الإسلام - نبذة موجزة عن الإسلام (مشتملة على الأدلة)
Ny finoana Islamo Hafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islam arakan'izay azo avy amin'ny Boky masiana Koroany sy ny Sounnat ireo fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a). Boky izay mirakitra ireo hafatra goavana izay hita fa tena mandrakotra tanteraka ireo fahalalana sy fahafantarana tsotsotra mahakasika ny finoana Islam, ary nahitana ireo fanazavana an'ireo tena fototra ara-mpinoana sy ireo karazany fampianarana misy ato anatiny finoana Islam sy ireo hatsarany izany finoana izany avy amin'ny tena fototra izay niangany sy niaviany, ka tsy avy aiza izany fa avy amin'ny Boky masina Koroany sy…
This PDF is generated automatically from the book's text; its layout may differ from the printed edition.
Ny finoana Islamo
Hafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islam arakan'izay azo avy amin'ny Boky masiana Koroany sy ny Sounnat ireo fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a).
Boky izay mirakitra ireo hafatra goavana izay hita fa tena mandrakotra tanteraka ireo fahalalana sy fahafantarana tsotsotra mahakasika ny finoana Islam, ary nahitana ireo fanazavana an'ireo tena fototra ara-mpinoana sy ireo karazany fampianarana misy ato anatiny finoana Islam sy ireo hatsarany izany finoana izany avy amin'ny tena fototra izay niangany sy niaviany, ka tsy avy aiza izany fa avy amin'ny Boky masina Koroany sy ireo Hadithe azo avy amin'ny Mpaminany (s.w.a), ka ny hafatra ao anatiny ilay Boky dia hatodika avokoa amin'ireo rehetra tsy ankanavaka izay hita fa voakasikan'izany hafatra izany, amin'ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam sy ireo ankoatran'izany ary natao amin'ireo karazany fomba fiten'izy ireo amin'ny fotoana sy vaninandro rehetra manadalo eo amin'ny fiainany zanakolombelona no sady manan-kery ihany koa amin'ny toerana rehetra na dia misy aza ny tsy fitoviazan-javatra mitranga eo amin'ny fomba hizorany fiainana.
(Kopia manambatra ireo porofo avy amin'ny boky masina kor'any sy ny petra-bolan'ny mpaminany)
1- Ny finoana Islam dia hafatran'i Tompo Allah mandia amin'ireo zanakolombelona rehetra tsy an-kanavaka maneran-tany satria izy io dia hafatra farany nalefany Tompo Allah mba hitoetra sy hipetraka ho mandrakizay doria.
Ny finoana Islam dia hafatran'i Tompo Allah ho amin'ny zanak'olombelona rehetra tsy an-kanavaka maneran-tany, ka niteny i Tompo Allah manao hoe : { Ary tena marina fa tsy nandefa anao ho Iraka mihitsy izahay raha tsy hoe natao ho mpitondra vaovao feno tanteraka hoan'ny zanakoombelona, toy ny vavao mahafaly sy vaovao feno fampitandremana ho an’ny zanakolombelona rehetra tsy misy fanavahana, nefa dia hita fa ny an-kamaroan’ny zanakolombelona dia tsy mahafantatra an'izany akory }. [ Sorate Sabà : 28 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah fa hoe : { Nibaikony Tompo Allah ilay Iraka mahafatoky i Mpaminany Mohammad (s.w.a) fa hoe Lazao ary Teneno, O ry zanak'olombelona, tena marina tokoa fa Izaho dia Iraka avy amin'i Tompo Allah ho anareo rehetra tsy an-kanavaka }. [ Sorate Al-A'raf : 158 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { O ianareo olombelona ! Efa tonga aminareo ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah nitondra ireo fahamarinana avy amin’ny Tomponareo, ka aoka mba hino an'izany ianareo, fa izany no tena tsara indrindra ho anareo, fa raha hitsipaka ka tsy hino an'izany ianareo dia aoka ho fantatrareo tsara amin'ny fomba marina feno fahamarinana fa an’i Tompo Allah avokoa izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany ihany koa, ary i Tompo Allah dia Tompo mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra ary Izy no be Fahendrena.} [ Sorate An-Nisà : 170 ]
Ny finoana Islam dia finoana mirakitra ireo hafatra mantolo avy amin'i Tompo Allah, finoana izay hitoetra sy hipetraka mandrakizay doria eo amin'izao tontolo izao, ary izany finoana izany no finoana voalaza fa finoana farany sy finoana mamarana ireo hafatra rehetra avy amin'ny Tompo, ka hoy Izy Tompo Allah niteny ka nanao hoe : { Tena marina fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia tsy mba Rain’olona na dia iray velively aza amin’ireo lehilahinareo, fa Izy kosa dia Iraka sy Mpaminan'ny Tompo Allah, ary Izy indrindra no farany amin’ireo Mpaminany rehetra izay nalefany Tompo Allah, ary i Tompo Allah dia mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra }. [ Sorate Al-Ahzab : 40 ]
2- Ary ny finoana Islam dia finoana tsy ho an'ny foko na firazanana na karazana voafaritra manokana na koa hoan'ny vahoaka voatokana, fa izy io dia finoan'i Tompo Allah ho an'ny zanak'olombelona rehetra tsy an-kanavaka.
Ary ny finoana Islam dia finoana tsy ho an'ny foko na firazanana na karazana voafaritra manokana na koa hoan'ny vahoaka voatokana,, fa izy io dia finoana an'i Tompo Allah ho an'ny zanak'olombelona tsy an-kanavaka, ka ny baiko voalohany ao amin'ny Boky masina Koroany dia baikon'ny Tompo Allah amin'ilay teny Tompo manao hoe : { Ô ry olombelona ! aoka mba Tompoy ny Tomponareo Allah, ilay Tompo nahary sy nanamboatra anareo, sy ireo izay rehetra teo aloha nareo, angamba hanam-patahorana tokoa ianareo }. [ Sorat al bakarat : 21 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { O Ry olombelona ! Aoka ianareo mba hatahotra an'i Tomponareo Allah, Tompo izay Nahary sy nanamboatra anareo rehetra avy tamin’ny vatana iray tokana ihany, ary dia mbola Nahary sy nanamboatra ihany koa ny andefimandriny avy amin'ny tenany ihany, ary mbola i Tompo Allah irery ihany koa no nampiely ireo vatan-delehilahy maro samy hafa sy ireo vehivavy maro ihany koa ka izy rehetra izany dia nitsoahina avy tamin’izy roa ihany }. [ Sorate An-Nisà : 1 ] Araka ny petra-bolana izay azo ka notanterin'i Ibn Omar (R.d) tena marina fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia nanao toro-teny tamin'olona rehetra tamin'ny andron'ny famahana ny tanànan'ny Makka ka niteny Izy nanao hoe : " Ry olombelona tena marina fa efa nesorin'i Tompo Allah aminareo ny habadoana sy ny fireharehana amin'ny Ray aman-dreny sy fiaviana ary ny foko sy firazanana fa ny olombelona tena olombelona dia olona taratra amin'ny zavatra roa : Hendry manampahendrena tsara toetra ary mpatahotra an'i Tompo Allah no sady malala tanana amin'ireo zavatra mahakasika an'i Tompo Allah ary ny faharoa dia ny olona mpanao ny ratsy sy ny haratsiana no sady ratsy fitondran-tena manao tea mody malemy eo anatrehan'ny Tompo Allah ary ny olombelona rehetra dia taranaka avy amin'ny Adama (As) avokoa ka noharian'i Tompo Allah i Adama (A.s) avy amin'ny tany,fotaka ary niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : " Ry olombelona ! Noharianay avy amin’ny lahy sy vavy ianareo ary nataonay ho vahoaka sy foko mba hifankahalalanareo no nanaovanay an'izany fa ny tena mendrika indrindra aminareo kosa eo anatrehan’i Tompo Allah dia ireo izay vonto-pinoana indrindra ka manam-pahatahorana an'i Tompo Allah ary tena marina fa i Tompo Allah dia mahalala sy mahafantatra tsara avokoa ny zava-drehetra " [sourate Al-Hojraty : 13] " Voarakitra ao amin'ny Bokiny Tirmizi (R.h) (3270). Ary tsy ahitanao amin'ireo didy amambaikon'ny Boky masina Koroany na koa amin'ireo didy amambaiko napetrany Mpaminany (s.w.a) fa hoe misy lalàna voatokana ho an'ny vahoaka iray na koa foko sy firazanana iray, ka hoe lasa io baiko io sy ilay didy io nampiakatra ny fomba amampanaon'ny vahoaka iray na koa ny firazanan'ireo vahoaka ireo
3- Ny finoana Islam dia hafatran'i Tompo Allah izay tonga hameno tanterka ireo hafatra rehetra izay hita teo amin'ireo Iraka sy Mpaminany (s.w.a) rehetra nifan-dimby sy nifanesisesy tany aloha tany nandalo teto an-tany tamin'ireo vahoakan'izy ireo.
Ny finoana Islam dia hafatran'i Tompo Allah izay tonga hameno tanterka ireo hafatra rehetra izay hita teo amin'ireo Iraka sy Mpaminany (s.w.a) rehetra nifan-dimby sy nifanesisesy tany aloha tany nandalo teto an-tany tamin'ireo vahoakan'izy ireo ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina fa izahay hoy i Tompo Allah dia tena nandefa ireo fanambarana rehetra tany aminao tahaka ny efa nandefasanay an'izany fanambarana izany ihany koa tamin’ireo Iraka sy Mpaminany hafa toy ny Mpaminany Noa (A.s) sy ireo Mpaminany tonga taty aoriana ary nandefasanay fanambarana ihany koa i Mpaminany Abrahama (A.s) sy Mpaminany Ismaely (A.s) ary i Mpaminany Isaka (A.s) sy Mpaminany Djakoba (A.s) ary ireo avy amin'ny foko hafa foko ny Mpaminany Djesoa (A.s) i Mpaminany Djoba (A.s) ary i Mpaminany Djonasy (A.s) ary i Mpaminany Harona (A.s) sy Mpaminany Salomona (A.s) ary nomenay an’i Mpaminany Davida (A.s) ihany koa ny Boky masina Zabora }. [ Sourate An-Nisà : 163 ] Ary ity no ilay finoana izay nandefasan'i Tompo Allah ny faminaniana tamin'ny Mpaminany Mohammd (s.w.a) satria izany tokoa no finoana izay nomen'i Tompo Allah sy nodidiany hoan'ireo Mpaminany rehetra teo aloha ka nanafatrafatra mahakasika an'izany Izy ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary i Tompo Allah no efa nametraka lalána ho anareo momban'ny finoana, tahakan'izay nandidiany an’i Mpaminany Noa (A.s), sy ireo rehetra izay efa nolazainay sy nambaranay taminao, ka torak'izany ihany koa no nandidianay an’i Mpaminany Abrahama (A.s), sy Mpaminany Mosesy (A.s) ary i Mpaminany Jesoa (A.s) amin'ilay teny hoe : “ Ajoroy ny finoana, ary aza mba misarakaraka na koa mizarazara ianareo ny amin’izany ”. Toa lasa hitan’ireo mpanompo sampy ho sarotra avokoa izay rehetra iantsoanao azy ireo, ka i Tompo Allah no mifidy izay sitrany ho any Aminy, ary Izy irery ihany no mitari-dálana izay rehetra mibebaka ka manampa-kevitra fa hiverina any Aminy } [ Sourate As-shoura : 13 ] Ary ity no finoana izay nandefasan'i Tompo Allah ny faminaniana tamin'i Mpaminany Mohammd (s.w.a) dia mba ho fanekena sy fanamafisana an'ireo Boky teo aloha izay avy amin'i Tompo Allah, tahakan'ny Boky Taorata sy Boky Evanjily, talohan'ny namadibadihana azy ireo, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena marina fa ny fanambarana rehetra izay tonga nalefanay taminao ry Mpaminany hoy i Tompo Allah, dia fanambarana avy tamin'ny alalan'ny faminaniana izay voarakitra ao anatiny Boky masina Koroany dia fanambarana mirakitra fahamarinana marina avy aminay avokoa izy ireny, ka tonga manamarina sy manamafy an'izay rehetra tonga teo alohany, ka tena marina fa i Tompo Allah dia mahalala sy mahafantatra tsara ireo andevo mpanompony, ary Izy ihany koa dia mahita azy ireo amin'ny lafin-javatra rehetra }. [ Sourate Fatir : 31 ]
4- Ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) rehetra ireo dia ny finoan'izy ireo dia iray ihany fa ny lalàna nifampifehezany izy ireo kosa no samihafa.
Ny finoan'ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) dia iray ihany fa ny lalàna izay nifampifehezan'izy ireo ihany no samihafa, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary nampidininay aminao ry Mpaminany Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mohammad (s.w.a) ny Boky marina izay feno fahamarinana, Boky tonga manamarina sy manamafy ny Boky rehetra izay efa tonga teo alohany, ary manan-kery tokoa izany rehetra izany eo anatrehany, ka aoka mba ho tsarainao izy ireo arakan' izay rehetra nampidinin’i Tompo Allah. fa aza dia manaraka sitrapon’izy ireo ianao, amin'izay zavatra rehetra manalavitra ny fahamarinana izay efa tonga taminao, ary ny tsirairay aminareo rehetra dia efa samy nanaovanay lalàna sy fepetra ary rafitr’asa avokoa, ary raha sitrakan’i Tompo Allah, no sady nitiany dia mbo nataony ho vahoaka iray avokoa ianareo, kanefany napetrany mba ho fitsapana anareo ny amin’izay rehetra nomeny anareo, ka aoka mba hifaninàna ianareo amin’ny fanaovana ireo asa soa asa tsara, ka any amin’i Tompo Allah no tsy maintsy hiverenanareo rehetra; ka holazainy aminareo avokoa izay rehetra nampifanolana anareo amin'ny raharaha momba Azy.} [ Sorate Al-Maïdat : 48 ] Ary nilaza sy niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : “ Izaho no olona akaiky indrindra an'i Mpaminany Jesosy (A.s), zanaka lahin'i Ramatoa Maria, eto ambony tany sy any an-koatra, ary ireo Mpaminany rehetra dia mpiray tampo ary mpirahalahy, fa ny Reny kosa dia maro fa ny finoan'izy ireo dia iray ihany avokoa ”. Notaterin'i Al-bokhàri (3443)
5- Ny finoana Islam dia miantso ny rehetra tahaka ny antso izay nataon'ireo Iraka sy Mpaminany rehetra izay nifandimby ka anisany izany ny antso izay nataon'i Mpaminany Noa (A.s), sy Mpaminany Abrahama (A.s) ary i Mpaminany Mosesy (A.s) sy Mpaminany Salomona (A.s) izy rehetra dia mitovy tantana amin'ny antso izay nataon'i Mpaminany Davida (A.s) sy i Mpaminany Djesosy (A.s) amin'ny finoana fa i Tompo Allah tokoa no Tompo Mpahary, ary mbola Izy ihany koa no Mpizara sy Mpanome ny anjara masoandrom-pivelomana eo amin'ny fiainana, Izy no Mpamelona sy Mpamono ary Izy no Mpanjaka ny Mpanjaka, ary tena mbola Izy tokoa no ilay mpandahatra sy mpandrindra ny zava-drehetra, ary Izy no be fiantrana sy fangorahana ary Izy no be hinakinaka.
Ny finoana Islam dia miantso ny rehetra tahaka ny antso izay nataon'ireo Iraka sy Mpaminany rehetra izay nifandimby ka anisany izany ny antso izay nataon'i Mpaminany Noa (A.s), sy Mpaminany Abrahama (A.s) ary i Mpaminany Mosesy (A.s) sy Mpaminany Salomona (A.s) izy rehetra dia mitovy tantana amin'ny antso izay nataon'i Mpaminany Davida (A.s) sy i Mpaminany Djesosy (A.s) amin'ny finoana fa i Tompo Allah tokoa no Tompo Mpahary, ary mbola Izy ihany koa no Mpizara sy Mpanome ny anjara masoandrom-pivelomana eo amin'ny fiainana, Izy no Mpamelona sy Mpamono ary Izy no Mpanjaka ny Mpanjaka, ary tena mbola Izy tokoa no ilay mpandahatra sy mpandrindra ny zava-drehetra, ary Izy no be fiantrana sy fangorahana ary Izy no be hinakinaka ka dia niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô ry olombelona ! aoka mba ho Tsarovinareo ny soa rehetra izay nataon’i Tompo Allah taminareo, ka moa ve misy Mpahary hafa ankoatran’i Tompo Allah, no mpanome anjaram-pivelomana ho anareo, avy any an-danitra sy ny ety an-tany ? Tsia tsy misy Zanahary hafa mahavita an'izany, afa-tsy Izy Tompo Allah irery ihany ! ka nahoana àry ianareo no mahasahy mivilivily ny amin’izany fahamarinana ? }. [ Sourate Fatir :3 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Teneno ary lzao fa hoe : ” iza marina tokoa no mpanome ny anjara masoandrom-piainana ho anareo avy any an-danitra sy ny ety an-tany na koa iza no mitantana sy miandraikitra ny fandrenesana sy ny fahitana eny aminareo ary iza ihany koa ny mamoaka ny velona avy amin’ny olona efa maty sy mamoaka ny maty avy amin’ny olona mbola velona ary iza no mandrindra sy mandamina ny raharaha rehetra ? ” dia hamaly sy hiteny izy ireo fa hoe : ” i Tompo Allah ”, ka oho izany dia teneno fa hoe : ” ka moa va tsy tokony hatahotra Azy va ianareo ? ” }. [ Sourate Yonos : 31 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka moa ve tsy Izy Tompo Allah no nanomboka ny fahariana sy ny fanamboarana, avy eo dia mbola Izy indray no hamerina izany indray mandeha, ary iza no manome anareo ny anjaram-pivelomana avy any an-danitra sy ny eto an-tany, ka moa ve misy Zanahary hafa miaraka amin’i Tompo Allah ? ka dia Teneno ramin'izy ireo ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah fa hoe : “ Omeo ny porofo avy aminareo manoloana an'izany raha toa ka marina ny anareo sy ny izay nolazainareo ? ” }. [ Sourate An-Naml : 64 ]
Ary ireo Mpaminany sy Iraka rehetra ireo dia nalefa mba hiantso ny olona rehetra amin'ny fanompoana an'ny Tompo Allah irery ihany, ka nilaza i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena marina fa efa nandefa ireo Iraka sy Mpaminany izahay hoy i Tompo Allah, nalefanay izy ireo isakin'ny vahoaka tsirairay dia samy manana ireo Iraka sy Mpaminany tonga teo aminy, ka ny mba hiteny amin'izy ireo fa hoe : “ Manompoa an’i Tompo Allah ianareo, ary halavironareo lavitra dia lavitra ny « Taghoty [94] » ”. Koa dia nisy tamin’izy ireo izay notaritiny Tompo Allah tamin'ny làlana mahitsy, ary nisy tamin’izy ireo kosa no mendrika hiantefany fahaverezana. koa mandehana ianareo manerana ny tany, ka somary mba jerevonareo avokoa, fa hoe : ahoana marina no niafaran’ireo nilaza an'ireny Iraka sy Mpaminany fa olona mpandainga.} [ Sorat an nahl : 30 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tsy nandefa iraka Izahay hoy i Tompo Allah na dia iray aza tany alohanao tany afa tsy efa nolazanay taminy fa hoe : “ Tsy misy zanahary hafa mendrika ho tompoina afa-tsy Izaho Tompo Allah irery ihany, ka dia aoka hanompo Ahy irery ihany ianareo ! ” }. [ Sourate Al-Anbya : 25 ] Ka nanambarany Tompo Allah ny mahakasika an'i Mpaminany Noa (A.s) fa hoe : i Tompo Allah nilaza ka nanao hoe : { “ O ry vahoakako ! aoka mba Tompoinareo i Tompo Allah, fa dia tsy manana Zanahary hafa ianareo ankoatr'Azy. ary Izaho dia tena matahotra mafy aminareo manoloana ny sazy sy famaizana ary fampijaliana amin’ny andro lehibe ” }. [ Sourate Al-Anraf : 59 ] Ary nilaza sy niteny ilay sakaizan'ny Tompo, i Mpaminany Abrahama (A.s) araka ny teny voalazan'i Tompo Allah nanao hoe : { Ary i Mpaminany Abrahama (A.s) raha niteny tamin’ny vahoakany Izy ka nanao hoe : “ aoka mba Tompoinareo i Tompo Allah ary aoka mba hatahorinareo Izy, satria izany no tena mendrika indrindra ho anareo raha mba fantatrareo izany ” }. [ Sourate Al-Ankaboty : 16 ] Ary niteny sy nilaza i Mpaminany Soalih (A.s) araka ny teny voalazan'i Tompo Allah ka nanao hoe : { Niteny Izy ka nanao hoe : “ O ry vahoakako ! aoka mba Tompoinareo i Tompo Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo, ary efa tonga aminareo avokoa ireo porofo sy fanamarinana avy amin’ny Tomponareo : ka ity ny ramevavavin’i Tompo Allah, izay fahagagana sy famantarana napetraka ho anareo, ka avelanareo izy mba hihinana amin’ny tanin’i Tompo Allah, fa aza dia manao ratsy aminy akory ianareo sao iharan’ny sazy sy famaizana mangirifiry avy amin'ny Tompo Allah.} [ Sourate Al-Anraf : 73 ] Ary niteny sy nilaza i Mpaminany Shoeb (A.s) araka ny teny voalazan'i Tompo Allah ka nanao hoe : { “ O ry vahoakako ! aoka mba Tompoinareo i Tompo Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo, ary efa tonga aminareo avokoa ireo porofo sy fanamarinana avy amin’ny Tomponareo : ka mba ataovy marina avokoa ny famàrana sy fandanjana izay ataonarea mahakasika ny varotra sy ny hafa ihany koa, ary aza dia mba manome olona latsakan'izay zavatra tokony homena azy, ary aza dia manao ny asa ratsy izay ho entina ho fanimbana ny eto ambonin-tany ianareo aorian’ny fanatsarana azy, ka izany rehetra izany dia tsara ho anareo raha toa ka tena mpino marina ianareo.} [ Sorate Al-Anraf : 85 ]
Ary voalohan'ny Mpaminany izay noresahin'i Tompo Allah mivantana dia i Mpaminany Mosesy (A.s), araka ny teny nolazainy Tompo Allah fa hoe : { Izaho no nisafidy anao, ka henoy àry izay hambara.sy lazaina aminao } { Tena marina fa Izaho no Tompo Allah, ka tsy misy zanahary hafa intsony hafa-tsy Izaho irery ihany., ka aoka mba hanompo Ahy ianao, ka hatsangano sy tanteraho ny fanompom-pivavahana Soalat ny vavaka mba ho fahatsiarovana Ahy }. [ Sorate Taha : 13-14 ]. Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah nanambara sy nampahafantatra ny mahakasika an'i Mpaminany Mosesy (A.s) fa Izy dia nangataka fiarovana tamin'i Tompo Allah ka niteny hoe : { “ Tena mitady fiarovana tokoa aho amin’ny Tompoko sy amin'ny Tomponareo ihany koa, mba hanoherana ireo rehetra mihebojebo sy mpirehareha izay tsy mino ary tsy manampinoana ny amin'ny mahakasika ny andro fitsarana ” }. [ Sourate Ghafir : 27 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah nanambara sy nampahafantatra ny mahakasika an'i Mpaminany Djesosy (A.s) ka niteny Izy nanao hoe : { Tena marina fa i Tompo Allah dia Tompoko sady Tomponareo., ka aoka mba Tompoinareo àry Izy, satria izany no làlana mahitsy.} [ Sorat al Imran : 51 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah nanambara sy nampahafantatra ny mahakasika an'i Mpaminany Djesosy (A.s) ihany koa ka niteny Izy nanao hoe : { Ô ry zanak’Israely, aoka mba tompoinareo i Tompo Allah fa Izy tokoa no Tompo Zanahariko sy Tompo Zanaharinareo ihany koa ” ka dia lazaina sy hamafisina etoana, fa izay mampitambatra an'i Tompo Allah amin’ny zavatra hafa, dia hataon’i Tompo Allah ho fady azy ny miditra ao Am- paradisa, ary ny afobe no toera natokana ho fonenany sy hitoerany ary hiverenany, Eny, fa tena tsy hisy mpamonjy mihitsy tokoa ireo mpanao ny tsy rariny.} [ Sourate Al-Maïdat : 72 ]
Na dia Boky Taorata sy ny Boly Evanjily teo aloha aza dia tonga nanamafy sy nanaporofo ny mahakasika an'ny fanompoana tokana hoan'ny Tompo Allah irery ihany tsy misy mikambana Aminy, ary arakan'ny fanambarana izay efa voalaza ao amin'ny pejy sy laharana ny soratra masina ao amin'ny Eksdodosy dia nilaza i Mpaminany Mosesy (A.s) ka nanao hoe : ( Henoy ary mba mihainoa ianareo ry vahoakan'ny Israely, fa ny Tompo Zanaharitsika dia Tompo Iray ihany ) Ary tonga ihany koa ny fanamafisana ny hanamafy tanteraka ny fahatokanan'ny Tompo Allah, izay ao anaty Bokin'ny filazan-tsara izay nolazain'ny aposotoly Marka, araka ny yeny izay voalazan'i Mpaminany Mesia (As) ka nanao hoe : ( Ka ny tena marina fa ny didy voalohany dia ny hoe : Henoy ary mihainoa ianareo ry vahoakan'ny Israely, fa ny Tompo Zanaharatsika dia Tompo Iray ihany )
Ary nazavan'i Tompo Allah fa ireo Iraka sy Mpaminany rehetra dia samy nalefa ho amin'izany andraikitra lehibe izany, ka tsy inona izany fa dia ny fiantsoana sy fampielezana ny amin'ny fahatokanan'i Tompo Allah, ka nilaza i Tompo Allah nanao hoe : { Ary efa nandefasanay avokoa hoy Tompo Allah ireo Iraka sy Mpaminany isakin'ny ambaratonga ny vahoaka tsirairay izay nisy nifandimby teto an-tany ny mba hiteny sy hilaza hoe : “ Aoka ianareo mba hanompo an’i Tompo Allah, ary tena mba halavironareo lavitra dia lavitra ny « Taghoty [94] » ” Koa nisy tamin’izy ireo no nahazo fahitsiana ka notaritin'ny Tompo Allah amin'ny làlana mahitsy, ary fa nisy tamin’izy ireo kosa no mendrika ny ahazo ny lalan'ny fahaverezana.} [ Sorat an nahl : 30 ] Ary miteny i Tompo Allah ka manao hoe : { Teneno ary lazao ry Irakan'ny Tompo Allah fa hoe : “ Tena mba ahoana marina re no fiheveranareo ireo zavatra izay ametrahanareo antso sy italahoanareo ivelany ankoatran’i Tompo Allah ? ka dia mba asehoy Ahy avokoa ireo zavtra mba nivitan'izy ireo sy niforonin’izy ireo avy tamin’ny tany ! sa misy amin'izy ireo no mikambana na mitambatra ka miombona miaraka amin’i Tompo Allah any an-danitra ? ka dia mba hItondrao Boky talohan’ity Boky masina Koroany ity Aho, na izay sisa amin'ireo fahalalana, raha toa ka mpilaza ny marina tokoa ianareo ” }. [ Sourate Al-Ahkaf : 4 ] Nilaza Cheikh As-Sandy (R.h) hinakinakan'i Tompo Allah ho azy fa hoe : ( Fantany ary tena fantatrany avokoa fa ny fifanolanan-kevitra izay natao amin'ireo vahoaka mpanompo sampy, mpanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa dia fanazavana tsy ahitana porofo marina izay tokony hianteheran'izy ireo, fa izy ireo fotsiny dia miantehitra amin'ny ahiahy, sy fisalasalana ary fomba fijery diso, ary fisainana efa tena niharany faahasimbana, ka avy amin'izay rehetra izay indrindra no ahitana ireo kolikoly sy ny tsy fahamarinana izay asehony amin'ny fomba fandrindrana sy fampandihanana ny toe-piainan'izy ireo, ary dia lasa manaraka ho amin'izany rehetra izany ny fahalalana ara-tsiansa sy ny asa rehetra izay ataon'izy ireo ary ny fijerena ireo fombba fizotrany toe-piainan'ireo izay tena nandany ny fiainan'izy ireo tao anatiny fanompoana Azy,ka moa ve mba nisy zavatra nazahoan'izy ireo tombotsoa taamin'ireo zavatra izay nitompoin'izy ireo ankoatran'i Tompo Allah, teto amin'ity tontolo ity sa ny tany an-koatra ihany koa ? ) Taysir al karim al mannàn : 779
6- Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia Izy no ilay Nahary ary Izy irery ihany koa no mendrika ho tompoina,fa ny ankoatran'ny Tompo Allah dia tsy azo tompoina ary tsy azo ataony ny mampikambana ny fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa.
Tompo Allah tokoa no ilay Tompo tokana mendrika ho tompoina ary tsy azo atao ny manompo na mametraka ny fanompoana amin'ny zavatra hafa an-koatran'ny Tompo Allah,ary tsy azo atao ny mampikambana ny fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô ry olombelona ! aoaka mba Tompoinareo Tomponareo ilay Tompo izay nahary anareo, sy nahary ihany koa ireo izay teo alohanareo, angamba mety hanam-patahorana ianareo.} { Izy tokoa no ilay Tompo nanao sy nanamboatra ny tany ho fandriana ka nataony ho anareo, sy ny lanitra ihany koa mba ho tafo eo ambony nareo, ary mbola nandatsaka sy nampirotsaka ny ranon’orana avy any an-danitra, ka avy tamin'izany no namoahana an'ireo karazam-boankazo sy vokatra maro samy hafa mba ho anjarm-pivelomana ho anareo; koa aza afangaronareo sy ampitovianareo amin’ny zavatra hafa i Tompo Allah,nefa ianareo dia mahafantatra an'izany.} [ Sourate Al-Bakarat : 21-22 ] Fa ilay Nahary sy nanamboatra atsika sy ireo andian'olona rehetra teo alohatsika ka Izy tokoa no nanao ny tany ho antsika tahakan'ny fandrina ary nampidina ny orana sy ny rano avy any an-danitra ary namoaka ho antsika avy amin'izany rehetra izany ireo vokatra sy voankazo mba ho anjaram-pivelomatsika eto an-tany, ka mendrika ho Azy irery amin'ny fomba marina ny fanompoana ka tsy misy mikambana Aminy, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô ry olombelona ! aoka mba ho tsarovinareo ny soa sy hatsarana nataon’i Tompo Allah taminareo ka moa ve misy mpahary hafa an-koatra an’i Tompo Allah hafaka sy mahavita manome anjaram-pivelomana ho anareo amin'ireo zavatra avy any an-danitra sy ny ety an-tany ihany koa ? Tsia tsy misy Zanahary hafa, afa-tsy Izy Allah irery ihany no mahavita an'izany rehetra izany ! ka dia nahoana loatra àry ianareo no lasa mahavita mivilivily amin’izany (fahamarinana) ? } [ Sourate Fatir :3 ] Ka ilay Nahary sy nanamboatra ary mpanome ireo anjara masoandrom-pivelomana Izy no mendrika ho tompoina amin'ny fanompoana tokana tsy misy mikambana Aminy na dia iray aza amin'ireo zavaboary izay nohariany, ka niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Izany tokoa no ilay Allah Tomponareo ! ka tsy misy Zanahary hafa, afa-tsy Izy irery ihany, Izy no ilay Mpahary ny zava-drehetra, ka mendrika Azy ny fanompoana ka dia tompoinareo Izy, ary Izy tokoa no misahana sy mahefa ny zava-drehetra }. [ Sourate Al-An'aam : 102 ]
Ary ireo rehetra nitompoina an-koatran'i Tompo Allah dia tsy marina ary tsy mendrika tompoina avokoa, satria izy ireny dia tsy manana ny lanjan'ny atoma na dia kely aza any an-danitra na eto an-tany, ary tsy misy mpikambana amin'ny Tompo Allah, amin'ny zava-drehetra, no sady tsy misy mpanampy Azy na koa sahala mitovy Aminy, ka amin'ny fomba ahoana ary no misy mahasahy mangataka sy mampiaraka ny fangatahana miaraka amin'ny Tompo Allah, na koa mampikambana zavatra hafa Aminy, ka Niteny i Tompo Allah amin'izany ka nanao hoe : { Teneno ary mba lazao amin'izy ireo ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) fa hoe : “ Antsoinareo avokoa ireo izay noheverinareo fa zanahary an-koatran’i Tompo Allah ! ireny izay tsy manana na dia vesatry ny atôma iray aza izy ireo, na eny amin’ireo lanitra izany, na ety an-tany, ary tsy mba manana fiombonana mihitsy ihany koa izy ireo amin’ny fahariana an'ireo lanitra sy ny tany, ary tsy mba manana mpanampy avy amin’izy ireo ihany koa Izy Tompo Allah ”.} [ Sourate Saba' : 22 ]
Ary i Tompo Allah tokoa no ilay Tompo Nahary sy nanamboatra an'ireo zava-boary rehetra tsy voatanisa ireo, Izy irery ihany no nampisy an'izany rehetra izany avy amin'ny tsy fisiana, ary ny fisian-javatra rehetra izany dia porofo lehibe azo tsapay tanana manoloana an'ny fisian'i Tompo Allah sy ny maha mpanabe Azy sy maha Zanahary mendrika ho tompoina Azy, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary anisan’ireo famantarana avy amin'ny Tompo Allah dia ny nahariany anareo avy amin’ny vovoka avy eo indro ary ianareo fa lasa olombelona maro izay miely miparitaka maneran-tany 20.} { Ary anisan’ireo famantarana avy amin'ny Tompo Allah, ny nanamboarany sy nahariany vady ho anareo, avy amin’ny tenanareo ihany, ka nataony Tompo Allah izany mba ahafahanareo hiaina am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary mbpla nataony nisy fifankatiavana sy fihantrana koa ny eo amin'ny samy anareo, ka dia tena marina tokoa fa ny amin’izany rehetra izany dia misy porofo maro ho an’ny vahoaka mpandinika sy manana fandinihana. 21 }. { Ary anisan’ireo famantarana avy amin'ny Tompo Allah dia ny fahariany sy fanamboarany an'ireo lanitra sy ny tany, ary ny fametrahany ihany ireo fahasamihafana amin’ireo fomba fiteninareo sy ireo fihodiranareo, ka tena marina fa ny amin’izany rehetra izany tokoa dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka manam-pahaizana. 22 }. { Ary anisan’ireo famantarana avy amin'ny Tompo Allah dia ny fisiany torimasonareo amin’ny andro alina, sy ny amin’ny antoandro ihany koa, ary koa ny fitadiavanareo andro amanalina ny fahasoavany, ka tena marina tokoa fa ny amin’izany rehetra izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mihaino. 23 }. { Ary anisan’ireo famantarana avy amin'ny Tompo Allah dia ny fanehoany aminareo ny tselatra miaraka amin’ny fatahorana ny varatra sy ny fanantenana ny latsak'orana ary mbola Izy Tompo Allah no mampidina ny rano avy any an-danitra mba hamelomany indray avy amin’ny alalan’izany ny tany aorian’ny fahafatesany. ka tena marina tokoa fa ny amin’izany rehetra izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka manantsaina ka misaina 24 } { Ary anisan’ireo famantarana avy amin'ny Tompo Allah ihany koa dia ny fijoroan'ny lanitra sy ny tany, amin’ny alalan’ny didy amambaikony, avy eo rehefa miantso anareo Izy mba hivoaka avy ao amin’ny tany, amin’ny antso iray monja fotsiny, dia indro fa hipoitra sy hivoaka avokoa ianareo. 25 }. { Ary ho Azy irery ihany izay rehetra misy amin’ireo lanitra sy ny tany; ary ny rehetra dia samy manaiky sy mankatò Azy tanteraka avokoa izao rehetra izao. 26 } { Ary mbola Izy tokoa no ilay nanomboka ny fanamboarana ny zava-boary rehetra ary mbola Izy ihany koa no mamerina an'izany, ary izany rehetra izany dia maivana Aminy avokoa }. [ Sourate Ar-Roum : 20-27 ]
Ary nandà tsy nanaiky ny fisian'ny Tompony i Namoroda, ka niteny taminy i Abrahama (A.s) araka ny teny izay no lazain'i Tompo Allah nanao hoe : { Dia hoy indray i Mpaminany Abrahama (A.s) fa hoe : “ Satria ny tena marina fa i Tompo Allah no mampiposaka ny masoandro avy any antsinanana, koa aposaho avy any andrefana kosa izany raha mba vitanao izany ”, ka dia vahotra ilay nisafidy ny tsy hino. ary tena marina ihany koa fa i Tompo Allah dia tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.}. [ Sourate Al-Bakarat : 258 ] Ka dia torak'izany ihany koa no nandaisany Mpaminany.Abrahama (A.s) fanamarinana sy ireo porofo tamin'ireo vahoakany fa tena marina tokoa fa i Tompo Allah no nitari-dàlana Azy no sady nampisakafo Azy sy nampisotro Azy ary rehefa marary Izy dia Tompo Allah ihany koa no manasitrana Azy. ary mbola Izy Tompo Allah no mamelona Azy sy mamono Azy, ka dia nilaza i Tompo Allah rehefa nanambara an'izany ka nanao hoe : { Ary izay nahary ahy ihany, no mbola mitari-dàlana ahy amin'ny fahitsiana; 78 } { Ary Izy no nampihinana ahy sy nampisotro ahy. 79 }. { Ary raha marary aho, dia Izy no manasitrana ahy, 80 }. { Ary Izy no mamono ahy, avy eo dia mbola Izy ihany koa no hanome aina ahy indray mandeha, 81 }. [ Sourate As-shoanrà : 78-81 ]. Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah rehefa nitantara sy nanambara ny mahakasika an'ny Mpaminany Mosesy (A.s) fa izy nifanazava tamin'ny fanomezana ireo porofo amin'ny lafiny fandresendahatra an'i Farao amin'ilay teny nolazaina taminy fa hoe : tena marina fa ny Tompony dia Izy Allah : { Izy no ilay Mpanome ny zava-drehetra ho an'ny Mpanompony sy ireo izay nohariany ary Izy ihany koa no Manitsy Azy ireo } [ Sourate Taha : 50 ]
Nampitantànan'i Tompo Allah ny zanak'olombelona ny zava-drehetra misy any an-danitra sy ny ety an-tany ary nataony eo amin'ny manodidina azy ireo ny fahasoavany rehetra, ny mba ahafahan'ireo olombelona hanompo Azy fa tsy hanao ny asa ny fikomiana Azy, ka dia Nilaza i Tompo Allah nanao hoe : { Ka moa ve tsy mba hitanareo fa i Tompo Allah dia nanao ho eo ambany fahefanareo sy fiadidianareo izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany ? Ary dia mbola natobany ho eo aminareo avokoa ireo fahasoavany, na ny hita maso izany, na ny tsy hita maso; ary tena misy amin’ireo olombelona no mbola mahasahy miady hevitra mahakasika an’i Tompo Allah, amin'ny fomba hita fa tsy amim-pahalalàna mihitsy no sady tsy amin'ny tari-dàlana mahitsy, na koa tsy amin'ny Boky mazava }. { Sourate Loukman : 20 ] Ary tahakan'izany ihany koa no nampitantànan'i Tompo Allah ny zanak'olombelona ny zava-drehetra any an-danitra sy ny ety an-tany ka namboariny sy nohariany sy nomaniny avokoa izay rehetra ilain'olombelona amin'ny lafiny fahenoana sy fahitana ary ny fo sy fanahy, mba ahalalany sy ahafantarany izay rehetra mety mitondra soa Aminy, ary mba hitari-dàlana Azy amin'ny lalana makany amin'ny Tompony sy izay Nahary Azy. Ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena marina fa i Tompo Allah no namoaka anareo avy tao an-kibon-dreninareo, ka tsy nisy zavatra fantatrareo akory na dia iray aza, ary nataony teo aminareo avokoa ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny fò, angamba dia ahay sy ahafantatra ary ahalala ankasitraka ianareo.} [ Sourate An-Nahl : 78 ]
Fa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia efa Nanamboatra sy Nahary an'izao tontolo izao ary Nahary sy Nanamboatra ihany koa ireo zavaboary atao hoe : olombelona ary tena nomaniny ho azy ireo avokoa ny ratsan-javatra rehetra izay mety ilain'izy ireo, eo amin'ny fiainana toy ratsam-batana rehetra eo amin'ny vatana sy ny tanjaka ary hery, ary avy eo ihany koa dia novelariny Tompo Allah sy nisokafany ho azy ireo avokoa ireo zavatra rehetra mety manampy azy ireo amin'ny fahafahana ny amin'ny fanompoana an'i Tompon'izy ireo Allah, ary avy eo dia nammparainy Tompo Allah sy namaivaniny fananganana ny zava-drehetra eto an-tany, sy fomba fitantanana ny rehetra any an-danitra sy ny eto an-tany.
Nataon'i Tompo Allah ho porofo mivaingana izao zava-boary rehetra mijoalajoala izay nohariany ary tena nasehony tokoa ny maha mpanabe Azy, ary mitaky ny maha Zanahary Azy, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno ary mba lazao fa hoe : ” iza marina tokoa no manome ireo anjara masoandrom-pivelomana ho anareo avy any an-danitra sy ny ety an-tany, na koa iza marina ary no mitantana ny fandrenesana sy ny fahitana misy eo aminareo, ary iza marina ihany koa ary no mamoaka ny velona amin’ny maty sy ny mamoaka ny maty amin’ny velona, ary iza marina no mandrindra ny raharaha rehetra ? ” dia hiteny izy ireo ka hanao hoe : ” i Tompo Allah ”, ka dia teneno amin'izy ireo ary fa hoe : ” ka moa ve tsy tokony matahotra Azy ianareo ? ” } [ Sourate Yonos : 31 ] Ary Niteny ilay marina ilay avo Tsitoha ka nanao hoe : { Teneno ary lazao ry Irakan'ny Tompo Allah fa hoe : “ Tena mba ahoana marina re no fiheveranareo ireo zavatra izay ametrahanareo antso sy italahoanareo ivelany ankoatran’i Tompo Allah ? ka dia mba asehoy Ahy avokoa ireo zavtra mba nivitan'izy ireo sy niforonin’izy ireo avy tamin’ny tany ! sa misy amin'izy ireo no mikambana na mitambatra ka miombona miaraka amin’i Tompo Allah any an-danitra ? ka dia mba hItondrao Boky talohan’ity Boky masina Koroany ity Aho, na izay sisa amin'ireo fahalalana, raha toa ka mpilaza ny marina tokoa ianareo ” } [ Sourate Al-Ahkaf : 4 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : Namboariny Tompo Allah ny lanitra amin'ny fototra matanjaka izay tsy misy androny mihitsy ny ahitany masonareo an'izany, ary nalentiny ho mafy orina amin’ny tany avokoa ireo tendrombohitra, mba tsy hampihozongozona ny tany eo aminareo, ary dia naparitany avokoa ireo biby fiompy sy ny hafa ihany koa amin'ny endrika maro isan-karazany teo amin’izany tany izany; ary dia nampidiny Tompo Allah ho anay avy any an-danitra ny rano sy ny latsa-korana, ka avy amin'izany rehetra izany no noentinay nampitsiry tsiroaroa avokoa ireo karazan-java-maniry mahasoa sy nahitana vokatra; ka dia izany tokoa no fahariana sy fanamboarana nataon’i Tompo Zanahary, koa mba asehoy Ahy ary izay noharin’ireo an-koatran'i Tompo Allah, fa tena marina fa very làlana tokoa ireo olona mpanao ny tsy rariny. [ Sourate Loukman : 10-11 ] Ary Niteny ilay marina avo Tsitoha ka nanao hoe : { Moa va nohariana sy namboarina avy tamin’ny zavatra tsy misy ve izy ireo, sa izy ireo mihitsy no nametra tena ho mpahary ? 35 } { Sa izy ireo indray ve no nahary sy nanamboatra ny lanitra sy ny tany ? Saingy toa tsy mino tsy mahatoky mihitsy izy ireo. 36 } { Sa moa va manana ireo tahiry sarobidin’ny Tomponao ve izy ireo ? Sa izy ireo mihitsy no tompo tsy refesi-mandidy ny amin’izany ? 37 } [ Sourate At-Tour : 35-37 ] Niteny i Sheikh As-Sa'dy ka nanao hoe : ( Ary izany tokoa ireo porofo nalefa tamin'izy ireo mba tsy ahafahan'izy ireo hanao zavatra hafa, afa-tsy ny hoe hilefitra hanaiky sy handray ny marina sy ny fahamarinana na koa hivoaka amin'ny zavatra izay mitaky ny fisainana sy ny finoana.) Tafsir ibn Sa'dy : 816
7- Tompo Allah tokoa no Tompo Mpahary ny rehetra amin'izao tontolo izao na ny amin'ireo izay hitantsika maso na ny amin'ireo izay tsy hitantsika maso, ary izay rehetra ankoatran'i Tompo Allah dia mijanona ho zava-boary nohariany avokoa, ary mbola noharian'i Tompo Allah ihany koa ny lanitra sy ny tany tao anatin'ny enin'andro monja ihany.
Tompo Allah tokoa no Tompo Mpahary ny rehetra amin'izao tontolo izao na ny amin'ireo izay hitantsika maso na ny amin'ireo izay tsy hitantsika maso, ary izay rehetra ankoatran'i Tompo Allah dia mijanona ho zava-boary nohariany avokoa, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno ary lazao ry Irakan'ny Tompo Allah fa hoe : “ Iza ary ilay Tompo Nahary an’ireo lanitra sy ny tany ? ” Valio ary Teneno fa hoe :“ i Tompo Allah ”. ka dia Teneno ihany koa fa hoe : “ ka moa ve ahasahy handray mpiahy hafa an-koatran'ny Tompo Allah ianareo, zavatra izay tsy afaka manao na inona na inona amin’ny tenan’izy ireo na dia zavatra kely aza na ny tsara na ny ratsy ? ary Teneno sy lazao azy ireo indray fa hoe : “ ka moa ve mitovy ny olona jamba sy ny mahiratra ? na mitovy ihany koa ve ny haizim-pito sy ny hazavana ? na moa ve izy ireo nanao sy nametraka an’i Tompo Allah fa misy mpiara-miombon'antoka Aminy izay naharyzavatra, mitovy amin’izay nohariany Tompo Allah, ka lasa nifangaro tamin’izy ireo ny zava-boary rehetra ? ka Teneno ary lazao fa hoe : “ i Tompo Allah no Tompo Mpahary ny zava-drehetra ary Izy ilay Tokana tsy manam-paha-roa,, Izy no ilay Mpifehy ambony indrindra ”.} [Sourate Ar-Ra'd: 16] Ary Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary i Tompo Allah no Nahary sy Nanamboatra ireo zavatra izay tsy fantatrareo } [ Sourate An-Nahl : 8 ]
Ary Noharin'i Tompo Allah ny lanitra sy ny tany tao anatin'ny enin'andro monja, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Izy Tompo Allah no nahary sy nanamboatra ny lanitra sy ny tany tao anatin’ny enin'andro monja, rehefa avy eo dia nandray ny Seza Fiandrianany Izy, ary Izy Allah no mahalala sy mahafantatra izay rehetra miditra ao anatin’ny tany sy izay rehetra mivoaka avy ao aminy, ary Izy ihany koa no mahalala sy mahafantatra izay rehetra midina avy any an-danitra sy izay rehetra miakatra mankany, ary Izy Tompo Allah dia miaraka aminareo n'aiza n'aiza ny toerana misy anareo. ary satria i Tompo Allah dia mahita tsara izay rehetra ataonareo.} [ Sourate Al-Hadid : 4 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary efa nahary sy nanamboatra an'ireo lanitra sy ny tany Izahay sy izay rehetra hita ao anelanelan’izy ireo tao anatin’ny enin'andro monja, ary tsy misy harerahana mihitsy nihatra taminay na dia kely aza.} [ Sourate Qaf : 38 ]
8- Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy misy mpikambana Aminy na dia iray aza na amin'ny fanjakany izany na amin'ny zava-boary izay nohariany, na koa amin'ny fandaharana izay napetrany, na koa amin'ireo mpanompony manoloana ny fanompoana.
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha no Mpanjakan'ny Mpanjaka izay tsy misy mpikambana Aminy na dia iray aza amin'ireo zavatra rehetra izay nohariany na koa amin'ny fanjakany, sy fandaminany ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno ary lazao ry Irakan'ny Tompo Allah fa hoe : “ Tena mba ahoana marina re no fiheveranareo ireo zavatra izay ametrahanareo antso sy italahoanareo ivelany ankoatran’i Tompo Allah ? ka dia mba asehoy Ahy avokoa ireo zavtra mba nivitan'izy ireo sy niforonin’izy ireo avy tamin’ny tany ! sa misy amin'izy ireo no mikambana na mitambatra ka miombona miaraka amin’i Tompo Allah any an-danitra ? ka dia mba hItondrao Boky talohan’ity Boky masina Koroany ity Aho, na izay sisa amin'ireo fahalalana, raha toa ka mpilaza ny marina tokoa ianareo ” } [ Sourate Al-Ahkaf : 4 ] Nilaza Cheikh As-Sandy (R.h) hinakinakan'i Tompo Allah ho azy ka nanao hoe : ( Izany hoe : { lazao, Teneno } amin'ireo vahoaka izay tsy manam-pinoana tsy mahatoky an'i Tompo Allah ary mahasahy manakambana Tompo Allah amin'ny sampy sy sary vongana ary zanahary hafa, izay hita fa tsy mahavita manome azy ireo fahasoavana na koa mampidi-doza azy ireo eo amin'ny fiainana, no sady tsy mahavita mamono azy ireo na koa mamelona na hoe ahavita hanambatra azy ireo tsia, ka hazavao amin'izy ireo ny tsy fahafan'ireo sampy manao n'inon'inona eo amin'ny fiainana, ary izy ireo dia tsy mendrika ho tompoina na dia kely aza, { ka dia mba somary hampijerevo-nareo ahy fa mba inona ny zavatra noharian'izy ireo eto an-tany, sa moa ve manam-pikambana izy ireo any an-danitra }. ary moa ve nahary ireo vatan'ny lanitra sy ny tany izy ireo ? na koa ve nahary ny tendrimbohitra ve izy ireo ? na koa ary nahavita nampikorina ny renirano ve izy ireo ? nz koa hoe nahavita nanaparitaka ireo biby ve izy ireo ? na hoe nampitsiry ireo zava-maniry ve izy ireo ? ary moa ve misy fanampina ihany koa no efa nataon'izy ireo tamin'ny fanamboarana an'ireo zavatra ireo ? dia valin-teny ny amin'izany rehetra izany dia ny hoe : tsia, tsy misy na dia kely aza, ary izany valin-teny izany dia samy neken'izy ireo avokoa tamin'ny alalan'ny tenan'izy ireo sy ny hafa ankoatr'izy ireo, ka izany dia efa porofo matanjaka ara-tsaina manaiky sy manamarina fa ny fanompoana ankoatran' i Tompo Allah dia zava-poana avokoa fa tsy misy dikany.
Avy eo dia notanisainy avokoa ny tsy fisian'ireo porofo an-tsoratra manoloana izany rrehetra izany, ka niteny izy nanao : { Mitondrà Boky ho ahy izay teo alohan'ity }, ilay Boky hia fa miantso amin'ny fanakambanana an'i Toompo Allah amin'ny zavatra hafa, { na ambiny ireo ny amin'ireoo fahalalana izay misy } ireo izay nolovaina tamin'ireo Iraka sy Mpaminany izay nibaikoina manoloana an'izany, ary tena fantatra tsara fa tsy azo lavina velivaly fa tsy afaka mamoaka porofo avy aminirreo Iraka sy Mpaminany rehetra izy ireo ka ho entina hanaporofoana an'izany izy ireo. fa kosa, ny tena azontsika antoka ny amin'izany rehetra izany ny hoe : ireo Iraka sy Mpaminany rehetra dia samy niantso ny rehetra avokoa ny maha-tokana an'ny Tompon'izy ireo Allah, ary nandrara sy ny sakana mafy ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa amin'ny rehetra, ary izany tokoa anie no tena fahalalana lehibe indrindra izay misy vokany eo amin'izy ireo.) Tafsir ibn Sa'dy : 779
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia Mpanjakan'ny Mpanjaka, ary tsy misy mpikambana Aminy na dia iray aza amin'ny fanjakany, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno ary lazao ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah fa hoe : " Ô ry Tompo Allah ! ilay Tompon’ny fanjakana; Ianao ry Tompo Allah no Mpanome ny fanjakana ho an’izay olona sitrakao, sy mandrava ihany koa ny fanjakana amin’izay olona sitrakao, ary mbola Ianao koa no mpanome hery an'izay olona sitrakao, ary manala-baraka ihany koa izay olona sitrakao, eo am-pelatànanao avokoa ny tsara rehetra, ary tena marina fa Ianao dia Tompo Mahefa ny zava-drehetra.} [ Sorat al Imran : 26 ] Ary niteny i Tompo Allah no sady manazava fa ny fanjakana feno dia ho Azy irery ihany amin'ny andro farany : [ Amin’ny andro izay hisehoan’izy ireo, ka tsy hisy zavatra mety ho hafenina an'i Tompo Allah na dia kely aza ny zavatra nataon’izy ireo min’izany andro izany. ka an’iza marina ny fanjakana an-kehitriny ? dia an’i Tompo Allah, an'ilay Tokana tsy manam-paha-roa, ilay Mpifehy amin'ny ambaratonga faran-tampony.} [ Sorate Al-Ghafir : 16 ]
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha no Mpanjakan'ny Mpanjaka izay tsy misy mpikambana Aminy na dia iray aza amin'ireo zavatra rehetra izay nohariany na koa amin'ny fanjakany, sy fandaminany ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary teneno ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah fa hoe : “ Dera sy vonahitra ary fisorana feno fan-kasitrahana ho an’i Tompo Allah,izay Tompo tsy mba manan-janaka mihitsy, ary tsy nandray zavatra ho zanaka ihany koa, ary tsy mba nanana mpiombon’antoka Izy manoloana ny fanjakany, ary Izy dia mbola tsy manana mpiahy amin’ny fanambaniana mihitsy ”. koa dia derao avo dia avo indrindra ny fahalehibeazany ”.} [ Sourate Al-Isrà : 111 ] Ary niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { ilay Tompon’ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, izay Tompo tsy mba manan-janaka velively, ary tsy nandray zavatra ho zanaka ihany koa, ary tsy mba nanana mpiombon’antoka Izy manoloana ny fanjakany, ary Izy no nahary ny zava-drehetra sy nandahatra azy araka ny tokony ho izy.} [ Sorate Al-Forkane : 2 ] Fa Izy no Mpanjaka ary ny an-koatrany dia hanjakany avokoa, ary Izy no ilay Mpahary ary ny an-koatrany dia zava-boary nohariany avokoa, ary Izy tokoa no Mpandahatra ny zava-drehetra, ka raha izany tokoa ny momba Azy dia voatery fa tsy maintsy manompo Azy isika, ary ny fanompoana ny zavatra hafa an-koatrany dia midika fa tsy fahampiana misy amin'olona ny zavatra ao an-tsainany, ary ny fanambarana sy fanakambanana Azy amin'ny zavatra hafa dia manimba ny fiainana eto an-tany sy any an-koatra, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary niteny izy ireo ka nilaza nanao hoe : “ Aoka mba mametra-tena ho Jiosy na Kristianina ianareo, dia lasa hiroso amin’ny làlana mahitsy ” ka valio ary Teneno fa hoe : “ Tsia ! ny finoan’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) no finoana madio sy marina, ary Izy dia tsy mba tafiditra ho anisan’ireo mpanompo sampy.” } [ Sourate Al-Bakarat : 135 ] Ary niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary iza tokoa ary no manana finoana mendrika indrindra noho izay nahasahy nanolotra ny tavany sy ny tenany ho an’i Tompo Allah ary izy ihany koa no mpanao ny asa soa, ary nanaiky manaraka ny finoan’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) izay nametraka ny fanompoana hoan'ny Zanahary tokana ary i Tompo Allah no efa nandray an’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) ho sakaiza mahafatoky.} [ Sorate An-Nisà : 125 ] Ary nazavain'i Tompo ilay avo Tsitoha ny marina fa izay rehetra nanaraka ny soridalana an-koatran'ny soridalana sy fomban'i Mpaminany Abrahama (A.s) ilay Sakaizan'ny Tompo Allah dia efa lazaina fa nandonto sy nanimba ny tenany, ka hoy Tompo Allah nilaza ka niteny hoe : { Ary izay tsy nanaiky no sady tsy nankasitraka ny finoan’i Mpaminany Ibrahimo (A.s), ka ireny no lazaina fa nanambany ny fomba fisainany, ary efa nofidinay teto an-tany tokoa anefa Izy hoy Tompo Allah ary nataonay anisan’ireo olona tena mendrika tokoa Izy ny any an-koatra ihany koa.}. [ Sorate Al-Bakarat : 130 ]
9- Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy niteraka ary tsy nateraka ary tsy misy zavatra tahaka Azy na koa mitovy Azy na dia iray aza.
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy niteraka ary tsy nateraka ary tsy misy zavatra tahaka Azy na koa mitovy Azy na dia iray aza, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : 1- Lazao ary teneno fa hoe : “ Izy Tompo Allah dia Tokana ihany. 2- Tompo Allah dia hiankinan'ny zava-drehetra. 3- Tsy niteraka Izy, ary tsy nateraka ihany koa. 4- Ary tsy misy zavatra na iray aza mitovy Aminy. [ Sourate Al- Ikhlas : 1-4 ] Ary niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : {( Izy tokoa noTompon’ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra manelanelana azy roa ! ka aoka mba Tompoy àry Izy ary apetrao Aminy ny fanompoana rehetra, ary manàna faharetana ihany koa manoloana ny fanompoana Azy; ka moa va mba mahalala sy mahafantatra ny zavatra mitovy Aminy ve ianao ? } [ Sourate Maryam : 65 ] Ary Niteny ilay Marina, Avo ny momba Azy rehetra ka nanao hoe : { ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany. ary Izy no nanao sy nanome vady ho anareo ka natsoakany izany vady izany avy amin’ny vatatenanareo ihany, ary nataony mpivady ihany koa ireo biby rehetra tsy an-kanava, ka dia avy tamin’izany no fomba nentinay nampitomboana anareo hoy Tompo Allah. Tsy misy zavatra mitovy velively amin'ny Tompo Allah na dia iray monja aza, ary Izy no ilay mandre sy mahita ny zava-drehetra.} [ Sorat al shora : 11 ]
10- Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy mianjaka ary tsy miditra amin'ny tavan'ny zava-boariny izay nohariany.
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy mba levona amin'ny zavatra na inona na inona ary tsy mba miditra amin'ny vatan'ny zava-boary izay nohariany, ary tsy mba mitambatra na amin'inona na inona; izany, dia satria tena marina fa i Tompo Allah no Tompo Mpahary, ary ny an-koatriny rehetra dia nohariany, avokoa ary Izy no hitoetra mandrakizay doria, ary ny zavatra hafa an-koatriny dia natao ho rava sy ringana avokoa, ary ny zava-drehetra dia fananany avokoa, ary Izy no tompony izao rehetra,ary i Tompo Allah dia tsy mba monina amin'ny zava-boary izay nohariany, ary ny zava-boariny dia tsy monina ao Aminy ihany koa, marina tokoa fa i Tompo Allah no Tompo lehibe indrindra mihoatra ny rehetra, ary Izy no ngeza mihoatra ny rehetra.ka Niteny i Tompo Allah amin'ny endrika mandà sy misakana ary manakiana ireo izay milaza fotokevitra fa i Tompo Allah dia monina tao amin'i Mpaminany Mesia (A.s) ka nilaza hoe : { Ary tena efa nikomy sy naneho ny fikomiana tokoa ireo izay nahasahy niteny hoe : “ tena marina fa i Tompo Allah dia Izy no ilay Mesia (A.s) (Jesoa) zanak’i Mariamo.Teneno ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah fa hoe : “ Ka iza ary no afaka hanakana an’i Tompo Allah,amin'ny zavatra na dia kely aza raha toa ka te-aharendrika an’i Mpaminany Mesia (A.s) zanak’i Mariamo sy ny Reniny Izy Tompo Allah, na tia hamotika sy aharendrika ny izay rehetra eto an-tany Izy Tompo Allaah ? ary tena marina ttokoa fa hoan’i Tompo Allah irery ny fanjakana rehetra amin’ireo lanitra sy ny tany sy ny amin’izay rehetra anelanelan’izy roa irreo ” Izy Tompo Allah no Nahary sy Manamboatra izay rehetra tiany sy sitrany ary i Tompo Allah no Tompo mahefa ny zava-drehetra.} [ Sourate Al-Maïdat : 17 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : 115- Ary an’i Tompo Allah irery ihany ny faritra antsinanana sy ny faritra andrefana, ka n'aiza n'aiza ny toera izay itodihanareo dia eo hatrany mandrakariva ny tavan’i Tompo Allah, ary dia tena marina fa midadasika no sady mivelatra manerana izao rehetra ny fahaizany Tompo Allah sy ny fahalalany fa Izy irery ihany tokoa no mahalala sy mahafantra ny zava-drehetra. 116- Ary niteny izy ireo fa hoe : ” i Tompo Allah dia manan-janaka ! ”. Voninahitra mitafotafo anie ho Azy ! Tsia, tsy marina no sady tsy mendrika Azy izany, fa dia Azy avokoa izay rehetra any an-danitra sy ny eto an-tany, ary ny rehetra dia manaiky Azy avokoa. 117- i Tompo Allah no Mpahary ireo lanitra sy ny tany, ary raha mandidy sy mibaiko zavatra Izy, dia miteny fotsiny hoe : " Misia ! ”, dia misy avy hatrany izany zavatra izany. [ Sourate Al-Bakarat : 115-117 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { 88-Ary nahasahy nilaza izy ireo fa hoe nanan-janaka ilay be indrafo } 89- Ary tena zavatra maharikoriko sy mahantsiravina no sady mamoampady izany entinareo izany ! 90- Kely fotsiny no tsy nahavaky ireo lanitra noho ny avy amin'izany teny izany, sy tsy nampitresatresaka ny tany, ary tsy naharava ihany koa ireo tendrombohitra. { 91-Nahasahy nilaza izy ireo fa nanan-janaka ilay be Indrafo } 92- Kanefa dia tsy mendrika velively an’ilay be Fiantrana sy In-drafo ny hanan-janaka izany ! 93- Tsy inona akory izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, afa-tsy mpanompo avokoa, eo anatrehan’ilay be Fiantrana. 94- Tena marina fa notanisainy sy voaisany avokoa izy rehetra. 95- Ary amin’ny Andro ny Fitsanganana amin’ny maty, avy ao ampasana dia hanantona an'i Tompo Allah ny tsirairay amin'izy rehetra. [ Sourate Maryam : 88-95 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Allah ! no Tompo voalaza fa tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, Izy no ilay velona tsy mba maty mandrakizay Izy no Al-Kaiom [34] izay tsy mba azon-tory na resy tory na rendremana nohony toromaso na dia kely aza, ary tsy mba matory mihitsy Izy Tompo Allah.ka dia ho Azy irery ihany avokoa izay rehetra misy any amin’ireo lanitra sy izay rehetra misy eto an-tany ary mba Iza no manana fahefana hanelanelana eo anatrehany, raha tsy hoe izay efa nahazo alalana avy Aminy ihany ? Izy Tompo Allah no mahalala sy mahafantatra avokoa izay rehetra eo alohan’izy ireo sy izay rehetra aorian'izy ireo,ary tena tsy misy mahafehy na dia kely aza amin'ny fahalalàny izy ireo afa-tsy izay sitrany ihany, ngeza midadasika maneranan'ireo lanitra sy ny tany avokoa ny seza fiandrianany ary tsy manahirana Azy na dia kely aza ny fiarovana azy roa ireo.ary Izy tokoa no ilay Avo indrindra tsy misy toa Azy, Izy Tolpo Allah no ilay Lehibe indrindra.} [ Sourate Al-Bakarat : 255 ] Fa raha izany ny momba Azy sy ny momba an'ireo zava-boary izay nohariany, ka amin'ny fomba ahoana no hakana ny iray amin'izy ireo ?, na koa hakana ho zanany ny iray amin'izy ireo ? na koa ataony zanahary tahaka Azy ?
11- Tompo Allah ilay avoTsitoha dia Tompo be fangorahana ary be hinakinaka amin'ireo Mpanompony, ka noho izany dia nandefa ireo Iraka sy Mpaminany Izy no sady nampidina ireo Boky ihany koa.
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia Tompo be fangorana sy be hinakinaka amin'ireo mpanompony, ka anisan'ny hinakinakan'ny Tompo Allah amin'ireo mpanompony dia ny fandefasany amin'izy ireo, ireo Iraka sy Mpaminany, ary ny fampidinany tamin'izy ireo ihany koa an'ilay Boky, mba hanala sy hamoaka azy ireo avy amin'ny haizinan'ny fahaverezana sy fikomiana ary fanakambanana Tompo Allah amin'ny zavatra hafa ka hitarika azy ireo hankany amin'ny fahazavana feno fahatokanan'ny Tompo sy ny fahitsiany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Izy Tompo Allah no mampidina ireo famantarana mazava rehetra amin’ilay andevo mpanompony ny mba hamoahany anareo avy ao amin’ny haizina ho amin’ny hazavana ary hamafisina etoana fa be fangorahana aminareo tokoa i Tompo Allah no sady be Indrafo.} [ Sourate Al-Hadidy : 9 ]
Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tsy nandefa anao ho Iraka Izahay ry Mohamad (s.w.a) hoy i Tompo Allah raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao.} [ Sorat al anbya : 107 ] Ary nobaikon'i Tompo Allah no sady nodidiany i Mpaminaniny (s.w.a) ny mba hilaza amin'ireo vahoaka mpanompony fa Izy no Tompo be famindram-po sy be hinakinaka, ka nilaza i Tompo Allah nanao hoe : { Ampafantaro ireo mpanompoko fa Izaho ilay Mpamela heloka, ilay be Fiantrana.} [ Sourate Al-Hijr : 49 ] Ary anisan'ny fangoraham-pony sy ny hinakinakany dia Izy no manala ireo olana ary mampidina ny hatsarana amin'ireo mpanompony, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary raha hataony Tompo Allah ahavoa sy hikasoka anao ny ratsy dia tsy misy afaka hanala an'izany na oviana na oviana afa-tsy Izy Tompo Allah irery ihany, ary raha sitrany ihany koa ny ahazahoanao ny tsara, dia tsy hisy ahavita hisakana na oviana na oviana an'izany fahasoavany izany, ka dia Omeny izany rehetra izany ho an'ireo mpanompony izay Sitrany, ary Izy Tompo Allah no Tompo Mpamela heloka,no sady ilay be fiantrana.} [ Sourate Yonos : 107 ]
12- Tompo Allah dia Tompo ary be hinakinaka ary Izy irery no hitsara ireo zava-boariny amin'ny andro farany rehefa mamoaka azy ireo avy ao am-pasana, ary hanefa isak'olona amin'ireo asa soa sy asa ratsy izay vitan'izy ireo, ka izay manao asa tsara no sady mpino dia ahazo fahasambarana tsy ankijanona, ka izay mikomy sy manao asa ratsy dia ahazo sazy lehibe amin'ny andro farany.
Allah tokoa no Tompo Mpanabe,Izy no Be hinakinaka,Izy irery ihany no hitsara ireo zava-boary amin'ny andron'ny fitsanganana amin'ny andro farany rehefa tonga ny fotoana hamoahana ireo olona sy zavaboary avy ao am-pasana,ka hanefa ny tsirairay amin'izayrehetra vitany manoloana ny amin'ny hatsarana sy haratsiana izay vita,ka izay rehetra nanatanteraka ny hatsarana no sady nanam-pinoana ka nino an'i Tompo Allah dia ahazo ny fahasambarana mitohy tsy an-kijanona fa izay nikomy sy nanao ny asa ratsy kosa dia ahazo sazy sy famaizana lehibe amin'ny andron'ny fitsanganana amin'ny andro farany ary anisan'ireo porofo sy fanamarinana ny amin'ny fahamarinan'i Tompo Allah sy ny fahendrena misy eo Aminy ary ny hinakinany amin'ireo zava-boariny dia ny fomba nametrahany an'ity fiainana eto an-tany ity ho toerana fanaovana asa fotsiny ihany ary nataony kosa ny any an-koatra dia toerana ho fanefana sy ny fitsarana ary fanomezana ny valisoa angamba mba ho ahazoan'irreo mpanao ny asa soa ny soa sy hatsarana izay vitan'izy ireo ary ho hazon'ireo mpanao ny asa ratsy sy mpanao ny tsindry hazo lena ary ny mpanao tsy rariny koa ny sazin'ny tsirariny sy tsindry hazo lena izay nataon'izy ireo ka izany zavatra rehetra izany dia zavatraa mety halavirin'ny sasany amin'ny vatana ka napetrakin'i Tompo Allah ireo porofo maro samy hafa izay manamarina fa ny famoahana sy famokarana ny rehetra avy ao ampasana dia marina ka tsy tokony hananana fisalasalana na iiza na iza ny amin'izany ka Niteny i Tompo Allah manao hoe : { Ary anisan’ireo famantarana avy amin'ny Tompo Allah,dia ny fahitanao tokoa fa ny tany dia milefitra matahotra, ka raha vao nampidinanay rano teo aminy, dia indro izy fa nahazo aina sy lasa lonaka, ka dia hamafisinay etoana, fa ilay namelona azy, no hamelona indray ny maty avy ao ampasana, satria tena marina fa Izy Tompo Allah tokoa no Tompo mahefa ny zava-drehetra.} [ Sourate Fossilate : 39 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ô ry olombelona ! Raha manana fisalasalana sy ahiahy tokoa ianareo momba ny fitsanganana sy fifohazana amin’ny maty, avy ao ampasana ka tena marina, fa tsara ny mba hamantaranareo fa izahay no nahary anareo avy amin’ny tany,fotaka, avy eo tamin’ny endrika ny tsirin'aina indray mitete ihany koa, avy eo ihany koa tamin’ny alalan'ny vaingan-drà, avy eo nifindra tamin’ny vainga-nofo, izay manana endrika na tsy manana endrika, ka izany rehetra izany mba hanazavanay aminareo fotsiny ny fahefana misy Aminay, ary apetrakay ao anatin’ny vohoka hoy Tompo Allah ny izay endrika rehetra tianay sy izay rehetra sitrakay, mandritran'ny fem-potoana voafetra., avy eo dia havoakanay ho zazakely avokoa ianareo mba hahatraranareo ny fahamatorana, ka mety misy aminareo ireo olona izay maty tanora, ao anatiny fahatanorana, ary misy aminareo koa no tratra antitra, ka lasa tsy mahafantatra na inona na inona amin’ireo izay rehetra fantany teo aloha,ary dia hahita ny tany karakaina ianao, nefa raha vao handatsahanay ran-orana izany, dia mihetsika sy mibontsina, ary mitsiry ireo karazan-java-maniry izay miseho amin'ny endrika mpivady mahafinaritra no sady maha-teo tia } [ Sourate Al-Hajjy : 5 ] Ary notanisain'i Tompo Allah avokoa amin'ny andininy soratra masina telo ireto ny porofo ara-tsaina ny mahakasika ny fitsanganana amin'ny maty avy ao ampasana, ary izany dia ny hoe :
1- Tena marina fa ny olombelona dia zavaboary Noharian'i Tompo Allah avy tamin'ny alalan'ny fotaka ka ilay Nahary azy avy tamin'ny fotaka ihany no manana fahefana mahefa ny hamerina azy amin'ny fahavelomana indray rehefa lasa fotaka.
2- Tena marina fa ilay Nahary ny tsiron'aina ka lasa olombelona dia Izy ihany no Mahefa ny hamerina izany amin'ny fahavelomana indray aorian'ny fahafatesana.
3- Tena marina fa ilay Namelona ny tany amin'ny alàlan'ny orana rehefa taoriany nahafaty azy, dia mbola Izy ihany no mahavita ny hamelona ny olombelana indray aorian'ny fahafatesany, ary amin'izany famantarana rehetra izany dia porofo lehibe indrindra amin'ny fahagagan'ny Boky masina Koroany, ka dia amin'ny fomba ahoana loatra no nahahafany nanambatra izany fahagagana izany, izay hita fa tsy lava akory izany,, fa misy kosa ireo porofo telo ihany, ara-tsaina ary mazava amin'ireo fanontaniana lehibe.
Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Amin’ny andro izay hamoretanay ny lanitra tahaka ny hamoretana ny takelaky ny Boky, ka torak'izany ihany koa ny nanaovanay ny famoronan-javatra voalohany, no hamerenanay azy indray mandeha ihany koa, ka izany rehetra izany dia fampanantenana efa nataonay, ka tsy maintsy ho tanterahanay tokoa izany rehetra izany ! } [ Sorate Al-Anbya : 104 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : 78- Ary nanome fanoharana iray taminay Izy, ka nefa dia hadinony ny fomba nahariana Azy, ka hoy izy niteny ka nanao hoe : “ Iza no hanome aina indray an'ireo taolana rehefa lasa vovoka ? ” 79- Lazao sy teneno ry Irakan'ny Tompo Allah fa hoe : “ ilay Nahary azy ireo tamin’ny voalohany, ihany no hanome azy ireo aina vaovao indray, ary fantany avokoa ny zava-boary rehetra ”. [ Sourate Yasin : 78 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : 27- Moa ve ny fanamboarana sy fahariana anareo no nanano sarotra kokoa noho ny lanitra izay namboariny ? 28- Izay nasandrany ambony ny tafony, ary nampitoviany tantana avokoa izany 29- Nataony ho maizina ny alina ary naposany ny hazavana mibaliaka 30- Ary nataony midadasika ny tany, taorian’izany. 31- Ary navoakany avy tamin’izany ny rano sy ny ahitra rehetra. { ary ireo tendrombohitra kosa nataony ho andriny,(32) } [ Sourate An-Nàzyate : 27-32 ] Nazavain'ny Tompo Allah ny marina rehetra fa ny fanamboarana ny olombelona dia tsy zavatra lehibe akory mihoatran'ny fanamboarana ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao anatin'izany, fa ilay Nahefa ny lanitra sy ny tany dia tsy ho sahirana amin'ny famerenana ny olombelona indray mandeha
13- Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia Nahary i Mpaminany Adama tamin'ny fotaka, ary nataony nihamaro ireo taranany tonga taoriany, fa ny olombelona rehetra dia mitovy avokoa, tsy misy firazanana miendrika amin'ny firazanana hafa, ary tsy misy vahoaka miendrika amin'ny vahoaka hafa afa-tsy amin'ny alàlan'ny fatahorana an'i Tompo Allah.
Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia Nahary i Mpaminany Adama tamin'ny fotaka, ary nataony nihamaro ireo taranany tonga taoriany, fa ny olombelona rehetra dia mitovy avokoa, tsy misy firazanana miendrika amin'ny firazanana hafa, ary tsy misy vahoaka miendrika amin'ny vahoaka hafa afa-tsy amin'ny alàlan'ny fatahorana an'i Tompo Allah, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô ry olombelona ! tena marina Noharianay ianareo avy amin’ny lahy sy vavy, ka nataonay ho vahoaka sy foko ary firazanana maro ianareo, mba ahatonga anareo hifankahalala, fa ny tena mendrika indrindra aminareo kosa eo anatrehan’i Tompo Allah dia ireo izay vonto-pinoana, Satria hamafisina etoana, fa i Tompo Allah dia mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra.} [ Sourate Al-Houjraty : 13 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary i Tompo Allah no nahary sy nanamboatra anareo avy amin’ny tany, fotaka, avy eo dia lasa nohariany amin'ny fomba hafa manaraka indray avy amin’ny alalany tsiron'aina indray mitete, ary rehefa taoriany izany, dia mbola nataony ho mpivady amin'ny endrika tsiroaroa,ary dia tena tsy misy vehivavy mitondra vohoka, na koa hoe miteraka afa tsy hoe fantany Tompo Allah avokoa izany rehetra izany. ary tena tsy misy fahavelomana maharitra na fohy, manoloana ny fempotoana ara-mpiainana afa tsy hoe efa samy voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izany, ka izany rehetra izany tokoa dia mora no sady maivana amin’i Tompo Allah ny manao an'izany } [ Sourate Fàtir : 11 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Izy Tompo Allah tokoa no nahary sy nanamboatra anareo avy tamin’ny tany, fotaka, avy eo dia lasa nohariany amin'ny fomba hafa manaraka indray avy amin’ny alalany tsiron'aina indray mitete,sy avy tamin’ny vongan-drá, ary manaraka an,izany rehetra izany dia ny famoahany anareo ho zazakely, mba ahatratraranareo ny fahamatorana, sy ny fahanterana,ary ny sasany aminareo dia misy maty mialoha, mba ahatraranareo ny fe-potoana voafetra, sy mba hisaitsainanareo.} [ Sourate Ghàfir : 67 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah manazava fa Izy no Nahary sy Nanamboatra ny Mesia (A.s) avy amin'ny didiny sy baikony manao hoe : Misia, dia Nisy, tahaka nohariany sy Nanamboarany Adama (A.s) avy tamin'ny fotaka tamin'ny alalany didy Nataony amin'ny teny hoe : Misia dia Nisy ka nilaza sy niteny i Tompo Allah nanao hoe :: { Tena marina fa i Mpaminany Issa (Jesoa ( A.s) ), eo anatrehan’i Tompo Allah, dia mitovy tantana tahaka ny amin’i Adama (A.s) izy Roa dia samy, niforoniny avy tamin’ny fotaka avokoa, avy eo dia niteny taminy avy hatrany Izy ka nanao hoe : “ Misia ! ”, dia nisy tokoa izany.} [ Sorat al Imran : 59 ] Ary efa voalazako teny aloha ny amin'ny fehin-tsoratra laharana faha (2) fa i Mpaminany (s.w.a) no efa nanazava fa ny olombelona rehetra dia mitovy ary tsy misy manam-boninahitra na dia iray aza eo anatrehany hafa,fa ny manan-kaja sy manambonahitra amin'izy ireo dia ireo matahotra sy manammpatahorana an'i Tompo Allah.
14- Ary ny zaza rehetra dia teraka ao amin'ny zavatra atao hoe : " Fitre " izany hoe ao anaty finoana Islam.
Ary ny zaza rehetra dia teraka ao amin'ny zavatra atao hoe : " Fitre " izany hoe ao anaty finoana Islam ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Koa atsangano ary ny tavanao amin’ny finoana madio lba ho an’i Tompo Allah, fa izany tokoa no toetra voajanahary izay nomen’i Tompo Allah ny olombelona. ka dia tsy misy fiovana akory ny amin’ny faharian’i Tompo Allah ny zavaboary, ka izany tokoa no finoana marina no sady mahitsy, saingy ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra an'izany.} [ Sourate Ar-Roum : 30 ] Ary izany fahadiovam-pinoana izany dia fomban'i Mpaminany Abrahama (A.s). ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Avy eo dia nandefa fanambarana taminao Izahay hoy i Tompo Allah fa hoe : “ Araho antsakany sy andavany ny fivavahan’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) amin’ny fanompoana an’i Tompo Allah tokana tsy manampaha-roa, ary izy dia tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa ”.} [ Sourate An-Nahl : 123 ] Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : " Tena tsy misy zaza teraka afa-tsy hoe : zaza teraka amin'ny " Fitra " izany hoe anaty finoana marina, finoana Islam fa ny Ray aman-dreniny no mamadika azy ho Djiosy na koa Kristianina na koa Madjosy izay mpanompo sampy. Avy eo dia Niteny i Abo Horairah (Rd) ka nanao hoe : { Fa izany tokoa no toetra voajanahary izay napetrany Tompo Allah sy efa nomeny ny olombelona rehetra, ka tsy misy afaka manova na mametraka fiovana amin’ny fahariana izay efa nataon’i Tompo Allah,ka izany indrindra no finoana mahitsy feno fahitsiana, saingy ny an-kamaroan’ny olombelona dia tsy mahalala no sady tsy mahafantatra.} [ Sourate Ar-Roum : 30 ] Soahih Al-Boukhary (R.h) 4775, Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : " Eny tokoa, fa ny tena marina fa i Tompoko Allah no nandidy sy nibaiko ahy mba hampianatra anao izay rehetra tsy fantatrareo sy ny amin'izay rehetra tsy hananareo fahalalana isan'andro, Izy Tompo Allah no nampianatra ahy fa ny harena rehetra izay nikatsahinao mpanompony dia mety ary Halaly avokoa, ary tena marina fa niforoniko avokoa ireo mpanompoko, amin'ny endrika madio avokoa izy ireo, ary tena marina fa izy ireo dia nitongavan'ny satana, devoly, ka nanolotra sy nanome azy ireo ny zavatra misy fifandraisana momban'ny finoan'izy ireo ary nandrara sy nisakana azy ireo amin'ireny zavatra izay nataoko ho mety sy halaly tamin'izy ireo, ary lasa izy indray no nandidy azy ireo ny hanambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa amin'izay zavatra tsy nandidiako fahefana amin'izy ireo " Voarakitra ao amin'ny Boky ny Moslim (R.h) 2865
15- Ary tena tsy misy ammln'ireo olombelona teraka zaza ho diso na koa handova ny fahadisoan'ireo hafa an-koatrany.
Ary tena tsy misy ammln'ireo olombelona teraka zaza ho diso na koa handova ny fahadisoan'ireo hafa an-koatrany, ary nampafantarin'i Tompo Allah atsika fa rehefa nitsipaka no sady nanohitra ny baiko i Mpaminany Adama (A.s),ka lasa nihinana an'ilay hazo voarara niaraka tamin'ny vadiny Eva dia nanenina sy nifona ary nibebaka, ary nangataka famelan-keloka tamin'ny Tompo Allah, ka nandefasan'i Tompo Allah tsindri-peo Taminy mba hiteny an'ireto teny tsara ireto, dia niteny izany izy ireo ka voavela avokoa ny heloka izay nataon'izy roa mivvady, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : 35- Ary niteny Izahay hoy i Tompo Allah fa hoe : " Ô ry Adama (A.s) ! Mipetraha ianao sy ny vadinao ao amin’ny Paradisa, ary mihinàna izay ao aminy an-kalalahana amin’izay rehetra tianareo roa, ary aza manatona kosa an'io hazo io, fa manjary lasa ho anisan’ireo mpanao ny tsy rariny ianareo roa ”. 36- Ka noho ny avy eo, dia mbola nabolisatry ny satana (devoly) avy tao izy roa, ka navoakany avy tao amin’ny toerana izay nisy azy roa. Ka niteny Izahay hoy i Tompo Allah nanao hoe : " Midìnà ianareo,ka lasa anareo sy anareo ihany no ho mpifahavalo, ary misy toerana ho anareo ny eny an-tany, toerana hipetrahana sy hiadanana mandritry ny fotoana fohy voafetra ". 37- Ary nandray ireo teny avy tamin’ny Tompony i Mpaminany Adama (A.s) ka lasa nekeny Tompo Allah no sady noraisiny ny fibebahana izay nataony, satria dia tena marina tokoa fa Izy ilay Mpamela ny heloka, no sady ilay be Indrafo. 38- Niteny izahay hoy i Tompo Allah ka nanao hoe : " Midìnà avy ao daholo ianareo rehetra ! Koa rehefa tonga aminareo ny tari-dàlana avy aty Amiko, izay manaraka ny tari-dàlana avy Amiko, dia lasa tsy hisy tahotra ny amin’izy ireo, ary tsy hanana alahelo ihany koa izy ireo ". [ Sourate Al-Bakarat 35-38 ] ka rehefa voaray ny fibebahana izay nataon'i Mpaminany Adama (A.s) ka efa lasa tsy nizaka izany fahottana sy fahadisoana izany intsony Izy ? teo anatrehany Tompo Allah ary ny taranany ihany koa dia tsy mandova ny fahotana izay efa voavela ary efa nametrahany Tompo Allah famelana ary tsy misy olona hizaka ny fahotan'ny sasany izany eo amin'ny fiainana ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena tsy misy vatana mahazo ny valin-kasasarana amin'ny izay nataony afa-tsy ny tenany ihany, ary tsy misy na dia iray aza ny vatana hizaka ny enta-mavesatry ny hafa, any avy eo dia amin’ny Tompo Zanaharinareo no hiverenanareo rehetra, ka ho lasa hampahafantariny Tompo Allah anareo avokoa rehetra izay nampifanditra sy nampifanolana anareo.} [ Sourate Al-An'am : 164 ]
Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { N'iza n'iza nizotra tamin’ny làla-mahitsy dia lazaina fa nanitsy ny tenany ihany izy ary n'iza n'iza kosa nizotra tamin’ny làlan’ny fahaverezana dia lazaina fa namery ny tenany ihany koa izy ary tsy hisy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa mihitsy na dia iray aza ary izahay hoy i Tompo Allah dia tsy manasazy mihitsy na dia vahoaka iray aza raha tsy efa nandefasanay Iraka sy Mpaminany izy ireo teo aminy. } [ Sourate Al-Isrà : 15 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tena tsy hisy olona na dia iray aza ny hizaka ny enta-mavesatry ny hafa, ary raha misy olona nivesaram-pahotana ka mangataka fanampiana, dia tsy misy olon-kafa hitondra ny fahotany na dia kely aza, na dia ireo havany akaiky aza. ary tena marina fa tsy azo lavina fa Ireo matahotra sy manana ny fahatahorana an'i Tompon'izy ireo ihany no ampitandremanao na dia tsy mahita ireo zavatra miafina aza izy ireo avy eo dia manatanteraka sy mampitsangana ny fanompoam-pivavahana izay fantatra amin'ny anara hoe Soalat ary ireo izay madio dia madio ho an’ny tenany ihany, fa any amin’i Tompo Allah no fiafarany rehetra } [ Sourate Fàtir : 18 ]
16- Ka anisany tena tanjona amin'ny fanamboarana sy fahariana ny zanak'olombelona dia ny ho tonga hanompo an'i Tompo Allah tokana irery ihany.
Ka anisany tena tanjona amin'ny fanamboarana sy fahariana ny zanak'olombelona dia ny ho tonga hanompo an'i Tompo Allah tokana irery ihany,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tsy nohariako ary tsy namboariko ny Djiny sy ny Olombelona, afa-tsy hoe tonga ny hanompo Ahy irery ihany.} [ Sourate Az-Zàryàte : 56 ]
17- Ny finoana Islam dia nanome lanja sy haja ary hasinan'ny zanakolombelona, lahy izany na vavy ihany koa, ary noraisiny ho andraikitra tokoa ny fanomezana an'ireo zony feno tsy misy fahabangany,, ary nataony ho tompon'andraikitra voalohany IIzy manoloana ny amin'ireo safidiny, fa Izy indray dia tomponan-draikitra mizaka ny asany sy ireo fihetsiny rehetra,izay mety ampidi-doza ny ttenany sy ny hafa ankoatrany ihany koa
Ny finoana Islam dia nanome lanja sy haja ary hasinan'ny zanakolombelona, lahy izany na vavy ihany koa fa i Tompo Allah kosa dia Nahary sy nanamboatra ny olombelona mba ho mpitantana eto an-tany ka Nilaza i Tompo Allah nanao : { Ka dia rehefa nanao fanambarana tamin’ireo Anjely ny Tompo Zanaharinao, dia hoy Izy hoe nanao hoe : “ Hametraka olona mpandimby raharaha (khalifa) eny ambonin’ny tany tokoa Aho ” } [ Sourate Al-Bakarat : 30 ]
Ary izany haja amam-bonahitra nomena izany dia ho an'ny taranakan' ny Mpaminany Adama (A.s) rehetra avokoa izay hifandimby ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena efa nomenay haja amam-bonahitra ireo zanakin’i Mpaminany Adama (A.s) sy ny taranany rehetra, ary dia noentinay avokoa izy ireo ka naparittaka manerana ny tany sy ny ranomasina, ary nomenay azy ireo ny anjara fivelomana tsara rehetra, ary nomenay tombony izy ireo mihoatra an’ireo zava-boary maro izay noharianay.} [ Sorat al Isrà : 70 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa efa namboarinay sy noharianay tamin’ny endrika tsara sy lavorary tokoa ny olombelona,} [ Sourate At-Tine : 4 ]
Ary nosakanan'i Tompo Allah no sady norarany fatratra ny zanak'olombelona mba tsy hametraka ny tenany ho mpanaraka, na hanambany tena ho an'ny tompo hafa na hametra tena ho hendry ka lasa arahina na mpanaraka,ny zavatra hafa an-koatran'i Tompo Allah, ka dia Nilaza i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena misy tokoa amin’ireo olombelona izay mahasahy mandray zavatra hafa, an-koatran'i Tompo Allah, ho tompo tompoina mitovy amin'ny Allah,ka lasa notiavin’izy ireo izany sahalan'ny fitiavan'izy ireo an'i Tompo Allah,fa ireo izay nino ka nanampinoana kosa, no vahoaka lazaina fa manana fitiavana mafy kokoa an’i Tompo Allah,ary raha hitan’ireo vahoaka izay nanao ny tsy rariny, ny fahitana ny sazy sy jaly ary ny famaizana,dia eo angamba no mety ahatsapan’izy ireo fa ny hery rehetra dia ho an’i Tompo Allah irery ihany,, ary tena marina fa i Tompo Allah dia mahery vaika amin’ny lafiny famaizana rehefa nitsipaka ireo izay narahina amin'ireo izay nanaraka rehefa nahita ny sazy sy famaizana, ary tena tapaka teo avokoa ny fifandraisana matotra izay nisy tamin'izy ireo. } [ Sourate Al-Bakarat : 165-166 ] Ary niteny i Tompo Allah no sady manazava ny mahakasika ny mpanaraka sy ireo izay arahina amin'ny zava-poana amin'ny andro farany, androny fitsarana: { Niteny ireo izay nanambony tena tamin’ireo izay osa malemy ka nanao hoe : “ Moa ve izahay no nanakana anareo tamin’ny tari-dàlana taorian’ny nahatongavany fanazavana izany taminareo ? sa ianareo mihitsy no efa olona mpanao ny heloka be vava ? ” }. 33. Ary niteny ireo izay osa sy mlemy tamin’ireo nanambony tena ka nanao hoe : “ Efa tetika nataonareo sy norafetinareo andro aman’alina ny mibaiko anay sy maniraka anay ny mba tsy hino an’i Tompo Allah sy ny handraisanay zavatra hafa ka nampitovianay Taminy ”, ary dia lasa nafenan’izy ireo avy hatrany ny fanenenana raha toa ka hitan’izy ireo ilay sazy sy famaizana, ary hataonay hoy Tompo Allah eo ambozon’ireo izay tsy nino tsy manampinoana ireo rojo vy : “ ka moa ve omena valiny hafa izy ireo, afa-tsy ny asa sahaza izay nataon’izy ireo ihany no mendrika havaly azy ireo ? ” [ Sourate Sabà : 32-33 ]
Ary anisan'ny fahafenoan'ny fahamarinan'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha amin'ny andro farany dia ny fampizakany an'ireo mpiantso sy mpampiely ny filazan-tsara ary mpitari-dàlana ho an'ny fahaverezana ka ny fahotany sy ny fahotan'ireo izay noverezin'izy ireo tamin'ny tsy fahalalàna, dia ho zakain'izy ireo avokoa izany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary aoka fa tsy maintsy hizaka ny vesatry ny fahotany rehetra izy ireo, amin’ny Andro farany, andro ny fitsanganana amin’ny maty avy ao ampasana,sy ny ampahany amin’ireo fahotan’olona rehetra izay noverezin'izy ireo,tsy tamin'ny fahalala ka nampanaovin'izy ireo zavatra tsy fantany,ka moa ve tsy izany no fahotana ratsy indrindra mianjady amin’izy ireo ? }. [ Sourate An-Nah l: 25 ]
Ary tena noraisin'ny finoana Islam an-tanana sy an-toka aman draikitra feno ny fanomezan-jon'ireo zanak'olombelona miaina eto an-tany sy any an-koatra ary anisan'ireo zo tena goavana indrindra izay noraisin'ny finoana Islam an-tanana izany ary tena nomeny ny fanazavainy mba hipaka sy hian-tefa ho an'ireo olombelona : ny Zon'i Tompo Allah amin'ny olombelonna ary ny zon'olombelona ihany koa amin'iTompo Allah. Araka ny petra-bolana izay notaterin'ny Moua'z (R.d) dia niteny Izy ka nanao hoe : Izaho dia teo akaikin'i Mpaminany (s.w.a) ka niteny Izy hoe : " o ! ry Moua'z (R.d) " niteny aho : enoko ary ny fahasambarana ho anao avy eo niteny izany intelo Izy : " ka moa ve fantatrao avokoa fa mba inona ny zon'i Tompo Allah amin'ireo andevo mpanompony " nilaza aho : tsia, niteny Izy : " ny zon'i Tompo Allah amin'ireo andevo, mpanompony dia ny hanompon'izy ireo Azy irery ihany tsy misy hakambana Aminy, amin'ny zavatra hafa rehetrra " avy eo nadeha ora iray taty aoriana ihany, dia nilaza indray Izy hoe : " O ! Moua'z (R.d) " enoko ary fahasambarana ho anao avy eo niteny Izy : " ka moa ve mba fantatrao fa hoe inona ny zon'ny mpanompo amin'i Tompo Allah raha tanterahan'izy ireo izany : dia tsy ho voasazy izy ireo " Soahih Al-Boukhary (R.h) 6840,
Nampandrakaitin'ny finoana Islam andraikitra ho an'olona ny fikarakarana ny finoany marina,sy ny taranany ary ireo harenany, ary ny hasina izay misy eo Aminy. Niteny sy Nilaza i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Fa tena marina fa i Tompo Allah dia nandrara sy nisakana ary nampafady aminareo samy anareo fa tsy atao nareo ny mmifandatsa-dra sy mandrava ny harenanareo sy fananareo amin'ny fomba tsy rariny, ary ny manao tsinotsinona ny hasinareo, ka natao mitovy tahaka ny fadin'izao andro izao, sy ny amin'ny volanareo izao, ary amin'ny tananareo izao avokoa,ireo fady rehetra nolazaina taminareo," Soahih Al-Boukhary ( R.h) 6501, Ary efa nampiely Mpaminany (saw) izany fifanekena lehibe izany tamin'ny hajjy fanaovam-beloma, izay nihatrehan'ny mpiara-diany mihaotra ny iray tapitrisa, ary naverimberiny izany ary namafisiny tamin'ny andro fanaovana sorona tamin'ny hajjy fanaovam-beloma.
Ary ny finoana Islam no finoana nanao sy nametraka ny olombelona ho tompon'andraikitra voalohany manoloana an'ireo safidiny sy ireo asa amampanaony ary ireo fihetsika sy ny fomba amampanaony, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary napetranay sy nafatotray hoy Tompo Allah teo amin’ny vozon’ireo olombelona tsirairay avy avokoa ny asa rehetra izay nataony zanakolombelona, ka rehefa tonga ny andro farany, androny fitsanganana, androny fitsarana,, ka eo no hamoahana an'ireo Boky izay mirakitra ny zava-bitany zanakolombelona rehetra teo amin'ny fiainany, ka ho amparitaka eo amin'izy ireo avokoa izany Boky izany, ka voadidy ny tsirairay amin'ny olombelona mba hijery sy hanokatra ary hamaky izay rehetra voasoratra amin'ilay Boky, satria efa voalaza fa efa mahampy ny olona rehetra tsirairay ny fitsarana amin'io andro io } [ Sourate Al-Isrà : 13 ] Izany hoe : ireo asa rehetra izay nataony zanakolombelona na tsara na ratsy dia tsy maintsy napetrany Tompo Allah sy nataony fa zavatra tsy afa-miala no sady tsy misaraka velively amin'ilay olona,ny nataony rehetraa, ary tsy miapita na koa hoe mankany amin'ny namany hafa, ka tsy misy mihitsy ny olona ho tsaraina amin'ny asa nataony hafa an-koatrany, ary ny asa nataony hafa an-koatriny ka ho tsaraina amin'ny asany,ka izany no Nitenenany Tompo Allah nanao hoe : { Ô ry olombelona ! tena marina fa hamafisina etoana, fa ianao izay miezaka manatona hatrany ny Tomponao, dia tsy maintsy hihaona Aminy tokoa ianao.} [ Sourate Al-Inshikak : 6 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : {Fa izay manao ny asa soa, dia manao an'izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny asa ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy irery ihany koa izany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin'ireo rehetra mpanompony.} [ Sorate Fossilat : 46 ]
.Ary ny finoana Islam dia mampizaka ny olombelona rehetra ny andraikitra amin'izay asa rehetra maty hampidi-doza ny tenany na koa mapidi-doza ny hafa ankoatrany ka Niteny i Tompo Allah nanaao hoe : { Ary na iza na iza ny olona manao fahotana, dia tsy manao izany afa-tsy ho an’ny tenany ihany. ary i Tompo Allah dia mahalala sy mahafan-tra ny zava-drehetra, ary Izy no be fahendrena } [ Sourate An-Nisà : 111 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka nohony avy amin'izany no antony nametrahanay hoy Tompo Allah ireo didy tamin’ireo zanakany vahoaka Israely, fa na iza na iza ny mandray anjara amin'ny famonoana ny olona tsy manan-tsiny no sady mbola tsy meloka tamin'ny famonoana olon-kafa, na fanimbana ireo zavatra tety ambonin’ny tany, dia heverina izany fa sahala amin’ny olona namono ny olombelona rehetra Izy, ary na iza na iza kosa ireo mamelona ny olona iray, dia heverina fa sahala amin’ny olona namelona ny olombelona rehetra.} [ Sourate Al-Maïdat : 32 ] Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : " Tsy azo atao fa voarara ny lalana fa tsy misy olona mahazo mamono olona tsy amin'ny rariny afa-tsy hoe ilay zanaka Adama voalohany mahazo ny anjarany amin'izany rà izany, satria izy no namorona ny vono olona voalohany " Soahih Moslim (R.h) 5150
18- Ary ny finoana Islam dia nametraaka sy nanao fa ireo lehilahy sy vehivavy dia mitovy avokoa manoloana ny asa sy ny amin'ireo andraikitra izay sahania eo anivony fiaraha-monina sy eo amin'ny fomba fanefana an'ireo valisoa.
Ary ny finoana Islam dia nametraaka sy nanao fa ireo lehilahy sy vehivavy dia mitovy avokoa manoloana ny asa sy ny amin'ireo andraikitra izay sahania eo anivony fiaraha-monina sy eo amin'ny fomba fanefana an'ireo valisoa sy ny fanomezana ka dia Niteny i Tompo Allah sy Nilaza nanao hoe : { Ary na iza na iza ny mitsangana manao ireo karazana asa soa, na avy amin'ny lahy izany na avy amin'ny vavy, ka manampinoana izy ireo mpino an'i Tompo Allah, dia izy ireny no lazaina fa ahazo anjara hiditra ao amin’ny Paradisa, ary tsy ho ambakaina sy tsy ho katramoina na dia kelyy mitovy amin’ny singan’antrendry aza.} [ Sourate An-Nisà : 124 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary na iza na iza ny mitsangana manao ireo asa soa, na avy amin'ny lahy izany na avy amin'ny vavy, ka hita fa manampinoana tokoa izy ireo mpino an'i Tompo Allah, dia tena omenay fiainana mirakitra tsara ao anatiny fahasambarana tokoa izy ireo, ary omenay valisoa sy fanomezana tsara mihoatra ny asa izay nataony izy ireo }. [ An-nahl 97 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary na iza na iza ny mitsangana manao ireo asa Ratsy dia tsy ho valina zavatra hafa izy ireo afa-tsy mitovy amin’ireo Ratsy nataon'izy ireo ihany,fa na iza na iza kosa ny mitsangana manao ireo asa soa, na avy amin'ny lahy izany na avy amin'ny vavy ka hita fa manampinoana tokoa izy ireo, mino an'i Tompo Allah,dia izy ireny no lazaina fa hiditra amin’ny Paradisa ka ao izy ireo no ahazo ny anjaram-pivelomany ka tsy hisy fetrany na dia kely aza }! [ Sourate Ghàfir : 40 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa hamarinina etoana fa Ireo mpankatoa an'ny Tompo Allah amin'ny alalan'ny fanekempinoa amin'ireo lahy sy vavy, ary ireo mpino lahy sy mpino vavy sy ireo izay mpanolo-tena lahy sy mpanolo-tena vavy ireo no lazaina fa olo-marina avy amin'ny lahy sy vavy ireo manam-paharetana lahy sy vavy sy ireo izay mpanetri-tena amin'ireo lahy sy vavy ary ireo tia miantra olona ihany koa amin'ireo lahy sy vavy ary ireo mpifehy tena lahy sy vavy sy ireo mpiaro ny fahadiovan-tenany lahy sy vavy ary ireo mpahatsiaro an'i Tompo Allah mandrakariva lahy sy vavy Tompo Allah anie efa nanomana ny falan-keloka sy valisoa goavana lehibe ho azy ireo } [ Sourate Al-Ahzab : 35 ]
19- Nomen'ny finoana Islam haja sy vonahitra ary napetrany amin'ny ttoerana sahaza azy ireo, ireo vehivavy, ary noraisiny fa sahala amin'ny lehilahy tsy misy valaka izy ireo satria avy amin'ny lehilahy ihany no nanatsoahana azy ireo, ary nodidiny finoana Islam ihany koa ireo lehilahy mba hikarakara ireo vehivavy amin'ny lafiny rehetra raha toa ka vitany izany, manoloana ny fahafahana misy eo ampelatanany, ka anisany adidy amin'ny Ray nitera ny hikarakara ny zanany vavy, ary ny Reny kosa amin'ny zanany lahy rehefa feno ka hampy taona mahefa ny zava-drehetra izy ireo, ary ny vady dia tokony hikarakara ny amin'ny vadiny ihany koa.
Ary noraisin'ny finoana Islam fa mitovy zo amin'ny lahy ny vavy satriia ny vavy dia nitsoahina sy navoaka avy tamin'ny lahy ihany. Ary nilaza sy niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Tena marina fa ny vehivavy dia mitovy amin'ny vehivavy satria zavaboary nitsoahina avy taminy ihany " Voarakitra amin'ny Boky ny Tirmizi (R.h) (113)
Ary anisan'ny fanomezan-jo sy haja amambonahitra ny vehivavy dia ny fanomezany finoana Islam azy ireo baiko sy didy fa anjarany ny Reny no mmikarakara ny zanany raha toa ka manan-katao ny amin'izany izy. Ary nilaza sy niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Ny tànana mpanome ambony dia ny fanomezana zavatra hoan'ny Reninao, avy eo manaraka dia ny Rainao, Anabavinao, Rahalainao, avy eo dia ireo izay Akaiky Anao " Voarakitra ao amin'ny Boky ny Ahmade (R.h). Ary mbola ho avy ihany koa ny fanzavana mahakasika ny anjara toeran'ny Ray aman-dreny avy amin'ny hery sy fanomezan-dalana avvy amin'ny Tompo Allah amin'ny fehin-tsoratra laharana (29).
Ary anisan'ny voninahitra sy haja izay nomen'ny finoana Islam ho an'ireo vehivavy fa tena voabaiko ary voadidy amin'ny fomba entitra fa anjarany lehihaly vady ny miantoka sy mamatsy ary mikarakara ny vadiny raha toa ka manan-katao ny amin'izany izy,ka hoy i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : { Ary aoka izay manana ny ampy aminareo mba hamoaka sy hanao fandaniana araka ny fahefam-bidy misy Aminy fa izay manana ny kely kosa, aoka hanao fandaniana arakan'izay sahaza nomen’i Tompo Allah Azy fa i Toompo Allah kosa dia tsy manery na iza na iza hanao mihoatra amin'izay nomeny Tompo Allah Azy ary dia mbola ho ataon’i Tompo Allah manaraka ny fahasahiranana ny fahamorana rehetraa.} [ Sourate At-Talak : 7 ] Ary i Mpaminany (s.w.a) dia nanontany lehilahy iray ka nanao hoe : mba Inona ary ireo zon'ny vehivavy amin'ny vadiny ? namaly ilay Iraka ka Niteny izy hoe : " Ampihinano izy rehefa mihinana sy misakafo ianao ary mba ampitafio lamba na fitafy izy rehefa mitafy ianao ary tena tsy azo nao atao ny mikapoka na mamely sy mamango ny taavany sy tarehiny ary tsy azo nao hozonina izy na an-karatsiiana " Voarakitra ao amin'ny Boky ny Ahmade (R.h). Ary nilaza sy niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) manazava sy mamelabelatra ireo am-pahany fanazavvana mahakasika ny amin'ny zon'ny vehivavy amin'ny vadiny: " Ary ho aminareo tokoa hoy Tompo Allah ny anjara masoandrom-piveloman'izy ireo sy ny lamba ary fitafy sy fisikinan'izy ireo amin'ny fomba feno hatsarana " Soahihi- Moslimo (R.h) Ary nilaza sy niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Efa mahampy ny hilazana fa nanao ratsy ny olona iray raha toa ka nanary na tsy niraharaha ireo olona izay eo ambany fiadidiany ka tokony omena sakafo nefa dia tsy nomeny izany " Voarakitra ao amin'ny Boky ny Ahmade (R.h). Ary nilaza Al-Khotaby (R.h) ka nanao hoe : ( ilay Teny vvoalazany fa hoe : " izay fahanany " izany dia midika hoe : ireo olona rehhetra izay eo ambany fahefany amin'ny lafiny fikarakarana , izay voalazany lalana fa tsy maintsy ampisakafoanany tahakan'ny mpamoaka ny soadakat : voadidy fa aza mamoaka soadakat amin'izay tokony hampisakafoananao an'ireo an-kohonanao amin'ireo zavatra izay hitadiavanao ny tombotsoa; fa manjary lasa ho fahotana ho anao izany satria manjary lasa tsy ho rarahinao izy ireo ).
Ary anisan'ny fanomezan-jo sy haja amambonahitra ny vehivavy dia ny fanomezany finoana Islam azy ireo baiko sy didy fa anjarany ny Ray sy Papa nitera no mikarakara ny zanany vavy, obligatoara fa tsy maintsy Aminy izany ka hoyy Tompo Alllah Niteny ka nanao hoe : { Fa ireo Reny nitera izy irreo no voalaza fa saamy hampinono ny zanany avy, mandritra ny Roa taona katroka, ho an’izay maniry ny ahatomombana tanteraka ny fampinonoana ny zanany,fa ny anjara andraikitry ny Rain-jaza kosa amin'izany dia ny mamahana sy mampitafy azy ireny amim-pahamendrehana.} [ Sourate Al-Bakarat : 233 ] Efa nazavain'i Tompo Allah ary tena efa voazava tsara fa ny Ray izay nanan-janaka dia Izy no ttomponandraikitra voalohany amin'ny fampisakafoanana ny zanany sy ampitafy azy ireo amin'ny hatsarana. ka Niten'i Tompo Allah amin'izany dia ny hoe : { Fa raha mampinono ny zanakareo kosa izy ireo dia mba homezonareo azy ireo ny valisoan'izy ireo amin'ny izany asa izany } [ Sourate At-Talak : 6 ] Ary nataon'i Tompo Allah ho anisany zavatra sy asa obligatoara tssy maintsy ny fanefana karama amin'ny lafiny fampinonona ny zanaka dia adidy ho an'ny Rainy niteraka izany, ka izany tokoa dia manambara fa ny fikarakarana ny zanaka na lahy na vavy sy ireo zaza hafa ihany koa dia napetraka amin'ireo Ray aman-dreny, arakan'ny petra-bolana izay azo avy tamin'ny Mpaminany no napetraka ho porofo entina hilazana ny maha obligatoara fa tena didy amin'ny lahy tokoa ny fikarakarana ny vady aman-janakany. Arakan'ny tatitra izay noentin'i Aichat (R.d) dia nilaza fa Hindy niteny tamin'ny Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : tena marina fa i Abo Sofiany dia lehilahy matity,kahitry ka nitady Izy mba haka sy hangala ny sasany amin'ireo harenany, ka Niteny sy namaly Azy i Mpaminany ka nanao hoe : " Raiso, angalao izay mahampy Anao sy ny zanakao amin'ny hatsarana " Notaterin'i Al-bokhaari (R.h) Ary nazavain'ny Mpaminany (s.w.a) ilay Iraka manan-kaja ny tombotsoa rehetraa manoloana ny fikarakarana ireo zanaka vavy sy anabavy, ka niteny i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Na iiza na iza ny olonna izay nahasahy nitsangana nikarakara ireo zanaka vavy miisa Roa na koa zanaka vavy Telo, na koa anabavy Roa na koa anabavy Telo, mandra-panambadianan'izy ireo na koa tratra-pahafatesana, dia lasa Izaho sy Izy tahak'izao ny toeranay ampara-disa ka natondrony toy izao ny fanondro sy ny fanondro adala " Silsilat As-Sahih : 296
20- Ary ny fahafatesana dia tsy midika ny tsy fisiana olona mandrakizay, fa izy io dia fifindrana avy amin'ny toerana iray mandeha mankany amin'ny toerana fitsarana sy fanomezana ny valisoa manolona ny asa natao, ary ny fahafatesana dia zavatra mahazo sy mihatra amin'ny vatana sy fanahy, ka ny fahafatesan'ny fanahy dia ny fisarahany amin'ny vatana, avy eo dia averina indray amin'io vatana io ilay fanahy amin'ny andro izay hivoahana avy ao ampasana ka hiatrika ny andro farany andro fitsarana sy andron'ny fitsanganana, ary ny fanahy dia tsy hifindra amin'ny vatana hafa fa ny tsirairay dia amin'ny fanahiny, ary tsy hiditra na hisolo vatana hafa mihitsy izy ireo.
Ny fahafatesana dia tsy midika ny faharavana mandraikizay. Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Teneno ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah fa hoe : “ Haka ny fofon'ainareo dia ilay Anjely mpaka ny aina, izay miahy anareo. avy eo dia haverina any amin’ny Tomponareo indray ianareo rehefa avy eo ”.} [ Sourate As-Sajdat : 11 ] Ary ny fahafatesana dia mihatra sy mahazo ny vatana manotolo sy ny fanahy ihany, ary ny fahafatesan'ny fanahy dia maneho ny fisarahany amin'ny vatana, avy eo dia miverina indray izany amin'ny famelomana ny olona amin'ny andro faranyy, andro ny fitsananganana amin'ny maty, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { i Tompo Allah no mamono sy mandray ny fanahy amin’ny fotoana ahafatesany olona iray eo amin'ny fiainana, ka toy izany ihany koa ireo izay mbola tsy maty nandritra ny torimaso izay nataon'izy ireo,ka dia tazomony avokoa izay rehetra voadidy fa tsy maintsy ho faty amin’izy ireo, fa haverinany kosa ny hafa hatramin’ny fotoana izay efa voatondro sy voa-fetra, ka dia hamafisina etoana, fa izany rehetra izany dia famantarana misy porofo ho an’ireo olona mpandinika sy mieritreritra tokoa ny momba ny amin’izany.} [ Sourate Az-Zomar : 42 ] Ary nilaza sy niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Tena marina fa rehefa miala ny fofon'aina dia arahin'ny maso izany fivoahany izany " Voarakitra ao amin'ny Boky ny Moslim (R.h) 920 Ary aoriany fahafatesan'ny olona iray maty dia lasa miala sy misitaka ny olombelona amin'ny toerana izay nisy azy manoloana ny asa ka lasa mifindra mankany amin'ny toeran'ny fanefana. ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Any any amin'ny Tompo Allah avokoa no hiverenanareo rehetra ary ny fampanantenana izay nataony Tompo Allah dia marina ka tsy azo hisalasalana ! Izy no nanao ny fahariana voalohany avy eo dia mbola Izy ihany koa no hamerina an'izany indray mandeha ka natao izany mba hanomezany ireo izay nino sy nanao asa soa ny valisoa ara-drariny ho azy ireo manoloana ny asa soa sy tsara nataon'izy ireo fa ho an’ireo izay nikomy ka tsy nino kosa dia ny zava-pisotro mangotrakotraka sy ny sazy ary famaizana mangirifiry mahery vaika no hiantefa amin'izy ireo noho izy ireo tsy nino no sady tsy nanampinoana } [ Sourate Yonos : 4 ]
Ary tena marina fa ny fofon'aina dia tsy hifindra amin'ny vatana hafa aorian'ny fahafatesany ilay olona maty ary tsy hianjaka amin'ny hafa izany, satria resaka fianjahana dia tsy voaporofo ara-tsaina na koa tsy azo tsapain-tanana ary tsy misy porofo izay manamarina izany ao amin'ny foto-pinoana araka izay noentin'ireo Mpaminany rehetra (A.s)
21- Ny finoana Islam dia miandtso ny rehetra ny mba tokony hananan'ny tsirairay ny fahatokisana sy ny imany ary ny fototra amin'ny fanekempinoana lehibe, ka izany dia fanànana sy fitokisana an'i Tompo Allah sy ireo Anjeliny, ary fitokisana ihany koa ireo Bokin'i Tompo Allah tahaka ny Boky Taorata, Boky Evanjily sy ny Boky Zabora talohan'ny fanovana izay nihatra tamin'izy rehetra ireo, ary ny Boky masina Koroany, ary tsy maintsy apetraka ny fitokisana an'ireo Mpaminany sy ireo Iraka (A.s) maro samy hafa, ary tsy maintsy atao ny mino sy mahatoky ny Iraka farany tamin'izy ireo ka tsy iza ary izany fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a), ary ny fitokisana ny andro farany diaa tsy maintsy ihany koa amin'ireo olona izay manampinoana, ary isika rehetra dia mahalala fa ny fiainana eto an-tany raha izy tokoa izany no hiafarana; dia midika izany fa ny fiainana sy ny fisiana dia zava-poana, toy ny fitokisana ny lahatra sy anjara ihany koa.
Ny finoana Islam dia miantso ny rehetra mba ho any amin'ny teny fanekena sy fitokisana amin'ireo fitokisana mahakasika ny fototra lehibe izay notarihin'ireo Mpaminany sy Iraka rehetra (A.s),ary nanantsoan'izy ireo ny olona rehetra ka ny amin'izany dia ny hoe :
Voalohany : dia ny finoana an'i Tompo Allah fa Izy no mpanabe sy mpahary ary mpanome sy mpizara ny anjara-masoandrompivelomana,ary mbola Izy ihany koa no mpandahatra ny laharam-piainana ho an'izao tontolo izao, ary Izy Tompo tokana izay mendrika ho tompoina, ary ny fanompoana ireo zavatra ankoatr'Azy dia tsy marina ary tsy ekena no sady tsy manan-kery, ary izay zavatra tompoina ankoatr'Azy dia zava-poana avokoa, ka tsy misy fanompoana mendrika sy vanona afa-tsy fanompoana izay natao any Aminy irery ihany ka tsy misy mikambana Aminy ary efa lasa maro ireo porofo sy fanamarinana maha kasika an'izany amin'ireo fehin-tsoratra efa voasoratra laharana (8).
Ary nolazain'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha izany fototra izany amin'ireo andininy maro samihafa ao anaty Boky masina Koroany,ka anisany amin'izany dia ilay Tenin'i Tompo Allah manao hoe : { Nino izay rehetra nampidinina Taminy avy tamin’ny Tompony Allah ny Iraka, ary ireo mpino rehetra ihany koa dia samy nino an’i Tompo Allah avokoa izy rehetra, ary nino ihany koa ireo Anjelin'ny Tompo Allah sy ireo Bokiny, ary ireo Irany, ka hoy izy ireo nnanao : “ ary Izahay dia Tsy manavaka na dia iray aza amin’ireo Irany ”, ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ tena Naheno sy nankatò tokoa izahay ” Izahay dia mangataka ny famelan-keloka avy Aminao ry Tomponay ô ! ary any Aminao no fiverenany rehetra.} [ Sorate Al-Bakarat : 285 ] Niteny sy Nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tsy fitiavam-bavaka akory ny fampitodihanareo ny tavanareo sy ny tarehinareo any antsinanana sy any andrefana, fa ny tena fitiavam-bavaka dia izay mino an’i Tompo Allah sy ny andro farany ary ireo Anjely, sy ny Boky ary ireo Mpaminany rehetra, ary ireo izay rehetra manome ny harena am-pitiavana an'ireo havana akaiky, sy ireo zaza kamboty ary ireo mahantra sy ny mpandeha voyage ka lany vatsy eny an-dalana sy ireo mpangataka ary ireo andevo, ary ireo nitsangana nanatanteraka ny fanompom-pivavahana Soalat sy ireo izay namoaka ny Zakat ny famoahana ampahan-karena, ary ireo izay manatanteraka ny fifanekeny rehefa nifanaiky, sy ireo manam-paharetana amin’ ny fahoriana sy amin’ireo aretina maro samy hafa, ary amin’ny ady mahery vaika, izy ireny no olo-marina, ary izy ireny no vonto-patahorana.} [ Sourate Al-Bakarat : 177 ] Ary nantsoin'i Tompo Allah mba hananana finoana amin'izany fototra izany tokoa ny rehetra ary nazavainy avokoa fa izay minia mikomy no sady mitsipaka ny amin'izany dia efa lazaina fa very lalana amin'ny lalan'ny fahaverezana lavitra dia lavitra, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô ianareo izay nino sy manampinoana ! Minoa fatratra an’i Tompo Allah sy ny Irany ianareo, ary ny Boky izay nampidinin'ny Tompo Allah tamin’ilay Irany, ary ny Boky izay nampidinin'ny Tompo Allah tany aloha tany, ka izay tsy nino an’i Tompo Allah sy ireo Anjeliny ary ireo Bokiny sy ireo Irany ary ny Andro farany, dia tena very làlana lavitra tokoa.} [ Sorate An-Nisà : 136 ] Ary anatin'ny petra-bolana, izay notateriny Omar bin Khattab (R.d) dia niteny ka nanao hoe : Raha teo am-pipetrahana teo anilan'ilay Irakan'i Tompo Allah (s.w.a) izahay indray andro hoy ireo mpia-radiany (s.w.a) dia nipoitra teo aoloanay lehilahy iray izay fotsy lamba be no mainty volo tanteraka, tsy hita teny amin'ny endrikan'ny mihitsy fa hoe Izy olona mpandeha, nefa tsy nisy nahafantatra Azy na dia iray aza taminay teo ka tonga nipetraka teo anoloan'ny Mpaminany (s.w.a) izy;ny lohalikiny dia nampiadiany tamin'ny lohalikiny ny Mpaminany (s.w.a) ary ny tanany napetrany teo ambony fehin'izy tompony dia hoy izy niteny ka nanao hoe : Ry Mohammad Lazao amiko ny atao hoe Islamo ? Ka niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (s.w.a) nanao hoe : Ny finoana Islamo dia ny fijoroanao vavolombelona fa tsy misy Tompo mendrika ho Tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah ary i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia Irakan'i Tompo Allah sy ny fanangananao ny fanompom-pivavahana Swalat sy ny fanomezanao ny Zakat sy ny fifehezanao Ramadany ary ny fanaovanao ny Hadjy amin'ilay trano masina Ka'abah any Lameque raha afaka manao izany ianao Niteny Izy ka nanao hoe : Marina avokoa ny voalazanao,ka gaga Taminy izahay Izy ihany no manontany azy ary mbola Izy ihany koa no manamarina azy Niteny indray koa izy nanao hoe : Lazao amiko ny atao hoe Imaan ? dia nolazainy (s.w.a) fa izany dia : Ny finoanao an'i Tompo Allah sy ireo Anjeliny ary ireo Bokiny sy finoana an'ireo Irany ihany koa sy ny Andro farany ary ny finoanao ny lahatra sy anjara na tsara na ratsy ny amin'izany dia hoy Izy indray niteny hoe : Marina avokoa izay rehetra voalazanao ary niteny koa Izy nanao hoe : Lazao amiko ary ny atao hoe Ihsaan ? dia nolazainy (s.w.a) fa izany dia : Ny fanompoanao an'i Tompo Allah tahakan'ny hoe Anao mahita Azy eo anatrehany,fa raha tsy vitanao izany dia ny fanompoanao Azy amin'ny fomba fahatsapanao fa Izy mihitsy no mahita Anao. Soahih Moslim (R.h) 8 Amin'ity petra-bolana ity dia tonga i Anjely Gabriel (A.s) tamin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanontany Azy mahakasika ny ambaratongam-pinoana, ka tsy inona akory izany fa dia : ny Islam sy ny Imane ary ny Ihsane, ka namaly azy tamin'izany i Mpaminany Mohammad (s.w.a) amin'ny valin-teny rehetra nisy Taminy, manoloana ny resaka izay nifanaovan'izy Roa monja teo hanatrehan'ireo Soahabah, ka avy eo rehefa tapitra ny resaka dia lasa ilay Anjely ka voatery fa tsyy maintsy nampafantarin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) an'ireo mpiara-diàny avokoa fa hoe ilay Rangahy nandalo teo iny dia i Anjely Gabriel (A.s) Izy dia tonga ampianatra azy ireo ny finoan'izy ireo, fa izany dia hafataran'i Tompo Allah izay notaterin'i Anjely Gabriel (A.s) ka nampitan'i Mpaminany (s.w.a) amin'olona rehetra tsy an-kanavaka ilay hafatra izay tokony hampita ary nosamborin'ireo mpiara-diany (R.d) avokoa izany ary nampitan'izy ireo ho amin'olona hafa ihany izay tonga avy tao aorian'izy ireo.
Faharoa : dia ny finoana sy fanekena ireo Anjely, izy ireo dia noharian'i Tompo Allah ary nataony amin'ny endrika voatokana, ka nomeny asa amandraikitrra vaventy, ka anisan'ny andraikitra sy asan'izy ireo dia ny fampitana ny hafatra amin'ireo Mpaminany sy Iraka (A.s) avy amin'i Tompo Allah, ka ny tena manan-kaja amin'izy ireo dia i Anjely Gabriel (A.s) ary anisan'ny manamarina ny fomba fidinan'ny Anjely Gabriel (A.s) amin'ny alalan'ny fitondrana izany faminaniana izany amin'ireo Mpaminany (A.s), dia ilay Teny manakajan'iTompo Allah manao hoe : { i Tompo Allah dia mampidina ireo Anjely miaraka amin’ny fanambarana rehetra izay avy Aminy, noho ny baiko avy Aminy,fanambarana izay hiantefa amin'ireo izay tiany sy sitrany amin’ireo andevo mpanompony fa hoe : “ Ampitandremonareo izy ireo amin'ny fampitandremana izay milaza fa hoe : tsy misy Zanahary hafa mendrika ho Tompoina amin'ny marina an-koatra Ahy izany hoe : i Tompo Allah,. Koa matahora Ahy àry ianareo ”.} [Sourate An-Nahl : 2 } Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : 192- Izy io dia Boky masina Koroany izay nahan'i Tompon’izao tontolo izao ka Izy no nampidina azy. 193- Ary nidina niaraka taminy ilay Fanahy mendri-pitokisana ilay Anjely atao hoe Gabriely. 194- Ka i Tompo Allah no nametraka azy ao amin’ny fonao, mba ahatonga Anao ho anisan’ireo Mpampitandrina. 195- Amin’ny fiteny arabo mazava tsara. 196- Ary izy io dia efa voarakitra mazava tsara avokoa ao anatin’ny soratra masin’ireo vahoaka teo aloha. [ Sorate As-Shoàrà : 192-196 ]
Ny faha-telo : Ny finoana an'ireo Boky avy amin'i Tompo Allah tahakan'ny Boky atao hoe Taorata, sy Boky Evandjily ary Boky Zabora talohan'ny famadibadiana azy ireo, ary ny Boky masina Koroany dia Niteny sy Nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ô ianareo izay nino ! Minoa fatratra an’i Tompo Allah sy ny Irany ianareo ary ny Boky izay nampidininy tamin’ilay Irany ary ny Boky izay nampidininy tany aloha tany ihany koa ka izay tsy nino an’i Tompo Allah sy ireo Anjeliny ary ireo Bokiny, sy ireo Irany ary ny Andro farany fa naneho ny fikomiana dia lazaina izy ireo iizany fa tena very amin'ny làlany fahaverezana lavitra dia lavittra tokoa.} [ Sorate An-Nisà : 136 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : 3- Nampidin'ny Tompo Allah taminao ny Boky tamim-pahamarinana Boky izay Tonga manamarina izay rehetra efa nisy teo alohany ary dia mbola Izy Tompo Allah no nampidina ny Boky Taoraty sy ny Boky Evanjely. 4- Ka tany aloha, tany dia tena tari-dàlana ho an’ny olombelona, iizany Boky izany, ary nampidina ny fanavahana ihany koa Izy, ka tena marina, fa ireo izay nitsipaka sy nikomy ny fanambaran’i Tompo Allah, dia ho azy ireo ny sazy sy famaizana mafy mahery vaika,ary i Tompo Allah dia Izy no ilay avo Tsitoha ary Izy no Tompon’ny famalian-keloka. [ Sourate Al-Imrane : 3-4 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Izahay dia mino tokoa izay rehetra nampidinin'ny Tompo Allah Taminy manoloana an'ireo fanambarana avy tamin’ny Tompon'ilay Iraka ihany ary koa ireo mpino, izay samy nino an'i Tompo Allah izy rehetra, manoloan'ireo Anjeliny sy ireo Bokiny ary ireo Irany maro samy hafa, ka hoy izy ireo nahasaky niteny hoe : “ Tsy manavaka na dia iray amin’ireo Irany Tompo Allah izahay ” ary niteny ihany koa izy ireo fa hoe : “ Naheno sy nankatò an'izany ihany koa izahay ” ary dia mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay ô ! ary any Aminao ihany koa no mbola hiverenanay } [ Sorate Al-Bakarat : 285 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Teneno sy Lazainareo ny teny hoe : " Izahay dia mino an'i Tompo Allah; ary mino izay nampidinina taminay ihany koa Izahay sy izay nampidinina tamin'i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy Mpaminany Ismail, ary i Mpaminany Ishaaq sy Ya'qoub ary ireo foko sy firazanana ary taranak'i Ya'qoub, ary izay nomena an'i Mpaminany Moussa sy Mpaminany Issa, ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo. tsy manavaka na dia iray amin'izy ireo izahay ; ary izahay dia mpanolo-tena ho Azy.} [ Sorat al Imran : 84 ]
Faha efatra : Ny finoana an'ireo Iraka sy Mpaminany rehetra (A.s) ka ny finoana no mametraka fa tsy maintsy obiligatoara ny mino sy manaiky an'ireo Mpaminany sy Iraka ireo, ary ny tokony hametrahana ny fifampitokisana fa izy rehetra ireo tokoa dia avy amin'i Tompo Allah tonga mampita amin'ireo vahoakan'izy ireo, ireo hafatran'i Tompo Allah sy ny finoany ary ireo lalànany ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Mitenena Ianareo hoe : “ Nino izay nampidinina taminay izahay sy izay nampidinina ihany koa tamin’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) sy Mpaminany Ismaely ary i Mpaminany Isaka sy Mpaminany Jakoba sy ireo foko sy firazanana hafa, ary mino ihany koa izahay amin'izay rehetra nomena an’i Mpaminany Mosa (A.s) (Mosesy) sy Mpaminany Issa (A.s) (Mesia, Jesoa) ary izay nomena an’ireo Mpaminany avy amin’ny Tompon’izy ireo ! ka tsy manavaka na dia iray amin’izy ireo izahay ary izahay dia mpankato an’i Tompo Allah.} [ Sorat al bakarat : 136 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Izahay dia mino tokoa izay rehetra nampidinin'ny Tompo Allah Taminy manoloana an'ireo fanambarana avy tamin’ny Tompon'ilay Iraka ihany ary koa ireo mpino izay samy nino an'i Tompo Allah izy rehetra manoloan'ireo Anjeliny sy ireo Bokiny, ary ireo Irany maro samy hafa ka hoy izy ireo nahasaky niteny hoe : “ Tsy manavaka na dia iray amin’ireo Irany Tompo Allah izahay ” ary niteny ihany koa izy ireo fa hoe : “ Naheno sy nankatò an'izany ihany koa izahay ” ary dia mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay ô ! ary any Aminao ihany koa no mbola hiverenanay } [ Sorate Al-Bakarat : 285 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Teneno ary lazao fa hoe : “ Mino an’ i Tompo Allah izahay, sy izay rehetra nampidinina taminay sy izay nampidinina ihany koa tamin’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) sy Mpaminany Ismaëly ary i Mpaminany Isaka sy Mpaminany Jakoba, sy ireo Asbàta [49], sy izay natolotra an’i Mpaminany Mosa [50] sy Mpaminany Issa [51] ary ireo Mpaminany avy amin’ny Tompon’izy ireo; tsy manavaka na dia iray aza amin’izy ireo izahay, ary mankato an'i Tompo Allah tanteraka izahay } [ Sorat al Imran : 84 ]
Ary ny mba tokony hino ny farany amin'izy ireo dia ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah farany i Mpaminany Mohammad (s.w.a) amin'ireo Mpaminany sy ireo IIraka maro (A.s). ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary rehefa noraisin’i Tompo Allah ny faneken’ireo Mpaminany (A.s) fa hoe : “ Isaka ny manome Boky sy fahendrena ho anareo Aho, ary avy eo dia misy Iraka tonga aminareo hanamarina izay rehetra efa nisy teo aminareo, dia tsy maintsy hino Azy ianareo, ary tsy maintsy hanampy sy hanavotra Azy ihany koa ka niteny Izy nanao hoe : “ Ekenareo ve sy an-katoavinareo ny amin’izany ny fifanekena Amiko ? ” namaly sy niteny Izy ireo ka nanao hoe : “ Eny ekenay tokoa izany ” ka Niteny indray Izy hoe : " Mitsangàna ho vavolombelona àry Ianareo ary Izaho koa dia ho anisan'ireo vavolombelona miaraka aminareo " } [ Sorat al Imran : 81 ]
Fa ny finoana Islam dia mitaky ny tokony hametrahana ny finoana an' ireo Mpaminany sy ireo Iraka rehetra tsy ankanavaka, ary ny finoana dia mitaky ihany koa ny mba tokony hametrahana ny finoana an'ilay Iraka farany tamin'izy ireo, ka tsy iza izany afa tsy ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a). ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno ary Lazao : “ Ry olon’ny Boky ! fa tsy mbola miankina na amin’inona na amin’inona akory ianareo, raha tsy efa mampihatra ny Boky atao hoe Taoraty sy ny Boky atao hoe Evandjely, ary izay nampidinina teo aminareo avy amin’ny Tompo Zanaharinareo ” } [ Sourate Al-Maïdat : 68 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Teneno ary lazao ny hoe : “ O ry olon’ny Boky ! Avia Ianareo ho amin’ny teny iraisana eo aminay sy aminareo ny mba tsy hanompon- tsika tompo hafa afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, ary ny tsy mba tokony hanambatra Azy amin’ny zavatra hafa ihany koa isika manoloana ny fanompoana, ary aoka ny andaniny amintsika mba tsy handray ny ankilany ho tompo tompoina an-koatran’i Tompo Allah, ka raha mitodi-damosina amin'izany Izy ireo, dia teneninareo ilay teny hoe : “Aoka hijoro vavolombelona Ianareo, fa tena mpankato marina an’i Tompo Allah tokoa Izahay ”.} [ Sorat al Imran : 64 ]
Ka izay mitsipaka na mikomy na dia iray amin'ireo Mpaminany aza, dia efa lazainy lalana fa nikomy an'ireo Mpaminany sy Iraka rehetra ireo ka noho ny avy amin'izany dia nilaza i Tompo Allah nampahafantatra ny lalàny sy fitsipiny amin'ny vahoakan'i Mpaminany Noa (A.s) ka niteny nanao hoe : { Nampandaingan'ireo vahoakan'i Mpaminany Noa ireo Iraka rehetra } [ Sourate As-Shoua'rà : 105 ] Ary fantatra fa i Mpaminany Noa (A.s) dia tsy nisy Iraka tonga teo alohany na dia izany aza dia mbola nampandaigain'ireo vahokany ihany Izy, ka izany fampandaingana izany dia midika fa ny Mpaminany rehetra dia efa nampavandesan'izy ireo avokoa, na ireo Mpaminany na ireo Iraka; satria ny hafatr'izy ireo dia hafatra iray ihany ary ny tanjon'izy ireo dia mbola tanjona iray ihany koa.
Faha-dimy : Ny finoana ny andro farany dia izy io finoana ny andron'ny fitsanganana, ary amin'ny fiafaran'izao fiainana eto an-tany izao, dia nobaikon'i Tompo Allah ny Anjely Israfil mba hitsoka ny an-jomara izay handravana ny tany ka ho ravana sy ho faty avokoa izay rehetra ilain'i Tompo Allah handalo amin'ny firavana izay handalo, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary ho tsofina ny Anjomara, ka rava ho rava avokoa izay rehetra any an-danitra sy ny ety an-tány, afa-tsy ireo izay sitrakan’i Tompo Allah ihany no tsy rava, avy eo dia ho tsofina fanin-droany indray ilay Anjomara, ka dia indro fa hitsangana hijery an'izany avokoa izy ireo .} [ Sourate Az-Zoumar : 68 ] Ary rehefa rendrika avokoa ireo izay rehetra any an-danitra sy ny rehetra ety an-tany ihany koa ka tsy misy tavela afa-tsy izay tian'i Tompo Allah taveela sy izay ilainy ihany, ary tena marina fa mbola ho aforiporitran'i Tompo Allah ny lanitra sy ny tany, tahakan'izay nolazain'i Tompo Allah manao hoe : { Amin’ny andro izay hamoretanay ny lanitra hoy Tompo Allah tahaka ny fomba famoretana ny takelakan'ireo boky maro samy hafa, ka toy ny nanaovanay sy nanombohanay ny famoronana azy ireo tamin'ny voalohany, no hamerenanay azy ireo indray mandeha indray;ka izany rehetra izany dia fampanantenana izay efa nataonay izany, ka tsy maintsy ho tanterahanay tokoa hatrany ! }. [ Sorate Al-Anbya : 104 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tsy nanome lanja sy haja ary anjara-toerana sahaza an’i Tompo Allah izy ireo, araka ny tokony ho izy, nefa dia ho tsampoiny sy ho raisiny am-pelatànany avokoa ny tany manontolo amin’ny andro farany, andron'ny fitsanganana, ary haforitrany eo amin’ny tánany havanana avokoa ny lanitra, voninahitra anie hoan'ilay avo Tsitoha ! ary Izy no tena Ambony indrindra amin’izay rehetra atambatr’izy ireo Aminy } [ Sorate Az-Zomar : 67 ] Ary nilaza sy niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : "Aforitran'i Tompo Allah ilay avo Tstoha ireo lanitra rehetra izay misosona fito amin'ny andro farany,amin'ny andron'ny fitsanganana eo anatrehany Tompo Allah avy eo dia raisiny amin'ny Tanany havanana izany ka hiteny sy hilaza Izy hoe : Izaho no Mpanjaka, ary aiza avokoa ireo izay nilaza-tena fa mpanjakazaka ? ary aiza ihany koa ary ireo mpihebohebo sy mpanambony tena ? avy eo dia aforitran'i Tompo Allah indray ihhany koa ireo tany rehetra izay misosona fito amin'ny Tanany an-kavia, avy eo niteny Izy ka nanao hoe : aiza ireo mpanjakazaka ?,aiza ireo mpanambony tena ? " Notaterin'i Moslimo (R.h)
Avy eo nobaikon'i Tompo Allah ny Anjely fa hitsoaka ny Anjomara farany ka izany no andron'ny fitsanganana izay njereny izy ireo ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { dia ho tsofina fanin-droany indray ilay Anjomara, ka indro fa hitsangana hijery an'izany izy ireo.} [ Sourate Az-Zoumar : 68 ] Ary rehefa fohazin'i Tompo Allah avokoa ny zava-boariny rehetra ka havoriny ho tsaraina izy ireo dia Miteny i Tompo Allah ka manao hoe : { Amin’ny andro izay hampitresaka ny tany, eo no hamoahana azy ireo haingana. ka izany no fotoana hanangonana an'izany rehetra izany ka fanangonana an'izany dia ho mora Aminay hoy Tompo Allah.} [ Sorate Kaf : 44 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : [ Amin’ny andro izay hisehoan’izy ireo, dia tsy hisy intsony ny fomba hanafenana ny amin'izay rehetra nataon’izy ireo tamin’i Tompo Allah amin’izany fotoana izany, ka an’iza ary ny fanjakana an-kehitriny ? valiny dia an’i Tompo Allah, ilay Tokana, ilay Mpifehy faran-tampony.} [ Sorate Ghafir : 16 ] amin'izany andro izany dia tsarain'i Tompo Allah avokoa ny zanak'olombelona rehetra tsy an-kanavaka, ary haka ny zony avokoa ireo izay voakatramo amin'ireny izay nikatramo azy ireo, ary ho efainassy homena vali-kasa avokoa ireo olombelona tsirairay manoloana ny asa vitany,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Amin’izany andro izany, dia homena ny vatana tsirairay avokoa ny valin-kasasarana araka ny asa izay nataony ireo olona tsirairay avy. ka dia tsy hisy katramo na fiangarana amin’izany andro izany, satria dia haingam-pitsarana tokoa i Tompo Allah.} [ Sorate Ghafir : 17 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa i Tompo Allah dia tsy mikatramo no sady tsy manambaka na dia mitovy amin’ny lanjan’ny tahakan'i vongany atôma kely aza, fa na dia asa tsara iray monja aza dia ampitomboiny Tompo Allah avo heny ny valisoa omeny amin'izany,, ary tena omeny valisoa lehibe avy Aminy indrindra izany } [ Sorate An-Nisa : 40 ] Ary niteny i Tompo Allah sy nilaza ka nanao hoe : { Izay olona manao ny asa soa, asa tsara, na dia tahakan'ny bitika kely indrindra izay mitovy amin'ny lanjan'ny atôma aza dia tsy maintsy ho hitany avokoa izany }. { 8- Ary izay manao ny asa ratsy, na dia bitika kelyy indrindra mitovy amin’ny lanjan’ny atôma aza dia tsy maintsy ho hitany ihany koa izany } [ Sorate Az-Zalzalat : 7-8 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary hapetrakay hoy Tompo Allah amin’ny andron'ny fitsarana,andro ny fitsaganana amin’ny maty, ireo vato fandajana izay atao hoe : mizàna marina, ka tsy hisy olona na vatana na dia iray aza amin'io andro io ho tratran’ny fitongilanana na diia kely aza, na dia tahaka ny lanjan’ny voatsinapy, dia tsy maintsy ho asehonay azy ireo avokoa izany hoy Tompo Allah,ary tena ampy sy feno tokoa ny fitsarana izay napetrakay hoy Tompo Allah } [ Sorate Al-Anbiya : 47 ]
Ary aorian'ny fifohazana avy ao ampasana sy famelomana ny maty sy ny fiatrehana ny fitsarana dia hefaina avokoa ny asa rehetra, ka izay olona nanao ny asa tsara dia ireny no ahazo ny valisoan'ny fahasambarana sy fiadanana tsy mana-pahataperany ary tsy hiala amin'izy ireo doria, fa izay olona nanao ny asa ratsy sy ny fikomiana kosa dia ireo no ahazo sazy sy famaizana ka hoy Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : 56- Amin’izany andro izany, ny fanjakana dia ho an’i Tompka nanampinoana no sady nanao ny asa soa, dia izy ireo no ho ao amin’ny Zaridainan’ny fiadanana sy fahafinaretana ary fahasambarana.} 57- Fa ireo izay tsy nino fa naneho ny fikomiana kosa, ary nahasahy nilaza fa lainga avokoa ireo fanambarana izay avy aminay hoy i Tompo Allah, ka dia izy ireny no lazaina fa hahazo ny sazy sy famaizana ary fampijaliana feno fahafaham-baraka.} [ Sorate Al-Hajjy : 56-57 ] Ary isika rehetra dia mahalala sy mahafantatra fa raha ny fiainana eto an-tany no heverina fa hiafaran'ny fiainana, dia lazaina fa tena zavam-poana tsy nisy dikany tsy nisy antony tokoa ny fisiana eto an-tany ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Moa ve mihevitra ianareohoy Tompo Allah, fa ianareo noharianay toy izao ka tsy misy antony, ary mihevitra fa mbola tsy haverina aty aminay indray mandeha ianareo ? }. [ Sorate Al-Mominona : 115 ]
Faha-enina dia : Ny finoana ny lahatra sy ny anjara ary izany dia zavatraa Obligatoara fa tsy maintsy ny hinoana fa i Tompo Allah dia Tompo mahalala sy mahafantatra ny efa lasa retra sy ny ankehitriny ary ny ho avy amin'izao tontolo izao ihany koa ary tena marina fa ii Tompo Allah dia efa nanoratra izany zava-drehetra talohan'ny nanamboarany sy nohariany ny lanitra sy ny tany ka Niteny Izy Tompo Allah fa hoe : { Ary any amin'ny Tompo Allah irery ihany no misy an'ireo fanalahidin’ny zava-miafina rehetra ka tsy misy olona na zavaboary hafa mahalala na koa hoe manana an'izany, ary dia mbola Izy irery ihany koa no mahalala sy mahafantra izay rehetra misy sy mandalo eto an-tanety sy ny any an-dranomasina,ary tsy misy ravin-kazo latsaka ihany koa afa tsy hoe fantany avokoa. ary dia tsy misy voan-javatra na dia iray aza ao anatin’ny haizinan’ny tany afa tsy hoe fantany avokoa, ary tsy misy zavatra mando na maina ihany koa afa tsy hoe efa voasoratra sy voarakitra ao anatinn’y Boky amin'ny fomba mazava tsara } [ Sorate Al-An'am : 59 ] Ary tena marina fa i Tompo Allah dia efa mahafehy avokoa ny fahalalana mahaksika ny zava-drehetra, ka Niteny Izy Tompo Allah nanao hoe : [ ii Tompo Allah no nahary sy nanamboatra ny lanitra misy sosona fito sy ny tany mitovy amin’izany ihany koa, ka midina eo anelanelan’izy ireo ny didy sy baikon'ny Tompo Allah, mba hahafantaranareo tsara tokoa fa tena Tompo mahefa ny zava-drehetra tokoa i Tompo Allah, ary Izy ihany koa no maha-henika sy mandrakotra ny zava-drehetra manoloana ny fahalalany.] [ Sorate At-Talak : 12 ] Ary tena marina fa tsy misy trangan-javatra miseho sy mihatra amin'izao tontolo izao raha tsy efa tena nilain'i Tompo Allah ny fitrangany izany zavatra izany ary nohariany sy nataony mihitsy izany trangan-javatra izany noho ny antony ka Niteny Izy Tompo Allah nanao : { ilay Tompon’ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, izay voalaza fa tsy manan-janaka velively, no sady tsy misy mpiara-miombon’antoka Aminy eo amin’ny Fanjakany na dia iray aza, ary Izy no nahary sy nanamboatra ny zava-drehetra sy nandahatra azy ireo ihany koa araka ny tokony ho izy.} [ Sorate Al-Forkane : 2 ] Ary amin'izany zavatra rehetra izany dia i Tompo Allah misy sy manana fahendrena maro fonosony izay tsy tsapan'ny zanak'olombelona na dia iray aza, ka hoy Izy Tompo Allah niteny hoe : { Fahendrena feno no sady lalina izany. Saingy tsy mitondra voka-tsoa ho azy ireo akory ny fampitandremana.] [ Sorate Al-Kamar : 5 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary Izy no nanomboka ilay fahariana sy fanamboarana, avy eo dia mbola Izy ihany koa no mamerina an'izany indray, ary ny famerenana an'izany dia mora Aminy kokoa. ary tena Azy tokoa ny fahamboniana avo indrindra ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena.} [ Sorate Ar-Rom :27 ] Ary Nidokafan'i Tompo Allah ny Tenany amin'ny laza sy vonahitra fa tena feno Aminy tokoa ny fahendrena ka anisany nanantsoany ny tenany dia ny hoe ilay be fahendrena, ka nilaza Izy Tompo Allah ary nilaza hoe : { Nitsangana vavolombelona i Tompo Allah, fa tena marina fa tsy misy Zanahary mendrika Tompoina amin'ny marina afa-tsy Izy irery ihany,ary tena mihaiky amin'izany koa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana, ary tena samy mijoro ho vavolombelona am-pahamarinana amin'izany avokoa izy ireo, ary tena marina tsy azo lavina ihany koa fa tsy misy Zanahary hafa intsony raha tsy Izy irery ihany, Izy no ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena.} [ Sorat al Imran : 18 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah manambara sy manazava ny mahakasika an'i Mpaminany Djesosy (A.s) fa Izy Tompo Allah amin'ny andro farany dia mbola hiresaka amin'ny MMpaminany Djesosy (A.s) ka hilaza Aminy Izy manao hoe : { Raha toa ka hanasazy azy ireo Ianao, dia izy ireo tafiditra ho andevo mpanomponao, fa raha hamela azy ireo kosa Ianao, tena marina fa Ianao no ilay Tompo mahery sy manana ny tanjaka, Anao ilay be Fahendrena.} [ Sorate Al-Maïdat : 118 ] Ary Niteny tamin'i Mpaminany Mosesy (A.s) i Tompo Allah rehefa nantsoiny Tompo Allah Izy teo ampitan'ny Tendrombohitra ka nilaza tamin'ny i Tompo Allah fa hoe :: { Ry Mpaminany Mosesy ! teena marina fa Izaho no Tompo Zanahary, ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena,} [ Sorate An-Naml : 9 ]
Ary nodokafan'ny Boky masina Koroany amin'ny fomba mendrika ny fahendrena,ka Niteny I Tompo Allah nanao hoe : { ALIF, LAM, RA. Ity dia Boky voarindra tanteraka ny andian-tenin'ny soratra masina ao anatiny ary tena voazava amin’ny antsipiriany avokoa ny rehetra ao anatiny, ka izany dia avy amin’ilay be Fahendrena sy Mpahalala ny zava-drehetra.} [ Sorate Hod : 1 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka izany dia anisan’izay hafatra sy fanambarana nolazan’ny Tomponao taminao mahakasika ny fahendrena, ary aza atao mihitsy ny mampitambatra na mampikambana an’i Toompo Allah amin’ny zanahary hafa, fa raha tsy izany dia ho hatoraka ao anatin’ny afobe ianao; amin'ny fomba sy endrika voarahona sy voatosika.} [ Sorate Al-Isrà : 39 ]
22- Ary ireo Mpaminany (A.s) rehetra dia voaharo amin'ny fahadisoana manoloana ny amin'ny fanapariahana ireo zavatra rehetra avy amin'i Tompo Allah,ary voaharo ihany oa izy ireo amin'ireo zavatra rehetra mety mifanohitra amin'ny saina na amin'ireo zavatra tsy eken'ny saina madio ihany koa,ary ireo Mpaminany (A.s) dia tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanaparitahana ireo didy amambaikon'i Tompo Allah amin'ireo andevo mpanompony, ary ireo Mpaminany (A.s) dia tsy manana ny anjara toe-rana manokana amin'ny lafiny fanompoana na koa fiarihana,satria izy ireo dia olombelona tahakan'ireo olombelona rehetra,fa izy ireo fotsiny dia olona voafidy ka nahazo ny faminaniana sy fanambarana ary hafatra avy amin'ny Tompo Allah.
Ary ireo Mpaminany (A.s) dia voaharo amin'ny fomba fanapitana ny hafatra avy amin'i Tompo Allah, satria i Tompo Allah no nisafidy ireo zava-boariny tena miendrika indrindra mba hanampita ny hafatrany, ka Niteny Izy Tompo Allah hoe : { i Tompo Allah no nisafidy tamin’ireo Anjeliny ka nataony ho Iraka, ary koa tamin’ireo olombelona,ka ena marina fa i Tompo Allah dia maheno sy mahita ny zava-drehetra.} [ Sorate Al-Hajjy : 75 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa i Tompo Allah dia nisafidy an’i Mpaminany Adama (A.s) sy i Mpaminany Noa (A.s) ary ny fianakavian’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) ary ny fianakavian’i Mpaminany Imrana (A.s) teo amin’izao tontolo izao.} [ Sorat al Imran : 33 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary niteny Izy i Tompo Allah ka nanao hoe : “ Ry Mpaminany Mosa ! Tena marina fa Ianao no nisafidiko manokana tamin’ireo olombelona mba hitondra ny hafatro sy ny teniko,koa raiso izay omeko anao, ary aoka ianao ho anisan’ireo mpankasitraka.} [ Sorate Al-Anraf : 144 ] Ary ireo Iraka (A.s) rehetra dia mahalala sy mahafantatra fa ireo zavatra rehetra midina amin'izy ireo dia faminaniana avy amin'i Tompo Allah avokoa, ary ireo Anjely dia mahita avokoa ny fomba fidinan'ireo hafatra sy faminaniana,ka niteny i Tompo Allah nilaza nanao hoe : { (26) Fa Izy Tompo Allah no mahalala sy mahafantatra ny zava-miafina rehetra, ka tsy asehony na amin’iza na amin’iza izany,ary tsy misy mahita an'izany } {(27) afa-tsy amin’izay rehetra an-kasitrahiny amin'ireo Iraka, fa tena marina Izy dia mametraka ireo fomba sy lalana ary fampialohavana ka ampanarahiny mpiambina mailo izany,} { (28) mba ahafantarany raha toa ka nampitany tokoa ny hafatra rehetra avy amin’i Tompon'izy ireo Allah. ary tena Voafehiny avokoa izay rehetra miaraka amin’izy ireo, ary voahisany tanteraka ny zava-drehetra.} [ Sourate Al-Jinny : 26-28 ] Ary nobaikon'i Tompo Allah avokoa izy ireo mba hanaparitaka ny hafatrany rehetra ka Niteny Izy Tompo Allah hoe : { O Ianao ry Irakan'ny Tompo Allah ! Lazao ary ampitao avokoa izay rehetra nampidinina taminao avy amin’ny tomponao,fa raha tsy hanao an'izany kosa Ianao dia tafiditra ho anisan'ireo izay tsy nahatafita ny hafatra izay nalefa taminao, ary tena marina fa i Tompo Allah dia hiaro Anao amin’ireo olombelona rehetra,ary tena marina fa i Tompo Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka mpikomy tsy mpino tsy manampinoana.} [ Sorate Al-Maïdat : 67 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary izy ireny dia Iraka mpilaza ny vaovao mahafaly rehetra sy mpampitandrina ihany koa, nalefa tokoa izy ireny mba tsy hananan’ireo olombelona porofo entina hanoherana an’i lTompo Allah taorian’ireo Iraka izay efa tonga teo amin'izy ireo, ary i Tompo Allah dia Tompo mahery, no sady be fahendrena.} [ Sorate An-Nisà : 165 ]
Ary ireo Iraka rehetra (A.s) dia ny tsirairay amin'izy ireo dia smy matahotra an'i Tompo Allah avokoa izy ireo amin'ny fatahorana feno no sady mafy, ka izy ireo dia tsy masahy manampy na manala ny amin'ireo hafatra rehetra avy amin'nyy Tompo Allah na dia kely aza,ka hoy Tompo Allah niteny nanao hoe : { (44) Ka na dia namorona ireo karazan-teny hafa nolazany Aminay aza Izy, } { (45) dia noraisinay avy tamin’ny tànana an-kavanana tokoa Izy ) {(46) avy eo, dia notapahanay ny lalan-drà lehibe teo Aminy izay mifandray amin’ny fo }. { (47) Ka tsy nisy nafaka niaro azy mihitsy ianareo } [ Sourate Al-Hakkat : 44-47 ] Niteny Ibn Kathir hinakinak'i Tompo Allah anie ho Aminy : Hoy ilay Avo Tsitoha : { Ary raha nanohitra antsika Izy } izany hoe : i Mpaminany Mohammad (s.w.a) fa raha Izy tokoa no nanao an'izany, araka ny filazan'izy ireo ka tsy mitsahatra manendrikendrika antsika Izy ireo,no sady lasa nanampy sy nanala ny hafatra na koa nilaza zavatra mahakasika ny tenany sy izay nomeny antsika izany nefa tsy izany akory ny zava-misy marina dia tsy maintsy hafainganintsika Aminy avokoa ny sazy sy famaizana avy amintsika,satria niteny Izy ka nanao hoe : { Noraisinay sy naforitray Izy amin'ny tanana han-kavanana } ary voalaza ihany koa fa hoe : arendrikay amin'ny valifaty avy amin'ny tànana han-kavanana Izy, satria izany no tena mafy amin'ny fanasazina rehetra ary voalaza ihany koa fa hoe : sazinay avy amin'ny han-kavanana Izy. Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Rehefa niteny tamin'ny Djesoa zanak'i Maria i Tompo Allah no sady nampatsiaro Azy amin'ilay teny manao hoe : “ Ry Djesoa zanak’i Maria ! moa va Ianao no niteny tamin’ireo olombelona fa hoe : “ Raisonareo Aho ary koa ny Reniko, ka hataonareo ho Zanahary anan-kiroa an-koatran’i Tompo Allah ? ”, dia namaly i Djesoa (A.s) ka niteny Izy nanao hoe : “ ho Anao ny haja sy voninahitra sy ny fahadiovana ! Tsy anjarako velively mihitsy ny hiteny ireo teny na zavatra izay tsy tokony ho teneniko ! ka raha niteny an'izany Aho dia tsy maintsy ho fantatrao, tena fantatrao avokoa izay rehetra ato Amiko, fa tsy fantatro kosa izay rehetra ao Aminao, marina fa tsy azo lavina fa Ianao no Mpahalala sy mahafantatra ny zava-miafina rehetra, tsy niteny zavatra hafa tamin’izy ireo Aho, afa-tsy izay rehetra nandidianao Ahy ihany ny hoe : “ Tompoinareo i Tompo Allah, Tompo Zanahariko sy Tompo Zanaharinareo ”, fa Izaho dia vavolombelona teo anatrehan’izy ireo nandritran'ny fem-potoana rehetra niarahako tamin'izy ireo, ka rehefa nalainao Aho, dia Ianao no mpanara-maso azy ireo, ary Ianao no mahita sy mahalala ny zava-drehetra. [ Sourate Al-Maïdat 116-117 ]
Anisan'ny fahasoavan'i Tompo Allah amin'ireo mpaminaniny izay nalefany sy ireo Irany rehetra (A.s) dia ny fanamafisany Tompo Allah azy ireo amin'ny endrika marina ka lasa tena nifikitra mafy dia mafy izy ireo amin'ny fanaparitahana sy fampielezana an'ireo hafatrany rehetra, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : {(54) Ka hoy izy niteny ka nanao hoe : “ Izao dia milaza sy mijoro ho vavolombelona fa amin'izao fotoana izao dia i Tompo Allah no miatrika ny zava-drehetra, ary aoka ianareo ho vavolombelona ihany koa, fa Izaho dia mandà sy mitsipaka tanteraka amin'izay rehetra atambatrareo Aminy, (55) an-koatrany, koa dia mba manaova tetika amiko ianareo rehetra, ary aza avela hiala sasatra mihitsiny Aho.} { Apetrako amin’i Tompo Allah irery ihany, ilay Tompoko sy Tomponareo ny fitokisako sy fanantenako, fa tsy misy zava-manan’aina ka tsy ho eo ambany fahefany Tompo Allah izany, ary tena marina fa i Tompoko ihany no eo amin’ny làla-mahitsy feno fahitsiana.} [ Sourate Hod : 54-56 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tena fa saika hamily lalana Anao mba hiala amin’izay rehetra nolazainay taminao avokoa izy ireo,ka lasa hamorona ny lainga Aminay an-koatran'izay efa voalaza, ka noho ny amin' izany dia lasa voatery nandray Anao ho namana akaiky izy ireo }. 74- Ary raha tsy nampahery Anao Izahay hoy Tompo Allah, dia saika nirona kely tamin’izy ireo Ianao. 75- Noho izany, dia ho nampanandramanay Anao ny roa avo heny ny sazy sy famaizana eto an-tany sy ny roa avo heny ny sazy sy famaizana amin’ny fahafatesana; avy eo tena marina fa tena tsy ahita mpanavotra hanohitra Anay Ianao na dia iray aza. [ Sorate Al-Isrà : 73-75 ] Ary izany famantarana izany sy ireo rehetra alohan'izany dia vavolombelona sy porofo fa ny Boky masina Koroany dia Boky avy amin'ny Tompon'izao tontolo izao, satria raha lazaina fa avy amin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia lasa Boky tsy ho azo an-toka fa teny izay alefa Aminy fotsiny.
Ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia miaro ireo Irany rehetra amin'ny ireo andian'olona maro tsy an-kanavaka, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { O ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ! ampitao izay rehetra nampidinina Taminao avy amin’ny Tomponao,fa raha tsy hanao an'izany kosa Ianao dia lasa anisan'ireo Iraka tsy nahavita,nanapita ny hafatra izay nalefanay Ianao,ary tena marina fa i Tompo Allah dia hiaro Anao mafy dia mafy amin’ireo olombelona,ary tena marina fa i Tompo Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka tsy manam-pinona.} [ Sorate Al-Maïdat : 67 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tantarao amin’izy ireo ny vaovao mahakasika an'i Mpaminany Noa (A.s), rehefa niteny tamin’ireo vahoakany Izy ka nanao hoe : ” O ry vahoakako, raha mavesatra aminareo ny fipetrahako eto aminareo sy ny fampatsiahivako ireo famantarana momban' i Tompo Allah, dia tsara ny hamantarana fa any amin’i Tompo Allah no hametrahako tanteraka ny fitokisako ka dia atambaro ary ny hevitrareo sy ireo rehetra mpiombon’antoka aminareo, ary aoka tsy mba hafeninareo izay rehetra didy tapakareo,avy eo dia tanterahinareo ny fanapahan-kevitra mahakasika Ahy, ary aza avelanareo hiandry mihitsy Aho na dia segondra kely aza.} [ Sorate Yonos : 71 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah manazava mahaksika ny tenin'i Mpaminany Mosesy (As) : { Dia hoy izy roa niteny ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Izahay dia matahotra ny fampijaliana avy aminy, na koa mety hampihariny Aminay ny zavatra tafahoatra ka tsy ho zakanay, Niteny Tompo Allah tamin'izy roa hoe : tsia aza matahotra ianareo roa fa Izaho Tompo Nareo dia miaraka aminareo roa maheno no sady mahita } [ Sourate Taha : 45-46 ] Nohazavan'i Tompo Allah amin'ny alalan'ny fanazavana fa Izy tokoa no miaro ireo Irany rehetra (A.s) manoloana an'ireo olona rehetraa izay nametra-tena ho fahavalon'izy ireo, ka tena tsy misy fomba mihitsy mety ahatongavany ratsy amin'izy ireo, avy amin'ny hafa noho ny fiarovany Tompo Allah azy ireo, ary efa nilaza ihany koa i Tompo Allah fa Izy no miaro fatratra an'ireo hafatra sy fanambarana izay nalefany ka tsy afaka ny hanampy anizany na koa hanala sy hanena an'izany, ka Niteny i Tompo Allah ny amin'izany nanao hoe : { Tena marina fa Izahay hoy i Tompo Allah no nampidina ny hafatra sy ny fampahatsiahivana ny Boky masina Koroany, ary mbola Izahay ihany koa hoy i Tompo Allah no tena miaro azy io fatratra }. [ Sorat al hijr : 9 ].
Ary ireo Mpaminany (A.s) rehetra dia voaharo avokoa amin'ireo zavatra rehetra hita fa mitsipaka ka mifanohitra amin'ny saina na koa amin'ny toetra maha olona, ka Niteny i Tompo Allah amin'ilay teny milaza ny fahadiovana manokana izay nataony Tompo Allah hoan'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nilaza Izy hoe : { Tena marina,fa hamafisina etoana, fa Ianao ry Mpaminany Mohammad (s.w.a) Irakan'ny Tompo Allah dia Olona manana hatsaran-toetra tena ambony sy goavana indrindra } [ Sorate Al-Kalam ] Ary mbola nilaza ihany koa Izy ka nanao hoe : { Ary tena tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo } [ Sorate At-Takwir : 22 ] Ary amin'izany dia mijoro sy mitsangana amin'ny fanatanterahana ireo hafatra amin'ny feno hatsarana, ary ireo Mpaminany (A.s) rehetra, izy ireo no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanapariahana ireo didy amambaikon'i Tompo Allah izany, fa izy ireo kosa dia tsy manana ampahany amin'ny resaka mahakasika ny maha-tompo Allah na maha-zanahary Azy, fa izy ireo dia mijanona sahalan'olona tsotra ihany tahakan'ireo olona rehetra fa ny maha samy hafa azy ireo fotsiny amin'ny olon-kafa dia ny fazahoan'izy ireo ny faminaniana sy ireo hafatra avy amin'i Tompo Allah, ka Niteny i Tompo Allah amin'ialy teny manao hoe : ²²{ Niteny tamin’izy ireo, ireo irakan’izy ireo ka nao hoe : “ tena marina fa, tsy inona akory Izahay afa tsy olombelona mitovy tahaka anareo ihany, nefa kosa i Tompo Allah dia manome fahasoavana ho an’izay rehetra tiany sy sitrany amin’ireo rehetra mpanompony, ary dia tsy anjaranay mihitsy ny mitondra porofo na mampiatra fahefana aminareo, raha tsy hoe efa nahazo alalana avy amin’i Tompo Allah. ary tena any amin’i Tompo Allah tokoa no tokony hametrahan’ireo vahoaka mpino manampinoana ny fitokisany.} ²[ Sorate Ibrahim : 11 ] Ary niteny i Tompo Allah no sady naniraka ary nandidy sy nibaiko an'i Mpaminany Mohammad (s.w.s) mba hiteny manao hoe : { Teneno fa hoe : “ tena marina fa tsy azo hisalasalana fa Izaho dia tena olombelona mitovy tahaka anareo ihany, fa i Tompo Allah fotsiny no nilaza tamiko, fa ny zanaharinareo dia Zanahary tokana ihany ! koa na iza na iza manana faniriana ka manantena ny hihaona amin’ny Tompony Allah, dia aoka izy hanao ny asa soa, ary aoka tsy hampikambana Tompony Allah amin'ny zavatra hafa amin’ny lafiny fanompoana Azy.} [ Sorate Al-Kahf : 110 ]
23- Ary ny finoana islam dia miantso amin'ny fanompoana Tompo Allah tokana amin'ireo fototry ny fanompoana lehibe tahaka : Soalat izay fitsanganana, fiondrehana, fiankohofana, fahatsiarovana Tompo Allah, fidokafan'Azy, sy ny fangatahana, ka tanteraina izany soalat izany in-dimy isan'andro, ary tsy ahitana fanavahana izany amin'ny manan-karena sy mahantra, ny mpitondra sy ireo taritina amin'ny "soafy" hitsy iray, ary ny "zakat" famoahana ireo ampahan'ny arena, izany dia fetrany kely amin'ireo harena, miankina amin'ireo lalàna sy fetrany izay napetrak'i Tompo Allah, voadidy amin'izany ireo haren'ny mpanan-karena omena ireo mahantra sy ankoatr'izany, ka atao indray mandeha isan-taona, ary ny fifehezam-bava, dia fanakanana ny vatana amin 'ny sakafo rehetra amin'ny atoandron'ny ramadany, mitaiza ny vatana amin'ny fahafinaretana sy ny faharetana, ary ny Hajjy dia : fikasana ho amin'ny tranon'i Tompo Allah any amin'ny tanàn'ny Makka indray mandeha amin'ny fiainany amin'ireo izay afaka sy manan-katao, ary amin'izany Hajjy izany dia ;mitovy avokoa ny rehetra amin'ny fitodiana amin'i Tompo Allah ary miala amin'izany ny fahasamihafana sy ny firazanana.
Ny finoana Islam dia tsy mitsahatra miantso ny reheetra ho any amin'ny fanompoana an'i Tompo Allah irery ihany amin'ireo fanompoana lehibe maro sy ny hafa an-koatran'izany ihany koa amin'ireo fanompoana maro samy hafa, ary izany fanompoana lehibe rehetra izany dia efa nodidian'i Tompo Allah avokoa ireo Mpaminany sy ireo Iraka (A.s) ny hanatanteraka an'izany ka anisany tena lehibe amin'izany dia ireto avy :
Ka ny Voalohany amin'izany dia : Ny fanompom-pivavahana Soalat izay nodidian'i Tompo Allah amin'ireo mpino mpanaraka ny finoana Islam tahakan'ny nandidiany tamin'ny am-pahany amin'ireo Mpaminany sy ireo Iraka (A.s) ary nobaikon'i Tompo Allah sy nodidiany i Mpaminany Abrahama (A.s) mba hanadio ny tranony izay hiodikodian'ireo mpanao ny fivahiniana masina ao Lameky eo amin'ny lafiny fivavahana sy fihondrefana ary fiankohofana, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary rehefa nataonay hoy Tompo Allah ny “ Trano ” ho toeram-pivahiniana hoan’ny zanakolombelona sy toeram-pilaminana izay azo antoka ho azy ireo ihany koa, ka natao izany toerana izany mba ho toeram-pivavahana ihany koa sy toerana nitsanganan’i Mpaminany Ibrahimo tamin'ny vaninandrony, ary nandraisanay fanekena hoy Tompo Alllah ka nampiandraiketanay an’i Mpaminany Ibrahimo(A.s) sy ny zanany Ismaely (A.s)faa hoe : “ Diovinareo Roa ny tranoko ho an’ireo mpihodidina eo aminy sy ireo mpitoby izay miila mba hivavaka, ary ho an’ ireo mpiondrika sy ireo mpiankohoka ihany koa } [ Sorate Al-Bakarat : 125 ] Ary nobaikoin'i Tompo Allah i Mpaminany Mosesy (A.s) tamin'ny voalohan'ny fiantsoana izay natao taminy, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { 12- Izaho no Tomponao ! ka Esory ny kapanao, satria eo amin’ny lohasaha masina ny “ Toa ” Ianao izao io } { 13- Izaho no nisafidy Anao, ka henoy àry izay ambara.} { 14-Marina fa Izaho no Tompo Allah,ka tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izaho irery ihany ka dia aoka hanompo Ahy irery ihany Ianao,ary dia tanteraho antsakany sy andavany ny fanompom-piivavahana Soalat mba ho fahatsiarovana Ahy } [ Sorate Taha : 12-14 ] Ary nilaza sy niteny i Mpaminany Mesia Jesosy (A.s) fa i Tompo Allah dia nibaiko Azy ny amin'ny fanatanterahana ny fanompom-pivavahana Soalat sy ny famoahana Zakat, ka nilaza izy arakan'ny fanambaran'i Tompo Allah manao hoe : {Ary nitsodrano ahy Izy, n'aiza n'aiza misy ahy, ary nanafatrafatra ahy Izy mba hanatanteraka ny fanompom-pivavahana Soalat sy ny famoahana ny Zakat izany hoe famoahana ny ampahan'ireo harena mba ho fiantrana ny hafa eo amin'ny mpiara-belona raha toa ka mbola velona eto an-tany aho.} [ Sorate Maryam : 31 ] Ary ny fanompom-pivavahana Soalat izay ato anaty finoana Islam dia fitsanganana sy fiondrefana ary fiankohofana ary dia tafiditra ho fahatsiarovana an'i Tompo Allah sy ny fiderana Azy ary fametrahana ihany koa ny fangatahana any Aminy irery ihany, ka dia tsy maintsy tanterahin'ireo olona vahoaka mpanaraka ny finoana Islam in-dimy isan'andro eo amin'ny fiainan'izy ireo ny Soalat, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Hajainareo an-tsakany sy an-davany avokoa ireo fanompom-pivavahana Soalat sy ny Soalat Al-Ostà izany hoe : ny Soalat al-Asr, ary mitsangana sy mijoroa ianareo rehetra mba ho mpanompon’i Tompo Allah amin'ny endrika feno fanetre-tena } [ Sorate Al-Bakarat : 238 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Atsangano sy tanteraho an-tsakany sy an-davany ny fanompom-pivavahana Soalat rehefa tafiditra ny amin’ny fitongilanan’ny masoandro mandra-pahatongavan’ny haizinan’ny alina, ary koa ny famakiana ny maraina ny amin’ny vaomangiran-dratsy, ka ny tena marina fa ny famakiana ny amin’ny maraina vaomangiran-dratsy dia misy vavolombelona.} [ Sorate Al-Isrà : 78 ] Ary niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : ( Fa ny fiondrefana kosa dia halebiazo ao anatiny i Tompo Allah, fa ny amin'ny fiankohofana kosa dia miezaha mafy ny mba manao fangatahana ary minoa fa dia ho voaray ny hataka izay natao nareo ) Soahih Moslim (R.h).
Ny Faharoa dia : Ny zakat na koa famoahana ny ampahany amin'ireo harena, ka izany famoahana izany dia zavatra efa nodidian'i Tompo Allah tamin'ireo mpanompo rehetra tahakan'ny nandidian'i Tompo Allah izany tamin'ireo Mpaminany sy ireo Iraka (A.s) rehetra tonga nifandimby teo aloha, ka izy io dia famoahana ampahany kely ihany amin'ireo harena misy eo ampelatanan'ny vahoaka mpino, ka izany rehetra izany dia miankina amin'ireo fe-petra sy fetra izay napetrakan'i Tompo Allah, manoloana ny zavatra avoaka ka efa voadidy amin'ireo manan-karena izay tokony anjara homena an'ireo mahantra na ireo ankoatr'azy ireo, ka izany dia omena sy avoaka indray mandeha isan-taona ihany,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Raiso ary Makà ny ampahany amin’ny harena sy fananan’izy ireo Ianao mba hanadiovanao sy hanomezanao azy ireo ny tsodrano sy fahombiazana avy amin’ny alalan’izany,ary dia mivavaha ho azy ireo Ianao, fa ny vavaka izay ataonao azy ireo dia tena fitoniana sy filaminana ho azy ireo izany, ary i Tompo Allah dia Tompo maheno no sady mahalala ny zava-drehetra.} [ Sorate At-Tawbat : 103 ] Ary rehefa naniraka Moanzh tany Yemenina i Mpaminany Mohammad (s.w.a), dia niteny taminy Izy ka nanao hoe : " Ianao dia hitodi-doha andeha hakany amin'ireo vahoaka manana Boky ireo vahoakan'ny Djiosy sy Kristianina izany, ka mba tariho amin'ny fijorona vavolombelona izy ireo fa tsy misy Tompo mendrika tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany,ary marina tokoa fa Izaho Mohammad (s.w.a) dia Mpaminany no sady Irakan'i Tompo Allah, ka raha sendra manaiky an'izany rehetra izany izy ireo dia ampahafantaro azy ireo avy hatrany fa i Tompo Allah nandidy azy ireo amin'ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana Soalat in-dimy isanandro amin'ny maraina sy atoandro ary alina, ka raha manaiky hanatanteraka an'izany izy ireo, dia ampahafantaro azy ireo ihany koa fa i Tompo Allah dia nandidy sy nibaiko azy ireo fa tokony hamoaka ny harena sy fanana mba ho fanomezana izay alaina avy amin'ireo mpanan-karena misy amin'izy ireo ka omena indray an'ireo mahantra sy osa ara-mpivelomana, ka raha mbola manaiky sy mankatoa an'izany izy ireo, dia aoka ianareo mba hitandrina fatratra tsy hanao fahafahatany amin'ny harenan'izy ireo ary atahoranareo mafy dia mafy ny hataka hataon'ireo vahoaka na olona voakatramo fa ny hataka sy fangatahana izay hataon'izy ireo dia tsy misy mpanelanelana na dia kely aza ny amin'izany sy ny amin'i Tompo Allah ". Voarakitra amin'ny Bokin'i Tirmizi (625)
Faha-telo : Ny fifadian-kanina dia fanompoana izay nodidian'i Tompo Allah ho amin'ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam tahakan'ny nodidian'ireo Mpaminany sy ireo iraka (A.s) izay efa tonga nifandimby taloha teto an-tany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô Ianareo izay nino an'i Tompo Allah ! Voadidy fa tsy maintsy ho ataonareo ny fifehezana tahaka toy ny nandidiana ireo vahoaka izay tonga teo alohanareo, angamba hanam-patahorana marina Ianareo.} [ Sorate Al-Bakarat : 183 ] Ary izany fifehezana izany dia : fifehezan-tena mba tsy hisotro na ihinana ny amin'ireo sakafo sy zavam-pisotro rehetra mmisy amin'ny andron'ny volana Ramadany, ary ny fifadian-kanina dia anisany fomba sy hetsika iray izay hita fa mitaiza ny fanahy amin'ny filana sy ny faharetana. Niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Nilaza i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ka nanao hoe : Ny fifadian-kanina dia an'Ahy samy irery ary Izaho irery ihany koa no manefa ny valisoan'ireo olona ny amin' izany, satria dia namela ireo finiavany sy ny sakafony ary ny zava-pisotrony amin'ny fotony Ahy, ary ny fifadian-kanina dia fiarovana napetraka hoan'ireo mpanao Azy, ka ho an'ireo mpifehy ihany koa dia ny hafaliana roa : voalohany hafaliana rehefa hamaha ny fifehezana ary faharoa hafaliana rehefa mifanena amin'i Tompony " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 7492,
Faha-efatra : Ny Hadjy na koa fivahiniana masina any alameky dia fanompoana izay nodidian'i Tompo Allah amin'ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam tahakan'ny nandidiana an'izany tamin'ireo Mpaminany sy ireo Iraka (A.s) ary nobaikoiny Tompo Allah i Mpaminany nazy i Abrahama (A.s) mba hiantso ny olona rehetra hanatanteraka ny amin'izany Hadjy izany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Antsoy ny olona rehetra mba ho amin’ny fanatanterahana ny fivahinianana masina ny Hadjy any Lamek, ka dia ho tonga eo aminao izy ireo, misy ny ho tonga am-pandehanana an-tongotra sy amin’ny alalan’ny biby fitaingina,sy mety amin'ny fomba hafa ihany koa no mety ahatongavan'izy ireo hanatanteraka an'izany indrindra ffa ireo izay avy amin’ny làlana lavitra rehetra.} [ Sorat al Hajy : 27 ] Ary nobaikoin'i Tompo Allah izy mba hanadio ny tranony amin'ireo mpivahiny Masina sy ho an'ny mpivahiny, ka Nilaza iTompo Allah nanao hoe : { Ary raha natoronay an’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) ny toeran’ny Trano ny Ka’aba,tamim-pitenenana hoe : “ Aza akambanao amin’ny hafa Aho ary diovy ny tranoko mba ho an’ireo mpihodikodina amin’ny Ka’aba sy ho an’ireo mpitsangana mpanatanteraka ny fanompoam-pivavahana Soalat, ary izany trano izany dia ho an’ireo izay miondrika sy miankohoka.} [ Sorate Al-Hajjy : 26 ]
Ary ny Hadjy dia fikendrena ny fandehanana amin'ny tranon'i Tompo Allah manan-kaja izay any Makka, ka tanterahina indray mandeha isan-taona amin'ny fiainana izany ho an'izay manan-katao sy mahavita ny hanao an'izany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Adidin’ny olombelona rehetra eo amin’i Tompo Allah ny mandia mitsidika an'ilay Trano Masina ho an’izay olona afaka mandeha manao sy manatanteraka an'izany, fa izay mikomy sy mitsipaka ka manda ny tenany fa tsy hanao an’izany kosa, dia hamafisina etoana, fa i Tompo Allah tokoa no tompon’ny harena, ary Izy afaka tsy mila izao tontolo izao.} [ Sorat al Imran : 97 ] Ary any amin'ny fanaovana ny Hajjy no mivory avokoa ireo rehetra mpanatanteraka an'izany Hadjy izany amin'ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islamo amin'ny toerana iray amin'ny fahadiovam-po ny fanompoana ilay Nahary, ary ireo mpanao ny Hadjy rehetra dia samy manatan-teraka ireo hetsika rehetra ao anatin'izany Hadjy izany amin'ny endrika mitovy, ka miala ary tena miataka lavitra amin'izany ny fanavakavahana manoloana ny tsy fitovizan'ny tontolo sy ny kolo-tsaina ary ny ambaratongam-piainana.
