Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
"Raha tsy ho lasa enta-mavesatra amin'ny mpino - na : ho an'ny vahoaka - dia nandidy azy ireo aho hampiasa ny siwak isaky ny hanao Swalat aho."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
Fa nisy andian'ny mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W) nanontany ny vadin'ny Mpaminany (S.A.W) momba ny asa atony amin'ny mangingina? Dia hoy ny sasany : Tsy hanambady vehivavy aho, ary hoy ny sasany : Tsy hihinana hena aho, ary hoy ny sasany : Tsy hatory am-pandriana aho. Koa nidera sy nisaotra an’Allah i Mpaminany (S.A.W) dia niteny manao hoe : “Inona no manjo ny olona izay niteny izao sy izao? Fa Izaho kosa mivavaka sy matory, mifady hanina sy misakafo ary manambady vehivavy, ka izay miala amin’ny fomba amam-panaoko dia tsy anisan'ny miara-dia amiko”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
O! Ry Renin'ny mpino rehetra, ambarao ahy ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), dia namaly izy hoe : Moa ve tsy mpamaky Koroany ianao? Niteny aho hoe : Eny, Dia niteny izy hoe : fa ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny Koroany.
Mari-pototra Notantarain'ny moslim tao anaty hadith lava
Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
i Mpaminany (S,W,A) no olona tsara toetra indrindra.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim