حكم السحر والكهانة
FANAMBARANA SY HAFATRA IZAY MISY FIFANDRAISANA MAHAKASIKA NY LALANA SY FITSIPIKA MAMEHY NY FANAMPAHAN-KEVITRA MANOLOANA NY SIKIDY SY NY MPIMOASY. Ho an'i Sheikh Abdol'aziz Ibno Abdillah Ibno Bàz Ho aminy anie ny indrafon'i Allah Amin'ny anaran'I Allah, Ilay Be indrafo, Ilay Be fiantrana. Ny fanampahan-kevitra sy fe-petra raisina mahakasika ny sikidy sy mpomoasy ary ireo zavatra rehetra mifandray amin'izany [1] [1] Ny ampahany amin'ity lahatsoratra ity dia efa navoaka no sady namparitaka tao amin'ny tapany faha-telo amin'ny Boky, izay mirakitra ny fitambaran'ireo fatawa sy lahatsoratra maro…
These files are generated automatically from the book's text; their layout may differ from the printed edition.
FANAMBARANA SY HAFATRA IZAY MISY FIFANDRAISANA MAHAKASIKA NY LALANA SY FITSIPIKA MAMEHY NY FANAMPAHAN-KEVITRA MANOLOANA NY SIKIDY SY NY MPIMOASY.
Ho an'i Sheikh Abdol'aziz Ibno Abdillah Ibno Bàz
Ho aminy anie ny indrafon'i Allah
Amin'ny anaran'I Allah, Ilay Be indrafo, Ilay Be fiantrana.
Ny fanampahan-kevitra sy fe-petra raisina mahakasika ny sikidy sy mpomoasy ary ireo zavatra rehetra mifandray amin'izany [1]
[1] Ny ampahany amin'ity lahatsoratra ity dia efa navoaka no sady namparitaka tao amin'ny tapany faha-telo amin'ny Boky, izay mirakitra ny fitambaran'ireo fatawa sy lahatsoratra maro isan-karazany izay mitondra ny lohateny hoe : ( Ny didim-pitsarana momban'ny sikidy sy ny mpimasy ary izay rehetra mifandray ny amin'izany) ary dia torak'izany ihany koa ny fivoahan'ilay fanambarana sy ireo lahatsoratra rehetra amin'ny endrika feno sy mahampy, izay navoakan'ireo tomponandraikitra ara-mpitantanana sy naparitakan'izy ireo amin'ny lohateny hoe : (hafatra sy fanambarana mahakasika ny fanampahan-kevitra manoloana an'ny sikidy sy mpimasy) ary naparitaka tao amin'ny takelaka sy brosiran'ny yamamat sy takelakan'ny brosiran'ny Fikarohana ara-Islamika.
Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana no hatolotra an'i Tompo Allah ilay tokana tsy manam-paharoa, ary tsodrano sy fahobiazana ary fandriam-pahalemana koa anie ho an'ilay tsy misy intsony ny mpaminany izay ho tonga avy ao aoriany, ka dia aorian'izany dia ny hoe :
Ka noho ny fahitana sy fijerevana ny hamaroan'ireo olona mpamosavy izay tsy mitsahatra manao ny asan'ny famosaviana taty afara taty, tamin'ny fotoana faraparany ka milaza tena ho manampahalalana ara-tsiansa izy ireo sy mpitsabo amin'ny alalan'ny sikidy asa mazika, ka dia lasa niparitaka any amin'ny firenena maro samy hafa ihany koa izany, ary lasa nametraka fanararaotana ny amin'izany izy ireo amin'ireo olona tsy manam-pahalalana izay mety ho voarebirebin'izy ireo ka ny Tenako dia nahita fa anisany toro-hevitra sy fananarana tsara indrindra dia fananarana miainga avy amin'ny Tompo Allah sy avy amin'ireo mpanompony no ho entiko mba hanazavako ny loza lehibe izay mitatao aterak'izany amin'ny finoana Islamo sy ny amin'ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islamo,nohon'ny ireo zava misy mametraka ny fifandraisana sy firaiketam-po amin'ireo zavaboary sy zavatra hafa ankoatran'ny Tompo Allah ilay avo Tsitoha ary ireo fanoherana sy fandikana ireo didy aman-dalanan'ny Tompo Allah sy ny baiko izay napetran'ilay Irany mahafatoky i Mpaminany Mohammad (s.w.a).
Ka hoy aho eto milaza no sady miaraka amin'ny fanampian'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, fa hoe : azo atao sy ekena ny fitsabona izay efa nametrahan'ny rehetra fanekena sy fifanarahana ka tsy mitsipaka ny lalana ara-mpinoana, ary ny mpino Silamo dia mety no sady mahazo manantona ireo mpitsabo, ireo dokotera mahalala sy manampahalalana ny aretina anatiny sy ny fandidiana na koa ny nerolojia, na koa ny ankoatran'izany, fa ny olona izay mahalala sy mahafantatra ny aretiny kosa dia mahazo alalana izy ny hitsabo tena amin'izay fanafody hita fa fantany fa mifanaraka amin'izany aretina izany fa ny fepetra takina fotsiny amin'izany dia mila ireo fanafody eken'ny lalàna ara-tsiansa mahakasika ny fitsaboana ; Satria izany dia resaka fandraisana sy fampiasa an'ireo fomba mahazatra izay tsy mifanohitra akory amin'ny fametrahana toky sy fahatokisana an'i Tompo Allah, ary i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia efa nandefa sy nampidina ny aretina no sady nampidina niaraka amin'izany ihany koa ireo fanafody fanasitranana ka mahalala sy mahafantatra an'izany ireo izay manampahalalana azy ary tsy mahalala kosa ireo izay tsy mahalala, fa i Tompo Allah ilay be vonahitra dia tsy nanao fanasitranana ho an'ireo mpanompony tamin'ireo zavatra haramo izay efa nandrarany azy ireo.
Tsy azo atao ny manatona mpisikidy izay milaza ho mahalala ny tsy hita maso mba hahafantarana ny aretiny. Tsy azony atao koa ny mino izay lazainy aminy, satria miresaka ny tsy hita maso izy ireo, na miantso ny jiny mba hitady fanampiana amin’izay tiany. Ny didim-pitsarana momba ireo olona ireo dia ny tsy finoana sy ny fahadisoam-panantenana raha milaza ho mahalala ny tsy hita maso. Voatantara tao amin'ny bokin'i Muslim fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nilaza hoe: (na iza na iza ny olona mahasahy ka nanantona ireo mpampizaha (mpisikidy) avy eo dia nanontany azy zavatra dia lazaina fa efa tsy voaray intsony manoboka eo ny vavaka sy ny fanompom-pivavahana soalat izay ataony mandritran'ny efa-polo andro) Niteny Abo Horairah (Rd), fa i Mpaminany (s.w.a) dia nilaza ka nanao hoe : (na iza na iza ny olona nanantona ireo mpisikidy avy eo dia nino azy amin'izay zavatra rehetra nolazainy dia efa lazaina io olona io fa nikomy amin'ireo zavatra rehetra nidina sy nahidina tamin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a). Voarakitra ao amin'ny Abo Daoud (R.h) ary voarakitra ihany koa ao amin'ireo mpitatitra ny sonnat efatra, ary namarinin'i Hàkim fa izany tokoa no voalaza avy amin'ny Mpaminany (s.w.a), araka ny teny hoe : (Na iza na iza sahy manantona an'ireo mpampizaha sy mpisikidy avy eo dia nino azy ireo amin'ny zavatra rehetra nolazain'izy ireo dia efa lazaina avy hatrany ireo olona ireo fa nikomy sy nitsipaka an'izay zavatra rehetra nidina sy nahidina tamin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a). Ary Imràny ibn Hossainy (R.d) Niteny fa Niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : (Tsy anisan'ny mpiara-dia aminay hoy Mpaminany (s.w.a) ireo olona izay tia mandray zavatra amin'ny lafiny ratsy, na koa asaina mino sy manaiky an'izany lafin-javatra ratsy izany, satria matetika ny fomban'ireo vahoaka Arabo teo aloha, rehefa manoraka ny vorona izy ireo ka ny vorona izay nitorahina raha mitily amin'ny lafiny an-kavanana dia lasa heverin'izy ireo fa tsara ny diany, fa raha mitilina amin'ny lafiny an-kavia kosa dia lasa heverin'izy ireo fa ratsy ny diany, na koa lasa manao moasy na mino ireo asan'ireo moasy, na manao sikidy ka mino ireo zavatra mahakasika ny sikidy, ka na iza na iza ireo olona izay manantona ny mpomoasy ka nino sy nanaiky azy sy ny zavatra rehetra izay nolazainy dia efa tsarainy lalana io olona io fa mpikomy an'izay rehetra nidina sy nampidinina tamin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a). Voarakitra ao amin'ny Bazzar (R.h) amin'ny tatitra tsara
Ao amin'ireo hadith mendri-kaja ireo fa misy fandrarana ny fandehanana any amin'ny mpilaza ny hoavy, ny mpisikidy, ny mpanao ody sy ny toy izany, mametraka fanontaniana amin'izy ireo na mino azy ireo, ary misy fandrahonana amin'izany. Adidin’ny mpitondra sy ny mpananatra ary ny hafa izay manana fahefana sy hery ny mandrara ny fandehanana amin’ny mpisikidy, ny mpimasy, sy ny toy izany, ary manakana izay rehetra manao an’izany eny an-tsena sy any an-toeran-kafa, ary manameloka azy ireo amin’ny fomba mafonja indrindra, ary manameloka izay rehetra mankany aminy. Tsy azo atao ny mamitaka azy manoloana ny fahamarinan'izy ireo, mahakasika ny raharaha sasany, na amin'ny lafiny hamaroan'ireo olona izay tonga manantona azy ireo, satria tena tsy manam-pahalalana izy ireo, ary tsy avela ho fitahin'izy ireo ny olona ny amin'izany asa izany. Satria ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) no efa nandrara sy ny sakana ny fandehanana amin'izy ireo, na koa mangataka amin'izy ireo, na mino sy manaiky izay zavatra nolazain'izy ireo, nohon'ny fisiany ireo haratsiana lehibe fonosiny izany asa izany, sy fisiany loza lehibe mianjady amin'ny vatana ary ny vokatra mahatsiravina izay mety hiseho sy hitranga, ary satria izany rehetra izany dia lainga miharihary tsy azo afenina Tahakan'ny marina tokoa fa ao anatin'ireo Hadithe ireo dia misy ireo porofo milaza ny tsy fananan'ireo mpimasy sy ireo mpisikidy ny finoana,fa izy ireo dia mpikomy avokoa,satria izy ireo dia manao antso avo milaza fa mahalala ny zavatra miafina ka izany dia tena fikomiana miharihary, ary satria ihnay koa fa izy ireo dia tsy afaka mahatratra ny tanjon'izy ireo raha tsy mangataka ny fanampiana amin'ireo Djiny sy maneho ny fanompoana azy ireo,ankoatran'ny fanompoana an'i Tompo Allah, ka izany ihany koa dia fikomiana sy tsy finoana an'i Tompo Allah,ary tafiditra ho fanompoan-tsampy sy fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa,nefa dia Voninahitra manalavitra ny hajany izany rehetra izany,ka izay olona mino sy manaiky ny fomba fiheveran'izy ireny manoloana ny antso mahakasika ny fahalalana ny zavatra miafina dia efa lazaina fa mitovy tahakan'izy ireny ihany koa, ka izay rehetra mandray sy mifanome ary manatanteraka an'izany dia efa lazaina fa manalavitra azy ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a). Ary tena tsy azo ataon'ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam ny milefitra miambany ary mankato izay rehetra lazainy ireo mpimasy fa fitsamboana na koa fanafody avy aminy amin'ny endrika maro isan-karazany, toy ny fanaratsiana azy manoloana ny amin'ny aody ratsy na ny fanorahana bala sy ny resaka angano hafa izay ataon'izy ireo, satria izany rehetra izany dia fomban'ny mpomoasy sy fomba famitahana ny olona, ka izay mankato sy mametraka ny fankatoavana amin'izany asa ratsy izany dia efa tafiditra ho anisan'ireo olona nanampy azy tamin'izany laingany sy fitaka ary fikomiana amin'ny endrika tsy finoana izany. Tsy azo ataon'ny mpino silamo koa ny manatona azy ireo ka manontany momba izay ho vadian’ny zanany lahy na ny havany, na izay hiseho eo amin'ny mpivady sy ny fiakanavian'izy roa momba ny fitiavana sy ny tsy fivadihana na ny fifandrafiana sy ny fisarahana eo amin’ny mpivady sy ny fianakaviany, sy ny sisa.
Satria izany dia avy amin'ny tsy hita maso izay Allah Tsitoha irery ihany no mahalala.
Ny sikidy dia anisany ireo zavatra fady sy mamoam-pady no sady haramo ary tafiditra ihany koa amin'ireo asa fikomiana, arakan'ny teny izay nolazain'i Tompo Allah mahakasika ireo Anjely roa voarakitra ao amin'ny Sourate al-Bakarat { Ary tsy nampianatra olona velively mihitsy izy roa raha tsy efa niteny hoe : “ Tena marina fa izahay dia fakam-panahy, ka aoka tsy hikomy an’i Tompo Allah Ianao ”. fa izy ireo dia mianatra amin’izy roa, ireo fomba rehetra izay mety ho fampisarahana ny lehilahy amin’ny vadiny, ary anefa dia tsy mandaitra no sady tsy mahavoa ratsy amin'ny olona akory izy ireo manoloana an'izany aody ratsy sy asa ratsy izany raha tsy efa nahazo alàlana avy amin’i Tompo Allah angambany izy ireo, ary izy ireo dia hita fa mianatra ireo zavatra izay manimba azy ireo ihany, fa tsy zavatra mitondra soa na tombotsoa ho azy ireo, ary efa tena fantatr’izy ireo tsara fa izay olona rehetra nametra-tsafidy ka nahasahy nividy na nanakalo ny tenany ny amin'izany dia lazaina fa tsy hanana anjarany intsony izy amin'ny fiainana any an-koatra, ary tena zava-doza sy zava-dratsy tokoa no natakalon’izy ireo ny vatatenan'izy ireo, raha mba nahafantra an'izany izy ireo ! } [2] [2] Sourate al-Baqarat Andininy: 102
Ireo andininy mendri-kaja ireo dia manaporofo fa ny ody dia fikomina ary ny ombiasy dia mampisaraka ny olona sy ny vadiny. Nasehon’izy io koa fa tsy mandaitra ho azy ny mazia, sady tsy mahasoa no tsy manimba, fa misy vokany amin’ny alalan’ny fanomezan-dàlana avy amin’ny tompo sy efa voalahatra mialoha, satria Allah Tsitoha no namorona ny tsara sy ny ratsy. Mafy tokoa ny loza ary nihamafy ny toe-draharaha noho ireo mpanendrikendrika izay nandova ireo siansa ireo tamin’ny mpanompo sampy, ary hanakorontanana ny malemy saina. Ka an'Allah isika ary Izy no hiverenantsika, ary ampy ho antsika Allah, ary Izy no Mpitondra tsara indrindra. Ary tahakan'ireo andiany soratra masina ireo ihany koa izay milaza fa izay rehetra mianatra ny asan-tsikidy dia tsy mianatra afa-tsy ireo izay manimba azy ireo ihany ary tsy mitondra soa sy hasoavana azy ireo izany na dia kely aza, ary tsy mahazo zavatra na manana inona na inona ho raisina amin'i Tompo Allah izy ireo no sady tsy mahazo anjara Aminy na dia inona aza izy ireo, ka izany dia fampitandremana entitra ary fandrahonana lehibe izay manambara ny hamafisan'ny fahavoazan'izy ireo sy fatiantoka mianjady amin'izy ireo eto an-tany sy any an-koatra, ary tena efa nivarotra ny tenan'izy ireo tamin’ny vidiny farany ambany indrindra izy ireo, ka noho izany no nahatonga an’i Tompo Allah nananatra azy ireo amin'ny ratsy, ka hoy Tompo Allah ilay avo Tsitoha nanao hoe : {Ary tena zava-doza sy ratsy tokoa no natakalon’izy ireo sy nandafosan'izy ireo ny vatatenan'izy ireo, raha mba nahafantra an'izany izy ireo}[3] Ary ny fividianana eto dia midika hoe famarotana. [3] Sourate al-Baqarat Andininy: 102
Mangataka amin'i Tompo Allah isika mba ahazo fahafahana sy fiarovana amin'ny faharatsian'ny asan'ireo olona mpamosavy sy ireo mpisikidy ary ireny mpisoloky hafa ihany koa, torak'izany koa no mbola angatahatsika amin'ny Tompo Allah ilay avo Tsitoha ny mba hiaro ny vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam amin'ny faharatsiana aterakan'izy ireny, ary ny mba hanampy sy hanome anjaram-panekena an'ireo mpitondra vahoaka Islam mba ahavita hitandrina sy hampitandrina ny olona amin'izy ireny, ary hampihatra ihany koa ny fitsarana arakan'ny fitsipi-dalànan'i Tompo Allah izay mifanaraka sy sahaza amin'izy ireny, mba ahafahan'ireo olona sy ireo mpanompon'ny Tompo Allah miala sy miataka lavitra an’ireo karan-doza sy ny asa ratsin'izy ireny, satria tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo be fanomezana sy malala-tànana.
Efa nataony Tompo Allah, ilay be voninahitra avokoa anie ireo lalàna mamehy ireo mpanompony izay napetrany ho fiarovana azy ireo amin’ny faharatsian’ny herin’ny maizina alohan’ny hitrangan’izany, ary efa nazavainy Tompo Allah ilay be voninahitra tamin'izy ireo ihany koa ny fomba rehetra izay mety hatao sy entina hitsamboana sy hanasitranana an'izany asany maizina izany raha toaka sendra miseho sy mihatra amin'ny olona iray, napetrany izany noho ny famindram-po avy Aminy izay miantefa ho azy ireo, ary i Tompo Allah dia hanome sy hahatanteraka ny hatsarany sy ny fahasoavany ho azy ireo, ary hameno amin'izy ireo ihany koa ny fahasambarany amin'ny endrika feno.
ary ny manaraka ihany koa dia ny fanazavana ireo rehetra teo aloha, manoloana an'ireo zavatra izay ahafahana miaro tena amin'ny vokatra izay aterakin'ny haratsian'ny sikidy alohan'ny ahatongavany sy hisehoany, ary ireo zavatra izay ahafahana mitsabo an'izany ihany koa aorian'ny fahavoazana amin'ireo fomba mety ara-lalana sy amin'ny endrika ara-dalàna.
Fa raha ny mahakasika ny fiarovana amin'ireo loza izay ateraky ny asa fanaovan-tsikidy eo alohan'ny hitrangan'izany, dia hita fa ny tena zava-dehibe no sady mahasoa ny amin'izany dia ny fanaovana sy fanamafisana tsara ireo fahatsiarovana ara-pinoana sy mitalao amin'ny Tompo Allah ary manao an'ireo fangatam-piarovana rehetra izay voalaza no sady mari-pototra, ka dia tafiditra ao anatin'izany ny famakiana ny Ayat al-korsy isakany avy manao ireo Soalat izay voadidy fa tsy maintsy atao in-dimy isanandro, ka rehefa aorian'ny fanaovana ny Zikiry sy amin'ny fotoana vita salam, ary anisan'izany ihany koa ny famakiana azy alohan'ny matory, satria ny Ayat al-korsy no andininy soratra masina lehibe indrindra ao amin'ny Boky masina Koroany ary izao no teny nolazain'i Tompo Allah fa hoe : { Allah ! Tsy misy Tompo Zanahary afa-tsy Izy ihany,Izy ilay velona mandrakizay, "Al-Kaiom" Mpanangana ny rehetra.Tsy mba azon-tory na rendremana na kely aza Izy,ary tsy mba matory mihitsy,Azy irery ihany ny izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra eto an-tany. ka Iza no manana fahefana hanelanelana eo anatrehany,raha tsy izay nahazo alalana avy Aminy ihany ? Izy Tompo Allah no Mahalala izay rehetra eo alohan’izy ireo sy izay rehetra ao aorian'izy ireo,ary tsy mahafehy na dia kely aza amin'ny fahalalàny izy ireo afa-tsy izay sitrany,midadasika Manerana ireo lanitra sy ny tany ny seza fiandrianany,ary tsy manahirana Azy na dia kely aza ny fiarovana azy roa ireo,ary Izy ilay Avo indrindra,ilay Lehibe indrindra.} [4] [4] Sourate al-Baqarat Andininy: 255
Ary isan'izany famakina : Qoul-Howallahou Ahad, [5] Sourate al-Ikhlas Andininy : 1
Ary ( Qol ao'dho birabbil-falaq ) [6] Sourate al-Falaq Andininy : 1
Ary ( Qol ao'dho birabbin-nàs ) Aorian'ny vavaka voatondro tsirairay, dia tokony hovakiana in-telo ireto Surah telo ireto : amin'ny fiandohan'ny andro aorian'ny vavaka Fajr, amin'ny fiandohan'ny alina aorian'ny vavaka Maghrib, ary alohan'ny hatory. Tafiditra ao anatin'izany ny fanononana ireo andininy roa avy amin'ny faran'ny Sorat Al-Baqarah amin'ny fiandohan'ny alina, izay tenin'AllahTsitoha: { Ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah dia nino sy nanaiky izay rehetra nampidinina taminy satria izany rehetra izany dia avy tamin’ny Tompony Allah,ary ireo vahoaka mpino,manampinoana dia samy nino an’i Tompo Allah avokoa izy rehetra,ary izy ireo dia nino an'ireo Anjelin'ny Tompo Allah sy ireo Bokiny,ary ireo Irany maro tsy ankanavaka, ka hoy izy ireo nilaza sy niteny hoe : “ Izahay dia tsy manavaka na dia iray aza amin’ireo Irany Tompo Allah fa ny rehetra dia hinoanay avokoa ” Ary niteny izy ireo amin'ilay fiteny “ Naheno sy nankatò tokoa izahay ”,ka mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay Allah ô ! ary any Aminao no fiverenana amin'ny farany.} [8] Ka hatramin'ny farany ilay Sourate. [8] Sourate al-Baqarat Andininy : 285 [7] Sourate an-Nàs Andininy : 1
Ary efa marina tamin'ny tatitra izay mari-pototra azo avy tamin'ny Mpaminany (s.w.a) fa Izy dia niteny ka nanao hoe : (Izay namaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourate Al-Bakarat amin'ny andro alina dia lazaina fa efa mahampy azy izany) Ny dikany dia i Tompo Allah no mahafantatra : Izy no niaro sy namonjy azy tamin'ny ratsy rehetra, ary tamin'izany no nanabetsahana maro ny fialofana amin'ny teny hoe : " Ao'zo bikalimàtillahit tàmmàty min sharry mà khalaq " midika hoe : ( mangataka fiarovana amin'ny alalan'ny tenin'i Tompo Allah izay tonga lafatra amin'ny faharatsian'ny zavatra rehetra izay noforoniny) ka amin'ny alina sy mandritra ny andro no fotoana hamakiana sy hanaovana an'izany, ary rehefa midina ihany koa any amin'ireo toerana rehetra ao amin'ny trano fonenana, na any amin'ny kala manjana, na eny anabakabaka na an-dranomasina, araka ny tenin'ny Mpaminany (s.w.a) manao hoe : ( Izay olona tonga na midina amin'ny trano na toerana iray ka miteny sy milaza manao hoe : Mangataka fiarovana amin'ny Tompo Allah aho amin'ireo teny feno sy hampy izay volazainy manoloana an'ireo ratsy rehetra amin'ireo zava-boary nohariany, ka tsy hisy loza na zavatra ratsy ahazo sy hanjo azy amin'ilay toerana izay nidinany mandra-pialany sy hiangany amin'izany toerana izany ) Ka anisan'ny izany dia hiteny sy hilaza ihany koa ny mpino silamo amin'ny voalohan'ny andro maraina sy voalohan'ny andro amin'ny alina dia atao sy averina in-telo izany teny izany ka manao hoe : (Amin'ny anaran'i Tompo Allah,izay tsy misy no sady tsy mihatra ary tsy mandaitra miaraka amin'ny anarany velively eto an-tany na koa any an-danitra ny loza sy ny haratsiana, ary Izy tokoa no Tompo maheno indrindra sy mahalala ny zava-drehetra) Ka nohon'ny fahamarinana sy fampirisiana izay avy amin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a), satria dia izany tokoa no anisan'ny antony hisiany fahafahana amin'ny ratsy rehetra.
Ka ireo Zikr na fahatsiarovana an'ny Tompo Allah sy ny fanaovana Doa amin'ny lafiny fangatahana fiarovana ka izany rehetra izany dia tafiditra ho anisan'ireo fomba lehibe indrindra izay ahafahana miala tanteraka amin'ny faharatsian'ny asan-tsikidy sy ny zava-dratsy hafa ihany koa, ka izany dia natao ho an'ireo izay mila sy mitady ny hiaro ny tenany amin'ny alalan'ny fo madio sy ny finoana ary fahatokisana fatratra an'i Tompo Allah manoloana ny fianteherana Aminy, manoloana ny zava-drehetra,ary ny fisokafam-po dia porofo manamarina amin'izay rehetra lazainy, ary izany dia tafiditra ho anisan'ireo fitaovam-piadiana lehibe izay entina ampiasaina amin'ny lafiny fiarovana mba hanalana ny sikidy aorian'ny filatsahany sy fahatongavany, miaraka amin'ny habetsahany fomba fambaniana sy fitalahoana amin'i Tompo Allah, ary maneho ny fangatahana Aminy ilay avo Tsitoha ny mba hialany ilay loza sy ny ratsy rehetra. Ary anisan'ireo fangatahana sy fahatsiarovana mari-pototra no sady azo an-toka avy amin'i Mpaminany (s.w.a) manoloana ny fitsaboana an'ireo aretina azo avy amin'ny vokatran'ny sikidy sy voriky ary ny ankoatr'izany, satria i Mpaminany (s.w.a) dia efa nitsabo ireo mpiara-dia taminy amin'ilay teny hoe : (Tompo o !, Tompon'ny olombelona, esory ny ratsy, ary sitrano fa Ianao no mpanasitrana, ka tsy misy fahasitranana afa-tsy fahasitranana avy Aminao, fahasitranana izay tsy mamela intsony ny aretina ao amin'ilay marary) Vakiny in-telo Ka an'izany ny Rokiat izay nataon'ny Anjely Jibrily (A.S) tamin'i Mpaminany (S.A.W) amin'ilay teny manao hoe : ( Amin'ny anaran'i Allah no hitsaboako Anao amin'ireo zavatra rehetra mampijaly Anao, amin'ny haratsian'ny vatatena, na koa ireo maso sy fomba fijery feno fialonana, hanasitrana Anao tokoa anie i Tompo Allah, ka amin'ny Anaran'i Tompo Allah no hitsaboako Anao) Ary tokony haverimberina in-telo ny fanaovana an'izany.
