Skip to content

“Tsy misy olona hokapohina mihoatra ny kapoka folo, raha tsy ao anatin’ny fetra napetrak’Allah”.

Tatitra azo avy amin'i Abo Borda (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ilay Irak'I Allah (S.A.W) niteny manao hoe :

“Tsy misy olona hokapohina mihoatra ny kapoka folo, raha tsy ao anatin’ny fetra napetrak’Allah”.

«لَا يُجْلَدُ أَحَدٌ فَوْقَ عَشَرَةِ أَسْوَاطٍ إِلَّا فِي حَدٍّ مِنْ حُدُودِ اللهِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nandrara ny kapoka mihoatra ny folo ny Mpaminany (S.A.W) afa-tsy amin'ny ota no tiana ho lazaina amin'ny lalàna fa tsy isan'ny kapoka, na famaizana manokana mihoatra ny kapoka folo amin’ny famaizana, toy ny kapoka ny vady aman-janany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fetran’I Allah Tsitoha izay nandidiany na nandrarany dia misy sazy mahasakana azy ireo, na voafaritry ny lalàna, na araka ny tombanany amin’ny tombontsoa hitan’ny mpitondra.

Ny famaizana dia tokony ho maivana toy ny fitarihana sy fandrahonana, ary tsy tokony hihoatra ny kapoka folo raha ilaina, tsara kokoa ny manafay azy ireo tsy misy kapoka, fa amin'ny fampianarana, fanabeazana, fitarihana ary fientanentanana, satria izany dia mety hitarika ho amin'ny fanekena sy ny fientanam-po. Ny hatsaram-panahy amin'ny fampianarana dia samy hafa be ny toe-javatra, ka ny tsara indrindra no tokony hatao.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 174) (6850).

Sahìh Moslim (3/ 1332) (1708).

Ny Fanampiny (4)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص677).

توضيح الأحكام مِن بلوغ المرام.

لعبد الله البسام (5/ 465).