Skip to content

" Ny asa tsara rehetra dia fanomezana".

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

" Ny asa tsara rehetra dia fanomezana".

«كُلُّ مَعْرُوفٍ صَدَقَةٌ».

Notaterin'i Boukhàri amin'ny Hadithe an'i Jabir ary Notaterin'i Mouslimo amin'ny Hadithe an'i Houzayfat
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny asa soa rehetra sy izay mahasoa ny hafa, amin'ny teny na amin'ny fihetsika dia fanomezana, ary mitondra valisoa sy hatsarana.

ireo dikan-teny

معروف : المعروف اسم جامع لكل ما فيه نفع للآخرين من قول أو فعل.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fanomezana dia tsy voafetra amin’izay avoakan’ny olona amin’ny volany, fa tafiditra ao anatin’izany ny zavatra tsara rehetra ataon’ny olona na izay nolazainy sy ampitainy any amin’ny hafa.

Mampirisika ny olona hanao ny soa sy izay rehetra mahasoa ny hafa ihany koa.

Tsy ny manao tsinontsinona ireo asa soa na dia kely sy maivana aza.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 11) (6021).

Sahìh Moslim (2/ 697) (1005).

Ny Fanampiny (4)

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 117).

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

للبسام (7/ 341).