Skip to content

“Fahafinaretana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Fahafinaretana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”

«الدُّنْيَا مَتَاعٌ، وَخَيْرُ مَتَاعِ الدُّنْيَا الْمَرْأَةُ الصَّالِحَةُ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa izao tontolo izao sy izay rehetra ao anatiny dia zavatra ankafizin'ny olona mandritra ny fotoana fohy iainany avy eo dia miala, fa ny tena mahafinaritra indrindra dia ny fahazoanao vady hendry, izay rehefa jerenao izy dia mahafaly anao, ary raha nodidinao dia mankatò, ary raha tsy eo ianao, dia miaro anao sy ny fanànanao izy.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Azo atao ny misitraka ny zava-tsoa eto amin’izao tontolo izao izay nataon'Allah ho ara-dalàna amin’ny mpanompony tsy misy fihoaram-pefy na fandanindaniam-poana.

Famporisihana amin'ny fisafidiana vady tsara; Satria manampy ny lehilahy hankatò ny Tompony izany.

Ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ao anatin'ny fankatoavana an'Allah na fanampiana amin’izany.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (2/ 1090) (1467).

Ny Fanampiny (6)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 365).

كشف المشكل من حديث الصحيحين.

لابن الجوزي (4/ 129).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمصطفى الخن وغيره (1/ 286).