"Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny ".
Tatitra azo avy amin'i Abou Moussa Al-Ashariou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny ".
«تَعَاهَدُوا هَذَا الْقُرْآنَ، فَوَالَّذِي نَفْسُ مُحَمَّدٍ بِيَدِهِ لَهُوَ أَشَدُّ تَفَلُّتًا مِنَ الْإِبِلِ فِي عُقُلِهَا».
Nandidy i Mpaminany (S.A.W) amin'ny ffikirana amin'ny boky masina Koroany sy ny famakina azy matetika mba tsy hanadinoana azy taorian'ny nahaizany azy tsianjery tao am-pony, ary nanamafy i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fianianiana nataony fa ny Boky masina Koroany dia malaky mandeha sy mora miala ao am-po mihoatra ny rameva izay mifatotra, izay afatotra amin'ny tady eo afovoan'ny sandriny, raha tazonin'ny olona izany dia voatazony, ary raha avelany dia lasa ka very.
Raha toa ka mifikitra amin'ny famakiana azy hatrany hatrany ny mpahay tsianjery ny CORAN dia ho voatahiry ao am-pony izany, raha tsy izany dia handao azy izy ka hanadino izany.
Anisan'ny tombony azo amin'ny fianarana ny CORAN : Tombotsoa sy valisoa ary fampiakarana ny voninahitra amin'ny andro andro farany.
Sahìh Moslim (1/ 545) (791).
Ny Fanampiny (7)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
تأليف سليم الهلالي (2/ 231).
رياض الصالحين من كلام سيد المرسلين (ص299) (1002).
شرح رياض الصالحين.
للشيخ محمد بن صالح العثيمين (4/ 657).
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (13/ 5).