Skip to content

"Ry Abbas, ry dadatoan'ilay Irak'Allah (S.A.W), angataho amin'I Allah ny fahasalamana eto an-tany sy ny any ankoatra".

Tatitra azo avy tamin'i Abbas bin Abdol-Mottalib (R.A) niteny izy :

Hoy aho : Ry irak'Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Hoy izy : “Angataho amin’I Allah ny fahasalamana”. Nijanona andro vitsivitsy aho dia avy eo niverina ka niteny hoe : Ry irak'I Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Dia hoy izy tamiko : "Ry Abbas, ry dadatoan'ilay Irak'Allah (S.A.W), angataho amin'I Allah ny fahasalamana eto an-tany sy ny any ankoatra".

قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، عَلِّمْنِي شَيْئًا أَسْأَلُهُ اللَّهَ عَزَّ وَجَلَّ. قَالَ: «سَلِ اللَّهَ العَافِيَةَ»، فَمَكَثْتُ أَيَّامًا ثُمَّ جِئْتُ فَقُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، عَلِّمْنِي شَيْئًا أَسْأَلُهُ اللَّهَ. فَقَالَ لِي: «يَا عَبَّاسُ، يَا عَمَّ رَسُولِ اللهِ، سَلِ اللَّهَ العَافِيَةَ فِي الدُّنْيَا وَالآخِرَةِ».

Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Marina ho an'ny hafa
Ny fanazavana

Ny dadatoan'ny Mpaminany (S.A.W) Al-Abbas bin Abdol Mottalib (R.A) dia nangataka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) mba hampianatra azy ny fitalahoana ho entiny mangataka amin'I Allah,ka nampianatra azy hangataka amin'I Allah ny fahasalamana sy ny fiarovana amin'ny fahoriana sy ny kilema eo amin'ny finoana sy ny eto an-tany ny Mpaminany (S.A.W). Niteny i Al-Abbas hoe : Rehefa afaka andro vitsivitsy dia niverina taminy aho ary mangataka azy indray mba hampianatra ahy ny fitalahoana izay angatahiko amin’I Allah, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy miaraka amin'ny fitiavana nanao hoe: Ry Abbasy ô!, Ry dadatoan’ny Irak'Allah! Angataho amin'I Allah ny fahasalamana mba hanoherana ny ratsy rehetra sy hisotonana ny tsara rehetra eto an-tany sy any ankoatra.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny famerimberenan'ny Mpaminany (S.A.W) ny valin_teny mitovy tamin'i Abbas rehefa nanontany azy fanindroany dia manambara fa ny fahasalamana no zavatra tsara indrindra angatahin'ny mpanompo amin'ny Tompony.

Fanazavana ny hatsaran'ny fahasalamana ary mitondra soa eto an-tany sy ny any ankoatra.

Ny fifikiran'ireo mpanara_dian'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fampitombona ny fahalalana sy ny hatsarana.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (5/ 491) (3514).

Mosnad Ahmad (3/ 303) (1783).

Ny Fanampiny (9)

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين (2/ 1014).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (17/ 468).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (2/ 566).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل المبارك (ص815).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (6/ 40).