“Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masso'di (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra milaza ny marina sy miezaka ny hanao ny marina mandra-panoratana azy ho olo-marina eo anatrehan'Allah, ary mitandrema ianareo amin'ny lainga satria ny lainga mitondra makany amin'ny ratsy, ary ny faharatsiana dia mitondra any amin’ny afobe, ary tsy mitsahatra ny olona iray mandainga sy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho mpandainga eo anatrehan’Allah".
«عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ، فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى الْبِرِّ، وَإِنَّ الْبِرَّ يَهْدِي إِلَى الْجَنَّةِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللهِ صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالْكَذِبَ، فَإِنَّ الْكَذِبَ يَهْدِي إِلَى الْفُجُورِ، وَإِنَّ الْفُجُورَ يَهْدِي إِلَى النَّارِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَكْذِبُ وَيَتَحَرَّى الْكَذِبَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللهِ كَذَّابًا».
Nandidy ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fanaovana ny marina, ary nilaza fa ny fanarahana izany dia mitarika amin'ny asa soa maharitra, ary ny fanaovan-tsoa maharitra dia mitarika ny mpanao azy ho any amin'ny Paradisa, ary tsy mitsahatra eo aminy ny fanaovana ny marina na ampahibemaso na miafina, ary mendrika hahazo ny anarana hoe: mpilaza ny marina, ny olona tena mpiteny ny marina hatrany no afaka antsoina amin'izany anarana izany. Avy eo dia nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny lainga sy ny fitenenana lainga. Satria izany dia manosika ny olona hiala amin’ny fahitsiana sy fanaovana ratsy sy fanimbana ary ny fahotana, avy eo dia mitarika azy ho any amin’ny afobe izany, ary tsy mitsahatra izy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho isan'ireo mpandainga eo anatrehan’Allah.
Ny fahamarinana dia toetra mendrika azo trandrahana sy ezahana, ka tsy mitsahatra ny manao ny marina ny olona iray ary mikatsaka ny fahamarinana, mandra-pahatongan’ny fahamarinana ho toetra raikitapisaka sy toy ny voajanahary ao aminy, ary voarakitra an-tsoratra eo anatrehan'I Allah ho isan'ireo olo-marina sy tsara izy.
Ny lainga dia toetra ratsy izay azon’ny mpanao azy amin’ny alàlan’ny fanazaran-tena lava ary ny fampiharana azy amin’ny teny sy fihetsika, mandra-pahatongany ho lasa toetra raikitapisaka aminy, ary avy eo dia voarakitra eo anatrehan'I Allah ho isan'ireo mpandainga izy.
Ny fahamarinana dia azo lazaina amin'ny fahamarinan'ny lela, izay mifanohitra amin'ny lainga, sy ny fahamarinan'ny fikasana, dia ny fahadiovam-po, ny fahamarina fanapahan-kevitra dia miankina amin'ny fahamarinan'ny fikasany, ary ny fahamarinana amin'ny asa fatao ny farafaharatsiny amin'izany dia ny fitovizan'ny tsiambaratelony amin'izay ataony ankarihary, toy ny fahamarinana amin'ny tahotra sy ny fanantenana sy ny hafa ankoatr'ireo, ka izay manana izany toetra izany dia voasoratra ho olo-marina, na koa amin'ny ampahany ihany dia voasokajy ho olo-marina.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 25) (6094).
Sahìh Moslim (4/ 2013) (2607).
Ny Fanampiny (8)
توضيح الأحكام من بلوغ المرام.
لعبد الله البسام (7/ 479).
منحة العلام في شرح بلوغ المرام.
لعبد الله الفوزان (10/ 313).
فتح ذي الجلال والإكرام.
لابن عثيمين (6/ 417).
سبل السلام بشرح بلوغ المرام.
لمحمد الصنعاني (2/ 686).
