Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A) niteny :
Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy Taminy hoe : “ Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana ”.
سَمِعَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَجُلًا يَعِظُ أَخَاهُ فِي الْحَيَاءِ، فَقَالَ: «الْحَيَاءُ مِنَ الْإِيمَانِ».
Nandre lehilahy nanoro hevitra ny Rahalahiny i Mpaminany (S.A.W) mba hiala amin'ny fahamaotinana tafahoatra loatra ! kas dia Nohazavainy Taminy fa anisan’ny Finoana ny fahamaotinana, ary tsy mitondra afa-tsy ny soa ihany izany. Ny fahamaotinana na ny henatra dia toe-tsaina mitarika ho amin’ny fanaovana ny Tsara sy ny fialana amin’ny Ratsy.
...:
Ny misakana Anao tsy hanao ny Tsara dia tsy atao hoe saro-kenatra, fa kosa atao hoe sarimbavy, fahalemena, ary kanosa.
Ny Henatra na ny fahamaotinana eo anatrehan’i Allah ilay avo Tsitoha dia azo avy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy sy ny fialana amin’ireo zavatra voarara.
Ny Henatra na ny fahamaotinana eo amin’ny Olona dia ny fanajana azy ireo, ny fametrahana azy ireo amin’ny toerany ary ny fialana sy fiatahana amin’izay zavatra mahamenatra izay mazàna sy nahazatra.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 14) (24).
Sahìh Moslim (1/ 63) (36).
Ny Fanampiny (8)
توضيح الأحكام من بلوغ المرام.
للبسام (7/ 489).
منحة العلام في شرح بلوغ المرام.
لعبد الله الفوزان (10/ 330).
فتح ذي الجلال والإكرام.
لابن عثيمين (6/ 427).
سبل السلام بشرح بلوغ المرام.
للصنعاني (2/ 689).