Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

46 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“Hitoetra eo amin’ny dobo Aho mandra-pahitako izay tonga Aminareo hamaly Ahy, ary hisy andian'Olona ho sakanana amin'izany, ka Hiteny Aho amin'izany fotoana izany ny hoe : Tompo ô, avy Amiko sy vahoakako Iny, dia ho lazaina Aminy ny hoe : Tsapanao ve izay nataon’izy ireo tao aorianao? Tsy nitsahatra izy ireo niverina tamin'ny asan'izy ireo "
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ao amin’ny Paradisa dia misy ambaratonga zato, ary ny elanelan’ny ambaratonga roa dia mitovy amin’ny elanelan’ny lanitra sy ny tany, ary ny AL-FIRDAWS no avo indrindra, ary avy ao no miboiboika ny loharano efatra ao amin’ny Paradisa, ary avy ao amboniny no hisy ny seza fiandrianana, Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
Nitantara Taminay i Anas ibn Màlik (R.A) fa nisy Lehilahy iray Niteny hoe : O ! Ry Mpaminan'i Allah ahoana ny fomba hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tarehiny ? Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) fa hoe : " moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany " ka Hoy i Qatada (R.A) : Eny, noho ny voninahitry ny Tompontsika izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : “Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka” Avy eo dia naka ravin-kazo mando izy, nozarainy roa, ary napetany teo amin’ny fasana tsirairay avy. Hoy ireo mpanaradiany : “Ry irak’Allah ô, nahoana ianao nanao an'io? Dia hoy izy : “Angamba hanome fanamaivanana ho azy ireo izany, raha mbola tsy maina izy roa (ravin-kazo).”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Hoy Aho : Ry Iraka mahafatokin'i 'Allah ô, inona avy ireo Zinga ny dobo ? dia Namaly Izy ka Niteny hoe : “Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.A.W) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra, rehefa amin'ny alina maizina be, ireo Kôpin'ny paradisa dia izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony, ny sakany dia mitovy ny halavany, manelanelan'ny tanànan'ny Ouman sy Aylat, ny ranony tena fotsy noho ny ronono, ary mamy mihoatra ny tantely."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim