Skip to content

“Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”.

Tatitra avy tamin'i Abdollahi Bin Massod (R.A) ; Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”.

«إِنَّ مِنْ شِرَارِ النَّاسِ مَنْ تُدْرِكُهُ السَّاعَةُ وَهُمْ أَحْيَاءٌ، وَمَنْ يَتَّخِذُ الْقُبُورَ مَسَاجِدَ».

Notantarain'i Ahmad
Tsara
Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) momba ny olona ratsy indrindra, dia ireo tratran'ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy ireo olona mandray ny fasana ho toeram-pivavahana, ka mivavaka eo aminy sy mangataka aminy .

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fandrarana ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana; Satria izany dia làlana mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.

Fandrarana ny fivavahana any am-pasana, na dia tsy misy trano aza; Satria ny moske dia anaran'ny toerana fiankohofana, eny na dia tsy misy trano aza.

Izay mandray ny fasan’ny olo-mendrika ho moske hivavahana dia anisan’ireo zavaboary ratsy indrindra, na dia mihevitra aza izy fa ny hanatona bebe kokoa an’I Allah Tsitoha no fikasany amin'izany.

Loharano iverenana

Mosnad Ahmad (6/ 394) (3844).

Ny Fanampiny (6)

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

لمحمد القرعاوي (ص191).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص176).

أحكام الجنائز.

للألباني (1/ 217).