Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
"Izay tonga manatrika ny Swalat jom'an dia aoka izy hisaika".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
«Izay nandro tamin’ny andro zoma tahaky ny fandroana amin’ny Djanaba avy eo nandeha any amin’ny moske, dia ahazo valisoa tahaky ny nanao sorona rameva, ary izay nandeha tamin’ny ora faharoa dia tahaky ny nanao sorona omby, ary izay nandeha tamin’ny ora fahatelo dia tahaky ny nanao sorona ondry, ary izay nandeha tamin’ny ora fahaefatra, dia tahaky ny nanome akoho, ary izay nandeha tamin’ny ora fahadimy dia tahaky ny namoaka atody. Ka raha vao tonga ny Imam, dia mandeha maka toerana mihaino ny Khoutba avokoa ireo anjely mihaino ny fampatsiahivana».
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nametrahako rano teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ka nandro izy, dia nitakomako tamin'ny lamba, avy eo nandrotsaka rano tamin'ny tànany roa dia nosasany, ary nitopasany rano tamin'ny tànany havanana sy havia ka nosasany ny henatrany, napetany tamin'ny tany ny tànany avy eo nikosehiny ary nosasany, avy eo nikotsam-bava izy ary nampiditra rano kely tao amin'ny orony, avy eo nanasa ny tarehiny sy ny tànany anankiroa, avy eo nitopasany rano ny lohany sy ny vatany iray manontolo, avy eo nisitaka kely ka nanasa ny tongony roa, avy eo nitolorako lamba izy fa tsy nandray, ka niala teo no sady namafa ny rano teo amin'ny vatany tamin'ny tànany roa.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro, avy eo dia manavasava ny volony tamin'ny tànany, mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volony ny rano ary lena ny hodi-dohany, nandraraka rano in-telo taminy, avy eo nanasa ny vatany iray manontolo, dia hoy izy : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) nandro amin'ny koveta iray ary samy nanovo tao izahay roa. .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari