Skip to content

"Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy."

Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Omar (R.A) niteny : Nanontaniana ny irak'Allah mahakasika ny rano sy izay mahasolo azy amin’ny biby ary ny bibidia miaraka aminy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy."

«إِذَا كَانَ الْمَاءُ قُلَّتَيْنِ لَمْ يَحْمِلِ الْخَبَثَ».

Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) momba fahadiovan'ny rano izay isotroan'ny biby sy ny bibidia sy ireo izay toy izany, dia hoy izy namaly : Raha ny habetsahan'ny rano dia mahatratra siny lehibe roa, izay mitovy amin'ny (210) litatra, dia voasokajy ho rano be dia be ka tsy maloto. Raha tsy hoe niova nohon’ny fahalotoana ny iray amin'ireo toetrany telo - loko, tsiro na fofona.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Lasa maloto ny rano raha miova noho ny fahalotoana ny iray amin'ireo toetrany telo : ny lokony, ny tsirony, na ny fofony, ary ny Hadith dia milaza ny ankamaroany fa tsy famaritana.

Miara-manaiky ireo manampahaizana fa raha niovan'ny loto ny rano dia maloto tanteraka, na kely na be.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (1/ 46) (63).

Sonan At-Tirmizì (1/ 109) (67).

Sonan An-Nasàì (1/ 46) (52).

Sonan Ibn Màjah (1/ 324) (517).

Mosnad Ahmad (8/ 211) (4605).

Ny Fanampiny (6)

توضيح الأحكام.

للبسام (1/ 121).

فتح ذي الجلال والإكرام بشرح بلوغ المرام.

لابن عثيمين (1/ 67).

منحة العلام.

لعبد الله الفوزان (1/ 35).