Ny Iraka ho an'ny finoana Isilamo dia i mpaminany Mohammad (saw)
Boky mitondra ny lohateny "Mohammad (S.A.W), ilay Iraky ny ny finoana Islam", dia mirakitra ny fiainan'ny Mpaminany Mouhammad (S.A.W) manomboka amin'ny firazanany sy ny fitomboany ka hatramin'ny fanambadiany feno fahasoavana, ny fiandohan'ny famiananiany sy ny fanombohan'ny hafatra farany izay noentiny, ary manazava ireo famantarana ny faminaniany sy ireo mariky ny fahamarinany, sady mampiseho ny lalàna nentiny sy ny anjara toerany amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny hasiny, ary koa manasongadina ny fihetsik'ireo mpanohitra azy sy ny fijoroan'izy ireo ho vavolombelona ho Azy, miaraka…
This PDF is generated automatically from the book's text; its layout may differ from the printed edition.
Ny Iraka ho an'ny finoana Isilamo dia i mpaminany Mohammad (saw)
Komity siantifika ao amin'ny Fiadidian'ny Raharaha ara-pinoana ao amin'ny moske Al-Haram sy ny moske An-Nabawi
Amin'ny anaran'i Allah, Ilay Be indrafo, Ilay Be fihantra Topi-maso amin'ny endrika fohifohy mahakasika tantaran'ilay Iraka nitondra ny finoana Islam, i mpaminany Mohammad [1] (ٍٍٍَS.A.W), ka ho hazavaina sy ho velabelarina etoana avokoa ny momba azy, ny anarany, sy ny firazanany, ary ny tanana izay nipoirany sy nihaviany, ary ireo mahakasika ny fanambadiany, sy ny hafatra rehetra izay noetiny sy napetrany, ary niantsoany ny olona sy ny vahoaka, misy ihany koa ny tantara mahakasika an'ireo famantarana rehetra manoloana ny faminaniany, sy ireo lalànany, ary ny fomba rehetra niatrehany ny fanasoketana azy.
1-Ny anarany sy ny firazanany ary ny tanàna izay nahaterahany sy nitombohany.
Ny iraky ny Islam dia i Mohammad (S.A.W) zanak'i Abdoullah zanak'i Abdoul-Moutttwalib zanak'i Hachim izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Ismael zanak'i Ibrahim (A.S).
Ary izany dia satria i Mpaminany Ibrahim (A.S) nandeha nitodi-doha avy tany Cham (Siria) Izy nankany Makka, niaraka tamin'ny Agara sy ny zanany lahy Ismael, izay mbola zaza menavava tamin'izany fotoana izany, dia nampetrany tao Makka izy roa mianaka noho ny didy avy tamin'Allah ilay Tsitoha. Koa rehefa tonga teo amin'ny fahatanorany ilay zaza dia tonga tany Makka indray i Mpaminany Ibrahim (A.S) ka nanorina ilay trano masina Mosquée Al-HARAm izy sy ny zanany Ismael. Nihamaro ny zanakolombelona manodidina ny trano masinan'Allah, dia lasa tanànan'ireo mpanompo an'Allah tompon'izao tontolo izao i Makkat sy renivohiny, ireo izay manana fanirina hanao Hajj, ary nizotra mandrakariva tamin'ny fanompoana an'Allah sy ny fanokanana azy ny olombelona tamin'ny alàlan'ny finoan'i Ibrahim (A.S) nandritry ny taonjato maro.
Ary taorian'izany dia nisy fivilian-dàlana niseho, ka lasa toy ny tanàna manodidina azy ny faritry ny Arabo, ka niseho ny karazana fanompoan-tsampy : toy ny fanompoana sary vongana, ny fandevenana zazavavy, ny fampahorina ny vehivavy, ny lainga, ny fisotroana toaka, ny fijangajangana, fihinana ny volan'ny kamboty sy fakana ny zana-bola...
Teto amin'ity toerana ity sy eto amin'ity tontolo ity, no teraka ny iraky ny finoana Islam, Mouhammad bin Abdoullah, izy dia tamin'ny taranak'i Ismail bin Ibrahim (A.S), tamin'ny taona 571 taorian'i J.K. Dia maty ny rainy talohan'ny nahaterahany, ary ny reniny dia maty tamin'ny fahenina ny taonany, ary i Abou Talib dadatoany no nanohana azy, ka niaina tamin'ny fahakambotina izy, mahantra, ary nihinana sy niasa tamin'ny herin-tsandriny.
2-Fanambadiana feno fahasambarana tamin'ilay vehivavy feno fahasambarana
Rehefa feno dimy amby roapolo taona izy dia nanambady ny iray tamin’ireo vehivavy tao La Mecque, dia i Khadija binti Khuwaylid, ka nanan-janaka vavy efatra sy roa lahy tamin’ny vadiny izy ary ny zanany lahy roa dia maty tamin’ny fahazazany avokoa, ary ny fifandraisany tamin'ny vadiny sy ny fianakaviany dia tena tao anatin'ny fahelemem-panahy sy be fitiavana, ary noho izany antony izany ny vadiny Khadija dia nitia azy tamim-pitiavana lehibe, ary namaly azy koa izy, ary tsy nanadino azy na dia taona maro taorian'ny nahafatesany aza, ary matetika izy rehefa namono ondry iray dia mizara amin'ireo sakaizan'i Khadija, ho fankasitrahan'Allah ho azy, ho fanajana azy sy hitahiry ny fitiavany.
