Skip to content

Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo.

Tatitra azo avy tamin'i Qays Ibn À’sim (R.A) niteny hoe :

Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo.

أتيتُ النبيَّ صلى الله عليه وسلم أُريدُ الإسلامَ، فأَمَرَني أن أغتَسِلَ بماءٍ وسِدرٍ.

Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Mari-pototra
Ny fanazavana

Tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) i Qays bin À’sim ary naniry ny hiditra ny finoana silamo izy, nandidy azy handro amin’ny rano sy ravinkazo mokonazy ny Mpaminany (S.A.W). Satria ny ravin'ny mokonazy dia atao fanadiovana; noho izy tsara fofona.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny maha ara-dalàna ny fandroan'ny tsy mpino rehefa hiditra ny finoana Islam.

Ny Islam dia manome voninahitra sy mikarakara ny vatana sy ny fanahy.

Ny fampifangaroana ny rano amin'ny zavatra madio dia tsy manala ny fahadiovany.

Ny fanadiovana maoderina, toy ny savony sy ny mitovy aminy, dia maka ny toeran'ny ravin'ny mokonazy.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (1/ 266) (355).

Sonan At-Tirmizì (1/ 595) (605).

Sonan An-Nasàì (1/ 109) (188).

Ny Fanampiny (3)

معالم السنن (1/111).

ذخيرة العقبى (4/131).

شرح سنن أبي داود للعباد (54/ 10).