Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

22 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.” Niteny izy ireo : Ary ahoana ny tsy fahampiana amin’ny fivavahana sy ny sainay ry irak’Allah? Dia hoy izy hoe : “Tsy mitovy amin’ny antsasan'ny fijoroana vavolombelona ataon’ny lehilahy ve ianareo vehivavy?” Hoy izy ireo : “Eny", dia hoy izy : “Izany no ilazana ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsainy, ary moave raha tonga fotoana izy dia tsy mivavaka sy mifady hanina?". Hoy izy ireo : "Eny", dia hoy izy : “Izany no tsy fahampian'ny fivavahany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tompo Allah dia hiteny amin’ny mponin’ny Paradisa hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa ô!? Hoy izy ireo : Eny, mamaly ny antsonay ry Tomponay, dia hoy I Allah : "Moave afa-po ianareo? Hoy izy ireo : “Nahoana izahay no tsy afa-po rehefa nomenao izay tsy nomenao na iza na iza teo amin’ny zavaboarinao? dia hoy I Allah : Homeko zavatra tsara noho izany ianareo, hoy izy ireo : Tompo ô! Inona indray no zavatra mihoatra izany? Dia hoy Izy : Omeko anareo ny fifaliko, ary tsy ho tezitra aminareo Aho intsony intsony aorian’izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Any amin'ny Paradisa, ny mpino dia hanana lay vita amin'ny perla iray, enim_polo taona ny halavany, ary hivezivezy ao ireo mpino ka tsy hifankahita izy ireo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim