka ny amin'izany Izy, sy ny fanatanterahana izay takian'izany, ka noho ny avy amin'izany dia nantsoina ho andry fototra ny finoana Isilamo ny hoe " Imany ". Ary ny maha samy hafa ny andrin'ny finoana " Islamo " manoloany izany rehetra izany dia ny hoe : ny andrin'ny " Islamo " dia ireo asa miseho amin'ny endrika mibaribary ny fomba fanatan-terahan'Olona iray ny asa ataony amin'ny alàlan'ny ratsam-batana, ohatra amin'izany tahaka ny fitenenana ilay teny " Fijoroana vavolombelona roa ", ny fanaovana " Soalat " sy ny famoahana " Zakat ", fa ny andrin'ny " Imany " kosa dia asa mipetraka ao am-po amin'ireo fomba izay hanatanterahan'Olona iray ny asa miainga avy ao am-pony tahaka ny finoana an'i Tompo Allah sy ireo Anjeliny, ireo Bokiny ary ireo Irany.
Ny andry voalohany dia : Ny Finoana an'i Tompo Allah
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Ireo tena mpino marina dia izay mino an’i Allah [Sorate An-nor : 62]
Mino ny fisian'i Tompo Allah izahay, ary manaiky ny maha-tokana Azy amin'ny maha-Mpahary sy panabe Azy, sy amin'ny lafiny maha Tompo mendrika ho tompoina Azy, ary amin'ireo anarany sy ny laza amambonahitra izay ananany, ka ny finoana an'i Tompo Allah dia mitaky an'ireto avy:
Finoana ny fisian'ilay be voninahitra sy avo Tsitoha
Ny fanekana sy finoana ny maha-mpahary Azy, ary Satria Izy no tompon'ny zava-drehetra, ary Izy irery ihany no nahary sy nanamboatra an'izany rehetra izany sy mpanome ihany koa ny anjara masoandriny zava-drehetra ary mpandrindra ny fiainan'izy ireny.
Ny fanekena sy finoana amin'ny maha Tompo mendrika tompoina Azy, ary Izy irery ihany no mendrika tompoina, Izy no tokana, tsy manam-paharoa no sady tsy misy zavatra mikambana Aminy, amin'ireto : toy ny amin'ny " Soalat ", ny Fangatahana, fanaovana Sorona, sy ny fangatahana Fanampiana, Fiarovana, sy ireo karazana fanompoana maro samy hafa ihany koa
Ny fanekena sy finoana ireo anaran'i Tompo Allah izay tsara sy mendrika izay namarininy ho an'ny Tenany na koa izay namarinin'ny Mpaminaniny (S.A.W) ho Azy, ary ny fanesorana ireo zavatra izay noesoriny amin'ny Tenany na koa ireo izay noesorin'ny Mpaminaniny (S.A.W) Aminy, ary tena marina fa ireo anarany sy lazany rehetra ireo dia efa mihoatra tanteraka ny anjara-toerana avo eny izay tsara ary mendrrika indrindra ary tena marina fa tena tsy misy ny mitovy Azy ary Izy tokoa no sady maheno sy mahita ny miafina sy mibaribary.
Ny andry fah-aroa : Ny finoana ireo Anjely.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Dera ho an’i Allah, Mpahary ny lanitra sy ny tany, Izay nanao ireo Anjely ho Iraka manana elatra roa, na telo, na efatra. Ampiany araka izay tiany ny zava-boahary, fa Mahefa ny zavatra rehetra Izy. [Sorate Fatir : 1]
Isika dia mino fa ireo Anjely dia tafiditra anisan'ireo zava-miafina, ary izy ireo dia mpanompon'i Tompo Allah izay noharian'i Tompo Allah avy tamin'ny alalan'ny hazavana, ary nataony ho hendry sy manambany tena eo Aminy avokoa izy ireo.
Izy ireo dia zavaboary lehibe izay tsy misy mahalala afa-tsy i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ny heriny sy ny isany. Samy manana ny filazalazana sy ny anarana ary ny asa amandraikitra nomen’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha azy ireo tsirairay avy, ary anisan’izany i Djibril (A.S), izay nankinina Taminy tanteraka ny fanambarana rehetra izay nampidina avy tamin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ho an’ireo Iraka sy Mpaminany avy Aminy.
Ny andry faha-telo : Ny finoana ireo Boky
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Lazainareo fa hoe : " Izahay dia mino an'i Tompo Allah; ary mino izay rehetra nampidinina taminay sy izay nampidinina tamin'i Mpaminany Ibrahim, Ismail, Ishaaq sy Ya'qob (A.s) ary ireo foko nipoitra avy amin'ny taranak'i Ya'qoub, ary izay nomena an'i Mpaminany Mosa sy Issa (A.s), ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo.ka tsy azonay atao ny manavaka na dia iray aza amin'izy ireo; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy irery ihany. [ Sorate Al-Bakarat : 136 ]
Mino Isika fa i Tompo Allah dia nampidina Boky tamin'ireo Irany, ho porofo manan-kery amin'izao tontolo izao, ary ho lalana mahitsy ho an'ireo mpanatanteraka.
Ampianarin'izy ireo azy ireo ny fahendrena, no sady diovin'izy ireo amin'ny loto sy ny toetra ratsy.
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, tamin’ny alàlan’ny fandefasana ny Mpaminany Mohammad (S.A.W) ho an’ny Olona rehetra, dia nanafoana tanteraka ny lalàna rehetra nisy teo aloha niaraka tamin’ny lalàny manokana, ary nanao ny Boky masina Koroany ho ambony indrindra noho ireo boky hafa rehetra avy any an-danitra ary nanafoana izany ihany koa. i Tompo Allah dia niaro ny Boky masina KOR'ANY amin'ny fanovana na fanodinkodinana, araka ny teny nolazain'i Tommo Allh ilay avo Tsitoha hoe : Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’any), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy. [ Sorate Al-hidjiro : 9 ]; Satria tena marina fa ny Boky masina Kor'any dia Boky farany amin'ireo Bokin'i Tompo Allah rehetra izay ho an'ny zanak'Olombelona rehetra tsy ankanavaka, ary i Mpaminany Mohammad (S.A.W) dia farany amin'ireo Iraka sy Mpaminany, ary ny finoana Islamo no finoana izay nahafaly an'i Tompo Allah ho an'ny zanak'Olombelona mandra-pahatongavan'ny andro farany, ka niteny i Tompo Allah nano hoe : Tena marina fa ny finoana eo anatrehan’i Allah dia ny finoana Islamo [ Sorate Al-Imrany : 19 ]
Ary ireo Boky avy any an-danitra izay voalazan'i Tompo Allah ao amin'ny Bokiny dia ireto avy izany :
Ny Kor'any Masina : izany dia fanambarana nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Mohammad (S.A.W).
Ny " Taoraty " dia nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Mosa " Mosesy " (A.S)
Ny " Evanjily " dia nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Issa " Jesosy " (A.S)
Ny "Zabora" na koa Salamo dia nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Daodo "Davida" (A.S)
Ny " Takelak'i Ibrahim " dia nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Ibrahim " Abrahama " (A.S)
Ny andrin'ny faha-efatra : Ny finoana an'ireo Iraka.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : { Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe) : “ Manompoa an’i Allah Ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty [94]» ”.} [Sorate An-Nahaly : 36].
Mino izahay fa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia naniraka Iraka ho an'ireo zavaboahariny mba hiantso azy ireo amin'ny fanompoana an'i Tompo Allah irery ihany, tsy misy mpiombona Aminy, ary ny tsy finoana izay rehetra ivavahana ankoatra an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha.
Ary izy rehetra dia Olombelona, lehilahy, mpanompon'i Tompo Allah, ary marina sy mino, mpivavaka sy mendri-pitokisana ary mpitari-dalana. i Tompo Allah no nanohana azy ireo tamin'ny Porofo izay manaporofo ny fahamarinany, ary nampita izay rehetra nanirahan'i Tompo Allah azy ireo izy ireo, ary izy rehetra dia tao amin'ny fahamarinana mazava sy ny fitarihana mazava.
Ny fiantsoana nataon'izy ireo, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia nifanaraka avokoa tamin’ny fanorenan’ny fivavahana, dia ny maha-iray an’Andriamanitra ilay avo Tsitoha amin’ny fanompoam-pivavahana fa tsy ny fiarahana Aminy.
Ny andry faha-dimy dia : Ny finoana ny Andro farany.
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Allah ! Tsy misy Tompo afa-tsy Izy ! Havoriny tokoa Ianareo amin’ny andro fitsanganana. Tsy misy fisalasalana ny amin’izany. Ary iza no marin-teny kokoa mihoatra an'i Allah ? [Sorate An- Nisay : 87]
Mino an’ny andro farany Isika, dia ny andro fitsanganana amin’ny maty izay tsy misy andro intsony aorian'izany, ary mino ny zava-drehetra mifandraika amin’izany Isika, araka ny voalazan’ny Tompontsika ilay avo Tsitoha ao amin’ny Bokiny Masina na izay nolazain’ny Mpaminany Mohammad (S.A.W) Amintsika, toy ny fahafatesan’ny Olona, ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanelanelanana, ny mizana, ny fanisana, ny Paradisa sy ny helo, ary ny zavatra hafa mifandraika amin’ny andro farany.
Ny andry faha-enina dia : Ny finoana ny lahatra sy anjara tsara na ratsy
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay. [ Sorate Al-Kamaro : 49 ]
Mino sy maneky Isika ny lahatra sy ny anjara na tsara na ratsy, dia ny fanendren'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ny zavaboary araka ny fahalalany mialoha sy ny fahendreny, ary fa ny zava-mitranga rehetra na ny mihatra amin’ny zavaboary eto amin’izao tontolo izao dia avy amin’ny fahalalana sy ny fanendrena mialoha ary ny fifehezan’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary ireo anjara ireo dia nosoratana talohan’ny nahariana ny Olombelona, ary manana sitrapo sy faniriana ny Olona, ary izy no tena mpanao ny asany. Na izany aza, izany rehetra izany dia tsy mihoatra ny fahalalana sy ny sitrapony ary ny didin’i Tompo Allah.
Fa ny finoana ny lahatra sy ny anjara dia mihainga avy amin'ny ambaratongan-javatra efatra :
Ny voalohany dia : Ny fahafan-tarany Tompo Allah sy ny fahalalany izay mameno sy mandrakotra ny zava-drehetra ary miandraikitra ny zava-drehetra ihany koa
Ny faha-roa dia : Ny finoana fa efa voasoratra sy efa voarakitran'i Tompo Allah avokoa ny hatrizay sy ny mandrakizay mandra-pahatongavan'ny andro farany.
Ny faha-telo dia : Ny finoana an'ireo izay tiany Tompo Allah sy ireo izay sitrany ka dia tsy maintsy tanteraka avokoa izany rehetra izany amin'ny heriny feno sy fahefany ka izay tiany rehetra no mandalo sy tanteraka avokoa fa izay tsy tiany ary tsy ilany kosa dia tsy ho tanteraka
Ny faha-efatra dia : Ny finoana marina fa i Tompo Allah dia Tompo nahary sy nanamboatra an'izao rehetra izao, fa tsy misy mpikambana Aminy tamin'ny nahariany ny zava-boariny rehetra izao
Ambaratonga faha-telo : Ny Fahatsarana
Ny hatsarana dia ny fanompoanao an'i Tompo Allah toy ny mahita Azy, ary raha tsy mahita Azy Ianao dia Izy no mahita Anao. Hoy i Tompo Allah Taanla nanao hoe : Marina fa i Allah dia miaraka amin’ireo izay matahotra (Azy), sy ireo mpanao asa soa. [Sorate An-Nahalo : 128].
Ny fahadiovana
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Satria, Allah dia tia ireo mpibebaka sy ireo mpitandro fahadiovana. [Sorate Al-Abakarat : 22].
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Izay manao fanadiovana masina tahaka ity fidiovako ity, avy eo dia mivavaka Soalat roa rakaant tsy mieritreritra na inona na inona, dia havelan'i Tompo Allah ny fahotany rehetra tany aloha. [Notaterin'i Al-bokhari].
Anisany halehibiazany fanompom-pivavahana " Soalat " sy ny vonahiny ary anjara toerany dia avy amin'izany no nandidin'i Tompo Allah ny fomba fanatan-terahana ny fidiovana " Wozo " alohan'ny fanatan-terahana izany, ary nataony izany ho fe-petra ahatomombana sy fanala-hidin'ny " Soalat ", ary ny fahatsapana ny tombotsoa manoloan'izany dia efa mametraka sahady ny fo mba hitia ny fanatanterahana ny " Soalat ", hoy ny Mpaminany (S.A.W)hoe : (Ny fidiovana dia antsasaky ny finoana; ny fitenenana hoe " Alhamdolillahy " (Dera ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana; ny fitenenana hoe " Sobohaanal-lloaahi wal-hamdolillaahy " (Manadio an'i Allah amin'izay rehetra tsy mendrika Azy Aho ary dera ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany; ny Soalat (fanompoam-pivavahana) dia hazavana; ny Soadakah (famoahana amin'ny ampahan-karena mba hitadiavana ny hafalian'ny Tompo Allah) dia porofo; ny fiaretana dia fanilo, ary ny Koroany dia porofo miaro Anao na manohitra Anao. Ny Olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany, ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika Azy.) Notaterin'i Moslimo.
Ary mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : (Izay nanatan-teraka ny fidiovana "Wozo" ka nohatsarainy tokoa izany, dia mivoaka amin'ny vatany avokoa ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony). Notaterin'i Moslimo.
Ka ny mpanompo iray rehefa manantona ny Tompony amin'ny fidiovana izay azo tsapain-tànana ka tsy inona akory izany fa ny fanaovana ny " Wozo ", ary ny tsy azo tsapain-tànana kosa dia ny fanatan-terahana ny fanompoana, ka tanteraina izany amin'ny fahadiovam-po ho an'i Tompo Allah, no sady atao manaraka ny sori-dàlan'i Mpaminany (S.A.W).
Ireo zavatra mitaky ny fidiovana sy fanaovana ny " Wozo " :
1- Ny Soalat amin’ny ankapobeny, na tsy maintsy atao izany na ny an-tsitrapo.
2-Ny Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba (Toawafo).
3-Fikasihana sy ny fitazomana ny KOR'ANY Masina.
Izaho dia hanao sy hanatan-teraka ny " Wozo " sy hisaika amin'ny rano madio.
Ny rano madio dia : ireo rano izay nidina avy any an-danitra na koa izay niboiboika avy anaty tany, ka nijanona amin'ny endriny fa tsy nioava ny iray amin'ireo endrika telo izay milaza ny toetra maha rano madio azy toin'ny lokony, sy ny tsirony ary ny fofony, izay mety manala ny fahadiovan'izany rano izany.
Ny wozo (fidiovana)
Ny dingana voalohany " 1 " dia : Ny fikasana ao am-po, ary ny dikan'izany dia ny hoe : fanapaha-kevitra miaraka amin'ny fanetren-tena fa hanao sy hanatan-teraka ny fanompoana mba ho fomba iray hanakaikezana an'i Tompo Allah.
Dingana 2 : Miteny hoe : Bisimillahi .
Ny dingana faha-telo " 3 " dia : Ny fanasana ny felan-tànana roa, in-telo.
Ny dingana faha-efatra " 4 " dia : Ny fanotsanam-bava, in-telo.
Ny fanotsanam-bava dia : Fampidirana ny rano ao am-bava sy ny fanodikodinana izany ao am-bava, avy eo avoaka arina aty ivelany.
Ny dingana faha-dimy " 5 " dia : Ny fanadiovana ny orona, avy eo ny famoahana azy in-telo, ary ny fanadiovana ny orona dia : fisintonana ny rano ao anaty orona amin'ny alàlan'ny fakana aina ka hatramin'ny faran'ny orona.
Ny Istinthar dia famoahana izany rano izany amin'ny alàlan'ny fanisinan-delo avy amin'ny orona na koa ankoatr'izany amin'ny fihainàna.
Ny dingana faha-enina " 6 " dia : Ny fanasana tarehy, in-telo.
ka ny fetran'ny tarehy dia :
Ny tarehy dia : izay ho entina ifanatrehana amin'ny hafa.
Ary ny fetrany tarehy avy amin'ny sakany dia : avy eo amin'ny sofina ilany ka hatramin'ny sofina ilany ihany koa
Ary ny fetrany tarehy avy amin'ny halavany dia : manomboka eo amin'ny toerana hitsirin'ny volo araka ny mahazatra ka hatramin'ny saoka.
Tafiditra anisany toerana sasana ihany koa ny volovolo rehetra misy eo amin'ny tarehy,toy ny " Bayadhy " sy ny " An-zhary ".
Ary ny " Bayadhy " dia manomboka : eo anelanelan'ny " An-zharo " sy ny sofina.
Ary ny " An-zharo " kosa dia : ny volo izay eo amin'ny taolana mipoitra, mifanitsy amin'ny lavaky ny sofina farany mankany amin'ny ati-doha, ary midina avy eo amin'ny takelaky ny sofina.
Ary tahakan'izany ihany koa ny fanasana ireo volo be izay eo amin'ny somotra sy ny volo kely izay miseho ireny.
Ny dingana faha-fito " 7 " dia : Ny fanasana ny tànana roa miatomboka amin'ny tendron'ny ratsan-tànana roa ka hatramin'ny kio roa, ka atao in-telo izany.
Ary ny fanasana kio roa dia voadidy ihany koa fa tsy maintsy ary Obligatoara ny fanasana azy roa izany.
Ny dingana faha-valo " 8 " dia : Ny fisafona ny loha miaraka amin'ny sofina roa amin'ny alàlan'ny tànana roa ka atao indray mandeha ihany dia efa mahampy izany.
Miatomboka amin'ny voalohan'ny loha ka hatramin'ny hatoka afara ary averina any aloha indray mandeha ihany koa rehefa avy eo.
Ary ampidirina ao anaty sofina roa ny fanondro tanana roa, ary ny anki-be roa atao ivelan'ny sofina roa, ka safoina tsara amin'izany ny ivelany sy ny ao anatiny.
Ny dingana faha-sivy " 9 " dia : Ny fanasana tongotra roa miatomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tongotra roa ka hatramin'ny kitro tongotra roa, in-telo, ary izany dia tafiditra amin'ny lalàn'ny fanaovana " Wozo ".
Ny kitro roa dia taolana roa izay mivoaka be ety ambanin'ny ranjo.
Dingana 10 : Anisan'ny Sonnah ho an'ny Mpino Islamo ny miteny aorian'ny wozo ny hoe " Mijoro ho vavolombelona Aho fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, Izy irery ihany tsy misy mpikambana Aminy, ary mijoro ho vavolombelona Aho fa i Mohammad dia Mpanompony sy Irany. Tompo Allah ô, ataovy anisan'ireo mibebaka Aho, ary ataovy anisan'ireo voadio Aho " araka ny teniny ﷺ: (Izay nanao wozo ka nanao izany tsara, avy eo niteny hoe: Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, Izy irery ihany tsy misy mpikambana Aminy, ary mijoro ho vavolombelona Aho fa i Mohammad dia Mpanompony no sady Irany. i Tompo Allah ô, ataovy anisan'ireo mibebaka Aho, ary ataovy anisan'ireo voadio Aho, dia misokatra ho azy ny vavahady valon'ny Paradisa, ka mahazo miditra amin’izay tiany Izy) Notaterin'i Tirmidhi.
Ireo zavatra manimba ny fidiovana ny " Wozo " :
1- Ireo zavatra mivoaka eo amin'ny lalana roa toy ny pipy sy tay ary hetotra sy ny tsiron'aina, ary ny rano izay mivoaka alohany izany tsiron'aina.
2- Fahaverezan-tsaina na amin'ny alàlan'ny torimaso lalina, na koa torana, na koa mamo, na koa adala.
3- Ireo rehetra izay nametrahana didy fa tsy maintsy mitaky ny fisehana dia manimba toy ny fivoahan'ny tsiron'aina na ny fadim-bolana, ary ny lio aorian'ny fiterahana
Rehefa manatanteraka ny fivoahana ny Olona iray ka namoaka ny lotony dia voadidy avy hatrany io Olona io fa tsy maintsy hanala an'izany loto izany na amin'ny alàlan'ny rano madio izay tena tsara amin'ny fomba fahadiovana, na koa ankoatry ny rano na amin'ireo zavatra mety ahafahana manala an'izany loto izany toy ny vato sy ravin-kazo na ravi-damba na zavatra hafa ankoatran'izany, ary ny fomba mety amin'ny fanatan-terahana an'izany dia ny famafana ny loto misy in-telo miantoana na mihoatra an'izany fa ny tena tanjona dia ny ahatonga ny Olona ao anatiny fahadiovana, ka ny fanadiovana dia mety mampiasa ireo zavatra madio hafaka ampiasana amin'ny fahadiovana.
Ny fisafona ny bakiraro sy ny kiraro hoditra
rehefa mitafy ny bakiraro sy kiraro hoditra dia afaka atao ny misafo eo ambonin'izy roa ireo ka tsy mitaky ny fanasana tongotra roa akory izany, fa misy ireo fe-petra tsy maintsy hajaina sy arahina ka dia ireto avy izany :
1. Ny fisikinana azy roa dia aorian'ny fidiovana Toahara amin'ny loto kely sy loto lehibe.
2- ary tokony madio izy roa fa tsy maloto ary tsy mila misy loto.
3- ary ny fisafoana azy dia mbola mila ao anaty fe-potoana izay azo hisafoana azy.
4- Takiana ny tokony halaly fa tsy akory halatra na koa noravana ilay izy.
Ny " Khoffainy " dia kiraro hoditra manify izay tafiana sy ireo kiraro izay mahavita mandrakotra ny tongotra roa. Ny " Djaorabany " dia ravin-damba na ba-kiraro tafiana na koa ankoatr'izany.
Anisany lesona sy antony manokana maha mety ny fisafoana amin'ny kiraro hoditra dia izao : Ny antony maha mety ny fisafoana amin'ny kiraro hoditra dia ny mba hanamaivana sy hanamora ny Mpino Islamo, ho an'izay mavesatra amin'izy ireo ny fanalana ny kiraro na koa ny fanalana ny ba-kiraro ka hanasa ny tongotra, indrindra rehefa amin'ny fotoanan'ny ririnina sy nintsy mafy, sy rehefa manatan-teraka ny fivoahana any ivelan'ny tanàna.
Fe-potoan'ny fisafoana : Ny eo an-tanana : iray andro sy iray alina (24 ora). Ny mpivahiny : telo andro sy telo alina (72 ora).
ary atomboka ny fe-potoany rehefa nisafo voalohany ny kiraro hoditra na koa ny ba-kiraro aorian'ny loto izay nitranga .
fomba fanatanterahana ny fisafoana ny kiraro hoditra sy ny ba-kiraro dia izao :
1- Lemana petsapetsandrano ny tànana roa.
2- Ampandalovina ny tànana eo ambonin'ny tongotra roa ( miatomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tongotra ka hatramin'ny tongotra ).
3- Safoina ny tongotra an-kavanana amin'ny tànana an-kavanana ary ny tongotra an-kavia amin'ny tànana an-kavia.
Ireo zavatra manimba ny fisafoana dia : 1- Ireo zavatra rehetra hita fa mitaky ny fisehana " Fandroana ". 2- ny fahataperan'ny fe-mpotoana hanaovana ny fisafoana.
Fisehana " Fandroana "
Raha toa ka ny lahy sy ny vavy nanatan-teraka ny firaisana ara-nofo, na dia tsy nisy fivoahana aza, na koa nisy fivoahan'ny tsiron'aina avy amin'izy roa miaraka amin'ny filan'ny nofo raha nifoha, na nivoaka izany tamin'ny toromaso; dia tsy maintsy man-dro sy miseky izy ireo mba ahafahan'izy roa manatan-teraka ny fanompoam-pivavahana Soalat sy ireo zavatra izay mitaky ny fahadiovana. ary tahakan'izany ihany koa ny vehivavy rehefa tapitra ny fadim-bolanany sy ny lio aorian'ny fiterahana dia voadidy Aminy ny man-dro sy miseky alohany ahafahany manatan-teraka ny fanompoam-pivavahana Soalat sy ireo zavatra mitaky an'izany fahadiovana izany.
