Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

8 of 665 cards

Clear filters
Namaky i Mpaminany (S.A.W) ny andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat Hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mutashàbihàt fa'amma Alladhin fÿ Qulubihim Zayghoun Fayattabio'na mà Tashàbah Minho-btigha' Alfitnat wabtigha' ta°wilihi, Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa alllahu, Walrràsikhuna fil i'lm yaqolona àmanna bih qol kollon min i'ndy Rabbina wamà Yadhdhakkar 'illà ôlol al'albàbi } [Al i'mrän: 7] Niteny Izy hoe : Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.A.W) : " Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Ireo vahoaka mpanompo sampy efa namono olona im-betsaka sy nijangajanga be dia be, ka tonga nanatona an'ny mpaminany Mohammad (S.A.W) izy ireo ary niteny hoe : Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay, teo dia nilatsaka ny andininy masina manao hoe : “Ary izay tsy mangataka amin'ny Tompo hafa, miaraka amin'Allah, sy tsy mamono ny aina izay nataon'Allah voarara, raha tsy amin'ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga}. -[Forqan : 68], ary nilatsaka koa ny andininy hafa hoe: “Lazao hoe : Ry mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra tamin'ny tenany, aza very fanantenana amin'ny famindram-pon'Allah ianareo.” [Al-Zomar: 53].
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana dia hiantso ny mpiantso ny amin'ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, dia hoy Izy hoe : fantatrareo va ity ? Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, Satria ny rehetra dia efa nahita an'izany. Avy eo dia misy miantso hoe : Ry vahoakan'ny Afobe, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, ary niteny hoe : fantatrareo va ity ?, Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, ary ny rehetra dia efa nahita an'izany avokoa. Avy eo dia hovonoina Izy dia holazaina ny hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay Ianareo ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy misy intsony ny fahafatesana. Avy eo Izy namaky ny andininy Soratra masina hoe : { Ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoka rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia varina } [Mariam 39], izy ireo dia varina teto an-tany { ary izy ireo dia tsy Mino } [Mariam 39]".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Rehefa ho faty i Abo Talib dia tonga tao aminy ny Irak'i Allah (S.A.W) ka nahita an'i Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah bin Moghirah teo aminy, dia hoy izy hoe : «Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’i Allah.” Dia hoy Abo Jahli sy Abdollah bin Abi Omayyah : Tsy ho tianao intsony ve ny finoan’i Abdol Mottalib? tsy mitsahatra hatrany ilay Irak'Allah mampiteny azy izany ary naverimberin'izy roa tamin'i Abo Talib ihany koa ny teniny, Mandra-pahatongan'i Abo Talib nilaza ny teniny farany tamin'izy ireo hoe : Manaraka ny fivavahan'i Abdol Mottalib aho, ary nandà ny hiteny: Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Mianiana amin'I Allah aho fa hangataka famelan-keloka ho anao tokoa raha mbola tsy voarara amin'izany.” Teo dia nampidinin'i Allah ilay andininy masina nanambara hoe : Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy) [At-Taobah: 113], ary nampidinin'Allah tamin'i Abo Twalib ity andininy masina ity izay milaza amin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany} [Al-Kasas: 56].
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nanao ny vaky kabariny tamin’ireo olona ilay irak'Allah (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny tanànan'ny Lameka ka nanao hoe : “Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany, fa ny olombelona dia misy karazany roa : mpino, manam-patahorana, be voninahitra manoloana an’Allah, sy ny tsy matahotra an’Allah, ory, tsisy fotony eo anatrehan’Allah, ary ny olona rehetra dia taranak’Adama, Ary avy tamin’ny tany no niharian’Allah an’Adama. Hoy i Allah manao hoe : "Ry olombelona! Noharianay avy amin'ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko maro, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan'Allah, dia izay vontompinoana indrindra. Fa Mahalala sy Mahafantatra tsara ny zavatra rehetra Allah.” [Al-Hojràty: 13].
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ibn Hibbàn
Rehefa nilatsaka ny andininy masina hoe: {Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.} [At-Takàthor: 8] dia nilaza i Al-Zobayr hoe : Ry irak'Allah ô! Inona no karazana fahasambarana hanontaniana anay? Moave ny atrendry sy ny rano? Dia namaly izy : “Ho tanteraka izany.”
Tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah
“Nianjeran'ny fahatezerana ny Jiosy, ary very làlana ny Kristianina.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì