Iza no namorona izao tontolo izao? Iza no namorona ahy? Ary inona no antony?
Eo amin'ny làlana marina ve aho? Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany ary ny manodidina izany amin’ ireo zavaboary lehibe ao aminy izay tsy voafehy mahakasika azy ireo? Iza no namorona an’ity rafitra tena voamboatra tsara any an-danitra sy ety an-tany ity? Iza no nahary ny olombelona, sy nanome azy ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny saina, ary nanao azy ho afaka hahazo fahalalana sy hahatsikaritra ny zava-misy?
These files are generated automatically from the book's text; their layout may differ from the printed edition.
Iza no namorona izao tontolo izao? Iza no namorona ahy? Ary inona no antony?
Eo amin'ny làlana marina ve aho?
Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany ary ny manodidina izany amin’ ireo zavaboary lehibe ao aminy izay tsy voafehy mahakasika azy ireo?
Iza no namorona an’ity rafitra tena voamboatra tsara any an-danitra sy ety an-tany ity?
Iza no nahary ny olombelona, sy nanome azy ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny saina, ary nanao azy ho afaka hahazo fahalalana sy hahatsikaritra ny zava-misy?
Iza no nanamboatra an'io rantsana tena raitra eo amin'ny vatanao, ary namolavola ny endrikao ka nanao ny endrikao ho tsara?
Diniho ny famoronana ny zava_manan'aina amin'ny endrika samihafa sy samy isan-karazany, Iza no namorona azy ireo amin'ny endriny maro tsy misy fetra?
Amin’ny fomba ahoana no nilamin’izao tontolo lehibe rehetra izao sy nampiorina azy araka ny lalàna raitra izay mamehy azy mandritra ny taona maro?
Iza no nametraka ny rafitra mamehy an’izao tontolo izao (fiainana sy fahafatesana, fifampiterahan'ny velona, andro aman’alina, fiovan’ny vanim-potoana, sns)?
Izao tontolo izao ve namorona ny tenany? Sa nipoitra tamin'ny tsy misy? Sa kisendrasendra no nahitana azy? Hoy I Allah : (Nohariana avy amin'ny tsy misy ve izy ireo, sa izy ireo no mpahary (35) Sa nahary ny lanitra sy ny tany ve izy ireo , nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo) [At-Tora: 35-36].
Ka raha tsy namorona ny tenantsika isika ary tsy ho vitantsika ny ho tonga avy amin’ny tsy misy na kisendrasendra, noho izany dia tsy isalasalana fa ny fahamarinana dia : Tsy maintsy manana Mpamorona Lehibe sy Mahery izao tontolo izao, satria tsy azo hinoana velively ny hamoronan'izao tontolo izao ny tenany! Na nipoitra avy amin'ny tsy misy! na tongatonga ho azy!
Nahoana ny olona mino ny fisian’ny ireo zavatra iray hitan'ny masony? Toy ny : (fahatsapana, saina, fanahy, fihetseham-po, ary fitiavana) tsy hoe satria mahita ny fiantraikany izy? Ka nahoana no handàvan’ny olona ny fisian’ny Mpahary izao tontolo lehibe izao nefa mahita ny vokatry ny zavaboariny sy ny asany ary ny famindram-pony izy?!
Tsy misy olona salama saina hanaiky ho lazaina hoe : Tonga hoazy ity trano ity nefa tsy nisy nanorina azy! Na lazaina aminy hoe : ny tsy misy no nampisy ity trano ity! Ka ahoana no hinoan’ny olona sasany ireo olona milaza hoe : Tsy nisy Mpamorona no nipoiran’izao tontolo lehibe izao? Ahoana no haneken’ny olona misaina ny hilaza aminy hoe : Tongatonga ho azy izao rindra raitra be ho an'izao tontolo izao ity?
Izany rehetra izany dia mitondra antsika amin’ny vokatra iray, dia izao tontolo izao dia manana Tompo Lehibe sy Mahery Mpandrindra azy, ary Izy irery ihany no mendrika ivavahana, ary izay rehetra ivavahana ankoatra Azy dia tsy manan-kery, ary tsy mendrika hivavahana izany.
Ny Tompo, Ilay Mpahary Lehibe
Misy Tompo Mpahary iray any, dia Izy Ilay Mpanjaka, Mpandrindra sy Mpanome anjara, Izy no mamelona sy mamono. Izy no nahary ny tany, sy nanao azy ho marindrano, ary nanao azy mendrika ho an’ny zavaboariny, Izy no nahary ny lanitra sy ny zavaboary lehibe ao aminy, ary nanao ny masoandro, ny volana, ny alina ary ny andro, ity rindra raitra be izay maneho ny halehibiazany.
Izy no nanao ny rivotra ho antsika izay tsy afaka miaina isika raha tsy misy azy, ary Izy no nampilatsaka ny ranon'orana sy nanao ny renirano ho antsika, ary Izy no nampisakafo sy niaro antsika fony mbola zaza tao an-kibon-drenintsika tsy nanana hery akory, Izy no nampikorina ny rà tao amin’ny làlan-drantsika nanomboka ny fahaterahantsika ka hatramin’ny nahafatesantsika.
Izany Ilay Tompo, Ilay Mpamorona sy Mpanome anjara, dia Allah Ilay Tsitoha
Niteny I Allah manao hoe : (Marina fa ny Tomponareo, dia Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany tao anatin’ny enin'andro, avy eo izy dia nitoetra teo ambonin’ny Seza Fiandrianana Lehibe. Ary ny alina nataony handrakotra ny andro no sady manenjika azy tsy ankijanona. Ary (Izy no nahary) ny masoandro, ny volana, sy ireo kintana, izy ireo dia manaiky ny baikony avokoa. Moa ve tsy Azy irery ny famoronana sy ny fibaikoana? Voninahitra anie ho an’I Allah, Tompon’izao Tontolo izao.) [Al-A'raf 54].
Allah,Izy Ilay Tompo, Mpahary ny zava-drehetra eto amin’izao tontolo izao, na ny hitantsika na ny tsy hitantsika, ary ny zavatra hafa ankoatra Azy dia iray amin’ireo zavaboariny ihany, Izy irery ihany no mendrika hivavahana ary tsy azo ivavahana miaraka amin'ny ny zavatra hafa, ary tsy manana mpiombina Aminy Izy na amin’ny famoronana, na amin’ny fitantanana, na amin’ny fanompoana Azy.
Raha noheverintsika aza fa hoe misy tompo hafa ankoatra an’I Allah Ilay Tsitoha, dia simba tanteraka izao tontolo izao. Satria tsy mety amin’ny tompo roa ny mitantana ny raharahan’izao tontolo izao miaraka, dia hoy Allah Ilay Tsitoha : {Raha ohatra ka nisy tompo hafa, ankoatra an'I Allah tany an-danitra sy tety an-tany, dia nikorontana izy roa ireo} Al- Anbiya'i: 22.
Toetoetran’Ilay Tompo Mpamorona
Ny Tompo, dia manana Anarana tsara indrindra tsy tambo isaina, ary manana Toetoetra Lehibe sy ambony maro izay maneho ny fahafenoany, Anisan’ny Anarany ny : Ilay Mpahary, ary “Allah”, izay midika hoe : Ilay Zanahary irery mendrika ivavahana, tsy misy mpiombina Aminy. Ary Ilay Velona sy Mahaleo-tena ary Mpamindra fo, Mpanome anjara, ary Malala-tànana, Niteny tompo Allah ao amin'ny boky masina ko'any manao hoe : (I Allah, Tsy misy tompo afa tsy Izy irery ihany, Izy no ilay velona sy mahavita tena. Tsy mba rendremana na matory, Azy izay rehetra any an-danitra sy ny ety an-tany, Tsy misy mpanelanelana Aminy afa tsy izay sitrany, mahafantatra ny eo am-pelatanany sy ny ambadiky ny voary izy, Tsy misy mahafehy ampahany amin’ny fahalalany afa tsy izay sitrany, Manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza fiandrianany ary tsy zavatra mavesatra aminy akory izany, Izy no avo sy be voninahitra.) [Al-Bakarah: 255].
Ary niteny Allah : (Lazao hoe: “Izy Allah dia Tokana. (1) Allah Ilay hiankinan'ny zava-drehetra. (2) Tsy niteraka Izy, ary tsy nateraka (3) Ary tsy misy na iray mitovy Aminy) [Al- Ikhlas : 1-4]
Ny Tompo ivavahana dia manana ny toetoetran’ny fahafenoana
Ny iray amin’ireo Toetoetrany dia ny maha-Zanahary Azy ary ivavahana, ary ny hafa rehetra ankoatrany dia zavaboary voadidy tsy afa-mandà.
Iray amin’ireo Toetoetrany ny hoe Izy no Ilay Velona Mandrakizay, ka izay rehetra velona dia Allah izay no namelona azy sy nampisy azy avy tamin’ny tsy fisiana, ary Izy no mpiandraikitra azy eo amin'ny fisiany sy ny fivelomany ary ny fahafenoany. Ka ny Tompo dia Velona tsy maty ary tsy ho faty velively izany mihitsy Izy, matanjaka Izy, tsy matory, tsy rendremana na resin-tory.
Anisan’ny Toetoetrany ny Mahafantatra, tsy misy miafina Aminy ny rehetra, na ety an-tany na any an-danitra.
Anisan’ny Toetoetrany ny Maheno sy Mahita, maheno ny zava-drehetra ary mahita ny zava-boahary rehetra, Izy dia mahafantatra izay bitsibtsin’ny fanahy sy izay afenin’ny fo, ary tsy misy takona Aminy-voninahitra anie ho Azy- na ety an-tany na any an-danitra.
Iray amin’ireo Toetoetrany ny hoe Izy no Tsitoha, izany hoe tsy misy ny tsy vitany, na iza na iza tsy misy afaka manohatra ny sitrapony, manao izay tiany hatao ary misakana izay tiany, mampandroso sy mampihemotra, ary manana fahendrena farantampony Izy.
Ny iray amin’ireo Toetoetrany dia ny Mpamorona Mpanome anjara ary Mpandrindra, Ilay namorona ny zavaboary sy mandrindra azy, ary eo am-pelatanany sy eo ambanin’ny fahefany ny zavaboary.
Anisan'ny Toetoetrany : Izy no mamaly ny poritra, manavotra ny lentina fanamaivanana ny fasahiranana, ary ny zavaboary rehetra raha tra-pahoriana na fahaterena, dia tsy maintsy miverina Aminy.
Ny fanompoana dia tsy azo atao afa-tsy amin’I Allah Ilay Tsitoha, satria Izy irery ihany no lavorary sy mendrika an’izany tsy misy ny ankoatrany, ary izay rehetra ivavahana ankoatra Azy dia fivavahana diso ary tsy feno ary iharan’ny fahafatesana sy ny fandringanana.
Nomen'I Allah saina mahatakatra ny ampahany amin'ny fahalehibiazany isika, ary novoleny tao anatintsika ny toetra voajanahary mankatia ny tsara, mankahala ny ratsy, ary mahatsiaro ho tony rehefa mitodika amin’I Allah Tompon’izao tontolo izao, Io toetra voajanahary io dia manondro ny fahafenoany ary tsy azo faritana amin'ny fahabangana izy, Voninahitra ho Azy.
Tsy mendrika ny olona misaina ny hivavaka afa-tsy amin’izay tonga lafatra, koa ahoana no hivavaka amin’ny zavaboary tsy lavorary toa azy na ambany noho Izy!
Ilay tompoina dia tsy ho olombelona velively na sampy na hazo na biby!
Any ambonin’ny lanitrany ny Tompo, mitoetra eo amin’ny Seza fiandrianany, misaraka amin’ny zavaboariny, tsy misy na inona na inona momba ny tenany ao amin’ny zavaboariny. Tsy mety na tsy miendrika zavaboariny Izy.
Ny Tompo dia tsy misy tahaka Azy, ary Izy no Mandre sy Mahita, ary tsy misy ny mitovy Aminy, ary tsy matory na mihinana sakafo, ary lehibe Izy tsy manambady na manan_janaka. Ny Mpamorona dia manana ny toetoetran'ny fahalehibiazana, ary tsy mety na oviana na oviana ny hananany toetoetra filana na tsy fahampiana.
Niteny I Allah manao hoe : Ô ry olombelona! Ity misy fanoharana ka henoinareo izany: “Marina fa ireo zanahary, izay italahoanareo ankoatra an’I Allah, dia tsy afaka hahary na lalitra iray akory aza, na dia hitambatra aza izy ireo amin’izany. Ary raha misy zavatra nendahin’ny lalitra teny amin’izy ireo, dia tsy afaka hamerina izany amin’ny toerany izy ireo. Eny, malemy tokoa ny mpangataka sy izay angatahana (73) Tsy nohajain’izy ireo amin’ny tena Hajany I Allah. Tena marina fa I Allah,Ilay Matanjaka,Ilay Tsitoha) [Al-Hajjy : 73-74].
Nahoana io Mpamorona Lehibe io no namorona antsika? Inona no tadiaviny amintsika?
Eken'ny saina ve Allah namorona ireo zavaboary rehetra ireo nefa tsy misy tanjona, moa ve kitoatoa no namoronany azy, nefa Izy Ilay Be fahendrena sy Be fahalalana?
Eken'ny saina ve fa Ilay namorona antsika amin'ny rindra tena raitra toy izao, sy nanamboatra ho atsika ny rehetra amin'ny lanitra sy ny tany, dia hamorona antsika tsy misy tanjona, na koa hamela antsika tsy hamaly momba ny fanontaniana izay tena mampiasa loha antsika, toy ny hoe: Manino isika no toga eto?inona ny aorian'ny fahafatesana? Inona no tanjona tamin'ny namoronana antsika?
Eken'ny saina ve hoe tsy misy sazy ho an'ny mpanao ny tsy rariny sy valisoa ho an'ny mpanao tsara?
Niteny Allah Ilay tsitoha manao hoe : (Moa ve mihevitra ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverina aty Aminay ianareo?) [Al-Mo'minona : 115]
Tsy vitan'izany fa nandefa iraka Allah mba hahafantarantsika ny anton’ny fisiantsika, sy nitari-dàlana antsika amin’ny fomba hanompoantsika sy hanatonantsika Azy, ary ny fomba hahazoantsika ny fifaliany, ary nilaza amintsika ny làlankizorana aorian’ny fahafatesana?
Nandefa iraka Allah hilaza amintsika fa Izy irery ihany no mendrika ivavahana, sy hampianatra antsika ny fomba hanompoana Azy, sy hampita amintsika ny didiny sy ny fandrarany, ary hampianatra antsika ny soatoavina tsara izay raha manaraka izany isika, ho tsara ny fiainantsika, ho feno azy hatsarana sy fahasoavana.
Nandefa iraka maro Allah, toy : (Noah, Abraham, Mosa, ary Issa) ary notohanany izy ireo tamin’ny famantarana sy fahagagana, mampiseho ny fahamarinany sy hilaza fa izy ireo dia iraka avy amin'Ilay Avo Tsitoha, ary ny farany amin'izy ireo dia i Mohammad (S.A.W).
Ary efa nilaza amintsika mazava tsara ireo iraka fa ity fiainana ity dia fitsapana, fa ny fiainana tena izy dia aorian'ny fahafatesana
Ary misy paradisa any ho an’ireo mpino izay nanompo an’I Allah irery tsy misy mpiombona Aminy ary nino ny iraka rehetra, ary misy afo any nomanin’I Allah ho an’ireo tsy mpino izay nanompo zanahary hafa niaraka tamin’I Allah na tsy nino ny iray tamin’ireo irak’Allah.
Niteny Allah manao hoe : O! ry Zanak’i Adama! Raha misy ireo iraka (voafidy) avy aminareo tonga mitantara aminareo ireo fanambarako, izay natahotra sy nanarina ny tenany, dia tsy hisy tahotra izy ireo ary tsy halahelo ihany koa. (35) Ary ireo izay nilaza fa lainga ny fanambaranay sy nanalavitra izany tamim-panambonian-tena, dia izy ireny no olon’ny Afobe, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo). [Al-A'raf 35-36].
Niteny Allah manao hoe : (Ô ry olombelona! Tompoy ny Tomponareo izay nahary anareo, sy ireo izay talohanareo, angamba hanam-patahorana ianareo. (21) Izy Ilay nanao ny tany ho fandriana ho anareo, sy ny lanitra ho tafo; ary nampirotsaka ranon’orana avy any an-danitra, ka namoaka avy amin’izany ireo karazam-boankazo ho anjara fivelomana ho anareo; koa aza ampitovianareo amin’ny zavatra hafa Allah, ary fantatrareo izany. (22) Ary raha misalasala ianareo amin’izay nampidininay tamin’ny mpanomponay dia manomeza ianareo (andian-teny masina) izay mitovy aminy, ary antsoinareo ny vavolombelonareo ankoatra an’I Allah, raha marina tokoa ianareo. (23) Fa raha tsy mahavita kosa ianareo, ary tsy hahavita izany mihitsy ianareo, dia matahora ny afobe, izany dia ny olombelona sy ny vato no fandrehitrany, nomanina ho an’ireo tsy mpino. (24) Ambarao vaovao mahafaly ireo izay nino sy nanao ny asa soa fa tena ho azy ireo ny zaridaina maro, izay mikoriana eo ambaniny ireo renirano; isaka ny omena voankazo izy ireo avy aminy, dia miteny izy ireo hoe: "Ity ilay nomena anay tany aloha". Saingy nomena azy ireo mitovy fotsiny (amin’ny endriny ivelany ihany) izany, ary ho azy ireo amin’izany ny vady madio, ary izy ireo dia ho ao mandrakizay.) [Al-Bakarah: 21-25].
Nahoana no maro samihafa ny iraka?
Nandefa irany maro ho any amin’ireo vahoaka I Allah, ary tsy misy vahoaka afa tsy nandefasan’I Allah iraka ho any aminy, hiantso azy ireo hivavaka amin’ny Tompony ary hampahafantatra azy ireo ny didiny sy ny fandrarany, ary ny tanjon’izy rehetra dia : ny hanompo an'I Allah irery ihany, Ilay Tsitoha, ary isaky ny manomboka mandao na manodina ny zavatra nentin’ny irak’Allah ny vahoaka iray, amin’ny baiko fanokanana an'I Allah, dia nandefa iraka hafa Allah hanitsy ny làlany sy hamerina ny olona ho amin’ny saina voajanahary dia fanokanana an'I Allah sy ny fankatoavana Azy. Farany dia nalefan'I Allah ny iraka farany dia mohammad (S.A.W) izay nitondra ny fivavahana feno sy ny lalàna mandrakizay ho an'ny olombelona rehetra mandra-pahatongan'ny andro fitsanganana amin'ny maty, mameno sy manafoana ny lalàna izay nialoha azy, ary ny Tompo Tsitoha dia nanome antoka amin'ny fijanonan’ity finoana ity sy ny fitohizan’izany hatramin’ny andro farany
Tsy ho mpino ny olona iray raha tsy efa mino ny iraka rehetra
Allah no nandefa ireo Iraka ary nandidy ny zavaboariny rehetra mba hankatò azy ireo, izay tsy mino ny hafatr’iray amin’izy ireo dia efa nikomy amin'ny rehetra, ka tsy misy fahotana lehibe noho ny olona mandà an'I Allah sy ny fanambarany, ka mba hidirana ao ain'ny Paradisa dia tsy maintsy mino ny Iraka rehetra.
Adidy ho an'ny tsirairay amin'izao vanim-potoana izao ny mino an'I Allah sy ny irak'Allah rehetra, ary mino ny andro farany, ary izany dia tsy ho tanteraka raha tsy amin'ny finoana sy ny fanarahana ilay farany amin'izy ireo, dia i Mohammad (S.A.W), izay tohanan'ny fahagagana mitoetra mandrakizay, dia ny Kor'any, izay noandreketin'I Allah ny fiarovana azy mandra-pandovany ny tany sy izay eo aminy.
Notsiahivin'I Allah ao amin'ny Kor'any fa izay mandà tsy hino ny iray amin'ireo irany dia tsy mino an'I Allah ary nampandainga ny fanambarany, niteny Allah manao hoe : (Ary tena marina fa ireo izay tsy mino an’I Allah sy ireo Irany, sy mila hanavaka an’I Allah sy ireo Irany, ka miteny hoe : “Izahay dia mino ny sasany amin’izy ireo, fa tsy mino ireo sasany hafa kosa», ary mitady handray làlana hafa anelanelan’izany izy ireo. (150) Izy ireo tokoa no tena tsy mpino marina, ary efa nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny sazy manala-baraka.) [An-Nisa: 150-151].
Noho izany dia mino an'I Allah sy ny andro farany isika mpino silamo - araka ny nandidian'I Allah - ary mino ny iraka sy ny boky rehetra teo aloha, niteny Allah manao hoe : (Ireo Irak’Allah dia nino izay nampidinina taminy avy tamin’ny Tompo Zanahariny, tahaka izany koa ireo olona mpino, ny rehetra dia samy nino an’I Allah avokoa, ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ary ireo Irany. Ary hoy izy ireo : Tsy manavaka na iza na iza amin’ireo Irany izahay”. “Nahare izahay ka dia nankato, miandrandra ny famelan-kelokao ry Tompo Zanaharinay ô! Fa any Aminao no hiafarana”). [Al-Bakarah 285].
Inona no atao hoe Kor'any Masina?
Ny Kor'any Masina dia tenin'I Allah Tsitoha sy ny fanambarany izay nampidininy tamin'ilay iraka farany indrindra, Mohammad, ary io no fahagagana lehibe indrindra manambara ny fahamarinan'ny faminaniany. Ny Kor'any Masina no fahamarinana amin'ny lalànany ary ny fahamarinana amin'ny fanambarany. Nanome fanamby an’ireo olona mpampandainga I Allah mba hamoaka na dia toko iray tahaka azy aza, nefa tsy afaka nanao izany izy ireo; noho ny halehiben’ny votoatiny sy ny fahafenoan’ny zavatra lazainy momba ny rehetra mifandray amin’ny olombelona amin’ny fiainana eto antany sy ny any ankoatra, ary tafiditra ao anatin'izany ny fahamarinana rehetran'ny finoana izay tsy maintsy inoana. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo didy sy fandrarana izay tsy maintsy ijoran’ny olona manoloana azy sy ny Tompony, na eo aminy sy ny tenany manokana, na manoloana azy sy ny zavaboary sisa, ary izany rehetra izany dia amin’ny fomba fiteny avo lenta eo amin'ny lafin'ny retorika sy ny fanazavana. Ary tena ahitana betsaka amin'ireo porofo ara-tsaina sy zava-misy ara-tsiansa izay mampiseho fa tsy olombelona no namorona ity boky ity, fa ny tenin'ny Tompon'ny olombelona, Voninahitra ho Azy.
Inona no atao hoe silamo?
Ny silamo dia ny fanekena an'I Allah ilay Tsitoha amin'ny alàlan'ny fanokana Azy, ny fiambanina Aminy tanteraka amin'ny alàlan'ny fankatoavana, ny fanatanterahana ny lalàny am-pifalina sy am-panekena ary ny tsy finoana ny zavatra rehetra ivavahana ankoatra an'I Allah.
Hafatra iray ihany no nanirahan’I Allah ireo iraka dia : ny antso ho any amin'ny fanompoana an'I Allah irery ihany, tsy misy mpiombona Aminy, ary ny tsy finoana izay rehetra ivavahana ankoatra an’I Allah.
Ny silamo dia finoan'ireo Mpaminany rehetra, iray ihany ny antson'izy ireo ary samy hafa kosa ny lalàn'izy ireo, amin'izao fotoana izao dia ireo mpino silamo ihany no mifikitra amin'ny fivavahana marina izay nentin'ny mpaminany rehetra, ny hafatry ny finoana silamo amin'izao fotoana izao dia izy ihany no marina, ary io no hafatra farany avy amin'ny Mpahary ho an'ny olombelona, ka ny Tompo izay naniraka an’i Abrahama sy i Mosesy ary i Jesoa, ho amin’izy ireo anie ny fiadanana, no naniraka ny iraka farany, Mohammad (S.A.W), ary nitondra ny lalàn’ny finoana silamo, nanafoana ireo lalàna rehetra teo alohany.
Eny tokoa fa ny fivavahana rehetra ivavahan’ny olona ankehitriny – ankoatry ny silamo – dia fivavahana noforonin’ny olombelona, na fivavahana avy amin’I Allah, avy eo dia nosafotafotain'ny tànan’ny olombelona, ka lasa fifangaroan’ny korontam-baton'ny finoanoam-poana sy ny angano nolovaina ary ny ezaka nataon’ny olombelona.
Fa ny fivavahan'ireo mpino silamo kosa dia fivavahana iray mazava tsy miovaova, tahaka izany ny fivavahan'izy ireo amin'I Allah dia iray ihany, izy rehetra dia samy manao vavaka dimy isan'andro, mandoa zakat amin'ny fananany ary mifehy amin'ny volana Ramadany, Diniho ny lalàm-panorenan'izy ireo, dia ny Kor'any Masina, izy dia boky iray eo amin'ny firenena rehetra. Niteny Allah manao hoe : (Ankehitriny dia nataoko ho lavorary ny finoanareo, ary notanterahiko teo aminareo ny fahasoavako. Ary ankasitrahako ho finoanareo ny finoana silamo. Raha misy olona teren’ny hanoanana tafahoatra, nefa tsy mirona amin’ny fanaovana fahotàna. Fa Allah no Mpamela heloka sy Mpamindra-fo). [Al-Maidah:3].
Miteny I Allah ao amin'ny Kor'any masina manao hoe : (Teneno hoe: “Mino an’ I Allah izahay, sy izay nampidinina taminay sy izay nampidinina koa tamin’i Abrahama, Ismaëly, Isaka, Jakoba, sy ireo Asbàta, sy izay natolotra an’i Mosa sy Issa ary ireo Mpaminany avy amin’ny Tompon’izy ireo; tsy manavaka na dia iray aza amin’izy ireo izahay, ary manaiky Azy (Allah) tanteraka izahay. (84) Ary izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana silamo dia tsy ho ekena aminy izany, ary any ankoatra, dia ho anisan’ny matiantoka izy.) [Ali Imran: 84-85].
Ny finoana silamo dia fomba fijery feno ho amin'ny fiainana, mifanaraka amin'ny voajanahary sy ny saina ary eken'ny fanahy ara-dalàna, napetrak'ilay Mpahary Lehibe ho an'ny zavaboariny, ary izy dia fivavahan'ny hatsarana sy hasambarana ho an'ny olona rehetra eto an-tany sy any ankoatra, tsy manavaka ny firazanana iray amin’ny hafa, na ny loko iray amin’ny hafa, ary tsy misy mampiavaka ny olona iray amin'ny hafa ato amin'ny silamo afa-tsy amin'ny fatran'ny asa soa vitany.
Niteny Allah manao hoe : (N'iza n'iza manao asa soa, lahy na vavy, no sady mpino, dia tena ho velominay amin’ny fiainana tsara izy. Ary omenay valisoa mendrika mihoatra ny asa izay nataony izy ireo.) [An-nahl 97]
Ny silamo no làlan'ny fahasambarana
Ny silamo dia fivavahan'ny mpaminany rehetra ary finoan'I Allah ho an'ny olona rehetra, ary tsy fivavahana natokana ho an'ny arabo.
Ny silamo no làlan'ny tena fahasambarana eto an-tany, ary fahasambarana mandrakizay any ankoatra.
Ny silamo no hany fivavahana mamaly ny filan'ny fanahy sy ny vatana, ary mamaha ny olana rehetran'ny olombelona, hoy Allah ilay Tsitoha : (Niteny Izy hoe : “Midìna miala eto ianareo roa (Adama sy Eva)! Ny andaniny aminareono fahavalon’ny ankilany. Ary raha misy tari-dàlana avy aty Amiko tonga eo aminareo, ka na iza na iza manaraka ny tari-dàlako dia tsy ho very làlana, ary tsy ho ory. (123) Ary na iza na iza kosa mitodi-damosina amin’ny fampahatsiahivako,tena marina fa ho azy ny fiainana feno fahasahiranana, ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia haverinay ao anatin’ny fahajambana izy.) [Taha: 123-124].
Inona no soa azoko amin'ny fidirana silamo ?
Ny fidirana amin'ny silamo dia misy tombony lehibe, ao anatin'izany :
- Ny fandresena sy ny voninahitra eto an-tany dia midika fa mpanompon'I Allah ny olona iray, fa raha tsy izany dia mpanompon'ny rendrarendra, Satana, ary ny filàna.
- Ny fandresena any ankoatra dia ny famelan'I Allah ny helony sy ny hafalian'I Allah aminy, ary ampidirin'I Allah ao amin'ny Paradisa izy, ary ny fahazoana fankasitrahany sy fahasambarana mandrakizay, ary ho voavonjy amin'ny sazin'ny Afobe.
- Ny mpino amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia hiaraka amin’ireo Mpaminany, ny olo-marina, ny maritiora sy ny olo-mpanao soa, ary tsy misy fiarahana tsara tahaka izany, ary izay tsy mino dia hiaraka amin’ny mpanao jadona, ny ratsy fanahy, ny mpanao heloka bevava, ary ireo mpanimba.
- Ireo izay ampidirin'I Allah ao amin’ny Paradisa dia hiaina ao anatin’ny fahasambarana mandrakizay tsy misy fahafatesana, na aretina, na fanaintainana, na fahanterana, na alahelo, ary hovaliana ny fanirian'izy ireo araka izay rehetra iriany, ary ireo izay miditra ao amin’ny Afobe dia ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay tsy misy fiatoana.
- Ao amin'ny Paradisa dia misy fahafinaretana tsy mbola hitan'ny maso, tsy mbola ren'ny sofina, ary tsy mbola noheverin'ny olombelona. Porofon’izany ilay tenin’I Allah ilay tsitoha manao hoe : {Na iza na iza, na lahy na vavy, ka nanao asa soa no sady mpino, dia omenay fiainana sambatra tokoa; ary omenay valisoa tsara mihoatra izay nataony izy ireo}. [An-Nahl 97]. Ary miteny Allah manao hoe : (Tsy misy mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ny amin’ny fahafinaretan’ireo maso, ho valin’izay nataon’izy ireo.) [Al-Sajdah: 17]
Inona no ho very amiko raha mandà ny finoana silamo aho?
Ho very ny fahafantarana sy ny fahalalana lehibe indrindra izy, dia ny fahafantarana sy ny fahalalana momba an'I Allah, ary ho very finoana an’I Allah izy, izay manome fiarovana sy fahatoniana eto an-tany ary fahasambarana mandrakizay any ankoatra.
Ho very ny famakina ilay boky lehibe indrindra nampidinin'I Allah tamin’ny olona izy, sy ny finoana an’io boky lehibe io.
Ho very finoana an’ireo mpaminany lehibe izy, hamoy tahak'izany koa ny fiarahany amin'izy ireo ao amin’ny Paradisa amin’ny andro farany, ary hiaraka amin’ny devoly sy ny mpanao heloka bevava ary ny mpanao jadona ao amin’ny afon’ny helo izy, ary izany no trano sy mpiaray vodirindra ratsy indrindra.
Niteny Allah manao hoe : (Lazao hoe : “Ny tena maty antoka, dia ireo nanao izay hahavery ny tenany sy ny fianakaviany, amin’ny andro fitsanganana”. Moa tsy izany va no tena fatiantoka miharihary? (15) Hisy afo matevina eo ambonin’izy ireo sy eo ambaniny. Izany no hampitahoran’IAllah ireo mpanompony. Ry mpanompoko! Matahora Ahy ianareo! [Al-Zomar: 15-16].
Izay te ho voavonjy any ankoatra dia aoka izy hiditra ny finoana silamo ary hanaraka ny Mpaminany Mohammad (S.A.W).
Iray amin’ireo zava-misy nifanarahan’ny mpaminany sy ny irak’Allah dia ny hoe tsy avotra any ankoatra raha tsy mpino silamo izay mino an’I Allah ilay Tsitoha sy tsy mampitambatra amin’ny fanompoam-pivavahana Aminy ary mino ny mpaminany sy ny iraka rehetra. Ireo mpanaraka ny Iraka rehetra ka mino azy ireo, nanamarina azy ireo dia hiditra ao amin’ny Paradisa ary ho voavonjy amin’ny Afobe.
Ireo izay niaina tamin’ny vanim-potoan'ny Mpaminany Mosa ka nino azy sy nanaraka ny fampianarany dia mpino silamo sy olona mendrika, fa rehefa avy nandefa an’i Issa I Allah dia tsy maintsy mino an’i Issa sy manaraka azy ny mpanara-dia an’i Mosa. Ka izay mino an'i Issa dia mpino silamo mendrika izy ireo, ary izay tsy mety mino an'i Issa ka milaza fa hijanona ao amin'ny finoan'i Mosa aho dia tsy mpino izany. Satria tsy nety nino ny mpaminany nirahin’I Allah izy, Ary aorian'ny nandefasana ny iraka farany, Mouhammad (S.A.W), dia tsy maintsy mino azy ny rehetra, ka ilay tompo nandefa an'i Moussa sy Issa, dia Izy ihany no nandefa ny iraka farany, Mouhammad (S.A.W), ka izay nino ny hafatr'i Mouhammad (S.A.W), ary niteny manao hoe: "Izaho dia hijanona hanaraka an'i Moussa na Issa", dia tsy mpino.
Tsy ampy ho an'ny olona iray ny milaza fa manaja ny mpino silamo izy, ary tsy ampy ho an'ny famonjena azy any ankoatra ny fiantrana sy fanampiana ny mahantra, fa tsy maintsy mino an'I Allah izy, ny bokiny, ny irany ary ny andro farany. Mba haneken'I Allah izany avy aminy! Tsy misy fahotana lehibe noho ny fampiombonana sy ny tsy finoana an'I Allah, ny fandavana ilay fanambarana nampidinin'I Allah, na ny fandavana ny faminanian'ny mpaminaniny farany, Mohammady(S.A.W).
Ny Jiosy sy ny Kristiana ary ny hafa izay nandre momba ny nanirahana an'i Mohammady (S.A.W), ilay irak'Allah, nefa tsy nety nino azy ary tsy nety niditra tamin'ny fivavahana silamo, dia ho any amin'ny afon'ny helo, hitoetra ao mandrakizay, izany no fitsaran'I Allah fa tsy fitsaran'ny iray amin'ny olombelona. Niteny I Allah manao hoe : (Hamafisina, fa ireo izay tsy mino amin’ireo olon’ny Boky, sy ireo mpanompo sampy, dia hitoetra ao anatin’ny afobe mandrakizay. Izy ireny no ratsy indrindra amin’ny zava-boahary.) [Al-Bayyinah: 6].
Satria efa nidina ny hafatra farany avy amin'I Allah ho an'ny zanak'olombelona, ka tsy maintsy amin'ny olombelona rehetra izay mandre momba ny finoana silamo sy mandre momba ny hafatry ny Mpaminany farany Mohammad (S.A.W) ny mino azy sy manaraka ny lalàny ary mankatò azy amin'ny didiny sy ny fandrarany, noho izany, izay mandre hafatra farany izany ka mandà, dia tsy hanaiky na inona na inona avy aminy Allah ary hanasazy azy any ankoatra.
Porofon’izany ilay tenin’ny Tsitoha manao hoe : (Ary izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana silamo dia tsy ho ekena aminy izany, ary any ankoatra, dia ho anisan’ny matiantoka izy.) [Al Imran 85].
: Ary miteny Allah manao hoe (Teneno hoe: “O ry olon’ny Boky! Avia ianareo ho amin’ny teny iraisana eo aminay sy aminareo, mba tsy hanompo isika afa-tsy Allah, ary tsy hanambatra Azy amin’ny zavatra hafa isika, ary ny andaniny amintsika mba tsy handray ny ankilany ho tompo tompoina ankoatra an’I Allah. Ka raha mitodi-damosina izy ireo, dia tenenonareo hoe: “Aoka hijoro vavolombelona ianareo, fa tena mpanaiky an’I Allah izahay) [Al Imran: 64].
Inona no takina amiko mba hahatonga ahy ho mpino silamo?
Raha te hiditra amin'ny finoana silamo dia tsy maintsy mino ireto andry enina ireto ianao :
Ny finoana an’I Allah ilay Tsitoha ary Izy no Mpamorona, Mpanome anjara, Mpandrindra, Mpanjaka, tsy misy tahaka Azy, ary tsy manambady no tsy manan-janaka, ary Izy irery ihany no mendrika ivavahana, ary tsy misy azo hivavahana miaraka Aminy, ary mino fa tsy manan-kery ny mivavaka amin’izay rehetra ankoatra Azy.
Ny finoana ny anjely, izy ireo dia ny mpanompon’I Allah ilay Tsitoha, namboariny izy ireo avy amin’ny fahazavana, ary nataony ho isan'ny asan'izy ireo ny midina miaraka amin'ny fanambarana avy amin'I Allah ho any amin'ireo Mpaminaniny.
Ny finoana ny boky rehetra izay nampidinin’I Allah tamin’ireo Mpaminaniny (toy ny Torah sy ny Evanjely - talohan’ny nanovana azy ireo) ary ny boky farany dia ny Kor'any.
Ny finoana ireo iraka rehetra, toa an’i Noa, Abraham, Mosa, Issa, ary ny farany tamin’izy ireo, Mohammad (S.A.W) ary izy ireo dia olombelona, notohanan'I Allah tamin’ny Porofo sy fahagagana izay maneho ny fahamarinany.
Ny finoana ny andro farany rehefa hatsangan’I Allah ny olona voalohany sy ny farany ary hitsara I Allah manoloana ny zavaboariny, ka hampiditra ny mpino ao amin’ny Paradisa sy ny tsy mino any amin’ny helo.
Ny finoana ny anjara, eny tokoa fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra, ny efa lasa sy ny ho avy, ary Allah dia efa nahafantatra sy nanoratra izany ary nitia ka namorona ny zava-drehetra.
Aza tara maka ny fanapahan-kevitra!
Ny eto an-tany dia tsy fonenana mandrakizay ...
Ho levona aminy ny hatsaran-tarehy rehetra ary ho levona ny filàna rehetra...
Ho avy ny andro hitsarana ny olona ny zavatra rehetra nataony, dia ny andro fitsanganana amin'ny maty izany, niteny Allah manao hoe : (Ary hapetraka ny Boky ka ho hitanao ireo mpanao heloka be vava matahotra izay ao anatiny. Ary hiteny izy ireo hoe: “Loza ho anay ity! Fa ahoana ity boky ity no tsy mamela ireo fahotana madinika na ireo fahotana lehibe afa-tsy notanisainy?” Ary ho hitan’izy ireo miharihary izay nataony. Ary tsy manao ny tsy rariny na amin’iza na amin’iza ny Tomponao.) [Al-Kahfi: 49].
Allah ilay Tsitoha dia efa nilaza fa ny olona tsy manaiky ny finoana silamo dia ny fiafarany ao amin'ny afon'ny helo mandrak'izay.
Tsy mora ny fatiantoka, fa tena lehibe tokoa, niteny I Allah manao hoe : (Ary izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana silamo dia tsy ho ekena aminy izany, ary any ankoatra, dia ho anisan’ny matiantoka izy.) [Al Imran: 85].
Ny silamo no finoana izay tsy eken'I Allah ny finoana hafa ankoatrany.
Nahary antsika Allah ary any Aminy no iverenantsika, ary fitsapana ho antsika ny eto an-tany.
Aoka hino ny olona iray fa : Fohy toy ny nofy ity fiainana ity... ary tsy misy mahalala hoe rahoviana izy no ho faty!
Inona no havaliny ny Mpamorona azy raha manontany azy Izy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty hoe : Nahoana izy no tsy nanaraka ny fahamarinana? Nahoana izy no tsy nanaraka ilay farany amin'ireo Mpaminany?
Koa inona no hamalianao ny Tomponao amin’ny andro fitsanganan’ny maty, ary efa nampitandrina Izy ny amin’ny vokatry ny tsy finoana ny islamo, ary nilaza fa ny hiafaran’ireo tsy mpino dia faharendrehana mandrakizay any amin’ny helo?
Miteny Allah manao hoe: (Ary ireo izay tsy mino sy milaza ny fanambaranay ho lainga, ireo no olon’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.) [Al-Bakarah 39].
Tsy misy fialan-tsiny ho an’ireo izay niala tamin’ny fahamarinana ka nanaraka ireo razambe
Tompo Allah nilaza tamintsika fa ny maro amin'ireo olona mandà ny hiditra ny finoana silamo dia noho ny tahotra ny tontolo misy azy.
Betsaka ny olona mandà ny finoana silamo satria tsy te hanova ny finoany, izay nolovainy tamin’ny razany na azony avy amin’ny tontolo manodidina azy sy ny fiaraha-monina misy azy, sy efa nahazatra azy, ary maro tamin’izy ireo no voasakana noho ny fanatisma sy ny fifikirana amin'ny diso efa nilovainy.
Ireo olona rehetra ireo dia tsy manana fialan-tsiny amin’izany, ary hijoro eo anatrehan’I Allah tsy misy porofo fanamarinana.
Tsy fialan-tsiny ho an’ny tsisy finoana ny hilaza hoe : “Hitoetra ho tsisy finoana aho satria teraka tao amin’ny fianakaviana tsisy finoana!” Fa tsy maintsy mampiasa ny saina nomen’I Allah azy kosa izy, ka misaintsaina ny halehiben’ny lanitra sy ny tany, ary mandinika amin’ny sainy izay nomen’ny Mpahary azy ozy mba hahatsapany fa misy Mpamorona izao rehetra izao. Toy izany koa, ireo mivavaka amin’ny vato sy ny sampy dia tsy manana fialan-tsiny hanahaka ny razany, fa tsy maintsy mitady ny fahamarinana izy ka manontany tena hoe : Ahoana no ivavahako amin’ny zavatra tsy manan'aina, izay tsy mahare ahy tsy mahita ahy, ary tsy mahasoa ahy na amin'inona na amin'inona.?!
Toy izany koa, ny Kristianina mino zavatra mifanohitra amin’ny voajanahary sy ny saina dia tsy maintsy manontany tena hoe : Ahoana no namonoan’ny tompo ny zanany izay tsy nanota, fa noho ny fahotan’ny hafa?! Tsy rariny izany! Ahoana no nahafahan’ny olombelona nanombo tamin'ny hazo fijalliana sy namono ny Zanak’ilay Tompo?! Moa ve Allah tsy afaka mamela ny fahotan’ny olombelona raha tsy mamela azy ireo hamono ny Zanany? Tsy vitan'ny Tompo ve ny miaro ny Zanany?
Adidin’ny ho an'ny manan-tsaina ny manaraka ny fahamarinana, fa tsy manaraka an-jambany ny raim-pianakaviana sy ny raibe amin’ny lainga.
Niteny Allah manao hoe : (Raha tenenina izy ireo hoe: “Avia ianareo ho amin’izay nampidinin’I Allah sy ho amin’ny Iraka”, dia miteny izy ireo hoe: “Ampy anay izay azonay tamin’ireo razam-benay tany aloha”. Na dia tsy mahalala na inona na inona aza ireo razam-ben’izy ireo, sy tsy manaraka làlana mahitsy.) [Al-Maidat 104].
Inona no tokony hataon’ny olona te hiova ho mpino silamo ka matahotra ny fanenjehan'ny havany?
Izay te hiova ho mpino silamo nefa matahotra ny tontolo manodidina azy, dia afaka mivadika ho mpino silamo izy ary manafina ny finoany mandra-pamoran'I Allah ho azy ny làlana tsara kokoa izay ahafahany mahaleo tena sy maneho ny finoany.
Adidy ho an'ny olona iray ny mivadika ho mpino silamo avy hatrany, saingy tsy voatery mampahafantatra ny manodidina azy ny fiovam-pinoany izy na ny fampahafantarana izany, raha toa izany ka mety hanahirana azy.
Fantaro fa raha mivadika ho mpino silamo ny olona iray dia ho rahalahin'ireo mpino silamo an-tapitrisany izy, ary afaka mifandray amin'ny masdjid na foibe silamo ao amin'ny tananany izy ary mangataka torohevitra sy fanampiana amin'izy ireo, ary hahafaly azy ireo izany.
Niteny Allah manao hoe : (Ary izay matahotra an'I Allah dia omeny vahaolana tsara sy ho tolorany anjaram-pahasoavana amin'ny fomba tsy ampoiziny akory) [At-Talaq: 2, 3]
Ry mpamaky malala
Moa ve tsy ny famalifaliana an’I Allah ilay Mpamorona, izay nanome antsika ny fahasoavany rehetra, izay nanome antsika sakafo fony mbola zaza ao an-kibon-dRenintsika ary nanome antsika ny rivotra iainana ankehitriny – no zava-dehibe kokoa noho ny fahafaham-pon’ny olona amintsika?
Moa ve tsy ny fahombiazana eto an-tany sy any ankoatra no mendrika hanaovana sorona ny fahafinaretana mandalo rehetra eo amin’ny fiainana? Izany tokoa, mianiana aho amin'I Allah!
Noho izany, ny olona iray dia tsy tokony hamela ny lasany sakana ho azy tsy hanitsy ny làlan-dratsiny sy hanao ny zava-tsoa.
Aoka ny olombelona ho tena mpino marina ankehitriny! Tsy avelany hanakana azy tsy hanaraka ny fahamarinana ny Satana!
Niteny Allah manao hoe: (O! Ianareo ry olombelona! efa tonga aminareo ny porofo mazava avy tamin’ny Tomponareo, ary nampidininay taminareo ny hazavana miharihary (174) Fa ireo izay nino an’I Allah kosa sy nifikitra Aminy, dia hampidiriny amin’ny indrafo avy Aminy sy ny fahasoavana izy ireo, ary hotarihiny ho amin’ny làlana mahitsy mankany Aminy.) [An-Nisa: 174-175].
Vonona ve ianao ny handray fanapahan-kevitra lehibe indrindra eo amin'ny fiainanao?
Raha mitombina daholo ireny voalaza ireny, ary nahafantatra ny marina tao am-pony ilay olona; Dia ny miroso amin'ny dingana voalohany amin'ny hahatongavany ho mpino silamo no tokony ho ataony.
Izay mila fanampiana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara indrindra eo amin'ny fiainany sy ny fitarihana amin'ny fomba hahatongavany ho mpino silamo?
Tsy tokony hataony sakana ho azy tsy hiditra amin'ny finoana islamo ny fahotany, milaza amintsika Allah ao amin'ny Kor'ny fa mamela ny fahotana rehetra vitan'ny olona iray Izy raha miditra amin'ny finoana Islamo sy mibebaka amin'ny Mpahary azy ilay olona, eny fa na dia aorian'ny nidirany ny finoana islamo no nanaovany izany, lozika be raha sendra tafanao fahotana sasantsasany ny olombelona satria olona isika fa tsy anjely akory ka voaaro tsy hanota, Fa ny zavatra takina amintsika dia ny mangataka famelan-keloka amin’Allah sy mibebaka Aminy, ary raha hitan’Allah fa faingana isika amin’ny fanekena ny fahamarinana ka niditra tao amin’ny finoana Islam ary nanonina ny fijorona vavolombelona roa, dia hanampy antsika hiala amin’ny fahotana hafa Izy, ka izay manolo-tena amin'Allah sy manaraka ny fahamarinana dia hitari-dàlana azy ho amin'ny fahatsarana bebe kokoa Allah, ka tsy tokony hisalasala ny olona hiditra amin'ny finoana Islam ankehitriny izao.
Isan'ny porofo amin'izany ilay tenin'Allah manao hoe: (Lazao amin'ireo olona tsy mino fa raha mitsahatra amin'izay izy ireo dia ho voavela ny heloka izay vitany [Al-Anfal 38].
Inona no tokony hataoko mba ho lasa mpino silamo aho?
Ny fidirana amin'ny finoana Islam dia mora ary tsy mitaky fombafomba maro na zavatra atao ofisialy, na ny fisian'iza na iza, takina fotsiny amin'ny olona iray dia tsy maintsy manonona ny fijoroana ho vavolombelona roa, mahafantatra ny dikany ary mino izany, amin'ny filazana hoe : (Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, ary mijoro ho vavolombelona aho fa i Mohammad dia irak'Allah), raha azo atao ny miteny izany amin'ny teny arabo dia tsara izany, ary raha sarotra aminao izany dia ampy ny miteny azy amin'ny fiteninao, ary noho ny fitenenanao izany dia ho lasa mpino silamo ianao, aorian'izany dia tsy maintsy mianatra ny finoanao ianao, izay ho loharanon'ny fahasambaranao eto an-tany sy ny famonjena ho anao any an-koatra.
Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Islam dia manoro hevitra mahomby ho anao aho mba hitsidika ny tranokala :
Raha te hianatra ny fomba fampiharana ny finoana Islam dia manoro hevitra anao izahay hitsidika ny tranokala : https://byenah.com/ar/muslims
Related books
All books
Iza tokoa no nanamboatra Ahy ? Ary inona ny antony nanamboarana Ahy ?75 languagesIza tokoa no nanamboatra Ahy ? Ary inona ny antony nanamboarana Ahy ?
Ny zava-drehetra dia samy manondro avokoa ny fisian'ilay Mpahary Iza no nahary sy nanamboatra ny lanitra sy ny tany ary ny zava-manan'aina lehibe rehetra ao aminy ka tsy voahodidin-javatra ? Iza no namorona an’ity rafitra tena raitra sy voamboatra tsara any an-danitra sy ety an-tany ity ? Iza no nahary sy nanamboatra ny Olombelona, sy nanome azy fandrenesana sy fahitana ary saina, ary nanao azy ho afaka hahazo fahalalana sy hahatakatra ny zava-misy ? Ahoana ny fomba hanazavanao an'ilay asa tsara hita eo amin'ny fomba firafitrin'ny Vatanao sy ny Vatan'ireo zavamananaina rehetra misy eo…
Ny finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah85 languagesNy finoana Islamo dia finoan'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah
Ny finoana Islamo dia ny fanoloran-tena manokana ho amin'i Tompo Allah, ilay Mpamorona sy Mpandrindra an'izao rehetra izao, ary ny fanekena Azy noho ny fitiavana sy ny fanamboniana misy eo Aminy. Ny fototry ny finoana Islamo dia ny finoana sy fanekena an'i Tompo Allah, fa Izy irery ihany no Mpahary, ary ny rehetra ankoatra Azy dia zava-boahary nohariany avokoa, ary Izy irery no mendrika ho Tompoina ka tsy misy mpiombonan-toka Aminy, ary tsy misy azo tompoina am-pahamarinana afa-tsy Izy irery ihany, Izy dia manana ireo Anarana Tsara indrindra sy ny Toetoetra Avo izay sahaza ny vonahiny, ary…
Ny ( Finoana ) ISLAM89 languagesNy ( Finoana ) ISLAM
Amin'ny Anaran'i Tompo Allah, Ilay Be fiantrana, Ilay Be indrafo. Efa mba nanontany tena ve Ianao ny amin'ny hoe : Iza tokoa no Nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavaboary lehibe rehetra ao Aminy ? Ary Iza ihany koa no Nanamboatra ity rafitra raitra no sady tanteraka ary matianina ity ?
الوسائل المفيدة للحياة السعيدة85 languagesالوسائل المفيدة للحياة السعيدة
كتاب "الوسائل المفيدة للحياة السعيدة" للشيخ عبد الرحمن بن ناصر السعدي، يتناول مفهوم السعادة الحقيقية التي يسعى لتحقيقها كل إنسان. الكتاب يوضح أن السعادة تتحقق بطاعة الله ورسوله، والعمل الصالح، والإيمان. ويُقسم السعادة إلى دنيوية مؤقتة وأخروية دائمة، ويربط بينهما بالرضا الإلهي للمؤمنين. يعتمد الكتاب على الأدلة الشرعية من القرآن والسنة لتقديم الأسباب المؤدية للسعادة وكيفية تحقيقها، مما يجعله دليلاً للمسلمين لتنظيم حياتهم على بصيرة وإيمان.