Skip to content

"Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”

Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :

"Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”

«إِنَّ أَهْوَنَ أَهْلِ النَّارِ عَذَابًا مَنْ لَهُ نَعْلَانِ وَشِرَاكَانِ مِنْ نَارٍ، يَغْلِي مِنْهُمَا دِمَاغُهُ كَمَا يَغْلِ الْمِرْجَلُ، مَا يَرَى أَنَّ أَحَدًا أَشَدُّ مِنْهُ عَذَابًا، وَإِنَّهُ لَأَهْوَنُهُمْ عَذَابًا».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanambara tamintsika i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona izay hijaly kely indrindra amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia izay manana kapa sy kitrokely izay mampangotraka ny atidohany ny hafanany, toy ny vilany varahina mangotraka, ary tsy hitany fa misy olona ampijaliana mafy kokoa noho izy, ary izy no kely indrindra amin'ireo fijalina, ka ny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina no hitambatra aminy.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fampitandremana ho an’ireo tsy mankatò sy tsy mino ny amin’ny horohoron’ity fampijaliana any amin’ny helo ity. Mba manalavitra izay ahatongavany.

Ny toerana hidiran'ireo izay miditra amin'ny helo dia hiova arakaraka ny asa ratsy nataony.

Ny hamafin'ny fampijalian'ny helo, Allah Tsitoha anie hiaro antsika amin'izany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 115) (6561).

Sahìh Moslim (1/ 196) (213).

Ny Fanampiny (9)

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 366).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (6/ 394).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 472).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (3/ 295).

المعجم الوسيط (1/ 256).