“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”
«يَقْبِضُ اللَّهُ الأَرْضَ، وَيَطْوِي السَّمَوَاتِ بِيَمِينِهِ، ثُمَّ يَقُولُ: أَنَا المَلِكُ، أَيْنَ مُلُوكُ الأَرْضِ».
Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia haka ny tany ary hanangona azy i Allah, ary hamoritra ny lanitra amin'ny tànany ankavanana, ary hamoritra sy hamadibadika azy amin'ny lanitra sasany ka ho levona, avy eo dia miteny izy hoe : Izaho no mpanjaka, aiza ireo mpanjakan'ny tany?
...:
Fampahatsiahivana fa ny fanjakan’Allah dia mitoetra mandrak'izay fa ny fanjakan’ny hafa dia ho foana.
Ny fahalehibiazan’Allah, ny halehiben’ny heriny, ny fahefany ary ny fahafenoan’ny fanjakany.
Sahìh Al-Bokhari (6/ 126) (4812).
Sahìh Moslim (4/ 2148) (2787).
Ny Fanampiny (3)
فتح الباري (13/367).
عمدة القاري شرح صحيح البخاري (23/ 101).
البحر المحيط الثجاج (43/324).