Cited in books
14 BooksNy Fanampiny (13)
- الحقيقة المُبْهِرَة في العلاقة بين الإسلام والإنسان(عليكم بالصدق، فإنّ الصدق يهدي إلى البر، وإنّ البر يهدي إلى الجنة، وما يزال الرجل يصدق ويَتَحَرَّى الصدق حتى يُكتب عند الله صِدِّيقاً، وإياكم والكذب، فإنّ الكذب يهدي إلى الفجور، وإنّ الفجور يهدي إلى النار، وما يزال الرجل يكذب ويتحرى الكذب ح
- المختصر المفيد للمؤذن والإمام والخطيب وأحكام المساجد«عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ؛ فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى البِرِّ، وَإِنَّ البِرَّ يَهْدِي إِلَى الجَنَّةِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِندَ اللَّهِ صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالكَذِبَ، فَإِنَّ الك
- المختصر المفيد للمؤذن والإمام والخطيب وأحكام المساجد«عَلَيْكُم بِالصِّدْقِ؛ فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى البِرِّ، وَإِنَّ البِرَّ يَهْدِي إِلَى الجَنَّةِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِندَ اللَّهِ صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالكَذِبَ، فَإِنَّ الكَ
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“عليكم بالصدق؛ فإن الصدق يهدي إلى البر، وإن البر يهدي إلى الجنة، وما يزال الرجل يصدق ويتحرى الصدق حتى يكتب عند الله صديقا، وإياكم والكذب، فإن الكذب يهدي إلى الفجور، وإن الفجور يهدي إلى النار، وما يزال الرجل يكذب ويتحرى الكذب حتى يكتب عند ال
- رسالة موجزة عن الإسلام كما جاء في القرآن الكريم والسنة النبوية (مشتملة على الأدلة)رِسَالَةٌُ مُوجَزَةٌُ عَنِ الْإِسْلَامِ كَمَا جَاءَ فِي الْقُرْآنِ الْكَرِيمِ وَالسَّنَةِ النَّبَوِيَّة-مشتملة على الأدلة -للحرمين-«وَإِيَّاكُمْ وَالكَذِبَ فَإِنَّ الكَذِبَ يَهْدِي إِلَى الفُجُورِ وَإِنَّ الفُجُورَ يَهْدِي إِلَى النَّارِ وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَكْذِبُ وَيَتَحَرَّى الكَذِبَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللهِ كَذَّابًا» [64].
- قاموس الكبائر موسوعة الكبائر - المجموعة الأولى«عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ، فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى البِرِّ، وَإِنَّ البِرَّ يَهْدِي إِلَى الجَنَّةِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللَّهِ صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالكَذِبَ، فَإِنَّ ال
- قاموس الكبائر«عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ، فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى البِرِّ، وَإِنَّ البِرَّ يَهْدِي إِلَى الجَنَّةِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللَّهِ صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالكَذِبَ، فَإِنَّ ال
- قاموس الكبائرموسوعة الكبائر - المجموعة الثانية«عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ، فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى البِرِّ، وَإِنَّ البِرَّ يَهْدِي إِلَى الجَنَّةِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللَّهِ صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالكَذِبَ، فَإِنَّ ال
- كتاب تعليم المسلم الجديد«عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ، فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى الْبِرِّ»
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«وَإِنَّ الكَذِبَ يَهْدِي إِلَى الفُجُورِ، وَإِنَّ الفُجُورَ يَهْدِي إِلَى النَّارِ، وَإِنَّ الرَّجُلَ لَيَكْذِبُ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللَّهِ كَذَّابًا»[183].
- مباحث في أصول الدين1«إيّاكم والكذب، فإنّ الكذب يهدى إلى الفجور، وإنّ الفجور يهدى إلى النّار، وما يزال الرّجل يكذب ويتحرّى الكذب حتّى يكتب عند الله كذّابًا».
- مختصر الجواب الصحيح لمن بدل الدين المسيح1(عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ، فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى الْبِـرِّ، وَإِنَّ الْبِـرَّ يَهْدِي إِلَى الْجنَّةِ، وَلَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ الله صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالْكَذِبَ، فَإِنَّ
- مشروع المنهج التعليميمادة الحديث مستوى 1«عَلَيْكُمْ بِالصّدْقِ، فَإِنّ الصّدْقَ يَهْدِي إِلَىَ الْبِرّ، وَإِنّ الْبِرّ يَهْدِي إِلَىَ الْجَنّةِ، وَمَا يَزَالُ الرّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرّىَ الصّدْقَ حَتّىَ يُكْتَبَ عِنْدَ اللهِ صِدّيقًا، وَإِيّاكُمْ وَالْكَذِبَ، فَإِنّ الْكَذِبَ