I Mpaminany (S.A.W) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny :
I Mpaminany (S.A.W) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra.
كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَذْكُرُ اللهَ عَلَى كُلِّ أَحْيَانِهِ.
Mampahafantatra i Aicha (R.A) renin'ny mpino rehetra fa i Mpaminany (S.A.W) dia tena mifikitra amin'ny fahatsiarovana sy fiderana an'Allah, ka izy dia midera an'Allah amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra.
...:
Tsy anisany fepetra takina ny fahadiovana amin'ny loto kely sy lehibe rehefa hanao Zikr ny olona iray.
Tsy mitsahatra amin'ny fiderana mihitsy i Mpaminany (S.A.W).
Famporisina amin'ny tokony fanaovana im-betsaka ny Zikroullahi amin'ny fotoana rehetra mba ho fanarahana ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) afa-tsy amin'ireo toerana tsy azo anaovana izany toy ny amin'ny toeram-pivoahana.
Sahìh Moslim (1/ 282) (373).
Sahìh Al-Bokhari (1/ 68).
(1/ 129).
Ny Fanampiny (6)
توضيح الأحكام مِن بلوغ المرام.
للبسام (1/ 315).
فتح ذي الجلال والإكرام شرح بلوغ المرام.
لابن عثيمين (1/ 273).
مجموع فتاوى ومقالات.
لابن باز (26/ 17).