Ny Mpaminany (S.A.W) dia saro-kenatra kokoa noho ny virijiny miafina ao antranony, fa rehefa misy zavatra tsy tiany, dia fantatray tamin'ny tarehiny izany.
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) niteny izy :
Ny Mpaminany (S.A.W) dia saro-kenatra kokoa noho ny virijiny miafina ao antranony, fa rehefa misy zavatra tsy tiany, dia fantatray tamin'ny tarehiny izany.
كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَشَدَّ حَيَاءً مِنَ العَذْرَاءِ فِي خِدْرِهَا، فَإِذَا رَأَى شَيْئًا يَكْرَهُهُ عَرَفْنَاهُ فِي وَجْهِهِ.
Mitantara i Abo Said Al-Khodri (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia saro-kenatra mihoatra noho ny zazavavy virijiny tsy nanambady, tsy mifanerasera amin'ny lehilahy, izay miafina ao an-tranony, ary noho ny henatra mafy teo aminy, fa raha misy zavatra halany dia miova ny tarehiny fa tsy miteny izy, fa ireo mpiara-dia aminy no mahafantatra izany amin'ny alalan'ny tavany.
العَذْرَاء: البكر، وهي الأنثى التي لم يمسها رجل، سميت به لبقاء عذرتها، وهي ما يكون من التحام في فم الرحم.
الخِدْر: ناحية في البيت يترك عليها ستر.
Fanazavana momba ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny lafiny henatra, ary izy io dia toetra lehibe.
Fahamenatran'ny Mpaminany (S.A.W) raha mbola tsy ny fahamasinan’I Allah no voahitsakitsaka. Fa raha voahitsakitsaka kosa ny fahamasinan'I Allah dia tezitra izy (S.A.W) ary mandidy sy mandrara ireo mpanara_diany.
Famporisihana mba hahay menatra; Satria izy io mitondra ny fanahy hanao ny tsara sy handao ny ratsy.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 26) (6102).
Sahìh Moslim (4/ 1809) (2320).
Ny Fanampiny (6)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (2/ 11).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (4/ 32).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 562).