Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
“Izay mianiana ho toky dia tsy namantsika.”
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad
"Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
“Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".
Tsara Notantarain'i Ahmad
"Izay mihaona amin'i Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim