" Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), fa Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :
" Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".
«نَارُكُمْ جُزْءٌ مِنْ سَبْعِينَ جُزْءًا مِنْ نَارِ جَهَنَّمَ»، قِيلَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنْ كَانَتْ لَكَافِيَةً. قَالَ: «فُضِّلَتْ عَلَيْهِنَّ بِتِسْعَةٍ وَسِتِّينَ جُزْءًا كُلُّهُنَّ مِثْلُ حَرِّهَا».
Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa ny afon'ny eto an-tany dia ampahany kely amin'ny fitopolo ao amin'ny Afobe. Ny afon’ny any ankoatra dia mafana Sivy amby Enimpolo avo heny noho ny hafanan’ny afon’ny eto an-tany, ka isaky ny ampahany dia mitovy amin’ny hafanan’ny eto an-tany. Teo dia nisy Niteny hoe : O Ry Irak'Allah ny afo eto an-tany efa mahampy amin'ny fanasazina ny Olona ao anatiny, Namaly Izy ka nanao hoe : Ny hafanan'ny Afobe dia mitombo avo heny amin'ny hafanan'ny afo eto an-tany eo amin'ny Sivy ambin'ny Enimpolo eo.
...:
Fampitandremana momba ny afo mba hanalaviran'ny Olona ireo hetsika mitarika ny fidirana ho amin'izany.
Ny haleben'ny afon'ny Afobe sy ny sazy ao aminy, sy hamafin'ny hafanany.
Sahìh Al-Bokhari (4/ 121) (3265).
Sahìh Moslim (4/ 2184) (2843).
Ny Fanampiny (4)
المفهم (7/178).
التوضيح (19/177).
عمدة القاري شرح صحيح البخاري (15/ 165).
فتح الباري لابن حجر (6/ 334).