Ny fomba fanatanterahana ny fisekena sy fandroana dia tahak'izao :
Lemasan'ny Mpino iray ny vatany manotolo amin'ny rano amin'izay fomba rehetra hanaovany azy, fa mila voarakitra rano avokoa ny vatana ka anisan'izany ny fanotsanam-bava sy ny fandemana ny orona, rehefa lena tanteraka ny vatany dia efa miala Aminy ny loto lehibe ary vita ny fahadioavany.
Ary misy toetoetra iray hafa lavorary kokoa, izay fanaon'ny Mpaminany (S.A.W), ary dia toy izao manaraka izao izany :
01- Ny finiavana sy fikasana hanala ny loto ara-pinoana (tsy hita maso).
2-Filazàna ny teny hoe Bisimillâhy, fanasana ny tànana roa in-telo, avy eo fanasana ny fivaviana.
03 Ny fidiovana masina (wozo) amin'ny endrika feno tanteraka, toy ny ataon'ny Islamo ho an'ny amin'ny fanaovana Soalat.
04 Mandraraka rano in-telo amin'ny loha, ka atao lena tsara ny fakan'ny volo.
Fanondrahana rano ny vatana manontolo, ka atomboka amin'ny fanasana ny ilany an-kavanana avy eo ny an-kavia, sady kosehina amin'ny tànana roa mba hiely amin'ny vatana manontolo ny rano.
Tsy azo ataon'ny Olona misy " Djanaba " izany hoe : Olona nivoahan'ny tsiron'aina ireto zavatra ireto afa-tsy hoe avy nisaika sy nandro Izy :
01- Ny Soalat
02- Ny fihodikodinana eo amin'ny " Kaabat "
03- Ny fijanonana na fipetrahana ao amin'ny Moskiriny dia tsy azo ataony, fa ny mandalo fotsiny kosa nohony atony manokana dia azony atao izany
04- Ny fitsapana na fitazomana ny Boky masina Kor'any dia tsy azo ataony
05- Ny famakiana ny Boky masina Koroany tsy mitazona azy amin'ny tanana dia mety
Fidiovana maina tsy amin'ny alalany Rano
Raha toa ka sendra tsy nahita rano ny Mpino iray mba hanadiovany ny tenany na koa tsy afaka mampiasa ny rano nohon'ny aretina na mety an-koatran'izany ka lasa mety hatahorany ny tsy ahatratrarany ny fotoam-pivavahana Soalat dia amin'izay fotoana izay mety Aminy ny manatanteraka ny fidiovana " Tayammomo " amin'ny alalan'ny fotaka Izy.
Fomba fanaovana azy dia kampohina na pehana indray mandeha amin'ny tany ny tànana roa avy eo safoina amin'ny tarehy sy ny fela-tànana roa ihany koa , ka voadidy ny tany na fotaka no hanaovana azy fa mila madio.
Manimba ny " Tayammomo " ireto zavatra manaraka ireto :
1- Manimba ny " Tayammoumou " dia ireo zavatra rehetra mety manimba ny Wozo.
2- rehefa mahita rano alohan'ny hanomboka ny fanompoana izay nahavitana " Tayammom " dia simba tsyy manan-kery ilay Izy
Ny Soalat (Fanompoana sy fivavahana)
Nodidin'i Tompo Allah ary nobaikony amin'ireo Mpino mpanaraka ny finoana Islamo ny manatan-teraka ny fanompom-pivavahana Soalat in-dimy isan'andro aman'alina, ary izany dia ny Soalat Fadjr, A-Zohry, A-nsory, M-aghariby, I-nshay
Ny fanomanana hanao ny Soalat
Rehefa miditra ny fe-potoam-pivavahana Soalat dia midio manao fidiovana ny Mpino iray amin'ny fidiovana kely sy fidiovana lehibe raha toa ka maloto amin'ny loto lehibe Izy
Ny loto lehibe dia : izay zavatra mitaky amin'ny Mpino iray ny fanatanterahana ny fisehana " Fandroana Djanaba "
Ny loto kely dia : izay zavatra mitaky ho an'ny Mpino iray ny fanatanterahana ny Wozo.
Manatanteraka Soalat ny Mpino iray amin'ny lamba madio, amin'ny toerana madio, fa tsy amin'ireo toerana na zavatra misy nadjisy na koa maloto no sady tsy maintsy manafina ny henany " henatra "
Mahasoa mihaingo ny Mpino iray amin'ny lamba mendrika amin'ny fotoan'ny Soalat ary takomany amin'izany ny vatany, ary tsy azo ataon'ny lehilahy ny mamoaka ny manelanelan'ny foetrany sy ny lohaliny rehefa manatan-teraka ny Soalat.
Tsy maintsy ataon'ny vehivavy ny manafina ny vatany rehetra rehefa manatan-teraka ny Soalat afa-tsy ny tarehy sy ny fela-tànana roa ihany no mahazo mivoaka.
Tsy azo atao ny Mpino Islamo ny miresaka na miteny ao anaty fanompoam-pivavahana Soalat ankoatran'ireo teny izay efa voatokana ny amin'izany, fa ny tsirairay dia mangina avokoa fa mihaino ny mpitarika " Imamo ", ary tsy mitoditodiika rehefa ao anatiny fanaovana Soalat, fa raha sendra tsy mahavita mitandrina na tsy mahafantatra ireo teny tokony ho lazaiina amin'ny Soalat dia manatan-teraka ireo " Zikiry " sy " Tasbihy " mandra-pahataperan'ny Soalat, ary tsy maintsy ataony tsirairay ny mianatra haingana ny fomba fanaovana ny Soalat sy ireo teny rehetra ao anatiny.
Ary mba hanatanterahantsika ny Soalat amin'ny fomba marina, amin'ny sitrapon'i Tompo Allah, dia ireto dingana manaraka ireto no arahintsika sy kajintsika:
Dingana 1 : Ny fikasana sy ny finiavana ao am-po ho an'ny Soalat izay voadidy fa tsy maintsy ho tanterahina, ary ny toerana hametrahana an'izany fikasana izany dia ao am-po.
Rehefa avy manao sy manatan-teraka ny fidiovana Wozo Aho dia avy hatrany mitodika any amin'ny lapa masina ny " Kibolat ",no mitsangana manatanteraka ny Soalat.
Dingana 2 : Ampiakariko ny tanako roa ka ataoko mifanitsy mahitsy tsara amin'ny sorikako ary miteny Aho ny hoe : " Allah Akbar " mikasa hiditra anaty Soalat.
Dingana 3 : Vakiko ny Doan izay atao ho famahana sy fanokafana ny Soalat ka izany dia mari-pototra avokoa ka anisan'izany dia : "" Sobhanaka Alloahomma Wabihamdika, Watabarak asmoka Wataanlaa Djaddoka, Wala 'iilaha Ghayraka " izay midika hoe : ( Doka ho an'i Tompo Allah ary tena ho Azy avokoa ny fiderana, ary deraina tokoa ny Anaranao ilay avo Tsitoha ny momba Anao, ary tsy misy Tompo afa-tsy Anao irery ihany)."
Dingana 4 : Mangataka fiarovana amin'i Tompo Allah amin'ilay satana voahozona ka hiteny hanao hoe : Mangataka fiarovana amin'i Tompo Allah Aho amin'ilay satana voahozona.
Dingana 5 : Hamaky Sorate Al-fatihat amin'ireo Rakaant rehetra misy amin'ny Soalat ka izy io ary dia ny hoe : Ny Dera sy ny Voninahitra rehetra dia ho an'Allah ilay Tompon'izao tontolo izao. ilay Be Indrafo, ilay Be Fiantrana. Mpanjakan'ny andro fitsarana * Ianao irery ihany no tompoinay, ary Ianao irery ihany koa no angatahinay ny famonjena. Tariho mandrakariva amin'ny làlana mahitsy izahay. Dia làlan'ireo nomenao fahasoavana; fa tsy ny an'ireo izay niharan'ny fahatezerana na ireo very làlana.
