“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”.
Tatitra azo avy amin'i O'kbata ibn A'mir Al-Johanÿ (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :
“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”.
«الجاهِرُ بالقرآن كالجاهِرِ بالصَّدَقَةِ، والمُسِرُّ بالقرآن كالمُسِرِّ بالصَّدَقَة».
Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa ireny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahibemaso ireny dia toy ny Olona manome fanampina fihantrana ankarihary, fa ireny izay Mpanafina ny famakiany ny Boky masina Koroany kosa dia mitovy amin'ny Olona Mpanampy ny Olona amin'ny takotakona sy mangingina.
...:
Tsara kokoa ny manafina ny famakiana ny Boky masina KOROANY, toy ny mahatsara kokoa ny fanafenana ireo fanomezana Soadaka, Satria amin'izany no tena hisian'ny fahadiovam-po sy fanalavirana ny fihatsarambelatsihy sy ny fiebohebohana, afa-tsy hoe misy antony manokana mitaky ny famakiana Azy ampahibemaso toy ny fampianarana ny Boky masina KOROANY.
Sonan Abo Daòd (2/ 494) (1333).
Sonan At-Tirmizì (5/ 40) (2919).
Sonan An-Nasàì (5/ 80) (2561).
Ny Fanampiny (4)
الكاشف عن حقائق السُّنن (5/1688).
شرح أبي داود للعيني (5/238).
تحفة الأحوذي (8/ 191).
التنوير في شرح الجامع الصغير (5/286).