Skip to content

“Holazaina amin’izay mpamaky ny boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay vakinao ”.

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) hoe :

“Holazaina amin’izay mpamaky ny boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay vakinao ”.

«يقالُ لصاحبِ القرآن: اقرَأ وارتَقِ، ورتِّل كما كُنْتَ ترتِّل في الدُنيا، فإن منزِلَكَ عندَ آخرِ آية تقرؤها».

Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad
Tsara
Ny fanazavana

Nilaza sy nampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa holazaina amin'ny mpamaky ny Boky masina Koroany, sy ny Mpampihatra izay rehetra voalaza ao anatiny, ny tsy hitsaharany eo amin'ny famakina ny Boky masina Koroany sy fanaovana tsianjery Azy rehefa miditra ny Paradisa : Vakio ny Boky masina Koroany, ary miakara amin'ny ambaratonga ao amin'ny Paradisa Ianao, ary Vakio miadana tsara am-pitoniana, fa ny toerana hametrahana Anao dia eo amin'ny toerana farany izay Vakinao ao amin'ny Boky masina Koroany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny valisoa dia miankina amin'ny habetsahan'ny asa sy ny Kalitaony.

Famporisihana ny hamaky ny Boky masina KOROANY, hifehy azy, hanao tsianjery, hisaintsaina izay rehetra voalaza ary hampihatra izay rehetra voarakitra ao.

Ny Paradisa dia misy rihana maro sy ambaratonga, fa olon'ny boky masina Koroany dia hahazo ny ambaratonga avo indrindra.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (2/ 592) (1464).

Sonan At-Tirmizì (5/ 35) (2914).

Mosnad Ahmad (11/ 403) (6799).

Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì (7/ 272) (8002).

Ny Fanampiny (3)

معالم السنن (1/290).

تحفة الأحوذي (8/187).

عون المعبود وحاشية ابن القيم (4/ 237).