Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

10 of 665 cards

Clear filters
"Raha tsy ho lasa enta-mavesatra amin'ny mpino - na : ho an'ny vahoaka - dia nandidy azy ireo aho hampiasa ny siwak isaky ny hanao Swalat aho."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy misy olona miarahaba ahy afa-tsy hoe haverin'I Allah amiko mba hamaliako ny fiarahabany".
Tsara ny fampitana Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
Ny hafatra ankapoben'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa tonga taminy ny fahafatesana dia : “Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo, mandra-pahatongan'ny Mpaminany niala aina sy sempotra tamin'ny tratrany, ary saika tsy nahavita namoaka izany ny lelany.
Mari-pototra رواه النسائي في السنن الكبرى وابن ماجه
Fa nisy andian'ny mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W) nanontany ny vadin'ny Mpaminany (S.A.W) momba ny asa atony amin'ny mangingina? Dia hoy ny sasany : Tsy hanambady vehivavy aho, ary hoy ny sasany : Tsy hihinana hena aho, ary hoy ny sasany : Tsy hatory am-pandriana aho. Koa nidera sy nisaotra an’Allah i Mpaminany (S.A.W) dia niteny manao hoe : “Inona no manjo ny olona izay niteny izao sy izao? Fa Izaho kosa mivavaka sy matory, mifady hanina sy misakafo ary manambady vehivavy, ka izay miala amin’ny fomba amam-panaoko dia tsy anisan'ny miara-dia amiko”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nampidinina tamin'ny ilay Irakan' i Tompo Allah ny faminaniana fony izy mbola Efa-polo Taona, nitoetra tao Lameka (Makka) nandritra ny Telo ambin'ny folo taona, avy eo dia nasaina nifindra monina, ka nifindra monina nakany tany Madina, ary nitoetra tao nandritry ny folo Taona, avy eo dia maty Izy (S.A.W).
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
O! Ry Renin'ny mpino rehetra, ambarao ahy ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), dia namaly izy hoe : Moa ve tsy mpamaky Koroany ianao? Niteny aho hoe : Eny, Dia niteny izy hoe : fa ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny Koroany.
Mari-pototra Notantarain'ny moslim tao anaty hadith lava
Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim