Skip to content

" izay Olona manao fidiovana masina (Ouzo) ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany, dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony."

Tatitra azo avy tamin'i Outhman Ibn Affan (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

" izay Olona manao fidiovana masina (Ouzo) ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany, dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony."

«مَنْ تَوَضَّأَ فَأَحْسَنَ الْوُضُوءَ خَرَجَتْ خَطَايَاهُ مِنْ جَسَدِهِ حَتَّى تَخْرُجَ مِنْ تَحْتِ أَظْفَارِهِ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay nanao fidiovana masina (Ouzou) ka voahaja ireo Sounnat eo aminy sy ny momba azy rehetra, Dia izany tafiditra ho anisany antony lehibe amin'ny famafana ny haratsina sy ny fahadisoana, "mandra-pivoahann'ny" fahotany eo amin'ny hohon'ny tanany roa sy ny tongony roa.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Famporisihana ny olona hitandro mandrakariva ny fianarana momba ny fidiovana masina, ny Sunnah sy ny etika, ary fanatantanterahana azy.

Tombotsoan'ny Ouzo, ary izy dia mamafa ireo fahotana kely, fa ny ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny alàlan'ny fibebahana.

Fepetra takina amin'ny famafana ny ota dia ny fanaovana ny Ouzo sy ny fanatanterahana azy amin'ny endrika feno sy tsara ka tsy ahitàna lesoka araka izay fomba nanazavan'ny Mpaminany (S.A.W).

Ny famafana ny fahotana ao amin’ity Hadith ity dia voafetra ihany amin’ny fialana amin’ny fahotana lehibe sy ny fibebahana amin’izany. Hoy i Allah ilay Tsitoha : (Raha manalavitra ireo fahotana lehibe izay nandrarana anareo ianareo, dia hofafanay ireo faharatsiana vitanareo) [An-nisà°: 31].

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (1/ 216) (245).

Ny Fanampiny (6)

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (5/ 9).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمصطفى الخِن وغيره (2/ 763).

بهجة الناظرين.

سليم الهلالي (2/ 247).