Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

79 of 665 cards

Clear filters
"Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga, noho ny soalat ataony ao an-tranony sy any an-tsenany. Satria raha misy ny iray amin'izy ireo nanao ozò ka nataony tsara ny ozò-ny, avy eo dia tonga tao amin'ny moske, tsy nisy nanetsika azy afa-tsy ny soalat ihany, ary ny hivavaka ihany no nilainy, ka isaky ny mamindra izy dia ho ampiakarin'i Allah arak'izany ny voninahiny, ary ho fafany arak'izany ny fahotany mandram-pidirany any amin'ny moske. Rehefa miditra ny moske izy dia efa tafiditra ao anaty soalat raha toa ka ny soalat no mitazona azy ao aminy (Moske), ary ny Anjely mivavaka ho an’ny anankiray aminareo raha mbola eo amin’ny toerana nivavahany izy, ka hiteny manao hoe : Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mamelà azy, Allah ô, raiso ny fibebahany, raha mbola tsy nanao ratsy izy, na koa namoaka loto kely (mbola tsy simba ny ozò-ny)".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Rehefa nanao Takbir tamin'ny vavaka ny irak'Allah, dia nangina kely talohan'ny nitenenany, ka hoy aho : Ry irak'Allah ô, noho ny reniko sy ny raiko, inona no zavatra teneninao amin'ny fahanginana kely nataonao? Dia hoy izy namaly : “Miteny aho : Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana, Allah ô, diovy aho ho afaka amin’ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny akanjo fotsy amin’ny loto“, Allah ô, sasao amin'ny fahotako aho amin’ny ranomandry sy ny rano ary ny havandra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Voatonona teo anatrehan’ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy natory nandritra ny alina mandra-maraina, dia niteny izy hoe : “Io dia lehilahy iray izay namanian’ny satana teo amin'ny sofiny roa, na koa niteny hoe : teo an-tsofiny”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
"Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
I Mpaminany (S.A.W) rehefa miala amin'ny Swalat izay nataony dia mangataka famelan-keloka in-telo, ary miteny hoe : " Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo". Niteny i Al-walìd : noteneniko tamin'ny Aozàì' hoe : Ahoana ny fomba fangatahana ny famelan-keloka? Namaly izy hoe : Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim