"Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".
Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :
"Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".
«مَثَلُ الْمُؤْمِنِينَ فِي تَوَادِّهِمْ وَتَرَاحُمِهِمْ وَتَعَاطُفِهِمْ مَثَلُ الْجَسَدِ، إِذَا اشْتَكَى مِنْهُ عُضْوٌ تَدَاعَى لَهُ سَائِرُ الْجَسَدِ بِالسَّهَرِ وَالْحُمَّى».
Nasehon'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa ny toe-piainan'ny mpino silamo amin'ny samy izy ireo dia ny fanirian-tsara, ny famindram-po, ny fanampiana ary ny fanohanana, ary ny fahatsapana hotsika amin'ny loza manjo azy ireo, dia toy ny vatana tokana, raha marary ny ampahany iray dia ny vatana manontolo no mamaly azy amin'ny tsy fahampian-torimaso sy ny tazo.
...:
Tokony hamafisina ny zon'ny silamo ary hamporisihana ny fiaraha-miasa sy ny hatsaram-panahy eo aminn'ny samy izy.
Tokony hisy fitiavana sy fanohanana eo amin’ny olona manam-pinoana.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 10) (6011).
Sahìh Moslim (4/ 1999) (2586).
Ny Fanampiny (9)
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
مجموعة من الباحثين (1/ 246).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 317).
كنوز رياض الصالحين.
مجموعة من الباحثين (4/ 405).
تطريز رياض الصالحين.
لفيصل آل مبارك (ص173).
المعجم الوسيط (1/ 492).