Avy dia miteny aho manao hoe : (AMINE), izay midika hoe : Tompo Allah Oh ! raiso sy valio ny hatako.
Ka avy eo dia vakiko aorian'ny Sorate al fatihat izay Sourate maivana Amiko ao anaty Boky masina Kor'any ao anatin'ny Rakaant voalohany sy faha-roa ihany amin'ireo Soalat rehetra, ary izany dia tsy voatery fa ny fanatanterahana azy dia azahoana valisoa lehibe.
Dingana 6 : Miteny: ( Allah Akibaro ) avy eo manao fiondrehana " Rokon " ka ny lambosina atao mahitsy tsara amin'ny hatoko ka misaraka ireo ratsa-tanako, avy eo miteny hoe : ( Sobohàna Roabby-al An-zhimo ) in-telo Aho amin'ny " Rokon ".
Dingana 7 : Miakatra avy ao amin'ny " Rokon " Aho ka miteny hoe : ( Samiallaoho Liman Hamidah ) no sady mampiakatra ny tanako mifanitsy tsara amin'ny sorikako, rehefa mahitsy tsara ny vatako eo am-pitsanganana dia miteny hoe : ( Roabbana Walakale-Hamodo ).
Dingana 8 : Miteny ( Allah Akbar ) ary miankohoka amin'ny fela-tànana roa, lohalika roa, ny tongotra roa, ny handrina sy ny orona, ary milaza sy miteny hoe : ( Sobohana Raobbi-yal Anlà ) in-telona amin'ny fiankohofana.
Dingana 9 : Miteny ( Allah Akbar ) ary miandra avy amin'ny fiankohofana ka mahitsy tsara ny lambosiko sy mipetraka amin'ny tongotro an-kavia ka ajoro ny tongotro an-kavanana, ary miteny hoe : ( Raobby ighofirly ) in-telo.
Dingana 10 : Miteny ( Allah Akbar ) ary miankohoka indray tahaka ny fiankohofana tamin'ny voalohany teo ihany.
Dingana 11 : Miandra avy amin'ny fiankohofana ka miteny hoe : ( Allah Akbar ) sy mitsangana mahitsy tsara, ka ataoko tahakan'ny tamin'ireo Rakaant sisa mitovy amin'ny Rakaant voalohany.
Aorian'ny Rakaant faha-roa amin'ny Soalat A-zohory, A-nsory, Ma-ghriby, I-nshaay dia mipetraka manao " Tashahodi " voalohany ary izany dia hoe : " Attahiato Lillahy was Soala-wato wat Toaybato, As salamo Anlaika Ayohan Nabyy wa Rahmatolloahy wa Barakaato, As salam Anlaina wa Anlaa imbadillahy Soalihina, Ashi hado Anlaa ilaaha illalloaho, wa Ashi hado Anna Mohammadan Ambdoho wa Rasoloho " izay midika hoe : fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy fahombiazana ary ireo hatsarana, fandriam-pahalemana ho Anao, O ! ry Mpaminany sy fahasoavana, fandriam-pahalemana koa ho Aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo Allah izay hendry, mijoro vavolombelona Aho fa tsy misy Tompo mendrika tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolom-belona koa Aho fa i Mohammad (S.A.W) dia andevo sy mpanompon'i Tompo Allah no sady Irany " avy eo dia mitsangana hanatan-teraka ny fitsanganana Rakaant faha-telo aorian'izany.
Aorian'ny Rakaant farany amin'ireo Soalat dia mipetraka Aho ka hanao " Tashahodi " farany, izany dia : " Attahiato lillahy was soala-wato wat toaybato, As salamo anlaika ayohan nabyy wa rahamatolloahy wa barakaato, As salam anlaina wa anlaa imbadillahy swalihina, ashi hado anlaa ilaaha illallaho, wa ashi hado anna mohammadan ambdoho wa rasoloho, Alloahomma soally anlaa Mohammad wa anlaa aaly Mohammad kamaa soallayta anlaa ibrahim wa anlaa aaly ibrahim, innaka hamidon madjido, Allahomma baarik anlaa Mohammadin wa anlaa aaly Mohammad kama baarakta anlaa ibrahim wa anlaa aaly ibrahim, innaka hamidon madjido, " midika hoe : fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy ireo hatsarana, fandriam-pahalemana ho anao O ! ry Mpaminany sy fahasoavany, fandriam-pahalemana koa ho Aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo 88Allah izay hendry, mijoro vavolom-belona Aho fa tsy misy Tompo afa-tsy Tompo Allah, ary mijoro vavolombelona koa Aho fa i Mohammad dia mpanompon'i Tompo Allah sy Irany,Tompo O ! omeo tsodrano i Mohammad sy ny fianakavian'i Mohammad tahaka ny nanomezanao tsodrano an'i ibrahim sy ny fianakavian'i ibrahim, tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana,Tompo O ! omeo fahasambarana i Mohammad sy ny fianakavian'i Mohammad tahaka ny nanomezanao fahasambarana an'i Ibrahim sy ireo fianakavian'i Ibrahim, tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana"
Dingana 12 : Aorian'izany dia manao ny " Salamo " amin'ny an-kavanana, ka miteny hoe : ( As-salamo Anlaikomo wa Rahamatolloahy ) ary manao salamo koa amin'ny an-kaviako, ka miteny hoe : ( As-salamo Anlaikomo wa Rahamatolloahy ) mikasa ny hivoaka amin'ny Soalat, ka amin'izany rehetraa izany dia efa nahavita nanatanteraka tokoa ny Soalat ny tenako.
Hidjabo " Saron-doha sy vatana " ho an'ireo vehivavy Mpino mpanaraka ny finoana Islamo
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Ô ry Mpaminany ! Teneno amin’ireo vadinao sy ireo zanakao vavy, ary ireo vadin’ireo mpino, mba hampidina ny lamba fisaronan’izy ireo (voalin’izy ireo) amin’ny tenany; izany no haingana kokoa hamantarana azy ireo ka tsy ho voaelingelina, ary i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo. [ Sorate Al-Ahazabo : 59 ]
Voadidin'i Tompo Allah amin'ireo vehivavy Mpino Islamo rehetra ny fanaovana an'ilay fitafy atao hoe : " Hidjabo " sy manakona ny henany (henatra) sy ny vatany manotolo amin'ireo lehilahy tsy fady azy manoloana an'ireo fitafy izay mahazatra amin'ny tanàna misy Azy, ka tsy azony atao ny manala izany " Hidjabo " izany raha tsy amin'ny vadiny na koa ireo Olona fady azy, ary izy ireo dia ireo izay tsy azo ataon'ny vehivavy Mpino Isilamo ny manambady izy ireo mandrak'izay ary izy ireo dia ireto avy : (Ny Ray sy ireo teo alohany, ny zanaka lahy sy ny taranany, ny Dadatoa, ny Anadahy, ny zanaky ny anadahy, ny zanaky ny rahavavy, ny vadin-dreny, ny rafozan-dahy sy ireo teo alohany, ny zana-bady sy ny taranany, ny anadahy avy amin'ny fampinonoana sy ny vadin'ilay vehivavy nampinono, ary fady amin'ny fampinonoana izay fady amin'ny firazanana).
Ary ny vehivavy Mpino Islamo dia mitandro mandrakariva sy manatanteraka ireo fe-petra rehetraa izay takiana amin'ny fomba fitafiany manotolo ka ireto avy izany :
Voalohany : Ny fandrakofana tanteraka ny vatana rehetra
Faha-roa : Tsy tokony hita na atao ho misy haingo ny lamba izay tafiana raha toa ka eo anatrehan'ny lehilahy vahiny.
Faha-telo : Tsy tokony amin'ny endrika manify izay mety hamoaka na ahatazanina ny vatana ilay lamba sy fitafy hanaovana
Faha-efatra : Tokony amin'ny endrika malalaka ny lamba sy fitafy fa tsy tery ka lasa mamoaka ny endrika ny vatana
Faha-dimy : Tsy mahazo manao ny ranomanitra raha toa ka handalo eo akaikin'ny lehilahy hafa ka ho tsikaritr'izy ireo ny fofon'izany.
Faha-enina : Tsy tokony hitovy amin'ny fitafian'ny lehilahy ny fitafiny vehivavy
Faha-fito : Tsy tokony atao hitovy amin'ny fitafian'ireo vehivavy tsy mpino Islamo amin'ny fanompoan'izy ireo na koa eo amin'ny fety sy lanonan'izy ireo
Faha-valo : Tsy tokony ho fitafiana fisehosehoana na mihebohebo.
Anisan'ny toetoetran'ny Mpino izany
Miteny i Tompo Allah manao hoe : Ireo tena Mpino, dia ireo izay mientana ny fony rahefa tsiahivina ny anaran’i Allah. Ary rahefa tanisaina eo amin’izy ireo ny teny famantarany, dia mampitombo ny finoan’izy ireo izany, ary amin’ny Tompon’izy ireo no iankinany. [ Sorate Al-Anfaly : 2 ]
Marina tokoa Izy eo amin'ny resany ary tsy mba mavandy na mandainga
Tena mpanatanteraka an-tsakany sy an-davany ireo fifanekena sy fampanantenana izay efa natao
Tsy mba manao ny haratsiana rehefa anatiny mihady hevitra
Mamerina ireo toky izay efa nifanomezana
Mankatia ho an'ny namany Isilamo ireo zavatra rehetra izay tiany ho an'ny tenany
Malala-tànana no sady tsara fanahy
Manao soa aman'Olona rehetra
Manohy sy manambatra ny rohi-pianakaviana
Rady sy man-kasitraka amin'ireo lahatran'i Tompo Allah ary tena mbola man-kasitraka ihany koa rehefa anatin'ny fahasambarana ary afaka miaritra rehefa anatin'ny jaly sy fasahiranana
Mahatsapa sy mahalala menatra
Manana hinakinaka amin'ireo zava-boary
Madio fo Izy ary tsy manana lolom-po amin'ny hafa ary ny ratsam-batany avokoa dia madio tanteraka amin'ny fampifahavaloana amin'ireo izay ankoatrany
Mamela heloka ny Olona
Tsy mihinana zana-bola ary tsy manao ny fiara-miasa amin'izany
Tsy mijangajanga
Tsy misotro toaka na ireo zava-maha-domelina
Manao soa sy hatsarana amin'ireo rehetra mpiara-belona
Tsy mikatramo ny hafa ary tsy manao ny tsindry hazo lena ary tsy mba mamitaka
Tsy mangalatra no sady tsy manambaka ny hafa
Hendry sy manao soa amin'ireo Ray aman-dReny, na dia tsy Mpino aza izy ireo, ary hendry sy manaraka azy ireo ihany koa amin'ny hatsarana.
Mitaiza sy mitarimy ireo zanaka amin'ny hatsarana, ary mibaiko azy ireo amin'ny fanatanterahana an'ireo didy amandalana izay efa voaray sy izay napetran'ny finoana Isilamo ary mandrara azy ireo amin'ireo haratsiana sy ireo zavatra rehetra izay efa voarara ny lalana ihany koa
Tsy azo atao ny manao ireo zavatra mitovy tahaka an'ireo fihetsika na asa na fomba amampanaon'ireo vahoaka tsy mpino tsy mpanaraka ny finoana Islamo amin'ny lafiny ara-mpinoana na koa hoe fanompoana na fombafomba mahazatra izay netim-paharazana ka lasa mampiavaka azy ireo no sady lasa fomba manokana ho azy ireo indray
- Mibebaka amin’i Tompo Allah sy mangataka famelan-keloka Aminy noho ny hadisoany sy ny fahotany.
Fitsipika ilaina ary tokony ho fantatra eo amin'ny foto-pinoan'ny Mpino Islamo
01 i Tompo Allah no Tompontsika, tsy misy Tompo afa-tsy Izy, tsy misy Tompo hafa ankoatra Azy ary tsy misy Tompo ivavahana ankoatra Azy, ary tsy misy na inona na inona mitovy Aminy, ary tsy misy izay tsy vitany, ary Izy no ilay Mandre, ilay Mahita.
02 i Tompo Allah, ilay mendri-piderana sy Avo, dia any an-danitra, ambony amin'ny zavaboahariny rehetra sady miavaka amin'izy ireo, ary ny fahamboniany dia tanteraka amin'ny lafiny rehetra : ny fahambonian'ny Tenany, ny fahambonian'ny saranga, ary ny fahambonian'ny hery, ary Izy ilay mendri-piderana no mahafaoka ny zava-drehetra.
03 Ny fanamarinana izay namarinin'i Tompo Allah ho an'ny tenany na izay namarinin'ny Mpaminany Azy Mohammad ﷺ ho Azy amin'ireo anarana sy toetra, ary ny fanesorana izay noesorin'i Tompo Allah amin'ny tenany na izay noesorin'ny Mpaminany ﷺ Aminy.
04 i Tommo Allah ilay avo Tsitoha dia mamaly ny fitalahoana, manatanteraka ny filàna, ary Izy no tompon'ny zava-drehetra, ka tsy misy mahatonga loza na soa afa-tsy Izy. Ny mpanompo dia tsy afa-miala Aminy na dia indray mipi-maso monja aza. Tsy azo atao ho an'ny Islamo ny manantona hafa ankoatra an'i Tompo Allah ilay Tsitoha amin'ny karazana fanompoana na inona na inona, toy ny fitalahoana, ny vavaka, ny voady, ny famonoan-biby ho sorona, ny tahotra, ny fanantenana, ny fiankinana, ary ireo fanompoana hafa, na ny miseho ivelany izany na ny anaty. Ary na iza na iza manolotra ny fanompoana ho an'ny hafa ankoatrin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, dia lazaina fa mampirafy an'i Tompo Allah Izy.
05 Ny fahotana lehibe indrindra dia ny fampiombonana sy fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, ary izay maty amin'ny fanompoan-tsampy dia noraran'i Tompo Allah ny Paradisa ho azy ary ny Afobe no fitoerany. Izany no fahotana tsy hamelan'i Allah heloka raha maty amin'izany ilay mpanompo ka tsy nibebaka tamin'izany.
06 Izay tsy voatendry hahazo ny mpanompo dia tsy hahazo azy, ary izay nanjo azy dia tsy azo nialana. Ary ny Islamo dia tokony hino ny lahatran'i Tompo Allah sy ny anjarany, ho afa-po amin'ireo lahatran'i Tompo Allah ilay Avo, ary hidera sy hankasitraka ny Tompony amin'ny toe-javatra rehetra.
07 Mohammad (S.A.W) Mpaminanintsika, no tsara indrindra amin'ny Olombelona sy farany tamin'ireo Mpaminany, Izy no Mpanalalana izay ankasitrahana ny fanelanelanany amin'ny Andro Fitsanganana, nataon'i Tompo Allah ho sakaiza akaiky Izy tahaka ny nanaovany an'i Ibrahim (A.S) ho sakaiza akaiky.
10. Ny bokintsika dia ny Kor'any Masina, ilay mahagaga, izay azo antoka ny fahamarinany, ary ny famakiana azy dia fanompoam-pivavahana, nampidin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha tamin'ny Mpaminany ntsika Mohammad (S.A.W) tamin'ny alalan'ny Anjely jibril (A.S), ilay tsara indrindra amin'ireo Anjely, ary efa narovan'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha tamin'ny fanovana sy fanoloana izy io araka ny nolazainy, ilay be Voninahitra. Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’any), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy. [ Sorate Al hidjiro : 9 ].
11- Ny Olona akaiky indrindra an'i Tompo Allah dia ireo izay mankatò Azy indrindra, sy ireo manaraka indrindra ny lalàny, ary tsy misy fahamendrehana ny Arabo amin'ny vahiny, na ny vahiny amin'ny Arabo, na ny fotsy amin'ny mainty, na ny mainty amin'ny fotsy afa-tsy amin'ny alàlan'ny fatahorana an'i Tompo Allah, ny Olombelona dia taranakin'i Adama, ary i Adama dia avy amin'ny fotaka, ka niteny Izy ilay Avo nanao hoe : Fa ny mendrika indrindra Aminareo eo anatrehan’i Allah, dia izay vonto-pinoana indrindra. [Sorate Al-Hojoraty : 13].
