Voatonona teo anatrehan’ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy natory nandritra ny alina mandra-maraina, dia niteny izy hoe : “Io dia lehilahy iray izay namanian’ny satana teo amin'ny sofiny roa, na koa niteny hoe : teo an-tsofiny”.
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi bin Maso’di (R.A) niteny manao hoe :
Voatonona teo anatrehan’ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy natory nandritra ny alina mandra-maraina, dia niteny izy hoe : “Io dia lehilahy iray izay namanian’ny satana teo amin'ny sofiny roa, na koa niteny hoe : teo an-tsofiny”.
ذُكِرَ عِنْدَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَجُلٌ نَامَ لَيْلَهُ حَتَّى أَصْبَحَ، قَالَ: «ذَاكَ رَجُلٌ بَالَ الشَّيْطَانُ فِي أُذُنَيْهِ، أَوْ قَالَ: فِي أُذُنِهِ».
Nolazaina teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) momba ilay lehilahy iray izay natory mandra-pahamarain'ny andro sy niposaka ny masoandro ary tsy nitsangana tamin'ny vavaka tsy maintsy atao, dia hoy izy hoe : Lehilahy namanian'ny devoly ny sofiny.
Fankahalana ny famelana ny vavaka amin’ny alina, ary noho i Satana izany.
Fitandremana amin'ny devoly izay manenjika olona amin'ny làlana rehetra mba hisakanana azy tsy hankatò an’I Allah Ilay Tsitoha.
Hoy I Ibn Hajar : Ny teniny : (Tsy nitsangana hivavaka izy) ny tiany ho lazaina dia ny vatana, ary mety hidika hoe fifanekena izany, ary ny tiany lazaina dia ny hoe vavaka alina na vavaka tsy maintsy atao.
Hoy i Al-Tibi : Notsiahiviny manokana ny sofina, na dia ny maso no mety kokoa ho an'ny torimaso, izay manondro ny hamafin'ny torimaso, dia ny sofina no loharanon'ny saina, ary ny amany no nolazainy manokana; Satria mora kokoa ny miditra ao anaty lavaka ary miditra haingana kokoa amin'ny lalan-drà, dia miteraka hakamoana amin'ny taova rehetra.
Sahìh Al-Bokhari (4/ 122) (3270).
Sahìh Moslim (1/ 537) (774).
Ny Fanampiny (10)
بهجة الناظرين.
لسليم الهلالي (2/ 328).
نزهة المتقين.
لمجموعة من الباحثين (2/ 834).
فتح الباري شرح صحيح البخاري.
لأحمد العسقلاني (3/ 28).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (5/ 193).
المنهاج شرح صحيح مسلم بن الحجاج.
النووي (6/ 64).