Skip to content

"Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao."

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao."

«إذا قُلْتَ لِصَاحِبِكَ: أَنْصِتْ، يومَ الجمعةِ، والْإِمامُ يَخْطُبُ، فَقَدْ لَغَوْتَ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo fahalalam-pomba tsy maintsy atao ho an'izay manatrika ny toriteny zoma dia ny mihaino ny mpitoriteny, mba hisaintsainana ny toriteny, ary izay miteny - na dia zavatra kely indrindra aza - nefa mbola mitoriteny ny imam, ka miteny amin'ny hafa izy hoe : "Mangina ianao" ary "mihainoa", dia tsy nahazo ny valisoan'ny vavaka Zoma izy.

ireo dikan-teny

أَنْصِتْ: اسكت عن الكلام.

لَغَوْتَ: لغا أتى بقول ساقط، ليس فيه فائدة.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fandrarana ny fitenenana eo am-pihainoana ny toriteny, eny fa na dia amin’ny fanakanana amin'ny ratsy na ny famaliana ny fiarahabana na ny famalina ny mpievona.

Tsongaina amin'izany ireo izay miresaka amin'ny imam na izay iresahan'ny imam.

Azo atao ny miresaka eo anelanelan'ny toriteny roa raha ilaina.

Raha voatonona ny anaran'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa manao toriteny ny imam, dia mandefa vavaka sy tso-drano ho azy am-pahanginana ianao, ary toy izany koa ny fitenenana AMINE rehefa mandeha ny Doan.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (2/ 13) (934).

Sahìh Moslim (2/ 583) (851).

Ny Fanampiny (10)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص244).

تنبيه الأفهام.

للعثيمين (2/ 307).

الإلمام بشرح عمدة الأحكام.

لإسماعيل الأنصاري (1/ 195).

فتح الباري.

لابن حجر (2/ 409).

تاج العروس من جواهر القاموس.

لمحمّد الحسيني الزَّبيدي (39/ 463).