“Tompo Allah ô, izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka nankasarotra izany tamin'izy ireo dia ankasaroto ihany koa ny momba azy, ary izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka mora sy tsotra tamin'izy ireo dia ankamorao ihany koa ny momba azy".
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny hoe : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny tato an-tranoko ity manao hoe :
“Tompo Allah ô, izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka nankasarotra izany tamin'izy ireo dia ankasaroto ihany koa ny momba azy, ary izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka mora sy tsotra tamin'izy ireo dia ankamorao ihany koa ny momba azy".
«اللَّهُمَّ مَنْ وَلِيَ مِنْ أَمْرِ أُمَّتِي شَيْئًا فَشَقَّ عَلَيْهِمْ فَاشْقُقْ عَلَيْهِ، وَمَنْ وَلِيَ مِنْ أَمْرِ أُمَّتِي شَيْئًا فَرَفَقَ بِهِمْ فَارْفُقْ بِهِ».
Nangataka tamin'Allah (S.A.W) ho an’ ny Olona rehetra izay niandraikitra ny raharahan'ny mpino silamo, na kely na lehibe, ary izany andraikitra izany dia fiahiana amin'ny ankapobeny, na fiahiana amin'ny ampahany na manokana, ka nankasarotra tamin’izy ireo izy no sady tsy tsara fanahy tamin’izy ireo, dia Allah ilay avo Tsitoha hamaly azy mitovy amin'izay nataony dia hankasarotra izany aminy. Ary izay nalemy fanahy amin’izy ireo sy manamora ny raharahany, dia ho tsara fanahy aminy i Allah ary hanamora ny raharahany.
Voadidy amin'izay mitantana ny raharahan'ny mpino silamo ny halefaka amin'izy ireo arak'izay vitany.
Ny valisoa dia mifanaraka amin'ny asa atao.
Ny fifandanjana amin'izay heverina ho fahalemem-panahy na henjana dia izay tsy mifanohitra amin'ny boky masina Koroany sy ny Sounnah.
Sahìh Moslim (3/ 1458) (1828).
Ny Fanampiny (6)
فتح ذي الجلال والاكرام بشرح بلوغ المرام.
لابن عثيمين (6/ 367).
منحة العلام في شرح بلوغ المرام.
لعبد الله الفوزان (10/ 224).
توضيح الأحكام من بلوغ المرام.
للبسام (7/ 419).
Cited in books
2 BooksNy Fanampiny (2)
- الدعوة إلى الله وأخلاق الدعاة«اللَّهُمَّ مَنْ وَلِىَ مِنْ أَمْرِ أُمَّتِى شَيْئاً فَشَقَّ عَلَيْهِمْ فاشْقُقْ عَلَيْهِ وَمَنْ وَلِىَ مِنْ أَمْرِ أُمَّتِى شَيْئاً فَرَفَقَ بِهِمْ فَارْفُقْ بِهِ »
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)التربية الأسلامية 1«اللهُمّ، منْ ولِي مِنْ أمْرِ أُمّتِي شيْئًا فشقّ عليْهِمْ، فاشْقُقْ عليْهِ، ومنْ ولِي مِنْ أمْرِ أُمّتِي شيْئًا فرفق بِهِمْ، فارْفُقْ بِهِ»