24- Ary anisan'ny zavatra tena mampiavaka ny finoana Islam dia ny fanompoana sy ny fanatanterahana an'izany manoloana an'ireo ora fampiharana an'izany fanompoana izany, ary fanajana ireo fe-petra izay nodidian'ny Tompo Allah amin'ny fomba fanaovana azy ireo, miaraka amin'izay rehetra nampitan'i Mpaminany Mohammad (s.w.a),izay tsy nahafan'ny zanak'olombelona miditra manampy na manala izany mandrak'ankehitriny, ary ireo karazam-panompoana lehibe ireo dia nitarihan'ireo Mpaminany an'ireo vahoakany.
Ary anisan'ny zavatra tena mampiavaka ny finoana Islam dia ny fanompoana sy ny fanatanterahana an'izany manoloana an'ireo ora fampiharana an'izany fanompoana izany, ary fanajana ireo fe-petra izay nodidian'ny Tompo Allah amin'ny fomba fanaovana azy ireo, miaraka amin'izay rehetra nampitan'i Mpaminany Mohammad (s.w.a),izay tsy nahafan'ny zanak'olombelona miditra manampy na manala izany mandrak'ankehitriny, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Fa an-kehitriny, dia nataoko ho lavorary ny finoanareo hoy i Tompo Allah, ary notanterahiko avokoa teo aminareo ny fahasoavako,ary efa nankasitrahako ho finoanareo ny finoana Islamo.} [ Sourate Al-Maïdat : 3 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tazomy ary mifikira mafy amin’izay rehetra nolazaina taminao Ianao, fa tena marina fa Ianao dia tena amin’ny làlana mahitsy tokoa.} [ Sorate Az-Zokhrof : 43 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah mahakasika ny fanompoam-pivavahana Soalat ka nanao hoe : { Ary rehefa avy nahavita ny fanompom-pivavahana Soalat Ianareo, dia tsarovinareo i Tompo Allah; am-pitsanganana sy am-pipetrahana ary am-patoriana ary rehefa tafaverina aminareo ny filaminana sy fitoniana, ka dia aoka antsangareo sy tanterahinareo ny fanompom-pivavahana Soalat araka izay tokony ho izy, satria tena marina fa ny fanompom-pivavahana Soalat dia adidy ho an’ireo vahoaka mpino ny manatanteraka azy ao anatin’ny fotoana voatondro sy voalaza ary voafetra.} [ Sorate An-Nisà : 103 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah mahakasika ny famoahana sy fizarana ny anjara-karena sy fananana izay atao hoe Zakat : { Tena marina fa ny Soadakat dia fanomezana voatokana ho an’ireo mahantra, ireo sahirana, ireo miasa sy mpikirakira ny amin’izany Soadakat izany, ireo izay mbola sintonina ihany koa ny fon'izy ireo, ny famotsorana ireo izay ao anatin'ny fanandevozana, ireo izay vesaran’ny trosa, ireo miasa amin’ny làlan’i Tompo Allah ary ho an’ny mpandeha lavitra ka efa lany vatsy. Izany no didy avy amin’i Tompo Allah, ary i Tompo Allah dia Tompo be Fahalalana sy be Fahendrena.} [ Sorate At-Tawbat : 60 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah mahakasika ny fanompoana atao hoe fifehezam-bava ka nanao hoe : { Ny volana Ramadany tamin’izay tokoa no nanampidinana ny Boky masina Koroany, mba ho hitsy sy tari-dàlana ho an’ny olombelona rehetra ary mba ho fanazavana sy tari-dàlana ary fanavahana ihany koa ny lalàna lainga sy ny lalana marina, ka izay tratran'ny volana Ramadany aminareo ka nahazo fivelomana soaman-tsara eto an-toerana sy eo amin'ny tanana amin’io andro sy volana io, dia voadidy fa aoka Izy hifahy ary tsy maintsy manao ny fifehezana amin’izany, fa izay marary aminareo kosa na mandeha voyage lavitra, dia tsy maintsy manolo ny fifehezana ka mifehy mitovy amin’ny isa izay navelany, amin’ny andro hafa, tena mila fanamorana zavatra ho anareo i Tompo Allah, ary tsy mila fahasarotana ho anareo Izy na dia kely aza, ary dia aoka ho fenoinareo tanteraka ny fotoam-pifehezana, ary aoka hankalazainareo im-betsaka ny halebeazan’i Tompo Allah amin’izay nanitsiany Anareo, ary avy amin'izay angambany dia hisaotra Azy Ianareo } [ Sorate Al-Bakarat : 185 ] Ary niteny i Tompo Allah mahakasika ny fanaovana ny fivahiniana masina ny Hadjy ka nanao hoe : { Ny Hadjy dia atao amin’ny volana efa fantatra no sady voatokana sy voafetra, ka izay nanetri-tena hanao ny Hadjy amin’izany dia tsy mahazo manao firaisana ara-nofo, tsy mahazo manao zava-dratsy, ary tsy mahazo mifamaly aman’olon-kafa mandritran'ny fotoanan’ny Hadjy, ary izay rehetra tsara ataonareo dia fantatran’i Tompo Allah avokoa izany, ary mba mitondràsa vatsy Ianareo, ary tena marina fa ny vatsy tsara indrindra dia ny fatahorana an'i Tompo Allah, ary matahora Ahy Ianareo, ry manan-tsaina.} [ Sorate Al-Bakarat : 197 ] Ary ireo fanompoana lehibe rehetra ireo dia samy nametrahan'ireo Mpaminany (A.s) antso sy fampielezana avokoa ny mba tokony handianan'ny rehetra ho any amin'izany .
25- Ny Iraka ho an'ny finoana Islam dia i Mpaminany Mohammad zanak'i Abdallah (s.w.a) Izy dia zaza lahy kely avy amin'ny taranakan'ny Mpaminany Ismael zanak'I Abrahama (A.s) teraka tao amin'ny tanan'ny Makka tamin'ny taona 571,ka avy eo dia nifindra-monina nan-kany amin'ny tanana atao hoe Madina,ary tsy niara-nanao fanompoan-tsampy tamin'ireo vahoakany Izy na dia kely aza, fa samy niara-nanao asa vaventy avokoa ary Izy dia voalaza fa nànana toetra tsara talohan'ny nandefasana Azy ho Mpaminany (s.w.a) ka tamin'izany fotoana izao dia ireo vahoakany avokoa dia samy niantso azy hoe ilay Mahafa-toky ary nalefan'i Tompo Allah ho Mpaminany Izy rehefa nahatratra efa-polo taona,ary mbola nampian'i Tompo Allah amin'ireo fahagagana lehibe maro samy hafa manamarika fa Iraka tokoa Izy ka ny tena teny avo tamin'izany dia ny Boky masina Koroany ary izany indrindra tokoa no lehibe tamin'ireo fahagagana rehetra izay nandesin'i Mpaminany (s.w.a) ka izany rehetra izany dia mijanona mandrak'ankehitriny, ka rehefa nofenoin'i Tompo Allah ny finoana,ary notratrarin'ilay Mpaminany (s.w.a) avokoa ny tanjona izay nodidina Taminy dia nandao ity tany ity Izy teo amin'ny faha-telo amby enim-polo taonany ka nalevina tao Madina (s.w.a) ary i Mpaminany Mohammad (s.w.a) no tena farany amin'ireo Mpaminany sy Iraka rehetra izay nifandimby teto an-tany nalefa mba hitarika ny rehetra amin'ny fahitsiana ary ny amin'ny finoana marina no sady mba hanala ny zanak'olombelona avy amin'ny haizinan'ny fanompoan-tsampy sy ny fahaverezana ary ny fikomiana mirakitra ny habadoana mba handeha hakany amin'ny lalany hazavan'ny fahatokanan'ny Tompo Allah sy ny fitokisana Azy ampahamarinana,ary nijoro ho vavolombelona amin'izany i Tompo Allah fa tena nalefany hitari-dàlana tokoa amin'ny alàlany Izy (s.w.a)
Ny Irakan'ny finoana Islam dia i Mohammad (s.w.a) zanak'I Abdillah avy amin'ny taranakan'ny Mpaminany Ismael zanakin'i Mpaminany Abrahama (A.s), Izy dia teraka tao amin'ny tananan'ny Makka tamin'ny taona 571 taorian'ny nahatongavany Mpaminany Djesosy ary mbola tao amin'ny tananan'ny Makka no nazahoan'ny faminaniana, ary avy eo dia lasa nifindra monina tany amin'ny tananan'ny Madinah Izy, fa ireo vahoakany dia efa niantso Azy amin'ny fiantsoana hoe : ilay mahafatoky, ary voalaza fa Izy dia mbola tsary niara-nanao ireo zavatra izay mitarika amin'ny fanambanana Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, fa Izy kosa dia miara-miasa amin'izy ireo amin'ny asa misy lanjany sy misy vokany, ka Izy dia nanana toetra tsara talohan'ny nandefasana Azy ho Iraka sy Mpaminany, ka noderain'i Tompo Allah fa Izy anisan'olona mananana toetra tsara indrindra,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina no sady hamafisina etoana, fa Ianao dia manana toetra mendrika ambony indrindra } [ Sorate Al-Kalam : 4 ] Ary nalefan'i Tompo Allah ho Iraka sy Mpaminany Izy rehefa tonga feno efa-polo taonany, ary nomeny sy nampiany an'ireo fahagagana maro saamy hafa,ary ny tena fahagagana lehibe indrindra amin'izany dia ny fandaisany an'ilay Boky masina Koroany. Niteny ilay ilay Iraaka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Tena marina fa tsy misy na dia iray aza amin'ireo Iraka sy Mpaminany tonga nifandimby teto an-tany afa-tsy hoe nahitana ihany ireo olona sy vahoaka nino azy ireny amin'ireo olombelona, fa ny zavatra azoko kosa avy amin'i Tompo Allah dia ny fanomezany Ahy ny teny faminaniana,ka manantena amin'ny Tompo Allah mafy Aho sy mitavandra ny mba ahazahoako vahoaka mpanara-dia betsaka amin'ny andron'ny fitsanganana, amin'ny andro farany ". Soahihi Al-bokhary (R.h). Ary ny Boky masina Koroany dia faminaniana avy amin'i Tompo Allah ho any amin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka Niteny i Tompo Allah mikasika an'izany fa hoe : { Ity ilay Boky, tsy misy fisalasalana ny ao anatiny, tari-dàlana ho an’ireo olona sy vahoaka vonto-pinoana.} [ Sorate Al-Bakarat : 2 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka moa va tsy mba mandinika ny Boky masina Koroany ve izy ireo ? fa sanatria kosa raha avy tamin’ny hafa an-koatran’i Tompo Allah ilay Boky masina Koroany dia eo angamba fa tsy maintsy mety nahitana ireo fifanoheran-teny maro samy hafa ao anatiny izany }. [ Sorate An-Nisà : 82 ] Niantso fifaninanana amin'ny endrika pariage sy defy i Tompo Allah amin'ireo Djiny sy Olombelona fa mba hitondra tahaka ny Boky masina Koroany,salany izay avy amin'ny Tompo Allah,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah fa hoe : “ Na dia hitambatra tahakan'inona aza ny Olombelona sy ny Djiny, ka handia mba hamorona ny Bokyy mitovy amin’ity Koroany ity, dia tsy ahavita hanao ny mitovy amin’izany velively mihitsy izy ireo, na dia hifanampy amin'ny fomba manao ahoana aza izy ireo ”.} [ Sorate Al-Isrà : 88 ] Ary niantso defy tamin'ny alalany pariage sy fifanianana i Tompo Allah ny mba hitondran'izy ireo andiana Sourate na dia folo monja aza mitovy tantana tahakan'izay efa misy eo, ka Niteny i Tompo Allah ny momba an'izany ka nanao hoe : { Na koa hiteny izy ireo ka hanao hoe : ” zavatra noforonony avy Aminy izany Bokyy masina Koroany izany ka valio ary teneno hoe : ” Mitondrà àry ianareo toko folo mitovy amin’izany Boky izany, amin'izay noforoninareo ary avy eo dia antsoinareo avokoa ireo izay hafaka hanampy anareo ankoatran’i Tompo Allah raha marina tokoa ilay teny voalazanareo }. [ Sorate Hod : 13 ] Ary niantso defy tamin'ny alalany pariage sy fifanianana tamin'izy ireo i Tompo Allah ny mba hitondran'izy ireo andiana Sourate na dia iray monja aza mitovy tantana tahakan'izay efa misy eo, ka Niteny i Tompo Allah ny momba an'izany ka nanao hoe : { Ary raha misalasala ianareo amin’izay rehetra nampidininay tamin’ny mpanomponay ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah dia aoka ary mba manomeza andiana " Soraty " sy andiana-teny masina izay mitovy aminy Ianareo, ary mba antsoinareo avokoa ireo vavolombelonareo an-koatran’i Tompo Allah, raha tena mba marina tokoa ianareo.}. [ Sorate Al-Bakarat : 23 ]
Ary ny Boky masina Koroany dia anisany tafiditra ho fahagagana iray izay mitoetra manokana amin'ireo fahagagan'ny Mpaminany rehetra nandalo sy nifandimby teto an-tany, ka rehefa nofenoin'i Tompo Allah ho an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah sy Mpaminany (s.w.a) ny finoana, ary napitany amin'ny fomba fampitana sy fampielezana feno tsy misy fahabangana dia izay vao nody mandry nandao an'ity tany ity tamin'ny alalan'ny fahafatesana i Mpaminany (s.w.a) ary ny taonany tamin'izany fotoana izany dia teo amin'ny faha-telo amby enim-polo taona ary noraisina Izy ka nalevina tao a Madina ihany ny vatamangatsikan'ny Mpaminany (s.w.a).
Ary ilay iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia Izy no Iraka sy Mpaminany farany amin'ireo Mpaminany sy Iraka maro samy hafa izay nifandimby teto ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina fa i Mohammad dia tsy mba rain’ny iray amin’ireo lehilahinareo velively mihitsy, fa Izy kosa dia Irakan’i Tompo Allah, ary Izy ihany koa no farany amin’ireo Iraka sy Mpaminany, ary marina ka tsy azo lavina fa i Tompo Allah dia mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra.} [ Sorate Al-Ahzab : 40 ] Niteny i Abo Horairah (R.d), fa ny Irakan'i Tompo Allah (s.w.a) dia nilaza sy niteny hoe : " Tena marina tokoa fa ny ohatra mahakasika Ahy sy ireo Mpaminany hafa teo alohako dia tahakan'ireo olona mpanamboatra trano izay natao amin'ny fomba tsara sy mendrika indrindra, afa-tsy hoe mbola hita fa tokony misy ny toeran'ny biriky iray apetraka eo amin'ny zorony ilay rafitra ny trano izay nahorina amin'ny endrika tsara, ka lasa miodikodina eo aminy ny olona rehetra no sady tolagaga amin'ny hatsarany, ary misy mihitsy aza ny milaza sy mametra fanontaniana fa hoe maninona ary tsy mba apetraka amin'ilay toerana banga ny biriky iray ? namaly Izy ka niteny hoe : fa Izaho mihitsy no biriky sisa ary Izaho no farany amin'ireo Mpaminany ". Soahihi Al-bokhary (R.h) Ary anatin'ny Boky Evandjily, dia niteny sy nilaza i Mesia (A.s) mampahafantatra i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : ( Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano dia efa lasa tonga fehizoro rindrina indrindra izy ankehitriny, ka tsy mbola novakinareo akory va ny ao amin'ny Boky : Hoy Jesosy (A.s) manoloana ny fanambarana avy tamin'ny Tompo ka mian-tefa tamin'izy ireo manao hoe : ity no raharaha, sy zavatra mahagaga eo imasontsika izany.) Ary ao amin'ny Bokin'ny Torah izay misy an-kehitriny dia voalaza ao amin'ny tenin'i Tompo Allah fa nilaza tamin'i Mpaminany Mosesy (A.s) ka nanao hoe : ( Ary Izaho hanangana Mpaminany ho azy avy amin'ny rahalahiny toa anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra andidiako azy.)
Ary ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia nalefan'i Tompo Allah amin'ny lalan'ny fahitsiana sy finoana marina ary najoron'ny Tompo Allah tokoa fa Izy no Iraka sy Mpaminany anatin'ny fahamarinana, ary Izy dia nalefany ihany koa mba hiantso ny olona rehetra hakany any Aminy avy amin'ny fomba fazahoan-dalàlany ka dia Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Kanefa i Tompo Allah dia vavolombelona amin’izay rehetra nampidininy taminao, ary nampidina izany tokoa Izy tamin’ny fahalalany, ary ireo Anjely ihany koa dia mijoro ho vavolombelona. fa dia mahampy ho vavolombelona i Tompo Allah.} [ Sorate An-Nisà : 166 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Izy no nandefa ny Irany miaraka amin’ny tari-dàlana sy fahitsian'ny finoana marina izay fantatra amin'ny anarana hoe Islamo, natao sy napetraka izay mba ho haseho sy hasongadina eo anatrehan’ny finoana hafa rehetra, tena dia hampy ho vavolombelona amin'izany rehetra izany i Tompo Allah.} [ Sorate Al-Fath : 28 ] Nalefan'i Tompo Allah amin'ny fahitsiana mba hanala ny olona sy ny vahoaka avy amin'ny haizinan'ny fahaverazan'ny fanompoan-tsampy sy fikomiana ary habadoana mba hankany amin'ny lalan'ny hazavan'ny fahatokanan'i Tompo Allah ary ny fanekem-pinoana marina eo amin'ny finoana, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Amin'ny alalan'izany no hitarihan'i Tompo Allah azy ireo mba mankany amin'ireo lalan'ny fiadanana, ireo izay nanaraka ny soridalany sy ny hafaliany, ary havoakany avy amin'ny haizina ny fahaverezana izy ireo ka alefany mankany amin'ny lalan'ny hazavana, ka amin'ny alalan'ny fitahiany no hitarika azy ireo ho any amin'ny lalana mahitsy Izy }. [ Sorate Al-Maïdat : 16 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { ALIF, LAM, RA. ity ilay Boky izay nampidininay aminao mba hamoahanao ireo olona sy vahoaka avy ao anatin’ny haizina ny fahaverezana ka hankany amin’ny lalan'ny hazavana, amin’ny fazahoan-dalan’ny Tompon’izy ireo, ho any amin’ny làlan’ilay Mahery, ilay Mendri-piderana.} [ Sorate Ibrahim : 1 ]
26- Ary ny lalàn'ny finoana Islam izay noentin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) no mamarana avokoa ireo hafatrin'ny finoana Islam sy ireo lalànan'ny Tompo izay lalàna feno fahamarinana sy fahombiazana, ary amin'izany tokoa no ahitana fa mihatsara ny finoan'olona sy ny fiainan'izy ireo eto an-tany, ary izy no voalohany amin'ny fiarovana ireo finoan'ny zanak'olombelona sy ny ràn'izy ireo, arry ny harenan'izy ireo sy ny sainan'izy ireo ary ireo taranak'izy ireo ihany koa, ary Izy no manolo ny finoana rehetra teo aloha, tahakan'ny nanoloan'ny finoana teo aloha amin'ny samy izy ireo.
Lalàn'ny finoana Islam izay noentin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia hafatra farany avy amin'i Tompo Allah sy ny lalànan'ny Tompo, ary nofaranan'i Tompo Allah tokoa ny hafatrany rehetra eo amin'ny finoana Islam ary nofenoiny ny fahasoavany avokoa izany finoana izany mba hiantefa amin'ny zanak'olombelona amin'ny fandefasany an'ilay Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Fa ankehitriny, dia nataoko ho lavorary ny finoanareo, ary notanterahiko teo aminareo avokoa ny fahasoavako,ary dia an-kasitrahako ho finoanareo ny finoana Islamo.} [ Sourate Al-Maïdat : 3 ]
Ary ny lalàna sy fitsipika ary fepetra ny finoana Islamika dia lalàna feno no sady mahampy ary misy fahasoavana sy ny hatsarana ao anatiny amin'ny lafiny finoan'ny zanak'olombelona sy ny fiainan'izy ireo eto an-tany, satria ilay finoana Islam no tonga nameno ireo lalàna rehetraa nisy teo aloha, ka ilay finoana no nameno an'izany sy namarana izany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : : { Tena marina fa ity Boky masina Koroany ity dia Boky mitari-dàlana ny reheetra ho amin’ny fahitsiana tokoa,ary milaza an'ireo vaovao mahafaly ho an’ireo vahoaka mpino no sady manampinoana,indrinddra fa ireny izay mitsangana manao ny asa soa; fa dia tena ho azy ireo tokoa ny valisoa goavana sy lehibe indrindra } [ Sorate Al-Isrà : 9 ] Ary navelan'ny finoana Islam sy napetrany ireo lalana sy fomba ary raafitra rehetra nisy tamin'ireo vahoaka teo aloha, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ireo izay manaraka an'ilay Irakan'ny Tompo Allah, sy ilay Mpaminany tsy mahalala manoratra sy mamaky, izay filazana efa hitan’izy ireo fa efa voasoratra ao anatin’ny Boky Thora sy ny Boky Evanjely, izay mandidy azy ireo amin’ny fanaovana ny tsara ary misakana sy mandrara azy ireo amin’ny fanaovana ny ratsy, ary Izy no nanoratra sy nametraka ny zavatra mety, Halaly,no sady nanome alàlana azy ireo amin’ny tsara rehetra eo amin'ny lafiny fiainana toy ny sakafo fihinana sy ireo zavampisotro, ary nandrara sy nisakana ary nampafady azy ireo kosa amin’ny fanaovana ny ratsy rehetra manoloana ny fiainana, ary manala azy ireo amin’ny enta-mavesatra sy ireo zioga izay nifatotra teo amin'ny sorokan'izy ireo, fa ireo vahoaka izay mino sy manampinoana ary manohana sy manampy ary manome fandresena hoo azy, ary manaraka ny fahazavana izay nampidinina Taminy, izy ireny no lazaina fa hahazo ny fiadanana sy fahasambarana ary fahombiazana ihany koa ”.} [ Sorate Al-Anraf : 157 ]
Ary ny rafitra sy fitsipika ary ireo lalàn'ny finoana Islam dia tonga nanddrava sy namafa tanteraaka ireo lalàna teo aloha ka hoy Tompo Allah niteny nanao hoe : { Ary nampidininay aminao hoy Tompo Allah ny Boky feno fahamarinana, izay tonga manamarina sy manamafy ny Boky rehetra izay nisy teo alohany ka izany Boky izany dia manan-kery eo anatrehany ka aoka mba ho tsarainao izy ireo arakan'izay nampidinin’i Tompo Allah, fa aza manaraka ny sitrapon’izy ireo kosa ianao manoloana an'ireo zavatra marina feno fahamarinana sy maripitotra tonga Aminao fa ny rehetra sy tsirairay aminareo dia efa nanaovanay lalàna sy fitsipika ary fotodrafitr’asa ka raha mba sitrakin’i Tompo Allah sy nitiany dia nataony ho vahoaka iray avokoa ianareo,nefa dia tsy nataony an'izany, satria dia mbola handalo fitsapana anareo amin’izay rehetra nomeny anareo ka aoka mba hifaninàna ianareo amin’ny fanaovana ireo asa soa asa tsara, ary aza adino fa any amin’i Tompo Allah no tsy maintsy hiverenanareo rehetra; ka holazainy aminareo avokoa izay rehetra nampifanolana anareo momba Azy. } [ Sorate Al-Maïdat : 48 ] Fa ny Boky masina Koroany dia Boky mandrakotra tanteraka izay rehetra voalazany Boky teo aloha amin'ireo Bokin'i Tompo Allah rehetra ary ny Boky masina Koroany dia tonga hanamarina sy hitsara ary hanova izany rehetra izany.
27- Ary i Tompo Allah ilaay avo Tsitoha dia tsy manaiky ary tsy mankatoa ny finoana hafa an-koatran'ny finoana Islam izay noentin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a), ka ireo izay mandray sy manaiky manaraka ny finoana hafa an-koatrany finoana Islam dia tsy manankery ary tsy ho voaray izay rehetra ataony.
Tsy raisin'i Tompo Allah no sady tsy ekeny avokoa ireo finoana hafa rehetra taorian'ny nahatongavan'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy taorian'ny nandefasana Azy,an-koatran'ny finoana Islam irery ihany izay noentin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) no manan-kery eo anatrehany Tompo Allah, ka izay maka sy manaraka ny finoana hafa an-koatraan'ny finona Islam dia tsy ho raisina ary tsy voaray avokoa izay ataony. Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary na iza na iza izay olona na vahoaka mahasahy mandray na manaraka ny finoana hafa an-koatran'y finoana Islamo dia tsy ho ekena amin'izany ny finoany, ary rehefa tonga ny any an-koatra, dia ho lasa anisan’izay olona manenina sy maty antoka izy.} [ Sorat al Imran : 85 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa dia hamafisina etoana fa ny finoana marina eo anatrehan’i Tompo Allah dia ny finoana fantratra amin'ny anarana hoe Islamo, ary tsy nifanipa-kevitra akory ireo izay nomena ny Boky, afa-tsy taorian’ny nahatongavan’ny fahalalàna tamin’izy ireo, noho ny disadisa nifanaovany, ary izay tsy mino ireo fanambaran’i Tompo Allah, ka tena marina fa i Tompo Allah dia haingam-panisa ! } [ Sorat al Imran : 19 ] Ary ny finoana Islam dia fomban'i Mpaminany Abrahama (A.s) izay voalaza fa Izy no sakaizan'ny Tompo.Allah, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary na iza na iza milaza fa tsy manaiky no sady tsy mankasitraka ny finoan’i Mpaminany Ibrahimo (A.s), ka tsy iza izy ireo afa-tsy ireo olona izay nanambany ny fisainan'izy ireo ihany,.ary Izy tokoa hoy Tompo Allah no efa nosafidinay teto an-tany, ary mbola Izy ihany koa no anisan’ireo olona tena mendrika any an-koatra.} [ Sorate Al-Bakarat : 130 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary izay manana finoana tsara sy mendrika indrindra dia ireo izay manetr'itena ka nanolotra ny tavany sy tenany ho an’i Tompo Allah,ary mbola nitsangana ihany koa nanao ny asa soa, ary nanaraka antsany sy andavany ny finoan’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) tamin'ny fanompoana Zanahary tokana, ka dia noraisin' i Tompo Allah ho sakaiza mahatoky i Mpaminany Ibrahimo (A.s) }. [ Sorate An-Nisà : 125 ] Ary nodidian'ny Tompo Allah sy nirahin i Mpaminany Mohammad (s.w.a) mba hiteny hoe : { Teneno ry Mpaminany (s.w.a) fa hoe : “ Tena marina fa Izaho dia notarihin’ny Tompoko Allah hoamin’ny làla-mahitsy lalan'ny fahitsiana,llalan'ny finoana izay mahitsy, finoan’i Mpaminany Ibrahim (s.w.a), finoana izay madio tsy misy loton'ny fanompoan-tsampy raha mikasika ny fanompoana an’i Tompo Allah tokana irery ihany tsy misy mikambana Aminy, ary tsy tafiditra ho anisan’ireo mpanompo Sampy i Mpaminany Ibrahim (s.w.a) }. [ Sorate Al-An'am : 161 ]
28- Ny Boky masina Koroany dia Boky izay nalefan'i Tompo Allah amin'ny ilay Iraka mahafatoky i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ary izy io dia mirakitra tenin'ilay Tompon'izao tontolo izao, ka nampifaninana amin'ny endrikan'ny fifaninana an'ireo Djiny sy ireo olombelona i Tompo Allah raha toa ka mety vitan'izy ireo ny mitondra na manome " sorate " tahakan'izay efa misy eo, ary izany fifaninanana izany dia mbola tsy tapitra fa mbola mitohy sy mipetraka mandrak'ankehitriny, ary ny Boky masina Koroany dia mamaly ireo fanontaniana rehetra maro isan-karazany izay ilain'ny anarivon'ny olona maro eo amin'ny fiainana sy fiara-hamonina, ary izany Boky masina Koroany izany dia Boky voaharo mandrak'ankehitriny amin'ny teny arabo izay nampidinana azy, ka tsy nisy na dia litera iray aza niala na nafaka eo Aminy, ka vita pirinty sy voaparitaka, ary izy io dia Boky mahagaga ka tsara ho vakina na ny dika-teniny aza, tahak'izany koa na ny petra-bolan'ny Mpaminany (s.w.a) dia voaharo sy voatahiry ary voatatitra avokoa amin'ny alàlan'ireo mpitatitra mahafatoky ka vita pirinty izany amin'ny teny arabo, izay teny niresahan'i Mpaminany Mohammad (s.w.a)sy nifandraisany tamin'ny hafa teo amin'ny fiarahamonina, ka Izy io defa-Boky vita dika-teny amin'ny teny maro samy hafa ka namparitaka maneran-tany, ary ny Boky masina Koroany sy ny petra-bolan'ny Mpaminany (s.w.a) dia fototra lehibe iray sady tokana amin'ny lalàn'ny finoana Islam, ka ny finoana Islam dia tsy raisina ary tsy alaina avy amin'ny alalan'ny sitrapon'olona izay milaza ny tenany fa mpino, fa izany dia finoana alaina avy amin'ny faminaniana avy amin'i Tompo Allah : Koroany sy Hadithy.
Ny Boky masina Koroany dia Boky izay nalefan'i Tompo Allah amin'ny fiten'ireo vahoaka arabo tamin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) izay hita fa Izy miteny Arabo satria avy amin'ny foko sy firzanana Arabo, ka izy io dia Tenin'i Tompo Allah Tompon'izao tontolo izao, ka Nilaza i Tompo Allah sy Niteny hoe : 192- Tena marina fa hamafisina etoana fa ny Boky masina Koroany dia Boky izay hoe i Tompo Allah izay voalaza fa Tompon’iz ao tontolo izao no nampidina azy. 193- Ary nidina sy nitondra niaraka taminy dia ilay Fanahy mendri-pitokisana i Anjely Gabriely (A.s). 194- Ao amin’ny fonao no nametrahana Azy, mba ahatonga Anao ho anisan’ireo Mpampitandrina. 195- Avy amin’ny fiteny arabo mazava tsara. [ Sorate As-Shoàrà : 192-195 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tena marina fa hamafisina etoana fa Ianao no mandray ny Bokyymasina Koroany avy amin’ilay be fahendrena indrinra, ilay mahalala ny zava-drehetra.} [ Sorate An-Naml : 6 ] Ary tena marina fa ity Boky masina Koroany ity dia Boky nampidinin'i Tompo Allah mba hanamarina ny teo aloha rehetra amin'ireo Bokin'ny Zanahary,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary ity Boky masina Koroany ity dia tsy nisy ny namorona Azy ankoatr’i Tompo Allah, kanefa kosa Izy dia nalefa mba ho fanamafisana an'izay rehetra efa nisy teo alohany, ary fanazavana an'ilay Boky izay tsy misy fisalasalana ao aminy satria avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.} [ Sorate Yonos : 37 ] Ary ny Boky masina Koroany dia tonga hampiavaka tsara ireo hevitra izay tsy hitovizan'ny Djiosy sy ny Kristianina amin'ny finoana izay eo ampelatanan'izy ireo, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina fa ity Boky masina Koroany ity dia Boky mitantara ny mahakasika ireo zanakan'i vahoakan'ny Israely manoloanan’ny an-kamaroan’ireo zavatra izay mampifanolana azy ireo.} [ Sorate An-Naml : 76 ] Ary ny Boky masina Koroany dia Boky mifantoka sy miandrakitra ireo porofo sy fanazavana maro samy hafa mba ahafahana mametraka amin'ny olombelona rehetra ny fahalalana marina izay misy fifandraisana amin'i Tompo Allah sy ny finoany ary ny fanefany ny valisoa amin'ny asa izay vita,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena marina fa efa nitanisa ireo fanoharana maro isan-karazany ho an’ny olombelona Izahay ao anatin’ity Boky masina Koroány ity, mba hahatsiarovan’izy ireo.} [ Sorate Az-Zomar : 27 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka nampidininay taminao ny Boky, mba ho fanazavana ny zava-drehetra, no sady mba ho tari-dàlana, sy hinakinaka ary fahasoavana, ary no sady filazan-tsara ho an’ireo mpankato.} [ Sourate An-Nahl : 89 ]
Ary ny Boky masina Koroany dia mamaly ireo fanontaniana maro mafonja sy izay manahirana ny an-kamaroan'olona maro, ary ny Boky masina Koroany dia manazava ahoana no nanamboaran'i Tompo Allah ny lanitra sy ny tany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ka moa ve tsy hitan'ireo vahoaka izay tsy nino, tsy manampinoana an'i Tompo Allah, fa nitambatra ho vainga iray ihany ireo lanitra sy ny tany ? avy eo dia nosarahanay roa izany, ary nataonay ho velona avy amin’ny rano ny zava-manan’aina rehetra, ka dia tsy mino an'izany tokoa ve ianareo ? } [ Sorate Al-Anbya : 30 ] Ary ahoana ary ny fomba nanamboaran'i Tompo Allah ny olombelona, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô ry olombelona ! Raha manana fisalasalana ianareo mahakasika ny fitsanganana amin’ny maty, ka tena marina, fa izahay no nahary sy nanamboatra anareo avy amin’ny tany, avy eo avy tamin’ny tsirin'aina indray mitete ihany koa, avy eo avy tamin’ny vaingan-drà, avy eo avy tamin’ny vainga-nofo, izay napetranay amin'ny fomba manana endrika na tsy manana endrika, ka nataonay avokoa izany mba hilazainay sy hanazavanay aminareo ny fahefanay, ka dia apetrakay ao anatin’ny vohoka izay sitrakay ianareo, mandritra ny fotoana voafetra,avy eo dia havoakanay ho zazakely ianareo mba hahatratraranareo ny fahamatorana,fa misy aminareo no mety maty tanora ao anatiny fahatanorana, ary mety misy aminareo ihany koa ireo olona izay tratra antitra ka lasa tsy mahafantatra na inona na inona amin’ireo izay fantany teo aloha, ary ahita ny tany karakaina Ianao, nefa raha vao handatsahanay rano izany tany izany, dia mihetsika sy mibontsina izy, ary mitsiry ireo karazan-java-maniry mpivady ao Aminy, amin'ny endrika mahafinaritra.} [ Ny Hajjy : 5 ] Ary aiza ny fiafarany ary mba inona ny valin'asa soa sy ny asa ratsy aorian'ity fiainana ity, ary efa voalaza ny porofo amin'izany fanontaniana izany amin'ny fehin-tsoratra laharana (20) ary moa ve izao fisiana lehibe izao dia tongatonga ho azy sa misy antony lehibe sy goavana ? Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka moa ve tsy mba nandinika sy nieritreritra ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany izy ireo, ary ny zava-drehetra izay noharian’i Tompo Allah, ka mety angamba efa akaiky tokoa ny fem-potoana izay hiafaran'izy ireo ? fa mba inona koa àry ireo teny mety hinoan’izy ireo aorian’izany ? } [ Sorate Al-Anraf : 185 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka moa ve mihevitra Ianareo, fa hoe namboarinay sy noharianay fotsiny amin'izao ka tsy misy antony, ka lasa mihevitra fa tsy mbola haverinay aty aminay indray Ianareo ? }. [ Sorate Al-Mominona : 115 ]
Ary ny Boky masina Koroany dia Boky voaharo mandrak'ankehitriny amin'ny teny izay nidinany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina fa hamafisina etoana fa Izahay hoy Tompo Allah no nampidina ny fampahatsiahivana Boky masina Koroany ary Izahay ihany koa hoy Tompo Allah no tena miaro azy tokoa }. [ Sorat al hijr : 9 ] Tsy mihena ny litera ao aminy ary tsy ahitana teny hifanohitra velively ihany koa no sady tsy ahitana teny nampiana na nanesorana na niovana ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Moa ve tsy mba mandinika ny Boky masina Koroany ve izy ireo ? satria raha avy amin’ny hafa an-koatran’i Tompo Allah ilay izy dia voatery fa tsy maintsy ahitana fifanoheran-teny maro isan-karazany ao anatiny izy ireo.} [ Sorate An-Nisà : 82 ] Ary izany dia efa voapirinty ary efa miparitaka maneran-tany, izy io dia Boky lehibe mahagaga, mendrika ho vakina isanandro, ary tsara koa ny fihenoana azy na mamantatra ireo dika-teny misy eo Aminy na koa mamantatra ireo petra-bolanan'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ireo fampianarany, ny tantarany dia voarakitra avokoa ary efa voampita arakin'ny tokony izy amin'ny fomba fitohitohizan'ireo mpitondra tatitra ny Hadiphy ireo mpitatitra izay mahafatoky, ary izany dia voapirinty amin'ny fiteny arabo izay niresahin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy natao dikateny maro samy hafa, ary ny Boky masina Koroany sy ny Sounnan'ny Mpaminany dia izy roa ireo no fototra lehibe ary tokana izay hifantoany ireo lalànan'ny finoana Islam ary ny lalànan'ny finoana Islam izany dia tsy azo alaina amin'ny fihetsikan'olona tokana izay manaraka an'izany finoana izany ; fa alaina amin'ireo faminaniana izay nalefan'i Tompo Allah izay voaharo : Boky masina Koroany sy Sounnan'ny Mpaminany ka Niteny i Tompo Allah mahakasiaka an'izany ka nanao hoe : { Tena marina fa ireo izay tsy nino ny fanambana sy ny fampatsiahivana fa naneho ny fikomiiana ihany rehefa tonga tamin’izy ireo ny teny fampahatsiarovana, nefa izany Boky izany dia Boky manan-kery amin'ny fotoana rehetra ilana azy eo amin'ny fiara-hamonina, izany dia Boky tsy ahitana hadisoana na dia kely aza na teo alohany na taty aoriany ; fanambarana avy amin'ilay be Fahendrena, sy Mendri-piderana izany rehetra izany.} [ Sourate Fossilate : 41-42 ] Ary niteny i Tompo Allah mahakasika ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a) ary satria izany dia faminaniana avy amin'i Tompo Allah : { Raiso avokoa izay rehetra omen’ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ho anareo, ary avelao sy iataho lavitra ihany koa ireo izay rehetra andraràny anareo; ary aoka ianareo hatahotra an’i Tompo Allaah, satria tena marina fa mafy tokoa ny sazy sy famaiizana avy amin'ny Tompo Allah.} [ Sourate Al-Hashr : 7 ]
29- Ary ny finoana Islam dia mibaiko sy maniraka ary mandidy ny mba tokony hanaovana ny asa soa amin'ireo Ray aman-dreny niteraka na dia tsy mpino Islam aza izy ireo ary mbola nanafatrafatra ihany koa ny finoana mahakasika an'ireo zaza madinika kely.
Ny finoana Islam dia mandidy sy miantso ary maniraka ny fanaovan-tsoa amin'ireo Ray aman-dreny niteraka ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary efa nandidy sy nibaiko i Tomponao Allah ka nanao hoe : “ Aza manompo afa-tsy i Tompo Allah irery ihany ianareo ary manaova soa mandrakariva amin’ireo Ray aman-dreny niteraka, fa raha tratran’ny fahanterana eo anatrehanao ny iray amin’izy ireo na izy roa mihitsy dia aza miteny amin’izy ireo ny hoe : “ Eisy ! ” ary aza mandrahona azy ireo ihany koa ianao fa mitenena teny tsara teny feno fanajana amin'izy ireo.} [ Sorate Al-Isrà : 23 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Nodidianay ny olombelona rehetra ny mahakasika ny Ray aman-dreniny, satria ny Reniny dia nitondra azy tao am-bohoka sy niharitra fahasahiranana mafy dia mafy eo ambonin’ny fahasahiranana ; ny fampisarahana nono azy dia eo amin'ny roa taona monja : “ koa mankasitraha Ahy sy ireo Ray aman-dreninao ianao. fa aty Amiko ny fiafarany rehetra.} [ Sorate Lokmane : 14 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary efa nandidy ny olombelona Izahay hoy i Tompo Allah mba hanao ny tsara amin’ireo Ray aman-dreniny, satria mafy sy mavesatra tokoa ny fomba nitondran-dreniny sy ny niterahany Azy, ary ny fitondrana Azy tao am-bohoka sy ny fampisaraha-nono Azy, izay maharitra teo amin'ny telo-polo volana, ka rehefa tonga teo amin’ny fahamatorany tanteraka ilay olombelona,ka nahatratra teo amin'ny faha efa-polo taonany, dia hiteny izy ka hanao hoe : “ Tompo ô ! Omeo aingam-panahy aho mba hisaotra Anao noho ny fahasoavana avy aminao izay nomenao Ahy sy nomenao ireo Ray aman-dreniko, ary ny mba hanaovako asa soa izay an-kasitrahinao. Ary ataovy anisan'ireo olona mendrika ny taranako rehetra, ka eto Aho dia mibebaka sy miverina Aminao, ary Izaho dia anisan’ireo mpankato ” }. [ Sorate Al-Ahkaf : 15 ] Araka ny petra-bolan’ny Mpaminany (s.w.a) izay notaterin’ilay piara-diany i Aby Horairat (R.d) tsodranon’i Tompo Allah mandeha Aminy, fa nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan’ny Mpaminany (s.w.a) ka nilaza taminy nanao hoe : O ry Irakan'i Tompo Allah iza tokoa ary no olona izay tena tokony hanakakaiziko sy karakaraiko indrindra eo amin'ny fiainako ? dia nilaza Izy no sady namaly ka nanao hoe : “ Reninao ” ary niteny Taminy ihany koa Aho nanotany fa hoe : avy eo iza koa ? dia mbola namaly Izy ka nilaza indray fa hoe : “ Reninao ” ary mbola niteny farany Taminy Aho fa hoe : avy eo iza indray ? dia nilaza Izy fa hoe : “ Reninao ” ary mbola tena niteny tena farany dia farany Aho ka nanotany hoe : avy eo iza indray ? dia hoy Izy namaly ka nilaza Izy hoe : “ Rainao ”. Soahihi Moslim (s.w.a).
