Hafatra fohy anakiroa mikasika ny Zakat sy ny fifehezana (fifadian-kanina).
Ny boky dia miresaka momba ny didy lehibe roa, ny Zakat sy ny Fifehezana, sady manazava ny lalànany sy ny tombotsoany, miaraka amin'ny fampahatsiahivana ny zon'Allah amin'ny mpanompony, ary mirakitra ny fanazavana momba ny lalànan'ny Zakat sy ireo karazana harena amoahana izany, ary ireo fahasoavan'ny Ramadany sy ny lalànan'ny Fifehezana ary ny fahaiza-miaina ao anatiny, amin'ny fomba ara-pahalalàna izay manambatra ny fototra araka ny lalàna Shari'ah sy ny fitarihana ara-panabeazana.
This PDF is generated automatically from the book's text; its layout may differ from the printed edition.
Hafatra roa fohy mahakasika ny Zakat sy ny fifehezana.
Nisoratan'i Sheikh manan-kaja
'Abdol'aziz Ibn 'Abdillah Ibn Bàz
Ho Aminy anie ny indrafon'Allah
Ny hafatra voalohany
Ireo lohahevitra lehibe mahakasika ny Zakat
Amin’ny anaran’Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
Dera sy fankasitrahana ho an'Allah Ilay tokana, ary tsodrano sy fandriam-pahalemana anie ho an'ilay tsy misy mpaminany intsony aoriany, sy ho an'ny fianakaviany ary ireo mpanara-diany, ka aorian'izany dia hoe :
Koa ny antony nandrisika ahy hanoratra ireto teny ireto dia ny fananarana sy ny fampahatsiahivana momba ny fandidiana Zakat izay nohamaivanin'ny mpino silamo maro ka tsy avoakan'izy ireo araka ny fomba voafaritra ara-dalàna, na dia eo aza ny halehiben'ny anjara toerany, ary ny maha-iray azy amin'ireo andry dimin'ny finoana Islam izay tsy hijoroan'ny rafitra misy azy raha tsy eo izy; araka ny tenin'ny Mpaminany ﷺ: «Miorina amin'ny andriny dimy ny finoana Islamo dia: ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad dia Irak'i Allah, ny fananganana ny Soalat, ny famoahana ny Zakat, ny fifehezana Ramadany, ary ny fivahiniana amin'ilay trano masina»[1]، Notaterin'i Bokhari sy Moslim (R.h). [1] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (8), sy Moslim, Laharana (16).
Ny fandidiana ny Zakat ho an'ny mpino silamo dia anisan'ireo hatsarana miharihary indrindra amin'ny finoana Islam, sy ny fiahiany ny raharahan'ireo mpanompony; noho ny hamaroan'ny tombotsoany, sy ny filàna lehibe ananan'ireo mahantra sy sahirana amin'ireo Silamo azy.
Ka anisan'ny soa azo avy amin'izany dia ny fanamafisana ny fifamatoram-pitiavana eo amin'ny mpanankarena sy ny mahantra; satria efa toetry ny fanahy ny mitia izay manao soa aminy.
Ary anisan'izany : Ny fanadiovana ny fanahy amin'ny loto rehetra mba hahatonga azy ho madio, sy ny fanalavirana azy amin'ny toetran'ny fahirana sy ny tsy famoahana, araka izay notondroin'ny kor’any Masina ao amin'ny teniny manao hoe: {Makà ampahany amin’ny fananan’izy ireo Ianao mba hanadiovanao sy hanomezanao azy ireo tsodrano avy amin’ny alàlan’izany...} [ Sorate At-Tawbat : 103 ]
Ary anisan'izany : Ny fanazarana ny mpino silamo amin'ny toetran'ny fahalan-tànana sy ny fanaovan-tsoa, ary ny fangorahana amin'ireo sahirana.
Ary anisan'izany koa: ny fikatsahana ny hasoavana sy ny fitomboana ary ny fanonerana avy amin'Allah, araka ny tenin'i Allah manao hoe : {...ka honerany izay fanomezana ataonareo. fa Izy no mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana.} [ Sorate Sabà : 39 ] Ary amin'ny Hadith marina dia nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa niteny Allah manao hoe : «Ry zanak’i Adama, manomeza, dia hanome ho anao koa Aho...»[2]، Ary ireo tombotsoa maro sesehena hafa ihany koa. [2] Notantarain'i Moslim, Laharana (993).
Ary efa tonga ny fandrahonana mafy ho an'ireo izay mahihitra aminy na tsy mahatanteraka ny famoahana azy, ka niteny Allah ilay Avo Indrindra hoe : {…Ary ireo izay mitahiry volamena sy volafotsy nefa tsy mahafoy mamoaka izany amin’ny làlan’i Allah, dia lazao azy ireo mialoha ny sazy mamirifiry.} Amin’izany andro izany, dia hafanaina amin’ny afobe ireo volamena sy volafotsy, ka dorana amin’izany ny handriny, ny tahezany sy ny lamosin’izy ireo, inty ilay nangoninareo ho an’ny tenanareo, ka andramonareo ankehitriny izay nangoninareo.35} [ Sorate At-Tawbat : 34 - 35 ] Ka ny harena rehetra tsy andoavana ny Zakat-ny dia izany no hampijaliana ny tompony amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, araka ny voalazan'ny Hadith marina avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) fa nilaza hoe: “Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa ny zon’izany, raha tsy amin’ny andron’ny fitsanganana amin’ny maty dia hovelarana takela-afo ho azy; ary hafanaina ao amin’ny Afobe izany, ka ho dorana miaraka amin'izany ny lanivoany sy ny handriny ary ny lamosiny, isaky ny mangatsiatsiaka dia haverina aminy indray izany, amin’ny andro iray izay mitovy amin’ny dimy alina taona, mandra-pitsarany ny mpanompo, ka ho hita ny làlany: na ho any amin’ny Paradisa, na ho any amin’ny Helo”[3]. [3] Notantarain'i Moslim, Laharana (987).
