Skip to content

Nanao ouzò ny Mpaminany (S.A.W) ka nataony indray mandeha indray mandeha avokoa.

Tatitra azo avy amin'i Ibn Àbbàs (R.A), Niteny ka nanao hoe :

Nanao ouzò ny Mpaminany (S.A.W) ka nataony indray mandeha indray mandeha avokoa.

تَوَضَّأَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مَرَّةً مَرَّةً.

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Indraindray ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa indray mandeha ny rantsana tsirairay aminy rehefa manao ozò, ka nanasa ny tavany - anisan'izany ny vava sy ny orona - ary ny tànana sy ny tongotra indray mandeha, ary io no fetra tsy maintsy atao.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny indray mandeha no tsy maintsy atao ny manasa ireo rantsambatana, ary ny mihoatra noho izany dia mendrika.

Ara-dalàna indraindray ny manasa indray mandeha eo amin'ny ouzò.

Ny maha ara-dalàna ny misafo loha indray mandeha.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 43) (157).

Ny Fanampiny (1)

إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري (1/ 244).