12- Ny Mpino silamo dia mino ireo Anjely mendri-kaja mpanoratra, ary manaiky ny fisian'izy ireo, fa izy ireo dia mpanompo nohariana, noforonin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha avy amin'ny fahazavana, ary anisan'ny zavaboaarin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha izy ireo, ka anisan'izy ireo i Djibril nanankinana ny fanambarana, i Mikailo nanankinana ny ranonorana, i Isirafilo nanankinana ny fitsofana ny Trompetra, ary ilay Anjelin'ny fahafatesana nanankinana ny fakana ny fofokaina sy fanahin'ireo mpanompo.
13- Ny Olona Islamo dia mino ireo famantaran'ny andro farany, ny fivoahan'ny Mesia sandoka, ny fidinan'i Jesoa Krisity zanak'i Maria (A.S) avy any an-danitra amin'ny fotoana farany, ary ny fiposahan'ny masoandro avy any andrefana.
14- Anisan'ny fotopinoan'ny Islamo ny fanekena ny fisian'ny fampijaliana ao am-pasana ho an'izay mendrika hiantefany izany, sy ny fahasambarana ao am-pasana ho an'izay mendrika hahazo an'izany, ary ny fanontanian'ireo Anjely Monkaro sy Nakîro ao amin'ny fasany momba ny Tompony sy ny fivavahany ary ny Mpaminaniny, ary ny fasana dia zaridaina anisan'ireo zaridainan'ny Paradisa, na lavaka anisan'ireo lavaky ny Afobe.
15- Mino sy maneky ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fanomezana ny valin’asa rehetra amin’ny andro fitsanganana, ary mino sy maneky ihany koa fa ny Paradisa sy ny Afobe dia noforonina ary tsy ho rava mandrakizay.
16- Ny sikidy dia fikomiana amin'i Tompo Allah, tsy azo atao ny mianatra azy na ny manatona ireo ombiasy sy mpamitaka, ary ny Islamo dia tsy mahazo mino ireo mpisikidy na mpampizaha na moasy, ka na iza na iza no mino azy ireo dia efa nikomy tamin'ny zavatra rehetra nampidinina tamin'i Mpaminany Mohammad (S.A.W).
17 - Mitia ireo Mpanaradia an’ilay Iraka (S.A.W) ny Mpino Islamo, ary mitia izay tia azy ireo sy mankahala izay mankahala azy ireo, Satria ny fitiavana azy ireo dia finoana sy asa tsara, fa ny fankahalana azy ireo kosa dia fandavana ny finoana sy fihatsarambelatsihy. Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : « Aza manevateva an'ireo Mpanaradiako Ianareo » (Tatitran’i Moslimo). Ary na iza na iza maniratsira na manambany ny iray amin'ireo Mpanaradia (R.A) dia lazaina fa very no sady mpanao zava-baovao ratsy amin'ny fivavahana (Bidiant).
16- Manamafy ny Mpino mpanaraka ny finoana Isilamo ny fandimbiasana mahakasika ny fitondrana aorian'ilay Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) : Voalohany dia ho an'i Abo Bakry Al-Suddiky, ho faly Aminy anie i Tompo Allah, noho ny fanomezana Azy fahamboniana sy ny fametrahana Azy ho lohalaharana amin'ny vahoaka rehetra, avy eo dia ho an'i Omary Ibino Al-Khattoabo, ho faly Aminy anie i Tompo Allah, avy eo dia ho an'i Othemany, ho faly Aminy anie i Tompo Allah, avy eo dia ho an'i Ali Ibino Abi Toalibo, ho faly Aminy anie i Tompo Allah; ary izy ireo no Mpandimby marina sy mahitsy ary ireo Mpitondra nahazo fitarihana.
17- Voaporofo mazava tsara ny fanompoana, ka tsy azo atao ny manompo an'i Tompo Allah amin'ny fanompoana raha tsy hoe voaporofo ao amin'ny bokin'i Tompo Allah na ny Sounnât'ny irany (S.A.W), ary ny fanompoana rehetra izay ampidirin'ny Olona aorian'ny nahafatesan'ny Mpaminany (S.A.W) ka tsy araka ny torolalany dia forona voatsipaka, avokoa izany Niteny i Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : " Izay mampiditra amin'ny finoantsika ity zavatra tsy anisan'izany finoana izany dia voatsipaka." (Tatitran'i Al-Bokhari).
18- Ny fandraisana sy fanekena ny fanompoana dia miankina amin'ny andry fototra roa lehibe : Ny fahadiovam-po ho an'i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha eo amin'ny fanompoana, ary ny faha-roa dia ny fanarahana an'ny Mpaminany (S.A.W) amin'izany. Koa tsy raisina ny fanompoana raha toa ka tsy misy fahadiovam-po tanteraka ho an'i Tompo Allah, ary tsy raisina ihany koa izany raha toa ka tsy manaraka ny toromarika sy ny fomban'ny Iraky ny Tompo Allah (s.w.a).
Ny fahasambarako sy fiadanako dia ao amin'ny finoako an'i finoana Islamo
Miteny i Tompo Allah manao hoe : N'iza n'iza manao asa soa, lahy na vavy, no sady Mpino, dia tena ho velominay amin’ny fiainana tsara Izy. Ary omenay valisoa mendrika mihoatra ny asa izay nataony izy ireo. [ Sorate An-nahaly : 97 ]
Anisan'ireo zavatra mampiditra hafaliana sy haravoana ary ny fahazavam-po miaraka amin'ireo fahasambarana anaty fon'ny Mpino silamo dia avy amin'ny fifandraisany mivantana amin'ny Tompony Allah izay tena tsy misy mpanelanelana amin'ireo Olombelona na Olona maty na koa ireo sampy, fa i Tompo Allah dia nilaza ao amin'ny Boky masina manan-kaja ka nanao hoe : tena marina fa Izy Tompo Allah dia akaiky mandrakariva foana amin'ireo mpanompony, Izy dia maheno azy ireo ary mamaly ny hataka izay ataon'izy ireo, araka ny teny voalazan'i Tompo ilay avo Tsitoha manao hoe :: Ary raha manontany anao ny Amiko ireo mpanompoko, dia lazao azy ireo hoe : “ Tena marina, fa Izaho dia akaiky tokoa, mamaly ny antson’ireo mpitalaho Aho, raha miantso Ahy izy. Koa aoka izy ireny hanaiky sy hino Ahy, mba hizoran’izy ireo amin’ny làlan’ny fahitsiana”. [ Sorate al-Bakarat : 186 ] Ary nibaiko sy nandidy atsika i Tompo Allah mba tokony hangataka Aminy, ary nataony izany zavatra izany ho anisan'ny fanompoana lehibe sy goavana indrindra izay mety ahatonga ny fanakaikaizan'ireo mpanompo amin'ny Tompon'izy ireo Allah, ka nilaza ilay Avo Tsitoha ka nanao hoe : Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha Amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َafobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka. [ Sorate Ghafiro : 60 ] Fa ny Mpino silamo miendrika dia matetika Izy no mila sy mitavandra ary mila an'ny Tompony mandrakariva isanandro isanandro, ary tsy mitsahatra mangataka eo Aminy matetika dia matetika, ary miezaka manakaiky Azy amin'ireo karazam-panompoana maro tsara samy hafaà
Ka noharian'i Tompo Allah Isika rehetra eto ambonin'ny tany amin'izao tontolo izao amin'ny antony manokana fa tsy hoe nohariany ho zava-poana Isika ; ny antony dia ny fahatongavatsika avy hanompo Azy ilay tokana,tsy manam-paharoa izay tsy misy mpikambana Aminy, ary nametraka ireo lalàna voajanahary izay feno sy mamehy ny fiainan-tsika rehetra amin'ny endrika an-kapobeny na an-tsipiriany, ary narovany fatratra izany lalàna marina izany sy ireo zava-drehetra eto amin'ny fiainana, ka tafiditra amin'izany ny finoana sy ny vatana ary ny fanahy sy ny hasina, ny saina, ary ireo harena, sy ireo izay mivelona amin'ireo raharaha ara-pinoana ihany koa ka mitandrina ny tsy hanao ireo zavatra voarara Satria efa voaharo avokoa amin'ireo ratsy rehetra no sady mihaina ao anatin'ny fahasambarana feno fitoniana eo amin'ny fiainana ka tsy misy tebiteby na ahiahy na dia kely aza.
Ka ny fifandraisana lalina sy matanjaka no sady mafy amin'ny Mpino silamo iray dia ny fifandraisany eo amin'ny Tompony Allah ka izany no mitarika Azy amin'ny fahatoniana sy ny fahasambarana ara-panahy, ary tena tonga amin'ny fahatsapana feno fitoniana ary voaharo ihany koa ao anatiny fifalifaliana ka lasa mahatsapa man-drakariva ny fiarahana lalan-dava miaraka amin'ny Tompo Allah ilay Avo Tsitoha sy ny fanaraha-masony, sy ny fikarakarany ireo Mpino mpanompony, ka nilaza i Tompo Allah nanao hoe : Allah no Mpiahy ireo izay nino, manala azy ireo avy ao amin’ny haizina mankany amin’ny hazavana Izy. [ Sorate al-Bakarat : 257 ]
Ity tokoa no ilay fifandraisana tena goavana sy lehibe indrindra izay maneho endrikin'ny fahatokanana izay mitarika amin'ny fakana sy fandraisana ny fahasoavana amin'ny fanompoan'ilay be fiantrana, ary mampitsiriritra ny amin'ny fihaonana ny mba ahitana Azy, ary mampanidina ny fony ao an-danitry ny fahasambarana sy fiadanana amin'ny fahatsapany ny tsiron'izany finoana izany.
Ka izany dia tsiron-javatra izay tsy voazava mihitsy raha tsy ireo izay efa nanandrana tamin'ny alàlan'ny fanatanterahana sy fanehoana an'ireo fahendrena teo anatrehany Tompo Allah sy ny fiatahana tanteraka ireo haratsiana, ka izany indrindra no antony nitenenan'i Mpaminany Mohammad (S.A.W) ilay teny manao hoe : Nahatsapa ny tsiron’ny finoana izay mankasitraka an’i Tompo Allah ho Tompo, ny Isilamo ho fivavahana, ary i Mohammad ho Iraka. Notaterin'i Moslimo.
Eny fa raha mahatsapa ny Olona iray fa ny Tompo Nahary Azy no eo akaikiny, ary fantany ihany koa ireo anaran'ny Tompony sy ireo Laza tsara manoloana ny mpamari-toetrany, ary mitsanga manompo Azy tahaka ny hoe mahita Azy eo anatrehany, ary tena manadio tanteraka ny fony amin'ny fanompoana ny Tompony, ary ny fanompoany dia tsy ataony amin'ny antony zavatra hafa fa ho an'i Tompo Allah irery ihany tsy misy mikambana Aminy, ka lasa mihaina ao anaty fiainana tsara feno fahasambarana eto an-tany ary tsara fiafaràna ihany koa any an-koatra.
Na dia eo aza ireo loza sy olana maro samy hafa izay mianjady amin'ireo Mpino eto an-tany, ka ny hafanan'izany dia esoriny ny nintsin'ny fahatokisana feno fitoniana, ary rady sy mankatoa tanteraka amin'ireo lahatra sy anjara rehetra izay napetrany Tompony, ary mbola misotra sy mankasitraka ary midera Azy ihany koa amin'ireo lahatra sy anjara na tsara na ratsy, ary tena rady sy mankato tanteraka an'izany rehetra izany.
Ary anisany zavatra izay tokony tsy maintsy katsain'ny Mpino silamo sy itandrovany fatratra mandrakariva ny mba hampitombo ny fahasoavany sy fahasambarany ary ny fahatoniany dia ny fanaovana sy fanatanterahana ireo " Zikry " ho an'ny Tompony Allah, sy ny famakiana ny Boky masina Koroany, arakan'iizay nolazan'i Tompo Allah nanao hoe : Ireo izay nino, ka tony ny fon’izy ireo nohon’ny fahatsiarovana an’i Allah”. Moa ve tsy amin’ny alalan’ny fahatsiarovana an’i Allah no mahatony ny fo ? [ Sorate Ar-ra'd 28 ] Raha mbola atombon'ny Mpino iray ny fahatsiarovany an'i Tompo Allah sy ny famakiany an'ilay Boky masina Kor'any dia lasa mitombo fatratra hatrany ny fifandraisany amin'i Tompo Allah, ary lasa ho mpanadio ny tenany Izy no sady mampatanjaka ihany koa ny finoany.
Ary arak'izany indrindra no hilazana fa tokony amin'ny Mpino silamo ny hianatra ireo zavatra rehetra mahakasika ny finoany avy amin'ireo fampianarana marina sy mari-pototra mba ahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny marina feno fahitsiana, ka dia efa nilaza i Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : ( Ny fitadiavana ny fahalalàna dia voadidy no sady tsy maintsy Obligatoara amin'ny Mpino silamo tsirairay avokoa ). Notaterin'i Ibno Màdjah, Ary tena manetri-tena tokoa ilay Olona sy manaraka an-tsakany sy an-davany ireo didy amambaikon'i Tompo Allah izay Nanamboatra sy Nahary Azy, na fantany ny antony izany na koa tsy fantany, fa efa nilaza i Tompo Allah ao amin'ny Boky masina Kor'any an'ilay teny ka nanao hoe : Tsy anjaran’ny mpino lahy na mpino vavy, rehefa misy zavatra voatapak’i Allah sy ny Irany, no hisafidy araka izay fomba tiany amin’ny raharahan’izy ireo. Ary na iza na iza no tsy mankatò an’i Allah sy ny Irany, dia tena very amin’ny fahaverezana miharihary. [ Sorate Al-Ahazabo : 36 ]
Ary ny fitahian’i Tompo Allah sy ny fiadanana anie ho an'ny Mpaminanintsika Mohammad sy hoan'ireo fianakaviany ary hoan'ireo rehetra mpanaradia Azy.
Related books
All books
NY FOTO-PINOANA MARINA SY IZAY MIFANOHITRA AMINY ARY48 languagesNY FOTO-PINOANA MARINA SY IZAY MIFANOHITRA AMINY ARY
Nisoratan'i Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana TENY FAMPIDIRANA Dera sy vonahitra ary fisaorana feno fankasitrahana no hatolotra an'i Allah Ilay tokana tsy manam-paharoa, ary tsodrano sy fandriam-pahalemana anie ho an'ilay tsy misy mpaminany intsony aoriany, sy ho an'ny finakaviany ary ireo mpanara-diany.
Hafatra tsotra mahakasika ny Foto-pinoana Islamika47 languagesHafatra tsotra mahakasika ny Foto-pinoana Islamika
Ny boky dia manazava ny fototry ny finoana izay ahitana amin'ny endrika ankapobeny ny finoana Allah, sy ireo Anjeliny, ny Bokiny, ny Irany, ny Andro farany, ary ny anjara sy lahatra. Ary ny boky dia manolotra ireo fitsipika fototra izay tsy maintsy inoan'ny Mpino Isilamo sy hankatoaviny, sady manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fifandraisana amin'Allah amin'ny alàlan'ny fahatakarana lalina ny foto-pinoana Islamika.
Ny finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah85 languagesNy finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah
Ny finoana Islamo dia ny fanoloran-tena manokana ho amin'i Tompo Allah, ilay Mpamorona sy Mpandrindra an'izao rehetra izao, ary ny fanekena Azy noho ny fitiavana sy ny fanamboniana misy eo Aminy. Ny fototry ny finoana Islamo dia ny finoana sy fanekena an'i Tompo Allah, fa Izy irery ihany no Mpahary, ary ny rehetra ankoatra Azy dia zava-boahary nohariany avokoa, ary Izy irery no mendrika ho Tompoina ka tsy misy mpiombonan-toka Aminy, ary tsy misy azo tompoina am-pahamarinana afa-tsy Izy irery ihany, Izy dia manana ireo Anarana Tsara indrindra sy ny Toetoetra Avo izay sahaza ny vonahiny, ary…
الإسلام دين رب العالمين