Skip to content

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny mpanao kolikoly sy ny mpaka tsolotra amin'ny fitsarana.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy manao hoe :

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny mpanao kolikoly sy ny mpaka tsolotra amin'ny fitsarana.

لَعَنَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ الرَّاشِيَ وَالْمُرْتَشِيَ فِي الْحُكْمِ.

Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Niantso amin'ny fandroahana sy ny fanalavirana tsy ho eo amin'ny famindram-pon'Allah ilay Tsitoha ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ireo izay mandoa tsolotra, mandray sy maka kolikoly. Anisan’izany ny fikaramana ny mpitsara mba hiangatra amin’ny didy havoakany; Mba hahatanteraka izay tadiavin'ilay mpanome tsy ara-drariny.

ireo dikan-teny

لعن: حقيقة اللعن الدعاء بالطرد والإبعاد عن رحمة الله تعالى.

الراشي: هو دافع الرشوة.

المرتشي: آخذ الرشوة.

في الحكم: في القضاء.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Voarara ny manome tsolotra, mandray azy ireo, manelanelana amin’izany, na manampy azy ireo. Satria misy fiaraha-miasa amin'ny tsy marina.

Fahotana lehibe ny kolikoly, Satria ny irak'Allah (S.A.W) dia nanozona izay mandray sy mpanolotra azy.

Ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fitsarana sy ny famoahana didy dia heloka sy fahotana lehibe indrindra. Satria misy ny tsy rariny ao anatin'izany sy ny fanapahana hafa ankoatra izay nampidinin’Allah.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (3/ 15) (1336).

Mosnad Ahmad (15/ 8) (9023).

Ny Fanampiny (8)

توضيح الأحكام مِن بلوغ المرام.

للبسام (7/ 188).

فتح ذي الجلال والإكرام شرح بلوغ المرام.

لابن عثيمين (6/ 172).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (9/ 450).

سبل السلام شرح بلوغ المرام.

للصنعاني (2/ 577).