Skip to content

Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Abdallah Al-Jadali niteny hoe : Nanontany an'i Aisha, renin'ny mpino silamo aho, momba ny toetran'ny irak'Allah (S.A.W), dia hoy izy namaly :

Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra.

لَمْ يَكُنْ فَاحِشًا وَلَا مُتَفَحِّشًا وَلَا صَخَّابًا فِي الْأَسْوَاقِ، وَلَا يَجْزِي بِالسَّيِّئَةِ السَّيِّئَةَ وَلَكِنْ يَعْفُو وَيَصْفَحُ.

Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanontaniana momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) i Aisha (R.A), renin'ny mpino, dia namaly izy : Tsy tao amin'ny toetrany ny vetaveta sy faharatsiana na tamin'ny teniny na asa nataony, ary tsy nanao vetaveta na ninia nanao izany izy, ary tsy mpitabataba nampiaka-peo teny an-tsena, ary tsy namaly ratsy amin'ny ratsy. Fa mamaly amin’ny asa soa Izy, mamela heloka ao anaty, mandefitra ary miala amin’izany ety ivelany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fanazavana momba ny fitondran-tena ambony nananan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny halavirany amin'ny fitondran-tena tsy mendrika.

Famporisihana hampihatra fitondran-tena tsara sy hialana amin'ny fitondran-tena ratsy.

Fanamelohana ny teny vetaveta sy ny teny ratsy.

Ny fampiakarana ny feo sy ny fitabatabana amin'ny olona dia voaheloka.

Famporisihana ny hamaliana ny ratsy amin'ny tsara sy ny famelana ary fandeferana.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (3/ 437) (2016).

Mosnad Ahmad (42/ 256) (25417).

Ny Fanampiny (7)

فتح الباري شرح صحيح البخاري.

لابن حجر(6/ 575).

إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري.

القسطلاني (9/ 30).

معجم اللغة العربية المعاصرة (2/ 1629).

مرقاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.

لعلي القاري (9/ 3717).