Fitsaboana ny ody rehefa voa an'izany, izay fitsaboana mahasoa ho an'ny lehilahy izay voasakana tsy hanao firaisana amin'ny vadiny, dia maka ravinkazo maitso fito, dia totony amin'ny vato na zavatra mitovitovy amin'izany, mametraka azy ao anaty vilany, manondraka rano ampy hosasana, ary mamaky ny : Ny AYATOL-KORSY (Ny andininy momba ny seza fiandrianana) Ary (Qol yà ayyohal-kàfiròn) Ary ( Qol howallàho ahad ) ( Qol ao'dho birabbil-falaq ) Ary ( Qol ao'dho birabbin-nàs ) Ny andininy momba ny majika ao amin'ny Surat Al-A'raf dia ny tenin'Allah ilay Tsitoha: {Ary nolazainay tamin’i Mosesy hoy Tompo Allah fa hoe : “ Atsipazo ny tehina eo Aminao ”, ka indro fa lasa noraisiny ka natelina avokoa izay rehetra fitaka sy lainga noforonin’izy ireo. ka dia niharihary ny marina sy ny fahamarinana, ary foana sy rava avokoa ny asa izay nataon’izy ireo hatramin’izay, ka tamin’izany àry dia resy ary babo izy ireo, ka dia lasa nihetry sy nivadika.}[13], Ary ireo andininy ao amin'ny Sourate Younous, izany dia Tenin'ny Tompo Allah manao hoe : { Ary hoy i Faraona,niteny izy ka nanao hoe : “ Mba ento aty amiko avokoa ny mpanao majika rehetra,ireny izay tena farany mahay ” ka rehefa tonga ary ireo mpanao majika, dia hoy i Mpaminany Mosesy (A.s) tamin'izy ireo nanao hoe : “ Atsipazo àry izay atsipinareo ” ka nony rehefa nanipy izy ireo,dia hoy i Mpaminany Mosesy (A.s) tamin'izy ireo nanao hoe : “ tena Majika tokoa no nataonareo sy zavatra noentinareo,ka hofohanan’i Tompo Allah izany no sady ravainy ary ho potehiny,satria dia hamafisina etoana,fa tsy misy asa mahomby mihitsy hataon’ireo fa zatra mpanimba, ary marina no sady hampamarinin'ny Tompo Allah ny teniny no sady hampandreseny ihany koa, nohon'ireo karazan-tenin'ny fahamarinana maro samy hafa, na dia hoe mankahala an'izany aza ireo olo-meloka sy ireo olon-dratsy.}[14] Ary ireo Andininy ao amin'ny Sourate Taha : { Hoy izy ireo niteny hoe : “ Ry Mosesy (A.s), na ianao no hanipy, na izahay no hanipy voalohany ? ”. Hoy izy ( Mosesy A.s ) hoe : “ Atsipazo àry ny any aminareo ”. dia indro ny tadin’izy ireo sy ny tehiny, fa toa mandady, vokatry ny majika, ka nahatsiaro nisy tahotra avy hatrany ny tao anatiny i Mpaminany Mosesy (A.s) dia hoy Izahay (Allah) taminy manao hoe : “ Aza mba matahotra ianao, fa ianao no tena ambony indrindra, ka atsipazo izay eny amin’ny tànanao an-kavanana, fa dia hitelina izay nataon’izy ireo izany. satria ny hafetsen’ny mpanao majika ihany no asa nataon’izy ireo, ary tsy ahita soa na fahombiazana ny mpanao majika, na aiza na aiza ny toerana misy azy ireo ”. [9] Sourate al-Kàfirona Andininy : 1 [10] Sourate al-Ikhlas Andininy : 1 [11] Sourate al-Falaq Andininy : 1 [12] Sourate an-Nàs Andininy : 1 [13] Sourate al-Anraf Andininy : 117-119 [14] Sourate Younous Andininy : 79-82 [15] Sourate Taha Andininy : 65-69
Aorian'ny famakiana ireo zikr voalaza dia atao amin'ny rano dia sotroina in-telo ary hisehana ny ambiny, ary amin'izany dia manala ny aretina raha sitrak'i Tompo Allah, raha ilaina ny famerenana izany indroa na maro dia tsy maninona mandra-pialan'izany aretina izany amin'ilay olona marary.
Fa ny fitsaboana ny marary amin'ny alalan'ny sikidy dia fomba iray manakaiky amin'ny Jiny amin'ny alalan'ny fanaovana sorona sy fanatitra fanampahana ireo biby na koa zavatra hafa ankoatr'izany amin'ireo fanakakaizana ny zavatra izay tsy azo atao, voararan'ny lalana, satria izany dia tafiditra anisany asan'ny satana, ary tafiditra anatin'ny zavatra atao hoe shirky lehibe izany. Ary tena tsy maintsy no sady obligatoara ny mitandrema ny amin’izany rehetra izany, tahakan'ny tsy mety no sady tsy azo atao ny mitsabo na manao fitsaboana ny marary ka lasa mametraka fanontaniana amin’ireo mpomoasy sy mpisikidy ary ireo mpampizaha ka lasa mampiasa ireo zavatra izay lazainy izy ireo satria tsy mino no sady tsy manampinoana izy ireo, ary satria ihany koa fa mpandainga amin'ny endrika mibaribary izy ireo amin'ny filazana antso izay milaza fa mahalala ny zava-miafina sy ireo izay tsy hita maso. ary mampisavoritaka sy mampisafotofoto ny olona rehetra eo amin'ny fiainana, ka efa nampitandrina fatratra i Mpaminany (s.w.a) amin'ny fandihanana sy fanantonana azy ireny na koa mametraka fanontaniana azy ireny na hoe mino sy manaiky azy ireny, araka ny fanazavana sy famelabelarana izay efa voalaza teo aloha ireny mahakasika manokana an'izany teo amin'ireo hafatra izay efa napita tamin'ny voalohany. Ary amin'ny tatitra marina sy marim-pototra izay noentiny Mpaminany (s.w.a) -fa hoe : Izy no nanontaniana mahakasika ny fanala ny masantoko amin'ny fomba taloha ireny, dia niteny i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : (Izy io dia asan'ny satana) Voariktra amin'ny Imamo Ahmad sy Abo Daoud amin'ny fizotra tsara indrindra. Ary ny fanaparitahana an'izany dia tafiditra ho anisany vahaolana amin'ny sikidy manoloana an'ireo olona voan'ny fanafody ratsy, ary ny tena tian'i Mpaminany (s.w.a) lazaina sy tenenina amin'ilay teniny manao hoe : ny fanapariahana izay nampiasain'ireo olona tsy manampahalalana, dia ny hoe : manotany sy mangataka amin'ny mpamosavy hamaha ny sikidy, na ny famongorana izany amin'ny ody mitovy aminy na koa amin'ny ody hafa.
Raha ny famahana izany amin’ny alàlan’ny ruqyah sy ny fanfataham-piarovana ara-dalàna ary ny fanafody azo ekena dia tsy misy maharatsy izany, araka ny voalaza etsy ambony. Izany no nambaran'ny manam-pahaizana Ibn al-Qayyim sy Sheikh Abd al-Rahman ibn Hasan ao amin'ny Fath al-Majid, hamindra fo amin'izy roa anie Allah, ary nambaran'ny manam-pahaizana hafa koa izany.
Ary i Tompo Allah no tompon'andraikitra amin'ny fitarihana ny vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam ho amin'ny fanekena ny fahasalamana manoloana ny faharatsiana rehetra,ary Izy ihany koa no hiaro azy ireo sy ny fivavahan'izy ireo, ary mbola Izy Tompo Allah ihany koa no hanome azy ireo ny fahalalana mahakasika ny fiqh sy ireo fahaizan-dalana ny amin'izany, ary fahasalamana sy hatsarana amin'ny zavatra rehetra izay mifanohitra amin'ny lalànan'ny Tompo Allah,ka tsodrano sy fandriam-pahalemana ary fahombiazana anie ho an'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ho an'ireo fianakaviany ary ireo mpiara-dia taminy.
Sikidin'ny Vady amin'ny Vadiny [16]
[16] Naseho sy navaly ny fanontaniana amin'ny valiny ao amin'ny biraony tamin'ny 9/11/1387 H
Tonga tamiko ary efa noraisiko ny taratasinareo tamin'ny daty tsy fantatra ary i Tompo Allah anie no hitari-dalana anao amin'ny lalany fahitsiana sy ireo rehetra izay tafiditra ho ao anatin'izany dia ny fampahafantarana anao ny zava-nitranga taminao rehefa naniry ny mba hanao firaisana ara-nofo tamin'ny vadinao vaovao ianao,ary tonga tamiko ihany koa ny mahakasika ny fandehananao tany amin'ny sheikh sy izay rehetra nomeny anao teo aloha, ary ny vadinao fa ela teo aloha ihany koa dia efa nanao ny asa izay anisany antony iray hanakanany anao tsy ahavita hanao firaisana ara-nofo tamin'ny vadinao vaovao, ary ny fanontaniana izay nampetrakao mahakasika ny didy sy fanampahan-kevitra amin'izany dia zavatra efa fantatra. (Izay namaky Ayat Al-korsy amin'ny andro alina dia tsy mitsahatra izy ho ao anatiny fiarovan'i Tompo Allah, ka tsy misy satana afaka hanantona azy mandra-pahatongavan'ny andro maraina) Ary marina no sady mari-pototra ihany koa avy amin'ny Mpaminany (s.w.a) fa Izy tokoa dia niteny hoe :
Valiny : Raha niaiky tamin’izany fihetsika izany ilay vady teo aloha, na voaporofo tamin’ny porofo izany, dia nanao fahotana lehibe tokoa izy, ary tena fitenenan-dratsy sy fahadisoam-panantenana izany. Satria ny asany dia ody voarara, ary ny mpanao ody dia tsy mino, araka ny tenin'Allah ilay Tsitoha: { Ary nanaraka izay rehetra nolazain’ireo satana tokoa izy ireo, tamin’ny andro nanjakan’i Mpaminany Solaimana (A.s), ary tena tsy nikomy akory i Mpaminany Solaimana (A.s), fa ireo satana kosa no nikomy ary naneho ny fikomiana, ka lasa izy ireo no nampianatra majika ny olombelona, sy izay rehetra nampidinina tao amin'ny Babilona tamin’ireo Anjely roa : Harota sy Marota. ary tena tsy nampianatra olona velively an'izany mihitsy izy roa raha tsy efa niteny hoe : “ Tena marina fa izahay dia fakam-panahy, ka aoka tsy hikomy an’i Tompo Allah ianao ”, ka dia lasa nianatra tamin’izy roa izy ireo, ireo zavatra sy fomba fampisarahana ny lehilahy amin’ny vadiny, nefa dia tsy mahavoa ratsy olona amin’izany velively izy ireo, raha tsy hoe efa nahazo alàlana avy amin’i Tompo Allah, ary izy ireo dia hita fa mianatra ireo zavatra izay hita fa manimba azy ireo ihany, fa tsy mianatra ireo zavatra mahasoa azy ireo, ary tena efa fantatr’izy ireo tsara fa izay nametraka safidy ka nanakalo sy nividy an'izany, dia lasa tsy hisy ary tsy hanana anjara intsony na dia kely aza izy amin'ny fiainana any an-koatra, ary dia lasa zava-doza sy zava-dratsy tokoa no natakalon’izy ireo ny vatatenan'izy ireo, raha toa ka mba nahafantra an'izany izy ireo ! } [17], Fa ity ilay andininy teny masina izay mendri-kaja indrindra dia milaza fa ny sikidy dia tsy finoana fa fikomiana ary tsy fanekena an'ny Tompo Allah, ary ny ombiasy dia tsy mpino fa olona kafiry, ary ny resam-panafody ratsy izay ataony ombiasy dia fianarana izay manimba azy ireo fa tsy zavatra mahasoa azy ireo mihitsy na dia kely aza, ary ny iray amin'ireo tanjona tratrarin'izy ireo dia ny hampisaraka sy hampisara-bazana ny lehilahy iray sy ny vadiny, ary tsy manana anjara toerana amin'i Tompo Allah izy ireo amin'ny Andro farany, Andron'ny fitsanganana amin'ny maty, izany hoe tsy manana anjara sy fahafahana anisany ahazo ny famonjena izy ireo amin'ny Andro farany. Ary amin'ny tatitran'ny Hadihe marina sy mari-pototra dia niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Allah i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : (Ary ialao ny ota fito maharendrika) Nisy nilaza hoe : Inona moa ireo, ry irak’Allah? Dia hoy izy : (Ny fanompoan-tsampy, ny fanaovana ody, ny famonoan’olona izay noraran’Allah afa-tsy amin’ny rariny, ny fanjifana zana-bola, ny fihinanana ny haren’ny kamboty, ny fialana amin’ny andron’ny ady, ary ny fiampangana vehivavy madio fitondran-tena tsy mahalala na inona na inona ho mpijangajanga.) [17] Sourate al-Baqarat Andininy :102
Fa raha ny momban'ilay Sheikh izay nanome anao an'ilay fanafody kosa dia mitovy salany mpanao fanafody ratsy tahakan'ilay vehivavy izy, satria ny mpanao ahody ratsy ihany no mahalala ny asan'ny maizina, ary izy dia anisan'ireo mpisikidy sy pimoasy malaza amin'ny fanaovana antso avo fa mahalalana ny miafina sy ny zavatra tsy hita maso, manoloana ny raharaha maro eo amin'ny fiainana, ka obligatoara fa tsy maintsy tokony mba hitandrina amin'izy ireo isika vahoaka mpino mpanaraka ny Finoana Islam, ary tsy azotsika atao ny mino sy manaiky azy ireny, indrindra fa amin'ny lafiny filazan'izy ireo fa hoe izy ireo mahalala ny zavatra miafina,ary satria efa nampitandrina atsika ihany koa i Mpaminany (s.w.a) : (Na iza na iza ny olona izay tonga nanantona ireo mpampizaha ka avy eo dia nanontany azy zavatra dia lazaiana fa tsy voaray intsony ny vavaka Soalat izay ataony mandritran'ny efa-polo alina)
Voarakitra sy navoaka avy amin'ny Moslimo ao amin'ny Soahihy ary niteny indray mandeha ihany koa i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : (Na iza na iza ny olona tonga manantona ireo mpampizaha sy mpisikidy ka nanaiky sy nino azy ireo amin'izay zavatra rehetra nolazain'izy ireo, dia lazaina fa efa nikomy avokoa mnoloana an'ireo zava-drehetra nahidina tamin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a).
Ary tena anisan'ny fitsaboana ny sikidy ihany koa - ary anisan'ny tena tsara sy mahomby ary be fahasoavana - dia fitadiavana sy fahafatarana ilay toerana misy an'ilay fanafody sy sikidy amin'ny tany na koa amin'ny tendrimbohitra na ankoatr'izany toerana izany, raha fantatra ary nesorina sy potehina dia ravana ny sikidy. Tsy maintsy mibebaka sy manenina amin’izay nataonao ianao, ary mampandre ny lehiben’ny komity sy ny lehiben’ny fitsarana momba an’ilay sheikh voalaza etsy ambony sy ny vadinao teo aloha mba hahafahan’ny fitsarana sy ny komity handray fepetra hanakanana azy ireo. Raha misy zavatra mitovitovy amin'izany aminao dia anontanio ireo manam-pahaizana momba ny lalàna silamo mba hahafahan'izy ireo manoro hevitra anao momba ny fitsaboana azo ekena. Enga anie i Allah hanome antsika sy ho anao ny fahatakarana ny fivavahana, ny fiorenana amin’izany ary ny fiarovana amin’izay mifanohitra amin’izany. Malala-tanana sy Tsara fanahy Izy.
izay tokoa no fomba mora indrindra amin'ny fanazavana amin'ireo zavatra rehetra tokony hiarovan-tena amin'nyfanafody ratsy ny sikidy ary tsaboina amin'ny alalan'i Tompo Allah, ary i Tompo Allah no mampalavorary ny fanasitranana. " As salam anlaikom wa rahmatollahy " Fiarambahana sy fandriam-pahalemana ho anareo sy ny hinakinaka ary ny hinakinakan'i Tompo Allah sy ny fahasoavany
Fanotaniana maha-kasika ny fipetrakan'ny sikidy sy ny moasy arakan'ny lalana [18]
[18] Ka ireo fanontaniana sy ny valiny dia tafiditra ho anisan'ireo fandaharana ao amin'ny ( Nòr Ald-Darby ).
F : Rahalahy: S. A. ho. Avy any Riyadh, hoy izy tamin'ny fanontaniany: Any amin'ny faritra sasany ao Yemen, misy olona antsoina hoe “Sayyids.” Ireo olona ireo dia manao zavatra mifanohitra amin'ny fivavahana, toy ny ody ratsy sy ny zavatra hafa. Milaza izy ireo fa mahavita manasitrana ny olona voan’ny aretina tsy azo sitranina, ary manaporofo izany amin’ny fanindrona antsy ny tenany amin’ny sabatra na fanapahana ny lelany ary avy eo dia averina ao anatiny nefa tsy manisy ratsy azy ireo. Misy amin’ireo olona ireo mivavaka ary ny sasany tsy mivavaka. Ka dia toy izany ihany koa,ny fomba ataon'izy ireo fa mety sy azo atao ny manambady ny olon-kafa ankoatra ny avy amin'ny antokon'izy ireo, ary tsy azo atao ny hafa ny manambady olona avy amin’ny antoko misy azy ireo,ary anisan'ny fangatahana ataon'izy ireny ho an'olona marary dia ny miteny sy milaza teny hoe : (O Allah,O ry folany) miantso ny iray amin'ireo Dadilahin'izy ireo sy ireny razamben'izy ireny efa maty.
Tany aloha tany, ny olona maro dia nan-kabe izy ireny no sady nandray izy ireny ho anisany olo-miavaka, olona manokana manana ny maha izy azy, ary noheverina fa izy ireny no olona tena akaiky no sady manakaiky an'i Tompo Allah, ary lasa nantsoina mihitsy izy ireo fa hoe : Olon’i Tompo Allah, fa ankehitriny kosa dia mizarazara ny olona no sady niparitaka ny fomba andraisan'olona azy ireo, sy ny fomba fiheveran'olona azy ireo, ka misy amin'olombelona sasany ny mitsangana manohitra azy ireo, toin'ireny tanora sy ny manam-pahaizana ary ireo avaram-pianarana izany, ary ny sasany amin'olombelona kosa dia hita fa mbola mifikitra sy mitazona ny fomba amampanaon'izy ireny, toin'ireo olona efa antitra, be taona sy ireo olona tsy nianatra no sady tsy avaram-pianarana izany. Izahay dia mangataka amin'ny haja sy voninahitra izay misy aminareo ny mba hanazava sy hamelabelatra ny fahamarin'ny lohateny izay voalaza ity.
Valiny dia : Ireo sy izay rehetra mitovy tantana amin'izy ireo dia avy amin'ny antokon'ny Sofy ireo izay manana fihetsika sy toetra tsy mendrika tsy azo aseho masoandro ary manana ny fitondran-tena diso ary izy ireo ihany koa dia tafiditra ho anisan'ireo mpilaza ny zavatra ho avy ka i Mpaminany (s.w.a) nilaza momba azy ireo ka nanao hoe : (Na iza na iza ny olona izay tonga nanantona ireo mpampizaha ka avy eo dia nanontany azy zavatra dia lazaiana fa tsy voaray intsony ny vavaka Soalat izay ataony mandritran'ny efa-polo andro) Ary amin'izany no entin'izy ireo hilazana fa izy ireo no mahalala sy mahafantatra ny zavatra miafina, no sady mampiasa sy miara-miasa amin'ireo Jiny, ary lasa manetri-tena izy ireo manatanteraka ny asa fanompoana an'ireo Jiny, ka dia lasa ihany koa izy ireo manao asa famitahana feno fitaka an'ireo olombelona amin'ny alalan'ny asa fanaovana sikidy, izay efa nolazain'ny Tompo Allah ny mahakasika an'izany tamin'ireo tantaran'i Mpaminany Mosesy (A.s) sy Faraona : {Niteny i Mpaminany Mosa (A.s) fa hoe : “ Atsipazo ny any aminareo ”, ka rehefa nanipy izy ireo, dia lasa nanova ny mason’ireo olona avy atrany ny zavatra izay natsipin'izy ireo no sady nampihorohoro ny rehetra, ary izy ireo dia tonga niaraka tamin’ny majika mahery vaika }[19] Tsy azo atao tsy ekeny lalana ny manantona azy ireo na koa manontany azy ireo zavatra arakany fanambarana azo avy amin'ny hadithe izay nilazan'ny Mpaminany (s.w.a) manao hoe : (Na iza na iza izay tonga nanantona ireo mpisikidy avy eo dia nanaiky sy nino azy manoloana an'ireo zavatra izay nolazainy dia avy hatrany lazaina fa io olona io efa nikomy an'ireo zava-drehetra izay nahidina tamin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a). Ary voalaza ihany koa avy amin'ny hevitra hafa fa hoe : (Na iza na iza ny olona tonga manantona ireo mpampizaha sy mpisikidy ka nanaiky sy nino azy ireo amin'izay zavatra rehetra nolazain'izy ireo, dia lazaina fa efa nikomy avokoa mnoloana an'ireo zava-drehetra nahidina tamin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a). [19] Sourate al-Anraf Andininy : 116
Avy amin'i Abdil Azizi bin Abdillahy bin Bàzi ho an'ny rahalahy manan-kaja. manambonahitra Assalam anlaikom wa rahmatollah wa barakàtoh,ka aorian'izany dia : Raha ny fiantsoan’izy ireo ankoatr’Allah sy ny fikatsahany fanampiana amin’ny hafa ankoatra an’Allah, na ny filazany fa ny razany sy ny olobeny tany aloha no mifehy izao rehetra izao, na manasitrana marary, na mamaly vavaka rehefa maty na tsy eo izy ireo, dia tsy finoana an’Allah Tsitoha sy fanompoantsampy lehibe izany rehetra izany. Tsy maintsy miampanga azy ireo, tsy manatona azy ireo, tsy manontany azy ireo, ary tsy mino azy ireo, satria amin’ireo asa ireo dia nampifangaro ny asan’ny mpisikidy sy ny mpilaza ny hoavy amin’ny asan’ny mpivavaka amin’nyzanahary hafa izay manompo an’Allah sy mitady fanampiana amin’ny hafa ankoatr’Allah izy ireo, ary mitady fanampiana amin’ny hafa ankoatr’Allah, amin’ny jiny, ny maty, na ny hafa izay havan’izy ireo, na ny razan’izy ireo, na ny havan’izy ireo. izay milaza fa manana fahefana na manana fahagagana. Fa izany rehetra izany dia avy amin'ny asan'ny famosaviana sy avy amin'ny fanaovana sikidy sy ny sinto-mahery, izay tsy azo lavina ao amin'ny lalana madio.
Fa ireo zava miseho sy mandalo amin'izy ireo manoloana an'ireo fihetsika sy fitondran-tena tsy mendrika izay miseho sy mitranga amin'izy ireo amin'ny fanindroana ny vatatenan'izy ireo amin'ny antsy sy sabatra ary ny fanapahan'izy ireo ny lelan'izy ireo, ka izany rehetra izany dia sarontava sy fitaka ho an'ny olona fotsiny, satria izany rehetra izany dia nipoitra avy mazika sy amin'ny karazan'ireo fanafody rats'ireo mpanao sikidy, izay efa voarara fa fady haramo tsy azo atao ary tsy azo ampiasaina izany rehetra izany, ka anisan'ny lahatsoratra sy soratra masina voalaza avy amin'ny Boky masina Koroany sy ny Sonnah, dia misakana sy mandrara ary mampitandrina fatratra, ny mombany izany rehetra izany, araka ny ireo fanambarana izay efa voalaza etsy ambony. ka tsy tsara no sady tsy mendrika ho an'ireo olona izay manan-tsaina ny ho voafitaka amin'izany zavatra izany, ary izany rehetra izany dia tahak'izay zavatra efa nolazain'ny Tompo Allah, ilay avo Tsitoha, mitovy tantana ny mahakasika an'ireo mpomoasin'ny Farao. { Voafandrika sy voafitaka ny majika izy ireo amin'ny alalan'ny aody ratsy ka lasa mahita sy mahatazana fa hoe misy zavatra ohatran'ny mandady } [20] Fa izy rehetra ireo dia efa nanambatra sy nampifandray ny asa izay misy fifandraisana amin'ny vorika sy ny ahody nentim-paharazana, sy ny fanaovana sikidy sy fandihanana amin'ny mpomoasy sy amin'ireo mpampizaha,ary nanambatra ny zavatra rehetra ihany koa amin'ny resaka fanaovana ny Shirk lehibe indrindra sy ny fitadiavana amin'ny lafiny fangatahana ny fanampiana sy fiarovana vonjy amin'ny zavaboary hafa an-koatran'i Tompo Allah ary eo ihany koa ny fanaovana ny antso avo fa manambatra sy manana fahalalana an'ireo zavatra miafina no sady manana fahefana mandrindra sy mitantana an'izao tontolo izao ka ireo endrika maro samy hafa ireo dia zavatra tafiditra ho anisany fanompoan-tsampy lehibe (Shirk lehibe) ary tena fikomiana miharihary tsy azo afenina ary tafiditra ho asan'ny maizina izay efa noraran'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha satria mahasahy manao ny filazana fa mahalala ny zava-miafina rehetra nefa izany fahalalana miafina izany dia tsy misy tokony hisy ahalala an'izany afa-tsy i Tompo Allah irery ihany arakan'izay efa nolazain'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha manao hoe : {Teneno fa hoe : “ Tsy misy mahalala sy mahafantatra ny zavatra miafina rehetra, ao an-danitra sy ety an-tany, afa-tsy i Tompo Allah } [21]. Adidin'ny silamo rehetra izay mahatsapa ny toe-pahasalamany ny manameloka azy ireo sy manondro ny fitondran-tena ratsiny, izay tsy azo ekena, ary ny mitatitra ny raharahany amin'ny mpitondra raha toa ka any amin'ny firenena silamo izy ireo mba hanafay azy ireo araka ny tokony ho izy araka ny lalàna silamo, hampitsahatra ny faharatsiana ary hiaro ny silamo amin'ny lainga sy ny fitaka ataony. [21] Sourate Naml Andininy : 65 [20] Sourate Taha Andininy : 66
Ary i Tompo Allah no mampalavorary ny zava-drehetra.
Fitsaboana ataon'ny mpisikidy mampiasa jiny [40]
[40] [“Fatwa sy lahatsoratra isan-karazany” nataon'i Ibn Baz (5/418-420)]
F : Misy andian’olona mitsabo tena amin’ny fanafody nentim-paharazana, araka ny filazany. Rehefa nankany amin’ny anankiray amin’ireo aho, dia hoy izy tamiko: Soraty ny anaranao sy ny anaran-dreninao, ary miverena aty aminay rahampitso. Rehefa niverina teo amin’izy ireo ilay olona, dia hoy izy ireo taminy: Mijaly amin’izao sy izao ianao, ary izao sy izao ny fitsaboana anao. Ary hoy ny iray tamin’izy ireo: Mampiasa ny tenin’allah amin’ny fitsaboana izy. Ahoana ny hevitrao momba ny olona toy izany? Inona no didim-pitsarana momba azy ireo? S.A.G. Arahaba
A: Na iza na iza manao izany amin'ny fitsaboana azy dia porofo fa mampiasa jiny izy ary milaza ho mahalala ny tsy hita. Noho izany dia tsy azo atao ny mitsabo azy, toy ny tsy azo atao ny manantona azy na manontany azy. Satria ny Mpaminany - ho tahian'Allah sy hanome azy fiadanana - dia nilaza momba ity karazana olona ity: (Na iza na iza ny olona izay tonga nanantona ireo mpampizaha ka avy eo dia nanontany azy zavatra dia lazaiana fa tsy voaray intsony ny vavaka Soalat izay ataony mandritran'ny efa-polo alina) Notaterin'i Moslimo ao amin'ny Swahih Moslim.
Ary voaporofo avy aminy Mpaminany (s.w.a) amin'ireo hadithe maro samy hafa fa tena voarara ny mandeha any amin'ny mpisikidy, na ireo mpizaha ka mpilaza ny zavatra ho avy sy ireo mpanao fanafody ratsy amin'ny alalan'ny sikidy, ary tena voarara ihany koa ny mandia manontany azy ireo sy ny mino ny zavatra voalazan'izy ireo, ka dia hoy ilay Irakan'ny Tompo Allah hoe : (Na iza na iza izay tonga nanantona ireo mpisikidy avy eo dia nanaiky sy nino azy manoloana an'ireo zavatra izay nolazainy dia avy hatrany lazaina fa io olona io efa nikomy an'ireo zava-drehetra izay nahidina tamin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a). Ary izay rehetra manao antso avo ka milaza fa mahalala sy mahafantatra ny zava-miafina amin’ny alalan'ny fampiasana ireo vatokely na koa fanatobiana na manao teti-dratsy amin’ny alalan'ny tany na mametraka fanotaniana ka manontany an'ireo marary momba ny anarany sy ny anaran-dreniny na ny anaran’ny havany ka izany rehetra izany dia porofo manamarina fa isan’ireo olona tafiditra ho mpampizaha izy sy mpomoasy izy ireny ka izy ireny anefa efa nametrahany Mpaminany (s.w.a) teny fandrarana sy fisakanana fa tsy azo atao ny mandeha mangataka sy mino azy ireo.
Ny tena Obligatoara tsy maintsy atao ary tena ilaina tokoa ny mitandrina sy mametraka fitandremana fatratra amin'izy ireny ary tsy tokony manontany zavatra amin'izy ireny na mandeha mitsabo amin'izy ireny, na dia miteny sy milaza aza izy ireo fa hoe mitsabo amin'ny alalan'ny Boky masina Koroany, satria anisany fahazaran'ireo olona miaina amin'ny fahaverezana sy ireo olona efa zatra mpandainga sy mpamorona ary mpamitaka izany fomba amampanao rehetra izay voatanisa izany, ka dia tsy azo atao ny mino sy manaraka azy ireo amin’izay rehetra lazain'izy ireo, fa ny tsy maintsy ary Obligatoara ny amin'ny tokony hatao rehefa misy mahalala ny iray amin'izy ireny ny mba tokony hampahafantatra sy hampiakatra ny raharaha amin'ireny manam-pahefana momban'ireo zavatra mahakasika azy ireny, sy ny any amin'ny mpitsara ihany koa, sy any amin'ireo mpitarika, ary eny amin'ny toerana izay hita fa miandraikitra an'izany eo amin'ny fiarahamonina sy ny any amin'ny tanàna rehetra mba ahafahana mitsara azy ireny amin'ny fitsaran'i Tompo Allah, ary mandra-pialan’ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam, amin’ny haratsian'izy ireo sy ny tsolotra ary kolikoly sy ny fandaniana ihany koa ireo vola aman-karenan'ireo olona sy vahoaka tsy manan-tsiny tsy amin'ny rariny.