Avy eo dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) ny tompon'ny rameva, ny omby, ary ny ondry izay tsy mandoa ny Zakat-n'izy ireo, ary nilaza fa hampijalina amin'ireny izy amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.
Ary voamarina fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Izay olona nomen’i Allah harena ka tsy nanefa ny zakat-ny, dia haseho azy ny hareny amin’ny endrika bibilava lahy sola misy teboka mainty roa. Hifono amin’ny tendany izany amin’ny Andron’ny Fitsanganana, avy eo dia hosamboriny ny valanoranony roa (izany hoe : ny sisim-bavany), dia hiteny izy hoe : ‘Izaho no harenao, izaho no fanànanao’». Avy eo dia namaky ny tenin’i Allah Avo Indrindra ny Mpaminany ﷺ: ﴾ Ary aza mieritreritra ireo izay mahihitra amin’izay nomen’i Allah azy ireo tamin’ny fahasoavany, fa tsara ho azy ireo izany. Tsia ! Fa ratsy ho azy ireo izany, ho fatorana amin’ny tendany izy ireo amin’izay notazoniny nohon'ny fahihirany, amin'ny andron’ny fitsanganana... ﴿ [Al- Imran: 180][4]. [4] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (1338).
Ary ny Zakat dia voadidy amin'ny sokajy efatra : Ny vokatra mivoaka avy amin'ny tany amin'ny voamaina sy ny voankazo, ny Biby fiompy mivelona amin'ny ahitra, ny volamena sy ny volafotsy, ary ny entam-barotra.
Ary ny tsirairay amin'ireo karazany efatra ireo dia manana ny fatrany voafetra, ka tsy amoahana Zakat izay latsak'izany. Ny fatran'ny voamaina sy ny voankazo dia dimy wasaq, ary ny wasaq iray dia enimpolo daba araka ny fatran'ny Mpaminany (S.A.W), ho an'ny vokatra toy ny atrendry, voaloboka maina, varimbazaha, vary, barly sy ny mitovy aminy, dia telonjato swa'at araka ny fatran'ny Mpaminany (S.A.W) izany. Ary ny swa'at dia mandroaka in'efatra amin'ny tanan'ny lehilahy salantsalany vatana rehefa feno ny tanany roa.
Ary ny adidy amin'izany dia ny ampahafolony (10%) ho an'ny atrendry sy ny voly izay tondrahana tsy misy fahasarotana, tahaka ny amin'ny ranon'orana, sy ny renirano, ary ny loharano mikoriana sy ny toy izany.
Fa raha toa ka kosa tondrahana amin'ny fandaniana sy fahasahiranana : Toy ireo biby hampitaterina rano, sy ireo milina mpanondraka rano, sy ny mitovy amin'izany, dia antsasan'ny ampolony (5%) no tsy maintsy avoaka, araka ny voalazan'ny hadith mari-pototra avy amin'ny irak'i Allah (S.A.W).
Ary raha ny amin'ny fetra takiana amin'ireo biby fiompy eny an-tsaha, toy ny rameva sy ny omby ary ny ondry, dia misy fanazavana amin'ny an-tsipiriany voalaza mazava tsara ao amin'ireo Hadith marina avy amin'ny Iraka'i Allah ﷺ, ary azon'izay maniry ny hahafantatra izany anontaniana ireo manampahaizana momba izany, ary raha tsy noho ny finiavana hanatsotra izany dia ho notanisainay mba ho feno ny tombotsoa.
Ary ny fatran’ny volafotsy dia zato sy efapolo mithqal, ary ny fatrany raha amin'ny ryal Saodianina dia enina amby dimampolo riyal.
Ary ny fatran’ny volamena dia roapolo mithqal, ary ny fatrany amin'ny Jonaih Saodiana dia Jonaih iraika ambin'ny folo sy telo ampahafiton'ny Jonaih, ary amin'ny grama dia roa amby sivi-folo grama, ary ny tsy maintsy avoaka amin'ireo dia ampahefan'ny ampahafolony ho an'izay manana ny fatra amin'izy ireo, na amin'ny iray amin'izy ireo, raha toa ka efa nandalo taona iray ny nananany izany.
Ny tombom-barotra dia manaraka ny fotony ka tsy mitaky fe-taona vaovao, tahaka ny taranaky ny biby fiompy izay manaraka ny fotony ka tsy mitaky fe-taona vaovao raha toa ka mahatratra ny fatra takiana ny fotony.
Ary mitovy didy amin'ny volamena sy volafotsy ny vola taratasy izay ifanakalozan'ny olona ankehitriny, na antsoina hoe dirham, na dinar, na dollar, na anarana hafa, raha mahatratra ny sandany ny fatran'ny volafotsy na volamena ary nahafeno herintaona dia takina aminy ny zakat.
Ary tafiditra ao anatin'ny vola ny firavaky ny vehivavy vita amin'ny volamena na volafotsy, indrindra raha mahatratra ny fatra ary feno herintaona, dia takiana aminy ny zakat na dia natao ho ampiasaina na ho ampindramina aza araka ny hevitry ny manampahaizana marina indrindra; noho ny filazana ankapoben'ny Mpaminany ﷺ: “Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa ny zakat-ny, raha tsy amin’ny andron’ny fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo ho azy”[5]. Ka hatramin'ny farany ilay Hadith. [5] Notantarain'i Moslim, Laharana (987).
Ary rehefa nahita ny Mpaminany (S.A.W) fehin-tànana volamena roa tamin'ny tànan'ny vehivavy iray, dia hoy izy manao hoe : “Avoakanao ve ny Zakat an'ity?”. Hoy izy : “Tsia”. Dia hoy Izy : “Moa ve ankasitrahanao ny hametahan’i Allah fehintanana roa vita amin’ny afo aminao amin’ny andro farany noho ireo!”. Dia natsipiny avy hatrany ireo, ka niteny hoe : “Ho an’i Allah sy ny Irakany ireo”[6]. [6] Notantarain'i Abo Daòd, Laharana (1563), sy Nasa'i, Laharana (2270), amin'ny tatitra tsara.
Voamarina tamin'i Omm Salamah (RA) fa nanao firavaka volamena izy ka niteny manao hoe : Ry Irak’i Allah, harem-be ve izany? Dia namaly izy manao hoe : «Ny fananana izay mendrika hodiovina (hatao zakat), ka nodiovina, dia tsy harena voangona»[7] Ary ireo Hadith hafa milaza dikan'izany ihany koa. [7] Notantarain'i Abo Daòd, Laharana (1564).
Raha ny amin'ireo varotra, izay entana natao hamidy, dia tombanana amin'ny faran'ny taona ary avoaka ny ampahefatry ny ampahafolon'ny sandany, na mitovy amin'ny vidiny ny sandany na mihoatra na latsaka; araka ny hadith an'i Samorah (RA), izay nilaza hoe: «Nandidy anay ny Mpaminany (S.A.W) mba hamoaka ny sadaka avy amin'ny entana izay nomaninay hamidy»[8]. [8] Notantarain'i Abo Daòd, Laharana (1562).
Ary tafiditra amin'izany ny tany, ny tranobe, ny fiara, ny milina mpanondraka rano, ary ireo karazana entana hafa rehetra natokana ho an'ny varotra.
Fa ny fanaka natao hampanofaina fa tsy hamidy dia ny hofany no amoahana Zakat raha toa ka efa nandalo taona iray, fa ny tenany kosa dia tsy misy Zakat ao aminy; satria tsy natao hamidy izy, ary tahaka izany koa ny fiara manokana sy ny fiara karetsaka dia tsy misy Zakat ao aminy raha toa ka tsy natao hamidy, fa novidian'ny tompony ho ampiasainy fotsiny.
Ary raha misy vola voahangon'ny tompon'ny fiarakaretsaka na ankoatra izany ka mahatratra ny fatra, dia tsy maintsy amoahany ny Zakat-ny izany raha toa ka efa nandalo taona iray, na dia nomaniny ho an'ny fivelomana aza izany, na ho an'ny fanambadiana, na hividianana trano, na handoavana trosa, na ho an'ny tanjona hafa ankoatra izany; noho ireo porofo ara-dalàna ankapobeny izay manondro ny tsy maintsy hamoahana ny Zakat amin'ny tranga tahaka izany.
Ary ny marina amin'ny tenin'ireo manam-pahaizana dia tsy manakana ny Zakat ny trosa noho izay efa voalaza teo aloha.
Ary tahaka izany ihany koa, ny harenan'ireo Kamboty sy ireo very saina dia tsy maintsy amoahana Zakat araka ny hevitry ny ankamaroan'ireo manam-pahaizana, raha toa ka mahatratra ny fatra voatondro sady efa nahafeno herintaona, ary adidy ho an'ireo mpiahy azy ireo ny mamoaka izany miaraka amin'ny fikasana ho azy ireo rehefa feno ny taona; araka ireo porofo ankapobeny, toy ny tenin'ny Mpaminany ﷺ ao anatin'ny hadith notantarain'i Mo'âz (ho sitrak'i Allah anie izy) tamin'ny fotoana nanirahany azy tany amin'ireo mponina tao Yemen : «Allah dia nandidy azy ireo ny anjara-karena avy amin'ny fananan'izy ireo, izay alaina avy amin'ireo Mpanankarena eo amin'izy ireo, ary averina amin'ireo mahantra eo amin'izy ireo»[9]. [9] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (1395), sy Moslim, Laharana (19).
Ary ny Zakat dia zon'Allah ka tsy azo omena amim-pitiavan-tava an'izay tsy mendrika azy, sady tsy azo ampiasaina hitondrana tombontsoa ho an'ny tena manokana na hisakanana loza, na koa hiarovana ny harena na hanalana tsiny. Fa tsy maintsy ataon'ny mpino silamo ny mamoaka ny Zakat-ny ho an'ireo mendrika izany, noho izy ireo ao anatin'ny sokajy voatondro handray izany fa tsy noho ny antony hafa, miaraka amin'ny fo mazava sy faly ary ny fahadiovam-po tanteraka amin'Allah amin'izany; mba ho afaka amin'ny adidiny izy, ka ho mendrika ny valisoa lehibe sy ny fanoloana.
Ary efa nohazavain'Allah mazava tsara ao anatin'ny bokiny Masina ireo sokajin'olona mendrika handray ny Zakat, ka hoy Izy niteny sy nilaza ka nanao hoe : Ny harena fiantrana (Zakat) dia voatokana homena ireo mahantra, ireo fadiranovana, ary ireo izay miasa amin’izany, ireo mbola tambazana ny fony, ny famotsorana andevo, ireo izay vesaran’ny trosa sy ireo miasa amin’ny làlan’Allah, ary ho an’ny mpandeha lany vatsy. Didy avy amin’Allah izany! Satria Mahalala ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah. [ Sorate At-Tawbat : 60 ]
Ary amin'ny famaranana ity andininy masina ity amin'ireto Anarana roa lehibe ireto dia fampahatsiahivana avy amin'i Allah, Dera ho Azy, ho an'ireo mpanompony fa Izy, Dera ho Azy, no ilay Mahalala ny toe-javatra misy ireo mpanompony : hoe iza no mendrika handray ny sadaka ary iza no tsy mendrika, ary Izy no Ilay be Fahendrena amin'ny lalàny sy ny lahatrany ka tsy mametraka zavatra Izy raha tsy amin'ny toerana sahaza sy mendrika azy na dia miafina amin'ny olona sasany aza ny sasany amin'ireo tsiambaratelon'ny Fahendreny; mba hahatonga ireo mpanompo hatoky ny lalàny sy haneky tanteraka ny didiny.
Ary Allah no tompon'andraikitra amin'ny fitarihana antsika sy ny mpino silamo rehetra ho amin'ny fahalalana momba ny finoanany, sy ny fahatsoram-po amin'ny fifandraisana Aminy, sy ny fikelezan'aina ho amin'izay zavatra ankasitrahany, ary ny fahasalamana sy fiarovana amin'ireo zavatra mitondra ny hatezerany. Tena marina fa Izy dia maheno ny zavatra rehetra ary akaiky indrindra
Ary Allah anie handefa ny tsodrano sy fahombiazana ary fiadanana ho amin'ilay mpanompony no sady Irany, i Mohammad (S.A.W), sy ireo fianakaviany ary ireo mpiara-dia taminy.
Filoha Jeneralin'ny Fitantanan-draharaha ho an'ny Fikarohana Siantifika
Famoahana Fatwa (fanampahan-kevitra) sy Antso sy Tari-dàlana
Sheikh hajaina: ABDOUL AZIZ BIN ABDOULLAH BIN BAZ
HAFATRA FAHAROA :
Ny fahasoavan'ny fifehezana Ramadany sy ny Soalat Taraweh miaraka amin'ny fanazavana lalàna manan-danja sasany izay mety tsy fantatry ny olona sasany.
Amin'ny anaran'Allah, ilay Be Fiantrana, ilay Be Indrafo.
Avy amin'i Abdil Azizi bin Abdillahy bin Bàzi ho an'izay mahita azy amin'ireo mpino silamo, enga anie Allah hitari-dàlana ahy sy izy ireo ho amin'ny làlan'ny manam-pinoana, ary hanome fahombiazana ahy sy izy ireo amin'ny fahatakarana ny Sonnah sy ny Kor'any, Àmin
Fiadanan'ny Tompo Allah sy Indrafon'Allah ary fahasoavany anie ho anareo.
Aorin'izany : Ity dia torohevitra fohy mikasika ny fahasoavan'ny fifehezana amin'ny Ramadany sy ny fitsanganana hanao fanompoana amin'ny aliny, ary ny fahasoavan'ny fifaninanana amin'ny asa soa ao anatin'izany, miaraka amin'ny fanazavana ireo fitsipika manan-danja izay mety ho tsy fantatry ny olona sasany.
Voamarina avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) fa fanaony ny nanome vaovao mahafaly ny mpanaradiany momba ny fahatongavan'ny volana Ramadany, ary nilaza tamin'izy ireo izy (S.A.W) fa volana izay misokatra ny varavaran'ny famindram-po sy ny varavaran'ny Paradisa, mihidy ny varavaran'ny helo, ary mifatotra daholo ny devoly, ka hoy izy : "Rehefa tonga ny alina voalohany amin'ny Ramadany, dia misokatra ny varavaran'ny Paradisa ka tsy misy varavarana na dia iray aza mihidy, ary mihidy ny varavaran'ny helo ka tsy misy varavarana na dia iray aza misokatra, ary mifatotra avokoa ny devoly, ary misy miantso manao hoe : Ry mpitady ny tsara, manatòna, ary ry mpitady ny ratsy, mahitsia. Ary an'i Allah ny olona afahana amin'ny helo, ary izany dia isan'alina."[1] [1] Notantarain'i Tirmidhi, No. (682), sy Ibn Majah, No. (1642).
Ary niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Tonga aminareo ny volana Ramadany, volana feno fitahiana izay anaronan'i Allah anareo : ka mampidina ny famindram-po Izy, ary manala ny fahotana, ary mamaly ny fitalahoana. Mijery ny fifaninapreo ao anatiny i Allah ka mirehareha aminareo eo anatrehan'ireo anjeliny; koa asehoy an'i Allah ny soa avy aminareo; fa ny tena fadiranovana dia izay tsy mahazo ny famindram-pon'i Allah ao anatin'izany»[2]. [2] Notantarain'i Al-Tabarani ao amin'ny Mosnad-ny, Laharana (2238).
Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny fo feno finoana sy fanantenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha, ary izay nitsangana tamin'ny volana Ramadan tamin'ny fo feno finoana sy fanantenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha, ary izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatol-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanantenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha»[3]. [3] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2014), sy Moslim, Laharana (760).
Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Niteny Tompo Allah manao hoe : Ny asa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia hahazoany valisoa avo folo heny ka hatramin'ny fitonjato, afa-tsy ny fifehezana, fa izy io dia ho Ahy ary ny tenako no hamaly soa azy; namela ny filany sy ny sakafony ary ny zava-pisotrony noho ny Amiko izy. Ho an'ny mpifehy dia misy fifaliana roa : Fifaliana rehefa mamaha ny fifehezany, ary fifaliana rehefa mihaona amin'ny Tompony. Ary ny fofom-bavan'ny mpifehy dia manitra lavitra mihoatry ny fofon'ny ranomanitra misk»[4]. [4] Notantarain'i Ibn Majah, Laharana (1638).
Ary marobe ireo Hadith miresaka momba ny hatsaran'ny fifehezana amin'ny volana Ramadany sy ny fanaovana fivavahana amin'ny alina ao aminy, ary ny tombotsoan'ny fifehezana amin'ny ankapobeny.
Koa tokony hataon'ny mpino ny hanararaotra ity fotoana ity, izay fanomezana avy amin'i Allah tamin'ny nahatratrarany ny volana Ramadany; ka hanao haingana ny asa fankatoavana, hiala amin'ny asa ratsy, ary hiezaka hanatanteraka izay napetrak'i Allah ho adidy aminy, indrindra fa ny vavaka dimy isanandro; fa izany no andrin'ny finoana Islam, ary izany no adidy lehibe indrindra aorian'ny fijorona vavolom-belona roa. Koa adidy ho an'ny mpino silamo lahy sy vavy rehetra ny fitandremana azy sy ny fanatanterahana azy amin'ny fotoanany ao anatin'ny fanetren-tena sy ny fitoniana.
Ary anisan'ny adidiny lehibe indrindra ho an'ny lehilahy ny fanatanterahana azy miaraka amin'ny maro ao anatin'ireo tranon'Allah, izay nanomezan'Allah alàlana mba hajoro avo dia avo sy hotsaroa ao anatiny ny Anarany, araka ny teniny hoe : Ary atsanganinareo ny Soalat (fanompoam-pivavahana), ary avoahinareo ihany koa ny Zakat (famoahana ampahan-karena), ary miondreha ianareo miaraka amin’ireo mpiondrika. [Sorate Al-Bakarat :43], Ary niteny Allah manao hoe : Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana (soalat), indrindra ny vavaka fanompoana afovoany ; ary mitsangana amim-panetrentena eo anatrehan’Allah ianareo. [ Sorate Al-Bakarat : 238 ], Ary mbola niteny ihany : Tena sambatra tokoa ireo mpino. Ireo izay manetri-tena amin’ny vavaka Soalat ataon’izy ireo. [ Sorate Al-Mo'minona : 1-2 ] Hatreo amin’ny nitenenany hoe : Sy ireo izay manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo vavaka (Soalat). Ireo no mpandova, izay mandova ny Paradisa (Firdaosy) ka ho ao mandrakizay. [ Sorate Al-Mo'minona : 9-11 ] Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny fifanekena eo amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay namela izany dia efa tsy mpino". 5. [5] Notantarain'i Tirmidhi, No. (2621), sy Ibn Majah, No. (1079).
Ary ny lehibe indrindra amin'ireo adidy aorian'ny fanatanterahana ny fanompom-pivavahana Soalat dia ny famoahana ny Zakat, araka ny voalaza manao hoe : Eny ! Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Allah amin'ny finoana feno fahadiovam-po tsy misy fangarony, ary hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana soalat sy hamoaka ny ampaham-pananana zakat ho an'ireo mendrika izany, eny ! Izany no finoana marina sy mendrika. ( Al-baynat : 5 ). Ary niteny Allah manao hoe : Tanterahanareo ny soalat (vavaka), omenareo ny zakat (harena fiantrana), ary ankatoavinareo ny Iraka. Angamba ianareo ahazo ny famindram-po. [ Sorate AN-NOR : 56 ].
Efa nanambara ny Bokin'i Allah Lehibe sy ny Sonnan'ny IrakaNY mendri-kaja fa na iza na iza tsy mandoa ny zakat tamin'ny harenany dia hampijaliana noho izany amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.
Ary ny zava-dehibe indrindra aorian'ny Soalat sy ny Zakat dia ny fifehezana Ramadany, ary izy io dia iray amin'ireo andry dimin'ny finoana Islam voatonona ao anatin'ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Miorina amin'ny fototra dimy ny finoana Islamo dia: ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia Irak'i Allah, ny fananganana ny Soalat, ny famoahana ny Zakat, ny fifehezana Ramadany sy ny fanaovana Hajj amin'ilay trano masina»[6]. [6] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (8), sy Moslim, Laharana (16).
Ary adidin'ny mpino silamo ny miaro ny fifehezany sy ny fivavahany amin'ny alina amin'izay noraràn'i Allah aminy amin'ny teny sy ny asa; satria ny tanjona amin'ny fifehezana dia ny fankatoavana Allah Ilay Masina, ny fanomezam-boninahitra ireo zavatra nohamasininy, ny tolona amin'ny tena manokana mba hanohitra ny filany ho amin'ny fankatoavana ny Tompony, ary ny fampizàrana azy ny faharetana amin'izay noraràn'i Allah. Tsy hoe ny fandaozana fotsiny ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ireo zavatra hafa rehetra mamaha ny fifehezana no tanjona; ary izany dia voamarina avy tamin'ny irak'i Allah ﷺ rehefa niteny hoe: «Ny fifehezana dia fiaro, ka rehefa eo am-panatanterahana fifehezana ny iray aminareo dia aoka tsy hiteny ratsy na hitabataba, ary raha misy manompa azy na mitady ady aminy dia aoka izy hilaza hoe : "Izaho mifehy"»[7], Ary voamarina avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) fa niteny hoe : «Izay tsy mamela ny fijorona vavolombelona amin'ny diso sy ny asa ratsy mitovy aminy ary ny hadalana, dia tsy misy ilàn'i Allah ny famelany ny sakafony sy ny zava-pisotrony»[8]. Fantatra araka izany avy amin'ireo lahatsoratra ireo sy ny hafa fa voadidy amin'ny mpifehy ny fitandremana izay rehetra noraràn'Allah aminy, sy ny fanatanterahana izay rehetra nandidiany azy. Ary noho izany no hanantenana ho azy ny famelan-keloka, ny fanafahana amin'ny Afobe, ny fankatoavana ny fifehezana sy ny fivavahana amin’ny alina. [7] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (1904), sy Nasa'i, Laharana (2537). [8] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (1804), sy Abo Dawod, Laharana (2362).
Ary misy ireo zavatra mety tsy fantatry ny olona sasany :
Anisan'izany : Voadidy amin'ny mpino silamo ny mifehy amin'ny fo feno finoana sy fanantenana valisoa, tsy noho ny fireharehana na ny laza na fanarahana fotsiny ny olona, na fanarahana ny fianakaviany na ny mpiray tanindrazana aminy. Fa ny tokony ho antony manosika azy hifehy kosa dia ny finoany fa i Allah no nandidy izany taminy, sy ny fanantenany valisoa avy amin'ny Tompony. Toy izany koa ny fivavahana amin'ny alin'ny Ramadany, dia tsy maintsy ataon'ny mpino silamo amin'ny fo feno finoana sy fanantenana valisoa, fa tsy noho ny antony hafa; Ary noho izany no nilazany (S.A.W) : «Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny fo feno finoana sy fanantenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha, ary izay nitsangana tamin'ny volana Ramadan tamin'ny fo feno finoana sy fanantenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha, ary izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatol-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha»[9]. [9] Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (2014), sy Moslim, Laharana (760).
Anisan'ireo zavatra izay mety tsy fantatry ny olona sasany ny didy momba azy : ny zavatra mety manjo ny mpifehy toy ny ratra, na lela, na loa, na ny fidirana rano na lasantsy ao amin'ny tendany tsy noho ny safidiny, ka ireo rehetra ireo dia tsy manimba ny fifehezana, saingy izay ninia nandoa dia simba ny fifehezany; araka ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Izay tafandoa dia tsy manonitra, ary izay ninia nandoa kosa dia manonitra»[10]. [10] Notantarain'i Tirmidhi, laharana (720), sy Ibn Majah, laharana (1676).
Anisan'izany : ny fanemoràn'ny olona mifehy ny fandroana noho ny loto lehibe -JANABA- hatramin'ny aorian'ny fiposahan'ny maraina, ary ny fanemoràn'ny vehivavy ny fandroana noho ny fadimbolana na ny Nifasy hatramin'ny aorian'ny fiposahan'ny Fadjiry rehefa hitany ny fahadiovana mialohan'izany, dia takina Aminy ny Fifehezana, ary tsy misy manakana Azy tsy hanemotra ny fandroana hatramin'ny aorian'ny fiposahan'ny Fadjiry, kanefa tsy azony atao ny manemotra izany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, fa tsy maintsy mandro Izy sy manatanteraka ny Soalat Fadjiry alohan'ny fiposahan'ny masoandro, Ary toy izany koa ny Olona voan'ny loto lehibe -JANABA-, tsy azony atao ny manemotra ny fandroana aorian'ny fiposahan'ny masoandro, fa takina Aminy ny mandro sy miseky ary manatanteraka ny Soalat Fajiri alohan'ny fiposahan'ny masoandro, ary takina amin'ny lehilahy ny manafaingana izany mba hahatratrarany ny Soalat Fadjiry miaraka.
Isan'ireo zavatra tsy manimba ny fifehezana : Ny fanalana rà, sy ny fanaovana tsindrona izay tsy natao ho famahanana, kanefa ny fanemorana izany ho amin'ny alina dia tsara kokoa sady malina kokoa raha toa ka azo atao; noho ny tenin'ny Mpaminany ﷺ: "Avelao izay manalasala anao ho eo amin'izay tsy manalasala anao"[11]. [11] Notaterin'i Tirmidhi, No. (2518).
Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : «Izay miala amin'ny zavatra mampisalasala dia voaaro ny Finoany sy ny voninahiny»[12]. [12] Notanterin'i Al-Bokhari, Laharana (52), sy Moslim, Laharana (1599).
