Skip to content

أحمد بن عبد الحليم بن عبد السلام بن تيمية

الإسم

Ahmad bin Abd Al- Halìm bin Abd Al- Salàm bin Taymiyyah

اسم الشهرة

Ibn Taymiyyah

نبذة مختصرة

Ahmad bin Abd al-Halìm bin Abd al-Salam bin Taymiyyah al-Harràni, Sheikh Al Islam, imam tena niezaka sy mpanavao, teraka tamin'ny taona 661, tompon'ny fahalalana ara-pinoana sy ara-tsaina, tompon'ny faharanitan-tsaina sy ny fahatakarana, Nankahala ny antsoina hoe Taqiyy al-Din izy, saingy nalaza tamin'ny maha-Sheikh Al- Islam azy, ary nilaza momba azy ny manam-pahaizana Ibn Dakik al-Eid hoe : (Rehefa nihaona tamin'i Ibn Taymiyyah aho dia nahita fa lehilahy iray nanana ny fahalalana rehetra teo anoloany, afaka maka izay ilainy ary mamela izay tsy ilainy), ary hoy i Al-Hafiz Ibn Hajar : (Ary nianatra lalàna izy, nahay sy niavaka, nandroso sy nanasokajy, nianatra sy namoaka fatwa, nisongadina manoloana ny namany, ary nanjary mahagaga tamin'ny hafainganan'ny fiderana, ny herin'Allah, ny fanitarana ny zavatra nampitaina sy ny antonony, ary ny fanitarana ny foto-pampianaran'ireo teo alohany sy ny mpandimby azy), Manana asa be dia be izy ka hoy i Al-Dhahabi : (Angamba ny asa sorany amin'izao fotoana izao dia mahatratra 4.000 na mihoatra), anisan'izany ny "Dar'o Taà'rod Al-a'qli wan-naqli" sy "Al-Minhaj sonnah Nabawi", "Al-Istiqàma", " Al-jawab sahih liman baddala dinol-masìh," ary "Bayan Talbis Al-Jahmya" , "Iqtida Siratol-mostaqim Limokhalafato Ashabol-jahim", Maty tamin’ny taona 728 izy.

المراجع

Ny Fanampiny (1)
المعجم المختص بالمحدثين (ص: 25) معجم الشيوخ الكبير للذهبي (1/56) فوات الوفيات(1/74) ذيل التقييد (1/325) الأعلام للزركلي (1/144)