Ary izany no hafatra fanaovan-tsoa amin'ny Ray aman-dreny na mpino mpanaraka ny finoana Islam na koa tsy mpino mpanaraka ny finoana Islam izy ireo. Araka ny tatitra izay noentin'i Asmà zanak'i Abi Bakr (R.d), niteny izy fa hoe : ( Tonga ny Reniko fa mbola mpanompo sampy mpampikambana Tompo amin'ny zavatra hafa izy tamin'izany fotoana izany, ary no sady mbola nipetraka ihany koa ilay fifanarahana sy ny fifanekena nisy tamin'ny Mpaminany (s.w.a) sy ireo vahoaka koraishy, ka dia nanontaniako i Mpaminany (s.w.a) ka niteny taminy Izaho fa hoe : tonga Amiko ny Reniko fa tena mbola tsy mankato ny finoantsika Izy, ka moa ve azoko atao ny mifandray Aminy ? Niteny ary namaly Ahy i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Eny, mifandraisa amin'ny Reninao Ianao ". Soahihi Al-bokhary (R.h) Na dia miezaka tahakan'inoa aza ireo Ray aman-dreny fa hoe mila hanala ny zanany ao anaty finoana Islam ka handeha hanao ny asaa fikomiana dia tena marina fa eo ny finoana Islam kosa dia maniraka sy mandidy Azy amin'izany toe-javatra torak'izany fa tsy azo ataony ny manaraka an'izany baiko sy didy izany fa mijanona ho ato anatiny finoana Islam ihany, ary tssy maintsy manao ny soa amin'ireo Ray aman-dreniny no sady miara-mihaina amin'izy ireo ao anatin'ny hatsarana, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Fa raha manery ssy mandidy Anao izy roa izany hoe : ( Ray aman-dreny nao, Ray sy Reny) fa hoe tssy maintsy hataonao ny manambatra Tompo Allah amin’ireo zavatra izay tsy hanananao fahalalàna, dia aoka Ianao tsy hankatò azy ireo hanatanteraka an'izany, kanefa kosa ny fiarahana amin’izy Roa am-pahamendrehana eto an-tany dia fomba sy zavatra tsy maintsy ataonao amin'izy Roa ireo, ary aoka Ianaao mba hanaraha ny làlan'ireo izay niverina aty Amiko, fa aty Amiko no fiverenanareo avokoa, ka ho lazaiko aminareo avokoa izay rehetra nataonareo ”.} [ Sorate Lokmane : 15 ]
Ary ny finoana Islam dia tsy mandrara no sady tsy misakana ny fanaovan'ny mpino asa soa amin'ireo havany izay mbola ao anatiny fanompoan-tsampy na koa an-koatran'izany amin'ireo fianakaviany raha toa ka tsy miady Aminy izy ireo, ka Niteny i Tompo Allah amin'izany nanao hoe : { Tena mbola tsy nandrara anareo ny hanao ny tsara i Tompo Allah sy hanao ny marina amin’ireo olona sy vahoaka izay tsy niady taminareo noho ny amin'ny finoana, no sady tsy nandroaka anareo ihany koa tamin’ny fonenana izay nisy anareo. Satria tokoa hamafisina etoana, fa tena marina fa i Tompo Allah dia mankatia ireo mpanao manaradana sy tia mampiatra ny rariny } [ Sorate Al-Momtahina : 8 ]
Ary ny finoana Islam dia mandidy sy mamporisika ny fametrahana ireo hafatra tsara ho amin'ireo zanaka, ary anisan'ny baiko tena lehibe sy goavana indrindra izay nataony finoana Islam, dia ny nametraka fa Ray niteraka no tomponandraiikitra voalohany amin'ny fampianarana ireo zanany ny zo rehetra mahakasika ny Tompon'izy ireo i Tompo Allah, arakany teny izay nolazain'ny Mpaminany (s.w.a) tamin'ny zanaka rahalahin'ny Rainy Abdollah ibn Abbas (R.d) nanao hoe : " O ry ankizy na koa hoe : O ry zazakely, Izaho dia hampianatra Anao ireo teny maro izay mety mba ahazahoanao tombotsoa avy amin'ny Tompo Allah, ka niteny Izy hoe tsy manino fa lazao ahy ary izany teny izany, lazao ary hoe : " Arovy ireo didy amandalanan'i Tompo Allah dia ho tratrano sy tojo Anao manoloana Anao eo Izy; manaova fantatran'i Tompo Allah Ianao amin'ny fotoanan'ny fiadanana dia ho fantany isy tsaroany Anao amin'ny fotoanan'ny sarotra sy fahasahiranana, ary raha sendra hangataka zavatra Ianao dia aoka mba hangataka amin'i Tompo Allah, ary raha hangata-pitahiana ihany koa Ianao dia mangataha fitahiana amin'i Tompo Allah " Vorakitra amin'ny Bokiny Ahmad 4/287
Ary nobaikon'i Tompo Allah sy nodidiany avokoa ireo Ray aman-dreny mba hampianatra ireo zanan'izy ireo,an'ireo zavatra hita fa mety ahazaoan'izy ireo tombotsoa amin'ny raharaha momban'ny finoana sy ny fiainana eto an-tany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { O ianareo vahoaka mpino sy manampinoana ! aoka mba arovinareo amin'ny afo-be ny tenanareo sy ny fianakavianareo ary ireo vady amanjanakareo, fa ny olona sy ny vato no atao ho fandrehitra ao, ary ireo Anjely hentitra sy masiaka no tomponandraikitra navela mba miandry sy mpiambina ao, izy ireo dia mbola tsary nanohitra an'i Tompo Allah mihitsy na dia kely aza manoloana ny amin'izay rehetra andidian'i Tompo Allah azy ireo, fa lasa manao sy manatanteraka izay rehetra ampanaoviny azy ireo } [ Sorate At-Tahrim : 6 ] Araka ny voalazan'i Ali (R.d) amin'ny Tenin'ny Tompony Allah manao hoe : { Arovinareo fatratra ny tenanareo sy ny fianakavianareo ary ireo vady amanjanakareo,amin'ny afobe } Ka miteny Izy hoe : " Omeo fahalala-pomba izy ireo, no sady omeo fahalalana ihany koa izy ireo ". Ary namporisika i Mpaminany (s.w.a) ho an'ireo Ray mba hampianatra ireo zanany ny soalat " fivavahana "; ny mba ho voataiza amin'izany izy ireo, ka Niteny i Mpaminany Mohammad (s.w.a) nanao hoe : ( Baikoy sy hametrao didy ireo zanakanareo mba hanatanteraka ny Soalat rehefa feno fito taona ) ( Notaterin'i Abo Dawod (R.h) ). Ary niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka dia tsy maintsy ho anontaniana amin'ny andraikitrany avokoa ny tsirairay, ireo Mpitarika dia tompon'andraikitra amin'izay andraikitra rehetra sahaniny, manoloana an'ireo rehetra izay taritiny ary tsy maintsy ho anontaniana ny amin'izany andraikitra izany Izy, ireo vatan-dehilahy ihany koa dia tompon'andraikitra amin'ireo andraikitra izay sahany ary tsy maintsy ho anontaniana Izy manoloana ny andraikitrany amin'ireo havany sy ny fianakaviany ary ireo vady aman-janakany, ary ireo Vehivavy ihany koa dia tompon'andraikitra eo amin'ny tranon'ny vadiny ary ho anontaniana ihany koa Izy manoloana ny amin'ny andraikitra izay sahaniny, ireo Mpanampy dia tompon'andraikitra eo amin'ny harenan'ny mpampiasa azy ary tsy maintsy ho anontaniana ny amin'izany andraikitra izany Izy, ary ianareo rehetra ihany koa dia tompon'andraikitra ary tsy maintsy ho anontaniana avokoa ny rehetra ny amin'izany andraikitrany izany " Soahihi ibn Hibbàny (R.h) 4490
Ary nibaikon'ny finoana Islam ny Ray mba hikarakara ireo zanany sy ireo ankohonany amin'ny lafiny famatsiana ara-mbola, ary efa voalaza tany aloha tany ny mahakasika an'izany teo amin'ny fehin-tsoratra laharana (18) ary nohazavain'i Mpaminany (s.w.a) ny tombotsoa azo amin'ny fikarakarana ireo zanaka, ka nilaza Izy nanao hoe : " Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay nataon'ny lehilahy mba ho fanomezana an'reto manaraka ireto : vola izay avoakany ka omeny ireo an-kohonany, sy ny vola izay omeny biby fitaingenany amin'ny fotony lalan'i Tompo Allah, ary ny vola izay omeny ireny namany amin'ny fotony lalan'i Tompo Allah " ka Niteny sy niloabava i Abo Kilabat (R.d) ka nanao hoe : " Niantomboka ny fanomezana amin'ireo an-kohonana avy eo dia mbola nilaza i Abo kilabat (R.d) ka nanao hoe : ary Iza no be tombotsoa mihoatran'ny lehilahy iray izay manome ny an-kohonany izay kely ananany ary miezaka manala ny fahasahiranan'izy ireo, na manao zavatra ny mba ahazahoan'izy ireo fahombiazana avy amin'i Tompo Allah sy ny mba hanampiany azy ireo " Soahihi Moslim (R.h) 994
30- Ny finoana Islam dia maniraka sy mandidy ny rehetra mba tokony ho marina amin'ny fomba fiteny sy amin'ny fomba fiasa manotolo na dia amin'ireo fahavalo aza dia tokony hametrahana an'izany.
Tompo Allah dia manana laza sy hasina ary toetra fa Izy dia marina sy mahitsy amin'ny manoloana ny asany sy amin'ny fandridrany ny zava-drehetra amin'ireo mpanompony, ary Izy dia mijoro amin'ny làla-mahitsy manoloana an'ireo baiko izay napetrany ary mahitsy ihany koa amin'ireo zavatra efa nametrahany fandrarana, ka amin'ireo zava-boariny no nandahariny an'izany rehetra izany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Nitsangana vavolombelona tokoa i Tompo Allah,fa tena marina fa tsy misy Zanahary hafa intsony afa-tsy Izy Tompo Allah irery ihany izay tsy misy mikambana Aminy ary mihaiky an'izany avokoa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana izay mijoro am-pahamarinana tena tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy Tompo Allah irery ihany ilay avo Tsitoha ilay be fahendrena.} [ Sorat al Imran : 18 ] Ary i Tompo Allah dia maniraka sy mandidy ny amin'ny fanaovana ny fahamarinana, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Lazao ary teneno ! fa Nandidy Ahy i Tompoko Allah ny amin'nytokony hanaovako ny fahamarinana } [ Sourate Al-A'raf : 29 ] Ary ireo Iraka sy Mpaminany rehetra ( A.s) Izy ireo dia tonga nitondra fahamarinana avokoa ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Efa nandefa ireo Iraka izahay hoy i Tompo Allah, ka Izy ireo dia niaraka tamin’ireo porofo mazava maro samy hafa, ary nampidinay niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny Boky sy ny vatofan-danjana, mba ahafahan'ireo olona rehetra hampijoro ny fahamarinana eo amin'ny fiainan'ny fiarahamonina.} [ Sourate Al-Hadid : 25 ] Ary ny mizana na ny vato fandanjana dia zavatra mirakitra ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiteny aloakan'ny vava sy ny asa izay atao.
Ary ny finoana Islam dia mibaiko sy mandidy ny amin'ny fahamarinana ihany amin'ny fomba fiteny sy ny amin'ny fomba fiasa na dia amin'ireo fahavalo aza, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ô Ianareo izay nino ! Mitsangana amim-pahamarinana hatrany Ianareo, no sady mba mitsangana ho vavolombelon’i Tompo Allah na dia amin'ny vatatenanareo aza manoloana an'ireo zavatra toerin'ny tenanareo, na koa ny amin'ny Ray aman-dreny sy ireo havana akaiky. na dia hoe manan-karena aza Izy, na koa hoe mahantra satria i Tompo Allah no mendrika kokoa amin’izy roa, koa aza manaraka ny sitrapony Ianareo, mba tsy ahafahanareo hiala amin’ny marina sy ny amin'ny rariny,ka raha mitsangana ho vavolombelona mpandainga Ianareo, na koa mandà sy manohitra an'izany dia tena marina fa i Tompo Allah dia mahalala sy mahafantatra tanteraka izay ataonareo } [ Sorate An-Nisà : 135 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary aoka ny fankahalanareo ireo vahoaka izay nisakan-dàlana anareo tsy ho any amin’ilay Trano masina fivavahana, tsy hitarika Anareo ihany koa ho amin’ny hetraketraka, ary mifanampia Ianareo amin’ny tsara sy ny fitiavam-bavaka, fa aza mifanampy kosa amin’ny fahotana sy ny fanaovana ratsy sy hetraketraka ary fampifahavaloana, koa matahora an’i Tompo Allah Ianareo, satria mafy ny famaizana sy ny sazin’i Tompo Allah.} [ Sourate Al-Maïdat : 2 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { O Ianareo izay nino ! Aoka Ianareo hijoro am-pahamarinana ho an’i Tompo Allah, ary mitsangana mba ho vavolombelona amin’ny zava-drehetra rariny, ary aoka ny hatezeranareo amin’ny vahoaka iray dia tsy hamporisika anareo amin’ny tsy fampiharana ny fahamarinana amin'ny hafa, fa aoka hampiharinareo ihany ny fahamarinana, fa izany no tena akaiky indrindra amin’ny fatahorana an’i Tompo Allah. ary matahora an’i Tompo Allah Ianareo, satria tena marina fa i Tompo Allah dia mahafantatra tokoa izay rehetra Ataonareo.} [ Sourate Al-Maïdat : 8 ] Moa ve hitanao amin'ireo lalàna izay nataon'olona na koa amin'ny finoan'olona mba misy mitovy amin'ity zavatra ity izay mampijoro ny rehetra amin'ny marina sy fahamarinana, sy ny fitenenana ny teny marina izay aloakan'ny vava, na dia amin'ny vata-tena aza izany na koa amin'ireo Ray aman-dreny sy ny fianakaviana, ary nibaikoina ny rehetra mba ho marina na dia amin'ireo fahavalo sy amin'ireo namana ihany koa.
Ary nandidy sy naniraka ary namporisika i Mpaminany (s.w.a) ny mba hampitovizana an'ireo samy zanaka nateraka. Araka ny petra-bolana izay notaterin'i An-mir (R.d) niteny Izy ka nanao hoe : Izaho dia naheno No'many ibn Bashir (R.d) ary Izy teo ambonin'ny " minbar " niteny ka nanao hoe : Nomen'ny raiko fanomezana Aho ka niteny A'mrato Binty Rawàhat (R.d) : Izaho dia tsy faly ary tsy manaiky no sady tsy mankasitraka raha tsy atao vavolombelona amin'izany i Mpaminany (s.w.a), ka nandeha tany amin'ny Mpaminany (s.w.a) ary rehefa tonga teo anatrehany (s.w.a) dia niteny hoe : nanome zavatra ho an'ny zanako avy amin'i A'mrato binty Rawahat (R.d) Aho, ka naniraka Ahy Izy mba hatao vavolom-belona amin'izany Ianao, dia Niteny i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe :" Nomenao mitovy amin'izany koa ve ireo zanakao sasany ? " Namaly Izy hoe : Tsia,niteny i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Matahora an'i Tompo Allah ary aoka mba ho marina Ianareo amin'ireo zanakareo " niteny Izy ka naveriny ilay zavatra nomeny ) Soahihi Al-Boukhary (R.h) 2587,
Ary dia satria fa marina tokoa fa tsy hijoro mihitsy ny raharaha mahakasika ny olombelona sy ny firenena afa-tsy ny fampiharana ny fahamarinana ary tsy mahatsapa ho hanana fitoniana ny olona rehetra manolona ny finoana arahiny na koa ny lio na ràn'izy ireo sy ny taranak'izy ireo,ary ny hasinan'izy ireo miaraka amin'ny harenan'izy ireo sy ny tananan'izy ireo afa-tsy amin'ny fahamarinana, ka noho izany dia hita fa i Mpaminany (s.w.a) rehefa noteren' ireo mpikomy tao Makka sy ireo vahoaka mpino Islam izay niaraka taminy dia nibaikoin'i Mpaminany (s.w.a) avy hatrany izy ireo mba hifindra-monina any amin'ny tanana atao hoe : Etiopia ary nolazainy tamin'izy ireo fa ao amin'io tanana io dia misy mpanjaka marina ka ny fahamarinany no mahatonga fa tena tsy misy olona na dia iray aza voakatramo na koa hoe tratran'ny tsindry hazo lena tsy misy an'izany any.
31- Ary ny finoana Islam dia maniraka sy mandidy ny mba tokony hanaovana soa amin'ireo zava-boary rehetra izay noharrian'ny Tompo Allah, ary niantso ny rehetra ihany koa Izy mba hanana toetra mendrika eo amin'ny fiarahamonina sy ny hanatsara ny asa rehetra izay atao.
Ny finoana Islam dia maniraka sy miantso ny rehetra amin'ny fanaovana ny asa soa amin'ny zava-boary rehetra izay nohharian'ny Tompo Allah, ka Niteny i Tompo Allah naanao hoe : { Tena marina no sady hamafisina etoana, fa i Tompo Allah dia mandidy sy mibaiko ny rehetra amin’ny fitsanganana fanaovana ny marina sy ny rariny ary ny fanaovana ny asa soa ihany koa, ary ny fanampiana an'ireo havana akaiky.} [ Sorate An-Nahl : 90 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ireo izay mamoaka ny harenan'izy ireo ao anatin’ny fahafahana sy fahalalahana tsy an-katerena ary izy ireo dia mahafehy tanteraka ny hatezeran'izy ireo, ary mahalefitra ihany koa aamin'ireo olombelona. ary i Tompo Allah dia tia ireo mpanao tsara sy mpanao asa soa.} [ Sorat al Imran : 134 ] Ary niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Tena marina fa hamafisina etoana f i Tompo Allah dia naniraka sy nanoratra ny amin'ny fanaovana ny tsara an'ireo zava-drehetra ; ka raha mamono biby tsy fihinana sy ny hafa ihany koa ianareo, dia aoka mba ataovy tsara famonoana, ary raha manapa-tendan'ireo biby fihinana ihany koa ianareo, dia aoka mba ataovy tsara fanapaka ; ka dia aoka ny tsirairay aminareo mba handrangitra tsara ny lel'anantsiny, ary hampiadana ny biby izay ho tapahiny." Soahihi Moslim (R.h) 1955
Ary ny finoana Islam dia miantso amin'ny fahatsaran-toetra sy amin'ny hatsaran'ny asa, ka Niteny i Tompo Allah amin'ny toetoetran'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) tamin'ireo vahoaka teo aloha ka nanao hoe : { Ireo izay manaraka ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah, ilay Mpaminany tsy mahalala manoratra sy tsy mahay mamaky, Izy no ilay hitan’izy ireo fa voasoratra tao anatin’ny Boky Thora sy ny Boky Evanjely, ary Izy no ilay mandidy azy ireo amin’ny tsara sy mandrara azy ireo amin’ny ratsy, ary manome alàlana azy ireo mba hanao sy hanatanteraka an'ireo zavatra tsara rehetra no sady misakana sy mandrara azy ireo kosa amin’ny fanaovana an'ireo zavatra ratsy feno haratsiana, ary manala azy ireo ihany koa amin’ny enta-mavesatra sy ireo zioga izay eo amin’izy ireo, fa ireo izay mino sy manampinoana ka hita fa nanohana sy nanampy ary nanavotra Azy no sady nanaraka antsakany sy an-davany ny hitsy sy fahazavana izay nampidinina Taminy ; izy ireny no ahazo ny fahombiazana ”.} [ Sorate Al-Anraf : 157 ] Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " O ry Aishat (R.d), Marina tokoa fa i Tompo Allah dia mitia ny fahatsorana sy fahamorana ary manome avy amin'izany fahatsorana izany fa tsy mba manome amin'ny fahasarotana sy ny ankoatran'izany " Soahihi Moslim (R.h) 2593 Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia nisakana sy nandrara aminareo : ny raharaha mahakasika ny tsy fanajana ireo Ray aman-dreny, sy ny fandevenana ireo zanaka vavy mbola velona, ary fanakanana ny olona amin'ny fanomezana nefany mbola mangataka, ary tsy tiany koa ny fitenenana ary fanamparitahana ny tsahotsaho sy fanabetsahana ny fanontaniana ary fandanindaniana zavam-pona toy ny harena " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 2408, Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Tsy hiditra amin'ny paradisa mihitsy ianareo raha toa ka tsy mpino, ary tsy ho mpino ihany koa ianareo raha toa ka tsy mifankatia, ka moa ve tsy lazaiko ary tsy atoroko zavatra iray izay mety hampifankatia anareo ianareo ? dia ny hoe : aparitaho ny fifampiharabahana " salam " aminareo samy anareo " Soahihi Moslim (R.h) 54
32- Ary ny finoana Islam dia naniraka sy namporisika ny rehetra mba tokony hanàna toetra tsara sy toetra mendrika izay maha-teotia, tahaka ny fitenenana ny marina sy ny fifanomezan-toky eo amin'ny zavatran'ny hafa, toin'ny fahadiovan-tena ihany koa amin'ny fitsiriritana ny hafa, mbola tsy mitsahatra ny finoana mandidy ny mba tokony hananan-tsika henatra, ary eo ihany koa ny tokony hampavitrika antsika, no sady tokony halala-tanana mba manampy ny olon-kafa sy hanavotra ireo olona izay sahirana, ny finoana Islam dia mbola tsy mitsahatra mamporisika ny olona mba tokony hampisakafo ireo rehetra izay noana ara-tsakafo, no sady mametraka ny fahaizana mahay miara-monina eo amin'ny fiaraha-monina mba hitazomana ny rohim-pihavanana sy fianakaviana,no sady ahay hangoraka amin'ireo biby tsy an-kanavaka.
Ary ny finoana Islam dia mandidy sy maniraka ary tena mitarika tokoa ny rehetra mba ho any amin'ny fahatsaran-toetra mendrika, ka Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : ( Tena marina tokoa fa nirahina sy nalefa Aho mba tonga hameno tanteraka ny fahatsaran-toetra ) Soahihi Al-Adab Al-Mofid 207 Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : ( Anisan'ireo tena tiako indrindra aminareo ary no sady akaiky Amiko indrindra aminareo amin'ny andro farany dia ireny manana toetra tsara sy mendrika indrindra, ary anisan'ny halako indrindra aminareo ary lavitra Ahy indrindra amin'ny andro farany dia, ireo olona be resaka, ireo manao tsara resaka, ary ireo " motafayhakona " ary nilaza taminy izy ireo fa hoe : tena fantatray tokoa ireo izay be resaka sy ireo izay manao tsara resaka, fa inona ary " motafayhakona " ? dia namaly izy ka nanao hoe : ireo Mpanambony tena) As-Silsilat As-Sahihat 791 Araka ny petra-bolana notaterin'i Abdillah bin Amro (R.d) dia niteny fa hoe : " Tena marina fa tsy mba mpanao zavatra mahatsiravina na koa mitia zavatra mahatsiravina i Mpaminany (s.w.a), ka Izy dia miteny hoe : ( fa anisan'ny tena mendrika aminareo dia ireo olona tsara toetra sy manana fitondran-tena mendrika indrindra ) Soahihi Al-Boukhary (R.h) 3559, Sy amin'ireo ankoatran'izany amin'ireo andinin'ny soratra masina marro ao amin'ny Boky masina Koroany sy ireo petra-bolan'ny Mpaminany (s.w.a), izay milaza fa ny finoana Islam dia mitarika sy mamporisika ny rehetra ny amin'ny fananana ny hatsaran-toetra mendrika sy hatsaran'ny asa sy ny fomba amampao amin'ny endrika an-kapobeny.
Ary anisan'ny didy amambaikon'ny finoana Islam dia ny hoe : ny tokony handalina ny fahamarinana. ka Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : ( Aoka ianareo mba ho marina, satria ny fahamarinana dia zavatra mitarika amin'ny fahitsiana, ary ny fahitsiana dia mitarika any amin'ny paradisa, ary tena tsy mitsahatra mihitsy ny olona iray miteny ny marina foana eo amin'ny fiainany raha tsy efa voasoratra tokoa ny fiafarany fa lasa olona marina mahafatoky Izy ) Soahihi Moslim (R.h) 2607
Ary anisan'ny didy amambaikon'ny finoana Islam dia ny hoe : famerenana ireo toky rehetra izay efa nomena ny hafa ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina fa hamafisina etoana, fa i Tompo Allah dia mandidy anareo mba hamerina ny fananana rehetra izay nametraham-pitokisana taminareo ka tokony haverina ho amin’ny tompony } [ Sourate An-Nisà : 58 ]
Ary anisan'ny didy amambaikon'ny finoana Islam dia ny hoe : ny tsy fitsiriritanana ny hafa ka Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Miisy andian'Olona telo tokoa ireto dia marina tokoa fa mendrika ary tsy maintsy ampin'i Tompo Allahny manampy Azy ireo ka voalaza fa anisan'izany dia : ny Olona hanambady ka ny tanjony amin'izay dia ny mila hiala amin'ny fitsiriritana ny hafa " Sonany At-Tirmizi (R.h) 1655 Ary anisan'ny fangatahana izay fataon'ny Mpaminany (s.w.a) dia ny miteny izy manao hoe : " Tompo o ! mangataka Aminao ny Tenako mangataka ny fahitsina sy ny fatahorana ary ny tsy fitsiriritana sy ny harena ihany koa " Soahihi Moslim (R.h) 2721
Ary anisan'ny didy amambaikon'ny finoana Islam dia ny hoe : ny mbatokony ahalala menatra ka Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Ny henatra sy fahalalana menatra dia tsy misy zavatra azo avy amin'ny afa tsy ny hatsarana " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 6117, Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Ny finoana rehetra dia manana sy misy ny toetrany, fa ny toetran'ny finoana Islam dia ny fahalalana menatra " Voarakitra amin'ny Bayhaky(R.h) aminn'y Sha'mbol Imany 6/2619
Ary anisan'ny didy amambaikon'ny finoana Islam dia ny hoe : fanana ny tanjaka sy ny fahatanjahana, arakan'ny filazana nitaterin'i Anas (R.d) : " Marina tokoa fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia anisan'ny olombelona tena mendrika indrindra no sady manana ny tanjakany, ary Izy dia tena malala-tanana amin'ny lafiny rehetra, ka rehefa natahotra avokoa ireo vahoakan'ny Madina, dia lasa i Mpaminany (s.w.a) nialoha laharana amin'ny fakana ny soavaliny " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 2820, Ary ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) dia mangataka fiarovana fatratra amin'ny Tompo Allah amin'ireo Kanosa, ary izy dia niteny sy nilaza hoe : " Tompo o ! mangataka fiarovana Aminao aho amin'ireo Kanosa " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 6374,
Ary anisan'ny didy amambaikon'ny finoana Islam dia ny hoe : falala-tanana sy fahatsaram-panahy ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ireo izay mandany ny fananany sy ny harenany amin’ny làlan’i Tompo Allah, dia izy ireo mitovy amin’ny voa iray namoaka salohy fito, ka isaky ny salohy iray dia manome voa zato, ary i Tompo Allah dia tsy mitsahatra mampitombo avo heny ho an’izay sitrany amin'izany, ary i Tompo Allah dia manerana sy mahalala ny zava-drehetra.} [ Sorate Al-Bakarat : 261 ] Ary anisan'ny toetra izay nisy nananan'ny Mpaminany dia ny hatsaram-panahy, araka ny tatitra izay noentin'i Ibn Abbas (R.d), dia niteny ka nanao : " i Mpaminany (s.w.a) dia tena malala-tanana amin'ny olona rehetra, ary tena malala-tanana tokoa Izy rehefa amin'ny volana Ramadany amin'ny fotoana rehefa nifanena tamin'ny Anjely Gabriel, ary i Anjely Gabriel (A.s) dia mifanena Aminy matetika isak'alina amin'ny volana Ramadany mandra-pahataperan'izany volana izany, ka mihaino ny Boky masina Koroany no hataon'izy ireo asa, ary rehefa mifanena Aminy i Anjely Gabriel (A.s), dia lasa mahay tena tsara lavitra Izy amin'izany hatsarana izany mihoatran"ny rivotra izay mitondra fahasoavana " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 1902,
Ary anisan'ny baikon'ny finoana Islam dia : ny fanampiana ireo sahirana sy fanavotana ireo tratra-pahoriana ary fampisakafoanana ireo noana ara-tsakafo, ka nobaikoiny finoana ihany koa ny rehetra mba tokony hanana ny fomba fahaiza-miara-monina amin'ny hafa ary tokony hanohy man-drakariva ny rohim-pianakaviana sy ny fametrahana ny fomba fangorahana amin'ireo biby. Arakan'ny petra-bolana izay notaterin'i Abdillah ibn Omar (R.d) fa dia nisy tokoa lehilahy iray nanontany an'i Mpaminany (s.w.a) fa hoe : mpino silamo tahakan'ny ahoana no tsara sy mendrika indrindra ? dia namaly ka niteny i Mpaminany (s.w.a) fa hoe : " Ireo izay mampihinàna sakafo ny hafa, ary ireo izay miarahabà ny olona fantatrao sy ny tsy fantatrao ihany koa " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 12, Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Indray andro nisy lehilahy iray nandeha tamin'ny lalana, ka nangetaheta be mihitsy Izy, ka nahita sy nahatazana vovo iray Izy, ka voatery fa tsy maintsy nidina tao Izy no sady nisotro an'ilay rano ny vovo tao ka rehefa nivoaka avy tao Izy dia nahatazana fa nisy Alika izay efa nivoaka ny lelany nohon'ny hetaheta nianjady taminy, ary efa nihinana fotaka mihitsy aza, dia nilaza ilay lehilahy ka nanao hoe : efa tratran'ny hetaheta mafy dia mafy ity Alika ity tahak'izay nahazo Ahy teo aloha, ka nidina tao anaty vovo Izy dia nofenoiny rano ny kirarony ary nitazoniny tamin'ny vavany avy eo nampisotroiny an'ilay Alika, ka nankasitraka izany i Tompo Allah dia voavela heloka Izy " Nilaza ireo mpiara-dia tamin'ny Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : O ry Irakan'i Tompo Allah, izahay ve mahazo valisoa koa amin'ireo biby ? Niteny i Mpaminany (s.w.a) namaly azy ireo fa hoe : " Eny, amin'ireo zavatra mbola manana atiny lena dia ahazoanao valisoa avokoa " Soahihi ibn Hibbàny (R.h) 544 Ary niteny ilay ilay Iraaka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Ireo izay nandray anjara mavitrika amin'ny fikarakarana ireo vehivavy maty vady sy ireo mahantra dia dia mitovy tantana salany ireo izay niezaka niady mafy amin'ny làlan'ny Tompo na koa tahakan'ireo izay mpitsangana amin'ny alina ka manatanteraka ny fanompoana an'i Tompo Allah sy manao fehy vava ihany koa amin'ny andro atoandro " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 5353
Ary ny finoana Islam dia manamarina no sady manamafy ny zon'ireo havana izay tsy maintsy fikirina mafy amin'ny endrika tsara ary tsy maintsy tohizana fa tsy azo tapaina ny rohim-pianakaviana, ka Niteny i To mpo Allah nanao hoe : { Ny Mpaminany (s.w.a) no manana zo feno sy ambony kokoa amin’ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam mihoatran'izay amin’ny tenan’izy ireo, ary ireo vadiny dia napetraka ho Renin'ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam, ary ireo havana sy ny fianakaviana dia manana ny rohim-pihavanana izay mamatotra ny andaniny sy ny ankilany ary izy ireo dia manana zo kokoa araka ny teny voarakitra ao amin'ny Bokin’i Tompo Allah, ka noho ny avy amin'ny rohy izany no mampitambatra ireo vahoaka mpino, ireo vahoaka izay avy tao Madina sy ireo vahoaka mpino mpifindra-monina avy tao Makka, afa-tsy hoe ireo izay nanao ny didim-pananana manokana ka nomeny sy navoakany toy ny Soadakat ho an’ireo rahalahinareo amin’ny finoana, ka izany dia voarakitra antsoratra avokoa ao anatin’ny Boky.} [ Sorate Al-Ahzab : 6 ] Ary nampitandrina fatratra ireo izay minia ny hanapaka izany rohim-pianakaviana izany, ary nataony ho anisan'ireo tafiditra fa mpanakorontana eto an-tany ireo izay tratra fa manao izany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : {(22) Moa ve raha mitsipaka ianareo,dia tsy ahiana fa mety hampiely ny haratsiana sy fanimbana zavatra ety an-tany, no sady mety hanapaka ihany koa ny fihavanana amin’ireo mpiray tampo aminareo ? } {(23) Izy ireny no olona sy vahoaka voatitika sy voahozonan’ny Tompo Allah, ka lasa nataony marenina avokoa izy ireo no sady nataony jamba ihany koa ny fahitan'izy ireo.} [ Sourate Mohammad : 22-23 ] Ary niteny ilay ilay Iraaka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Tsy miditra amin'ny paradisa mihitsy ireo olona mirafy amin'ny havana na manapaka ny fifandraisana amin'ireo havana sy fianakaviana " Soahihi Moslim (R.h) 2556 Ary ireo havana sy fianakaviana izay nodidiana fa tsy mantsy tsara ny fomba andraisana azy ireo dia ireto avy izany : iray Ray aman-dreny niteraka sy ireo anadahy sy rahavavy ary ireo rahalahin-dray sy ny anabaviny miampy ireo rahavavin-dreny sy anadahiny.
Ary ny finoana Islam dia manamafy ny zon'ny mpiray vody rindrina na dia tsy mpino aza izy ireo ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary aoka mba tompoinareo i Tompo Allah, ary aza mba atambatrareo amin’ny zavatra hafa Izy, ary mba manaova ny tsara amin’ireo Ray aman-dreny niteraka anareo sy ireo izay havana akaiky ary ireo zaza kamboty ihany koa, tahaka izany ihany koa ny tokony hanaovana tsara an'ireo mahantra sy ireo havana mpifanolo-body rindrina miaraka amin'ireo mpifanolo-body rindrina tsy havana na koa ireo havana lavitra sy namana akaiky ary ireo mpandeha lavitra izay hita fa efa lany vatsy ary ireo andevo izay eo am-pelatananareo ka tena marina fa i Tompo Allah dia tsy tia ireo izay tia mam-panambony tena sy ny mpirehareha.} [ Sorate An-Nisà : 36 ] Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : ( Tsy nitsahatra mihitsy i Anjely Gabriel nananatra Ahy amin'ireo mpiray vody rindrina, ka lasa niafara ny fomba fieritreretako fa hoe izy ireo mety mbola handova Ahy ihany koa ). Soahihi Abi Daoud (R.h) 5152
33- Ny finoana iIslam dia nanao sy nametraka ireo sakafo sy ny zava-pisotro madio rehetra fa Halaly no sady mety azo hoanina, ary nandidy sy naniraka ary namporisika ny mba tokony hananan'olona ny fahadiovam-po sy ny fahadiovan'ny vatana ary ireo trano sy toeram-ponenana manontolo, ary nataony finoana Islam ihany koa fa azo atao ny fanambadiana, ary samy voabaiko amin'izany avokoa ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) satria izy ireo dia nalefa mba hamporisika ny rehetra amin'ny tsara avokoa.
Ny finoana iIslam dia nanao sy nametraka ireo sakafo sy ny zava-pisotro madio rehetra fa Halaly no sady mety azo hoanina ka Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Eh ! ry zanakolombelona tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo tsara ary Izy tsy mandray zavatra afa-tsy zavatra tsara, ary i Tompo Allah dia nandidy ireo vahoaka mpino Islamo amin'izay zavatra nandidiany ireo Iraka maro izay efa nifandimby teo aloha, ka hoy Izy nanao hoe : { Ô Ianareo ry Iraka, mihinàna amin’ireo zavatra tsara rehetra ianareo ary manaova asa soa ihany koa }. ary mbola niteny ihany koa Izy ka nanao hoe : { Ô ianareo vahoaka izay nino ! mihinàna ianareo amin’ireo zavatra tsara rehetra izay nomenay anareo }. avy eo Izy Mpaminany (s.w.a) nanome ohatra lehilahy iray izay manao dia lavitra, mikorontam-bolo sy feno vovoka ny endriny, mampiakatra ny tanany amin'ny lanitra izy, ka miantsoantso miteny hoe : Tompo ô, Tompo ô ! Nefa ny sakafony Haram, ny fitafiny Haram, ary izy voky zavatra Haram ; ka amin'ny fomba ahoana no hivalian'ny fangatahana izay ataony ? " Soahihi Moslim (R.h) 1015 Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Lazao ary teneno fa hoe : “ Iza tokoa ary no nandrara sy nisakana ny haingo ara-fitafiana avy amin’i Tompo Allah,izay navoakany ho an’ireo andevo mpanompony sy ireo tsara rehetra amin’ny an-jaramasoandro amin'ny lafiny sakafo ? ” Teneno ihany koa fa hoe : “ Izy ireo dia ho an’ireo vahoaka izay nino sy nanampinoana teto amin’ny fiainana ambonin’ny tany,ary dia ho azy ireo manokana ihany koa ny any amin’ny andro farany,andro ny fitsanganana amin’ny maty ” ka dia tahaka izany avokoa ny hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalàna } [ Sorate Al-Anraf : 32 ]
Ary ny finoana Islam dia mibaiko sy maniraka ary mandidy ny mba tokony hametrahantsika ny fahadiovam-po sy ny vatana ary ny trano fonenana, ka nohony amin'izany dia natao ho halaly fa mety ary azo atao ny fanambadiana tahakan'ny nanirahany Tompo Allah ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) mba hamporisika ny rehetra amin'ireo zavatra tsara sy mety rehetra ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary i Tompo Allah no nanao vady ho anareo avy tamin’ny tenanareo ihany nanatsoahany an'izany, ary mbola avy amin’ny vadinareo ireo ihany no nanomezana anareo hanaka sy zafy ary zafiafy, ary mbola nomeny anjaram-pivelomana tsara sy mendrika ianareo, ka moa ve ny diso sy ny fahadisoana indray no hinoan’izy ireo, ary ny amin'ny fahasoavan’i Tompo Allah no tsy an-kasitrahan’izy ireo fa lasa ametrahan'izy ireo indray ny fikomiana ? } [ Sorate An-Nahl : 72 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { (4) Ary Diovy avokoa ireo fitafinao.} { (5) Ary halaviro lavitra ny fahotana rehetra.} [ Sourate Al-Moddathir : 4-5 ] Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : ( Tsy miditra ao amin'ny paradisa mihitsy ireo olona manana ny fanambonian-tena na dia bilitika kely aza, ka dia niteny sy nilaza ilay lehilahy iray ka nanao hoe : raha ohatra ka misy olona iray mitia ny fitafiny mba ho tsara, ary ny kirarony ihany koa mba ho tsara, dia nilaza i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : Tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo tsara, ka izy mitia zavatra tsara, fa ny fanambonian-tena dia toetra milaza ny tsy fanekena ny fahamarinana sy ny fanambaniana ny olon-kafa ) Soahihi Moslim (R.h) 91
34- Ary ny finoana Islam dia efa nampifady avokoa ireo fototrin'ny fady rehetra tahakan'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa sy ny fikomiana Azy ary ny fanompoan-tsampy sy ny fitenenana ireo zavatra mahakasika an'i Tompo Allah tsy am-pahalalàna,tsy azo atao fa mandray fanampan-kevitra fa Haramo ny famonoana ireo zanaka na koa famonoana ireo olona tsy manantsiny amin'ny endrika tsy rariny sy ny fanakorontanana ny fiainana sy ny fiaraha-monina ny zanakolombelona eto ambony tany, tsy azo atao fa voarara ny famosaviana sy fanaovana ireo zavatra mahatsiravina amin'ny endrika miafina sy mibaribary, tsy azo atao fa voarara ny fijangajangana sy ny fanambadin'ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy,ary ny finoana dia efa nampifady ny zana-bola,ny kopindra sy izay rehetra natao sorona amin'ny alalan'ireo sampy sy sary vongana, ary mbola nampifadiany antsika koa ny henan'ny kisoa sy ireo zavatra maloto sy mamparikoriko ary norarana fatratra ny fihinanana ireo harenan'ny zaza kamboty sy ny fampihenana ny lanjan'entana izay alafo sy izay afatra eo amin'ny vato fandajana, ary voarara fa tsy azo atao ny manapaka ny fifandraisana amin'ireo havana sy fianakaviana,ka ireo Iraka sy Mpaminany rehetra dia samy mitovy avokoa amin'izany fandrarana izany.
Ary ny finoana Islam dia efa nampifady avokoa ireo fototrin'ny fady rehetra, tahakan'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa sy ny fikomiana Azy ary ny fanompoan-tsampy sy ny fitenenana ireo zavatra mahakasika an'i Tompo Allah tsy am-pahalalàna, tsy azo atao fa mandray fanampan-kevitra fa Haramo ny famonoana ireo zanaka tsy manantsiny amin'ny endrika tsy rariny ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno ary lazao fa hoe : “ Mitongava Ianareo mba hilazako izay rehetra noraran’ny Tomponareo Aminareo : ny aza mba manambana zavatra Aminy satria Izy no Tompo Allah, Tompo nareo, ary aoka Ianareo mba hanao ny tsara sy ny soa amin’ireo Ray aman-dreny, ary aza mamono ireo zanakareo Ianareo nohon'ny fahantrana izay mihatra eo amin'ny fiainanareo, fa Izahay no manome anjara masoandrom-pivelomana ho anareo sy hoan'izy ireo, ary aza mba manao sy manatona ny asa vetaveta Ianareo, na amin'ny endrika miharihary izany na koa amin'ny endrika miafina, ary aza mamono olona izay noraran’i Tompo Allah Ianareo afa-tsy amin’ny endrika mety sy amin'ny endrika rariny, ka izany indrindra no nanafarany Anareo angamba mba hisaina tokoa Ianareo.} { Ary aza manatona na manakaiky ny harena’ireo zaza kamboty Ianareo afa-tsy amin’ny fomba tsara sy mendrika indrindra, mandra-pahaleovan-tenan'izy ireo, ary ataovy amim-pahamarinana ny famàrana ny fentran-javatra sy ny vato fan-danjàna,ary izahay dia tsy mampizaka ny olona ireo zavatra tsy zakan'izy ireo, fa ny zavatra izay zakany ihany no hampizakana azy ireo, ary rehefa mba miteny Ianareo dia aoka mba miteny ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny na dia amin’ireo havana akaiky aza izany, ary tanterahinareo ny fifanekena rehetra tamin’i Tompo Allah, izany no nanafarany Anareo angamba mety ahatsapa tena Ianareo.} [ Sourate Al-An'am : 151-152 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Teneno ary lazao fa hoe : “ Tena marina fa noraran’ny Tompoko Allah fa tsy azo ataoo ireo asa vetaveta rehetra mamoampady, na amin'ny endrika miharihary izany na amin'ny endrika miafina na ny fanaovana fahotana ka ny fihetraketrahana tsy amim-pahahamarinana, sy ny fanakambananareo an’i Tompo Allah amin’ny zavatra izay tsy nampidinanay porofo na dia kely aza, ary tsy azonareo atao ny fitenenana ny teny mahakasika an'i Tompo Allah amin’izay tsy hanananareo fahalalàna ” } [ Sorate Al-Anraf : 33 ]
Ary nandrara sy nisakana koa ny finoana Islam : fa tsy azo atao ny famonoana ny olona izay tsy manantsiny izay tsy azo vonoina, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary aza mamono ny aina izay nofadian’i Tompo Allah sy norarany ianareo, raha tsy amim-pahamarinana ihany, ka na iza na iza nivonoina amin'ny fomba tsy ara-drariny, dia omenay fahefana feno manotolo ireo havany handray andraikitra ny amin'izany, ka aoka izy tsy hihoa-pampana amin’ny famonoana izany, satria tena ho voavonjy amin’ny alalan’ny lalàna marina tokoa Izy.} [ Sorate Al-Isrà : 33 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary ireo izay tsy miantso zanahary hafa miaraka amin’i Tompo Allah, no sady tsy mamono aina izay voararan’i Tompo Allah raha tsy amin’ny fomba feno fahamarinana ihany, ary tsy mijangajanga ihany koa ka na iza na iza ireo izay mikasa sy minia ny hanao izany dia lazaina fa ahazo ny sazy sy ny famaizana }. [ Sorate Al-Forkane : 68 }
Ary nandrara sy nisakana koa ny finoana Islam: ny tsy tokony hanakorontanana ny fiainana eto an-tany ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary aoka ianareo tsy hanimba ny tany taorian’ny fahatsarany,} [ Sourate Al-A'raf : 56 ] Ka nilaza sy niteny mahakasika an'i Mpaminany Shoe'mb (A.s) i Tompo Allah ka nilaza tamin'ny vahoakany nanao hoe : { “ Eh ry vahoakako ! aoka mba tompoinareo i Tompo Allah, satria tsy manana Zanahary hafa ankoatra Azy ianareo. efa tonga taminareo avokoa ny porofo avy tamin’ny Tomponareo, ka ataovy marina ny famàrana sy ny fandanjana, ary aza manome olona latsaky izay tokony ho omena azy, ary aza manao ny asa fanimbana eto an-tany ianareo aorian’ny fanatsarana azy,satria izany rehetra izany dia tsara ho anareo raha toa ka tena mpino ary manampinoana marina ianareo.} [ Sorate Al-Anraf : 85 ]
Ary nandrara sy nisakana koa ny finoana Islam: ny tsy tokony hanaovana ireo zavatra mahakasika ny famosaviana ka Niteny marina ila avo Tsitoha i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary atsipazo izay eo amin’ny tànanao an-kavanana ny mba hitelina izay rehetra namboarin’izy ireo izany, satria tena marina fa izay namboarin’izy ireo dia hevi-petsin’ny mpanao majika fotsiny izany, ary ny mpanao majika dia tsy hahita fahombiazana na aiza na aiza ny toerana misy azy.} [ Sorate Taha : 69 ] Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Aoka mba ho tandremanareo mafy ary tena hiatahanareo lavitra avokoa ireo zavatra fito izay hita fa mamparendrika, ka nilaza ireo mpiara-dia taminy hoe : O ry Iraka mahafatokin' i Tompo Allah, fa inona avokoa izany ?, niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : ny Fanakambanana Tompo Allah amin'ny zavatra hafa sy fanaovana sikidy sy famosaviana ary ny famonoana ireo olona izay noraran'i Tompo Allah sy fihinanana ny zana-bola sy fihinanana ihany koa ireo harenan'ny zaza kamboty sy ny fandosirana amin'ny ady masina ary fanendrikendrehana ireo vehivavy madio amin'ny fijangajangana " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 6857,
Ary ny finoana Islam dia efa nandrara ireo fahotana mahatsiravina avokoa na amin'ny endrika mibaribary na amin'ny endrika miafina sy ny fijangajangana ary ny fiarahan'ny lahy sy ny lahy ary ny vavy sy ny vavy, ary efa voalaza teo amin'ny fehin-tsoratra voalohany ny fanambarana ireo andian'ny porofo mahakasika izany ary nandrara ny fihinanana ireo zana-bola koa ny finoana islam, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { 278- Ô ianareo izay nanampinoana ka nino an'i Tompo Allah ! Matahora an’i Tompo Allah ianareo,ary avelao izay sisa tavela tamin’ny Ribà ireo zana-bola raha toa ka tena mpino manampinoana marina ianareo.} { 279- Ary raha tsy manao izany kosa ianareo, dia raisinareo ny fanambarana ny ady avy amin’i Tompo Allah sy ny Irany, fa raha mibebaka kosa ianareo, dia ho anareo avokoa ny renim-bolanareo, ka aoka tsy hanambaka ny hafa ianareo, ary tsy tokony ho hambakaina ihany koa.} [ Sorate Al-Bakarat : 278-279 ] Ary i Tompo Allah dia mbola tsy nampitandrina ny mpanao fahotana iray ka hiady Aminy tahakan'ny fampitandremana izay nataony amin'ireo olona mpihinana ny zana-bola fa hoe hiady Aminy, satria izany zana-bola izany dia manapotika ireo finoana maro samy hafa sy ireo tanàna ary ireo harena maro samy hafa sy ireo vatana am-panahy.
Ary nisakana sy nandrara koa ny finoana Islam : ny fihinanana ireo zavatra maty ho azy,maty kompindra, sy ireo biby natao sorona amin'ny sampy sy sary vongana, ary ny henan'ny kisoa,ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Natao fady taminareo avokoa ireo biby maty ho azy,ny rà sy lio, ny henan-kisoa, ary izay niantsoana anarana hafa an-koatran’i Tompo Allah, ny biby nokendana, ny biby maty noho ny kapoka, na maty nianjera, na maty azon’ny tandroka, ary izay nivonoin’ny bibidia afa-tsy izay nodidinareo ; voarara ho Anareo ihany koa ny biby izay natao sorona amin’ny sampy, ary koa ireo izay nozaraina ankitsapaka amin’ny alalan’ny zana-tsipika ; satria izany dia haratsiana.} [ Sourate Al-Maïdat : 3 ]
Ary nisakana sy nandrarà ihany koa ny finoana Islam : ny fisotrona toaka sy zavamaha-domelina sy ireo zavatra maloto sy ratsy, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : {90- O Ianareo izay nino ! tena marina fa ny toaka sy ny loka sy ireo vato natao sampy ary ireo zana-tsipika fanandroana dia izy rehetra ireo no zava-mahatsiravina no sady anisan’ny asan’ny satana ka aoka mba halavironareo lavitra dia lavitra izany rehetra izany, angamba mety ahazo fahombiazana Ianareo.} {91- Tena marina fa i Satana dia mila handatsaka Anareo ao anatin’ny fifanoherana sy ny fifankahalana avy amin’ny toaka sy ny loka, ary hanakana Anareo ihany koa amin’ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah sy amin’ny Soalat, ka moa ve hitsahatra amin’izany ve Ianareo ? } [ Sourate Al-Maïdat : 90-91 ] Ary efa voalaza teo amin'ny fehin-tsoratra laharana (31) ny fampatsiahivana nataon'i Tompo Allah fa anisany zavatra nolazain'i Mpaminany (s.w.a) ao anaty Taorata ny fandrarany ireo zava-dratsy, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ireo izay manaraka ilay Iraka sy Mpaminany tsy mahay manoratra no sady tsy mahay mamaky, Izy no efa hitan’izy ireo voasoratra ao anaty Boky Thora sy ny Boky Evanjely, ka Izy no mandidy azy ireo amin’ny tsara ary mandrara azy ireo amin’ny ratsy, ary no sady manome alàlana azy ireo amin’ny tsara toy ny sakafo ary mandrara azy ireo kosa amin’ny ratsy, ary Izy no manala azy ireo amin’ny fitondrasana ny enta-mavesatra sy ireo zioga izay teo tamin’izy ireo. fa ireo izay mino sy manohana ary manampy Azy kosa, ary manaraka ny fahazavana izay nampidinina Taminy; ka izy ireny no ahazo ny fahombiazana ”.} [ Sorate Al-Anraf : 157 ]
Ary voarara fa Haramo no sady fady tsy azo atao fa nisakanan'ny finoana Islam ny fihinana ireo harenan'ny zaza kamboty ka Niteny i Tompo Allah fa hoe : { Ary omeo ireo kamboty ny harenan'izy ireo sy ny fananan’izy ireo, ary aza ampifanakalozinareo amin'ny ratsy ny tsara, ary aza mihinana ny fananan’izy ireo ianareo miaraka amin’ny fanananareo,fa fahotana lehibe tokoa izany.rehetra izany } [ Sourate An-Nisà : 2 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa hamafisina etoana, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo zaza kamboty amin’ny tsy rariny, dia tena lazaina fa izy ireo dia mihinana afo ao an-kibon'izy ireo, ary hirehitra ao amin’ny afobe no hiafaran'izy ireo.} [ Sourate An-Nisà : 10 ]
Ary nisakana sy nandrarà koa ny finoana Islam : ny fangalaran-danja sy fampihenana ny fatran'entana ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Loza ho an’ireo mpisoloky,} { 2- Ireo izay mitaky fahamarinam-patra rehefa mamatra ho an’ny tenany avy amin’ny olona izy ireo,} { 3- Fa rehefa mamàtra na mandanja ho an’ny olon-kafa kosa izy ireo, dia mangalatra.} { 4- Moa ve tsy mihevitra izy ireo fa mbola hatsangana amin’ny maty indray ? } [ Sourate Al-Motaffifina : 1-4 ]
Ary ny finoana Islam koa dia nandrarà ny fanapahana fifandraisana amin'ireo havana sy fianakaviana, ary efa voalaza amin'ny fehin-tsoratra (31) ny fanambarana ireo andiany sy ireo petra-bolan'ny Mpaminany (s.w.a) mahakasika izany, ary ireo Mpaminany sy Iraka (A.s) dia miara-manaiky amin'ny fandrarana izany.
35- Ny finoana Islam dia mandrarà ireo toetra ratsy sy ireo toetra tsy mendrika rehetra tahakan'ny lainga, fitaka amin'ny varotra, mivadika amin'ny fifanarahana, fitaka amin'ny resaka, fialonana, teti-dratsy, halatra, fanaovana ny tsy rariny, fikatramoana, ary nandrarà ireo toetra ratsy rehetra.
Ny finoana Islam dia manakana ny fomba ratsy rehetra ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary aza ahodina na hatodika hiala ny olona ny tavanao sy tarehinao, ary aza manitsaka ny tany amim-piavonavonana Ianao,fa tena marina fa i Tompo Allah dia tsy tia izay rehetra manana toetra miavonavona sy toetra feno fireharehana.} [ Sourate Lokmane : 18 ] Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : ( Anisan'ireo tiako indrindra aminareo ary akaiky Ahy amin'ny andro farany dia ireny olona izay hita fa manana toetra tsara sy fitondra-tena mendrika indrindra, fa anisan'ireo olona halako indrindra aminareo sy lavitra ahy amin'ny andro farany dia, ireo olona be resaka, ireo manao tsara resaka, ary ireo " motafayhakona " ary nilaza taminy ireo mpiara-diany ka nanao hoe : fantatray ireo be resaka, ireo manao tsara resaka, fa inona ary " motafayhakona " ? dia namaly izy manao hoe : Mpanambony tena ) Silsilat As-Sahih : 791
Ny finoana Islam dia manakana ny lainga ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia tsy manitsy ireo mpandanindany fona sy ireo mpandainga } [ Sourate Ghàfir : 28 ] Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Ary mitandrema ianareo amin'ny lainga, satria ny lainga dia mitarika olona amin'ny haratsina, ary ny haratsina izany dia mitarika olona amin'ny afobe, ary raha mbola tsy mitsahatra ny olona iray milaza ny lainga matetika foana amin'ny fiainany afa-tsy hoe ho soratana mihitsy fa hoe olona mpandainga Izy " Soahihi Moslim (R.h) 2607 Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Ny famantarana ireo olona mpiatsara velatsihy dia telo : rehefa miresaka Izy dia mandainga ary rehefa mampanantena zavatra Izy dia mitsipaka, ary rehefa hametrahana fahatokisana Izy dia mivadika ankitsirano eo no eo " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 6095,
Ny finoana Islam dia manakana mafy ny fitapitaka amin'ny resaka varotra Arakan'ny petra-bolana dia indray andro i Mpaminany (s.w.a) nandalo tamin'ny mpivarotra sakafo iray, ka nampidiriny tao amin'ilay etambarotra ny tànany,ka nahatsikaritra fa mando ny tànany rehefa navoakany avy tao, dia niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Inona ity o ! ry tompon'ny sakafo ? " namaly Izy ka niteny nanao hoe : azon'orana izy io o ! ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah,niteny i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe :: fa maninona ary no tsy mba nataonao eo ambony amin'izay mba hitan'olona ka izay mamitaka dia tsy anisan'ny namanay no tsy mpanara-dia anay " Soahihi Moslim (R.h) 102
Ny finoana Islam dia manakana ny fivadihana sy ny fitaka ary fametsifetsena ka Niteny i Tompo Allah nanao : { O ianareo vahoaka mpino, aza mba mivadika amin’i Tompo Allah sy ilay Irakany ianareo ary aza mivadika amin’ny fitokisana izay napetraka taminareo, satria ianareo anefa dia mahalala sy mahafantatra izany } [ Sourate Al-Anfal : 27 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ireo izay nanatanteraka ny fifanarahan’izy ireo tamin’i Tompo Allah sy izay tsy nitsipaka an'izany fifanarahana izany,} [ Sourate Ar-Ràd : 20 ] Ary ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) niteny sy nilaza tamin'ireo tafika, miaramilany rehefa mivoka ka manao hoe : " Manafia fa aza mba mandika lalàna kosa no sady aza mamadika, ary aza mba manao na mandray olona iray atao ohatra, ary aza mba mamono ireo zaza sy ankizy." Soahihi Moslim (R.h) 1731 Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Ireto zavatra efa-tra ireto raha toa ka hananan'olona iray dia eo tena voatsikaritra tokoa fa mpiatsara velatsihy marina Izy, ka raha tsy avelany izany toetra izany dia tsy hafaka Izy : rehefa omena toky sy fahatokisana Izy dia mivadika ary rehefa miresaka Izy dia mandainga, ary rehefa manome fampanantenana Izy dia mitsipaka, ary raha miady hevitra amin'ny hafa Izy dia tsy vita moramora ka miafara amin'ny hady ratsy " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 34,
Ny finoana Islam dia manakana ny fialonana ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Moa ve izy ireo dia hialona ny olona amin’ny fahasoavana izay nomen’i Tompo Allah azy ireo ? efa nomenay an’ny fianakavian’i Mpaminany Ibrahimo (A.s) ny Boky sy ny fahendrena, ary efa nomenay azy ireo ihany koa ny fanjakana lehibe sy goavana indrindra.} [ Sorate An-Nisà : 54 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Irin'ny maro amin’ireo olon’ny Boky, ny mba hiverenanareo taorian’ny finoanareo ka miverina tsy ho mpino indray, ka izany dia nohon'ny fialonana misy amin’izy ireo, taorian’ny nahafantaran’izy ireo ny fahamarinana,ka mamelà ary manadinoa ianareo, mandra-pandefasan’i Tompo Allah ny didy amambaikony,fa tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo mahefa ny zava-drehetra } [ Sourate Al-Bakarat : 109 ] Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Niparitaka aminareo avokoa aretin'ireo vahoaka teo aloha : ny fialonana, ny fampifahavaloana, izany dia hety, Izaho kosa tsy milaza hoe hetezo ny volo, fa mihety finoana, fa mifanta Aho amin'ilay fofon'aiko eo Aminy, fa tsy hiditra ao amin'ny paradisa mihitsy ianareo raha tsy mino, ary tsy ho hino ianareo raha tsy mifankatia, ka moa ve tsy ampahafantariko anareo ny zavatra ampifikitra izany aminareo ? aparitaho ny fifampi-arabahana " salam " aminareo samy anareo " Sounany At-Tirmizi (R.h) 2510
Ny finoana Islam dia manakana ny teti-dratsy ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tahaka izany no nametrahanay ireo lehiben’ny mpanao heloka isakin'ny tanàna mba hanaovan'izy ireo ny teti-dratsy ao, nefa ny tena marina tsy manao teti-dratsy amin'ny toeran-kafa izy ireo afa-tsy amin’ny tenany izy ireo ihany, saingy tsy tsapan’izy ireo akory izany } [ Sourate Al-An'am : 123 ] Ary nambaran'ny Tompo Allah sy nampahafantariny ihany koa fa ireo Djiosy nila namono an'i Mpaminany Mesia (A.s) ary nanao teti-dratsy fa i Tompo Allah kosa no efa nanao sakana ho an'izany ary efa nazavain'i Tompo Allah fa ny teti-dratsy dia tsy mendrika afa-tsy ho an'izay mpanao an'izany ihany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { 52- Ary rehefa nahatsapa sy nahatsikaritra ny fikomiana izay mifanohitra tanteraka tamin'ny finoana izay nisy tamin’izy ireo i Mpaminany Issa i Djesoa (A.s), dia niteny Izy ka nanao hoe : “ Iza no hanampy Ahy amin’ny làlan’i Tompo Allah ? " namaly ka niteny ireo Al-haoàriòna [45] Apostoly izay niara-dia tamin'ny ka nanao hoe : " Izahay dia mpanampin’i Tompo Allah no sady mino an’i Tompo Allah izahay, ary aoka Ianao mba hitsangana ho vavolombelona fa izahay dia manaiky Azy tokoa ” } {53- “ Tomponay ô ! Nino an'izay rehetra nampidininao izahay, ary avy izany no nanarahanay ny Iraka, ka mba sorato ho anisan’ireo vavolombelona izahay ".} { 54- Ary nanao tetik’ady izy ireo, ka nanao tetik’ady hafa ihany koa i Tompo Allah, ary i Tompo Allah no tsara tetik’ady indrindra.} { 55- Raha niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : " Ô ry Mpaminany Issa (A.s) ! Tena marina fa ho tamperiko avokoa ny fiainanao, ary hampiakatra anao aty Amiko Aho, sy hanadio anao tanteraka amin’ireo vahoaka izay tsy nino sy tsy nanampinoana, ary hametraka sy hanao ireo izay nanara-dia anao ho eo ambonin’ireo izay tsy nino, mandra-pahatongavan’ny andro farany androny fitsanganana, avy eo dia aty Amiko no hiverenanareo rehetra, ka hitsara anareo Aho hoy Tompo Allah amin’izay rehetra nampifanolana anareo ”.} [ Sourate Al-Imrane : 52-55 ] Any nampahafantarin'i Tompo Allah fa ireo vahoakan'ny Mpaminany Soaleh (A.s) dia nitady ny hamono Azy, ary nataon'izy ireo avokoa ireo tetika izay ahavitan'izy ireo an'izany, ka novonoin'i Tompo Allah izy ireo ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { 49- Niteny izy ireo ka nanao hoe : mifanta sy mianiana amin’i Tompo Allah izahay fa tena hanafika Azy tokoa sy ireo fianakaviany amin’ny alina, avy eo dia hiteny tokoa izahay amin’ireo izay nomena andraikitra ny mba hamaly faty Azy ka hiteny hoe : izahay dia tsy nahita ny famonoana ny fianakaviany, ary izahay dia olona mpilaza ny marina } { 50- Nanao tetik’ady izy ireo, dia nanao tetik’ady hafa ihany koa izahay, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa an'izany.} { 51- Koa jereo ary ahoana no fiafaran’ny tetik’adin’izy ireo : naringanay avokoa izy ireo sy ny vahoakany rehetra teo ambany fiadidian'izy ireo.} [ Sourate An-Naml : 49-51 ]
Ary ny finoana Islam dia manakana ny halatra ka Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah i (saw) ka nanao hoe : " Tsy manao fijangajangana mihitsy ny olona iray eo am-panaovana izany fijangajangana izany ka mbola ho lazaina fa hoe mpino Izy,ary tsy mangalatra ny olona iray eo am-panaovana an'izany halatra izany ka mbola ho lazaina Izy fa hoe mpino,ary tsy misotro toaka ny olona iray eo am-panaovana izany ka mety mbola ho lazaina fa hoe mpino, ary ny fibebahana manaraka aorian'izany rehetra " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 6810,
Ny finoana Islam dia manakana ny fanaovana ny tsy rariny ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena marina fa i Tompo Allah dia mandidy ny rariny, sy ny fanaovan-tsoa ary ny fanampiana an'ireo havana akaiky, fa Izy kosa dia mandrara ny vetaveta, sy ny asa ratsy ary ny fikomiana,ka mananatra anareo Izy, angamba ianareo mbo ahatsiaro tena. } [ Sourate An-Nahl : 90 ] Niteny ilay ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia nandefa faminaniana Tamiko nilaza ny fanetre-tenanareo ny amin'izay hoe tsy mba ho hisy olona hanao ny tsy rariny amin'ny namany, ary tsy hisy olona hiebohebo ihany koa amin'ny namany " Soahihi Abi Daoud (R.h) 4895
Ny finoana Islam dia manakana ny fikatramona ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tena marina fa i Tompo Allah dia tsy mankatia ireo mpikatramo } [[ Sourat al Imran : 57 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina tokoa fa tsy ho sambatra mihitsy ireo mpikatramo } [ Sourate Al-An'am : 21 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary ireo mpikatramo dia efa nomanina ho azy ireo ny sazy sy famaizana mamirifiry } [ Sourate Al-Insàny : 31 ] Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Misy andian'olona telo ny hatakan'izy ireo dia voaray fa tsy miverina izany ka anisany izany dia : Ny mpitarika na mpitondra marina, sy ny mpifehivava mandra-panapahany ny fifadian-kanina nazy, ary ny hataka ataon'ireo olona voakatramo sy tratran'ny tsindry hazo lena, ka hiakatra amin'ny rahona izany ary dia hisokatra ho amin'izany ireo vavaran'ny lanitra, ka miteny sy milaza ilay Tompo Avo tsitoha manao hoe : amin'ny heriko manontolo no hiarovako anao na dia any aoriana any aza izany " Voarakitra amin'ny Boky ny Moslim (R.h) (2749) fohifohy no sady misy tsy fitovizana kely,ary ny amin'ny Boky ny Tirmizi (R.h) (2526) misy tsy fitovizana kely ihany koa, ary Boky ny Ahmad (8043) sy ireo fehiteniny. Rehefa naniraka Moua'z (R.d) nankany tany amin'nyy tanana ny Yemenina mba hiantso ny olona rehetra tsy an-kanavaka ho any amin'ny finoana Islam i Mpaminanay Mohammad (s.w.a) ka anisany zavatra nolazainy Taminy nanao hoe : " Atahory ny hataka ataon'ireo olona voakatramo sy ireo izay tratrany tsindry azo lena fa ny hatakan'izy ireo dia tsy misy mpanelanelana eo Aminy sy Tompo Allah ny amin'izany na dia kely aza " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 1496, Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Izay nikatramo sy nanao tsindry hazo lena dia ireo no olona efa nanao fifanarahana, na koa nanambany ny momba azy, na nampizaka azy ny zavatra izay tsy zakany, ary naka na nandray Taminy izay zavatra vokatrin'ny fony, fa Izaho dia hifanazava Aminy amin'ny andron'ny fitsanganana ". Sonany Abi Daoud (R.h) 3052 Fa ny finoana Islam, tahakan'ny fahitanao azy dia finoana manakana ny toetra ratsy rehetra na koa fomba feno tsindry hazo lena na ny fitaka.
36- Ny finoana Islam dia mandrarà sy misakana ny fiaraha-miasa ara-bola amin'ireo zavatra izay ahitana zana-bola na mampidi-doza na fitaka na tsindry hazo lena, na fitaka ara-barotra, na ireo zavatra mitarika amin'ny lozan'ny fiarahamonina na ny mpiara-belona na olon-tokana.
Ny finoana Islam dia mandrarà sy misakana ny fiaraha-miasa ara-bola amin'ireo zavatra izay ahitana zana-bola na koa zavatra mampidi-doza na misy fitaka sy ny tsindry hazo lena, na koa misy fitaka ara-barotra sy amin'ireo ireo zavatra mitarika amin'ny loza eo amin'ny fiarahamonina na ny eo amin'ny mpiara-belona na dia olon-tokana aza. Ary voalaza teo aloha eo amin'ny fehin-tsoratra ny fanambarana ireo andininy sy petra-bolana izay mandrarà sy misakana ny zana-bola na koa ny katramo na ny fitaka ara-barotra na ny fanakorontanana eto an-tany ka Niteny Tompo i Allah nanao hoe : { Ary ireo izay manao zavatra manafintohina ireo vahoaka mpino lahy sy mpino vavy, manoloana an'ireo zavatra tsy amin’ny hadisoana izay mendrika hanenjehana azy ireo, dia efa lazaina fa tena mizaka lainga be vava sy fahotana miharihary ireo izay nahasahy nanao an'izany amin'izy ireo.} [ Sourate Al-Ahzab : 58 ] Ary nilaza sy niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Fa izay manao ny asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny asa ratsy kosa, dia fahavoazana mian-tefa ho azy irery ihany koa izany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ireo mpanompony.} [ Sourate Fossilat : 46 ] Araky ny petra-bolana hita amin'ny fomba amampanaon'i Mpaminany (s.w.a) fa hoe : " tena marina tokoa fa i Mpaminany (s.w.a) dia nametraka lalàna fa hoe aza mandoza na koa manaiky asina loza " Sonany Abi Daoud(R.h) Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Izay olona mino an'i Tompo Allah sy ny andro farany dia aoka Izy mba hanao ny tsara amin'ireo olo mpifanolo-body rindrina Aminy ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny andro farany dia aoka Izy mba hikarakara tsara ny vahininy, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny andro farany dia aoka Izy mba hiteny ireo teny tsara na hangina, fa misy fanambara hafa voalaza ihany koa fa hoe : manaova soa sy tsara amin'ireo mpifanolo-body rindrina Aminareo " Soahihi Moslim (R.h) 47 Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " Nampijalin'ny vehivavy iray ny saka, ary nogadrainy ka niafara naty ilay izy, ka avy amin'izany toetra ratsy izany no nampiditra azy any amin'ny afobe, satria tsy nomeny sakafo, tsy nampisotrony sy nofatorany ary tsy navelany nihinana ireo zavatra teo amin'ny tany " Soahihi Al-Boukhary (R.h) 3482, Izany dia ho an'izay nampijaly saka, ka dia ahoana kosa ary ireo izay mampijaly olona, araky ny petra-bolana izay nolazain'i Ibn Omar (R.d) nanao hoe : Niakatra teo amin'ny minbary i Mpaminany (s.w.a) ka niantso amin'ny feo avo, ka nilaza nanao hoe : ( O Ianareo izay hoe silamo amin'ny lela nefa tsy mbola nino amin'ny fony akory, aza mampijaly namana silamo Ianareo, ary aza alaina baraka izy ireo no sady aza harahina ireo henatr'izy ireo, fa izay manaraka ny henatr'izy ireo Aminareo dia harahin'i Tompo Allah ihany koa ny azy ireo, ka izay harahin'i Tompo Allah ny henatrany dia ho havoakany na dia ao an-kibon'ny biby fitaingenany aza, ka Niteny izy nanao hoe : ary i dray andro i Ibn Omar (R.d) nijery ny trano na koa ny Kaaba, ka niteny hoe : Be ny voninahitrao, be ny hasinao, fa ny mpino kosa dia be voninahitra eo anatrehan'ny Tompo mihaotra anao) Voarakitra amin'ny Boky ny Tirmizi (R.h) (2032) ary amin'ny Boky ny Ibn Hibbany (R.h) ihany koa (5763) Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : ( Izay olona mino an'i Tompo Allah sy mino ny fisiany andro farany dia aoka Izy mba hanao ny tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy ; ary izay mino an'i Tompo Allah sy mino ny fisiany andro farany dia aoka Izy ihany koa mba hikarakara tsara ny vahininy ary izay mino an'i Tompo Allah sy mino ny fisiany andro farany dia aoka mba hiteny teny tsara na koa na hangina ) Soahihi Al-Boukhary (R.h) 6018, Arakan'ny petra-bolana noentin'i Aby Horayrat, niteny i mpaminany (saw) : "fantatrareo ve ny maty antoka ?" Niteny ireo mpiara-dia aminy : Ny maty antoka aminay dia ireo tsy manam-bola na entana. Niteny i mpaminany (saw) : "Marina tokoa fa ny maty antoka amin'ny vahoako dia izay tonga amin'ny andron'ny fitsanganana nitondra ny fifehezany, ny soalat "fivavahany", ny zakat, ary tonga koa izy niteny ratsy tamin'olona, nanendrikendrika olona amin'ny fijangajangana, nihinana haren'olona, ka hanalana ny asa soany omena amin'ny asa soan'izay nanaovany ratsy, raha toa ka lany ireo asa soany alohan'ny hitsarana azy dia, alaina ireo ota izay nataon'ireo olona nanaovany ratsy ka atoraka any aminy avy eo atoraka any amin'ny afobe izy) Voarakitra amin'ny Boky ny Moslim (R.h) (2581) Boky ny Tirmizi (R.h) (2418) Boky ny Ahmad (R.h) (8029) ary ny fehin-teny ho azy.
Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : ( Teo amin'ny làlam-be izay fandalovany rehetra dia nisy tapa-kazo izay mampijaly ny olona maro nifamezivezy teo an-dalana ka nesoron'ilay lehilahy teo an-dalana ilay izy ka avy amin'izany asa tsotra izany no anisany antony nampiditra Azy ho anisan'ireo olona farany tafiditra tao amin'ny paradisa ) Voarakitra amin'ny Boky ny Bokhary (R.h) (652) amin'ny dikany, ao amin'ny Booky ny Moslim (R.h) (1914) tahak'izany koa, amin'ny Boky ny Ibn Màjah (R.h) (3682), ary amin'ny Boky ny Ahmad (R.h) (10432) fa ny fehin-tsoratra ho izy roa, fa ny fanalana ireo zavatra manahirana ny vahoaka amin'ny làlana dia anisany asa mampiditra olona amin'ny paradisa, ka dia ahoana ary no andraisanao ireo olona hita fa mampijaly ny hafa sy manakorontana ny fiainan'izy ireo.
37- Ny finoana Islam dia tonga hiaro tanteraka ny sain'ny zanak'olombelona ary nandrarà ihany koa ireo zava-drehetra izay hita fa mety manimba ny saina sy manakorontana izany saina izany toy ny fisotroana toaka sy fifohana ny zava-mahadomelina, ary tena nampiakariny finoana Islam amin'ny toerana mendrika azy ny saina,no sady nataony ho tompon'andraikitra voalohany amin'ny zava-drehetra, ary tena nesoriny sy niarovany mafy mba tsy ho tratrany resaka fanandevozana ara-tsaina manoloana an'ireo fanompoan-tsampy sy finoanoam-poana ffa mila saina matotra sy madio, ka ato anatin'ny finoana Islam dia tsy misy ny hoe tsiambara-telo miafina zany ary tsy ahitana lalàna tokana ho an'ny sasany ka tsy hiatra amin'ny sasany izany, fa ireo lalàna sy fomba rehetra ato dia mifanaraka avokoa amin'ireo toetra tsara sy toetra mendrika, ka izany ihany koa dia mifanaraka amin'ny fahamarinana sy ny fahendrena.
Ny finoana Islam dia tonga hiaro mandrakarina ny saina ary hampiakatra ny anjara-toerana mahakasika azy sy ny asa amandraikitra izay sahany amin'izany, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ny taova fandrenesana sy ny fahitana ary ny fo, dia tsara ho hamafisina etoana fa tsy maintsy ho anontaniana avokoa ny amin’izany ny rehetra amin'olombelona.} [ Sourate Al-Isrà : 36 ] Ka Obligatoara ary tsy maintsy ataon'ny olona tsy rairay ny miaro ny saina eo aminy ka avy amin'izany indrindra no nahatonga ny finoana Islam nandra ary nampafady ny toaka, sy ireo zava-mahadomelina maro samy hafa, ary efa voalazako ny maha fady sy Haramo ny toaka eo amin'ny fehin-tsoratra laharana (34), ary betsaka ireo andiany tenin'ny soratra masina ao amin'ny Boky masina Koroany, izay hifarana amin'ny tenin'ny Tomponao manao hoe : { Angamba ho hanan-tsaina matotra ianareo } [ Sourate Al-Bakarat : 242 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tsy inona akory ny fizotrany fiainana eto an-tany raha tsy kilalao sy rendrarendra fotsiny ihany, fa ny fonenana any an-koatra kosa dia tsara indrindra ho an’izay matahotra sy manampatahorana an'i Tompo Allah, ka moa ve tsy mba misaitsaina ianareo ny amin'izany? } [ Sourate Al-An'am : 32 ] Ary niteny sy nilza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa nampidininay Taminy tokoa ny Boky masina Koroany tamin'ny fiteny arabo, angamba hisaina amin'izany ianareo.} [ Sourate Yosof : 2 ] Ary nazavain'i Tompo Allah fa ny fahitsina sy ny fahendrena dia tsy misy olona mety ahazo an'izany afa-tsy ireo olona manan-tsaina ary izy ireo dia olona maranin-tsaina, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Izy Tompo Allah no mpanome ny fahendrena amin'izay olona tiany sy sitrany, ary izay efa nomeny an'izany fahendrena izany dia efa lazaina fa nahazo fahasoavana maro, ary tsy misy mahatsapa sy mahatakatra izany rehetra izany afa-tsy ireo olona matsilo saina.} [ Sorate Al-Bakarat : 269 ]
Ary avy amin'izany indrindra no nametrahany finoana Islam fa ny fisiany saina ary fananan-tsaina no antony iray nahatonga ny maha tompon'andraikitra voalohany ny olombelona eo amin'ny fiainany ka Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) nanao hoe : " Miantona no sady mitsahatra tsy manoratra ny peninan'ireo Anjely ary tena tsy maha voaray zavatra an-tsoratra mihitsy ny mahakasika ny asan'olombelona amin'ny toera anaki-telo ka ireto avy ary izany : rehefa amin'ny fotoana misy olona iray matory ka hatramin'ny fotoana izay hifohazany dia tsy mandray antsoatra ny momba azy ireo Anjely, amin'ny fotoanan'ireo ankizy mbola zaza tsy ampy taona, ary ireo olona adala niarany hadalana mandra-pahatongavan'ny sainany " Voarakitra ao amin'ny Boky ny Bokhary (R.h) izay miankina amin'ny endrika tapaka alohan'ny petra-bolana (5269) amin'ny dikany, ao amin'ny Boky ny Abi Daoud (R.h) mifampitohy (4402) ny fehin-teny ho azy, amin'ny Boky ny Tirmizi (R.h) (1423), ao amin'ny Boky Nasày (R.h) amin'ny ((As-Sonanol kabir)) (7346), amin'ny Boky ny Ahmad (R.h) (956) misy tsy fitoviana kely, ary Boky ny ibn Màjah (R.h) (2042) fohifohy. Ary nesoriny tamin'ny figadrana izany foroporona sy sampisampy izany ka Niteny i Tompo Allah mampahafantatra ny mahakasika ireo vahoaka teo aloha, manoloana an'ireo forona izay nisy ka namaly Izy arakan'ny fomba izay azo avy amin'i Tompo Allah nanao hoe : { Ary torakin'izany mihitsy koa ny tsy nandefasanay ireo mpampitandrina talohanao tamin’ny tanàna iray afa tsy hoe notenenin’ireo manan-katao amin'ny famalian-teny hoe : “ Izahay dia efa nahita ny Razambenay tamin’ny fivavahana iray izao,ka lasa nanaraka ny dian’izy ireo izahay ”.} [ Sourate Az-Zoukhroufat : 23 ] Ka nanambara mahakasika an'i Abraham (A.s) i Tompo Allah ka nilaza sy niteny tamin'ny vahoakany nanao hoe : { Mba inona arry ireto sary vongana izay tompoinareo sy hian-kohofanareo ireto } { 53- Namaly izy ireo ka niteny nanao hoe : “ efa nihitanay ireo razambenay efa nanompo azy ireo tany aloha tany ”.} [ Sourate Al-Anbyà : 52-53 ] Ary tonga ny finoana Islam dia naniraka ny olona rehetra avy hatrany ho amin'ny famelana sy fiatahana ny fanompoan-tsampy sy ny finoanoam-poana izay tsy maripototra nilovaina tamin'ireo Ray aman-dreny sy ireo Ray be tany aloha tany ka aoka mba hanaraka ireo Iraka rehetra (A.s) izay nifandimby ka niafara tamin'ny (s.w.a).
Ary tsy misy zava-miafina ato anaty finoana Isl, tsia tsy misy an'izany ato ary tsy misy ny ahazo an'izany. Nametrahana fanontaniana i Ali bin Abi Talib (R.d) ary Izy raha teo dia zanaka rahalahin'ny Rain'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i (s.w.a) no sady vadin'ny zanany vavy : ka ttena Irakan'i Tompo Allah ve no nanome zavatra ho anareo manokana ? hoy izy ireo namaly ka niteny nanao hoe : « Izahay dia tsy nahazo zavatra manokana ho anay izany tamin'ilay Irakan'i Tompo Allah fa hoe tsy hitambaranay amin'ny rehetra fa zavatra ho any rehetra dia natao ho an'ny rehetra ihany afa-tsy ny tranon'ny sabatra ity ihany, dia nilaza Izy : no sady namoaka takelaka izay voasoratra ao aminy fa hoe : Tompo Allah dia nanozona ny fanampahana sy fandetana biby na zavatra ka natao sy natolotra hoan'ny zavatra hafa an-koatran'i Tompo Allah ary nanozona ihany koa i Tompo Allah ireo nangalatra ny famantarana amin'ny tany ary nanozona koa i Tompo Allah ireo izay mahasahy manozona ny Rainy izay niteraka ary mbola nanozona ihany koa i Tompo Allah izay nialoka mpamorona zavatra amin'ny finoana sy mpanao ny fanavaozana ” Soahihi Moslim (R.h) 1978 Ary ireo rafitra sy fitsipika ary fe-petra sy lalànan'ny finoana Islam dia mifanaraka tanteraka amin'ny saina madio sy mendrika ary izany dia mifanaraka tanteraka amin'ny fahitsiana sy fahendrena.
38- Ary ireo finoana izay hitta fa tsy marina ireo, kka raha toa ka tsy vitany ireo mpanaraka azy izany ny mandinika sy manitra ny fomba fisainana manoloana aan'ireo zavatra misy ao anatiny izay ahitana ireo teny mifanohitra sy izay rehetra tsy eken'ny saina dia lasa araraotin'ireo olona mpitari-pivavahana ka manjary ahafahan'izy ireo milaza fa ny finoana dia zzavatra mihoatra lavitra ny saina, ary ny saina dia tsy mahazaka mandinika an'izany finoana izany ary tsy ahazo ny tiany atongavana, fa ny finoana Islam kosa manoloana an'izany teny izany dia manohitra an'izany fotokevitra izany ka milaza sy mandray ka miteny hoe : ny finoana no hampahiratra ny làlana izay hizoran'ny saina, fa ireo mpitondra fivavahana tsy marina dia mila ireo mpanaraka azy ireo tsy hampiasa ny sainan'izy ireo fa hanara-potsiny na dia zavatra hita fa tssy marina, ary ny finoana Islam kosa dia mila mamoha sy manokatra ny sainan'olona, mba ahafantarany rehetra ny mahakasika ny amin'ny tokony ho izy.
Ary ireo finoana izay hitta fa tsy marina ireo, kka raha toa ka tsy vitany ireo mpanaraka azy izany ny mandinika sy manitra ny fomba fisainana manoloana aan'ireo zavatra misy ao anatiny izay ahitana ireo teny mifanohitra sy izay rehetra tsy eken'ny saina dia lasa araraotin'ireo olona mpitari-pivavahana ka manjary ahafahan'izy ireo milaza fa ny finoana dia zzavatra mihoatra lavitra ny saina, ary ny saina dia tsy mahazaka mandinika an'izany finoana izany ary tsy ahazo ny tiany atongavana, fa ny finoana Islam kosa manoloana an'izany teny izany dia manohitra an'izany fotokevitra izany ka milaza sy mandray ka miteny hoe : ny finoana no hampahiratra ny làlana izay hizoran'ny saina, fa ireo mpitondra fivavahana tsy marina dia mila ireo mpanaraka azy ireo tsy hampiasa ny sainan'izy ireo fa hanara-potsiny na dia zavatra hita fa tssy marina, ary ny finoana Islam kosa dia mila mamoha sy manokatra ny sainan'olona, mba ahafantarany rehetra ny mahakasika ny amin'ny tokony ho izy. ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary tahaka izany no nanambaranay taminao ny fanahy amin'ny alalany Boky masina Koroány sy amin’ny alálan’ny baiko avy Aminay hoy Tompo Allah,ary Ianao teo aloha dia tsy nanana fahalalana mahakasika ny Boky sy ny finoana, nefa dia nataonay ho fahazavana izany mba hitarihanay ireo izay tianay amin’ireo mpanomponay izany. ary hamafisina etoana fa Ianao dia natao mba hitari-dàlana ny rehetra mankany amin’ny làlana mahitsy, lalan'ny fahitsiana.} [ Sourate As-Shoura : 52 ] Fa ny faminaniana rehetra avy amin'ny Tompo dia faminaniana feno fanazavana sy porofo maro samy hafa, ary ady hevitra mafonja izay hitari-dàlana ny rehetra mba ho ao amin'ny saina sy fomba fisainana matsilo amin'ny lafiny fampiharana ny fahamarinana izay nazo avy amin'ny fahafantarana sy fanekena ary fahatokisana Azy, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { O Ianareo ry olombelona ! efa tonga aminareo tokoa ny porofo sy ny fanamarinana mazava tsara avy tamin’ny Tomponareo,ary efa nampidininay taminareo ihany koa hoy Tompo Alllah ny hazavana izay miseho amin'ny endrika miharihary.} [ Sourat an nisaa : 174 ] Fa i Tompo Allah dia mila sy mitady ny olombelona mba hihaina amin'ny fahitsina feno fahazavana eo anoloan'ny fahalalana marina izay tena hita fa mirakitra ny fahamarinana, fa ny satana kosa sy ireo izay mitovy hevitra Aminy ka mametra-tena ho sakana dia mitady ny zanak'olombelona mandrakariva ny mba hijanona amin'ny haizinan'ny fikomiana an'i Tompo Allah, ary hapanjaka ny habadoana sy ny fahaverezana ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { i Tompo Allah tokoa no mpiahy ireo vahoaka izay nino no sady nanampinoana,izay manala sy mampiataka azy ireo avy ao amin’ny haizina ny faha-verezana ka mankany amin’ny lalan'ny hazavana,fa ireo izay tsy nino no sady tsy nanampinoana kosa,izy ireo no mpiahy azy ireo ka izy ireo no Taghoty,izy ireo miezaka manala ny rehetra avy ao amin’ny lalan'ny hazavana mankany amin’ny lalan'ny haizina,ka izy ireny no olon’ny afobe, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo.} [ Sourate al-bakarat : 257 ]
39- Ny finoana Islam dia manisy lanja sy vonahitra marina ny raharaha mahakasika ny fahalalana, ary mamporisika ny rehetra amin'ny fitadiavana izany fahalalana izany fa tsy hoe hametra-tena hanaraka ireo sitra-po, fa miantso ny rehetra mba hijery sy handinika ny mahakasika ny tenan-tsika sy ny manodidina an-tsika ihany koa amin'izao tontolo izao,ka ny valin'izany fahalalana izay dia miseho amin'ny endrika marina sy maropototra satria ny fahalalana marina dia tsy mifanohitra velively amin'ny finoana Islam.
Ny finoana Islam dia manome voninahitra tanteraka ireo finoana marina ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Fa hasondrotrin’i Tompo Allah, ireo zay mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana, ary tena marina fa i Tompo Allah dia mahalala sy mahafantatra tanteraka izay rehetra ataonareo } [ Sourate Al-Moudjadalat : 11 ] Ary nampiharin'i Tompo Allah ny fijorona vavolombelona izay ataon'ireo manampahaizana sy ireo manam-pahalalàna amin'ny fijorona izay ataony sy ataon'ireo Anjely amin'ny zavatra tena lehibe no hijoroan'izy ireo vavolombelona, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Tena nitsangana ho vavolombelona mihitsy i Tompo Allah, fa tena marina fa tsy misy Zanahary afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, manaiky no sady mihaiky amin'izany koa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana izay tena mijoro am-pahamarinana, fa tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, Izy no ilay avo Tsitoha, Izy no ilay be fahendrena.} [ Sorat al Imran : 18 ] Ary io dia manazava tanteraka ny anjaratoerany vahoaka manampahalalana ato anaty finoana Islam, ary naniraka no sady nandidy an'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) i Tompo Allah, mba hitady fanampiny amin'ireo fahalalana ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Ary Lazao sy teneo hoe Tompo o ! atomboy ny fahaizako sy ny fahalalako } [ Sourate Taha : 114 ] Ary niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : « Izay nivoaka ka nitady ny fahalalàna dia ho hamaivanin'i Tompo Allah Aminy avokoa ny làlana izay hizorany hiditra mankany amin'ny paradisa, ary tena marina fa ireo Anjely dia hametraka ny elany ho fahafaham-po sy fan-kasitrahana ary fan-katoavana ho an'ireo rehetra mikatsaka sy mitady ny fahalalana, ka dia hangataka famelan-keloka hoan'ireo mpitady fahalalana ihany koa ny izay rehetra any an-danitra sy ny etỳ an-tany na dia ireo trozona sy filao ao anaty rano-masina aza, ary voninahitran'ireo manam-pahalalana amin'ny mpanompo iray dia toy ny voninahitran'ny volana amin'ny planeta hafa, ary tena marina fa ireo manam-pahalalana sy manampahaizana dia izy ireo no mpandova an'ireo Mpaminany (A.s), ary ireo Mpaminany dia tsy lovaina amin'ny vola dinara na koa vola dirhama fa izy ireo dia lovaina amin'ny fahalalana izay azo avy tamin'izy ireo, ka izay naka sy nandray an'izany dia nahazo zava-dehibe sy goavana tokoa ” Voarakitra ao amin'ny Abo Daoud (3641), Tirmizi (2682), Ibn Màajah (223) sy fehin-teny ho azy, ary Ahmad (21715)
Ary tsy mitsahatra mamporisika ny finoana Islam ny mba tokony hitadiavany ny rehetra ny fahalalana izay tsy ahitana ny sitrapo na hadalana na rendrarendra, ary ny finoana Islam dia tsy mitsahatra miantso ihany koa ny rehetra mba tokony hijery sy handinika ny eo amin'ny tenan'izy ireo sy amin'izao tontolo izao ary izay rehetra manodidina antsika, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Hasehonay azy ireo avokoa ny famantarana rehetra avy Aminay manerana izao rehetra izao hoy Tompo Allah, sy eo amin’ny tenan’izy ireo ihany koa, mandra-pahitan’izy ireo ny marina sy ny mazava mangirana, fa izany tokoa no fahamarinan'ny Boky masina Koroány ka moa ve efa tsy ampy an'i Tomponao izany, fa Izy Tompo Allah tokoa no Vavolombelona amin’ny zava-drehetra ? } [ Sorate Fossilat : 53 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka moa ve tsy mba nandinika ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany izy ireo, sy ny zava-drehetra izay noharian’i Tompo Allah, angamba dia tena efa akaiky ny fotoam-piafaran’izy ireo ? fa dia mba inona koa àry ireo teny mety mba hinoan’izy ireo aorian’izany efa voalaza izany ? } [ Sorate Al-Anraf : 185 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka moa ve tsy mba ntodi-doha nandeha nitety ny vazan-tany rehetra izy ireo,mba hijereny avokoa izay niafaran’ireo vahoaka tonga nihaina teo alohan'izy ireny ? Izy ireny dia nanana ny hery sy ny tanjaka lavitra teo amin’ny herim-batana,ny asa izay nisahan'izy ireo dia asa tany,ary tena nameno ny andraikitra sy fitantana an'izany izy ireo mihoatra lavitra amin'izay efa nataon’izy ireo,ka dia tonga tamin’izy ireo,ireo Irakan'ny Tompo Allah niaraka tamin’ny porofo mazava tsara fa tena tsy Tompo Allah mihitsy no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny vatatenan'izy ireo } [ Sorate Ar-Rom : 9 ]
Ary ireo valin'ny fikaroana ara-tsiansa rehetra izay hita fa marina avokoa amin'ny fahalalana ara-tsiansa dia tsy mifanohitra velively na mifanipaka amin'ny finoana Islam na dia kely aza, ary hafaka hiresaka no sady hanolotra ny ohatra iray isika aamin'izay nanambaran'ny Boky masina Koroany amin'ny endrika antsipiriany no sady mazava tsara ny momba azy io,talohan'ny fem-potoana lava izay efa nahatratra teo amin'ny efa-jato sy arivo taona lasa teo izay, ary ny fahalalana ara-tsiansa maoderina ankehitriny dia nahalala izany taty aoriana ary hita teo ihany koa ireo valin'ny siansa fa tena nitovy sy nifanaraka tokoa ny tao amin'ny Boky masina Koroany izay lehibe sy goavana indrindra ka tsy inona izany fa ny fiforonan-jaza ao an-kibon-dreniny ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : {12- Tena marina fa efa namboarinay sy noharianay avy amin’ny tany maro isan-karazany ny olombelona.} { 13- Avy eo dia namboarinay sy noharianay avy amin’ny teten’ny tsirin'aina izy ka dia napetrakay tao anaty toerana voaharo tao anatiny tranon-jaza.} { 14- Avy eo dia nataonay hoy i Tompo Allah lasa ho vaingan-drà izany tsirin'aina izany ary avy amin’ny izany vaingan-drà izany no nanamboaranay ny vainga-nofo ary avy amin’ny vainga-nofo indray no nanamboaranay ny taolana ary avy eo dia notafianay nofo ilay taolana,avy eo dia novainay ho fahariana hafa tanteraka mihitsy izany rehetra izany ka dia voninahitra lehibe anie ho an’i Tompo Allah ilay mphary tsara indrindra amin’ireo mpahary ! } [ Sorate Al-Mo'minona : 12-14 ]
40- Ary Tompo Allah dia tsy manaiky no sady tsy mandray ireo asa ary tsy hanome valiso amin'izany asa izany mihitsy afa-tsy ho an'ireo vahoaka izay nino an'i Tompo Allah sy hendry Taminy ary nino ihany koa ireo Irany manotolo (As), ary tsy misy fanompoana raisiny Tompo Allah mihitsy afa-tsy izay fanompoana nametrahany Tompo Allah didy amambaikony, ka amin'ny fomba ahoana no ahafahan'olona iray hikomy an'i Tompo Allah avy eo dia lasa hanantena indray ny valisoa avy Aminy ? ary dia mbola tsy eken'i Tompo Allah ihany koa ny finoan'olona iray raha toa ka mbola tsy mino no sady tsy manaiky ireo Mpaminany rehetra izy ireo, ary mila mino sy manaiky ny hafatra rehetra izay noentin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a).
