Tsy hamela tady na rojo eo amin’ny vozon’ny rameva raha tsy tapaka."
Tatitra azo avy amin'i Bachir Al-Answariou (R.A) :
Izy dia niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny diany, dia niteny hoe : Naniraka Olona iray i Mpaminany (S.A.W) - ary ny olona rehetra dia tao an-tranony izy ireo : " Tsy hamela tady na rojo eo amin’ny vozon’ny rameva raha tsy tapaka."
أَنَّهُ كَانَ مَعَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِي بَعْضِ أَسْفَارِهِ، قَالَ: فَأَرْسَلَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَسُولًا -وَالنَّاسُ فِي مَبِيتِهِمْ-: «لَا يَبْقَيَنَّ فِي رَقَبَةِ بَعِيرٍ قِلَادَةٌ مِنْ وَتَرٍ أَوْ قِلَادَةٌ إِلَّا قُطِعَتْ».
Rehefa nandeha voyage i Mpaminany (S.A.W) indray andro, ary ny olona rehetra tao amin'ny toerana fatorian'izy ireo, dia naniraka olona iray izy hanapaka ireny firavaka atao amin'ny rameva ireny toy ny tady sy ny lakolosy na kapa, ary izany dia fanaon'izy ireo hiarovana amin'ny maso, ka nandidy izy hanapaka izany, satria miaro azy ireo, ary marina tokoa fa ny fahasoavana sy ny loza dia eo am-pelatanan'ny tompo Allah irery ihany tsy misy mpikambana Aminy.
وتر: مفرد أوتار، وهو ما يشد به القوس كانت العرب تعلقه تتقي به العين.
قلادة: ما يعلق في رقبة البعير وغيره، كالجرس والنعل، بنية دفع العين.
Fandrarana ny fanantonana ireny tady sy firavaka hitarihana zava-tsoa na fahsoavana sy fanosehana ny ratsy hoavy; satria izany dia tafiditra ho isan'ny fanakambanana an'i Allah amin'ny hafa.
Ny famatorana rojo tsy fiaro fa natao haingo na koa hisintonana ny biby na hamatorana azy dia tsy misy maharatsy izany.
Voadidy amintsika ny manameloka ny ratsy araka izay tratra.
Ny fo dia tsy maintsy mifikitra amin’Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa.
Sahìh Al-Bokhari (4/ 59) (3005).
Sahìh Moslim (3/ 1672) (2115).
Ny Fanampiny (6)
القول المفيد على كتاب التوحيد.
لابن عثيمين (1/ 179).
الملخص في شرح كتاب التوحيد.
لصالح الفوزان (ص77).
الجديد في شرح كتاب التوحيد.
لمحمد القرعاوي (ص89).