Anisan'ireo zavatra izay manjavozavo amin'ny olona sasany ny didy momba azy : Ny tsy fisian'ny fitoniana ao anatin'ny Soalat, na Soalat tsy maintsy atao izany na Soalat an-tsitrapo. Ary efa nanambara ireo Hadith marina voaray avy amin’ny Iraka’Allah ﷺ fa ny fitoniana dia andry anisan’ireo andrin’ny Soalat, ka tsy manan-kery ny Soalat raha tsy eo izany. Ary izany dia ny fitoniana sy ny fifantohana ao anatin'ny Soalat, ary ny tsy fanaovana azy maikamaika mandra-piverin'ny vanin-taolana tsirairay amin'ny toerany. Maro amin'ny olona no manao ny Soalat Tarawih amin'ny volana Ramadany amin'ny fomba tsy misy fifantohana sady tsy ahitana fitoniana ao anatiny, fa ataony am-pamaikana sy an-tsirambina fotsiny. Ary ny Soalat atao amin'izany endrika izany dia tsy manan-kery, ary ny olona manao azy dia mpanota ka tsy hahazo valisoa.
Ary anisan'ireo raharaha izay mety tsy fantatry ny olona sasany ny didy momba azy : Misy amin'izy ireo mihevitra fa tsy azo ahena latsaky ny roapolo rakat ny vavaka Tarawih, ary misy amin'izy ireo koa mihevitra fa tsy azo ampiana mihoatra ny iraika ambin'ny folo na telo ambin'ny folo rakat. Fiheverana tsy amin'ny toerany izany rehetra izany, fa fahadisoana mifanohitra amin'ny porofo aza.
Ary ireo Hadith marina avy amin'ny irak'Allah (S.A.W) dia nanondro fa ny soalat amin'ny alina dia malalaka, ka tsy misy fetra voafaritra tsy azo ialana, fa voamarina kosa avy aminy (S.A.W) fa nanao soalaty iraika ambin'ny folo rakà izy tamin'ny alina, indraindray kosa telo ambin'ny folo rakà, ary indraindray kosa latsak'izany, amin'ny Ramadany sy amin'ny fotoana hafa, ary rehefa nanontaniana momba ny soalat amin'ny alina izy dia namaly hoe : “Roa-roa, ka raha matahotra ny fidiràn’ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) ny iray aminareo, dia aoka izy hanao rakat iray izay hahatonga ho isa tsy mivaky ny vavaka efa vitany”[13]. Notaterin'i Bokhari sy Moslim (R.h). [13] Notanterin'i Bokhari, Laharana (946), sy Moslim, Laharana (749).
Ary tsy namaritra isan'ny rakà manokana izy, na amin'ny Ramadany na amin'ny fotoana hafa, ary noho izany ny Soahàba tamin'ny andron'i Omar (R.A) dia nivavaka telo amby roapolo rakà indraindray, ary iraika ambin'ny folo rakà tamin'ny fotoana hafa. Izany rehetra izany dia voamarina avy amin'i Omar (R.A) sy ireo Soahàba tamin'ny androny.
Nisy tamin'ireo Salaf no nanao soalat enina amby telopolo rakà tamin'ny Ramadany, ary nanao Witr telo rakà, ary ny sasany tamin'izy ireo dia nanao soalat iraika amby efapolo rakà. Notaterin'i Shaykh al-Islam Ibn Taymiyyah sy ireo manam-pahaizana hafa izany. Tahaka ny nanambarany -mamindra fo aminy anie Allah- fa malalaka io raharaha io. Ary nambarany ihany koa fa ny tsara kokoa ho an'izay manalava ny famakiana sy ny Roko' ary ny Sojòd dia ny mampihena ny isa, ary izay manamaivana ny famakiana sy ny Roko' ary ny Sojòd kosa dia mampitombo ny isa. Izany no hevitry ny teniny -mamindra fo aminy anie Allah-.
Ary izay mandinika ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) dia hahafantatra fa ny tsara indrindra amin'izany rehetra izany dia ny fanaovana soalat iraika ambin'ny folo na telo ambin'ny folo raka'at amin'ny Ramadany sy ankoatr'izany; satria izany no mifanaraka amin'ny fanaon'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny ankamaroan'ny fotoana, ary satria mora kokoa ho an'ny mpivavaka izany, sady manakaiky kokoa ny fanetren-tena sy ny fitoniana. Ary izay manampy mihoatra izany dia tsy misy tsiny ary tsy ankahalaina, araka ny efa voalaza teo aloha.
Ary ny tsara indrindra ho an'izay mivavaka miaraka amin'ny Imam amin'ny vavaka ijoroana amin'ny Ramadany dia ny tsy hiala raha tsy miaraka amin'ny Imam; noho ny tenin'ny Mpaminany: "Raha miara-mitsangana amin'ny Imam ny lehilahy iray mandra-pialany, dia soratan'Allah ho azy ny valisoan'ny fitsanganana alina iray manontolo."[14]. [14] Notantarain'i Al-Tirmidhi, Laharana (806), sy Abo Dawod, Laharana (1375).
