Skip to content

"Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy."

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Massod (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy."

«لَيْسَ الْمُؤْمِنُ بِالطَّعَّانِ وَلاَ اللَّعَّانِ وَلاَ الفَاحِشِ وَلاَ البَذِيءِ».

Notantarain'i Al-Tirmizì
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy fanaon'ny mpino be finoana ny manala baraka ny olona amin'ny firazanany, na ny manompa sy manozona matetika, na ny manao vetaveta amin'ny fihetsika na fiteny, tsy misy henatra akory.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny manala ny finoana eo amin'ny lahatsoratry ny lalàna silamika dia tsy inona afa-tsy noho ny fanaovana zava-boarara na tsy firaharahana adidy.

Famporisihana hitandro ny rantsambatana sy hiaro azy amin’ny ratsy, indrindra ny lela.

Nilaza i Sindi : Ny filazana hoe ( mpanindrona be sy mpanozona be) porofo milaza fa tsy midika ho tsy mpino ny olona tafanompa mahalana ireo olona mendrika hahazo izany.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (3/ 520) (1977).

Ny Fanampiny (2)

تحفة الأحوذي (6/ 95).

مجموع الفتاوى (12/ 478).