Ary i Tompo Allah anie hanampy ary tsy misy hery na tanjaka afa-tsy avy amin'i Tompo Allah irery ihany.
Ireo fanafody ara-dalàna izay mifanaraka amin'ireo lalana ara-mpinoana ho an'ny sikidy [22]
[22] Anisan'ny fandaharana Nòr Alad-darby kasety 53
Fanontaniana: Nandre manam-pahaizana iray aho nilaza fa na iza na iza mihevitra fa nisy ody natao taminy dia tokony haka ravinkazo fito ka ataovy ao anaty siny misy rano, ary mitanisa eo amboniny ny Soura roa: Ny Mu'awwidhat Ayat al-Kursi sy Surah: SOURAT AL KAFIROUNA}, Sy ny tenin'Ilay Avo Tsitoa: {Ary izay nambara tamin'ny anjely roa tany Babylona, dia Harota sy Marota[23], Surat Al-Fatihah, tena marina ve izany? Inona no tokony hataon’ny olona iray raha heveriny fa nisy namosavy izy? Ampahafantaro anay, hampahafantatra anao anie i Allah. [23] Sourate al-Baqarat Andininy :102
Valiny dia hoe : Tsy azo isalasalana na hametrahana ahiahy fa tena misy marina tokoa ny asan-tsikidy, ary ny sasany amin’izany aza dia hevi-diso izay mamezivezy ny sainan'olona sasany, ary mety mitranga sy mihatra no sady mety misy fiantraikany amin'ny hafa raha toa ka nahazo alalana avy amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, araka ny teny izay nolazain’i Tompo Allah, ilay Tompo avo Tsitoha momban'ireo olona mpanao ny sikidy ka nanao hoe : { Ary nanaraka izay nolazain’ireo satana avokoa izy ireo, tamin’ny andro nanjakan’i Mpaminany Solaimana (A.s) Ary tsy nikomy akory anefa i Mpaminany Solaimana (A.s), fa ireo satana kosa no nikomy ka nanao ny asa fikomiana, izy ireo no nampianatra majika ny olombelona, sy izay rehetra nampidinina tao amin'ny Babilona tamin’ireo Anjely roa : Harota sy Marota, fa izy roa kosa dia tsy nampianatra olona velively na dia iray aza } Izany hoe : ilay Anjely roa { raha tsy efe niteny hoe : “ Tena marina fa izahay dia fakam-panahy, ka aoka tsy hikomy an’i Tompo Allah ianao ”, fa lasa mianatra tamin’izy roa izy ireo, izay fomba rehetra mety ho fampisarahana ny lehilahy amin’ny vadiny. ary tsy dia mahavoa ratsy olona ny amin’izany akory izy ireo, raha tsy nahazo alàlana avy amin’i Tompo Allah} [24] Tena marina fa ny fanafody mahakasika resaka sikidy dia marina no sady mandaitra nefa tsy mandaitra akory izany raha tsy efa nahazo alalana sy fanekena ary famelana avy amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, noho ny fandaharana izay efa norafetiny manoloana ny lahatra sy anjara amin'izao totolo izao, fa ny resaka momba ny sikidy dia manana fomba fitsabona azy sy manana fanafodiny tandrify azy, ary efa avy nihatra sy niseho tamin’ny Mpaminany (s.w.a) izany, fa nivonjen’i Tompo Allah tamin'izany Izy, ary niarovany, no sady navotany tamin’ny fahafahana sy faharatsian'ireo mpisikidy, ka noraisina izany ahody ratsy izany dia nipotehina, ary nositran'ny Tompo Allah ilay Mpaminany (s.w.a) izay nalefany. Noho izany, raha hita ny zavatra nataon’ilay mpanao ody, toy ny famatorana ny kofehy na ny fampifandraisana ny fantsika na ny zavatra hafa, dia rava izany, satria azo inoana fa hitsoka ny seza sy hamely azy noho ny fikasan-dratsiny ny mpanao ody. Mety ho tanteraka izay tadiaviny, raha sitrapon’Allah, na ho foana. Mahay ny zavatra rehetra ny Tompontsika, ho Azy ny Avo indrindra ny voninahitra. Indraindray dia tsaboina amin’ny alalan’ny famakiana ny ody, na amin’ny alalan’ny famakiana azy avy amin’ny olona osana ny tenany raha toa ka salama tsara ny sainy, Ary indraindray amin'ny alalan'ny olon-kafa mamaky azy, ka tsofiny amin'ny tratrany na amin'ny rantsam-batany izy ka mamaky azy: Al-Fatihah, Ayat al-Kursi, Qul Huwa Allahu Ahad, ireo Mu'awwidhat roa, ary ireo andinin-tsoratra masina fanta-daza ao amin'ny Surat al-A'raf, Surat Yunus ary Surat Ta-Ha. Avy amin'i Surat al-A'raf, hoy ny Tsitoha: { Ary nambaranay sy nolazainay tamin’i Mpaminany Mosesy (A.s) hoy Tompo Allah fa hoe : “ Atsipazo amin'ny tany ny tehina izay eo amin'ny tananao ”, ka indro dia lasa noraisiny ka nateliny avokoa izay rehetra fitaka noforonin’izy ireo. ka dia niharihary ny fahamarinana rehetra, ary foana sy rava izay asa rehetra nataon’izy ireo hatramin’izay, ka tamin’izany àry dia resy tanterka izy ireo, ka dia lasa anisan'ireo olona nihetry.} [25], Ary amin'ny Sorate Yonos dia misy tenin'i Tompo Allah : { Ary hoy i Faraona, niteny izy ka nanao hoe : “ Mba ento aty amiko avokoa ny mpanao majika rehetra ireny izay tena farany mahay ” ka rehefa tonga ary ireo mpanao majika, dia hoy i Mpaminany Mosesy (A.s) tamin'izy ireo nanao hoe : “ Atsipazo àry izay atsipinareo ” ka nony rehefa nanipy izy ireo, dia hoy i Mpaminany Mosesy (A.s) tamin'izy ireo nanao hoe : “ tena Majika tokoa no nataonareo sy zavatra noentinareo ka hofohanan’i Tompo Allah izany no sady ravainy ary ho potehiny satria dia hamafisina etoana fa tsy misy asa mahomby mihitsy hataon’ireo fa zatra mpanimba, ary marina no sady hampamarinin'ny Tompo Allah ny teniny no sady hampandreseny ihany koa, nohon'ireo karazan-tenin'ny fahamarinana maro samy hafa, na dia hoe mankahala an'izany aza ireo olo-meloka sy ireo olon-dratsy.} [26 Ary amin'ny Sorate TAHA dia misy tenin'i Tompo Allah : { Hoy izy ireo niteny hoe : “ Ry Mosesy (A.s) na ianao no hanipy na izahay no hanipy voalohany ? ” Hoy izy (Mosesy A.s) hoe : “ Atsipazo àry ny any aminareo ” dia indro ny tadin’izy ireo sy ny tehiny fa toa mandady vokatry ny majika ka nahatsiaro nisy tahotra avy hatrany ny tao anatiny i Mpaminany Mosesy (A.s) dia hoy Izahay (Allah) taminy manao hoe : “ Aza mba matahotra ianao fa ianao no tena ambony indrindra ka atsipazo izay eny amin’ny tànanao an-kavanana fa dia hitelina izay nataon’izy ireo izany. satria ny hafetsen’ny mpanao majika ihany no asa nataon’izy ireo, ary tsy ahita soa na fahombiazana ny mpanao majika na aiza na aiza ny toerana misy azy ireo ” [27] ary vakina koa sourat: Lazao hoe: “ O ry anareo izay tsy mino! hatraminy farany Ary ny Surah: {Lazao hoe: Izy no Andriamanitra, Ilay tokana} Ary {Lazao hoe: Mialoka amin'ny Tompon'ny maraina aho.} Ary {Lazao hoe: Mialokaloka amin'ny Tompon'ny olombelona aho.} ary ny voalohany dia tokony averina in-telo ny Sorate Al-ikhlàs sy Al-falaq sy An-Nàs, avy eo dia mangataka fahasalamana ho an'ilay marary. (Tompo o !, izay Tompon'olombelona, esory ary halaviro ny ratsy, ary sitrano fa ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy fahasitranana izay avy aminao, fahasitranana izay tsy mamela aretina intsony ao aminy) ka izany dia averina intelo. Noho izany, dia nitondra azy tamin’ny filazana izy hoe: Amin’ny anaran’allah , itondrako anao amin’izay rehetra manimba anao sy amin’ny faharatsian’ny fanahy na maso mitsiriritra rehetra. Hanasitrana anao anie Allah. Amin'ny anaran'Allah no itondrako anao. Averina in-telo izy ary mivavaka mba ho sitrana sy ho salama. Raha hoy izy ao amin’ny ruqyah-ny hoe: Mialokaloka ho anareo amin’ny teny lavorary avy amin’Allah amin’ny faharatsian’ny zavatra noforoniny aho, ary mamerina izany in-telo, dia tsara izany. [27] Sourate Taha Andininy : 65،69 [26] Sourate Younous Andininy : 79-82 [25] Sourate al-Anraf Andininy : 117-119 [24] Sourate al-Baqarat Andininy :102
Ka izany rehetra izany dia avy amin'ny fanafody mahasoa fa raha izy no mamaky sy manao ary manonona an'io rokiat io miaraka amin'ny fangatahana manao ny hataka sy ny Doàn amin'ny rano dia misotro amin'izany rano izany ilay olona marary voany ahody ny sikidy avy eo dia mandro miseky miaraka amin'ireo ambiny rano tavela ka izany dia lasa anisan'ny fomba sy antony iray mety azahoana ny fanasitranana sy fahasalamana ho an'ireo marary raha toa ka sitrakan'i Tompo Allah ary raha asiana ravina mokonazy miloko maintso voatoto izay miisa fito ao anatiny ilay rano dia lasa anisany fomba mety ahasitrana ihany koa. Efa natao fanoharana izany rehetra izany ka hita fa nandaitra be ny fampiasana an'izany ary nahazoana tombony sy fankatoavana avy tamin’i Tompo Allah, ary efa nataonay tamin’ny olona maro ihany koa izany, ka nomen’i Tompo Allah fahasoavana tamin'izany izy ireo. ary izany dia fanafody nahitana vokany sy nahitana tombotsoa tamin'ny fampiasana azy, ary nanavotra ireo olona izay tratrany famosaviana, ary izany ihany koa dia fanafody mety ampiasaina amin'olona manana olona ara-mpanambadiana salany ireny olona nifatorany vadiny ka tsy afaka manao firaisana ara-nofo ireny, satria misy ireny olona sasany mety nataony vadiny fanafody ratsy ara-tsikidy ka tsy afaka mahavita miaraka amin'ny vadiny amin'ny fanaovana ny firaisana, ka raha mampiasa an'izany Rokiat izany sy ireo hataka -Doa' izany dia ahazo fahasitranana sy fahasalamana noho ny tombotsoa sy fanekena ary fan-katoavna avy amin'i Tompo Allah, ka mety na vakiny izy tompony amin'ny vatatenany, na koa vakiny olon-kafa ankoatrany amin'ny vatany, na vakiny amin'ny rano ary avy eo sotroiny sy sekeny ny ambiny rano izay tavela, ka izany rehetra izany dia mety no sady mahasoa avokoa, raha toa ka nametrahan'ny Tompo Allah fanekena sy fan-kasitrahana ho an'ireo voany sikidy sy ireo voafatotra amin'ny vadiny; Anisan’ny antony ireo, ary Allaha Tsitoha ihany mpanasitrana, ary mahay ny zava-drehetra. Eo an-tanany ny voninahitra, ho Azy ny fanafody sy ny aretina, ary ny zavatra rehetra dia araka ny didiny sy ny anjarany, ho Azy ny voninahitra. Ary efa marina tamin'ny tatitra izay mari-pototra azo avy tamin'ny Mpaminany (s.w.a) fa Izy dia niteny ka nanao hoe : (Tsy nampidininy Tompo Allah ny aretina afa tsy hoe efa nampidinin'ny niaraka amin'ny ihany koa ny fanafodin'ireo aretina ireo, ka mahalala sy mahafantatra an'izany ireo izay mahalala fa tsy ahalala no sady tsy ahafantatra an'izany akory ihany koa ireo izay tsy ahalala azy).
Ary izany dia tombotsoa sy hasoavana avy amin'i Tompo Allah, ilay avo Tsitoha, ary i Tompo Allah dia mahalavorary ny zava-drehetra no sady mpanitsy ny rehetra amin'ny lalana mahitsy.
Fanazavana marina amin'ny fidiran'ireo Djiny amin'ny olombelona ary valiteny ho an'ireny olona izay tsy mino an'izany [28]
[28] valiny amin'ny fandefasana tamin'ny sheikh At-tantawy amin'ny daty 3/11/1408 H
Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah, ary tsodrano sy fahombiazana ary fandriam-pahalemana feno ho an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, sy ho an'ireo fianakaviany ary ho an'ireo izay rehetra mpiara-dia taminy sy ireny izay nanaraka ny sori-dàlana izay norafetiny.