Ary voatendry ara-pivavahana ho an'ny Silamo rehetra ny fahazotoana amin'ny karazana fanompoam-pivavahana amin'ity volana mendri-kaja ity, toy ny fanaovana Soalat tsy an-tsitrapo (Nafila), ny famakiana ny Koroany amim-pisaintsainana sy amim-pahalalana, ny fampitomboana ny fanaovana Tasbih, Tahlily, Tahmìd, Takbir, ary Istighfar, sy ny fitalahoana araka ny lalàna, ny fandrisihana amin'ny soa sy ny fandrarana amin'ny ratsy, ny fiantsoana mankany amin'i Allah, ny fampiononana ny mahantra sy ny sahirana, ny fahazotoana amin'ny fanaovana soa amin'ny ray aman-dreny sy ny fikolokoloana ny fifandraisana amin'ny havana, ny fanomezam-boninahitra ny mpiara-monina, ny famangiana ny marary, ary ireo karazana asa soa hafa; araka ny teniny ﷺ tao amin'ilay Hadith teo aloha hoe : «Mijery ny fifaninanareo amin'izany i Allah, ka mirehareha aminareo amin'ireo Anjeliny Izy; Koa asehoy an'i Allah ny tsara avy amin'ny tenanareo, fa ny olon-doza dia izay tsy nomena ny famindram-pon'i Allah amin'izany»[15]. [15] Notantarain'i At-tabarani ao amin'ny bokiny "Mosnad", Laharana (2238).
Ary araky ny voatantara avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Izay manao asa soa an-tsitrapo iray ao anatin'izany, dia toy ny nanatanteraka adidy iray amin'ny fotoana hafa, ary izay manatanteraka adidy iray ao anatin'izany, dia toy ny nanatanteraka adidy fitopolo amin'ny fotoana hafa»[16]. [16] Notantarain'i Ibn Khozaymah ao amin'ny boky swahihiny, Laharana (1887).
Ary araky ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Hadith manao hoe : "Ny Omrah amin'ny Ramadany dia mitovy amin'ny Hajj, na hoy izy : Hajj miaraka amiko[17]"." [17] Notanterin'i Bokhari, Laharana (1863).
Ary maro ny Hadith sy ny fitantarana manambara ny maha-ara-dalàna ny fifaninanana amin'ny fanaovana asa soa isan-karazany mandritra ity volana mendri-kaja ity.
Ary amin'Allah no angatahana mba hanampy antsika sy ny Silamo rehetra amin'ny zava-drehetra izay ahitany fankasitrahana, ary mba handray ny fifadian-kanintsika sy ny fivavahantsika, ary hanarina ny toe-piainanay, ary hiaro antsika rehetra amin'ireo fakam-panahy mampivily làlana. Torak'izany koa, mangataka Aminy isika, Ilay Masina Indrindra, mba hanarina ny mpitondra ireo silamo, sy hanambatra ny tenin'izy ireo eo amin'ny fahamarinana. Izy no tompon'izany sy manana fahefana mahefa izany.
"As salam anlaikom wa rahmatollahy" Fandriam-pahalemana ho anareo sy ny hinakinakan'ny Tompo Allah sy ny fahasoavany
Related books
All books
Hafatra tsotra mahakasika ny Foto-pinoana Islamika47 languagesHafatra tsotra mahakasika ny Foto-pinoana Islamika
Ny boky dia manazava ny fototry ny finoana izay ahitana amin'ny endrika ankapobeny ny finoana Allah, sy ireo Anjeliny, ny Bokiny, ny Irany, ny Andro farany, ary ny anjara sy lahatra. Ary ny boky dia manolotra ireo fitsipika fototra izay tsy maintsy inoan'ny Mpino Isilamo sy hankatoaviny, sady manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fifandraisana amin'Allah amin'ny alàlan'ny fahatakarana lalina ny foto-pinoana Islamika.
Ny finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah85 languagesNy finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah
Ny finoana Islamo dia ny fanoloran-tena manokana ho amin'i Tompo Allah, ilay Mpamorona sy Mpandrindra an'izao rehetra izao, ary ny fanekena Azy noho ny fitiavana sy ny fanamboniana misy eo Aminy. Ny fototry ny finoana Islamo dia ny finoana sy fanekena an'i Tompo Allah, fa Izy irery ihany no Mpahary, ary ny rehetra ankoatra Azy dia zava-boahary nohariany avokoa, ary Izy irery no mendrika ho Tompoina ka tsy misy mpiombonan-toka Aminy, ary tsy misy azo tompoina am-pahamarinana afa-tsy Izy irery ihany, Izy dia manana ireo Anarana Tsara indrindra sy ny Toetoetra Avo izay sahaza ny vonahiny, ary…
الإسلام دين رب العالمين
Ny fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny Soalat79 languagesNy fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny Soalat
Boky mitondra ny lohateny "Ny fomba nanatanterahan'ny Mpaminany (S.A.W) ny swalat", izay namintinan'i Sheikh hajaina 'Abdol'aziz Ibn Bàz (R.A) ny endriky ny salàn'ny Mpaminany (S.A.W), tamin'ny fomba fanoratra mora azo sady mazava, mifototra amin'ireo porofo marina, mba ho mpitari-dàlana ho an'ny silamo amin'ny swalàny. Nanazavany tao ireo andry fototry ny swalat, ireo sunnah ary ny endriny manomboka amin'ny ouzo ka hatramin'ny taslim, ka nampiraisiny ny porofo sy ny fanazavana, sady nanentanany ny fanarahana feno ny Mpaminany (S.A.W) amin'ity fanompoam-pivavahana lehibe indrindra ity.