3- FIATOMBOHAN'NY FAMINANIANA
Ny irak'Allah Mouhammad (S.A.W), dia nanana toetra lehibe nanomboka tamin'ny namoronan'Allah azy, ary ny vahoakany dia niantso azy hoe Ilay Marina sy Mahatoky, Izy dia niara-niasa tamin'izy ireo tamin'ny fanatontosana ireo asa lehibe, ary nankahala azy ireo tamin'ny fanompoan-tsampy nataon'izy ireo ary tsy nandray anjara tamin'izy ireo.
Rehefa feno efapolo taona izy fony izy tany La Mecque, dia nofidin’Allah ho iraka, ka tonga teo aminy i anjely Jibril (A.S) nitondra ny Sorata masina voalohany ao amin’ny CORAN, dia ny tenin’ilay Tsitoha :
Nahary ny olombelona tamin'ny vongan-drà.
Nampianatra ny olombelona ireo zavatra tsy fantany (5).
Dia nandeha tany amin'i Khadija vadiny izy sady nangovitra ny fony, ary nilaza taminy ny vaovao ary nanome toky azy izy, ary nentiny tany amin'i Waraqah ibn Nawfal, zanak'olo-mpiray tam-po tamin'ny rainy, izay niova ho Kristianina ary namaky ny boky Torah sy ny Evanjily - ary hoy i Khadija taminy : Ry zanak'olo-mpiray tam-po amin'ny raiko, henoy ny zavatra holazain'ny zanadrahalahinao, dia hoy i Waraqah taminy : Ry zanaky ny rahalahy, inona no hitanao? dia nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) izay hitany, dia niteny taminy i Waraquah manao hoe :
(Izany no anjely nampidinin’Allah tamin’i Mosesy (A.S). Maniry fatratra aho mba hanana faharetana amin’izany, Maniry fatratra aho ho velona rehefa nandroaka anao ny vahoakanao. Dia hoy ny irak’Allah manao hoe : “Moave mbola handroaka ahy izy ireo?» Dia namaly Izy : Eny, tsy mbola nisy olona nitondra tahaka izay nentinao io afa-tsy lasa fahavalony, ary raha nahatratra ny andronao izany aho, dia hanohana anao amin’ny fandresena lehibe Aho.
Tany La Mecque dia nitohy ny fidinan'ny fanambarana Coran, ary anjely Jibril (A.S) nampidina izany avy tamin'ny Tompon'izao tontolo izao, ary nitondra ny antsipirihan'ny hafatra.
Nanohy niantso ny vahoakany ho amin’ny finoana Islam izy, saingy nolavin’ny vahoakany izy ary nifanditra taminy izy ireo mba ho takalon’ny fandaozana ny hafatra : Ny vola sy ny maha-mpanjaka, ary nolaviny izany rehetra izany, araka ny nolazain’izy ireo toy ny nolazain'ireo mpitarika tamin'ireo iraka teo alohany : Mpisikidy, mpandainga, mpanendrikendrika, ary nanenjika azy ny vahoakany, Nanafika ny vatany mendri-kaja izy ireo ary nanenjika ny mpanara-dia azy.
Nijanona tao Lameka i Mpaminany (S.A.W) niantso ho amin'Allah, ary nikendry tamin'ny vanim-potoanan'ny Hajj sy ny teny amin'ny tsena arabo izy, izay nihaona tamin'ny olona ary tsy naniry ny hanana izao tontolo izao na ny fahefana, ary tsy nampitahotra tamin'ny sabatra no tsy nanana fahefana ary tsy mpanjaka, ary nametraka ny fanamby tamin'ny antsony voalohany dia ny mba hitondran'izy ireo mitovy amin'izay nentiny avy tao amin'ny CORAN Lehibe, ary nanohy nanohitra ny izay mpanohitra azy, ka nino azy izay nino tamin'ireo swahaba mendrim-piderana fifalian'Allah anie ho azy ireo.
Tany La Mecque dia nanome voninahitra azy Allah tamin’ny fahagagana lehibe, dia ny Diany tamin’ny alina ho any Jerosalema, ary avy eo ny niakarany tany an-danitra. Ary fantatra fa nampiakatra an'ny Mpaminany Elias sy Jesoa Kristy ho any an-danitra Allah, araka ny voalaza eo amin’ny mpino silamo sy ny kristiana.
Ary nandray baiko momba ny fivavahana Swalat tany an-danitra i Mpaminany (S.A.W), ary io vavaka io no vavaky ny mpino silamo in-dimy isan'andro, ary tao La Mecque - koa - nisy famantarana lehibe hafa, dia ny fitresahan'ny volana ka hitan’ireo mpanompo sampy.
Nampiasa ny fomba rehetra handroahana azy ireo tsy mpino koraisita. Nikasa hanao tetika hanohitra Azy sy hampiala azy izy ireo, sady mafy fo tamin’ny fangatahana porofo famantarana, ka nitady fanampiana tamin’ny Jiosy mba hanome azy hevitra izay hanampy azy hiady hevitra aminy sy hampiala ny olona aminy.
Rehefa nitohy ny fanenjehana ny mpino avy amin'ireo koraisita, dia navelan'ny Mpaminany (S.A.W) hifindra monina tany Abyssinia izy ireo, ary hoy ny Mpaminany taminy : Any dia misy mpanjaka marina tsy mampahory na iza na iza, ary mpanjaka kristiana izy. Ka nandeha nifindra monina tany Abyssinia ny antokon'olona roa tamin'izy ireo, ary rehefa tonga tany Abyssinia ireo mpifindra monina dia natolony an'i Najash Mpanjaka ny fivavahana nentin'ny Mpaminany Mouhammad (S.A.W). Niova ho mpino silamo izy ary niteny hoe : “Ity dia – avy amin’Allah – ary io no nentin’i Mosesy (A.S) ary nivoaka avy tamin’ny loharano iray, ary hanohy ny fanaraha-maso ireo fampijalin’ny olony aminy sy ny namany.
Anisan'ireo izay nino azy nandritra ny vanim-potoana io, dia nisy andian'ireo izay tonga avy any Madina ary niantoka ny tsy fivadihany tamin'ny finoana Islam sy hanohana azy raha nifindra tany amin'ny tanànan'izy ireo izay antsoina hoe (YATHRIB). Ary nomena alàlana hifindra monina any an-tanànan’ny Mpaminany ireo izay mbola nijanona tao Lameka, ka nifindra monina izy ireo ary niely tao an-tanàna Madina ny finoana Islam, mandra-paha-tsy nisy trano iray raha tsy efa nidiran'ny finoana Islam.
Rehefa nandany telo ambin'ny folo taona tao Lameka niantso ho amin'Allah i Mpaminany (S.A.W), dia navelan'Allah hifindra tany amin'ny tanànan'ny Mpaminany izy. Noho izany dia nifindra monina izy - S.A.W - ary nanohy ny antso ho an'Allah, ary nitohy tsikelikely ny filatsahan'ny lalàn'ny finoana Islam, ary nanomboka nandefa ireo olony niaraka tamin'ny taratasy ho any amin'ny lehiben'ny foko sy ny mpanjaka mba hiantso azy ireo amin'ny finoana islam. Ary anisan’ireo nandefasana hafatra tany aminy : ny mpanjakan’ny Romana, ny mpanjakan’ny Persiana, ary ny mpanjakan’i Egypta.
Tany Madina dia nisy fanakona-masoandro, izay nifanojo tamin'ny andro nahafatesan'i Ibrahim, zanaky ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy ny olona hoe : Takona ny masoandro noho ny fahafatesan'i Ibrahim, dia namaly i Mpaminany manao hoe :
(Ny masoandro sy ny volana dia tsy takona noho ny fahafatesan’olona na ny fahavelomany, fa izany kosa dia anisan’ny famantarana avy amin’Allah, ary izany no hampitahoran’Allah ireo mpanompony) [3].
Raha mpandainga i Mpaminany (S.A.W) dia ho faingana izy hampitahotra ny olona tsy nino azy ary hilaza fa efa takona ny masoandro noho ny fahafatesan'ny zanako, ka ahoana amin'ireo izay milaza ahy ho mpandainga?
[3] Swahihi Moslim : (901)
Ary i Mpaminany (S.A.W) dia notahin'ny Tompony tamin'ny fitondran-tena tonga lafatra, ka nofariparitany tamin'ny teniny manao hoe :
Niavaka tamin’ny fitondran-tena tsara rehetra izy, toy ny fanaovana ny marina, ny fahatsoram-po, ny herim-po, ny rariny, ary ny tsy fivadihana na dia amin’ny mpanohitra azy aza, ny fahalalahan-tànana, ary tia manome fiantrana ho an’ny mahantra, ny tsy manan-katao, ny maty vady ary ny sahirana, ary nazoto nitari-dàlana azy ireo, ary mamindrà fo amin’izy ireo sy manetry tena amin’izy ireo, mandra-pahatongan’ny lehilahy hafa mitady ny Iraka (S.A.W) ary nanontany amin’ireo mpiara-dia aminy (R.A) nefa i Mpaminany (S.A.W) miaraka amin'izy ireo saingy tsy fantany ka miteny manao hoe : Iza aminareo no Mouhammad?
Ny fiainany dia mariky ny fahalavorariana sy ny fahamendrehana eo amin’ny fifandraisany amin’ny olona rehetra : ny fahavalo sy ny sakaiza, na ny akaiky na ny lavitra, na antitra na tanora, na lahy na vavy, na biby sy vorona.
Rehefa nofenoin'Allah ho azy ny finoana ary nampitain'ny Mpaminany (S.A.W) avokoa ny hafatra tamin'ny ankapobeny, dia maty izy rehefa feno telo amby enimpolo taona, dia tao amin'izany ny efapolo taona talohan'ny naha-mpaminany azy, ary telo amby roapolo taona naha mpaminany sy iraka azy.
Nalevina tao an-tanànan’ny Madina i Mpaminany – S.A.W – ary tsy namela vola na lova afa-tsy ny ampondra fotsiny izay nitaingenany sy tany izay nomeny ho an’ny mpandeha an-tongotra ho fiantrana[4].
[4] Voarakitry ny Bokin'ny Hadith : Soahihy Al-Bokhary (4461) 6/15.
Ny isan'ireo izay niditra ho mpino silamo sy nino ary nanaraka azy dia betsaka, ary mihoatra ny iray hetsy tamin'ireo mpanaradiany no nanao ny Hajj fanaovam-beloma niaraka taminy, ary tokony ho telo volana talohan'ny nahafatesany izany. Ny tsiambaratelon'ny fitandroana ny fivavahany sy ny fanaparitahana azy, izay natsangany tamin'ny soatoavina sy ny foto-kevitry ny finoana Islam, dia anisan'ireo mpiara-dia tsara indrindra amin'ny resaka fahamarinana, ny fiafiana ary ny fitiavam-bavaka izay ninoany.
Ny lehibe indrindra amin'ireo mpiara-dia aminy (R.A), amin'ny lafiny finoana, ny fahalalana, ny asa, ny fahatsoram-po, ny fankatoavana, ny fiezahana, ny herim-po ary ny fahalalahan-tanana dia : Abou Bakr Al-Siddiq, Omar bin Al-Khattab, Othman bin Affan, ary Ali bin Abi Talib, Allah anie ho faly amin’izy ireo. Ary izy ireo no anisan’ny voalohany nino sy nanaiky azy, ary izy ireo no mpandimby azy (kalifa) taoriany, izay nitondra ny fanevan’ny finoana taoriany, ary tsy nanana na inona na inona toetran’ny faminaniana, ary tsy nomeny na inona na inona ho an’ireo namany sisa, Allah anie homba azy ireo.
Ary Allah dia nitahiry ny Bokiny izay nentiny, ny Sonnany, ny tantaram-piainany, ny teniny, ary ny asany tamin’ny fiteniny izay nitenenany dia tsy nisy tantara voatahiry - nandritra ny vanom-potoana - toy ny tantaram-piainan'ny - S.A.W - dia voatahiry avokoa hatramin'ny ahona ny fomba natoriany, nihinanany, nisotroany, ary fihomehiny?
Ary ahoana ary ny fomba fiainany niaraka tamin'ireo ankohonany tao an-tranony ?
Voatahiry sy voarakitra ao amin’ny tantaram-piainany avokoa ny toe-piainany, Olombelona izy, mpitondra hafatra, izay tsy manana ny toetra maha-Andriamanitra, ary tsy manasoa tombony na manome loza ho an'ny tenany.
Ireo hafatra rehetra izay nataony sy navelany.
Nirahin'Allah i Mouhammad (S.A.W), rehefa niparitaka nanerana ny tany ny fanompoan-tsampy sy ny tsy finoana ary ny tsy fahalalana, ary tsy nisy olona tavela teto ambonin'ny tany izay nanompo an'Allah tsy nampifandray na inona na inona taminy, afa-tsy ny sisa tavela avy tamin’ny olon’ny Boky. Noho izany dia nandefa ny irak’Allah i Muhammad (S.A.W) ho toy ny tombo-kasen’ny mpaminany sy ny iraka no nandefasan’Allah azy tamin’ny fitarihana sy ny fivavahana marina ho an’izao tontolo izao, mba hampanjaka izany amin’ny fivavahana rehetra, sy hamoahana ny olona hiala amin’ny haizin’ny fanompoan-tsampy, ny tsy finoana, ny tsy fahalalana ho amin’ny fahazavan’ny finoana tokana sy ny finoana, ary ny hafany dia mifameno amin’ny hafatry ny mpaminany teo aloha, ny fiadanana sy ny fitahiana ho azy ireo. .
Niantso ho amin'izay rehetra nantsoin’ny mpaminany sy ny iraka teo aloha Izy (R.A) : Noa, Ibrahim, Moussa, Soulaiman, Daoud, ary Issa – ny finoana fa ny Tompo dia Allah, Mpamorona, Mpanome anjarampivelomana, Mpamelona, Mpanjakan'ny mpanjaka. Ary izy dia mandrindra ny fiainana, ary Izy no Mpangoraka sy Mpamindra fo, ary Allah no Mpamorona ny zava-drehetra eto amin’izao tontolo izao izay tsy hitantsika, sy ny zavatra rehetra ankoatra an’Allah dia iray amin’ireo zavaboariny.
Niantso ny fanompoana an’Allah irery ihany koa izy ary nandao ny fanompoam-pivavahana hafa ankoatr’izay, ary nilaza mazava – mba hanazavana – fa iray ihany Allah ary tsy misy mpiara-miasa aminy amin’ny fanompoam-pivavahana, ny fanjakany, ny famoronana, na ny fitantanany, ary nataony mazava fa Allah ilay Tsitoha dia tsy niteraka ary tsy nateraka, ary tsy misy mitovy na miralenta aminy, ary tsy mahazo na inona na inona amin'ny zavaboariny ary tsy tonga nofo ao Aminy.
Niantso amin'ny finoana ireo bokin’Allah izy, toy ny soratra masin’i Abrahama sy Mosesy, fiadanana ho azy ireo, ny Torah, ny Salamo ary ny Filazantsara, ary heverina fa izay tsy mino ny mpaminany iray dia tsy mino ny mpaminany rehetra.
Nitory ny vaovao mahafaly ho an’ny olona rehetra momba ny famindrampon’Allah izy, ary Allah no tompon’andraikitra amin’ny fahafenoan’izy ireo amin’ny fivavahana, ary Allah no Tompo be famindrampo, ary Izy irery ihany no hitsara ny zavaboary amin’ny andro fitsanganany amin’ny maty rehefa navoakany avy avy ao am-pasana izy ireo, ary Izy no mamaly soa ny mpino noho ny asa soa nataony ho avo folo heny, ary ny ratsy dia iray mitovy aminy, ary ho azy ireo ny fahasambarana any an-koatra, ary izay tsy mino sy manao asa ratsy dia hahazo ny valisoany eto amin’izao tontolo izao sy any ankoatra.
Ao amin'ny hafany, i Mpaminany - S.A.W - dia tsy nanome voninahitra ny fokony, ny fireneny, na ny maha-mendrika azy, fa ny anaran'ny mpaminany Nouh, Ibrahim, Moussa ary Issa dia voatonona ao amin'ny CORAN Masina mihoatra noho ny anarany, tsy voatonona koa ny anaran'ny reniny na ny anaran'ny vadiny ao amin'ny CORAN Masina na dia indray mandeha, fa ny anaran'ny renin'i Moizy dia voatonona imbetsaka ao amin'ny CORAN, ary i Maria in-telo amby telopolo.
Ilay iraka Mouhammad - S.A.W - dia voaaro amin'ny zavatra rehetra izay mifanohitra amin'ny Sharia, ny saina sy ny mahavoajanahary, na lavin'ny fitondran-tena tsara. Satria ny mpaminany rehetra dia voaaro amin’ny zavatra ampitainy momba an’Allah, ary noho izy ireo tompon’andraikitra amin’ny fampitana ny didin’Allah amin’ny mpanompony, ary ny mpaminany dia tsy manana na dia iray aza amin’ireo toetra maha-tompo na maha-Andriamanitra azy. Izy ireo kosa dia olombelona tahaka ny olombelona rehetra, izay nandefasan’Allah Tsitoha ny hafany.
Iray amin'ireo porofo lehibe indrindra fa ny hafatry ny iraka Muhammad (S.A.W) dia hafatra avy amin'Allah dia mbola tavela mandraka ankehitriny tahaky ny tamin'ny fahavelomany, ary mihoatra ny arivo tapitrisa ny Silamo manaraka azy io, ary mampihatra ny adidiny ara-dalàna, toy ny vavaka, zakat, fifadian-kanina, Hajj, sy ny hafa, tsy misy fiovana na fanodinkodinana.
5- Ny famantarana ny faminaniana ary porofo amin'izany
Allah dia manohana ny mpaminany amin’ny andinin-teny milaza ny faminaniany, ary manome azy ireo hevitra sy porofo manamarina ny hafatr’izy ireo. Anllah dia nanome famantarana ampy ho an’ny mpaminany tsirairay mba hinoan’ny olona ny tahaka azy, ary ireo famantarana lehibe indrindra nomena ny mpaminany dia ireo famantaran’ny Mpaminany Muhammad, nomen’Allah azy ny CORAN masina, izany hoe Ny andininy sisa tavela dia iray amin’ireo famantarana ireo mpaminany mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana amin’ny maty, araka izay notohanan’Allah tamin’izany famantarana lehibe (fahagagana), sy porofon'ny Iraka Mouhammad - S.A.W - zavatra maro, ao anatin'izany :
Ny dia tamin’ny alina sy ny fiakarana any an-danitra, ny fizarazaran’ny volana ary ny orana nilatsaka imbetsaka taorian’ny niantsoany ny Tompony mba hanome rano ny olona rehefa maina izy ireo.
Fahabetsahan'ny sakafo sy rano kely, saingy ny olona mihinana sy misotro azy betsaka.
Ary filazany ireo zavatra tsy hita maso amin'ny antsipiriany izay tsy nisy nahalala, fa Allah no nilaza taminy, toy ny tantaran'ireo mpaminany, ny fiadanana ho aminy, miaraka amin'ny vahoakany, ary ny tantaran'ny vahoakan'ny lavabato.
Ny fampahafantarana azy ny amin’ny fisehoan-javatra tsy hita maso izay hitranga aty aoriana noho ny fampahafantaran’Allah Tsitoha azy, dia tahaka ny vaovao momba ny afo hivoaka avy tany amin’ny tany Hijaz, izay hitan’ireo olona taoSHAM, ary ny fananganan'ny olona trano mijoalajoala.
Fahampian'Allah sy fiarovany azy amin’ny olona.
Fahatanterahan'ny fampanantenany tamin’ireo mpanaradiany, toy ny nilazany hoe :
(Handresy ny Persiana sy ny Romana ianareo, ka handany ny hareny amin’ny làlan’Allah ianareo).
ary fanohanan'Allah azy tamin'ny alàlan'ny anjely.
Ary ny vaovao mahafaly nolazain'ireo mpaminany (A.S) amin'ny olony momba ny faminanian'ny Mpaminany Mouhammad - S.A.W - ary isan'ireo nilaza izany i Mosesy, Davida, Solomona, Issa, ho amin’izy ireo anie ny fiadanana sy ny mpaminany hafa tamin’ny Zanak’Isiraely.
Ary tamin'ireo porofo maro ara-tsaina sy fanoharana maro samy hafa izay nomena [5] fa izay tokoa no hita fa mety mampifoha tsy satry ny saina amam-panahy madio sy mandry fahalemana.
[5] tahaky ny tenin'nyTompo Allah manao hoe : ( Ry olombelona ! indro aroso ho anareo ny fanoharana koa aoka ianareo mba hihaino izany “ Marina fa ireo izay italaovanareo ankoatry ny Tompo Allah, dia tsy afaka manamboatra na mahavoahary na dia lalitra iray akory aza, na dia hivondrona ho amin’izany aza izy ireo. Ary raha naningan-javatra iray teo aminy ny lalitra dia tsy mahefa ny hamerina izany amin’ny laoniny ihany koa izy ireo, noho ny fahalemen'ny mpangataka sy ny angatahana !) [Soraty Al-Hadj 73]
Miparitaka ao amin'ny CORAN sy ny Sunnah-n'ny Mpaminany ireo andinin-tsoratra masina ireo, porofo ary ohatra marim-pototra, ary maro loatra ireo andininy ao aminy ka tsy ho voatanisaka izay te hianatra momba azy ireo dia tokony handinika ny CORAN sy ny bokin'ny Hadith ary ny tantaram-piainan'ny Mpaminany, satria misy fampahalalana sasantsasany momba ireo andininy ireo.
Raha tsy nisy ireo andininy lehibe ireo dia ho nahita fahafahana handà azy sy hampitandrina ny olona momba azy ireo mpanohitra avy amin’ny koraisita sy ny Jiosy ary ny Kristianina tany amin’ny firenena Arabo.
Ny CORAN dia boky nampidinin'Allah tamin'ny Mpaminany Mouhammad - S.A.W - ary izy io dia tenin'ny Tompon'izao tontolo izao ka nanao fanamby amin'ny olombelona sy ny jiny mba tompo Allah mba hamorona zavatra tahaka izany na soura tahaka izany, ary mbola mijanona ho fanamby mandraka androany, ary mamaly fanontaniana manan-danja maro izay mampisavoritaka ny olona an-tapitrisany ny CORAN, ary voatahiry mandraka androany amin'ny teny arabo ny CORAN Lehibe nambara izany. Tsy misy na dia teny iray aza very ao, ary atao pirinty sy avoaka, ary boky lehibe sy mahagaga izy io, ary izy no boky lehibe indrindra tonga teo amin’ny olona, mendrika ny hamaky azy na hamaky ny fandikana ny heviny, ary izay tsy tafamaky sy tsy mino azy dia very ny soa rehetra.
Ary koa, ny Sunnah sy fomba amam-panaon'ny Mpaminany Muhammad - S.A.W - ary ny tantaram-piainany dia voatahiry sy ampitaina araka ny andian-tantara azo antoka, ary voatonta amin'ny teny Arabo toy nitenenan'ny Mpaminany Mouhammad - S.A.W - ka toy ny velona miaina eo anivontsika, ary nadika tamin'ny fiteny maro ny CORAN sy ny Sunnah ny irak'Allah -(S.A.W) - izy roa no hany loharanon'ny didy sy lalànan'ny finoana Islam.
6- Ny lalàna sy fepetra ary fitsipika izay noentin'ilay Iraka i Mpaminany Mohammad (s.w.a).
Ny lalàna nentin'ny Mpaminany Mouhammad - S.A.W - dia ny lalàn'ny finoana Islam, ary io no famaranana ny lalàn'Allah sy ny hafatr'Allah, ary mitovy amin'ny niandohany tamin'ny lalàn'ny mpaminany teo aloha, na dia tsy mitovy aza ny kalitaony.
Izy dia Lalàn’ny fahalavorariana, ary manan-kery amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, ao anatin’izany ny maha-manan-kery ny fivavahan’ny olona sy ny fiainany amin’izao tontolo izao, toy ny vavaka swalat sy ny zakat, ary manazava amin'izy ireo ny fifampiraharahana ara-bola, ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-politika, ara-tafika ary ara-tontolo iainana izay azo ekena sy voarara, ary ireo zavatra hafa takian’ny fiainan’ny olona sy ny ho avin’izy ireo.
Io Sharia io dia miaro ny fivavahan'ny olona, ny rany, ny voninahiny, ny hareny, ny sainy ary ny taranany, ao anatin'izany ny hatsaran-toetra sy ny fahamarinana rehetra, ary mampitandrina amin'ny tsy mendrika sy ny faharatsiana rehetra. Miantso ho amin'ny fahamendrehan’ny olombelona, ny fahamaotinana, ny rariny, ny fahatsoram-po, ny fahadiovana, ny fifehezana, ny fitiavana, ny fitiavana ny soa ho an’ny olona, ny tsy fandatsahan-drà, ny fiarovana ny firenena, ary ny fandrarana ny fampitahorana ny olona sy ny fampitahorana azy amin’ny tsy rariny. Ny iraka Mouhammad - S.A.W - dia nanao ady tamin'ny fanjakazakana sy ny kolikoly tamin'ny endriny rehetra sy ny fisehoany ary tamin'ny finoanoam-poana, ny fitokanana ary ny fanompoan-tsampy.
Nanazava ny irak'i Muhammad - S.A.W - fa Allah dia nanome voninahitra ny olombelona - lehilahy sy vehivavy - ary nanome antoka azy ireo ny zony rehetra, nanao azy ireo ho tompon'andraikitra amin'ny safidiny, ny ataony ary ny fitondrantenany rehetra, ary nitazona azy ireo ho tompon'andraikitra amin'izay rehetra ataony izay manimba tena na manimba ny hafa. Nampitovy ny lehilahy sy ny vehivavy izany eo amin’ny lafiny finoana, andraikitra, valin-kasa ary valisoa, ary io Sharia io dia nanome fikarakarana manokana ho an’ny vehivavy amin’ny maha-reny, vady, zanakavavy, ary nabavy azy.
Ny Sharia nentin'ny Mpaminany Mouhammad - S.A.W - dia tonga niaraka tamin'ny fitandroana ny saina sy ny fandrarana ny zavatra rehetra manimba azy, toy ny fisotroana toaka, ny finoana Islam dia noheverina ho fahazavana manazava ny làlan'ny saina; Mba hahafahan’ny olona mivavaka amin’ny Tompony amin’ny fahiratan-tsaina sy ny fahalalana, ary ny lalàn’ny finoana Islam dia nampiakatra ny satan’ny saina sy nanao izany ho fototry ny adidy, ary nanafaka azy tamin’ny fatoran’ny finoanoam-poana sy ny fanompoan-tsampy.
Ny lalàn'ny finoana Islam dia manome voninahitra ny fahalalana marina, mamporisika ny fikarohana fahalalana tsy misy kilema, ary mitaky fijery sy fandinihana ny tena sy izao rehetra izao, ary ny vokatra ara-tsiansa marina momba ny fahalalana dia tsy mifanohitra amin'izay nolazain'ny irak'Allah - S.A.W -
Tsy misy fanavahana amin'ny lalàna Sharia ho an'ny karazan'olona manokana amin'ny hafa, ary tsy misy tombotsoa ho an'ny olona iray noho ny hafa. Satria ny olona rehetra dia mitovy amin'ny fiaviany, ary tsy misy ambony ho an'ny firenena iray amin'ny hafa, na ho an'ny firenena iray raha tsy amin'ny alàlan'ny fatahorana ilay nahary. Ary miteny ny iraka Mouhammad - S.A.W - fa ny zaza tsirairay dia teraka araka ny natiora, ary tsy misy olombelona teraka diso na mandova ny fahotan'ny hafa.
Ao amin’ny lalàn’ny finoana Isalm dia napetrak'Allah ny fibebahana, dia ny hoe : Ny fiverenan'ny olona iray amin’ny Tompony sy ny fialana amin’ny fahotana, ary ny fidirana amin'ny Islam dia mamafa ny fahotana izay vita teo alohany, ary ny fibebahana dia mamafa ny fahotana izay efa nisy teo alohany. Tsy ilaina ny mibaboka ny fahotan'ny olombelona eo anatrehan'ny olombelona. Amin'ny finoana Islam dia mivantana ny fifandraisan'ny olombelona sy Allah, ka tsy mila olona ho mpanelanelana eo aminao sy Allah. Ka ny finoana Islam dia mandrara ny fiaraha-miasa amin’Allah amin’ny maha-tompony na maha-Andriamanitra Azy.
Ny lalàna izay nentin'ny iraka Mouhammad - S.A.W - dia manafoana ny lalàna rehetra teo aloha, satria ny lalàn'ny Islam izay nentin'i Mouhammad, S.A.W, no farany amin'ireo lalàna mandra-pahatongan'ny Andro fitsanganana amin'ny maty, ary ho an'ny tontolo rehetra izany. Noho izany dia nofoanany izay rehetra teo alohany, tahaka ireo lalàna teo aloha izay nifanesy, ary Allah ilay Tsitoha dia tsy manaiky lalàna afa-tsy ny lalàn'ny finoana Islam, ary tsy manaiky fivavahana hafa ankoatra ny finoana Islam izay nambaran'ny iraka Mouhammad (S.A.W). Ka izay manaiky fivavahana hafa ankoatry ny finoana Islam dia tsy horaisina aminy, ary izay te hahalala ny antsipirian'ny fepetran'ity Sharia ity, dia aoka izy hitady izany ao amin'ny boky azo antoka fantatra amin'ny anarana hoe Islam.
Ny tanjon'ny lalàna Islamika - toy ny tanjon'ny hafatra avy amin'Allah rehetra - dia ny hahatonga ny fivavahana marina hihoatra ny olombelona mba hahatonga azy ho mpanompon'Allah madio fo ho an'ny Tompon'izao tontolo izao, ary hanafaka azy amin'ny fanandevozan'ny olona, na zavatra na finoanoam-poana. .
Ny lalàn'ny finoana Islam dia manan-kery amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra, ary tsy misy na inona na inona mifanohitra amin'ny tombontsoan'ny olombelona marina, satria fanambarana avy amin'Allah izay mahafantatra izay ilain'ny olona, ary mila lalàna marina ny olona, tsy mifanipaka, mahasoa ho an’ny olombelona, ary tsy noforonin’ny olombelona rehetra izany, fa Izy no mitari-dàlana ny olona ho amin’ny làlan’ny tsara sy ny fitarihana ho mahitsy sy ho voaro amin’ny tsy rariny amin’ny namany avy.
7- Ny toeran'ny mpanohitra azy sy ny fijoroana ho vavolombelona momba azy
Tsy misy isalasalana fa ny mpaminany tsirairay dia manana mpanohitra izay manohitra azy, mijoro eo amin'ny làlan'ny antsony, ary manakana ny olona tsy hino azy. Fa ny irak'Allah Mouhammad - S.A.W - dia nanana mpanohitra maro teo amin'ny fiainany ary taorian’ny nahafatesany, dia nomen’Allah fandresena izy manoloana ireo rehetra ireo, ary ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny maro tamin’izy ireo — taloha sy ankehitriny — dia naverina tamin’ny laoniny fa mpaminany izy, ary nitondra hafatra toy ny nataon’ireo mpaminany teo aloha, dia ny fiadanana sy ny fitahiana ho azy ireo, ary fantany fa marina izy, saingy maro amin'izy ireo no voasakana tsy hino azy noho ny sakana maro. Toy ny fitiavana fitondrana, ny tahotra ny fiaraha-monina, na ny fahaverezan’ny vola azony amin’ny toerany.
Koa dera sy fisaorana anie hoan’Allah, Tompon’izao tontolo izao.
Related books
All books
Ny fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny Soalat79 languagesNy fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny Soalat
Boky mitondra ny lohateny "Ny fomba nanatanterahan'ny Mpaminany (S.A.W) ny swalat", izay namintinan'i Sheikh hajaina 'Abdol'aziz Ibn Bàz (R.A) ny endriky ny salàn'ny Mpaminany (S.A.W), tamin'ny fomba fanoratra mora azo sady mazava, mifototra amin'ireo porofo marina, mba ho mpitari-dàlana ho an'ny silamo amin'ny swalàny. Nanazavany tao ireo andry fototry ny swalat, ireo sunnah ary ny endriny manomboka amin'ny ouzo ka hatramin'ny taslim, ka nampiraisiny ny porofo sy ny fanazavana, sady nanentanany ny fanarahana feno ny Mpaminany (S.A.W) amin'ity fanompoam-pivavahana lehibe indrindra ity.
IREO TONOM-BAVAKA VAKINA MARAINA SY HARAIVA57 languagesIREO TONOM-BAVAKA VAKINA MARAINA SY HARAIVA
Amin'ny anaran'I Allah, Ilay Be indrafo, Ilay Be fiantrana. (Allaho là ilàha illa howal-hayyolqayyòm, la ta°khodhohò sinaton walà naòm, lahò mà fis-samàwàti wamà fil-ardwi, man dhalladhi yashfao' indahò illà bi-idnihì, ya'lamo mä bayna aydìhim wamà khalfahom, walà yohìtwòna bishai-in min i'lmihì illà bimà shà°, wasia' korsiy-yohos-samàwàti wal-ardwa, walà ya-òdohò hifdhohomà wa howal a'liyyol a'dhwìm). Àyatol-korsÿ 255 Al-bakarat (Àmanar-Rasòlo bimà o'nzila ilayhi mir-Rab-bihì wal Mo°minòn. Kollon àmana billàhi wa malàikatihì wa kotobihì wa rosolih. Là nofar-riqo bayna ahadim-mir-rosolih wa…
الإسلام دين رب العالمين
Ny hafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islamo arakan'izay azo avy amin'ny Boky masina Koroany sy avy amin'ireo fomba amam-panaon'i Mpaminany (s.w.a).59 languagesNy hafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islamo arakan'izay azo avy amin'ny Boky masina Koroany sy avy amin'ireo fomba amam-panaon'i Mpaminany (s.w.a).
Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana Ny Finoana Islamo ( Dika mitovy tsy nasiana porofo nefa efa mahalaza porofo ihany) [1] [1] Misy amin'ity hafatra ity dika hafa izay nasiana porofo ara-boky masina kor'any sy sonnan'i mpaminany amin'izay fanontaniana izay apetraka, raha tia ahalala ! izany dia miditra amin'ny trano-kala : https://islamhouse.com/ar/books/2830071. 6- Hafatra izay tena goavana indrindra izay mandrakotra tanteraka ny fahafantarana tsotsotra ny mahakasika ny finoana Islamo,no sady manazava ireo tena fototra sy ny fampianarana ary ny hatsarany finoana Islamo…