Ary tsy ekeny Tompo Allah no sady tsy raisiny mihitsy ny asa ary tsy hanome valisoa manoloana an'izany Izy amin'ny andro farany afa-tsy ho an'ireo vahoaka nino ka nanampinoana an'i Tompo Allah ary hendry ihany koa Taminy sy nanamarina ireo Irany avokoa (As) ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : {18- Ka na iza na iza mila sy mitady ary maniry amin'ny fomba haingana dia haingana ny fiainany eto an-tany dia hafainganinay ny fanomezana ho azy amin'izay rehetra tiany sy sitrany manoloana ny amin’izay tianay. avy eo dia hataonay ho Azy ny afobe, ka ho ampidirina ao Izy, ary ao Izy no voaheso sy voatositosika.} { 19- Ary na iza na iza mila na mitady ary maniry ny fiainana any an-koatra ka tena miezaka mankany amin’izany nefa Izy no sady mpino manampinoana, ka ireny no lzaina fa ny ezaka nataon’izy ireny dia hankasitrahina avokoa } [ Sorate Al-Isrà : 18-19 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ka na iza na iza ary ny olona manao ny asa soa, ka Izy manam-pinoana, dia tsy azo atao tsinontsinona mihitsy ny ezaka rehetra izay vitany, ary tena ho soratanay ho azy tokoa izany.rehetra izany } [ Sorate Al-Anbyà : 94 ] Ary tsy eken'i Tompo Allah mihitsy ireo fanompoana afa-tsy izay nametrahany lalàna sy fitsipika ary fepetra, ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Fa izay rehetra manantena ny ihaona amin'ny Tompon'ny Allah dia aoka izy mba hanao asa soa ary tsy hanakambana Azy amin'ny mpikambana hafa manoloana ny Tompo izay Tompony } [ Sorate Al-Kahf : 110 ] Notsipihiny mazava tsara amin'ny alalan'ny fanazavana fa tsy ho mety mihitsy ny asa iray raha toa ka tsy avy amin'ny lalàna nomen'i Tompo Allah, ary ny tompon'izany asa izany dia madio tsy misy petina ny loto fony amin'ny fanatanterahany an'izany ho an'i Tompo Allah, ary izy dia olona mpino Allah ary matoky marina ireo Mpaminaniny sy ireo Irany (A.s), fa ireo izay manao asa ankoatr'izany kosa dia efa niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tonga nijery ny asa izay nataon’izy ireo Izahay hoy i Tompo Allah, ka dia nataonay ho vovoka miparitaka avokoa izany.} [ Sorate Al-Forkane : 23 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : {2- Ka dia hisy endrika hampatahotra ny amin’izany andro izany,} { (3) ka dia ho sahirana, sy torovana.} { (4] Ka dia hodorana anaty afo miredareda izy ireo,} [ Sourate Al-Ghashyat : 2-4 ] Fa ireo tarehy ireo dia tarehy hita fa manetry tena sy miarina tanteraka amin'ny asany, saingy rehefa niasa dia tsy nisy nifanaraka avokoa tamin'ny fahitsina rehetra izay nomen'i Tompo Allah izy ireo, ka lasa nataon'i Tompo Allah any amin'ny afobe no toerana niafaran'izy ireo, satria tsy nanao asa mihitsy izy ireo afa-tsy ny asa izay mifanohitra tanteraka amin'ny lalàna izay nomen'i Tompo Allah azy ireo, fa ny nataon'izy ireo kosa dia ny nivavaka tamin'ny fivavahana diso ary nanaraka ireo mpitari-dàlana very lalana, ka ireo izay mpamorona an'ireo finoana diso tsy maripototra, fa ny asa manan-kery eo anatrehan'i Tompo Allah dia ireo asa mifanaraka amin'izay noentin'i Mpaminany (s.w.a), ka dia amin'ny fomba ahoana ary ny olona iray mikomy an'i Tompo Allah no manantena ny hahazo valisoa avy Aminy ?
Ary tena tsy eken'i Tompo Allah ny finoan'ny olona rehetra raha tsy hoe izy ireo mino an'ireo Mpaminany (A.s), sy mino ny hafatran'i Mpaminany Mohammad (s.w.a), efa voalazantsika tany aloha tany ireo porofo mahakasika izany ao amin'ny fehin-tsoratra laharana (20), ary niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Nino sy nanaiky izay rehetra nampidinina Taminy avy tamin’ny Tompony ilay Iraka, ary koa ireo vahoaka mpino rehetra dia samy nino avokoa an'i Tompo Allah sy ireo Anjeliny ary ireo Bokiny sy ireo Irany rehetra, ka hoy izy ireo nilaza sy niteny hoe : “ Tsy manavaka na dia iray amin’ireo Irany Tompo Allah izahay ” ary mbola niteny izy ireo nanao hoe : “ marina fa naheno sy nankatò izahay ” ka dia mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay ô ! ary any Aminao tokoa no fiverenana.} [ Sorate Al-Bakarat : 285 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ô Ianareo izay nino ! tena minoa fatratra an’i Tompo Allah sy ny Irany Ianareo, ary ny Boky izay nampidininy tamin’ilay Irany, sy ny Boky izay nampidininy tany aloha tany. ka izay tsy nino an’i Tompo Allah sy ireo Anjeliny ary ireo Bokiny sy ireo Irany ary ny fisiany andro farany, dia tena very làlana lavitra tokoa izany. } [ Sorate An-Nisà : 136 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary rehefa noraisin’i Tompo Allah ny faneken’ireo Mpaminany (A.s) fa hoe : “ Isaka ny manome Boky sy fahendrena ho anareo Aho,dia misy ireo Iraka tonga aminareo, hanamarina izay rehetra efa teo aminareo ary tsy maintsy tokony hino azy ireo Ianareo ary hanampy sy hanavotra Azy, ka niteny Izy nanao hoe : “ Ekenareo sy ankatoavinareo amin’izany ve ny fifanekena Amiko ? ” namaly ka niteny izy ireo hoe : “ Ekenay tokoa izany ”. Niteny Izy hoe : " Mitsangàna ho vavolombelona àry Ianareo ary Izaho koa dia ho anisan’ireo vavolombelona, miaraka aminareo. [ Sorat al Imran : 81 ]
41- Tena marina fa ny tanjon'ireo hafatra izay nalefan'i Tompo Allah dia : mba hitazoman'ny zanak'olombelona ny finoana marina, ary mba ho lasa mpanompon'i Tompo Allah tokana izay Tompon'izao tontolo izao, ary hanala ny fanandevozana eo amin'ny zanak'olombena samy izy ireo, na koa amin'ny zavatra hafa, na koa amin'ireo finoam-potsiny, ka ny finoana Islam arakan'izay ahafantarantsika azy dia tsy manamasina ny olona iray, ary tsy mampiaka-boninahitra ny olona iray amin'izay toerana tsy sahaza Azy na koa tsy mendrika Azy, ary tsy hanisy no sady tsy handray zavatra hafa hatao ho tompo ka hampiarahina amin'i Tompo Allah.
Marina tokoa fa ny tena tanjon'ireo hafatran'i Tompo Allah rehetra dia : ny fakana sy fandraisana ny finoana marina ka hapetraka ho an' olona rehetra zanakolombelona ka mijanona ho mpanompon'i Tompo Allah avokoa satria Izy no voaaza fa lTompon'izao tontolo izao ary ny finoana Islam dia manafaka ny olona amin'ny fanandevozana na amin'ny resaka finoanoam-poana ka Niteny i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Mampalahelo ny mpanompon'ny vola atao hoe Dinar, ny vola Dirham, ny Katifat ary ny Khamisah, raha omena izy dia faly ary raha tsy omena izy kosa dia tsy afa-po." Soahih Al-Boukhary 6435, Fa tena marina tokoa fa ny olombelona mahitsy dia olombelona tsy mba manetry tena afa-tsy amin'i Tompo Allah irery ihany, ary Izy dia tsy andevozin'ny vola na voninahitra na koa anjara asa na foko, ka avy amin'io tantara io no mba mety ahafantaran'ny mpamaky ireo tranga niseho tamin'ny olona teo aloha ary mety ahoana izy ireo taorian'izany ?
Ka rehefa nifindra monina ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam voalohany tany Etyopia, dia nanontany Azy ireo ny mpanjakan'ny Etyopia tamin'izany fotoana izany i Najashy, ka niteny tamin'izy ireo nanao hoe : " Inona ary izany finoana izay nialanareo sy nampisara-bazana avokoa an'ireo vahoakanareo samy anareo, avy eo ianareo indray no lasa tsy mba nanaiky akory niditra nanaraka ny tamin'ny finoana izay mba nisy Ahy, na koa nanaraka ny iray tamin'ireo finoana izay efa nisy tamin'ireo vahoaka teo aloha ? Niteny taminy i Djàfar ibn Abi Toalib (R.d) ka nanao hoe : Ry mpanjaka o ! izahay dia vahoaka tsy manam-pahalalana, izahay manompo sampy ary mihinana ireo zavatra maty kopindra, sy manao ireo zavatra mahatsiravina, ary manapaka ny fifandraisana amin'ny havana, manao ratsy amin'ny mpifanila-body rindrina, manao tsy rariny ireo matanjaka amin'ireo malemy, ka teo izahay nihaina tamin'izany mandra-pandefan'i Tompo Allah Iraka avy aminay ihany, fantatray ny firazanany sy ny fahamarinana, ny fitokisana eo aminy, ary ny fahatsoram-pony, ka niantso anay izy amin'ny làlan'i Tompo Allah mba hanokana an'i Tompo Allah sy hanompo Azy, ary hanala izay zavatra hivavahanay tamin'ny razanay fa tsy tokony misy vato sy sampy ho tompoina. Ary nandidy anay Izy mba hiteny ny marina, hahatanteraka ny fitokisana, hihazona ny fifamatorana amin'ny havana, mba hanao soa amin'ireo mpifanila-body rindrina, ary hamela ireo zavatra voarara sy tsy andatsa-drà, ary nandrarà ireo fahotana mahatsiravina, sy ny fitenenana ratsy, fihinànana haren'ny kamboty ary ny fanendrikendrehana ireo vehivavy madio amin'ny fijangajangana, ary nandidy anay hivavaka amin'i Tompo Allah irery ihany, ary nandidy anay hivavaka hanao soalat sy Zakat ary hifady hanina, hoy izy : Ary nitanisa zavatra maro izay inoana ato anaty finoana Islam izy, ka ninoanay izany, ary narahanay Izy amin'ireo zavatra izay noentiny avy amin'i Tompo Allah, ka notompoinay Allah tokana ary tsy nakambanay amin'ny hafa Izy, ary nifadianay ireo zavatra nifadiany aminay, ary nekenay ireo zavatra izay nekeny aminay Voarakitra ao amin'ny Boky ny Ahmad (1740) fa misy ny tsy fitovizana kely fotsiny, ary Abo Naym amin'ny Boky hoe : ((Hylyatol Aolyà)) (1/115) amin'ny endrika fohifohy Fa ny finoana Islam dia araka ny fahitana azy dia tsy manamasina olona aary tsy mampiakatra azy ihany amin'ny toerana izay tsy sahaza azy, ary tsy mba maka azy ireo ho tahakan'ny Tompo Niteny sy Nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Teneno ary laazao ry Irakan'i Tompo Allah fa hoe : “ O ry olon’ny Boky ! mba avia avokoa ianareo ho amin’ireo teny iraisana sy hitovizana ny eo aminay sy aminareo, ny mba tsy hanompo isika afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, ary tsy hanambatra Azy amin’ny zavatra hafa ihany koa isika, ary ny andaniny sy ny ankilany amintsika samy antsika ny mba tsy handray ny ankilany ho tompo tompoina eo amin'ny fiainana an-koatran’i Tompo Allah, ka raha mitsipaka sy mitodi-damosina izy ireo fa tsy hanaiky an'izany, dia teneno amin'izy ireo fa hoe : “ Aoka mba hijoro vavolombelona ianareo, fa tena mpanaiky an'i Tompo Allah izahay ”.} [ Sorat al Imran : 64 ] Niteny sy Nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ary tsy nandidy no sady tsy naniraka anareo handray ireo Anjely sy ireo Mpaminany ho Tompo tompoina Izy, ka moa ve haniraka anareo amin’ny fikomiana sy amin'ny tsy finoana ve Izy, nefa efa mba mpanaiky an'ii Tompo Allah ianareo ? } [ Sorat al Imran : 80 ] Ary Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Aza midera sy mankalaza ahy amin'ny fomba diiso tafahoatra ianareo tahaka ny nataon'ireo vahoaka kristianina nidera sy nankalaza tafahoatra an'i Issa (A.s) zanak'i Maryam satria tsy dia inona akory aho afa-tsy hoe andevo sy mpanompon'ny Tompo Allah ihany ka aoka ianareo hilaza fotsiny hoe : Andevo Mpanompon'i Tompo Allah nno sady Irany ". Soahih Al-Boukhary (R.h) 3445,
42- Nametrahan'ny finoana Islam lalàna sy fitsipika ny zava-drehetra mahakasika ny fibebahana ka toy izao ary izany dia : Ny fiverenan'olona iray amin'ny Tompony Allah ary famelana ny ota sy fahotana izay natao, ary ny finoana Islam dia mamafa ny fahotana rehetra izay vita teo alohan'ny fidirana tao anatiny finoana Islam, fa ny fibebahana tena marina kosa dia manala sy mamafa ilay fahotana izay natao, ka tsy ilaina ny mikôfesy eo anatrehan'olona amin'ny fahotana izay vita.
Napetrakan'i Tompo Allah ny fibebahana ato anatiny finoana Islam, ary izany dia ny hoe : Ny fiverenan'olona amin'ny Tompony Allah sy famelana an'ireo fahotana. ka Niteny i Tompo Allah manao hoe : { Mibébaha amin'i Tompo Allah avokoa ianareo ry vahoaka mpino angamba ho sambatra sy ahazo fiadanana ianareo } [ Sourate An-Nour : 31 ] Niteny sy Nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Moa ve tsy fantatr’izy ireo tokoa fa i Tompo Allah no mandray ny fibebahan’ireo andevo mpanompony, no sady mandray ihany koa ireo fanomezana, ka marina tokoa fa i Tompo Allah no Tompo mpandray ny fibebahana sy Izy ihany koa no be Fiantrana.} [ Sorate At-Tawbat : 104 ] Niteny sy Nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe :: { Ary Izy no mandray ny fibebahana avy amin’ireo andevo mpanompony, ary mbola Izy ihany koa no mamelà ny ratsy ny haratsiana, ary Izy no mahalala sy mahafantatra izay rehetra ataonareo.} [ Sorate As-Shorà : 25 ] Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : " Marina fa i Tompo Allah dia tena faly tokoa amin'ny fibebahana izay nataon'ireo andevo mpino mpanompo an'i Tompo Allah hafaliana izay mihoatra tanteraka an'ny lehilahy izay tafijanona ka nipetraka amin'ny tany maina karakaina no sady maharendrika an'ireo rameva izay teo Aminy amin'ny lafiny sakafo sy ny zava-pisotro ka teo no natory ary rehefa nifoha izy dia nandeha ny ramevany, lasa nitady azy izy ka tratran'ny hetaheta izy ary nilaza hoe : hiverina amin'ny toerako izay natoriako aho mandra-pahatongavan'ny fahafatesana amiko napetrany ny lohany amin'ny tànany mba ho faty, rehefa nifoha izy dia hitany teo anatrehany ny ramevany sy ny vatsiny ary ny sakafony sy zava-pisotrony. fa i Tompo Allah dia faly tokoa amin'ny fibebahana izay nataony ilay andevo mpino noho ity amin'ny ramevany sy ny vatsiny ity Soahih Moslim ( R.h) 2744
Ary tena marina fa ny finoana Islam dia mandrava ireo fahotana vita talohan'ny nidirana tao anatiny finoana Islam, ary ny fibebahana ihany koa dia mandrava ny fahotana talohan'ny nibebahana. ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Teneno amin’ireo vahoaka izay tsy mino tsy manampinoana fa hoe : raha mitsahatra amin'ny fikomiana izy ireo dia ho havela avokoa izay rehetra efa nivitan’izy ireo teo amin'ny fiainana teo aloha , fa raha mbola mamerina indray izy ireo dia ho sazina sy faizina izy ireo ka mitovy amin’izay rehetra efa nandalo tamin’ireo teo alohany } [ Sourate Al-Anfàl : 38 ] Ary nantson'i Tompo Allah ireo vahoaka kristianina amin'ny fiverenana any Aminy amin'ny alalan'ny fibebahana, ka nilaza i Tompo Allah nanao hoe : { Ka moa ve tsy hiverina mba hibebaka amin’i Tompo Allah izy ireo sy hangataka Aminy ny famelan-keloka ? ary satria fa i Tompo Allah dia Tompo be famelan-keloka sy be fiantrana.} [ Sourate Al-Maïdat : 74 ] Ary namporisihin'i Tompo Allah ireo vahoaka mpanota sy mpanatanteraka ny fahotana mba hiverina any Aminy amin'ny alalan'ny fibebahana, ka nilaza i Tompo Allah manao hoe : { Teneno ary lazao ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mohammad(s.w.a) fa hoe : “ Ô ianareo mpanompoko, izay nanao ny tsy mety na namotika ny tenany syvatany amin'izy ireo amin'ny endrika sy fomb diso tafahoatra toy ny fahotana lehibe, dia aza mba very na manary toky sy fanantenana amin’ny famindram-pon’i Tompo Allah ianareo. Satria hamafisina etoana, fa i Tompo Allah no Tompo mpamela ny fahotana sy fahadisoana rehetra, eny, Izy tokoa no ilay Mpamela ny heloka no sady ilay be indrafo.} [ Sourate Az-Zomar : 53 ] Rehefa nanapa-kevitra i Amro ibn Al-A'ns(R.d) hiditra ao anaty finoana Islam, natahotra tsy ho voavela heloka Izy amin'ny fahotana izay nataony talohan'ny finoana Islam, ka nitantara izany Amro tamin'izany fotoana izany ka nanao hoe : ( Rehefa nampidirin'i Tompo Allah tao anatin'ny foko ny finoana Islam dia, niteny Aho ka nanao hoe : Tompo nanantona i Mpaminany (s.wa) Aho mba hanaraka sy hifanaraka Aminy, ka novelariny tamiko ny tànany, ka niteny Aho hoe : tsy hifanaraka aminao Aho afa-tsy hangatahanao famelan-keloka ho Ahy amin'ny ota rsy fahotana ehetra izay nivitako, ka namaly Ahy i Mpaminany (s.w.a) nilaza hoe : O A'mro, tsy fantatrao va ny fifindra-monina dia mamafa ireo ota sy fahotana izay vita teo alohany izany, O A'mro, tsy fantatrao va fa ny finoana Islam dia mamafa ireo ota sy fahotana ary fahadisoana teo aloha " Voarakitra ao amin'ny Boky ny Moslim (R.h) (121) lava tahaka io, ary voarakitra ao amin'ny Boky ny Ahmad (R.h) (17827) ary io lahateny io dia azy.
43- Fa ato anatiny Ity finoana Islam ity dia mampifandray ny olona rehetra amin'i Tompo Allah amin'ny endrika sy fomba mivantana, ka tsy mitady mpanelanelana aminao sy Tomponao Allah, fa ny finoana Islam dia manakana ny zanak'olombelona hatao tompo na koa atao mpikambana amin'i Tompo Allah amin'ny mahatompo Azy na koa mahazanahary Azy.
Anatin'ny finoana islam dia tsy ialina ny fampahafantarana eo akaikin'olona amin'ny ota izay vita, fa anaty finoana islam dia ny fifandraisana aminao sy amin'ny Tomponao dia mivantana, ka tsy ilaina amin'iza n'iza mba hatao mpanelanelana ka nazavain'i Tompo Allah, tahak'izay vita tamin'ny fehin-tsoratra laharana (36) fa marina tokoa fa i Tompo Allah dia niantso ny zanak'olombelona rehetra hanao fibebahana sy ny fiverenana Aminy, ary Izy dia nandrarà ny olona haka ireo mpaminany na koa ireo anjely hatao ho mpanelanelana Aminy sy amin'ny mpanompony. Niteny i Tompo Allah : { Ary i Tompo Allah dia tsy mbola naniraka anareo ny handray ireo Anjely sy ireo Mpaminany ho Tompo, ka dia haniraka anareo amin’ny tsy finoana indray ve Izy, nefa ianareo tany aoriana lasa tany dia efa olona mpankato an'i Tompo Allah ? } [ Sorat al Imran : 80 ] Fa ny finoana Islam arakan'ny izay efa nahitanao azy dia finoana manakana ny fandraisana ny olombelona ho lasa Zanahary na koa mpikambana Aminy amin'ny maha mpanabe Azy na koa maha Zanahary Azy, ka nilaza i Tompo Allah mahakasika an'ireo vahoaka kristianina ka nanao hoe : { Nataon’izy ireo ho tompo an-koatran’i Tompo Allah avokoa ireo mpamoron-dalàn’izy ireo toy ny Rabiana sy ireo Relijioziny, ary koa i Mesia zanakan’i Mariamo, nefa tsy norahina ary tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Zanahary tokana, ka tsy misy Zanahary mendrika afa-tsy Izy Tompo Allah irery ihany, ho Azy irery ihany anie ny laza sy ny voninahitra ! Izy no Tompo avo sy ambony indrindra noho izay an-kambana Aminy.} [ Sorate At-Tawbat : 3 ] Ary tsy nitoherin'ny Tompo Allah no sady tsy nekeny mihitsy ny fomban'ireo vahoaka mpikomy izay naka sy nametraka mpanelanelana ny amin'ny samy izy ireo sy ny eo amin'i Tompo Allah, ka nilaza i Tompo Allah mahakasika an'izany ka nanao hoe : { An’i Tompo Allah tokoa ny finoana madio tsy misy pentinan'ny loto, fa ireo izay maka mpiahy hafa an-koatran’ny Tomùpo Allah kosa, dia mahasahy milaza fa hoe : “ ny hampanakaiky anay kokoa eo amin’i Tompo Allah no hanompoanay azy ireo ”.ka dia hamafisinay etoana hoy Tompo Allah, fa tena marina fa i Tompo Allah dia hitsara azy ireo amin’izay rehetra mampifanditra azy ireo.ary tena marina ihany koa fa i Tompo Allah dia tsy mitari-dàlana an'ireo izay mpandainga sy tsy mahalala man-kasitraka tokoa an'i Tompo Allah.} [ Sorate Az-Zomar : 3 ] Ary nazavain'i Tompo Allah fa ireo sampy sy sary vongana ary sary sikotra dia fomba amampanaon'ireo vahoaka miaina tao anatiny habadoana, ka izy ireo dia mandray an'ireo sary vongana sy sary sikotra ireo ho mpanelanelana eo amin'i Tompo Allah, ary dia mahasahy milaza mihitsy izy ireo amin'ny teny hoe : tena marina fa izy ireo no mety hanakaikaizan'izy ireo an'ny Tompo Allah.
Ary rehefa noraran'i Tompo Allah ny olombelona mba tsy handray sy haka ireo Mpaminany na koa ireo Anjely ho mpanelanelana eo Aminy sy ny mpanompony ; dia naviliny sy nisoloiny ho amin'ny varavarana hafa izany rehetra izany ka amin'ny fomba ahoana ary anefa ireo Mpaminany sy ireo Iraka (A.s) no tsy mitsahatra miezaka amin'ny fomba rehetra hanakaikaizana amin'i Tompo Allah, nilaza i Tompo Allah mahakasika an'ireo Mpaminany sy Iraka (As). { ary tena marina fa izy ireo dia nangataka Taminay tamim-pitiavana sy tamim-patahorana hoy i Tompo Allah,ary nanetri-tena teo anatrehanay ihnay koa izy ireo fa hiazakazaka hanao ny hatsrana rehetra .} [ Sourate Al-Anbyà : 90 ] Ary niteny sy nilaza i Tompo Allah ka nanao hoe : { Na ireo izay antsoin’izy ireo aza dia mbola mitady amin’ny Tompon’izy ireo ny fomba rehetra ahafahan'izy ireo manatona Azy bebe kokoa, ary tsy mitsahatra mitavandra sy manantena ny famindram-pò avy aminazy izy ireo ary matahotra mafy ny famaizana avy Aminy, ka tena marina fa ny famaizan’ny Tomponao dia tena hatahorana tokoa.} [ Sourate Al-Isrà : 57 ] Izany hoe tena marina tokoa fa ireo zavatra hafa antsoinareo an-koatran'i Tompo Allah, toy ny amin'ireo Mpaminany na koa ireo Oloke-ndry ireny, Izy ireo no nanao zavatra manokana nahafahan'izy ireo nampanakaiky ny tenan'izy ireo amin'i Tompo Allah ary nanan-tena mafy ihany koa izy ireo ny ahazo ny hinakinakan'ny Tompo Allah, sy ny famindra-mpony, ary Izy ireo dia matahotra mafy ny saziny Tompo Allah ka dia amin'ny fomba ahoana ary no mbola hiantsoan'izy ireo anareo.
44- Amin'ny faran'ity hafatra ity dia mahatsiaro sy mahatsapa isika fa ny zanak'olombelona rehetra manoloan'ny tsy fitovian'ny fotoana na foko na firazanana na tanàna na fiarahamonina dia hita fa tena tsy mitovy mihitsy ny foto-pisainana sy ny tanjona tratrarina tsy mitovy amin'ny tontolo iainany sy ny asany ka tsy maintsy mitady izay fomba rehetra hitarika Azy amin'ny làlana mahitsy sy amin'ireo rafitra hanambatra Azy amin'ny hafa sy mila ary mitady mpitsara hiaro Azy amin'ny lafiny rehetra ary ireo Iraka dia manan-kaja (A.s) izy ireo dia nandray andraikitra ny amin'izany araka ireo faminaniana izay azon'izy ireo avy amin'ny tamin'ny Tompo Allah ary ny adidy rehetrra dia mitarika ny olona amin'ny fanaovana ny hatsarana sy hitsin-dàlana ka ny tanjona dia ny hanambatra azy ireo amin'ny lalàn'i Tompo Allah hitsara azy ireo ihany koa amin'ny fahamarinana ary hijoro tsara ny momba azy ireo miankina amin'ny fanarahana ireo tarigetra sy soridalan'ireo Iraka noho izy ireo tena akaiky indrindra amin'ny hafatran'i Tompo Allah ka nofaranan'i Tompo Allah ny hafatra amin'ireo Mpaminany toy ny Mohammad (saw) ka nataony ho hafatra hipetraka sy hitoetra mandrakizay ka nataony izany rehetra mba hitsy ho an'ny zank'olombelona sy hinakinaka ary hazavana no sady tari-dàlana amin'ny làla-mahitsy izay hitarika ny rehetra amin'iTompo Allah.
Amin'ny faran'ity taratasy sy hafatra ity dia mampatsiaro atsika fa ny zanak'olombelona rehetra manoloana eo amin'ny tsy fitovian'ny fotoana na foko sy firazanana ary tanàna na fiarahamonina ka lasa tsy mitovy avokoa ny foto-pisainana sy ny tanjona izay tokony ho tratrarina, ary tsy mitovy ihany koa ny eo amin'ny tontolo iainany sy ny asany, ka mitady izay hitarika azy ireo amin'ny làlana mahitsy feno hatsarana sy hasoavana sy ny rafitra hanambatra azy ireo sy ny mpitsara hiaro azy ireo, ary ireo Iraka manan-kaja (A.s) dia nandray an-draikitra avokoa amin'izany arakan'ireo faminaniana izay azon'izy ireo avy amin'ny Tompo Allah, ary izy ireo dia mitarika ny olona rehetra amin'ny hatsarana sy hitsin-dàlana, ka miezaka ny hanambatra azy ireo amin'ny lalàn'i Tompo Allah ary hitsara azy ireo amin'ny fahamarinana, ka hampijoro tsara ny raharaha momba azy ireo miankina amin'ny fanarahana sy famaliana ny antson'ireo Iraka, noho izy ireo akaiky indrindra amin'ny hafatran'i Tompo Allah, ka rehefa nihabetsaka ny fahaverezana ary nihamaro ihany koa ny habadoana sy ny fanompoantsampy, dia nandefa Mpaminany Mohammad (s.w.a), i Tompo Allah mba nitondra ny hitsin-dalana sy ny finoana marina mba hamoaka ny zanak'olombelona amin'ny haizinan'ny fikomiana sy habadoana ary fahaverazany fanompoan-tsampy ka ho any amin'ny fitokisana sy ny fahitsian'i Tompo Allah.
45- Ka noho izany dia antsoiko Ianao ry zanak'olombelona mba hijoro ampitsanganana tsara amin'ny endrika feno faha-marinana eo anatrehany Tompo Allah ary tena tokony manapakevitra fa hamela ireo fanarahana an'ireo fomban-drazana izay hita fa diso sy ireo fomba mahazatra hita eo amin'ny fiarahamonina fa mifanohitra tanteraka amin'ny finoana, ary anefa dia fantatrao tsara fa Ianao aorian'ny fahafatesanao dia tsy maintsy mbola hiverina amin'ny Tomponao Allah, ka dia aoka ary mba jereo tsara ny tenanao sy ireo izay eo amin'ny manodidina Anao sy ny ireo any amin'ny habakabaka, ka aleo mba midirà manaraka ny amin'ny finoana mba ahatonga Anao ho lasa anisan'ireo olona sambatra amin'ny fiainana eto an-tany sy ny any an-koatra ka rehefa tapa-kevitra ny hiditra amin'ny finoana Islam Ianao dia masahia mijoroa ho vavolombelona fa tsy misy Tompo mendrika azo tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany tsy misy mikambana Aminy ary tena marina ihany koa fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ary avelao sy iataho lavitra avokoa ireo rehetra tompoina an-koatran'i Tompo Allah ary minoa ihany koa Ianao fa i Tompo Allah dia mbola hamoa indray man-deha ny rehetra maty ao am-pasana, ary ny fitsarana sy ny fanefana ny vali-kasa dia marina ka raha tena nijoroanao vavolombelona marina tokoa ireo fijoroana vavolombelona rehetra ireo dia efa lazaina avy atrany Ianao fa efa mpino silamo ka aorian'izany dia tompoy i Tompo Allah amin'ireo karazam-panompoana rehetra maro samy hafa izay nodidiny ohatra amin'ny izany dia ny mahakasika " Soalat " fivavahana, " zakat " famoahana ampahany amin'ireo vola omena mahantra, " Siamo " fifehezana," hajjy " fivahiniana masina any amin'ny tanàn'ny Makka ho an'izay manan-katao.
Ka noho izany dia antsoiko ianao ry zanakolombelona mba hitsangana sy hijoro amin'ny Tomponao amin'ny fijoroana sy fitsanganana marina izay tsy ahitana fanarahana ireo fomba nentimpaharazana sy ny fomba mahazatra, tahakan'ny fomba izay niantsoan'i Tompo Allah ianao, amin'ilay teny nolazainy manao hoe : { Teneno ary lazao fa hoe : “ Tena marina fa mananatra anareo amin’ny zavatra iray ihany aho : ny mijoroa sy mitsangana ianareo ho an’iTompo Allah amin'ny endrika sy fomba tsiroaroa na koa tsirairay, avy eo dia mandiniha tsara ianareo amin'ny fomba fandinihana, fa hoe tsy adala ary tsy very jery akory ny namanareo izay fantatra amin'ny anarana hoe Mohammad (s.w.a) ka tsy inona akory Izy io afa-tsy olona nalefa ho mpampitandrina anareo fotsiny ihany, manoloana an'ireo fanambarana mahakasika ny famaizana mahery vaika avy amin'ny Tompo Allah ” } [Sourate Sabà : 46] Ary fantaro tsara fa aorian'ny fahafatesanao dia mbola hiverina any amin'ny Tomponao ianao ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : 39- Ary raha ny marina dia tsy ho hisy ny zavatra ho azony zanakolombelona eo amin'ny fiainany aoriany fahafatesany raha tsy ireo zavatra izay nametrahany fihezahana teo amin'ny fiainany ihany no mbola ho azony manoloana ny fizotrany zava-drehetra. {(40) ary hamafisina etoana, fa ny fihezahana izay nataony , dia ho haseho azy avokoa.} {(41) Avy eo, dia omena valisoa feno tanteraka izy,} {(42) ary hamafisina etoana, fa ho any amin’ny Tomponao avokoa ny hiafarany zava-drehetra,} [Sourate An-Najm : 39-42] Ary mba jerevo tsara ny tenanao sy ny eny anabakabaka ary ny manodidina anao ihany koa ka Niteny i Tompo Allah manao hoe : { Ka moa ve tsy mba nandinika sy nijery ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany izy ireo, sy ny zava-drehetra izay noharian’i Tompo Allah, fa angambany efa mety akaiky dia akaiky ny fotoam-piafaran’izy ireo ? ka fa inona koa àry ny teny mba hinoan’izy ireo aorian’izany rehetra izany ? } [Sorate Al-Anraf : 185]
Midirà ho mpanaraka ny finoana Islam ianao fa dia ho sambatra amin'ny fiainana eto an-tany sy ny any an-koatra, ka rehefa vonona ny hiditra amin'izany ianao dia aoka hijoro vavolombelona fa tsy misy Tompo mendrika ho Tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, ary marina tokoa fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah. Ka rehefa nandefa sy naniraka an'ny Soahabat, mpiara-diany izay atao hoe : Moua'z (R.d) i Mpaminany Mohammad (s.w.a) nakany tany amin'ny tanana Yemenina, mba hiantso ny olona rehetra mba ho any amin'ny lalany fankatoavana ny finoana Islam dia nilaza taminy i Mpaminanay Mohammad (s.w.a) nanao hoe : " Tena marina fa Ianao dia andeha hitodi-doha hakany amin'ireny vahoakan'ny Boky izany hoe : ireo vahoakan'ny Djiosy sy vahoakan'ny Kristianina, ka dia aoka mba ho hantsoinao izy ireo sy mba taritinao amin'ny fijoroana vavolombelona mba hilaza fa tsy misy Tompo mendrika hafa ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah ary marina tokoa fa Izaho dia Irakan'i Tompo Allah, ka raha manaiky sy mankatoa an'izany izy ireo dia aoka mba hampafantarinao azy ireo fa ny nandidy azy ireo amin'ny fampitsanganana sy fanatanterahana ny fanompom-pivavahana Soalat in-dimy isan'andro aman'alina dia i Tompo Allah, ka raha manaiky sy mankatoa ny hanatanteraka an'izany izy ireo, dia hampahafantaro azy ireo ihany koa fa i Tompo Allah dia nandidy azy ireo ny mba tokony hamoaka ny fanomezana ny Zakat izay alaina avy amin'ireo mpanan-karena ka omena ireo mahantra sy osa aram-pivelomana, ka raha manaiky sy mankatoa an'izany izy ireo, dia mitandrema fatratra ianareo manoloana ny harena sy fananan'izy ireo ". Soahih Moslim 19 Ary tsy maintsy ykony halavirina lavitra avokoa ireo zavatra tompoina an-koatran'i Tompo Allah, satria ny fanalavirana ireo zavatra rehetra tompoina an-koatanr'i Tompo Allah dia midika an'ilay teny hoe : " Hanafyat " izany hoe fahadiovana feno izay hita fa fomba amam-panaon'i Mpaminany Abrahama (A.s) ka Niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Efa nisy no sady nanana ohatra tsara tokoa ianareo tamin’i Mpaminany Abrahama, (A.s) sy ireo rehetra izay niaraka Taminy, tamin'ny fotoanan'izy ireo niteny tamin’ireo vahoakany ka nanao hoe : “ Izahay dia mihataka sy miala madiodio aminareo tsy iray tsikombakomba aminareo sy izay rehetra tompoinareo an-koatran'i Tompo Allah, ka izahay dia mandà sy mitsipaka ary tsy miombokevitra aminareo, ka dia lasa teraka teo aminay sy teo aminareo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana, mandrampa-hinoanareo marina an’i Tompo Allah tokana tsy manampaharoa ” }. [Sourate Al-Momtahinat : 4] Ary mino koa ianao fa i Tompo Allah tokoa dia mbola hamelona ny rehetra avy ao am-pasana, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : {6- Araka izany, dia satria i Tompo Allah no ilay Tompo Marina, ary Izy no ilay mpamelona ireo maty sy manam-pahefana ny amin’ny zava-drehetra.} {7- Ary marina tokoa fa ny fotoana sy ny Ora dia ho avy, ary tsy azo hisalasalana ny amin’ny fahatongavany izany, ary i Tompo Allah dia mbola hanangana ny maty rehetra avy ao am-pasana.} [Sorate Al-Hajjy : 6-7] Ary ny fitsarana sy ny fanefana ny valisoa dia zava-marina tsy azo ametrahana fisalasalana ka niteny i Tompo Allah : { Fa tamim-pahamarinana tokoa no nanamboarany Tompo Allah sy nohariany avokoa an'ireo lanitra sy ny tany, ka dia tsy maintsy ho valiana torak'izany ihany koa ny nataony olona tsirairay avy amin'ny zavatra nataony, ary tena tsy azo katramoina na hiangarana izy ireo.} [Sorate Al-Djathyat : 22]
Ka rehefa nijoro ho vavolombelona amin'ireo zavatra hijoroana vavolombelona ireo ny olona iray dia efa lazaina fa mpino mpanaraka ny finoana Islam ilay olona, ka aorian'izany dia efa tokony hanomboka hanao ny fanompoana an'i Tompo Allah amin'ireo lalàna sy fitsipika izay nomena fa mamehy ny amin'ny fanaovana ny Soalat, sy famoahana ny Zakat, ary fanatanterahana ny Fifehezana sy ny Hadjjy raha vitany ilay olona avokoa izany sy ny ankoatran'izany hafa ihany koa.
Kopia tamin'ny andro sy daty 19/11/1441 amin'ny kalendrie islamika
Ny Boky nisoratany ilay Mpampianatra Doktora Mohammad ben Abdillah Al-Sahim
Mpampianatra amin'ny lafiny foto-pinoana ao amin'ny fampianarana islamika (tany aloha).
Filiera mahakasika ny fanabeazana, eo amin'ny Oniversite ny Mpanjaka Sao'd
Ny Riad dia tanana eo amin'ny Fanjakanan'ny Arabia Saodite
Related books
All books
Ny hafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islamo arakan'izay azo avy amin'ny Boky masina Koroany sy avy amin'ireo fomba amam-panaon'i Mpaminany (s.w.a).59 languagesNy hafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islamo arakan'izay azo avy amin'ny Boky masina Koroany sy avy amin'ireo fomba amam-panaon'i Mpaminany (s.w.a).
Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana Ny Finoana Islamo ( Dika mitovy tsy nasiana porofo nefa efa mahalaza porofo ihany) [1] [1] Misy amin'ity hafatra ity dika hafa izay nasiana porofo ara-boky masina kor'any sy sonnan'i mpaminany amin'izay fanontaniana izay apetraka, raha tia ahalala ! izany dia miditra amin'ny trano-kala : https://islamhouse.com/ar/books/2830071. 6- Hafatra izay tena goavana indrindra izay mandrakotra tanteraka ny fahafantarana tsotsotra ny mahakasika ny finoana Islamo,no sady manazava ireo tena fototra sy ny fampianarana ary ny hatsarany finoana Islamo…
Hafatra tsotra mahakasika ny Foto-pinoana Islamika47 languagesHafatra tsotra mahakasika ny Foto-pinoana Islamika
Ny boky dia manazava ny fototry ny finoana izay ahitana amin'ny endrika ankapobeny ny finoana Allah, sy ireo Anjeliny, ny Bokiny, ny Irany, ny Andro farany, ary ny anjara sy lahatra. Ary ny boky dia manolotra ireo fitsipika fototra izay tsy maintsy inoan'ny Mpino Isilamo sy hankatoaviny, sady manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fifandraisana amin'Allah amin'ny alàlan'ny fahatakarana lalina ny foto-pinoana Islamika.
Ny finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah85 languagesNy finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah
Ny finoana Islamo dia ny fanoloran-tena manokana ho amin'i Tompo Allah, ilay Mpamorona sy Mpandrindra an'izao rehetra izao, ary ny fanekena Azy noho ny fitiavana sy ny fanamboniana misy eo Aminy. Ny fototry ny finoana Islamo dia ny finoana sy fanekena an'i Tompo Allah, fa Izy irery ihany no Mpahary, ary ny rehetra ankoatra Azy dia zava-boahary nohariany avokoa, ary Izy irery no mendrika ho Tompoina ka tsy misy mpiombonan-toka Aminy, ary tsy misy azo tompoina am-pahamarinana afa-tsy Izy irery ihany, Izy dia manana ireo Anarana Tsara indrindra sy ny Toetoetra Avo izay sahaza ny vonahiny, ary…
الإسلام دين رب العالمين