Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana.
Tatitra azo avy amin'i Omm A'tiya, ary izy dia nanao velirano tamin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana.
كُنَّا لا نَعُدّ الكُدرَةَ والصُّفْرَةَ بعدَ الطُّهرِ شيئًا.
Nilaza ny mpiara-dia amin'ny Mpaminany (S.A.W) antsoina hoe : Omm A'ttiya (R.A) fa ny vehivavy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nihevitra ny tsiranoka mavo mivoaka avy amin'ny taovam-pananahana ho fadimbolana - ary ny lokony dia mirona makany amin'ny mainty na mavo - aorian'ny fahadiovana tamin'ny fadimbolana : Ka tsy namela ny Soalat sy ny fifehezana noho izany izy ireo.
الْكُدْرَةُ: هو الماء الذي تراه المرأة كالماء الوسخ الكدر.
الصُّفْرَةَ: هو الماء الذي تراه المرأة كالصديد يعلوه اصفرار.
Ny rano mivoaka avy amin'ny fivavian'ny vehivavy - aorian'ny fahadiovana amin'ny fadimbolana - dia tsy heverina ho loto, na dia misy tsiranoka mavo azo avy amin'ny rà aza.
Ny fivoahan'ny tsiranoka mavo amin`ny fotoana tonga fotoana dia heverina ho fadimbolana. Satria izany rà amin'ny fotoany, afa-tsy hoe mifangaro amin'ny rano.
Ny vehivavy dia tsy mamela ny Soalat sy ny fifehezana noho ny tsiranoka mavo mipoitra aorian'ny fanadiovana, fa tokony hidio isaky ny hivavaka.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 72) (326).
Sonan Abo Daòd (1/ 226) (307).
Ny Fanampiny (4)
توضيح الأحكام.
للبسام (1/ 450).
سُبل السلام.
للصنعاني (1/ 153).