Skip to content

Tsy fantatry ny Mpaminany (S.A.W) ny fisaran'ny toko (Sourat) ao amin'ny Boky masina Koroany teo aloha raha tsy efa nidina ny teny hoe Bismillahir-rahmànir-rahim (Amin'ny Anaran'i Allah ilay be fiantrana sy be famindram-po).

Tatitra azo avy tamin'i Ibn A'bbas (R.A), Niteny hoe :

Tsy fantatry ny Mpaminany (S.A.W) ny fisaran'ny toko (Sourat) ao amin'ny Boky masina Koroany teo aloha raha tsy efa nidina ny teny hoe Bismillahir-rahmànir-rahim (Amin'ny Anaran'i Allah ilay be fiantrana sy be famindram-po).

كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَليهِ وَسَلَّمَ لا يَعْرِفُ فَصْلَ السُّورةِ حَتَّى تَنْزِلَ عَليْهِ {بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَنِ الرَّحِيمِ}.

Notantarain'i Abo Daòd
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava i Ibn A'bbas (R.A) fa ny toko ao amin'ny Boky masina Koroany izay midina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy fantany ny fisarahan'izy ireo na ny fiafaran'izy ireo raha tsy efa midina ny : " Bismillahir-rahmànir-rahim ". Eo vao fantany fa efa tapitra ny Toko teo aloha, ary io no fiandohan’ny Toko vaovao.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny Basmala (Bisimillahi) no manasaraka ireo Sourah, afa-tsy eo anelanelan'ny Sourat Al-Anfal sy Sourat Al-Tawbah.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (2/ 91) (788).

Ny Fanampiny (3)

شرح سنن أبي داود للعباد (102/ 15).

التنوير شرح الجامع الصغير (8/503).

عون المعبود (2/353).