Ka Aorian'izany : Ary efa nanamparitaka ireo gazety sasany ao an-toerana sy ny hafa ankoatr'izany ihany koa fa dia samy namoaka avokoa tamin'ny volana Sha'ban tamin'ity taona voalaza etoana ity ny tiako hambara sy holazaina dia hoe tamin'ny taona 1407 H ity dia hita fa ireo Hadith fohy sy lava avokoa izay mahakasika ny zava-nitranga tamin'ny fanambaran'ireo Djiny sasany izay nianjaka tamin'ireo vehivavy mpanaraka ny finoana Islam sasatsasany tao Riyadh ka ny fiovam-pony ho mpnaraka ny finoana Islam teo anatrehako taorian'ny nanambarany an'izany tamin'ilay rahalahiny Abdollah bin Mosharraf Al-Omari izay monina ao amin'ny tanana ny Riyadh Rehefa aoriany avy namaky ny voalaza teo aloha momba an'ireo ory sy tratrany fahavoazana ka dia nandefa teny niresaka tamin'ireo Djiny izy, dia nampahatsiahy azy ireo zavatra momban'ny Tompo Allah no sady nananatra azy ihany koa ary nilaza taminy fa hoe : voarara ny fanaovana ny tsy rariny amin'ny hafa satria izany dia tafiditra ho fahotana lehibe, avy eo dia niantso an'ireo Djiny rehetra izy mba ho amin'ny finoana Islam ka nilaza taminy ireo Djiny fa izy ireo dia tsy mpino fa bodista ary niantso azy ireo mba hiala amin'izany, ka resy lahatra ireo Djiny dia namaly ny antso ary nijoro vavolombelona fa ho mpino mpanaraka ny finoana Islam teo anatrehan'i Abdillah izay voalza teo ambony Ary avy eo ihnay koa fa i Abdollah ilay voalaza anarana teo ambony sy ireo tompon'andraikitra misahana an'ilay vehivavy dia samy naniry avokoa ny mba hifanatrika amiko miaraka tamin'ilay vehivavy mba handrenesako ny filazana ny fiovam-pon'ilay Djiny ho mpanaraka ny finoana Islam, ka dia tonga tany amiko izy ireo ary mba nanontany azy ny antony nidirany tao amin'ilay vehivavy aho, ka hoy izy tamiko namaly ny antony ka nanao hoe : ary ny fomba famaliany dia namaly ny teny tamin'ny lelam-behivavy iny ihany izy, fa amin'ny endrikan'ny tenin'ny lehilahy no hivoahany feony fa tsy feon'ny vehivavy akory, ary izy dia mipetraka eo amin'ny seza eo akaikiko, sy ny anadahiny ary ireo anabaviny niaraka tamin'ny Abdollah bin Mosharraf izay voalaza anarana teo aloha sy ireo sasany tamin'ireo sheikh izay nanatri-maso teo avokoa, ka izy ireo rehetra dia samy nandre avokoa ny tenin'ilay Djiny. Ary tena nolazainy ampahabemaso tsy niambahamba mihitsy ny fidirany nanaraka ny amin'ny finoana Islam, ary nilaza izy fa izy teo aloha dia Indiana mpivavaka bodista, ka dia nanoro hevitra azy aho ny mba tokony hatahotra an’i Tompo Allah ary hiala amin’io vehivavy io ary hanalavitra ny fampahoriana azy, ka nanaiky izany izy, ary hoy izy hoe : Manaiky ny finoana Islam aho, ary nanafatra azy aho mba hitarika ireo vahoakany amin'ny finoana Islam ltaorian'ny nanitsian'i Tompo Allah azy, ka dia nampanantena tsara an'izany izy, ary niala tamin'ilay vehivavy, ary ny teniny farany dia hoe : Fiadanana ho anareo. Avy eo ilay vehivavy dia niteny tamin’ny teny mahazatra azy ary nahatsiaro ho voaro sy nanamaivana ny haviny. Dia niverina tany amiko izy rehefa afaka iray volana na mihoatra, niaraka tamin’ny anadahiny roa, ny dadatoany sy ny anabaviny, ary nilaza tamiko fa salama tsara izy ary tsy niverina taminy intsony, isaorana zanahary. Nanontany azy aho momba ny zavatra tsapany rehefa niaraka taminy izy ary namaly izy fa manana eritreri-dratsy mifanohitra amin'ny lalana ary mahatsapa fa mirona amin'ny fivavahana Bodista sy mamaky ireo boky nosoratana momba izany. Avy eo dia torian'izany fanavotana izay nataony Tompo Allah izany dia niala taminy avokoa rehefa avy eo ny eritreritra ratsy rehetra ary niverina amin'ny fiainany teo aloha izy ary nanalavitra ny fieritreretana misy fifandraisana amin'ny fahaverezana.
Nampahafantarin'ny filohany Sheikh Ali Al-Tantawi aho fa nandà ny tsy hisian'ny zavatra toy izany izy. Nambarany fa fitaka sy lainga ary mety ho resaka nifanaovana an-tsoratra tamin’ilay ramatoa ka tsy niteny izany. Nangataka ilay horonam-peo nandraiketany ny lahateniny aho ary nianatra taminy izay nolazainy. Tena gaga aho fa navelany horaisina ilay izy, na dia nametraka fanontaniana maromaro tamin'ny jiny aza aho dia namaly izy. Io no iray amin'ireo fahadisoana ratsy indrindra ary iray amin'ireo fomba mamela ny lainga. Nilaza ihany koa izy tamin'ny lahateniny fa ny fiovam-pon'ny jiny ho silamo amin'ny tanan'olombelona dia mifanohitra amin'ny tenin'Allah Tsitoha ao amin'ny tantaran'i Solomona: { Ary omeo fanjakana aho izay hoe fanjakana tsy misy ahazo an'izany na dia iray aza ireo izay avy ao aoriako } [29] Ary tsy am-pisalasalana no hilazana fa izany dia fahadisoana avy aminy, ka i Tompo Allah anie hanitsy azy amin'izany, satria izany dia fomba fahazoana diso no sady mirakitra fahadisoana, fa tsy misy Djiny silamo izay tantanan'olona izany ka hitsipaka sy hanohitra ary hiataka izay antso nataon'i Mpaminany Salomona (A.s). Efa maro no sady betsaka tokoa ireo Djiny izay efa nino teo ampelatanan'ny Mpaminany (s.w.a) [29] Sourate al-Baqarat andininy : 35
Efa voazavan'i Tompo Allah ao amin'ny sorate Al-Ahqaf sy sorate al-Djinny, ary ao amin'ny Soahih roa amin'ny Hadith noentin'ny Aby Horairat (ra) fa i Mpaminany (s.w.a) dia niteny ka nanao hoe : (Niseho tamiko ny devoly ka nanafika ahy mba hanapaka ny fivavahako, fa nomen’Allah fahefana taminy aho, ka natahotra azy aho. Nikasa ny hamatotra azy amin’ny andry mandra-pahamarain’ny andro aho mba hahitanao azy. Tsaroako ny tenin’i Solomona rahalahiko hoe: “Tompo ô, mamelà ahy, ka omeo fanjakana izay tsy ho an’iza na iza handimby ahy” [30], fa Allah kosa nampietry azy. Ity dia arakan'ny fomba voalaza ao amin'ny Bokhary, sy izay voalaza ao amin'ny Moslim : (Nisy demonia avy amin’ny jiny nanafika ahy omaly alina mba hanapaka ny fivavahako, ary nomen’Allah fahefana teo aminy aho, ka natahotra azy aho. Nikasa ny hamatotra azy teo anilan’ny andrin’ny moske iray aho mandra-pahamarain’ny andro hahitanareo azy rehetra, na ianareo rehetra. Dia nahatsiaro ny tenin’i Solomona rahalahiko aho nanao hoe: “Ry Tompoko ô, mamelà ahy, ary tsy homena fanjakana tahaka azy intsony aho” [1] afa-baraka.) Ary dia nisy fanambarana sy tantara azo avy amin'ny An-Nasai izay mifanaraka tsara tamin'ireo fepetra izay napetran'ny Al-Bukhari (R.h) sy arak'i Aisha (R.d) fa i Mpaminany (s.w.a) dia nisy fotoana Izy nanatanteraka ny Soalat ka tonga teo Aminy ny satana ka noraisin'i Mpaminany (s.w.a) dia nitorotoroiny ary nokendainy izy avy eo dia niteny ilay Irakan'ny Tompo Allah ka nanao hoe : (ka henoko mihitsy fa nitsintsina ny lelany teo amin'ny tanako, fa raha tsy fangatahana izay nataon'ny Rahalaiko i Mpaminany Solomona (A.s) dia mbola nifatorako mba ho hitan'olona rehetra teo izy), Ary voarakitra amin'i Boky ny Ahmad (R.h) sy Abo Daoud (R.h) avy amin'ny hadith notaterin'i Aby Saïd ary misy amin'izany ny hoe : ( Dia nalefako sy nampandehanako ny tanako ary nokendaiko izy ka sempotra, ary henoko ny hatsiakan'ny rorany teo anelanelan'ny rantsantanako roa, ny ankihibe ary ny manaraka azy ihany koa ). I Al-Bokhari dia namoaka tao amin'ny Soahih-ny niaraka tamin'ny fanehoan-kevitra voafaritra tsara, Boky faha-4, p. 487, avy amin'i Al-Fath mahakasika ny fitateran'i Abou Houraïrah (ra), ka hoy izy : Tena nampiankinin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) tamiko avokoa ny fitantanana ireo Zakat tamin'ny volana Ramadany ka dia nisy olona tonga nanatona ahy no sady nanomboka nangataka sy naka ireo sakafo izay voray tamin'ny Zakat dia noraisiko avokoa izany ary nolazaiko fa hoe : " tena Mifanta no sady manao Fianiana amin'i Tompo Allah aho fa tsy maintsy ho entiko any amin'ny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) ianao dia nilaza izy ka nanao hoe : “ Malahelo aho no sady sahirana satria manan-janaka ary tena mila fanampiana mafy dia mafy ” raha izany no fanazavana izay noentiny dia navelako nandia izy, ka rehefa maraina dia hoy ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) tamiko hoe: “Eh ! ry Abo Horaira, inona ary ny mba nataony ilay Babonao omaly? namaly an'ny Mpaminany (s.w.a) i Abo Horaira ka nanao hoe : O! ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) tena sahirana sy nitaraina ary manan-janaka ilay Rangahy ka lasa namindra fo taminy izaho dia navelako nandeha izy raha izay no izy dia niteny i Mpaminany hoe : (tsia fa nandainga taminao izy ka mbola hiverina indray) dia nino aho ary fantatro fa hiverina tokoa izy araka ny fanambarana izay nolazain’ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) kanjo fa niverina tokoa izy ary nijery azy aho fa mbola tonga nitalaho ary nangataka sakafo indray mandeha indray izy ary dia noraisiko izy no sady nilazaiko taminy fa hoe: ianao dia ho entiko any amin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) dia hoy izy namaly ahy hoe: mba avelao aho fa ory no sady sahirana ary manan-janaka aho fa izaho dia efa tsy hiverina intsony ka lasa namindra fo aminy indray aho dia navelako nandeha izy ka rehefa tonga ny maraina dia hoy i Mpaminany (s.w.a) tamiko hoe: ( Eh ! ry Abo Horaïra inona indray no nataony ilay Babonao omaly )? Hoy aho namaly azy hoe: Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) O ! tena ory sy sahirana ary manan-janaka izy ka namindra fo taminy indray aho ka nanafaka azy no sady nanome alalana azy handeha, dia hoy i Mpaminany (s.w.a) hoe : ( Efa nandainga taminao izy ka dia mbola hiverina eo indray ) ka hitako fa tena marina fa dia in-telo mihitsy izy no mbola miverimberina eo ka mbola tena tonga nitalaho indray ary nangataka sakafo ihany koa izy dia noraisiko izy ka hoy aho taminy hoe: “ tena ho entiko any amin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) ianao” ary izao no fotoana in-telo farany ilazanao fa tsy hiverina intsony ianao nefa avy eo dia mbola miverina ihany ka namaly izy ary nilaza hoe :“ Avelao aho hampianatra anao ny teny izay hahasoa anao amin'i Tompo Allah” ka hoy aho hoe : Inona moa ireo teny ireo ? dia hoy izy hoe: “ Rehefa hatory ianao amin'ny alina dia vakio ny andininy soratra masina mahakasika ny Ayat al korsy: { Allah tsy misy Ndranahary afa-tsy Izy irery ihany izy no ilay Velona, ilay Mandrakizay [32] Mandra-pamarananao ilay andininy dia hiaro anao i Tompo Allah tsy hisy devoly hanantona anao mandra-pahamarain'ny andro ka navelako handeha izy ary hoy ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) : ( Inona no nataon’ilay Babonao omaly ) ? dia hoy aho hoe : O ! ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a) izy nilaza no sady nampianatra ahy ny teny izay hahasoa ahy amin'i Tompo Allah ka voatery navelako nandeha izy dia hoy i Mpaminany (s.w.a) taminy hoe :( dia inona moa izany)? ka namaly aho fa hoe: hoy izy tamiko: Raha hatory ianao, dia mamakia ny Ayat al-Korsy hatrany am-piandohana mandra-pamarananao ilay andininy hoe: { Allah, tsy misy Ndranahary afa-tsy Izy irery ihany izy no ilay Velona ilay Mpanangana ary fiadanana anie ho azy. ka hoy i Mpaminany (s.w.a taminy hoe: ( Niteny marina ilay mpandainga fantatrao hoe iza no niresahanao telo alina lasa izay ry Abo Horaïra )? ka hoy aho hoe: Tsia tsy fantako dia hoy i Mpaminany (s.w.a) taminy hoe: (iny dia i Devoly). [31] Sourate Sàd Andininy :35 [32] Sourate al-Baqarat Andininy :255 [30] Sourate Sàd Andininy :35
Ary efa nanambara i Mpaminany (s.w.a) amin'ny hadith marina no sady mari-pototra izay noraketin'ny sheikh roa, arak'i Safiat (R.d) fa i Mpaminany (s.w.a) niteny ka nanao : (Marina tokoa fa i satana dia mikorina sy mizotra ary mandehandeha amin'ny taranakan'ny Adama tahakan'ny fikorian-drà )
Notantarain'i Imam Ahmad ao amin'ny Al-Musnad (Boky faha-4, p. 216) miaraka amin'ny rojom-pandefasana marim-pototra fa hoy i Othman ibn Abi Al-Aas: Ry irak'Allah ô, i Satana no nanelanelana ahy sy ny fivavako ary ny fiteniko. Hoy izy: ( izany tokoa dia satana antsoina hoe Khanzab, ka raha tsapanao fa eo izy dia mangatahà fiarovana aingana amin'i Tompo Allah Ianao ny amin'izany, mandrorà tsy misy rora ianao amin'ny toerana hankavianao in-telo, ka niteny izy hoe : nataoko izany dia nesorin'i Tompo Allah tamiko izany) Voaporofo tao amin’ny hadith tena izy ny Mpaminany, fa ny olona tsirairay dia manana mpiara-dia avy amin’ny anjely sy mpiara-dia amin’ny devoly, dia ny Mpaminany, afa-tsy ny nanampian’Allah azy hanohitra azy ireo ka nivadika tamin’ny finoana silamo izy, ka ny asa soa ihany no nasainy. Efa nanaporofo bokin’i Allah, ny Tsitoha, ny Sonan’ny irak’Allah, ary ny marimaritra iraisana eo amin’ny vahoaka dia milaza fa azo atao ny miditra amin’ny olona iray ary mitolona aminy ny jiny. Ka ahoana no ahafahan'ny olona milaza ho manam-pahalalana mandà izany raha tsy misy fahalalana na fitarihana, fa amin'ny alalan'ny fanahafana ny sasany amin'ireo olon'ny fanavaozana izay manohitra ny olon'ny Sunnah sy ny Fiaraha-monina? Koa i Allah no loharanon’ny fanampiana, ary tsy misy hery na hery afa-tsy amin’i Allah. Holazaiko aminao, ry mpamaky malala, ny zavatra hitako amin'ny tenin'ny manam-pahaizana momba izany, raha sitrapon'Allah.
fanazavana sy famelabelarana an'ireo teny nolazain'ireo manampahaizana mpanao ny tafsiry (R.h) an'ireo tenin'i Tompo Allah fa hoe : {Ireo izay mihinana ny zana-bola, dia tsy hitsangana izy ireo amin’ny andro farany raha tsy amin'ny fomba tahakan'ny fitsanganan’ireo olona adala noho ny fifampikasohan'izy ireo tamin’i satana.}[33] [33] Sourate al-Baqarat andininy : 2752
Ary nilaza sy niteny i Abo Janfar ibn JArir (R.h), amin'ny fanazavana amin'ilay tenin'i Tompo Allah ity ka nanao hoe : {Ireo izay mihinana ny zana-bola, dia tsy hitsangana izy ireo amin’ny andro farany raha tsy amin'ny fomba tahakan'ny fitsanganan’ireo olona adala noho ny fifampikasohan'izy ireo tamin’i satana.}[34] Ary voalaza : ny amin'izany dia tarihin'ny satana izy teto an-tany, ary izy no hikenda azy ka hanarona azy amin'ny aretim-borona { avy amin'ny fanamborana} izany hoe amin'ny adalana. [34] Sourate al-Baqarat Andininy : 275
Ary niteny sy nilaza ihany koa i Baghawy (R.h), amin'ilay fanazavana sy famelabelarana ny tafsiriny Ayat izay amin'ny Andinin'izay efa voalaza fa hoe : {tsy hitsangana izy ireo amin’ny andro farany raha tsy amin'ny fomba tahakan'ny fitsanganan’ireo olona adala noho ny fifampikasohan'izy ireo tamin’i satana.}[33] izany dia midika hoe : Adala, lazaina fa voasambotr'olona iray dia lazaina fa voasarona raha toa ka lasa adala [35] Sourate al-Baqarat andininy : 275
Ary niteny sy nilaza koa i ibn Kathir, amin'nyfanazavana ny tafsiriny izay hita amin'ny Andininy izay voalaza fa hoe : : {Ireo izay mihinana ny zana-bola, dia tsy hitsangana izy ireo amin’ny andro farany raha tsy amin'ny fomba tahakan'ny fitsanganan’ireo olona adala noho ny fifampikasohan'izy ireo tamin’i satana.}[36] Izany hoe: tsy hitsangana avy ao am-pasana izy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty raha tsy rehefa mitsangana amin’ny androm-piainany ny olona mararin’ny androbe ary mamely azy i Satana, ary izany dia noho ny fitsanganany amin’ny fomba tsy mahazatra. Hoy I Ibn Abbas r.a.: ( Ny mpihinana zana-bola dia fohazina sy atsangana amin'ny andro farany izy ireo ka lasa adala ary kenda) voarakitra ao amin'ny ibn Abi Hàtim, fa niteny izy ary voarakitra avokoa izay voalazany fa [36] Sourate al-Baqarat andininy : 275
Volazan'i Ao'f bin Màlik (R.d) sy saìd bin Jober (R.d), ary saidy sy Rab`y bin Anas (R.d) sy qatàdat (R.d) sy Moqàtil bin Hayàn (R.d) tahak'izany koa, ka dia tapitra teo ny tiany ho lazaina sy haviany amin'ny teniny.
Ary niteny sy nilaza ilay manampahaizana i Qortobì (R.h) ao min'ny Tafsiry nazy amin'ilay tenin'i Tompo Allah hoe : { Ireo izay mihinana ny zana-bola, dia tsy hitsangana mihitsy izy ireo amin’ny andro farany raha tsy tahaka ny Fitsanganan’ireo olona adala noho ny fifampikasohana tamin’i satana.} [37] Amin'ity fanambarana ity dia misy porofo manamarina ny amin'ny tsy fahamarinan'ireo olona rehetra izay tsy mino no sady tsy manaiky fa avy amin'ireo Djiny tokoa ny aretim-borona ary mihevitra izy ireo fa avy amin'ny zavatra voajanahary, ary ny satana tsy mba miditra amin'ny olombelona ary tsy manamboatra olona amin'ny aretina. Ary ny resaka sy ny tenin'ireo manampahaizana mpanao ny tafsiry Koroany ny amin'ny dikan-teny izany dia betsaka no sady maro, ka izay mila sy mitady an'izany dia ahita sy ahazo. [37] Sourate al-Baqarat andininy : 275
Ary efa niteny sy nilaza i sheikh al-Islam ibn Taymiat (R.h) hinakinakan'i Tompo Allah anie ho aminy, fa ao amin'ny Bokiny : ( fanazavana ireo porofo amin'ireo hafatra ho an'ny Djiny sy olombelona ) izay hita ao amin'ny fitambarana'ny Fatawa v19 p9 ka hatramin'ny p65 ireo fehin-teny izay efa lasa teo : Izany no nahatonga ny vondron'ny Mu'tazilites, toa an'i al-Jubba'i, Abou Bakr al-Razi, sy ny hafa, nandà ny fidiran'ny jiny ao amin'ny vatan'ilay olona misy azy. Tsy nolavin’izy ireo ny fisian’ny jiny, satria ny fisehoan’izany tao amin’ny nampitaina avy tamin’ny irak’Allah dia tsy mba tahaka izany, na dia diso hevitra aza izy ireo tamin’izany. Izany no nahatonga an'i Al-Ash'ari nilaza tao amin'ny lahatsoratry ny Sunnis sy ny fiaraha-monina fa milaza izy ireo fa miditra ao amin'ny vatan'ny olona manana ny demonia ny jiny, araka ny nolazain'Andriamanitra Tsitoha: {Ireo izay mihinana ny zana-bola, dia tsy hitsangana izy ireo amin’ny andro farany raha tsy amin'ny fomba tahakan'ny fitsanganan’ireo olona adala noho ny fifampikasohan'izy ireo tamin’i satana.}[38] Hoy i Abdullah bin Ahmad bin Hanbal: Hoy aho tamin'ny raiko fa misy olona milaza fa tsy miditra ao amin'ny vatan'olombelona ny jiny. Hoy izy: Ry anaka, mandainga izy ireo. Misolo tena ny tenany izy. Hazavaina amin’ny antsipiriany eo amin’ny toerany izany. Ary niteny sy nilaza ihany koa Izy amin'ny V24 amin'ny Fatawa p276-277 izay noraketiny ka nanao hoe : Ny fisian'ny jiny dia voaporofo amin'ny alalan'ny Bokin'Allah, ny Sunnah-n'ny irak'Allah, ary ny fifanarahan'ireo teo aloha sy ireo imam'ny firenena. Toy izany koa, ny fidiran'ny jiny ao amin'ny vatan'olombelona dia voaporofo amin'ny alalan'ny fifanarahan'ireo imam'ny olon'ny Sunnah sy ny fiaraha-monina. Niteny I Allah manao hoe : {Ireo izay mihinana ny zana-bola, dia tsy hitsangana izy ireo amin’ny andro farany raha tsy amin'ny fomba tahakan'ny fitsanganan’ireo olona adala noho ny fifampikasohan'izy ireo tamin’i satana.}[39] Ary voamarina fa i Mpaminany (s.w.a) dia nilaza hoe : (Marina tokoa fa i satana dia mikorina sy mizotra ary mandehandeha amin'ny taranakan'ny Adama tahakan'ny fikorian-drà ) [39] Sourate al-Baqarat andininy : 275 [38] Sourate al-Baqarat andininy : 275
Abdullah ibn Imam Ahmad ibn Hanbal dia nilaza hoe: Nolazaiko tamin-draiko fa misy olona milaza fa tsy miditra ao amin’ny vatan’ilay olona ny jiny, ka hoy izy: Ry anaka, mandainga ireo, izy no miteny ho azy. Fanta-daza ny teniny, satria mamely olona izany ary miteny amin’ny fiteny tsy hainy ny heviny, ary mamely ny vatany amin’ny kapoka mafy, ka raha misy rameva no mamely azy, dia hisy vokany lehibe aminy izany, ary izay voa amin’izany dia tsy mahatsapa ny kapoka na ny teny izay lazainy, ary izay voadona amin’izany dia ho voafandrika.
Tsy misy na dia iray aza amin'ireo imams silamo izay mandà fa ny jiny dia afaka miditra ao amin'ny vatan'ny olona manana fananana. Na iza na iza mandà izany ary milaza fa mandà izany ny lalàna silamo dia nandainga momba ny lalàna silamo, ary tsy misy na inona na inona ao amin'ny porofo silamo handà izany.
Ary niteny sy nilaza ilay Mpitarika Imamo i Ibn al-Qayyom (R.h), hamindra fo aminy anie i Tompo Allah, ao amin'ny Boky Khayr al-Ibad, Boky V4, p. 66-69, izay nahitana ny lahatsoratra mahakasika an'izany fa hoe : ny aretim-borona izany dia androbe : androbe dia zavatra avy amin'ny fanahy ratsy misy eto an-tany sy ny androbe ihany koa dia avy amin'ny vazivazy ratsy, ary ny faha-roa dia ilay iresahan'ny mpitsabo (dokotera) ny mahakasika ny fomba fitsaboana azy.
Ny momba ny androbe amin'ny fanahy: ny imamny sy ny olon-kendry dia manaiky izany ary tsy mandà izany, ary manaiky izy ireo fa ny fitsaboana azy dia natao ho an'ireo fanahy ambony, tsara, ambony, mba hifanandrina amin'ireo fanahy ratsy sy masiaka ireo, ka manala ny vokany, manohitra ny ataony ary manafoana azy ireo. Nanambara izany i Hippocrates tao amin’ny bokiny sasany, rehefa niresaka momba ny fitsaboana sasany amin’ny androbe izy ary nilaza hoe:
Ity dia ilaina amin'ny androbe ateraky ny vazivazy sy ny akora, fa ity fitsaboana ity dia tsy ilaina amin'ny androbe ateraky ny fanahy.
Raha ny amin’ny dokotera tsy mahalala, lavo, ary ambany, ary izay mino ny fivavahan-diso ho hatsaran-toetra, dia mandà ny fananana fanahy izy ireo, ary tsy manaiky fa misy fiantraikany amin’ny vatan’ilay olona manana izany. Tsy manana na inona na inona miaraka aminy afa-tsy ny tsy fahalalana. Raha tsy izany, tsy misy na inona na inona ao amin'ny sehatry ny fitsaboana izay handà izany, ary ny saina sy ny fisiany dia mijoro ho vavolombelona amin'izany. Ny fiheveran'izy ireo izany amin'ny fanjakazakan'ny vazivazy sasany dia marina amin'ny ampahany sasany, fa tsy amin'ny rehetra. Mandra-pahatongan'ny nilazany hoe: Avy eo dia tonga ireo dokotera mpivadi-pinoana izay tsy nanaporofo afa-tsy androbe amin'ny vazivazy fotsiny. Na iza na iza manana faharanitan-tsaina sy fahalalana momba ireo fanahy ireo ary ny vokany dia hihomehy amin’ny tsy fahalalan’ireo olona ireo sy ny fahalemen’ny sainy.
Ka ny fitsaboana ny aretina amin'ny endrika toy izao dia mifantoka sy mifototra amin'ny zavatra roa : avy amin'ny olona izay voany ilay aretim-borona ary avy amin'ny ilay mpitsabo ihany koa, fa ny avy amin'ny lafin'ilay marary dia amin'ny herin'ny tenany sy ny vatany, sy ny fanekeny amin'ny lafiny fahatsoram-pony sy fahamarinany miverina manantona an'ilay Mpahary an'ireo fanahy ratsy ireo i Tompo Allah irery ihany no Nahary sy nanamboatra azy ireo, ary ny fitadiavana fiarovana sy fialofana marina izay niraisany amin'ny fony sy ny lelany. Karazana ady izany, ary tsy afaka mahazo rariny amin'ny fahavalony amin'ny fitaovam-piadiana ny mpiady raha tsy misy zavatra roa mitranga: ny fitaovam-piadiana dia tsara sady tsara, ary matanjaka ny sandry. Raha tsy misy ny iray amin'izy ireo dia tsy ho ampiasaina firy ny fitaovam-piadiana, ka ahoana izany raha tsy misy ireo zavatra roa ireo, ary rava ny fo amin'ny monotheisme, ny fahatokisana, ny fitiavam-bavaka ary ny fifikirana, ary tsy manana fitaovam-piadiana izy?
Ny faha-roa kosa dia avy amin'ny lafiny ilay olona mpanasitrana, dia ny zavatra takina Aminy ny mba tokony hisiany zavatra roa indray ao anatiny, ka misy amin'ireo mpanasitrana dia ny zavatra mahampy azy ireo fotsiny ny miteny teny manao hoe : ( Miala - Mivoaha ), na miteny teny manao hoe : ( amin'ny Anaran'i Tompo Allah), na milaza teny hoe : ( Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy ny hery sy tanjaka avy amin'i Tompo Allah ), ary i Mpaminany (s.w.a) dia efa nanao sy nilaza hoe : ( Mivoaha ry fahavalon'i Tompo Allah, fa Izaho dia Irak'i Tompo Allah )
Ary izaho dia nahita an'ilay manam-pahaizanay fa Izy tokoa dia naniraka olona hitondra resaka,hakany amin'ilay olona iray tratrany aretim-borona no sady hiresaka amin'ilay fanahy ao anatiny amin'ilay teny manao hoe : " Niteny aminao ny Chek fa Mivoaha ianao " satria dia tsy mendrika ary tsy azonao atao ny mipetraka amin'ilay marary izany. ka afaka ny aretim-borona izay nahazo an'ilay marary, ary indray indray ko aza fa ny tenany mihitsy no miresaka amin'izany fotoana izany, ary misy fotoana ihany koa ny fanahy eo aminy dia fanahy mahery, ka tsy mivoaka raha tsy kapoina sy velesina mafy be, izay vao afaka sy mivoaka, ka avy eo dia mifoha ilay olona marary tratrany aretim-borona, fa dia tsy maheno maharary izy na dia kely aza ” Imbetsaka izahay sy ny hafa no nahita izany taminy, mandra-pilazany hoe : Raha fintinina, io karazana androbe io sy ny fitsaboana azy dia lavin'ireo izay tsy dia manana fahalalana sy saina ary tsy mahalala. Ny tena an-kamaroan’ireo toerana hanjakazakan’ny fanahy ratsy eo amin’ny fianakaviana iray dia noho avy amin'ny tsy fisian’ny fivavahana matotra amin'ireo fianakaviana ireo ary avy amin'ny faharavany fon'izy ireo sy ny lelan'izy ireo, noho ny zava-misy marina amin’ny fanaovana ny Zikry sy ny fanompoam-pivavahana ary ny fiarovana araka izay nataon'ny Mpaminany (s.w.a) sy ny finoana. ny fanahy ratsy dia mifanena amin’ny lehilahy iray tsy mitam-piadiana; ary mety tratrany mitanjaka koa angambany izy, ka lasa misy fiantraikany aminy izany rehetra izany, ka tapitra avokoa ny resaka mahakasika izany izay nolazain'ilay Manampahaizana (R.h).
Ka anisany ireo zavatra miaraka amin'izay rehetra voalazanay avy amin'ireo porofo sy fanamarinana amin'ny endrika ara-dalàna sy izay niraisan'ireo Manam-pahaizana avy amin'ny vondrona ny vahoaka Ahl al-Sonnat wal-Jamant manoloana ny amin'ny fanekena fa ny Djiny dia miditra amin'ny olombelona, ary mazava ho an'ny mpamaky ny tsy fahamarinan'ny tenin'ireo izay mandà sy mitsipaka an'izany sy ny fahadisoan'i Sheikh Ali al-Tantawi tamin'ny fandavany izany resaka mahakasika an'izany Djiny izany.
Nampanantena izy tao amin’ny lahateniny fa hiverina amin’ny fahamarinana izy rehefa misy mitari-dàlana azy, ka angamba hiverina amin’ny fahamarinana izy rehefa avy namaky izay voalazantsika. Mangataka tari-dàlana sy fahombiazana ho antsika sy ho Azy isika. Araka ny voalazanay dia fantatra ihany koa fa izay notaterin'ny gazety Al-Nadwa tamin'ny laharana 10/14/1407 H, p. 8, araka ny filazan'ny Dr. Muhammad Irfan, fa nanjavona tao amin'ny rakibolana ara-pitsaboana ny teny hoe “adala”, ary ny filazany fa ny jiny miditra amin'ny olona iray ary miteny amin'ny alàlan'ny lelany dia hevitra siantifika izay diso 100%. Izany rehetra izany dia tsy manan-kery ary miainga avy amin'ny tsy fahampian'ny fahalalana momba ny finoana Islam sy izay fanapahan-kevitry ny manam-pahaizana momba ny Sunnah sy ny fiaraha-monina. Raha afenina amin’ny dokotera maro io raharaha io, dia tsy tohan-kevitra amin’ny tsy fisiany izany. Izy io kosa dia mampiseho ny tsy fahafantaran’izy ireo ny zavatra nianaran’ny manam-pahaizana hafa, fantatra amin’ny fahamarinany sy ny fanaovana ny marina ary ny fahatakarana ny momba ny fivavahana. Fa kosa, iraisan'ny vahoakan'ny Sunnah sy ny Fiaraha-monina izany. Izany koa dia notaterin'i Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyyah momba ny filazan'ny manam-pahaizana rehetra, ary izy dia nitatitra fa i Abou Al-Hasan Al-Ash'ari dia nitatitra izany tamin'ny olon'ny Sunnah sy ny Vondrom-piarahamonina, ary izany koa dia notaterina tamin'ny fahefan'i Abou Al-Hasan Al-Ash'ari, ilay manam-pahaizana : Abu Abdullah Muhammad bin Abdullah Al-Shabli Al-Hanafi, izay maty tamin'ny taona 799. (Al-Marjan fi Gharayeb Al-Akhbar wa Ahkam Al-Jinn) ao amin'ny toko fahadimampolo voalohany amin'ny bokiny voalaza etsy ambony.
Ary efa voalaza teo aloha tamin'ny resaka sy teny nolazain'I Ibn al-Qayyim (R.h),ka i Tompo Allah anie hamindra fo Aminy, fa ireo Imam mpitarika sy mpitsabo hendry manantsaina amin'izy ireo dia mahalala sy mahafantatra ary manaiky an'izany fa tsy misakana no sady tsy mandà an'izany, fa ireo mpitsabo izay tsy manampahalala, nohon'ny fari-pahalalan'izy ireo mirefarefa ambany dia ambany, sy ireo mpivadi-pinoana izy ireo ihany no mandà sy tsy manaiky ary mitsipaka an'izany, ka fantaro, ry mpamaky ajaina, ary tazomo mafy dia mafy izay voalazanay mahakasika ny marina sy ny fahamarinana, ary aza mety ho fitahin’ireo mpitsabo tsy manampahalala Ianao na oviana na oviana, na koa ireo hafa izay mahasahy miteny zavatra momban'izany nefany tsy manana fahalalana momban'izany akory, na koa ireo izay hita fa tsy mahiratra akory momban'izany raharaha izany, fa lasa manaraka an-jambany fotsiny an'ireo mpitsabo izay tsy manampahalala fa ny sasany amin'izy ireo aza dia mpivadi-pinoana no sady mpamorona ny zavatra tsy marina no sady tsy maripototra, avy amin'ny vondrona fantatra amin'ny anarana hoe : Mo'tazila sy ny ankoatr'ireo izay voalaza sy voattondro, ka enga anie i Tompo Allah no hanampy.
Fampitandremana
Ny aretim-borona dia mety mitarika ny karipetra izay nipetrahany, ary manova ireo fitaovana sy milina misy ary mamindra no sady mifindra avy amin'ny toerana iray man-kany amin'ny toerana hafa ihany koa, ary mety miazakazaka sy miseho amin'ireo endrikan'ny zavatra hafa amin'ireo zava misy amin'ny fiainana, ka hoan'ireo izay nahita sy nanatri-maso azy ireo, dia izy ireo no lasa mahalala sy mampahafantatra azy ireo ny fahalalana mety ilaina fa ny fitenenana amin'ny lelan'ny olombelona sy fomban'ny firazanana hafa ankoatry ny olombelona no sady manetsika ireo vatan'ireo olombelona mantolo dia zavaboary hafa fa tsy olombelona izany akory.
Ary tena efa voalazanay sy notanisainay avokoa avy amin'ireo Hadith marina sy mari-pototra niainga avy tamin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah (s.w.a), sy avy amin'ireo teny sy resaka izay efa nolazain'ireo olona manampahaizana sy manampahalalana manondro tsara mihitsy fa ny firesahana amin'ny Djiny, na koa mananatra azy, na mampahatsiahy azy na miantso azy amin'ny lalan'ny finoana Islam, na ny famaliany sy fanekeny an'izany dia tsy mifanohitra velively amin'ny tenin'ilay Avo Tsitoha izay mahakasika an'ny Mpaminany Solomona (A.s), ao amin'ny Sorate (Swàd) izay nolazainy Tompo Allah fa hoe : (Tompo ô ! Mamelà ahy Ianao, ary omeo fanjakana sy fahefana Aho, izay tsy misy na dia iray aza mendrika ny hahazo an'izany avy any aoriako, tena marina fa Ianao ry Tompo Allah no ilay Tompo be fanomezana). Ka dia torak'izany avokoa ny didy sy baiko izay apetrany mahakasika ny famporisihana ny olona amin'ny fanaovana ny hatsarana sy fandrarana ny olona amin'ny fanaovana ny haratsiana ary ny fikapohana azy ireo raha toa ka tsy mety mivoaka, ka izany rehetra izany dia tsy mifanohitra akory amin’ireo andininy soratra masina rehetra izay efa voalaza teo aloha ireny, fa izany dia adidy sy fomba obligatoara tsy maintsy atao sy tanterahina mba entina hanakanana ireo tranga ratsy mety handalo sy fiarovana ihnay koa ireo vohoaka voakatramo sy niharany ny tsirariny, ary famporisihana ny olona amin'ny alalan'ny baiko mba hanao ny hatsarana ary handrara ny olona amin'ny fanaovana ny haratsiana, tahakan'ny toin'izay ataon'ireo olombelona. Ary efa voalaza tany aloha tany sy tao amin'ny hadith marina mari-pototra sy azo an-toka, fa i Mpaminany (s.w.a) niteny ka nanao hoe : (Nokendaiko i satana ka niafara hatramin'ny fivoahan'ny ranoniviny) Eo amin'ny tanan'ilay manakaja manambonahitra i Mpaminany (s.w.a) ka Izy ary niteny hoe : ( Raha tsy ny fangatahana izay nataon'ny Rahalahiko Solomona, dia mbola nofatoraka mba ho hitan'olona rehetra) Ary arakin'ny fanambarana izay azo sy voalaza avy amin'ny Moslim amin'ny hadithin'i Abi Dardà araka ny izay azo tamin'i Mpaminany (s.w.a) fa Izy dia nilaza hoe : ( Tena marina fa ny fahavalon'i Tompo Allah, iblis, dia tonga niaraka tamin'ny lelan'afo ka nila hampetrany izany lelan'afo izany teo amin'ny tarehiko, ka hoy aho niteny : Izaho dia mangataka fiarovana in-telo fa hialokaloka amin'i Tompo Allah manoloana ny amin'ny haratsianao, avy eo dia niteny indray Aho fa hoe : manozona anao Aho amin'ny ozonan'i Tompo Allah mba hiantefa sy tanteraka aminao, ary izany dia tsy tavela no sady tsy tara, ka hatao in-telo miatona izany, avy eo dia saika noraisoko sy nisamboriko izy, fa mifanta amin'i Tompo Allah Aho, fa raha tsy ny hataka sy ny Doa' izay nataon'ny rahalahiko Solomona, dia mety lasa mbola nitratranareo maraina teo ary izy nilalaovin'ireo ankizy teto amin'ny tananan'ny Madina ) Ary ireo hadith milaza dikan'izany dia betsaka, ary tahak'izany koa ny tenin'ireo olona manampahaizana sy manam-pahalalana.
Ary manantena aho fa tena ho ampy sy maharesy lahatra ho an’izay rehetra mitady ny fahamarinana izay voalazantsika etoana ireo izay mitady, ary mangataka amin’i Tompo Allah aho, miaraka amin’ireo Anarany Kanto indrindra sy ireo toetrany ambony indrindra, mba hanampy antsika sy ny vahoaka silamo hafa ihany koa mba ahatakatra ny fahamarinan'ny finoany ary hifikitra sy hitoetra ny amin’izany. ary hitahy antsika rehetra amin'ny fanitsiana ny marina amin'ny teny sy ny asa izay atao ary hiaro antsika sy ny vahoaka silamo rehetra tsy hiteny raha tsy amim-pahalalana ary tsy handà izay tsy nohamavointsika. Marina tokoa fa Izy no Tompon'andraikitra ary Mahefa an'izany rehetra izany .
Ary Allah anie handefa ny tsodrano sy ny fiadanana ho amin'ny mpanompony sady Irany, ny Mpaminanintsika Mohammad, sy ireo fianakaviany sy mpiara-diany ary izay nanaraka azy amin'ny endrika tsara.
[30] Sourate Sàd Andininy :35
Related books
All books
الوسائل المفيدة للحياة السعيدة85 languagesالوسائل المفيدة للحياة السعيدة
كتاب "الوسائل المفيدة للحياة السعيدة" للشيخ عبد الرحمن بن ناصر السعدي، يتناول مفهوم السعادة الحقيقية التي يسعى لتحقيقها كل إنسان. الكتاب يوضح أن السعادة تتحقق بطاعة الله ورسوله، والعمل الصالح، والإيمان. ويُقسم السعادة إلى دنيوية مؤقتة وأخروية دائمة، ويربط بينهما بالرضا الإلهي للمؤمنين. يعتمد الكتاب على الأدلة الشرعية من القرآن والسنة لتقديم الأسباب المؤدية للسعادة وكيفية تحقيقها، مما يجعله دليلاً للمسلمين لتنظيم حياتهم على بصيرة وإيمان.
Hafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islam arakan'izay azo avy amin'ny Boky masiana Koroany sy ny Sounnat ireo fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a).71 languagesHafatra tsotsotra mahakasika ny finoana Islam arakan'izay azo avy amin'ny Boky masiana Koroany sy ny Sounnat ireo fomba amam-panaon'ny Mpaminany (s.w.a).
Ny finoana Islamo Boky izay mirakitra ireo hafatra goavana izay hita fa tena mandrakotra tanteraka ireo fahalalana sy fahafantarana tsotsotra mahakasika ny finoana Islam, ary nahitana ireo fanazavana an'ireo tena fototra ara-mpinoana sy ireo karazany fampianarana misy ato anatiny finoana Islam sy ireo hatsarany izany finoana izany avy amin'ny tena fototra izay niangany sy niaviany, ka tsy avy aiza izany fa avy amin'ny Boky masina Koroany sy ireo Hadithe azo avy amin'ny Mpaminany (s.w.a), ka ny hafatra ao anatiny ilay Boky dia hatodika avokoa amin'ireo rehetra tsy ankanavaka izay hita fa…
Ny fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny Soalat82 languagesNy fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny Soalat
Boky mitondra ny lohateny "Ny fomba nanatanterahan'ny Mpaminany (S.A.W) ny swalat", izay namintinan'i Sheikh hajaina 'Abdol'aziz Ibn Bàz (R.A) ny endriky ny salàn'ny Mpaminany (S.A.W), tamin'ny fomba fanoratra mora azo sady mazava, mifototra amin'ireo porofo marina, mba ho mpitari-dàlana ho an'ny silamo amin'ny swalàny. Nanazavany tao ireo andry fototry ny swalat, ireo sunnah ary ny endriny manomboka amin'ny ouzo ka hatramin'ny taslim, ka nampiraisiny ny porofo sy ny fanazavana, sady nanentanany ny fanarahana feno ny Mpaminany (S.A.W) amin'ity fanompoam-pivavahana lehibe indrindra ity.
رسول الإسلام محمد صلى الله عليه وسلم81 languagesالإسلامصلىرسول الإسلام محمد صلى الله عليه وسلم
Amin'ny anaran'i Allah, Ilay Be indrafo, Ilay Be fihantra Ny Iraka ho an'ny finoana Isilamo dia i mpaminany Mohammad (saw) Topi-maso amin'ny endrika fohifohy mahakasika tantaran'ilay Iraka nitondra ny finoana Islam, i mpaminany Mohammad [1] (ٍٍٍَS.A.W), ka ho hazavaina sy ho velabelarina etoana avokoa ny momba azy, ny anarany, sy ny firazanany, ary ny tanana izay nipoirany sy nihaviany, ary ireo mahakasika ny fanambadiany, sy ny hafatra rehetra izay noetiny sy napetrany, ary niantsoany ny olona sy ny vahoaka, misy ihany koa ny tantara mahakasika an'ireo famantarana rehetra manoloana ny…