Skip to content

moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany

Tatitra azo avy amin'i Katàdat (R.A) Niteny hoe :

Nitantara Taminay i Anas ibn Màlik (R.A) fa nisy Lehilahy iray Niteny hoe : O ! Ry Mpaminan'i Allah ahoana ny fomba hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tarehiny ? Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) fa hoe : " moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany " ka Hoy i Qatada (R.A) : Eny, noho ny voninahitry ny Tompontsika izany.

حَدَّثَنَا ‌أَنَسُ بْنُ مَالِكٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَجُلًا قَالَ: يَا نَبِيَّ اللهِ كَيْفَ يُحْشَرُ الْكَافِرُ عَلَى وَجْهِهِ؟ قَالَ: «أَلَيْسَ الَّذِي أَمْشَاهُ عَلَى الرِّجْلَيْنِ فِي الدُّنْيَا قَادِرًا عَلَى أَنْ يُمْشِيَهُ عَلَى وَجْهِهِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ؟» قَالَ قَتَادَةُ: بَلَى وَعِزَّةِ رَبِّنَا.

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) ahoana no hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tavany amin'ny Andro farany? ! Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : moa va tsy ilay nahavita nampandeha Azy tamin'ny tongony roa teto an-tany ihany no mahavita ihany koa mampandeha Azy amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany? ! Fa i Tompo Allah no Tompo Mahefa ny zava-drehetra.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fahafaham-baraka ho an'ireo tsy Mpino amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary handeha amin’ny tavany izy ireo.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 109) (6523).

Sahìh Moslim (4/ 2161) (2806).

Ny Fanampiny (4)

الإفصاح عن معاني الصحاح (5/200).

فتح الباري (11/382).

عمدة القاري شرح صحيح البخاري (23/ 105).

البحر المحيط الثجاج في شرح صحيح الإمام مسلم بن الحجاج (43/ 454).