Skip to content

"Izay nanomana vatsy ho an'ny mpiady amin'ny làlan'I Allah dia efa niady, ary izay nisolo-toerana ny mpiady amin'ny làlan'I Allah tamin'ny tsara dia niady."

Tatitra azo avy tamin'i Zaid Ibn Khalid (R.A) niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe :

"Izay nanomana vatsy ho an'ny mpiady amin'ny làlan'I Allah dia efa niady, ary izay nisolo-toerana ny mpiady amin'ny làlan'I Allah tamin'ny tsara dia niady."

«مَنْ جَهَّزَ غَازِيًا فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَقَدْ غَزَا، وَمَنْ خَلَفَ غَازِيًا فِي سَبِيلِ اللَّهِ بِخَيْرٍ فَقَدْ غَزَا».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nanomana vatsy ho an'ny olona handeha hiady amin'ny làlan'I Allah sy izay tsy maintsy ilainy toy ny fitaovam-piadiana, fitaingenana, sakafo, fandaniana ary zavatra hafa; Mitovy lanja amin’ny mpiady izy, ary mahazo ny valisoa azon’ireo mpiady. Ary izay mitantana ny raharahan'ny mpiady amin'ny tsara, ary misolo-toerana azy eo amin'ny fikarakarana ny ankohonany mandritra ny fotoana tsy maha eo azy, dia sahala amin'ny mpiady no hitsarana azy.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Manentana ny mpino silamo mba hiara-hisalaha amin’ny fanaovan-tsoa.

Hoy i Ibn Hajar : Ao amin'ity hadith ity dia misy famporisihana amin'ny fanasoavana ho an'ireo manatanteraka tombontsoa ho an'ny mpino silamo, na manatanteraka zavatra amin'ireo andraikiny.

Ny fitsipika ankapobeny : dia izay manampy olona amin’ny fankatoavana an’I Allah dia hahazo valisoa mitovy amin’ny valisoa azony, nefa tsy nesorina na kely aza tamin'ny valisoa azon'ilay mpanao.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 27) (2843).

Sahìh Moslim (3/ 1506) (1895).

Ny Fanampiny (12)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 267).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص143).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (3/ 588).

لسان العرب.

لابن منظور (15/ 123).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (2/ 374).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 202).